Chemin difficile !

29 novembre 2009

Rajoelina explique la raison de sa fuite lors d'Addis_Abeba

Rajoelina explique la raison de sa fuite lors d'Addis_Abeba

« Iny lalana iny, lalan-tsarotra »

« Iny lalana iny, lalan-tsarotra ». Izany no hiaka nataon’ny TGV tamin’ny fotoan’androny. Erin-taona aty aoriana, tena lalan-tsarotra hoan-dry zareo tokoa ary lalan-tsarotra hoan’ny firenena sy ny vahoaka mihitsy.

Sans qualité

Safidin’i Andry Rajoelina ny hadia lalan-tsarotra, sambatra izy izao fa tonga izany hirahirany izany, voatefataky ny tamaina eran’ny Afrika nitady fankatoavana, henatra no nanjo tany Bruxelles, afa-baraka teo anivon’ny Firenena Mikambana tany New York ary voasokajy ho « homme sans qualité ». Dia sokina nanani-bato teo e!

Tohizo ny lalana !

Tsy safidin’ny vahoaka Malagasy anefa izany « lalan-tsarotra » izany, ny nanehoany ny heviny dia ny hoe « tohizo ny lalantsiaka », tohizo ny fandrosoana efa nisy, ny fisondrotry ny harin-karem-pirenena nisondrotra 7 isan-jato isan-taona, ny lalam-barotra nisokatra manerana ny vazan-tany efatra (SADC, AGOA), ny kolikoly efa mba nihena, ny tsenan’ny asa efa mba hitan’ny saram-baben’ny olona, ny tantsaha efa mba nisy fanan-tenana (MCA) tamin’ny fampandrosoana ifotony, sns…

Aiza ilay fanantenaina ?

« Lalan-tsarotra » ihany koa amin’izao no nanjo ireo nandrora nitsilany dia ireo ampahan’olona teny amin’ny 13 mai, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo ambany tanana nokaramaina tamin’izany fotoana izany, hoatrinona izao ny vidim-bary ? Tsy mandry fotsy foana ianareo?  Ny mpivarotra amoron-dalana nampanantenaina fa hanaovana tsena, raofin’ny kaominina sy ataony ankeriny ny entanareo? Ireny mpiasan’ny « zone franche » tsy efa mandray ny kihony amin’izao akaiky fety izao, voaroaka tsy misy fanantenana. Aiza ny fampanantenana natao taminareo TGV ireo e! toa tsy misy tanteraka.

Tsy mahay mitondra, mialà !

Efa ela ange no nahafantarana izany lalan-tsarotra izany e!  « gouverner c’est prevoir » hoy i Emile de Girardin. Rehefa tsy hainareo ny mitondra fanjakana dia mialà fa aza ny taranaka fara mandimby no atao mitondra faisana toy izao.

_



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Toromarika fitsenana ny GIC @ 05/10/09
  2. Fonctionnaires Sans qualité ?
  3. Tsy milamina ny eto Madagasikara
  4. Tafika Malagasy misavorovoro tanteraka !
  5. Nandefitra ny Filoha Ravalomanana

79 Comments

  • Rado dit :

    Olona tsy mahalala fomba ve dia hiala fotsiny @ izao e
    Tsy maintsy ohatranny nahatongavany teo no hanalana azy eo

    Tys misy afa-tsy izay

    Ceux qui règnent par les armes périront par les armes

  • Lioka dit :

    Salama Rado a!
    Ka ngah vita’ny tsy mahalala fomba fotsiny fa tena lany henatra e!
    Marina mitsy ny vôlazanao Rado fa tonga izao ny fotôna tokony apiasain’ny vahôka ny fomba nampiasaindry zalah ireo nandroba io fitondrana io a!
    Ary mbola hitatra eo ihany ny ratsy ho vitandry lerony ra mitaraiky eto! Aiza leroa ka hay ity resaka oe karama nomeny ny sirama vôlazany ity koa ka toa ny nataony ampôsy koa no betsaka ary na io vola io koa aza dé tsy fantapiaviana akory, tena resaka tsy mazava ê!!Ny tena sûr dé manao propagande be ilery e!
    Tsy ho azony @ zany tsony ny gasy ê!Faly nahazo aloha ireo piasa efa nijaly volana maro ireo fa na izany aza efa ela ireo no tonga saina fa ny tanindrazana dé tsy amidy velively ka!
    Sarotra ny lalana fa tsy kivy ny vahôka e!

  • Rola dit :

    alohan’ny mba hifidianana zavatra na slogan na hira na @ zavatra atao tokony mba eritretina tsara e!
    Jereo hatramin’ny tononkiram-pivavahana , diniho koa ange ny hoe mpitondra FAT(corbillard), Ny TGV, Tena Gaigy Vendrana ireo e!

  • malahelo dit :

    Tena tsy misy ho kianina io voalazany MyDago io efa ela zaho no nilaza hoe tsy nisy tanteraka ny fanantenana , tena nandrora niantsilany ireo olona nokaramaina t@ fotoanandrony toa ny regerviste , sy ny bas quartier aiza zao ny vary 500ariary ny kilao saouidianina, ny mofo nahena ho 200 ariary nefa nihena koa ny lanjany hoy izay mpanao hatsikana izay mahay azy, ny Jirama nahena hono nefa vao maika niakatra ny fakitiora isambolana, ny fret taxi brousse hono nahena dia indray andro fotsiny nahena ho 20 ariary ny litatry ny gasoil, ny sisa tsy voatanisa eee, tena sokina nananibato tokoa i Radomelina handroso mahafaty ray be hihemotsy mahafatsy renibe
    Ny fonkitionera koa zao efa manomboka mimenomenona fa hiandry ny fisondrota karama ny farany vola decembre dia ho hita eo ny tohine eee

  • vololona dit :

    miombo-kevitra aminareo mihintsy aho, raha manao zavatra @ rariny sy hitsiny kosa ve isika mamerina ny filoha @ toerany de ho diso e!!! ny tiako tenenina de ilay tenin’i Rado hoe : raha nampiasa hery izy de ampiasaina hery koa no manala azy teo, ny saina hitondrana azy fotsiny no tsy mitovy

  • Rasoa dit :

    Atra tsy miatsaravelatsihy izay lazainao ihany no tonga aminao, manaratsy dia ataony ratsy ratsy kokoa aza. Sarotra ny lalana no lazainy dia sarotra koa izao. Atra no mahefa ny zavatra rehetra aza mbola manao hoe « raha tia ahy ianareo ka mitandrina ny didiko ianareo dia hangataho izay tianareo fa ho azonareo izany … »Tokony hiverina handinin-tena aloha. Inona moa no tsy teo an-tananan’i Farao, miaramila, vahoaka be dia be nandevozona, nanao tsinotsinona an’Atra mihitsy aza, nefa nangina teo anatrehan’ny fahasoavan’Atra, ary tsy misy manana anio na iray aza.

  • Rasoa dit :

    Atra tsy miatsaravelatsihy izay lazainao ihany no tonga aminao, manaratsy dia ataony ratsy ratsy kokoa aza. Sarotra ny lalana no lazainy dia sarotra koa izao. Atra no mahefa ny zavatra rehetra aza mbola manao hoe « raha tia ahy ianareo ka mitandrina ny didiko ianareo dia hangataho izay tianareo fa ho azonareo izany … »Tokony hiverina handinin-tena aloha. Inona moa no tsy teo an-tanan’i Farao, miaramila, vahoaka be dia be nandevozona, nanao tsinotsinona an’Atra mihitsy aza, nefa nangina teo anatrehan’ny fahasoavan’Atra, ary tsy misy manana anio na iray aza.

