Aiza foana e ?

23 novembre 2009


_
Komandà Luc Roger

Komandà Roger Luc

Komandà Roger Luc

Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Ombimanga andiany faha-20 tany Antsirabe,ny zoma 20 novambra 2009, ny Komandà Roger Luc. Nahitsy ny teniny « tsy misy afaka mibaiko nymiaramila afa-tsy ny cemgam Ndriarijaona André ihany », toa mivantana tamin’ireo manamboninahitra tanoran’Ambohitsirohitra ny resany. « Tsy tokony hiditra amin’ny politika ny tafika fa aleo ny mpanao politika handamina ny raharaha politika. Tokony hanaja izay tapaka tamin’ny fanapahankevitra politika toy ny tany Addis-Abeba ny miaramila ». Vonona handray andraikitra ihany koa anefa izy rehefa misy ny tsy mety eto amin’ny firenena.

Amiraly Didier Ratsiraka

Nampiaka-peo ny Amiraly tamin’ity faran’ny herin’andro ity. »Ny ankolafy Rajoelina mitaky ny ministeran’ny fiandrianam-pirenena noho izy nitolona » no sakana lehibe tamin’ny fananganana ny governemanta, « Maika ve ny fandehanana any Brickaville sy Nosy Be fa tsy ny fananganana governemanta ny laharam-pahamehana? » hoy izy.

Magro Sabotsy 21 novambra 2009

Kianjan'ny ara-dalana tomefy olona 21-nov-09

Kianjan'ny ara-dalana tomefy olona 21-nov-09

Niverina amin’ny tanjany indray ny vahoakan’ny Magro, raha ny fahitana izany omaly. Nifandimby tamin’ny kabary nifanesisesy fa :

Manoela

Manoela, Tanora mafana fo

Manoela, Tanora mafana fo

“Rehefa tsy tafavoakanareo io tetezamita io dia aleo hoentin’ny Dada fa izy irery ihany no mahavita “. Hentitra ihany koa ny lehilahy nanambara fa “I Andry Rajoelina no sakana, ny fanendrena ny CST aza tsy vitany hatramin’izao”. ”Ny ampahany amin’ny vahoakan’Antananarivo no nifidy anao ho ben’ny tananana”hoy izy namatrapatratra, “avoahy tsy misy hatak’andro ny gadra politika, tsy LP fa afaka madiodio “. Ary namaranany teniny, tsy maintsy miverina i Dada, miantso ny vahoakan’Antananarivo tsy hanaiky fa hitolona foana…

Jean Marc

Atoa Jean-Marc

Atoa Jean-Marc

Nahitsy ny hafatry Jean marc omaly teny amin’ny kianjan’ny ara-dalana :
« any amin’i Andry Rajoelina no misy mpiandry mitana biramina » hoy izy, diovy ny kianja raha tena hilalao demokrasia,

    1. Diovy ny Rnm sy ny Tvm, hajanony ny fafilainga.
    2. Diovy ny asam-panjakana
    3. Diovy ny lehiben’ny faritra sy ny ben’ny tanana

      Depiote Zafilahy Stanislas

      Depute Zafilahy Stanislas

      Depute Zafilahy Stanislas

      Toy ny mahazatra ny solombavambahoka Zafilahy no namarana ny kabary tamin’ny asabotsy. Nitodika tamin’ny vahoaka ny kabariny :

      “Ny zavatra nataon’i Andry Rajoelina ihany no nahatonga izao, “ izy no rangory fototry ny afo. Mangataka ny ankolafy Ravalomanana hamoahana tsy misy hatak’andro ny gadra politika hoy izy. Nanamafy ihany koa izy ny fiverenan’i Dada haingana an-tanindrazana”, hiakatra daholo ny vahoaka Malagasy rehetra raha ilaina izany”. ”Efa nifoha tamin’ny torimasony” ny Malagasy “ary ny namaranany ny kabariny dia ny hoe : “Mitohy isan’andro ny tolona manomboka amin’ny Alatsinainy izao mandra-pahazontsika ireo fitakiana ireo.”



      Zarazarao e ! - Partagez !

      PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
      PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

      57 Comments

      • KintanaMananDrambo dit :

        Aiza foana ê ?
        Toa tsy hisy ê ! Tsy tia hanakivy anareo aho, fa rehefa ny olona no natosikin’ ny toetra ratsy, ka nahavita an’izany fanonganam-panjakana izany, dia tsy hiova mihintsy io olona io.
        Ka asa hoe inona no andrasan-tsika aminy ? Mikorontana ny firenena, simba ny fiaraha-monina ; izao, atramin’ny « mpanjaka » no miady toerana, ka niteraka faty olona koa izany !!

      • Verohanitra dit :

        Aleo hitohy foana ny tolona rehefa tsy hisy ny vahaolana fa harirarira amin’ny fitokanana ny « zava-bita » ity foana. Misandoka ny tsy nisasarana, faly mitavana amin’ny hatsembohan’ny hafa, mamafifafy vola etsy sy eroa. Mba nizara ny efa azo ve sa ny kitapom-bolam-panjakana indray no atao mahita faisana. Ny vahoaka aza efa mifampizara hanina amin’ny alika ao anaty fitoeram-pako. Ireo no natao fitaovana hiakarana amin’ny seza kanefa hatramin’izao tsy misy fitsinjovana an’ireo na toy ny silakoho aza fa ny haka bahana mialoha amin’ny fampielezan-kevitra no mahamay nefa ny haino aman-jerim-panjakana itavanana samirery.
        Izao na ny mpanjaka roa miady amin’ny faritra eto Madagasikara aza tsy voafehy akory nefa efa misy princes Bokassa I et II eto, samy efa manana ny saina fanevany. Tsy ho ela dia hahazo bahana eran’ny nosy izany raha izao no mitohy dia samy hanana ny mpanjaka keliny isam-paritra. Asa, izay ve no mety ? Dia tsy mila mivoaka any ivelany miantso vazaha sy sônagaly hamaha ny olana intsony fa samy mamaha ny azy ?

