MyDago.com

Misy tian i Madagasikara

8 réponses à “Misy tian i Madagasikara”

  1. KintanaMananDrambo a dit :

    Mahafinaritra, fa ny malagasy koa anie ka zava-boarin’Andriamanitra, ka tokony harovana ĂȘ !
    Ê ĂȘ ĂȘ !!!! Mampatsiahy ny fiakaranay hazo malama, teo amin’ny KIANJAN’NY DEMÔKRASIA!!!!! Faly ery nahazo 404 plastika !!!! Hi hi hi !!

  2. Ranaly a dit :

    LASA ALOHA LOATRA NY FANGATAHAN’NY MALAGASY NY FAHALEOVANTENA – METY MAFY TAMIN’IREO MALAGASY NIAINA TAMIN’NY FOTOAN’ANDRO ANGAMBA NY NAMPITONDRAIN’IREO VOANJO (COLONS) AZY KA NAHATONGA AZY IREO HANGATAKA FAHALEOVANTENA KA NA NIHATRA TAMIN’NY AINY AZA TSY NAMPANINONA AZY SATRIA IZAY NO FITIAVA TANINDRAZANA AMINY. SADY TSY AZONY VINANIANA RAHATEO NY HO AVY.

    AMIKO MANOKANA ANEFA DIA TENA LASA ALOHA LOATRA NY NAHAZAHOANTSIKA FAHALEOANTENA 49 TAONA LASA IZAY –

    HAZAVAIKO NY HEVITRO :

    TSY MBOLA NISY MPITONDRA MATOTRA AFAKA NITANTANA AN’ I MADAGASIKARA HATRAMIN’IZAY KA HATRAMIN’IZAO

    IZAY FILOHA REHETRA NIFANDIMBY TEO HOY AHO TSY NISY NANANA FAHAMATORANA FA DIA NIFANDIMBY NANAPOTIKA SY NANDROBA AN’I MADAGASIKARA DAHOLO – KA VAO MAIKA NANDATSAKA NY MALAGASY TANY ANATY LAVAKA MANGITSOKITSOKIN’NY FAHANTRANA SY NY FAHAPOTEHANA

    NA NY TOE TSAINA AZA SIMBA TANTERAKA – NY TANANA MALOTO , POTIKA SNS … SNS…

    RAHA NY ZAVATRA MISEHO ANEHITRINY ALOHA DIA NALEO LAVITRA NIJANONA HO ZANATANY IHANY E! NANDROSO LAVITRA NOHO I LA REUNION ISIKA RAHA MBOLA NIARA DIA TAMIN’NY LA FRANTSA HOTRAN’IZAY

    AHOANA NY HEVITRAREO?

  3. Anti-Ra8 a dit :

    Mety ho marina izany fa iza moa ny nanampo-fa ho may ny trano? tsy efa navoaka moramora v ny grafophone?
    Ireo zavatra rehetra tanisainao ireo dia tsy avy @ inona akory fa vokatry ny fitiavana!
    hazavaiko ny hevitro: Ny fitiavan-tena no tena nibaiko ireo mpitondra rehetra hatramin’izay hatramin’ny fitondran-dRavalomanana!
    Ratsiraka moa dia nanao an’ilay hoe « sosialista » ka izay tao anatin’ny « liste » ihany no afaka nisĂŽsy.
    Ny an’i Ravalomanana no tena asiako teny satria izy nilaza fa « tiako i Iarivo » t@ voalohany. Noho ny avy eo « Tiako i Madagasikara ». Ny azy tsy mba fitiavana madio ny tanindrazana fa ny ho « tiako ho ahy i Iarivo sy i Madagasikara ». Raha adika tsotsotra dia hoe « je veux Ă  moi Iarivo et Madagasikara » fa tsy hoe « j’aime ma nation »! izay no nahasamihafa azy ary dia nasehony ampahibemaso hitam-poko hitam-pirenena sy eran’izao tontolo izao moa izany fitiavany ho an’ny tenany manokana sy ny fianakaviany an’i Madagasikara izany!

  4. AĂŻcha a dit :

    Oadray re r’i Ranaly Ăą !
    dia efa 49 ans be dia ve dia mbola tsy matotra ihany???
    tsy hoe i Peter Pan ange akory ĂȘ! ka mi-rester enfant eternellement!!!!!mba mahavariana koa izato raisonnement-nao izao!

  5. AĂŻcha a dit :

    correction

    Oadray re r’i Ranaly Ăą! Dia efa 49ans be izao ve dia mbola tsy matotra ihany ????
    Tsy hoe i Peter Pan akory ĂȘ! ka mi-rester enfant eternellement !!! mba mahavariana koa izato raisonnement-nao izao !!!

  6. AĂŻcha a dit :

    Ă  Ranaly,

    Certes, mila fahamatorana, mila mianatra ny mpitantana ny firenena, mila experience koa .
    Fotoana daholo izany r’i Ranaly Ăą, ary indrindra fandavantena koa !
    Kanefa efa 49ans passĂ© izao ve dia mbola atao hoe tsy misy vokany sy tsy misy fandrosoana ihany ?? isika malagasy ange tsy vendrana ĂȘ!