  • ralezoka dit :

    Ary aiza ilay hoe:  » La valeur n’attend pas le nombre des années » ?

    Hay ilay izy « valeur sans qualité » ka tsy mahagaga raha tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny atao rehetra fa ny andro no lany eo ary ny vahoaka mihamijaly fotsiny .

  • Anti-Ra8 dit :

    Mimenomenona indray ry very fihinanana rehetra e! Zahay Malagasymaro an’isa aloha tsy mila an-dRavalomanana na hitomany eo aza ianareo e! Tsy ny sitraponareo nihinana tsy nifofotra ny alahelom-bahoaka akory no tsy maintsy hitondra an’i Madagascar. Mba manaova nareo sondage e! mba firy moa nareo mpanaraka an-dRavalo mpandroba fananam-bahoaka? asa aloha e! mba mankanesa oe aty Madagascar ianareo any an-dafy sasany ireo e! Ny kianjan’i Magro aza tsy fenonareo koa milaza fa vahoaka? sa ny mpiasan’i Tiko sy Magro sy Alma… sy ny société an-dRavalomanana irery no afaka miaina an-kalalahana eto? TSIA! Na mbola hiampy avo arivo arivo eny aza ny ho faty toy ny teny Ambohitsirohitra t@ 7fevrier dia tsy hanaiky izahay!
    Izahay tsy tia tena fa TIA ny Tanindrazanay ka tsy hamidinay @ vazaha! Izahay koa tsy mpanambany olona ka vingavingaina daholo ny rehetra satria manam-bola sy mpanapi-trisa! TSIA! veloma MANDRAKIZAY I DADANAREO sy ny TARANANY!

  • Anti-Ra8 dit :

    Fantatray fa hainareo tsara ny mampiasa ity « internet » rehetra eran-tany ity hanelezana tsaho sy vaovao lainga etsy sy eroa fa tsy mampiova ny fisainan’ny Malagasy izany! Porofo izany fa ny Malagasy tena miaina sy mahalala ny vaovao tena marina tsy mba mahita itony internet itony tsy taitra @ izay resakareo fa ianareo very fihinanana no mifampamendrofendro @ alalan’itony! Ny laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka izao dia ny hiala ao anatin’ny fahatrana izay napetraky ny DADANAREO nandritry ny 8 taona! Fahantrana! fahalovana! didiko fehy lehibe! fanavakavahana§ fanagadrana olona! famarotana tanindrazana! didin’ny besandry @ fananan’olona sy ny tanin’olona! fanapenam-bava! fangoronan-karena!Fahantrana haingana sy maharitra!Filalaovana vehivavy (vadin’olona sy mpanakanto)!Fihatsaram-belatsihy @ fivavahana sy fijoroana eny ambony alitara! Taiza no nahitana ireo?…. nandritry ny fitondran’i DADANAREO!
    Ampiasao tsara ny fampitàna vaovao tsy marina @ internet fa hampiova ny hevitry ny Malagasy maro an’isa ka hiverenan’ireo voatanisa tetsy ambony ireo! rehefa maniry nify angamba ny akoho ô?

  • doudou dit :

    Ory anti-ravalo kely loha,hianao io mihintsy no tena mpangalatra sy mpanao affaires ka vao tonga Ravalo dia tsy nisy intsony ny sosy,ka izany no mahatonganao ankahala azy hoatran’io.Mbola tsy maintsy hiverina eo izy na tianao na tsy tianao, fa conseil tokana no homeko anao,ataovy ny bagage-nao dia midégage enao mandehana misitrika velona any ampasana fa any ny toerana sahaza anao.

  • Lazalazao dit :

    Hafatra tsotra ho anareo mpitolona momba ny filoha Marc Ravalomanana. aoka izsika tsy hieboebo hoy izaho no nahavita ity sy iry. Ary tsy fotoana ny fisarambazana izao fa atambaro ny hery, ohatra ianaoreo GTT, aza mifamingama fa mitambara , izany ny lalana tokana ahafahantsika mamerina ny filoha Marc Ravalomanana eo @ toerany. Hajanony tanteraka ny hambo-po izay fanaon’i andry rajoelina. mitamba ianareo any ively aza fa aza mifanenjika. Ravalomanana ihany ny antsika.

  • dadazaka dit :

    Ha an’io anti-ravalo io, mivovo irery eo nedala dia mody indroa manoratra dia hoe manakambara @ izay, tsy mety azony antsaina fa VITSY AN’ISA ny foza (izany no tsy ahasahiana miatrika fifidianana @ izao fa be resaka fotsiny). Jereo fotsiny ny isan’ny mpomba ny ara-dalàna, na ao @ Sobika aza mbola maro, ka diso ny filazanao hoe « mahay internet », lazaiko anao fa na mpianatra T4 aza izao mahay izany internet izany ka azy diso làlana ianao. Sady ny forumiste TGV koa anie maro é: toy ry Nadia x cinquante, ry Marco x 30, ry Ramaroson X 20 ary ry Litakely x 10. QUANTITE = zéro, maika moa fa ny QUALITE (négatif et moins que rien).
    Milevena velona

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ahoana indray ry zareo ity sankalité manao bodongerona ity e ?
    Kanefa lery dia manantena mafy financements avy aty ivelany, mba hi-préparer-na ny budget 2010 hono ! Mba dia inona laotra ny ao an-dohany ao e ?
    Gouvernement aza tsy mitsangana ! Izany hoe, izay ministra tonga eo izany, dia tsy maintsy manaraka an’izay zavatra notapahin-dry zalahy !
    Financement izany aza ho tapaka !

  • tonhy dit :

    hatao videoconference ndray hono le fivorina @ zareo efatra, fa fomba avy aiza ty videoconferencety ? maninona raha miteny tsotra fotsiny le foza oran’io hoe : tsy te hiala eo ny ministra mpanongam-panjakana satri mbola hangalatra sy handroba ! fa maninona ry radomelina refa nitarika conseil de ministre t@ foton’androny, maninona no tsy natao videoconference le izy??? heveriny fa vendrana nngamba ny gasy ka tsy halala an’izany !

  • akamasoa dit :

    Efa tsara ny maheno fa efa mirona any amin’ny fampiasan-kery ny hevitry ny maro amin’ny famongorana ireto fozaorana misandoka fahefana ireto.
    Herisetra no nahatongavany teo
    Herisetra ihany no hamonoana azy eo.
    Efa tsy Malagasy intsony ireo fa efa foza sy bibiolona.
    Mba jereo ny tarehin’i Malin Mararisahona. Toy ny alika romotra.

  • akamasoa dit :

    … Ary tsy tokony mandany andro hanao fifidianana izany satria automatique ny hahalany an-dRavalo raha madio ny fifidianana.

    Ny hamongorana an’ireo tsy vanona ireo amin’ny fomba rehetra aloha no tokony imasoana. Izay ihany satria na inona na inona hatao eo dia tsy hisy ho vanona.

