Nanao don-databatra indray ny mpamatsy vola ny amin’ny tokony hamoahana haingana ny mpikambana ao amin’ny governemanta Mangalaza, fa iza no tena sakana e ! Misy olona tsy maty manota ve eto amintsika? Ny fantara aloha dia misy ministera arovan’ny Andry Rajoelina mafy ao,toy ny :
Misterin’ny ministera !
1-Ministeran’ny fitsarana : ny antony dia mbola tiany ho tohizana foana ny fampihorohoroana, fisambosamborana olona tsy amin’ny antony, misy ihany koa afera maizina tahorany hipongatra hahavoaroiroy azy sy ny forongony, raha tsy hilaza afa-tsy ny fandrobana ny orinasa Tiko, fanaovana tantely afa-drakotra ny fananam-panjakana (bois de rose,sns…)
2- Ministeran’ny fifandraisana : ny fibodoan’ny ankolafy Rajoelina samy irery ny Rnm sy ny Tvm izay fananam-panjakana, ny tsy famelana halalaka ny fanehoan-kevitra min’ireo haino aman-jery ireo , ary ao koa ny fahatahorana ny mpifaninana satria raha azon’ny ankolafy hafa io ministera io dia hinoana fa hisokatra indray ny radio sy fahitalavitra nakatona toy ny MBS.
3- Ministeran’ny fampianarana : Io no mahasahana ny eran’ny faritra maro, tsy maintsy ho TGV daholo ny DREN, Chef CISCO,chef ZAP, ny tale rehetra manerana ny adagasikara ary omeny baiko amin’ny fampielezan-kevitra hampandany azy.
4- Ministeran’ny atitany : ao ny tena fanalahidin’ny fifidianana, ny fangalaram-bato sy ny hosoka maro isan-karazany.
Tsy hisy handresy an’I Dada
Mazava amintsika amin’izay ny antony mahasaro-piterahana ny governemanta Mangalaza, tsy mahatoky ny heriny I Andry Rajoelina ka tsy maintsy manao ny paipaika isan-karazany.Raha tena nanao sy hanao ny fahamarinana marina izy dia tsy hametraka olana amin’izay ministera ho tantaniny, ary raha mbola fifidianana marina sy mangarahara no hatao eto, dia inoana ary azo antoka fa tsy hisy handresy an’I Dada izany eto, izay mbola mamim-bahoaka tanteraka amin’izao fotoana izao.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:


Ekene ary mazava ny fanazavanao.Mahina amin’ny halatra nataony i TGV sy ny forongony
Izao tadidiana. Tsy ianareo efa nanao ny tsy mety teo no mahita ny rafitra mety ho an’ity firenena ity. Nefa naha izany aza dia tsy ataonay tsinontsinona akory ianareo fa hoy ny ntaolo hoe ny hevitry ny maro mahataka-davitra.
Fa izao no tadidio, raha ny sitraponareo dia ny t@ andron-dra8 tsy miova. Izany hoe tsy avy @nareo izao fiovana izao ka tsy ianareo mihintsy izany no hametraka fiovana.
Anatra: MAHAIZA MIHENO NY HAFATRY NY VAHOAKA TARIHINA.
Ho an’i Mahery,
Fa iza t@ prédizà teto Madagascar no tena efa nanao ny mety?, iza no tonga lafatra?
Iza t@ prezidà teto an-tany no nanao ny mety?
Olombelona isika rehetra. Iza no tsy nanota?
Raha hampitahina ny nataon’ireo prezidà nandalo, ny any iza no tena tonga lafatra? Efa hita hatraminy t@ Tsiranana. Na t@ n’iza na iza, samy nahazo ny tombon-tsoa daholo ny vahoaka na nisy koa aza ny fasahasahiranana. Fa mbola tsy nisy fahantrana na fampijaliana toy izao. Tsy sahy mieritreritra indraindray hoe : ahoana ny ampitso?
Izany no fiainana andavan’andro.
Raha ny sitrapo, dia mila vaha-olana malaky, ary na mouvance iza no iza no manome izany, dia raisina an-tanandroa.
Efa niaina an’i TGV tokoa t@ izy teny @ place 13 may ireny. Fa ankehitriny, aiza daholo ireny fampanantenana nolazainy? aiza? Na nisy ihany fa nandeha teny @ sasany toa ry ra- charles sy lilyson? Miandry foana e! Misy hamaly ahy hoe « andraso eo i Paoly »!. Dia mionona @ izay.
Izay ny sombitsombin’ny hafatrin’ny vahoaka.
Ampitapitao any ry Mahery a, mijany ny vahoaka.
Hoanareo rehetra.
