Mijaly eo am-piandrasana
Eo ampiandrasana ny governemanta vaovao hitsangana, izay voafaritry ny fifanarahan’ny efa-tonta tany Maputo sy Addis Abeba, dia tsapa fa mihalalina hatrany ny fahantran’ny vahoaka.Tsy mitsaha-mitombo ny vidin’ny solika, mihalafo ny vidim-panafody sy ny zavatra-maro hilaina ary marary ny Malagasy.
Hajao ny teny nomena ry mpampiely hevitra ô !
Etsy an-danin’izany efa manao karazana fampielezan-kevitra sahady ny mpitondra, mitety faritra maro, tsy mijery afa-tsy ny tombotsoan’ny tenany sy ny hoavy politikany ihany. Aiza ho aiza ny fampiharana ny zavatra vita sonia? Raha tsy hiteny afa-tsy ny famoahana ny gadra politika. Raha tena tia tanindrazana ianareo ireo hajao ny teny nomena.
Fiverenan’i Dada !
Fa mahalasa saina ihany koa ny amin’ity filoha mpiara-mintantana ity. Maninona no mbola tsy mahazo toeram-piasana ihany? Ahoana ireo STAFF? toa hoe : ekipan’ny ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra « hono » no ireo akaikin’Filoha Fetison? Mila fanazavana amin’izany ny vahoaka. Toa hita taratra ihany aloha raha ny kabary teny amin’ny Magro telo andro nisesisesy izay : « aleo ireo nitolona ihany no laharam-pahamehana amin’ny toerana,…ny famerenana an’i Dada no tanjona » hoy izy ireo.
Na izany na tsy zany aleo governe-“masaka” tsara hoan’ny rehetra no hivoaka eo fa tsy governemanta saritsariny e!
Ireto ny Sary azo amin’ny alahady 15 novambra —>
- Tsy mitakoritsika fa manome torohevitra an’i Eric mpanentana
- Député Antsirabe
- Député Bejamin
- Député Brigitte
- Député Fanja
- Député Rodin
- Député Rasomatra
- Mahery fo
- Insolite
- Manoela manazafa fa tsy tokony izay tsy nitolona no ho eo
- Mihaino kabary
- mijoroa sahia ho lehilahy
- Rakotoamboa Jean Louis
- Falifaly
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:















Ny voalaza dia tsy resaka legalista ihany fa mikasika ny fiainam-pirenena iray manontolo. Inona no antenaina sy andrasana amin’ny olona mpanongam-panjakana hitàna ny teniny. Izao aza dia efa adinony sahady izay nosoniaviny tany Maputo, sy tany Addis Abeba. Nisy najainy ve ? Raha hilaza aho hoe mamelà azy fa voan’ny aretina alzhaimera izy dia toa handainga.
Tovolahy tanora ao anatin’ny heriny nefa dia faly mijery ny fijalian’ny olombelona mitovy aminy. Inona ny tombotsoa hitazomana tsy an-drariny ireo gadra politika any am-ponja hatramin’izao nefa ny nanao ny tsy mety indrindra aza efa madiodio sy efa afaka miriaria amin’izay tiany haleha ?
Inona no antony hanamelohany tsy ara-drariny ny Prezidà Ravalomanana ? Moa meloka noho ireo rehetra navotsotra madiodio ve izy ? Sa noho ny fialonana sy ny tahotra hahita ny fandreseny amin’ny fifidianana dia tsy avela hody izy ? Moa tsy ampy va ny efa nanapotehana ny fananany iray manontolo ? Nahoana no dia manao vain-drahalahy tsy marary ? Rehefa ny anao no nidiana, ny firenena iray manontolo no mahita faisana fa rehefa ny an’ny hafa dia vitavita ho azy ary ny manana ny potika indray no voasazy handoa vola tsy hita noanoa sy higadra ?
Olona fanim-boninahitra no mpitondra ka tsy misy antenaina aminy velively fa efa antsoina : « M’se le Président » izy izao. Mety aminy sy ampy azy izay, ny ambiny ? Any an-damosiny daholo.
Misy zava-dehibe tokony ho tandremana tokoa indrindra mikasika ireo « mpitarika « . Mahafantatra tsara mantsy ny tenanayfa ny antony nahatonga an’i Alain Andrimiseza namadika noho ireo « mpitarika » sasatsany , Izany koa no mbola hataon’izireo @ Tonton Ambroise. @ izay mora kokoa ny hanosehana azy. Olona tsy tokony hamadika daholo ireny fa nohon’ny fitanana misy nataon’ny parlementa dia saika ireo tsy mpakeny an-kianja no lasa president sns… Ny parlementaire TIM no tena miara-miasa @ izy ireo s. ary milaza ho tena tompon’ny tolona izy ireo. Ny fivavahana no hasesiny mba hanakonana ny sain’ny maro tsy hikarokaroka ka izay tsy mety dia lazainy fa devoly TGV. azo tondoina @ ireny i Meme’ sy Fetison.
Fanotaniana:
Nahoana no nopotehina ny Alliance democratique ?
Aiza ny toerana nametrahana ireo association maro be ?
Ny fiverenan-dRavalo ve no tena imasoan’ndy fetison sy ry Meme’ ?
Very fotsiny ny herim-pon’ny vahoaka raha tsy mahay isika. Iroe olona niantehera tahakan’ndry Raveloson Constant sy ry Manadafy ireny no mendrika sns…
Enga anie ka ho diso ny fijeriko, fa tena manahay mafy aho.
Efa tena tonga mahantra mihitsy ny vahoaka izao. Jereo fotsiny, ohatra iray ity omeko ity . Mpandrafitra sy mpanao fanaka no asany talohan’mny crizy, nampiasa olona vitsivitsy izy, nanana tranom-barotra kely hivarotany ireo fanaka vita. Inona no nanjo azy 9 volana aty aoriana ? lasa manao gargoty kely mitsipozipozy. Tsy misy zavatra mandeh ny asa hoy izy. Ar y ity ny tena loza : ny fanjakana teteza-mita moa de milaza fa tsy manam-bola, de maniraka ireny mpiasan’ny contribution ireny mba hitaky hetra isan-trano. Tonga tao amin,ity olona mpanao fanaka ity ary izy ireo. Ohatrinona no vola notakiny hoy ianareo ? 7MILLIONS ! c’est très sérieux ! aiza no fomba handoavany izany volabe izany ? hitan’ny mason’ireo mpitaky anefa ireo fitaovana mipetra-potsiny eo an-tokotany tsy afaka miodina fa voan’ny kirizin’i tgv.
Tsy rariny, efa tsy rariny intsony e !
ny fandrobana ao Antananarivo @ izao manginy fotsiny ! tonga ny mpangalatra amin,ny basy kalachnikhov na alina io na antoandro.
Tsy mbola nisy toy izao rey olona. Havelantsika haharitra ela eo ve ireo mpanimba tanindrazana ?
anjarantsika tsirairay ny misaina
Masina ny Tanindrazana