  • Verohanitra dit :

    Manao ahoana daholo !
    Mbola te hanohy iny lalam-pahoriana iny ihany ireto mpanaradia an’andriamatoa kely ireto na dia efa hoentiny amin’ny lalan-tsarety sady fiakarana no mitondra any an-tevana aza.
    Raha ny sitrapon’ilaikely dia ny ministry ny fat(y) ihany no tiany hotazomina eo Efa nifanao fati-drà angamba izy mianakavy ireo fa na ho soa na ho ratsy dia « miara-mirona ry ikala alika! « . Nefa i Monja Roindefo nanaovany fati-drà aza nodakany am-bavafo rehefa tsy nilainy intsony. Fa matoa ireo mbola tazominy eo dia « ao raha ! ».
    Izao indray izy dia efa nanambara mazava fa raha izay toerana ministra vitsy kely ireo no handehanana any Maputo, dia avelao amin’izao fa mandeha io. Ny fahalalahan’ny mpanao gazety moa dia izay mpanohana azy ihany no mahazo niaka-dapa.
    Tokony heverina mihitsy izay hamongorana ny aviavin’ny Betania hatrany amin’ny fotony fa iza no ho teren’ireo hiaraka aminy hiakatra an’iny lalam-pahoriana tsy notadiavin’ny besinimaro akory iny.

  • Nadia dit :

    eto mba hanaovan’ireo very fihinana ny revingadrany
    manofinofisa tsara ry havako

  • Nadia dit :

    ianareo reo mihintsy tokony hilevina anaty Tany fa resy i Andry 8 volana nahavita Fianarana tany Amorondava ,ho ela velona ianao Filoha Rajoelina

  • malahelo dit :

    Tsy izay nanohana an’i Radomelina teny @ 13 mai ve no manonofy ry Voatavokely
    mazava ny voalazany My dago hoe aiza ny fampanantenana teny @ 13 mai , ny vary 500 ariary, ny menaka , ny PPN , ny Saoudianina

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny arabo aza mizaka crise izao, ry malahelo !
    Izany ve no mba antenain’ny voatavo ? Tsy miomehy loza !

  • malahelo dit :

    Ka izany mihitsy anie ry KM fa fampanantenana poakaty izaynampanantenain’i Radomelina rehetra
    Ohatra fotsiny nampanantena ny PPN avy @ Saoudianina nefa ny Arabo koa zao andalovany crise , ny Hotel vao ray taona ny nitokanana azy any EMIRA ARABE efa faillite sahady ka hanao ahoana ny hahatongavyny ny PPN ny RADOMELINA ATY

  • Lioka dit :

    Salama aby Malahelo,KintanaM..,Verohanitra,sy ny akama retra,tsy adino Dadazaka ary miaraba an i akamasoa koa e!
    Renareo ve ny reportage mikasika ity vola nomena ny sirama ity ry zalah fa tô tsy mazava lôtra mitsy;I lery tô mbola mitohy mamahana lainga hatrany:Nolazainy fa karaman’olona mi-isa 3000 no nalohany, ny isan’ireo piasa anefa dé eo @300 eo sisa efa taona maro.Ary dé iza marina koa no nanondrana io drala io satria tsy ao anatin’ny progany@fivohan’ny volapanjakana koa io!Ka tsy mazava ve leretsy izao fa programa azy samirery no tadiavin’ity békilé ty atao@ fanaovana propagandy sahady???Dé mievitra mitsy léry fa ho vidimbola daholo ny gasy!?Soa ihany fa tonga saina ireo piasa ireo ry zalah a!

  • Lioka dit :

    Salut tonhy!
    Efa fanao hatraiza hatraiza ny vidéocoférence ka tsisy quoi io leroa fa aleo handé @io toy zay ataon’ilé-io@hoe: « tsy hoany ah! »!Ilery rateo nilaza fa alefa ho hitan’ny vahôka io fivoriana io,fa tokony tsy hisy hipika fotsiny ny tafa ataondry zalah @io fotôna io!Sa ahôna?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Rehefa zava-dehibe mikasika ny fiainam-pirenena tahak’izao ry Lioka, dia ny mifanatri-tava ihany no tokony ho izy â !
    Dia tsy misaraka raha tsy vita, na misy ny fanampahin-kevitra, ary vaosonia daholo izay tokony ho soniavina.
    Anisan’ny fahadisoan-dry zareo nandeha tany Addis-Abeba izany. Natao maimaika fotsiny ny zavatra natao rehetra, dia izao no vokany. Hanatra sy lesona izany.
    Raha milaza fa miaro ny tombontsoan’ny vahoaka i sankalité, dia tokony tsy hatahotra ny mandeha ho any.
    Ary rahefa tsy maintsy misy fifanarahana vaovao ihany koa, dia hiverenana, atao mazava tsara ny accords izay efa natao rehetra ! Atao mazava tsara ny andraikitry ny tsirairay, ny fehim-potoana tsy maintsy arahina !

  • Nadia dit :

    ahy ve ilaina hiany ity lazaina fa sankalite?marina ny azy volo tokony hgividianana vary ho an’ireo Ambany Tanana ve atao sarandalana ,aleo hiroso @ Fifidianana dia vita,Ravalo tsy mila miverina

  • malahelo dit :

    Toa tsy novaliany Voatavokely izay nosoratako ao ambony fa nilaozany nifindra sujet?
    resaka ka resaka fa aiza marina ilay 50 000 000 dollars nampanantenaina teny @ 13 mai
    Ary tsy ny GIC ve no miantoka ny lany rehetra sa matahotra sao ho bedesina Randrema bemolotra sy ny tariny raha tafaverina avy anby Radomelina

  • malahelo dit :

    Olona Vendrana miseho azy ho mahay politika anie i Radomelina ry LIOKA
    Mba eretsewreto anie fa hoe avy ni payé ny karamany mpiasany Sirama miisa 300 izy
    Aiza no maro kokoa , ny mpiasany Sirama miisa 300 sa ny mpiasany AGOA miisa anetsiny zay ho very asa sady mazava loatra fa tsy hifidy azy ireo olona ireo raha very asa
    Zany ve mba olona mba misaina ? tena lohany DJ marina manodina disque fotsiny no fantany dia mandihy ny rehetra na gaigy na ny mahihitsy

  • KintanaMananDrambo dit :

    Dia lazao i sankalité tsy hitonatonana ho any Copenhague rehefa izany ihany. Dia asaivo haveriny daholo ny volam-panjakàna laniny rehetra, nentiny nanaovana zesta tetsy sy teroa.

  • malahelo dit :

    Izy anie no mandany volampanjakana nandritra ireny fivoriana tany Maputo ireny fa ny avion mitondra ny mouvances 4 ny GIC no miantoka ny lany fa ny avion special izay ofainy tsy antofany GIC sa vola avy amposiny reny ry fa tsy ny volampanjakana @ Voatavokely? tena mendrika anao io anarana io fa ny lohanao vide tratrany ny fihinana ny naloany alika

  • Lioka dit :

    Tena marina io vôlazanareo io KintanaM… fa izao nefa ange ka mazava fa tena manana mauvaise foi mitsy ity bandy ity ê! ka izay no matonga ah miteny hoe alao ho vita izy ty na dé atao vidéocoférence aza, ary ny tena kilé an’ity sankalité ty koa dé efa haitsika fa ny hataraiky tateraka ity raharaha ity e!
    Mody mapandry resaka@ fitsitsiana indray lery!amin’ny zavadehibe toy ny rarahampirenena ve leroa dé tokony hidiran’izanyresaka izany? Ny fiainanan’ny malagasy tsy vaky volo mitsy leroa no ataon’ity bandy ity kilalao a!Ary mety samy tsy manaiky gisitra aby koa angamba reto akôlitan’iléry ireto ka te-hoany daholy e!Dé ahôna tokoa ny frais sa hijapy Air france ndray dé avy eo mi-squate ao @Méridien dé ny sakafo koa sns..!Efa nirobaroba lôtra ta mboaloany mantsy!!