Mampitandrina ny vahoaka madinika fa misy farany ny zavatra rehetra. Aza milakisy ianao ry boto adala tsy ampy fahalalana. Aza mikiry biby fa tsy mamimbahoaka akory ianao. Efa leo anao ny vahoaka. Nenina izao no tsakon’izay nanaraka anao.
Antso
Ela loatra raha ny janvier 2010 vao ho avy ianao ry Dada. Minoa ahy ianao fa tsy hisy sahy haninona anoa eo.Hipoitra daholo ireo izay nangina sy any anelakalatrano ary ny any ambanivohitra rehetra haneo ny heriny @ fiarovana sy fanohanany anao. Aza avelanao ho kamboty velon-dRay ny vahoaka Malagasy. Miaro anao izahay fa tongava ianao. Tsorina aminao fa mangataheta ny fiavianao ny vahoaka, haravoana tsy hita lany ny any vahoaka Malagasy raha tonga eto Madagasikara ianao. Minoa fotsiny ianao fa tsy mamela anao irery ny vahoakanao maro anisa. HO ELA VELONA ANIE IANAO.
Tena marina ary ekena avokoa izay voalazan’ny mpanoratra. Fa na ho ambato-bevohoka na ambato-miziriziry, dia aoka tsy hisy hanaiky lembenana ny zava-mamoafady efa nataon’io PT io isika mianakavy legalista.
- Ankehitriny, manao grevin’ny hanoanana Atoa Raharinaivo Andrianantoandro, moa mba nisy fitenenana na fitserana nataon’atoa kely momba azy sy ireo gadra politika ve ? Aleo ho faty izay ho faty, aleo ho levona izay ho levona, ny tanjoko dia ny hanjaka doria hoy ny valinteniny.
- Manao ny ataony ny mpangalatra bois de rose. Efa tratra ambodiomby izao nefa dia paikam-pitiavana miaraka amin’ny fampodiana malalaka tsy misy arakaraka no valiny. Fa raha ny ankolafy manohana ny Prezidà Ravalomanana na ny Prezidà dia fankahalana bontolo miaraka amin’ny fanagadrana tsy misy indrafo no setriny.
- Mihevitra fatratra ho tiam-bahoaka atoa PT ka sandaina vola daholo izay atao rehetra ary zara aza tsy voaloa ny karaman’ny SIRAMA anoloran’azy ireo vola 2 Milliards. Efa mividy ny safidim-bahoaka sahady alohan’ny fifidianana.
- Ombako manana ny an-dRamatoa renin’i Mahagaga sy i Mahalatsa kambana nikambana, raha tsy manaiky hampian-dramatoa Mialy Rajelina izy. Tsy fitiavana no manosika an-dramatoa io fa filan-dera ho manana ny vola aman-karena sy fitsinjovana mialoha ny fifidianana toy ny ataom-badiny. Aleo Atoa Monja Roindefo indray no mba hanandrana hikolokolo an’i Maman’ny Kambana izay manana ny toetra tsy voavidim-bola.
Aleo ho bevohoka eny foana ambatobevohoka rehefa sarotra tadiavina ny rariny satria fisaka dia fisaka. Tsy olana ho anay izany. Olona 488 be izao koa ve no hovelomina amin’ny hetra aloan’ny vahoaka ho araka intsony ! Izy higalabona amin’ny karama tsy hita noanoa, ny fiara 4/4 sns… Isika vahoaka mifafa ny kihony, ny hohanina androany tadiavina , ny hohanina rahampitso mbola misitery ! Zara aza mbola manana tongotra roa andehanana miasa rehefa tsy afaka nividy 4L !
Raha nety Radomelina tsy nisy Maputo sy Addis Abeba e!
Zao zao heno indray fa volab no noraisn-dry Radomelina sy ny namany t@ afera Ho Hup nefa vola be no tokony niditra t@ fitondrana malagasy t@ io
Tsotra ny ambara, Miseho ny Fitiavan-tena, Fitiavan-Tseza, Mahina @ nataony ireo izay nangalatra sy Nandroba ny Mpiray tanindrazana aminy.
