Inty misy teny napetrak’i Verohanitra :

Indrisy mantsy Tompoko, namidin’ny olona ambongadiny tamin’ny frantsay izahay Malgasy. Handeha hitalaho amin-dry zareo hoe :  » arovy izahay ho Protectorat frantsay toy ny tamin’ny 1896. Avelao ho faty any ny Razanay fa misy dikany inona izay rà nalatsak’ireny matimaty foana ho fiarovana ny tanindrazana nefa hay 113 taona taty aoriana, dia hiverina ho zanatany indray ? Mangataka Tompoko ô ! Mba raiso izahay ho ao ambany elatrareo e. Marina fa niady taminareo izahay tamin’ny 1947, kanefa atao ahoana moa fa tsy dia nisaina loatra ireo Zokinay niady taminareo ireo fa izao izahay efa miverina aminareo satria ny PADESM sy ny taranany no efa eo amin’ny fitondrana. Mba omeo mofo re ! « 

_



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Messieurs les puissants de la terrre

13 Comments

  • Radel dit :

    Dia avelao re izy hanao izay hataony eo!tsy ho avy indray ve ny empechement na ny fanonganana an-dalambe afaka taona 1 na 2.
    Angaha avela ho votsitra fotsiny ity petrole brut midananaka etsy sy eroa any ambany andrefana sy avaratra andrefana ity,tsy maintsy ataony izay hampikorontana hahazoany an’io.
    Ary koa tsy efa manangasanga any koa moa ny kimberlite any Vondrozo sy tapany atsimo amin’iny Tongobory iny.
    Tsy maintsy ataony izay hangejana ra-havako,fa raha tsy izany votsotra daholo ireo,ho lasan’ny kanadiana (tahaka ny volamenan’i Miandrivazo),ny amerikana,ny sinoa,ny japoney.
    Eisy e! toetra io e!le zalahy iry sy ny tariny no natao fitaovcana satria matin-kanin-kely toa amalona e!

  • variana dit :

    Voalohany aloha dia isaorana an’Andriamanitra , fa tsy tanteraka ny nofinofin-dravalomanana sy ny Gasy Tia Tena ( GTT) any an-dafy any…… nieritreritra sy nangataka hatrany , hampiditra miaramila vahiny SADC sns…..hamerina ilay DICTATEUR ravalomananana eo @ fitondrana.
    Antony mahatonga ahy hiteny izany dia izao: mbola resaka ambony latabatra sy diplomasia no misy; dia efa mahatsiaro sahady nareo , fa toa voafitak’ireto mpanelanelana iraisam-pirenena, KOA RAHA SANATRIA ka tanteraka ilay fandefasana HERIM-PAMORETANA AFRIKANA hamerina an-dravalo.
    Dia tsoriko aminareo fa tsy fantatra izay ho NIAFARANY , fa angamba ady an-trano tsy nisy fiafarana no nisy teto Madagasikara , ary ireo GTT tia tena any an-dafy any no hangatsiatsiaka sy hilamina @ petit boulot ( livreur , baby sitter sns……) fa ny Malagasy aty an-tanindrazana no hizaka ny mafy. NY HITSIKITSIKA IVAVAHANAREO IZAO no lasa namitaka anareo……. koa mandiniha tsara @ manaraka, ary aza averina @ ny olona JADONA na DICTATEUR tahaka na-daravalo ny MALAGASY.
    AHIRATO TSARA NY MASO sy NY SAINA……. TADIDIO IZAY NATAON-Dravalo ny 2002 fa 1/1000 000 ny nataony no iainana @ izao 2009.
    ravalomanana ange t@ 2002 dia naniraka ireo Miaramila nikomy namoaka basim-panjakana , ka nandeha nanafika ireo LEGALISTE isaky ny faritany eh !!

  • ralezoka dit :

    Dia mba ahoana marina moa izany ry « matin-kanikely toa amalona » ny
    fiheveranareo ny tenanareo,ny fiafaràn’ity firenentsika ity ao aoriana
    kely ao, amin’izao ataonareo izao ?

  • nirina dit :

    samy miaiky anie na i ravalo ihany aza hoe betsaka ny tsy mety nataony ee. Fa ireto mba milaza haka fahefana sy be fampanantenana ireto nefa sady mangalatra, mamono, managadra (nefa oln oh’ndry pety sy ry kotiti aaza miadana ery mangalatra malalaka tsara), tsisy izay vita na keeeely aza: vary nampanantenana ifampizarandry zareo ao, ny menaka aiza, ny fiainana tsy vanona… izao tsika efa anaty hady mihitsy. Hitako hoe tsy mety ny nataondravalo fa ny ataon’ireo faty ireo teneniko anao fa mbola tsy vanona lavitra!!! ka tsy tokony i andry mitsy no hitondra anio tetezamita io raha ny hevitro! tsy zakany izany io!