  • BALITA dit :

    tgv MORA PANINA , lany lasantsy, tsy manndeha mafy intsony izy amin’izao fa mitokona tsy mety miaraka miaa amin’ny olona hafa, azo lazaina fa tsy tanteraka ny fanirian’i TGV hitondra irery na inona na inona filazany ankehitriny, na Président aza izy President encadré, tsy misy fahefana fa ny soniany mbola jeren’i Fetikely sy Vahiny, mety mahatezitra azy io amin’izao fa akory atao rehefa tsy mahay na inona afa tsy bodongerina fontsiny izay no alehany

  • KintanaMananDrambo dit :

    Lioka,
    Fantatra ny kileany, ka izay no tokony ho dénoncer-n’ny mouvance Ravalomanana, eo anatrehan’ny Communauté internationale. Revoyer-na ny datin’ny fifidianana rahatoa ka ilaina, fa tsy mila atao maimaika.
    Ny éligibilité-n’ny candidats, dia torak’izany
    ihany koa !

  • malahelo dit :

    Ka izany anie Balita ny mahatonga azy tsy manaiky handeha any Mamputo fa efa fanina ny lohany tsy mahatapaka irery fa ny baiko avy @ goaky antitra ireo raha tsy hilaza any Randrema be molotra , Ratsirahonana ka mody milaza hoe fandaniambolampanjakana nefa tsy volany na volany fanjakana malagasy no mivoaka fa ny GIC no miantoka ny lany rehetra ankoatry ny izy manofa avion special izay volany fanjakana fa tsy volany no mivoaka

  • KintanaMananDrambo dit :

    Momban’ny resaka vola ry Lioka, dia miodina mafy mihintsy angamba ny « planche à billets » ! Mety mihaina amin’ny vola baoritra ny malagasy hatramin’ny volana jolay !
    Aiza ka telo volana fotsiny hono, nandalovana tao amin’ny governemanta ve ilay iraikalahy izay, dia nahavoaka 4×4 vaovao 2, sy nahavidy villa 1 ?
    Na i Jesosy aza, tsy mahavita fahagagàna toa izany !

  • Lioka dit :

    Dé tsy hay ntsony marina izy ty ra-KintanaM.. a! Ny vahôka ity efa tena fadiranovana!Akôtran’ny tsy fisiana dé mba eo koa ny moral satria mazava fa miandry mafy mitsy ny fiverenan’ny filoha ny vahôka manotolo e!

  • malahelo dit :

    Ka ny FAT @ zao anie ry KM manisaka volana fotsiny , raha t@ 9 Novembre ny fifanarahana nisy tany Maputo farany dia milaza ny anaka ampo ry zareo hoe ray volana zay ny karama azo dia raha mbola tsy mihetsika ny mouvances telo ,tsy misy fandraisana fepetra hentitra ho tonga ny farany taona dia manisaka indray hoe nahavoa angona roa volana sur plus zao zahay mety azonao angamba ny tiako ho lazaina

  • Lioka dit :

    Tena marina io resaka vola io, ny reko aloha dé villas 2 be zao !ary aty ivelany io villas roa io ka tô hoe nisy mitsy ny enquête satria ainareo ihany ny fisc aty ivelany!Saingy tô tsisy tohiny tsony reko taty aorina! (???) -Ra mba mavita fahagagàna tokoa mantsy ny tena leroa(ôtran’i Jesosy) dé mba ho vôvonjy miaraka@vava aby reto olona tena mahonena ireto a!Tena ontsa leroa ny fo a!…Ny krismasy ho avy.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Aza taitra ianao ry Lioka fa ny Brigade financière aty, tsy mitovy amin’ny BIANCO â !
    RaPASQUA aza voa !
    Malahelo, ilay vola azo isaky ny mikisaka ny volana moa dia efa fantatra ; fa zavatra iray dia iray mihintsy no tena ao an-dohany ! Mety azonao angamba ! Sa ??

  • Lioka dit :

    Efa rakatra lé zavatra ao andohandry lerony ry KintanaM.. sy Malahelo a! Ary tsy ho ela marina ry zalah ireo dé tena tonga @lazain’ny maro hoe tapidalan-kaleha amizay! Tena kôzy fa ho be no lasa adala ao ry zalahy a!

  • Anti-Ra8 dit :

    Eny oao e! Miredirede foana eo dia manofisa volana aman-kintana! Efa kely sisa angaha ny vola any am-paosy hatramin’izay nangalarana fananam-bahoaka izay ka manonofy atoandro sy manao ariary zato am-pandriana? mampalahelo! tsy nahay nanangona toan’i Dadanareo tao anatin’ny 8 taona angaha? faly nihinam-potsiny? Matoritoria fa hanaterako hena e! mampiomehy ny mahita sy mijery ireto zanak’i Dada mivaloarika sy mitady hevitra etsy sy eroa nefa i Dadan-dr’i zalah efa kely sisa dia hamoha varavaram-pasana hilevenana velona! Naninona no tsy nisy namaly ilay hoe: IZA NO NANGORONA NY FANANAM-BAHOAKA NANDRITRY NY VALO TAONA (TANY)? IZA NO MPIHATSARAVELATSIHY ENY AMBONY ALITARA? IZA NO NAMPAHANTRA NY VAHOAKA SY NAMPAMONO OLONA TENY AMBOHITSIROHOTRA? IZA NO MPILALAO VADIN’OLONA SY MPANAKANTO NEFA MILAZA FA HOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA? IZA NO NIVAROTRA TANINDRAZANA? IZA NO MPANAVAKAVA-BOLO-KODITRA? IZA NO NILAZA FA AHAZO 4L ISAN6TOKAN-TRANO?IZA NO NAMPANANTENA FA HAMPANANA NY TSY MANANA FA TSY HAKA NY AN’NY EFA MANANA, NEFA INONA NY NATAONY? NATAONY AMPIHIMAMBA DAHOLO IZAY VAROTRA NANDEHA TETO MADAGASIKARA KA IZAY NIFANINANA TAMINY DIA MIGADRA NA LEO MONINA? IZA NO TSY MPANDOA HETRAM-PANJAKANA FA MIALOKALOKA AO ANATIN’NY FRANCHISE DE L’ETAT, IZA NO NANGALATRA NANDEFA RADIO SY TELE TAMIN’NY CANAL N’NY FANJAKANA?…. tsy haiko intsony e! be loatra ka asanareo mieritreritra ny malagasy ho foza ka tsy hatadidy an’izany! NY LASA TSY FANADINO INDRINDRA HO AN’NY OLONA NAMPIHINANA MALOTO NY MPIRAY TANINDRAZANA AMINY! Mazotoa manao ariary zato am-pandriana fa « roso ty ka tsa mipody kouh ah »; Tsy ny tanora miezaka hanatsara ny ho avin’ny firenena akory no ankahalaina noho ny « interet personel »-n’ny zaza mianta ratsy eo amin’ny Dadany!
    Foza hono izahay????? iza izao no tena voafoza tsy ny dadanareo? hi!hi!hi!hi!hi!hih!hi! FALY AHO! TENA FALY FA VOAFOZA NY DADAN-DR’I ZALAH ARY TSA HIMPODY KOUH AH! Manaova indray aloha « FETI »+ SON mitalakotrokotroka be eny @ Magro e!
    Ary maninn no tsy sahy manao manif mihitsy any @ faritany fa be vava fotsiny eo e? mandehana hoe mba manao fitetezam-paritany ry zanak’i Dada ah!dia ento eny i TONTON BORISATROKA (tena tian’ny vahoaka ao @ IIIG hangar)fa ireny no tsy « foza » aminareo! he!he!he!