      • KintanaMananDrambo dit :

        Fahasalamanao Verohanitra ?
        Ka jereo koa anie ity afitsok’i Ratsiraka ê !
        I Mangalaza, asa na dia tena leo i lery, fa dia hoe ho soloina an’i Ramisandrazana indray hoe, no tadiaviny.
        Izany ve anisan’ny zavatra nifanarahin’ny mpanongana tao Malmaison, araky ny voalazan’i Zafy Albert ?
        Ho amidy ny fananam-bahoaka, mba ahafahiny manao prôpagandy any amin’ny faritra !

      • malahelo dit :

        Magagaga ity foza orana ity manao propangandy ets< s< eroa @ fizarana vola any Brickavile, Nosy Be ampahafiriny isany mpiasany AGOA izay ho very asa atsy ho atsy raha tsy misy ny gouvernement consensus? mitsinjo ny fahoriambahoaka nefa tsy eretreretiny akory ireo olona anetsiny ho very asa fa atakalony izay any Brickavile sy Anosibe anjatony fotsiny
        dia mahay politika hono e
        Izao miady fahefana ny samy ampanjaka any Ambilobe , fa nahazo lesona t@ mpanongampanjakana
        ny soa fianatra hoy ny Besileo
        Hanome BAG any Ambanja hono , ka alohany zay tsy reglena ny fampanantenana teny @ 13 mai , vary 500ariary ny kg ,ary ny PPN ny Saoudianina , ny mofo nahena ho 200ariary @ lanjany 200g raha telonjato , 300 g taloha
        ary ny carburant nampanantenaina ny mpamily ee
        ny sisa tsy voatanisa manginy fotsiny

      • gasybe democrate dit :

        Le pays nage entre chaos et manipulations…
        Tout est mystifié : où va t on ? que fait t on ? qui fait quoi ?
        C’est vraiment la basse-cour.
        L’ETAT DE DROIT EST ENCORE PLUS QU’ABSENT .
        Et la population ne cesse de trinquer.

        A mon avis : IL Y A EU AMNISTIE
        Que les choses soient vécues comme tel.

        POUR ESPERER LA SERENITE DANS LE PAYS :
        => il est souhaitable que RAVALOMANANA ET RATSIRAKA REVIENNENT AU PAYS
        => ce serait au moins un aspect de RESPECT D’ACCORDS SIGNES
        => bien que cela puisse faire du mal à « X » ou « Y » ,il faudra apprendre à vivre ensemble , entre COMPATRIOTES ,PUISQU’IL Y A EU CONCLUSION MUTUELLE, soyons CAPABLES DE RESPECTER.
        => c’est l’apprentissage de la DEMOCRATIE : la TOLERANCE , le RESPECT DE LA DIVERSITE
        => c’est enfin accepter dans ce pays : DES OPINIONS DIVERGENTES SANS ESPRIT DE PUTSCHISTE !les rotaka n’ont fait qu’enfoncer le pays davantage et mis en place une succession de gouvernements avec POUVOIR PERSONNEL .
        Rajoelina ne dérogera pas , fera sans doute pire car il est lui même manipulé par sa belle-famille et la France.

        ============> la présence de Ratsiraka et de Ravalomanana constituerait des CONTRE-POUVOIRS DE TAILLE CONTRE TOUTES DEVIANCES DE RAJOELINA

        Il est important que ce Rajoelina , putschiste de pure invention, sans AUCUN MANDAT NATIONAL comme Zafy, Ravalomanana, Ratsiraka , NE SOIT LEGITIME D’AUCUNE MANIERE

        Quels que soirent les rancoeurs , restons logiques et respectons uniquement les points de convergence de légitimité.

      • Verohanitra dit :

        Manao ahoana i Kintana, Malahelo, ma petite Vietnamienne,
        Rehefa tsy ho vitan’i Mangalaza ry Kintana fa nanipy gant izy, dia aleo soloin’i Deba an’ilay Madama io. Izy angamba afaka hifampitàna tsara amin’ny akohovavin-dRajolena : Rasesily, Rakrisy, Rabe, sns…
        Na iza na iza no ho eo, ny lohan’izy mianakavy ihany no ataony. Efa seza mafana tsara iny ve dia hilaozana moramora fotsiny ? Aleo aloha rehefa mba mipetrapetraka ny fividianana villas 80 Millions telo na efatra dia misidina moramora any Frantsa na any La Réunion, mijery izay ho tohin’ny tantara.