  • Ramaherison dit :

    Mazava be anie ny teniny tao @TVM fa izy sy ny mpitondra miaraka aminy tsy ho voakasik’izany fahasahiranana izany ê!
    Ny marina dia lany izao ny tahiry ary efa nipaka tany @ fandrobàna olon-tsotra mihitsy ny raharaha ka mody miantso ny vahiny indray hanampy mba hanimbihina izay ho avy eo. Izany no hibodoany ny toerana satria mbola tsy ampy entina hialokaloka rehefa avy eo ny remby.Fantany ihany mantsy fa tsy haharitra eo intsony izy.

  • Légaliste et fier de l'âtre dit :

    Efa ady antrano anie izao ry ise e! fa inona no fieveranao mahazo ny olona mijaly @ izao. Heverinao fa raha nanana basy daholo ireny olona be dia be nilahatra ireny tsy efa maty daholo ny capsatan anao? fa izay mantsy le izy hoe isika malagasy pacifiste, dia izay koa no araraotinireto capsat ireto. Fa heverinao fa raha tany afrika no nisy tahaka izao tsy efa ela no nifampitifitra tao ny miaramila???
    Ary ianao miteniteny dictateur io mba akombony kely ny vava fa ny TGVn-doza anao dia pire noho ny rehetra. Mitovy tsisy valaka @ dadis n’i guinée fa izy mahay miteny frantsay kokoa fotsiny no mahasamy hafa azy.
    Ary mahasahy miteny koa aho fa raha tonga teo ny sadec efa nilamina isika ohatrizay satria tsy ny sadec mihitsy no andeha hitifitra ny vahoaka raha misy manao manifestation, na tgviste izany na légaliste!
    ka izay miaramila manao politika @ izay no potiky ny sadec na firehana avy aiza na avy aiza! Hainao aminizay ny mampiavaka ny SADEC sy ny CAPSATan? Ary aoka hazava fa misy miaramila momba ny légaliste fa saingy izao: tsy omena fiadiana izy fa ahodinolombitsy sy miaramila vitsy ny fitaovana. Dia tahak’izany koa ny ataon’i TGV @ izao fotoana izao saingy tady hivadika ny rasa fa i mazoarivo indray no midéfier an’i CAPSAT hein! Ka may ny endimboanjon’i TGvendrana kely ka lasa nifampiraharaha @ Monja. Mbola hidona @ rindrimby io fa aza maika. Ny azy mantsy le raha tsy voadona toa io izay vao manao négociation…

  • Rado dit :

    Mba hangataho @ i Sareraka anie io hira io mba ataony indray maka fotsiny e

  • soari dit :

    tsy dia gaga aho amin’ny variana raha izany no mentalité ny , mino marimarina aho fa anisan drizareo Tgviste izy dia ireny no fomba fiteniny sy fiheviny. Mba manontany anao tena feno fankahalana an’i Président Ra8 io aho hoe: hatramin’ny namotehanareo ny zava bitany teto Madagasikara tena manerana ny Nosy mihintsy no voarava daholo na ny tanàna izany na ny entreprise maro ao anatin’izany ny TIKO ary ny MAGRO sy ny sisa tsy voatanisa eto , inona no mba voatsangana reo ratsy saina mandrava efa ireo??? sa ireo olona lasa chomeur nohon’ny nataonaoreo mba nomenareo asa avokoa??? dia mihevitra ve ianareo fa faly aminareo ny Malagasy e ??? Tena indrisy fa tsy afaka mihetsika izy ireo na manao revendication na dia indray mbava aza fa tonga dia hampitahorina amin’ny basy na vonoina ,ary amin’izao fotoana izao aza mi violer ny vehivavy indray no malaza ao aminareo ao.??? asa ra mba maharaka tsara ianareo mpanenjika olona ireo fa ao amin’ny groupe nareo anie tahaka an dr’i Alain Ramaroson anisan’ny nanana entreprise lehibe ny rainy koa raha hendry sy olona manan tsaina izy naninona raha mba nanangana groupe tahaka an’ilay Mpivaro dronono , inona no nisakana azy??? tena n’importe quoi???? Vraiment des nuls, fialonana no betsaka, mampalahelo!!! Tena marina ny antson’i Verohanitra fa namidin’ireo tsy mahatahotody ambongadiny ny malagasy sy ny haren’ny taniny??? tadidio fa misy ANDRIAMANITRA ??? dia samy hiara hahita isika