  • Lioka dit :

    Ô ra-Anti-Ravalo a! Fa tena matsiaro voa mafy angah nareo zany no dé tena mivazavaza mafy be toa zao!!???Tandremo rangah ity fa tsy mbola vita ange ny tantara ka sao dé tapaka lalan-drà atenatenan-dalana eo fotsiny a!Ary angah koa moa tsy efa matsiaro hoe efa mahavoa nareo ireo zao no toa ôtran’ny tsy mbola faly fôna e???Ra mifanohitra @zany no mitranga dé arosoy ary izay evitra hitanareo hanalana ny olana hiaramidinika!

  • Anti-Ra8 dit :

    Tsy ho tapaka mihitsy ny lalan-dra-ko ry Lioka ah! rehefa tsy tapaka tao anatin’ny fitondran-dra8 dia tsy hotapaka intsony mandra-pahafatiko! he!he!he! Ny mpamono olona sy ny nandroba fananam-bahoaka ary mpivarotra tanindrazan tsy ilaina akory ny heviny hampandroso firenena! ireny v ny nataony dia mbola hanana eritreritra ihany ny gasy fa hanana fahatsoram-po hampandroso firenena ireo olona efa naloham-bahoaka ireo? Ny solution amiko dia tsy mila consensus izany! miala daholo ny mpitondra hatramin’i Rajoelina dia atao ao anaty fotoana vitsy ny fifidianana dia ny international no mikarakara azy ampian’ny commission indépendante! vita kabary! tsy ny fanomezana toerana an-dRatsiraka na Zafy na Ravalo na ireo ekipan’i Rajoelina efa namofona akory no hampandroso firenena! atao haingana ny fifidianana dia asaivo mody ao Dago ireo filoham-pirenena be vava tsy sahy manatrika vahoaka ireo ahitany ny tena valin-kafatra! okay ralioka ah! soa ihany ianao fa LUC fa tsy MARC! he!!he!he!

  • Lioka dit :

    Ka mety hiteraka blem aminareo ihany ah satria na Lioka aza ah fa tsy Marc toy ny vôlazanareo dé tena pro-Ravalo be mitsy ê! Ary tena kôzy fa miandry azy mitsy ah leroa a! Ka ny points de vue moa leroa samy manana ny azy a!Démocratie io,ny tanindrazana dé iraisana ary izay tsy hianjerany @fanjanahana indray aloh izao no tanjona e!Ka izay no matonga ahy milaza aminareo oe ento mora ihany fa toa hifanome fo fotsiny eto aby,nefa tokony ahita vaha-olana!Sa ahôna ozy nareo?

  • Anti-Ra8 dit :

    izahay ange ry lioka ka nangina hatramin’izay e! saingy mahita ireto olonareo mitabataba lalandava d tsy lefitra ihany fa samy mba manana ho ambara na ny ratsy na ny tsara e! Izay hainay tsy hain’lah, izay hain’lah mety ho hainay… hoy ingahy Paulbert na i Rossy zay t@ hirany hoe: dé maninn an’lah!
    Marina mitsy zany kah! izay tsy hianjeran’ny firenena any @ fanjanahana sy fanangonan-karenan’ny olon-tokana mitsy izao no ilaina kah! izay no tsy ilanay an’i Dadanareo ntsony!

  • Nadia dit :

    Anti Ra8! i Ravalomanana anie ka na asaina mody tsy sahy mody e! tsy hainao angaha fa aleo henjehan’ny omby masiaka toy izay heritreritra

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ka rehefa tsy ao intsony Ravalomanana, maninona i Madama grondier tsy miverina mody, maka ny fanànany, izay nolazainy fa nangalarin’ny sasany ?
    Sa dia fanànana an’eritretra fotsiny ?

  • malahelo dit :

    Ka i Deba nahoana no tsy sahy mody any Ambodiatafana nefa patron ny Radomelina ihany sa matahotra ny ho kekeriny ny alikany ?

  • Lioka dit :

    Miaraba anao eto ndray ah Atoa Anti-Ravalo !
    Dé misôtra ndrindra nareo namaly e!Ozy nareo teo hoe: « izay hain’lah mety ho hainay… hoy ingahy Paulbert na i Rossy zay t@ hirany hoe: dé maninn an’lah! » ; Io moa zalah dé arakaraky ny revy no hiainona ny hirandranona sy ranona a!Fa ra amizao circonstances izao ndray leroa dé mba hoy ah oe:
    izay mitambatra leretsy vato a! ary olotokana tsy mba vahôka,ireo ndray dé tsy avy @hira akory fa fitenindrazantsika mba tonga tapoka tanaty lohan’ny tary e!Ary dé tsy nisalasala ah Anti-Ravalo namaly an’io sady nareo rateo io manaiky tokoa fa atao aloha izay tsy hianjeran’i Dago eny apelatanan’ny vozongo indray!
    Ary refa misy tanjona iharahamijoro ôtrizay moa dé efa mba afaka mikôzy kely ihany ntsika e!Ny tsy mahay sobika leroa mahay fatrambary a,ary dé tena mitombona @lé hira vôlazanareo teo io.Ny mahay vava ihany no ratsy leroa a,sady tsy nampianarina rayamandrenigasy atsika koa izany!Ka dé tsarà leroa a!A plus!

  • Lioka dit :

    Salut KintanaM… sy Malahelo,sy ny akama retra eto !Mandalo tselika fotsiny aho io leroa ka asa na alimbe ndray vao tafaverina eto fa dé mazotoa jiaby ndray ary dé mankahery e!

  • Nadia dit :

    ka izay mihintsy no mahasosotra @ Ravalo ,raha tsy teo @ fitondrana Ravalo nampahory tsy nahalala izay Grondier sady tsy nandeha taty akory,hody aninona?efa nanao sonia

  • Nadia dit :

    misaotra Malahelo ! Bravo i se no manamafy ny zavatra lazaiko ,henjehan’ny heritreriny Daholo ireny e! ary tsy ilaina ny fiverenany
    efa misotro rononokoay Malahelo Deba efa vita
    na valovotaka tao Ambodiatafana aza aho milatsiny Ravalo aza akaiky ny fasako tsy haoko rehefa kary dia vandana

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tsy mahay mitàna angady angaha ingahy Grondier ?
    Misy traktera koa anie any ê !! Vita sonia e, vita sonia !!
    Ô ry kala â ! Spécialité-nareo anie io tsy manàja sonia io ê ! Inona no hamakian’ise loha amin’izay sonia any ? Ny akamanareo izao efa nahazo 4×4 jaojaopila daholo, tsy mba misy iray ve any, mba hanolonao an’i lery ?