      • gasybe democrate dit :

        Marina ry Vero
        aleo homeny Deba olona misy azon-damosina…Izany irery hiany no tokony atao an’hiloany jiolahimboto faikany !
        Deba â! izahay mety mahita  » mpamosavy-vavy matanjaka saina  » afaka anampy anao (sens figuré an !)
        Loza koa tsy hyomezana…

      • KintanaMananDrambo dit :

        Oui, mais gasybe, les putschistes ne raisonnent pas du tout de la même manière que toi. Il fait tout pour bloquer la mise en place de la transition, et annonce sans honte aucune, que les ministres putschistes sont capables de mener seuls la transition !
        Encore une fois, faut-il compromettre l’avenir du pays, afin de pouvoir manger un ou deux petits morceaux de dinde le jour de Noël ? Je ne parle même pas d’éventuels cadeaux, compte tenu de la crise !
        Simple marionnette comme il est, ce n’est pas lui qui va pouvoir contenter TOUS LES COMMANDITAIRES DU PUTSCH !
        Il faut maintenant que le peuple élève sa voix, sinon, cette crise risque de durer des années !

      • vololona dit :

        inona mihintsy no tokony atao mba hiverenan’i dada haingana e!! izaho mieritreritra f rehefa tsy anaraka maputo I et II sy addis abeba ihany izy de aleo averina i dada fa tena tsy lasa intsony izao, isika ve de tsy ahita hevitra ny @izany?

      • gasybe democrate dit :

        coucou à tous
        je viens de lire les news et suis éffarée : Rajoelina semble tout faire avec la complicité du FIS …un coup d’Etat n°2 !
        Que veut dire des postesb régaliens aux militaires ?
        des militaires qui « se seraient exprimés » sur « autorisation » de Rajoelina ?
        tout militaire est censé être APOLITIQUE , ici nous n’avons affaire qu’à DES HOMMES DE MAIN DE FRANCAFRIQUE et de S.K.

        Ce type est pire que le plus minable des mafiosi, qui affiche SANS VERGOGNE SA TURPITUDE…

        Ou les autres mouvances font FRONT COMMUN
        ou bien :
        qu’ils laissent faire , je comprends que les tontons makoutes sont là avec leur kalach….
        Certes le peuple souffrira encore plus
        .Mais au moins aux yeux de la COMMUNAUTE INTERNATIONALE IL SERAIT CLAIR QUE RIEN N’A CHANGE !
        Sans respect des accords : LA MENACE D’EMBARGO DEVRAIT ETRE MAINTENUE

        Il n’y a plus qu’un espoir : LE PEUPLE , aveuglé par la misère , ventre creux n’a paqs d’oreille…malheureusement la violence pourrait encore éclater.
        Rajoelina cherche seulement du temps pour se « légitimer à tout prix  »

        Les autres mouvances devraient BOYCOTTER , faire la politique de la chaise vide…

      • Aïcha dit :

        coucou gasybedemocrate,

        malheureusement c’est encore pire ce qui se passe maintenant!
        quand Rajoelina faisait sa propre loi avec ses troupes, on peut encore comprendre car on sait qui ils sont… mais là…avec la présence des autres mouvances ainsi que de la communauté internationale, rien ne change, alors????? où va t-on là?????
        PFFF!!!!Que du cinema!!!!!!!!!!!

      • Aïcha dit :

        1 putchiste
        4 premiers ministres
        3 présidents
        3 anciens présidents
        la communauté internationale
        le FIS
        les militaires(cmdt Charles & cie)
        ça fait beaucoup NON ? la situation n’est toujours pas resolue.

        pauvre peuple………..;;c’est l’effet de MORAMORA aussi je pense qui est là. EH OUI!nous sommes comme ça, c’est triste!
        il faut que ça change bon sang!!!!!!

      • dafis dit :

        slt!izao izy mianakavy aza mifanipaka toy ny valala an-karona sady manao lalam-poza orana,toa tsy hitany akory ny vahoaka mijaly @ny hagegeny sy hadondrenany, ka aoka isika vahoaka mba hisikimpo@izay f’aza variana midonaka eo, jereo tsara fa efa mandady mikisaka izy, fa soa ihany fa mbola mitorona ka tsy tonga @ilay tanjona noeritreretiny izy ireo@izao, ka tsy havelantsika mahazo bahana eo izy ireo fa manjary ilay BINGO MANAO MATSO IREO KA MANALINGELINA NY LALANA ALEHANTSIKA. koa mitrakà sikino @izay ny herim-panahy ananantsika ,fa NY HERY TSY MAHALEO NY FANAHY. Koa mahereza dia manana FINOANA.

      • gasybe democrate dit :

        Mihevitra ve ianareo fa hatanty ela izao manjo ny vahoaka?

      • Nadia dit :

        ka io Madama io anie ilay tsipipanohizana mampitohy an’ny Ravalomanana sy Ratsiraka e! olona tsy vanone ireo roa lahy ireo Ravalomanana sy Ratsiraka mpamono olona mitovy ho tsarain’ny Ntantara

      • Nadia dit :

        na iza olona itambaran’ilay mpamono olona atao eo dia tsy misy mpamono olona ho afabela izany ary dadanareo tsy ho tafody ,amboara saigna

      • Nadia dit :

        Malahelo! ka taitaittsy fa ho avy ny vary 500 ariary,ho elavelona anie Andry Rajoelina Filoha mahavita be

      • Gloum dit :

        Bjr, izao iany no azo ambara ny @zao problème eto @tanàna zao, i Radomelina ngé zavatra fitaovana fotsiny e! ny tena fototra sy mibaiko ny zavatra reetra dia ny fanjakana frantsay, ireto force de changements ireto, ireo miaramila putch, ireo karana miseho ho matanjaka eto @tanàna, ny ambiny moa dia ireo mpanao pôlitika mambanôna no sady matahotra ny fandrobana sy ny fangalarana natao. Aleo de tsorina fa sarotra ny fandidiana, iza no sahy hanohitra an’ireo voalaza rehetra ireo.

