
Les chefs d'institutions au Carlton
Mila olona manam-pahendrena ny fitantanana ny fanjakana fa tsy olona mahery setra sy manana hevitra bontolo sy rainazy.
“harovy izay tsara”
Toe-tsaina mila volena ao anatintsika Malagasy manomboka izao ny fiarovana ny zavatra hita fa tsara, tokony hialana fa tsy mampahomby ny fomba fisainana hoe : “moramora”.
Niara nahatsapa isika rehetra tamin’ity krizy 2009 ity fa tokony ho narovana tamin’ny fomba rehetra ny fiandrianam-pirenena, sata repoblikana , soatoavina Malagasy. Eny na dia hita izao aza fa hitondra hampivarina any ankady ny atao-na andian’olona iray izay mahery fihetsika sy misetrasetra dia ekena ihany fa sao dia hanimba izatsy na zaroa, “atao ahoana moa fa manana ny adala e!” izany no heno any anaty fiarahamonina indrindra ireo manana zaza maditra.
Izao ny vokany, nandefitra manana ny rariny teny foana ts’inona koa. Potika ny firenena, rava ny toe-karena, simba ny fiarahamonina, manjakazaka ny ratsy”. Soa lavo ahay hamindra , soa kenda ahay hitsako”. Anatra lehibe tokony ho tsoahin’ny manam-panahy dia ny hoe “harovy izay hita fa tsara”, tsy maninona na hatramin’ny fampiasan-kery aza no hiarovana izany foto-kevitra hita fa tsara izany satria ny hoavin’ny taranaka fara mandimby no jerena sy banjinina.
Ny nahafinaritra aloha dia tsinjo tato ato fa efa misy ny sahy mijoro toy ny nataon’I Komandà Roger Luc, vao omaly tany anaty-na ministera iray, izay tsy nanaiky ny hametahan’ireo olona vitsy an’isan’ny TGV “banderol” tsy manaiky fa tsy maintsy tazonina “hono” ny ministra FAT, ka dia nijoro nanohitra izany ny mpiasam-panjakana tonga saina, ary indrindra indrindra ny fitambaran’ireo olom-panjakana ambony dimy (5) lahy voa-tendry hitantana ny tetezamita izay sahy mijoro mandray andraikitra tsy hamela ny firenena ho lalaovin-jaza miala sakana. Mila olona manam-pahendrena ny fitantanana ny fanjakana fa tsy olona mahery setra sy manana hevitra bontolo sy “mizebra”.
“hamelomana an-dRafanja”
Valin-kafatra lehibe taorian’ny filan-kevitry ny ministra notarihan’I Andry Rajoelina no nitranga teny amin’ny Carlton Anosy, omaly hariva, nikambana izy dimy (5)mianaka efa voatendry ao anatin’ny fitondrana tetezamita iraisana, dia ny
Filoha mpiara-mitantana Atoa Fetison Rakoto-Andrianirina sy Atoa Emmanuel Rakotovahiny, ny praiministra Mangalaza Eugène, ny Pr Zafy Albert filohan’ny CNR, Mamy Rakotoarivelo filohan’ny Kongresy, nanili-tena Rajoelina. Mazava na dia tsy noresahina teto aza fa any amin’ny Rajoelina no sakana amin’ny fananganana ny governemanta, te hitondra samy irery ny baolina foana I Andry Rajoelina na dia hita izao aza fa tsy lasa lavitra ny heviny.
Efa fantatra sy voatendry ny “Date butoir” hoy ny filoha mpiara-mitantana Emmanuel Rakotovahiny, “ho vitaina amin’ny herin ‘andro ambony io ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny andrim-panjakana rehetra ao anatin’ny tetezamita iombonana” hoy izy. Hisy ny fihaonana haton’ireo lehibe ny Ankolafy efatra ary any ivelany no atao na dia mbola tsy voafaritra mazava aza ny toerana sy ny andro hanaovana izany.