  • Nadia dit :

    o r’ise a! raha resaka sonia aloha dia i Dadanareo no nampianatra io Zaza io hivadika,izao indray dia olona manaja ny teny nomeko teo ambony Alitara
    ka raha tsy mazoto ny ho an’ny @ Tanana izy izao no mitselika any,momba ny 4×4 tsy izay amiko ny zavadehibe fa miasa mafy raha te hanana ny soa fa tsy hanao toy i Dadanareo,izao indray mahay mitana angady sy mahay manetsa ka

  • Nadia dit :

    Malahelo ! hatraminy nahitako anao 1 taona teto izay i Andriamanjatosy ny fankahalanao azy no azoko hotsongaina

  • malahelo dit :

    Ary ny nahitako anao ho iray taona izay R8 ny fankahalananao azy @ letchi no azoko ho tsongaina koa

  • malahelo dit :

    INONA NY NOLAZAIKO MANAMAFY NY NOLAZAINAO RY NADIA?
    I Ratsiraka no tokony hody tsy ampisalasalana satria ny< alikakeliny ihany no eo nefa mbola tsy sahy mody izy fa matahotra ho voakekitry ny alikakeliny

  • malahelo dit :

    Ka iza ny nampianatra ny Roindefo lasa nivadika anirad o
    Efa henonao moa ny fanambarany Monima fa tsy manaiky an’i Radomelina intsony
    Tena mampihomehy ee , toa hoe Roindefo moa tsy hiala mandrakizay eo @ maha PM fa naninona indray no nivadika
    Efa zatra ny nanongana dia tsy mety intsony ,

  • Anti-Ra8 dit :

    Nisy niandohany daholo ny zavatra rehetra e! iza no nivadika tany @ Dakar I sy II? nohon’ny ataon’ny olona no tsy mahalala maty? ny tody tsy misy fa ny atao no miverina!
    Lioka ah! tsy manana olana amin’iza na iza aho fa tsy tiako fotsiny ny politikan’i Ravalo? adi hevitra no atao eto fa tsy ady fifandritahana akory! ary tsoriko fa tsy ireo olona miady seza efa nitondra ireo no antenaina hanarina ny firenena! Ny tsy azo lavina kosa dia raha tsy teo i Andry Rajoelina tsy niongana ny jadona sy ny tian-kano sy ny tsy tian-kano! ny fanatanterahana ny nofinofin’ny tena eny ambony avion! ny filazan fa tsy izay tian’ny Malagasy no ataoko fa izay mahasoa azy! nefa inona ny nahasoa nataony teo? tsy ny nanototra tany sy nanao monopole ny zavatra rehetra v no nataony? Ireny rehetra ireny no tsy hitiavako azy! Mbola nampian’ny hoe : « tsy mbola teraka aho t@ 29 mars 1947 izany ka tsy miraharaha izany? izany v no olona hiankinann’ny Malagasy! mbola nampiany koa hoe « Raha mbola misy tany azo totofana any dia teneno aho fa mbola ho ataoko! rehefa avy nanototra ny lemak’i Betsimitatara izy! Iza t@ Malagasy no mbola sahy nanototra an’io Betsimitatatra io na t@ andron’ny faha-mpanjaka aza? IZA NO NANALA IREO RAZAM-BE TENY ANATYU ROVA? izany v no olona harovanareo eto @ ity tranokala ity? malahelo aho na dia filazan’ny Dadanareo aza ny hoe FALY AHO ARY TENA FALY? izaho sy ny malagasy nitaraina nandritry ny 8 taona nanantena fiainana vaovao taorian’ny fitondran-dRatsiraka sy zafy dia diso fanantenana avokoa! ianareo nahazo avara-patana sisa anie ireo tsy nahatsapa ny fahoriana nampitondrain-dRavalo ireo e! ianareo tsy dia niasa mafy fa nahazo vola t@ resaka fournisseur kely, nahita lalana kely t@ affaire natao ireo mitabataba ireo! Fa ny tena nahita faisana nandritry ny 8 taona ho aiza intsony? efa resy ka dia mangina satria nalain’i VOAY B Ravalomanana ny hany mba fananany, taniny, ny vady aman-janany nasaina novetavetain’ny nolazaina fa mpamatsy vola nefa mpanjanaka! efa afaka t@ ziogan’ny mpanjanaka ange isika izao ry Lioka e! mpanjanaka napetrak’i Ravalo sy namarotany tany!

  • malahelo dit :

    Anti-Ra8 a dit : Ianao miteny hoe
    ——————- tsy azo lavina kosa dia raha tsy teo i Andry Rajoelina tsy niongana ny jadona sy n—————
    Manontany anao zaho hoe iza moa ny olombaovao miaramiasa @ Radomelina ao satria ny fitondrana teo aloha goaikiantitra daholo?
    Ratsirahonana, Randrema be molotra , Alain Ramarson, sy ny tsy voatanisa olombaovao hitondra fianambaovao??
    ny nanalana an’i R8 TEO HONO NANAO DIDIJADONA KA NY DIDIJADONA NEFA NY MAHAGAGA NY DIDIJADONA NOLAZAINA TEO IHANY VAO MAIKA MIOHATRA NY TEO ny RNM sy ny TVM sensueé na ny MOnima antokony Roindefo milaza anizany ao @ Madagascar Trubine satria efa tsy PM ka hita daholo ny tsy mety nefa mbola ny PM nanome baiko izao rehetra izao
    R8 LAZAINAO NANAO DIDIJADONA NEFA NIAFAKA NANEHO HEVITRA TENY @ 13 MAI IANAREO , AMIZAO TSY AZO ANAOVANA FIVORIANA ENY @ 13 MAI, NOTOKANANA Y HO PLACE DE DEMOCRATIE NY ambohijatovo fa amizao izy efa tsy plcace de democratie ka tsy azo anehoankevitra?
    Tsy R8 no nanjanaka fa i La Frantsa no mbola manjanaka amizao izay mibaiko an’i Radomelina
    Mba hainao ny dikany fanjanahantany ianao nilaza nianatra
    Namarotra tany i R8 ARY IZA NO MANARARAOTRA NY BOIS DE ROSE AMIZAO,anisany nalay an’i R8 I zAFY NEFA VAKY FEO IHANY FA MISY OLONA AO @ hat MITRANDRAKA NY bOIS DE ROSE ANTSOKOSOKO

  • Anti-Ra8 dit :

    ka tsy Rajoelina anie zanyry malahelo fa ny olona ao anatiny e! sarotra kosa ny milaza fa tsara daholo ny olona manodidina an’i Rajoelina aloha e! Fa tsy Rajoelina izay haratsianareo mivantana io anie izany e! ny anareo angeh k Ravalomanana mitsy no nivarotra ny tany t@ Daewoo e! Nisy ny fahalalahana miteny hoy ianao tamin’ny andron-dRavalo! taiza no nisy an’izany? hanontanio i Mr Volatahina directeur-n’ny TVM t@ izany raha marina izany! vehivavy nanolotra vaovao iray izay aza noroahina tao @ tvm satria tsy natolony aloha ny vaovao Ravalomanana! zany ve no fahalalahana sa fahaterena? Jereo raha misy anaran’i Andry any anatin’ireny affaire bois de rose ireny! ary avoahay ny dossier-n’ireo bois de rose t@ andron-dRavalo raha tsy ny zanany sy ny anaran-drain’ny vinantony (Radavidra) no betsaka!Izaho anie manaiky fa tokony tsoahina hatramin’ny fakany ireo manodidina an-dRajoelina ireo e! toan-dr’i Saka b (Ratsirahonana) ry be molotra (Andriamanjato) ry tontakely (Alain Ramaroson) sns… fa raha i Rajoelina kosa no ilànareo vaniny dia miaro hatramin’ny farany izahay mandra-pahitanay ny tsy mety ataony ho an’i Madagasikara!