      • Nadia dit :

        Kintana i Ravalomanana no nanimba ny fihavanana teto,jereo ity ianareo raha tsy Tim dia Foza ,mahantra 4 amis ,makorely raha Vehivavy Jiolahimboto raha lehilahy ,izany ve tsy midika fa ny sainareo mihintsy ny voadona mafy ,ka raha ilaza ianao miady ny mpanjaka sy ny tsy haiko aza adino Tompoko fa efa ela izany ary efa ela,angaha i Se tsy nahatadidy fa t@ 72 nisy ady ,mbola tsy teraka ny tena fa nontantaraina satria voadoro fanana ka isaorana Andriamanitra nisy an’ny Rajoelina satria mety nivadika zavatra hafa raha nitohy ny fanavakavahana nataon’ilay Hova lahy iny

      • gasybe democrate dit :

        Nadia a
        aza miteny tsotsotra laotra aky â !
        Tsy takatry ny saiko mihintsy ny afahanao mahatoky an-drajoelina.
        Tsy hitako izay antony
        Momba Ra8 , dia hitako fa « désamour personnel », ,izany dia tsy mikasika ny raharaha mpanjakana.
        Raha ny lien hiérarchique ny VIVA no antony irery , dia mba angavihana mba tsy miteny , fa tsy mety mihintsy : voatery fontsiny hianao

        MIHAGAVY : MBA MANGINA dia karakarao tsara i Marc

      • KintanaMananDrambo dit :

        Mampalahelo mihintsy ianao ity ry voatavo kely !
        Tsy ny olona mahantra no atao hoe 4 mi ry kala â !
        Anontanio amin’ny havanao hoe, inona marina no atao hoe 4 mi, fa tsy 4 amis -nao izany !
        Zavatra efatra no ataon’izireo, no nahatonga ny hoe 4 mi.
        Amiko ireo tsy 4 mi intsony, fa efa ho 7 mi sy 3 ma !
        Niakatra grady, fa grady ratsy !

      • KintanaMananDrambo dit :

        Tena mahagaga mihintsy ry gasybe ny mahita an’ity nadia hoe, amin’izao mahazo ny firenena izao, dia mbola mahita an’izay hankalaza an »io mpanongam-panjakàna io !
        Izao dia hoe tsy manaiky ny fanampahin-kevitr’i Mangalaza indray, fa hoe tsy maintsy ny ministra foza ihany no mitantana ny ministera.
        Dia tsy hanaiky izay zavatra nifanekena tany Addis-Abeba koa, fa hoe tsy maintsy 40% ny ministera sahaniny !
        Zava-mahadomelina inona mihintsy no ampiasain’ity olona ity, fa dia maha menatra amin’izao tontolo izao mihintsy ! Olona tahak’izao ve no mba hoe filoham-pirenena ?

      • Verohanitra dit :

        Coucou daholo indray !
        Kintana ! Rehefa mitady ny 40% ny ministera izy satria hono ny fitambaran’ny vato azon-dry zareo ao amin’ny forces de changement no 40%, dia zontsika ihany koa ny mangataka hoe omeon’ny Movansa Ravalomanana ary ny 52%-ny ministera satria izay no vato azony tamin’ny nahalany azy tamin’ny 2006. Ny mandat-n’i Prezidà Ravalomanana rahateo mbola tsy tapitra nefa izy voafidim-bahoaka, dia aleo ho azy izany ny 52%. Ny PT tsy nofidian’iza na iza dia 0% izany ny vatony ka tsy tokony hahazo ministera na inona na inona izy.
        Aleo mba mafy loha amin’izay fa tsy handefitra manana ny rariny lava izao. Ampy mihitsy izay fandeferana tsy nahitàna rirany izay.

      • malahelo dit :

        pour Nadia
        R8 hoy izy anao no nanimba ny fihavanana teto
        Raha azoko dia Ravalo zany no nanome lesona ka na ny mpanjany any Ambilobe miady fahefana satria nahazo lesona t@ fanonganampanjakana?
        Tsy taitaitsy hoy iha fa mbola ho avy ny vary 500ariary
        Alohanyandoavany ny karamany sirama Brickaville sy Nosy Be izay mitetina @ miliara tsy aleo ve tanterahina ny fampanantenana vary 500 ARIARY , ARY NY REGERVISTA mbola tsy nahazo ny anjarany
        Kay fanatsinao ihany fa tokony ho tsaraina i Ratsiraka fa maninona no manaiky ataony Radomelina alika miverina @ naloa tsy efa nolazaina fa manohana an’i Ratsiraka ity Radomelina
        ka miverina @ naloa mihina ny tsy fihinany alika ianao

      • malahelo dit :

        Mbola tsy nahita izay nolazainy MidiMadagascar zaho dia namaly an’i Voatavokely raha nivola izy hoe kataitaitsy fa ho tonga ny vary 500ariary
        mba vakio moa ity vaovao ity laha mana maso mahita iha ka mba valio asa rahoviana koa vao tonga ny anjarany regervisite : Mitonatonana antanilavitra any nefa ny olona izay nataony tohatra teny @ 13 mai hadinony:

        Réservistes

        Menace de manifestation

        Les 816 réservistes, regroupés au sein de l’Association des anciens militaires réclament actuellement une rencontre avec le président de la Transition, Andry Rajoelina. « L’appel que nous lancions ce jour est notre dernier recours », a expliqué Randrianasimanana Jean Solo, président national de cette association. Et de laisser entendre que « les réservistes prévoient d’organiser une manifestation si le régime transitoire ne réagit pas à cet appel ». A noter que ces anciens militaires demandent la réalisation des promesses faites par le président de la Transition, Andry Rajoelina lors du mouvement populaire qui a conduit à la destitution du régime Ravalomanana. Ces promesses consistent notamment à l’intégration des réservistes au sein de l’armée malagasy, l’augmentation des pensions pour les militaires retraités et des primes de soutien que Andry TGV a promis lors du mouvement populaire.

      • gun dit :

        FA maninona le firehan-kevitr’ i Nadia tsy mety miaingy lavitra mihintsy ee ??
        Ny olona , refa afaka 11 volana krizy mba misy zavatra ho tenenina , ny hevitra misy ho tsongaina … fa ny anao , rahavako , de toa tsy misy hevitra miposaka , fa toa ny boloky nianatra lesona …
        Sa ny boloky aza nianatra ??? ….
        Mba manasa anao hampiasa ny ati-doha , loharanom-pahamehana sy fahendrena satria efa mba niteraka ihany . NDRAO lasa mpanongam-panjakana fotsiny ny zaza .
        ny abidy tsy hay ka pensiliazo ee !! pensiliazo !!!

      • Mahery dit :

        Aiza foana?

        Mbola tsy tonga saina foana ianareo mpomba an’i ra8. Tsy any @nareo intsony anie ny fahefana e! Efa nilaozan’ny toetrandro ilay ra8 tonga dia manapaka samy irery. Ny tsara ampianarina anareo izao dia ny mba manaiky izay tapaky ny hafa. Tena ilay nareo io raha mbola te-hiverina hitondra.
        Izao koa e! Ny fanirina samy manana ny azy fa ny manapaka anefa tokana.
        Tadidio ilay alahady talohan’ilay 17mars. SAmy nivavaka na ny teny @ 13 Mai na ny teny @Iavoloha. Samy nanana ny fangatahany. Dia ny valiny iny hitantsika t@ 17 mars iny. Hoy ny fampianarana kristianina hoe: « raha misy mamelaka ny takolakao havia dia omeo azy ny hakavanana »

      • kintanakely dit :

        Nadia, Nadia

        fa voan’ny grippe angaha ny atidohan-ndriko ? sa ilay fiainana no efa tena mapiteniteny foana toy izao è ?!

      • malahelo dit :

        Mahery
        Ny tsara aminay hoy izy ianao ny manaiky izay tapaky ny hafa , zahay tsy alika toa @ zay miverina t@ naloa ka hanaiky homena loanalika
        Ianareo izay te hihinana ny naloany alika no manaiky izay lazainy zay olona tsy manana ny rariny fa nandroba fahefana io
        Jereo ange na ny ampanjaka any Ambilobe nahazo lesona t@ mpanongampanjaka ka miady antrano

      • kintanakely dit :

        A Malahelo,

        Ka hitanao, matoa i Mahery (sy Nadia) miteniteny foana toa io dia zavatra anisan’ny tsy ho takany izao zavatra lazainao izao. Jereo fa tena zavatra « HAFA » mihintsy no hitany t@ fitondran-dRa8 !!! tsy hitany ireo zavatra tsara maro be t@ ireny fotoana izay tsy misy intsony ankehitriny… ary tsy hitany ihany koa ny zavatra ratsy rehetra nipongatra teto vao lasa i Rava8…. izy no tena mampalahelo fa jamba BE !!!!

      • Lioka dit :

        Mamerina miaraaba anareo retra indray! Gasybe, tena manahy toko ah fa tô efa lasa zatra fijaliana ny vahôka, tô mionona tsy fidiny ary mino ah fa anisan’ny tetika entin’ity Gaigilahy ty ihany io, izany no matonga azy io mahazo antoka @ fivezivezeny eran’i Madagasikara.Marina mitsy ny tenin’iVerohanitra fa tokony tsy andefitra intsony mitsy!Manatena ah fa hitsipaka io lékely io hatr@ farany ny vahôka!

      • malahelo dit :

        Ka izany mihitsy anie ry KM rehefa tsy takatry ny saindrizareo ny zavabitany R8 sy ny fahoriambahoaka nandritra ny folo volana izao dia omena ohatra mivaingana tena mivantana mba handinihany tsara:
        Inona moa ny fiovana nisy fa efa ho iray taona ny mpanongampanjakana teo @ fitondrana? nampanantenaina izao rehetra izao, raha nilaza zaho aminy nadia hoe Radomelina lasa nandoa ny ny karamany mpiasa any Brickaville sy Anosy be @ miliara nefa tsy hitany ny eo ambany orony ireo olona maro , bas quartier nataony tohatra teny @ 13 mai, ao @ MIdi milaza ny regerviste hatraminy zao tsy nahazo fampanantenanana
        Ny fahenoako ireo mpiasa tsy nahazo karama any Brickavile sy Nosy be ireo anefa efa efa tanatiny programme ny haloa ny budjet 2010 fa nohararaotiny le foza aminizuao mba hilazana hoe izy no nahavita
        Refefa namaly nahy i Voatavo kely dia mora fotsiny ny navaliny hoe kataitaitsy fa mbo ho avy hoy ny vary 500ariary
        Mampalahelo ny toetsainy izay milaza fa hoe mandeha ny raharahampirenena amizao ka i Radomelina no mampandeha azy
        Jereo ange fa nahazo lesona @ fanonganampanjakana nisy teto na ny mpanjaka miady fahefana ka nanao cout de roi koa any Ambilobe ka na ny mpanjaka izay hita fa diso nandroba fahefana aza nahazo rariny t@ lehibeny faritra satria ekipany Radomelina ny lehibeny faritra any efa zatsy manongana ka izay manongana mahazo ny rariny ?
        tena mampalahelo ity gasikara