Miandry indray izany isika vahoaka Malagasy izay mifofotra sy mively vy, tsy mandry andro tsy mandry alina, mikarama sy mitady vola eran’ny vaza-mototra hamelomana ny ankohonana,(…) hamelomana an-dRafanjakana e!
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

Marina ny fanamarihanao solo razafy, any vietnam ampiasaina miitsy ny fomba rehetra hatramin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika rehefa miaro ny zavatra eritreretiny fa tsara aminy, jereo fa ny Amerikana aza niala maina.
inona ny vaovaonao ry Manamboninahitra?
manamboninahitra vomanga sy tsy misy ilana azy ny miaramila gasy fa olona 1000 ve dia tsy resy. tondrona tsy misy ilana azy ary efa vovidy vola koa mantsy ka miaro ny rambo tsy o tapaka sao mifototra amin’ny tena dia aleo mangina. Miaramila vongany no misy ao madagasikara fa raha vava dia misy fa raha saina dia dondrona mitovy ny arahiny ihany.
mibaribary izao fa RAJOELINA no manaoblocage, tsy misy ady hevitra sy fialana intsony, tokony hiodina tsy hanohitra azy amin’izay ny miaramila hanalana azy maika, tahaka nataony tamin’ny ravalo,
Misaotra betsaka anareo dimy mirahalahy Tompoko fa ianareo tokoa izao no tena azo lazaina fa sady mpanara-dalàna no tia tanindrazana!
Noho izany dia miangavy anareo dimy mirahalahy mianaka izahay hanangana ny Governemanta aingana dia aingana, tsy hanaraka ny sitrapon’i Andry RADOMELINA sy ny forongony, ary ampiseho amin’izay ny fahasahianareo. Efa eo am-pelatananareo daholo izao ny fahefana ahafahanareo manao an’io, ka na dia tsy te-hiditra amin’io aza ny olona « sans qualité », dia vao mainka mahatsara zavatra izany.
Koa manantena anareo izahay vahoaka Tompoko, fa tsy ho voarebireny na voahilikilika toy ny tamin’ny 4 Septembre 2009 ireny.
HITAHY ANTSIKA ANIE ANDRIAMANITRA!
Dia tena mampiseho ny fahavendranana tokoa ianareo kah! fhoy loatra angamba ka mifanakaiky ny tranon’ny maloto sy ny ati-doha! Iza moa no tena nandetika ny Malagasy tao anatin’izao fahantrana lalina izao e? Andry Rajoelina herintaona latsaka teo @ fitondrana sa ireo lazain’i Ziry ho olon-kendry ireo? Iza no nahonganareo teny @ 13 mey t@ fotoan’andron’ny 1ère tour d vita? Tsy ireo? nefa toa lazaina fa olon-kendry indray ankehitriny? indrisy ity foto-pisainana mirefarefa @ tany! Tsy mahalala afa-tsy ny tena ihany! angaha rehefa very fihinanana dia tsy misaina intsony e? mafy loatra angaha izany miongotra amin’ny seza sy ny fanararaotam-pahefana ka mitampikitra mafy? mampalahelo!
Atao daholo ity omba mamohehitra rehetra ity! naninona tsy notohizan ihany ny fanapoahana baomba? io mantsy no fomba hitazonana toerana sisa ho an’ireo very fihinanana! Misy miantso tody aminareo mpomba an-dRavalo ireo fa efa nivaly ange izy izao e! Tsy henonareo angaha ny kiakiakan’ny mpomban’ny Amiraly t@ 2002? izao fa nivaly sahady ny antso tody nataony! Mpamosavy milevona amoron-kady ka mahatantesa ny valin-kitsaka e! aleoko indray ary ohatran’ny nanjo an-dRatsiraka toy izay ity nanjo an’i Dadanareo kouh! tena azo lazaina fa nihinan’ny malotony mitsy izy sy ny mpanaraka azy! izao indray manao vavan’ny mpitaty rà-kena fa sady ts an-tany no tsy am-parafara. Raha mahatsiaro fa manana hery raiso ny fahefana e! efa im-piry moa izay no nitenenana fa ho avy i Dada e! tsy maintsy miverina @ i Dada ny fitondrana e! Tsy mbola hitako hatramin’izao! sa nanambady hafa ny RENINAREO ka niova ho FETISON ny Dadakelinareo! hi!hi!hi! mahery koa aloha reninareo e! rehefa tsy hita kosa v Ravalo tsy aleo mi-Feti-son! ha!ha!ah!