  • Nadia dit :

    fahalalana inona ry Malahelo?tsy hitanao angaha ny Tanindrana nogadrainy Dadanao ireny?

  • Nadia dit :

    Malahelo1 manafy ny teniko ny teninao satria niteny aho hoe aleo henjehany Omby masiaka toy izay ny heritreritra,dia hoy ianao maninona Ratsiraka tsy sahy mody?dia henjehany eritreriny izy izany ok! bonne nuit anao Zoky lahy Malahelo

  • malahelo dit :

    Mbola miverina @ namaliako ny teninao anga i Nadia
    Ka i Ratsiraka sy R8 mpifanindrana normal raha R8 TSY SAHY MODY FA ITY rADIDIY IZAY NANOSIKA AN’I rADOMELINA HANONGAMPANJAKANA NO SADY TSY SAHY MODY NO MAHAGAGA AHY KA IZANY NO NILAZAKO HOE
    MATAHOTRA SAO HEHERIKY ALIKAKELINY(RADOMELINA)
    KA TSY TOKONY HATAHOTRA HODY ANIE IZY FA ALIKANY IO MAHAFANTATRA NY TOMPONY

  • malahelo dit :

    kAY MIAKY IHANY ITY MILAZA HO ANTIR8 FA NY OLONA MANODIDINA ANY DOMELINA GOAKY DAHOLO ARY DOMELINA SARYVONGANA IHANY ? TSY NIHOMEHY ZAHO RAHA TSY NAHITA IREO OLONA NOTANISAINAO EO AMBANY TOKONY HO ESORINA RY BE MOLOTRA SY NY TARINY
    TSY TOA HOE JADONA @ FIBODOANY R8 NY TVM SY RNM VE NO NANALANA AZY KA IZA @ MPANOHITRA AMIZAO NO MAHAZO MIRESAKA AO @ TVM SY RNM MBA VALIO ? NA MONIMA AO @ MADAGASCAR TRIBUNE MILAZA NY SIVANA FA SATRIA EFA TSY PM KA MAHITA NY HAMANTSY TAINY RADOMELINA FA FONY IZY NY PM TSY NIHITANY NY SIVANA ARY ITY BOIS DE ROSE TENENINAO KA R8 MOA TSY EFA NOLAZAINAREO MPANGALATRA KA NY NATAONY KOA NO AVERINY DOMELINA?
    NY TADIAVINAO ZANY RADOMELINA MIHITSY NO MIDINA ANY ANATINY ALA MANAPAKA NY HAZO VAO MIAKY ANAO HOE DOMELINA KOA ANATINY
    ARY INONA NO MAHATONGA ANY ZAFY ALBERT NITENY HOE TOKONY HATAO AMPAMOAKA NY OLONA AO @ HATA MITRANDRAKA HAZO TSY ARADALANA ARY TSY NAHAZO ALALANA @ DOMELINA

  • Nadia dit :

    faly eryi Malahelo! fa maninona anao Andriamanjato?lazao ahy ,andana matory

  • Nadia dit :

    tsy misy alikany izany ry Malahelo a! iny Zaza lahy kinga saina tsara fanahy

  • malahelo dit :

    Tsy faly @ Rabemolotra zaho fa ny havanao ihany miteny eo ambony hoe ny mpiara miasa @ Radomelina tokony esorina Randrema be molotra, ramarson, Ratsirahonana sa tsy mamaky anao

    indraindray anie ka mifanipaka ny lazainareo
    Tsy ianao no manery ahy hatory tahaky zaho tsy manery anao matory

  • Maevanilla dit :

    SALUT DAHOLO NY REHETRA ETO EH!!!
    Efa ela indray tsy nandalo teto , hay moa ka efa ato indray izany izao ny rehetra fa tsy any topmada eky!!!
    Partout où je vais, je vois l,ombre de Nadia, j’ai fait même des mauvais cauchemars de cette femme là pendant toute mon absence de ce forum!!!grrr!!!
    Misedra zavatsarotra mafy ny malagasy.Nitsidika toerana maro aho ary tena MAZANA ny fiainana, mafy x10 noho ny tamin’ny androndra8. Ary ny mpanao risoriso sy ny mpangalangalatra no tena mahavoa satria tany tsisy lalàna ka dia manao izay danin’ny kibony. Ny olona anefa terena handoa vola foana dia izao no aloavy fa raha tsy izany dia atao x2. Dia akory atao fa dia tsy maintsy mandoa. Hitory any amin’ny BIANCO, ny olona tao efa nisolo ka sao dia ho lasa mpitory voatory eo indray. IZANY NO ZAVAMISY IAINANANY ETO MCAR AMIZAO. TSY MISY FAHALALAHANA INTSONY. tompony mangataka atiny amizay atao ny olona. very ilay fahasahiana teo aloha handeha birao na hitory ny tsy rariny. Ny tantsaha moa dia mihorohoro amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Mahafinaritra ny manaratsy andravalo ry NADIA fa raha iainanao ny zavatra iainan’ny gasy maro dia aleonao ihany angamba nifidy azy na dia nalainy aza ny taninao. Satria aminizao dia tsy ny taninao irery no lasa fa i Madagasikara ambongadiny no tsy an’ny Malagasy intsony. Tsy tompon’ny taniny intsony ny gasy satria tsisy fahafahana velively, mitebiteby lava. Toy ireny olona any andafy lany visa ireny(matahotra foana isanandro).
    Lava ny teniko ary mampitsepo ny mahita ireo olona any amizay toerana vangiana mijaly.
    La nostalgie des temps de Ravalo en ce moment est comme celle de mes parents à Tsiranana.

  • Nadia dit :

    hi hi hi tezitra angaha i Malahelo?bonne nuit ary e!

  • malahelo dit :

    hihihihi tsy tezitra zaho fa tsy mmisy manery ahy handeha hatory fa ny connexion illimité mitovy aminy connexion nao illimité

  • Maevanilla dit :

    Akory lahy malahelo!!
    Mba manao tatitra ny zavamisy aminizay nandehanana rise ah!! izaho aloha dia kivy mihitsy amity zalahy kely malay akifiky ity eh!! Ino ma tena mba agnaty lohanizy io?? Ary mba hitanao koa moa resaky hoe izy misy androbe iny???(épileptique kay moa izy io!!!!)
    Tandremo sao ipitihan’ny rorany eh!!!Sady ireny androbe ireny rehefa tena stressé ilay olo dia mivoaka hoazy. Un président en mauvaise santé??? == dia hanome pouvoir aniza indray???