      • malahelo dit :

        Lioka
        Ny tanjony Radomelina anie ka lalaoviny ny tetezamita amizay mihemotra sady marina mihitsy izay nolazainy journal tsy tadidiko intsony hoe ataony izay mbola maha eo azy @ 26 juin 2010 ,

      • KintanaMananDrambo dit :

        Miarahaba anao ra Lioka ! Inona no vaovao-n’i Matio sy Marka ary Jaona ? Eto indray izany ?
        Miarahaba an’i kintanakely koa !
        Mi-pourrir ny situation no tadiavin’ireo ê ! Ka araky ny voalazan’i Verohanitra sy ny hafa koa, mila mihetsika amin’izay ny vahoaka, fa raha tsy mihetsika amin’izao, dia izay no vita ! Hanararaotra foana ireo mpanongana ireo. Fa ny zavatra tena maha kivy ny tenako, dia ireto miaramila manaiky an’izao toe-javara izao. Sa dia « paokaty » marina ny ao anaty pataloha ? Tsy ao izy telo mitsama ?
        Mba manana fianakaviana ve ry zareo ireo, sa dia ena miverina ny tamin’ny andron’i deba ? Samy mandeha, samy mitady indray izany ! Mahavoa indray ireo sahy mandeha mitady lalana any ambanin’ny tany, satria izay no ady ao ! Mahazo vahana ny corruption, ka ny BIANCO ve dia mbola misy, sa tena tototry ny asa ?
        Resaka hafa indray. Iza no mbola tsy eto ? Nankaiza i Baby, Jaosoa, elisa, sy ny tsy voatonona eto ? Hialan-tsiny amindry-zareo izany !

      • Lioka dit :

        Izah koa dé tena faly mihôna @nareo eto indray ra-KintanaM… a!Tena loza tokoa leroa fa ataon’iléry kilalao marina ny fiainapirenena a!Tokony tsy asiana ity fandeferana be lôtra ity intsony mitsy e!Dé mba nakaiza tokoa aza ny akama sasany retra? Mino ah fa tsy maintsy mbola hoavy aby ry zareo e!Ary tô mba tena mafana fo maafinaritra ity Kintanakely!Ozy i Matio sy Marka ary i Jaona hoe: « Niteraka angah i KintanaM… ? »hi!hi!hi! Ny mafinaritra aloh dé na hanao inona sy inona aza ity »paokaty » ity dé hita fa mirona@ ara-dalàna fôna ny olona e! Ary vao maika miabetsaka aza! Ikalanona iry ihany no dé tena mahagaga tokoa!
        Mitohy ny tolona hoan’ny vahaoka tsy vaky volo!
        Mirary soa KintanaM.. a!

      • malahelo dit :

        Tsetsatsetra ihany nanao tsianjery zaho ataoko fa KM no nivaliako etsy ambony kay i Kintanakely samy namana iaby mitovy ny tanjona

      • Lioka dit :

        Miaraba anao ah Mahery!Hoy nareo hoe: »« raha misy mamelaka ny takolakao havia dia omeo azy ny hakavanana » » Ary tsy hitanareo angah fa tsy ny takolaka fotsiny ange no lakoin’ity akamanareo ity fa tena hitsahiny tateraka mitsy ny tenan’ny olona tsirairay avy e!! Ka dé mba aiza hono rangahy ity( sa ramatoa) ity demokrasa dradrainy ity a!!? Sao leroa dé tsy rariny intsony izao a! nareo ve dé mihevitra fa ny be sandry marina no tokony hanapatra ny heriny ? Ra nisy alahelonareo t@ fitondrandRavalomanana… Nahoana ny tsy manantsiny(Ny malagasy manotolo)no tsy maintsy hianjeran’ny valifaty atônareo!!? Tsarovy leroa fa ny marina sy ny hitsiny tsy azo hitsahana velively a! Satria MASINA NY TANINDRAZANA!

      • Nadia dit :

        ho avy@ Noely i Ravalo ,marina ve izany ry zanak’i Dada?hi hi hi mbola mino ve?

      • malahelo dit :

        Mazotoa mihomehy ny alika vaviny Radomelina oo tandremo tsy mipoitra toa any Marco Antalaha ry Amboamanga rehefa tonga ny fotoana fa ataoko mahita ahy tsara

      • tsara dit :

        Tokony tsy hipetrapetraka intsony fa efa mandandy ny trambo , jereo itony ry na-dia ! aoka hijoro daholo hanohatra ny ratsy domelina é

      • dafis dit :

        nadia tena vendrana tahaka an-dradomelina sy ny namany rehetra

      • kintanakely dit :

        Miarahaba anareo rehetra ô ! mandalo kely eto fotsiny hiarahaba sy hankahery antsika… tsy moramora ny zavatra hianan-tsika tsirairay avy nanomboka t@ io krizy io… fa aza kivy ! mbola ho avy ny maraina !! tsy maintsy ho tonga ny maraina.
        Izany an !
        bisous daholo ô ! (mais pas Nadia !!!! )

      • gasybe democrate dit :

        asa raha marina na tsia
        fa tena hirina ny hiverenany Ravalomanana fara izay haingana!
        Raha tsy misy contre-pouvoir dia lasa manidina foana ilay angidina
        Araky izany momba any Ratsiraka

        Na sarotra aza ny manaiky izany.