Andriamanitra TSY MITAHY OLONA HO MANAO FITAOVANA NY FIVAVAHANA! Dia andraso eo i Pôly Ravalomanana fa efa novain-dreninareo an’i Fety B teny @ Carlton!
dia ho atsy ho atsy indray izany ny anjaranao ry anti ra8 raha azoko tsara ny tianao hazavaina?
Mampihomehy be ilay anti-ra8, miaka-pofona amin’ny tsy misy antony. Ny olona vendrana tsy mahatafavaoka baolina mantsy no be vava ohatran’io satria mahatsiaro tena tsy nanan-katokona. Raha nahavita azy ve ity Radomelina tompoin’ingahy ohatran’izao ny firenena? Na ireo miaramila miaraka amin’i Radomelin’ingahy aza, maninona no tsy mihetsika manala an’i Madagasikara ao anatin’izao krizy izao, ataoko ity any aminareo daholo ny fahefana sy ny hery ary ny fitaovampiadiana rehetra. Ny heritaonan’ingahy radomelina raha tsy fantatrio rangahy marary fo io dia nampivarina tanteraka ny firenena any an-kady, tsy tapa-bolana akory tamin’ny nitondran-dra8. Mandainga ary minia tsy mahafantatra izay tsy nahita fa ny 5 taona nitondran-dra8 dia mbola nahavita lavitra ny vitandratsiraka 20 taona. Raha nisy ny tsy nety nataony, betsaka anie ny zavatra vita e! iza no olona filoham-pirenena am-perinasa no nahasahy nifona sy niaky ny fahadisoany teo anatrehan’ny malagasy raha tsy ra8? i Radomelina mamono sy mampiasa ny herim-pamoretana ary mamarina an-kady ny firenena ve mba nanana fahasahiana hanao toy ny nataon’i Ra8? na dia ny nanitsakitsahina fotsiny ny tanjona rehetra napetraka teny Ambohijatovo sy 13 mai aza?
Ka ianao izay anti ra8 io tazomy ny maha anti ra8 anao sady tsy ilainay koa ianao hiaraka aminay fa fozaorana sady manao lohan-dradomelina mpangalatra sy mpnao tantely afa-drakotra ny haren’i Madagasikara
Miombo-kevitra tanteraka amin’i Ziry Onésime ny tenako ary miarahaba anareo dimy mirahalahy mianaka nahasahy nijoro hanohitra an’ity zazalahy tsy tonga saina mamingavinga ny volo-fotsin’ny olon-dehibe ity. Tsy ampy ny efa nanala baraka tena nanakapoka varavarana tany an-tanin’olona, nanompa olona, nanao toetrana-jiolahimboto fa dia mbola manao ny fahadalàna ihany na dia aty amin’ny tanin’ny tena aza.
Koa raiso ny andraikitra Tompoko. Atsangano ny governemanta iombonana. Mandray anjara ilaikely, arahaba soa arahaba tsara, tsy mandray anjara izy, dia tohizo ny tokony hataonareo. Mijaly loatra ny vahoaka izay tsy nangataka hiaina izao toe-javatra izao.
Fisaorana no atolotra anareo.
miala tsiny @ le anti-ra8 aho fa be taimaso be ngamba izy t@ ra8 nitondra ka tsy nahita ny zavabita ,mety nosasana vola angamba ny masony ka ny firenena nopotehin-dradomelina no lazainy fa mandeha