Fiovana inona no eto . Aza mandainga, Aza mangalatra, Aza mamono olona . Ary aoka tsy hisy hampiasa ny ananana na teny hoe vahoaka, fa mpisoloky izay miteny izany. Amiko mitovy ny olona notarihina ho eny Iavoloha t@ 10/08/91 sy ny teny Ambohitsirohatra. Ny responsable dia ireo izay nitarika.
ary ilay Rangahy miseho ho filohan’ny FJKM inyka ahoana?namono olona ,manompo sampy,mijangajanga ,tia voninahitra ,tia vola tafahoatra
rehefa samy hihinana aleo hifandimby hihinana fa tsy ilay pivarotra Ronono iny irery no ho voky
Marina izany fa raha amin’ny heriny marina i Andry fa tsy matahotra an’iza na iza raha izaho ny eo amin’ny toerany dia niala aza aho dia amin’ny fifidiananna vao mifampitady fa saingy tsy izay ni zava-misy fa ny fahatahorana sy ny tsy fahatokisan-tena no betsaka ao aminy ka matahotra izy satria nanao ratsy loatra ka sao dia ho tratran’ny retour de manivelle eo ka maty ery. Matahotra mafy ny anao lahy ka hany heriny dia mitady ireo ministère ireo ahafahana manao ampihimamba sy ahafahana mangalatra amin’ny fifidianana ho avy. Ny tsy tsapany anefa dia izao, Andriamanitra tsy anndriny andrin’ny Malagasy ihany ka afaka hanafay azy amin’izao fampijaliana ny Malagasy 20 millions izao. Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, ny mpanagadra dia mbola ho gadraina, ny mpandroba dia mbola ho robaina, ny mpaka fajakana @ tsy rariny dia ho asorina eo amin’ny tsy rariny sy ny maro hafa raha ho tataraina eto.
Mbola averiko ihany MAHAIZA MIHENO NY VAHOAKA.
Raha nahay nihaino ny vahoaka i ra8 tsy nisy izao crise politika izao. Fa angaha izay saim-patatrao ihany no marina eto @ ity tany ity. Inona ary no sehatra nahafahan’ny vahoaka niteny? Ny fifidianana ve? Ny fidinana an-dalambe ve?
Jereo ny tantara: inona no nahatonga fiovana teo @ io poste président io hatreto? Hatreto dia teny an-dalambe foana izay naka fahefana hafa tsy i TSIRANANA. Ny fifidianana indray dia manamafy hatrany ny fahefan’ny filoha izay mitondra.
Dia omenareo tsiny ary ve ny vahoaka raha iny t@ janv hatr@ mars 2009 iny no nanehoany ny heviny.
Ny mampalahelo ahy dia izao: toa mbola tsy ren’ireto mpomba an’i ra8 ny antson’ity vahoaka izay nanala azy teo @ seza fiandrianany. Nisy antony daholo ireny zava-nitranga ireny. Efa be ny tsy fahafaham-pon’ny vahoaka dia ireny no vokany.
Ary izao, tsy @ny transition mihintsy akory no ho tanteraka ilay fiovana noresahina t@ vahoaka fa rehefa mipetraka ny rafitra rehetra. Izany hoe aleo hapetraky Andry ilay rafitra noeritreretany, raha tsy tian’ny be sy ny maro dia ny fifidianana no hilaza izany. Fa izao, mba ataovy aloha ny hinon’ireto vahoaka izany fifidianana izany.
Raha izao fihetsika ataon’ny mpomba an’i ra8 izao mantsy dia hita fa tsy misy mihintsy izany herin’ny fifidianana izany, fa izay manana ny fahefana ihany no mandresy @ izany. Dia izany no mahatonga azy ireo miady mafy @ poste ao @ gouvernement.
Raha te hanova ianareo dia hovay aloha ny tenanareo dia manaraka ny vahoaka.
Misy 4X4 Toyota Prado miisa 34 nanjavona,nahodina,namidy ny sasany tao amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena nanomboka ny volana Avril Mai juin 2009. Efa manomboaka ny fanadihadihana.
raha mamaky ny teninao aho ry Mahery de gaga raha tsy fantatrao fa ny mpanoro hevitra an’i filoha ravalomanana foana no nampiova ny tantara, ary tsy fantatrao koa fa ny frantsay no ambadik’io raharaha io ? ka izany no tsy maintsy hiadiana mafy ny anarahana ny tapaka tany addis abeba, fa tsy izay tian’i andry sy ny frantsay no atao eo, zavatra marobe hoy aho no ambadik’izay teny izay hoe frantsay ; iza izany no afaka angala-bato hoy ianao @izao transition izao , ary izay no hiadiana mafy satria efa fantatra ny nataon’i andry hatramin’izay fa sady tsy nanaraka ny fifanaraha izy na maputo I na II ka ahoana no hinoana fa hanaraka an’io antsakany sy andavany ny fifanarahana tany addis abeba izy? Ary raha mikasika ny hoe fifidianana, izaho mbola afaka milaza aminao fa tsy aharesy an’i Ravalomanana izany raha i Andry, ary raha olonkendry koa anie izy tokony naniky ny referadum iny raha mahatsapa fa mamim-bahoaka e! ianao io izao no hiangaviaka handalina tsara ny zava-misy de avy eo mandinitena