      • gasybe democrate dit :

        je réitère
        si les putschistes veulent mener seuls , ou influencer seuls (40% de ministère?)

        IL S’AGIT BEL ET BIEN DE COUP D’ETAY N° 2

        seule solution ! BOYCOT et advienne que pourra.

      • malahelo dit :

        RADOMELINA ,MIALA IANAO FA MAMPIADY NY SAMY MALAGASY MAMPIADY NY SAMY ANTAKARANA
        LOZA MBOLA TSY FAHITA NY MISEHO ANY AMBILOBE NANOMBOKA NY NAHA MADAGASCAR NY MADADASCAR NOMENAO LESONA RATSY NY SAMY MALAGASY DIA IZAO NY VOKANY MIADY ANTRANO ,MIADY FAHEFANA FA NAHITA NY NATAONAO SY NY MIARAMILA SASANTSASABNY NANONGAMPANJAKANA KA NA NY FITONDRANY MPANJAKA ANY AMBILOBE NIADY FAHEFANA

      • Mahery dit :

        Ny mahagaga dia ianareo tsy mety mamadika pejy. Efa niala an-tsitrapo aloha i ra8 raha ny tantara no jerena. Iza no nampatahotra azy teo? Tsy nisy angamba. Sa ilay tafondro napoaka tao Ambotsirohitra tsy nisy olona no nanakoako tany aminy?
        Raha mbola te-hiverina hitondra ianareo dia aza aseho aminay vahoaka ny taratr’izany manan fahefana.
        Jereo, niady mafy mba ho lasa co-président ilay antsoina hoe vice président, sady @ izay tsy nanaiky raha tsy misy olonareo t@ ireo. Ny anarana no niadinareo mafy, fa ny andraikitra tsy mba toa izany. Hita izany eto fa mbola mieritreritra ny hamita-bahoaka indray ianareo.
        Manaraka, miady ny ministèren’ny justice indray. Fa angaha moa tsy hoe indépendante ny justice eto amintsika e! Diso daholo izany ireny voalaza t@ andron-dra8 ireny.
        Dia noho ny tombon-tsoa kelinareo dia mikatso ny fianam-pirenena. Matoa i Fetison no nilaza fa tsy hitsangana ny gvt raha tsy mihaona izy 4 dia ny mouvance ra8 izany no tsy manaiky. Mbola hita indray eto izany fa dia mbola marrionnette hatrany izay olona miaraka @ra8.
        Raha te-hiverina ianareo dia asehoy fa olona manana ny maha izy azy ny olon-dra8 fa tsy robot akory.

      • Nadia dit :

        ahy niova Kintana kely indray ilay rangahy iny

      • gasybe democrate dit :

        Rvalomanana sy Ratsiraka tokony MIARAKA MIVERINA
        hoatry ny nataony Pierrot Rajaonarivelo
        Tena lasa resaka adim-boto fontsiny aminy izau fotoana
        Na
        dtia betsaka aza ny tsy fakasitrahana an’izy roalahy ,(ressentiments ), etsy sy ero dia ilaina ny hevitra hafa mitsangana ar-fomba mafonja eo anolohany ity tsy ampy saina ity !
        Efa tafahoatra laotra ny agegaina , hoatry psychose paranoïaque sy mégalomane.

      • Nadia dit :

        tsy ilaina ry Gasy be! aleo iRatsiraka sy Ravalo amin’izay tany fatesany any

      • gasybe democrate dit :

        zareo tsy mpanongam-panjakana kaloha é!
        Ary ny amnistie dia didy , sa haona indray?
        mitarozorozo hoatry Tarzan foana ve ny politika gasy mety ?
        Sacrée Nadia !

      • kintanakely dit :

        Mahery a dit :
        le Mercredi 25 novembre 2009 à 16 h 09 min

        Ny mahagaga dia ianareo tsy mety mamadika pejy. Efa niala an-tsitrapo aloha i ra8 raha ny tantara no jerena. Iza no nampatahotra azy teo? Tsy nisy angamba. Sa ilay tafondro napoaka tao Ambotsirohitra tsy nisy olona no nanakoako tany aminy?

        Mahery à ! fa tsy teto an-toerana angaha ianao t@ iny volana mars iny ??????? raha teto ianao dia nahita ireo fiara @ kilomètres nilahatra teny @ lapa nisy an-dRa8… nisy antony matoa tonga namoy ny fotoanany teny ny vahoaka maro be, na dia namely tokoa ny hatsiaka sy sns… nandritra ny andro maromaro… Inona no antony ???

      • KintanaMananDrambo dit :

        Ô ry nadia ô ! Aza dia mialona rahatoa ka tsy misy ny nadiakely ê !
        Misy antony ny zava-drehetra !!