  • Verohanitra dit :

    Misaotra an’i Mydago namerina izay voalazako. Raha niresaka tamin’ilay renibeko izay aho izay teraka tamin’ny andron-dRanavalona III ary nahita tsara ny nanaovan’ny frantsay ny Malagasy nanomboka tamin’ny 1896, dia izao no ambangovangony nolazainy :
    - Ny toerana ambony rehetra (poste-clé), dia aza manantena fa Malagasy no hitàna azy. Ho avy daholo ireo saomera frantsay hifehy ny asa manontolo. Asa ho aiza ny fonksionera Malagasy ?
    - Ireo mahay miborosy ny kiraron’ny menasofina, dia mba lasa Ragaova (gouverneur) na sefo de distrika. Toerana ambony hono izany an ! Izany atao hoe Madama Ragaova izany, dia tena vehivavy mana-kaja mihitsy.
    - Noraofina daholo ireo vatan-dehilahy rehetra ary nampanaovina asa an-terivozona, tsy mandray karama fa miasa maina : manao lalana, manao lalamby. Izay tsy te-handray anjara dia voatery niafina. Aza azony kosa nefa fa dia ny aina no manaraka.
    - Ny senegaly izay tana-kavanan’ny frantsay dia nandray anjara mavitrika tamin’ny fampijaliana ny Malagasy ka nahavoatery an’ireto farany niafina tany anaty ala. Fahoriana hono izany nanjo ireo tia tanindrazana tamin’ny 1947 satria ny fomba rehetra nampiasain’ny nazis taminy no nampihariny tamin’ny Malagasy.
    - Rehefa tonga ny ady lehibe roa nataon’ny frantsay tamin’ny allemands, dia nalefa miaramila ny Malagasy ary be no namoy ny ainy tany, tsy hita faty. Nahatonga ilay sefo de distrika iray izay nantsoin’ny frantsay hilaza amin’ny vahoaka teo ambany fiadidiany hoe : « dis à tout le monde qu’ils sont morts pour la patrie ». Tsy naka sarotra akory ingahy sefo nilaza ny hoe : « Rakoto, matimaty foana tany amin’ny tanin’ilety » tamin’ny teny malagasy.
    - Nihazakazahana ny ho vadim-bazaha tamin’izany fa sady nanana trano, grafofona (ilay fandefasana diska), no sady nitafy tsara, voky ary niadana.
    - Ny ankizy dia hatreo amin’ny Brevet élémentaire ihany no diplaoma farany azon’ny Malagasy notratrarina fa raha tsy citoyens frantsay tsy afaka nanohy fianarana ambony ary nianatra tao amin’ny kolejy St Michel, na lycées.
    - Nandefasana mpitsikilo ny tanàna ka natahotra mafy ny mponina fa ho avy ny mpisafo ary dia nofafàna madio ny tokontany.
    Sy ny hafa izay tsy ho voatantarako. Ka ataovy ny safidinao ho mpanjaka sa ho mpanompon’olona eto amin’ny taninao noho ny fitiavan-tenan’ny olona maromaro ?

  • fa radel ve misy devoly sa ahoana e aiza kou no hisy kimberlite any tongobory mba lanjalanjao ihany le resaka avoaka fa toa miteniteny fotsiny

  • Rado dit :

    Merci pour nous remémoriser cette horrible histoire qu’on a passée

    Et cela va encore se passer d’ici peu

    A nous le choix

  • Iarivolahy dit :

    Rado et mes autres frères et soeurs de combat :
    Ces accords qu’ils veulent faire signer à Genève ne sont que les termes du Nouvel Accord de Protecorat, entre Madagscar et la France!!!!! Ne nous leurrons pas!
    Cela se passe déjà: les personnes que le GIC (La France) veut mettre aux postes-clés du gouvernement de Transition sont des citoyens français ou apparentés!!!!!!!! (Rajoelina, Mangalaza, Monja…etc…)
    Allons-nous accepter? Que non, absolument!
    Merci à S.E.M. Marc Ravalomanaan de refuser d’aller à Genève si c’est pour signer ces nouveaux accords de protectorat.
    Courage, Monsieur le Président de Madagsacar, nous vous suivons.
    Masina ny Tanindrazana

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.