  • malahelo dit :

    Akory Maevanilla
    Misaotra @ tatitra
    izany ve ny vaovaony zalahy io misy andro Be ? izany mahatonga azy mivadibadika decision io? Ka i dadabeny Randrema be molotra toa hoe Pasteur ka tsy mahafaka anizany andro be izany ? Mila mitandrina marina koa i Tonton Fetison tsy hipitsihany rorany fa aretina ratsy be zao ,
    Hitako le ry tany Mamputo fariny iny nikizitina toa zaza mbola tsy ampy< taona nivoaka dia niteny i Dada Zafy hoe manao sainjaza , manafabaraka ny tenany kay le andro be no mahazo azy
    Sao mba nafana be koa ny tany Mamputo ka tsy zakany lohany fa toa hoe tsy ahazaka ny andro mafana hoe ny olona voany andro be

  • Lioka dit :

    Salama ianao Maevanilla!
    Mafinaritra ny mamaky ny soratra ataonao eto, zavatra misy vetiny no arosonao fa tsy miteniteny fôna!Tena mampalaelo tokoa ny vahôka,Ary tena marina fa tonga @ io filazanao io fa dé tena tompony mangataka aty tokoa e!Tsy ataotsika mahakivy zany Maevanilla a!Mampiseo hystérie tateraka ireo mpanohana an’ity lékely ity!Ra tena manana raisonnements mitombona ry zalah ireo tsy ho romotra sy hiteny ratsy olona eto e! Efa mba teto ihany mantsy ah teo. ntsika tsy makasitraka ny zavatra sadasada sy tsy ara-dalàna!Ka na sarotra aza ny lalana dé vonona hatrany hiady atramin’ny farany mba tsy ho lasan’ny panjanaka indray ity tany mamitsika ity e!
    Masina ny tanindrazana!

  • Anti-Ra8 dit :

    Ô ry maevanilla ah! izao ve ianao vao mahatsapa fa nijaly ny vahoaka? efa tamin’ny andron’i dadanareo ange ka nihinana ny malotony ireo vahoaka ireo e! maloton’alika tamin’izany andron’i dadanareo izany ka ny avo ihany no tovonana! Azafady ry LIOKA fa tsy mbola niteny ratsy taminao ny tenako! ireo mpomba ny dadanareo ireo jerena fa ireo no mpanompa olona ato! izany ilay hoe aza variana mijery ny sombin-kazo eny amin’ny tarehin’ny olona fa ny ANDRY b eo anoloanao aloha jerena!
    Manana raisonnement ve i Lioka? tsy hitako izay avoakanao eto fa nymamendrofendro ireo mpiara-dia aminao no ataonao! ampifendrofendroy tsra izy ireo dia hanapoaka baomba etsy sy eroa indray e!
    Very ahoana ny fahasahiana hitory ny tsy rariny ry maevanilla ah! raha hendry dadanareo naninona no tsy najorony ny haute cours de justice izay efa vitan’ny magistrat ny lamina maty paika nananganana azy? satria v afaka mitory ireo madinika ianao tamin’izany dia milaza fa very ankehitriny? ireo halatra ataonareo t@ izany mialokaloka eo ambanin’ny minoa fotsiny ihany ve sa hoe tohizo ny lalam-pangalarana fa mety?ireo izay tratra nanao fisolokiana 25 000 fmg ve no mba tratran’ny Bianco t@ izany dia milaza fa manao ny marina? asaivo milaza ny Bianco raha nahita olona voatory t@ halatra 1milliard d’Ar tao anatin’io biraony teny Ambohibao io? tsy ny madinika ihany no mangana? milaza koa ianao fa niadana ny vahoaka t@ menaka 30 000fmg ny litatra? milaza koa ianao fa tian’ny vahoaka rehetra tany Ambatondrazaka ny fisian’ny fanampy rice? sao dia ny fitiavan-tenanao no betsaka na ireo havanao zatra nitsentsitra vahoaka no sahirana ankehitriny ka milaza ianao fa sahirana ny vahoaka?

  • malahelo dit :

    T@ androny R8 ny vahoaka tsy nisambatra fa @ androny Radomelina zao vao tena hitanay izay fijaliana izany ,tsy nisy olona nihinana ny malotony t@ androny R8 mety ianareo angamba no nihinana ny maloto ary ny vahoaka @ zao indrindra ireo nofitahina nilatsaka teny @ 13 mai no nihinana ny maloto satria nampihinaniny ny naloany alika
    Inona ny antony ? ny antony nampanantenaina hoe fianambaovao , vita ny jadona, nefa niaraha mahalala fa ny fanonganampanjakana izay nisy dia tao ambadiky ny Deba ,
    voafitaka tanteraka ny vahoaka teny @ 13 mai satria ny ankabeazanizy ireny nanala an’i Deba t@ fotoanandrony ka nasainy Radomelina nihinana ny malotony
    Nilaza fa nisy ny jadona , raha natao hoe nanao jadona R8 i Radomelina manao Jadona mille fois ny R8
    iza ny mahazo mikabary ao @ TVM sy RNM
    Zaho hoy izy tsy assoiffé fitondrana hoy Sakalite , nahazo ny tsirony fitondrana dia io mifikitra io , Tsy R8 natao hoe mangetaheta fitondrana ve tsy efa niala,
    Tsy manda zaho fa nisy ny fisolokiana t@ androny R8 fa ny olombaovao izay nany manao ? ary izay ny nandrova ny TIKO tsy ny gatra votsotra ry Pety , Voninahitsy , ary ny BOis de rose amizao? tsy henony sa tsy reny Radomelina ny zavamisy?
    Ny menaka 6000ariary teneninao t@ fotoany R8 tsy voatery ianao hividy ny TIKO maro ny importé mahazo misafidy ianao
    Ary ny menaka 2000ariary mandraky androany , vary 500ariary, ny mofo mihena ny vidiny dia mihena koa ny lanjany hoe izay mpanao hatsikana izay
    Mba nianatra ihany dia faly ery fa mihena hono ny vidiny mofo

  • Anti-Ra8 dit :

    Tonga any maputo ny mpanapotika firenena rehetra!
    JEREO FA IREO NY MPITONDRA NAMOTIKA AN’I GASIKARA!
    IREO NO NAHA-KIZO FARA NY FIRENENA IRAY MANONTOLO! MIAVAKA TSARA IZAO NY VARY SY NY TTSIPARIFARY
    AVERENO KELY NY FISAINAN-TSIKA NANDRITRY NY FITONDRAN’IREO TELO LAHY IREO! FAHORIANA, RRANOMASO, VONO OLONA, RA MANDRIAKA, FAMPISARAHAM-BAZANA, FAMPIADIANA FOKO, HALATRA HAREM-PIRENENA, NNY FAHALOVANA REHETRA DIA NAMPITONDRAIN’IZY TELO LAHY IREO NY MALAGASY!
    DIA HILAZA HONO IZY FA IZY IREO INDRAY NO HANARINA NY FIRENENA! AZA MANONOFY ISIKA RY VAHOAKA! EFA NALOHAM-BAHOAKA! NY ALIKA NO MIVERINA AMIN’NY NALOHANY! MPANAO AN-TSESITANY NY TENANY SATRIA MATAHOTRA FITSARAM-BAHOAKA!
    HALAVIRO TOY NY FASAM-BAO!

    TONGAVA DAHOLO MITSENA AZY IREO ENY IVATO MIARAKA AMIN’NY HORAKORAKA SY NY TORA-BATO FA MISEHO AMIN’NY ENDRINY IZAO IREO AMBODIA MPITAFY HODIN-JANAK’ONDRY! KAPAO! KAPAO! FA MANIMBA NY TANY!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.