      • malahelo dit :

        Mampalahelo ty toetsainao ry Mahery raha nahita fa niala antsintrapo i R8 FA TSY NOHO NY FAMPIHOROHOROANA
        METY MANANA MASO TSY MAHITA ANGAMBA HOY NY FITENENANA
        ARY IZA MOA NO MIADY MAFY NY MINISITRA NY JUSTICE
        NY MOUVANCES R8 TSY MI EXIGE NY MINISITERA RAHA OHATRA OMENA OLONA NEUTRE IO TOERANA IO FA NY MOUVANCE RADOMELINA NO MI EXIGE SATRIA MBOLA TE HANOHY NY FAMPIHOROHOROANA
        ARY NY MINISITRY NY FAT AMIZAO TSY MANAIKY HIALA AHOANA ?
        FONY ROANDEFO MBOLA TEO TSY NANAIKY NY BAIKO AVY @ ROINDEFO HONO RIZAREO FA I MANKALAZA NO PM CONSENSUS DIA EO INDRAY MANKALAZA DIA TSY MANAIKY SATRIA TE HIFIKITRTA FA MAMY LOATRA NY VOLA BE AZO ISAMBOLANA KA MATAHOTRA NY HO VERY FIHINANA ARY NY @ FIFIDIANA TSY HO ANTENAINA NY HO LANY SADY NAHENO NY FANAMBARANY NY LEHIBENY MPANONGANA TANY AMBILKOBE HOE AVELAO NY MINISITRA AMIZAO HANOHY NY ASANY DIA NANARARAOTRA NANAO FANAMBARANA @ FANERETERENA NY MPIASAMPANJAKANA HOE TSY EKENAY NY HANOLOANA NY MINISITRY NY FANABEAZANA SY NY SISA?

      • KintanaMananDrambo dit :

        Mbola lavitr’ezaka ny tolona ry zareo, fa tokony mihetsika mafy â !

        Vaovao roa lehibe tokony am-pieritreritra antsika rehetra ireto.

        Voalohany, dia nanao fanambaràna am-pahibemaso indray, ary nanamfy an’izany ihany koa ry zareo, fa dia iray tsy mivaky hono ny tafika malagasy sy ny zandarimariam-pirenena ; izany hoe ny folohalindahy malagasy.

        Natao izany fanambaràna izany raha nivory ry zareo, satria homena sazy hono i Sarla sy Lylisôna, ny kômada Roger Luc sy manamboninahitra vitsivitsy, noho ireo zavatra voalazan-dry zareo tamin’ny erin’andro lasa teo.

        Nanararaotra tamin’izany ireo miaramila fa olon-tokana no MIBAIKO AN-DRY ZAREO, dia tsy iza fa ny sefo potsista, Andry Rajoelina sankalite !

        Faharoa, raha nivory ( Lafrantsa no niantoka ny fivoriana ) koa ny Conseil Supérieur de la Magistrature, dia nanampa-kevitra ry zareo, fa tsy eo ambanin’ny fahefan’ny minisitry ny fitsaràna intsony ry zareo, fa manomboka tamin’ny 24 novambra dia ny Filohan’ny tetezamita hono no mandidy azy ! Marihana etoana fa misahana ny asan’ny mpitsara rehetra no asan’io Conseil io !
        Rehefa tsy azony ny ministera dia izay no fomba ankolaka hitany, hifehezana ny fitsaràna.

        Fitsaràna izay tokony ho mahaleotena, tsy mpiomba ny atsy na ny eroa !

        Hamafisan-dry zareo ombieny ombieny, ny fanonganam-panjakàna !!!

        Vokatr’izany anefa dia ity tanteriko kely ity ny am-pahany. Nalaiko tamin’ny gazety Taratra omaly.

        « Mihorohoro ny mponina manoloana ny asan-jiolahy etsy sy eroa, manampy trotraka ny olana pôlitika tsy mety mivaha, sy ny fahasahiranana isan’andro.
        Fotoana mampirongatra izany rahateo, ny vaninandro manoloana ny fety. Mitombo ny fahasahiranana, ka mitombo manarak’izany ny asan-jiolahy, vaky trano, harom-paosy, fanendahana. Manao ezaka ny pôlisy, araky ny filazany, amin’izao ankatoky ny fety izao, ho fanoherana (1) ny ady amin’ny jiolahy. »

        Ka dia hoy aho hoe, rehefa tsy hilamina ihany ny fety, maninona moa raha ny fiainam-pirenena no kajiana voalohany ?

        (1) Fanoherana ny asan-jiolahy na fanohanana ny ady amin’ny jiolahy, angamba no tian’ilay mpanao gazety lazaina.

      • KintanaMananDrambo dit :

        Ao amin’io voasoratro io ambony io malahelo, ny resaka momban’ny Ministeran’ny fitsaràna â !

      • tonhy dit :

        Mitafia hery ry malagasy tia tanindrazana fa tonga eto ny mpanjanaka, koa dia avondroy ny hery !

      • vololona dit :

        de tena tsy mahasahy tokoa ve isika malagasy maro an’isa manoloana izao toe-javatra izao, tadidio aange ry reto fa raha izao aza tsy vitantsika koa maika ve fa raha tafiditra eo tokoa ny mpanjanaka , de ahoana, izay ve isika vao hikoropaka? toa ohatrany samy miandry2 izany isika nefa isika anie de betsaka, fa ny strategie no atao tsara.

      Laisser un commentaire

      Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

      *

      Switch to our mobile site