    Hoy ianao hoe lasa aloha loatra ny nahazahoantsika ny fahaleovantena? an an an tsy io mihintsy ny olana Ranaly ù ! ny olana dia ireto izay nanome fausse fahaleovantena, voilà la réalité!
    imagine toi un gars qui dit Ă  son petit chien  » allez file ! » , mais en mĂȘme temps il tiens toujours son chien avec une laisse, eh bien c’est pareil! ( azafady fa tsy mampitovy antsika amin’ny alika akory aho, fa mba exemple hanazavako fotsiny io rĂȘ ĂȘ!)

  7. Zoemana a dit :

    Manalama anareo!
    Raha ny heritreritro, mila « Fihovam-penitra mahery vaiky »isika Malagasy,tsy vao zaho no mahatsapa an’io fa na faha RAMANANTSOA na RATSIRAKA,sy izay nitondra nifandomba jusqu’amin’izao ity.(Ny tamin’i TSIRANANA tsy asiako debat eto aloha fa raha hafa koa izay) Samy nanao ezaka hanovana an’Gasikara malalantsika ity reo teo, fa isika no nifanimba antoerana.
    Tsy faute-n’izay nitondra ny firenena avao fa faute-intsika rehetra koa,sy ny toetsaina maha Malagasy antsika koa.
    Ireto no mba tiako hiala amintsika:
    1°)-Ny idĂ©ologie « SOLELAKISME » (Izay eo tompoina,ray amandreny lolohavina…).Efa andohalika foana ny ataon’ireo mpitondra vao mihetsika ny tompon’ny fahefana nampidrana dia isika vahoaka.Tsy manarina fa sasatra mandrodana.Ohatra tsy mbola hadino ny zava mitranga zao ty.Ambompo diso toeran’ajĂ  (zaza) nasesikin’adalan’olo-be nitaritana ampaha-mbahoaka androdana.Zao dia miverina indray ny « SOLELAKISMA »dia ho jamban’ny fanohanana 100%,tsy misy fepetra izay rehetra eo,dia hiroboka amin’ny adalana(efa ao anatiny aza fa tsy mbola ho avy akory).
    Tsy misy mpanao « paolitika » mitory ny hoe « Nde isika hiala amin’ny SOLELAKISME » !.Fa misolelaka vahoaka ahazo seza koa aloha.
    Amin’ny anaran’io SOLELAKISME io,sy amin’ny alalany no tsy mampandroso antsika.
    Tsy vao zaho mankasitraka mikipy ny nataondRavalomanana, fa mibitaka isika fa niala ny monopole produit laitier,fa jereo tsara fa vola devise daholo no mivoaka amintsika;ny hany orinasa MALAGASY nanana fenitra azo anhondrana(mampiditra devise)ezahantsika amin’ny anaran’ny SOLELAKISMA potehina.Tsy fitiavana tanindrazana ve ny hanerena io orinasa io ihodina,fa alamina eo ny fanarenana sy fitakiana ny anjaran’ny fanjakana?.
    Tsy ratsy daholo izay vitan’i TSIRANANA,RAMANANTSOA, RATSIRAKA,ZAFY,RAVALOMANANA fa tamin’ny anarany sy alalan’ny SOLELAKISME no nandrodanantsika na dia ny tsara vitan’izireo aza.
    Ohatra akaiky mairie de TanĂ ,na tsara sy tokony ho notohizana aza ireo ezaka nataon’i RAFALY dia navela ho robaka daholo ireo jiro tao lac Anosy,sy ny zavatra hafa, fa naha maika ny hametraka carreaux tamin’ireo tonelina mitete rano.
    Engako eto aloha ny débat dia mamboaky hafa koa rehefa,fa miandry ny hevitry ny hafa momba io SOLELAKISME io.

  8. Zoemana a dit :

    Manalama anareo !
    Lesona fitiavana tanindrazana:
    Mihoatra ny 10.OOO ny teratany amerikana maty tany ampiadiana Iran,Irak,Afganistan,world trade Center tamin’ny andron’i BUSH,tsy nankasitraka ny vahoaka ary nisy foana ny fanankianana nataony fa tsy nahongana sy narodana izay nitsangana fa teo amin’ny fandraisana an’i OBAMA dia nakorain’ny olona i G .BUSH.
    Ho fiarovana ny INTERETS ECONOMIQUES Frantsay dia misy ny « convergence » ny politika rehetra,mandray anjara daholo ohatra na ELF na ORANGE sy ireo misy fofona frantsay rehetra hiaro ny tombotsohan’i Frantsa,ka tsy misy be korana fa mi-financer raha tsy manjary any an-tanin’olo mba hitazomana izany raha ilaina.

Emettre mon avis ou un commentaire

Ceux qui ne sont plus capables de faire valoir leurs idées versent dans les insultes et les grossièretés.
Izay tsy mahavita ny mampiseho ny hatsaràn'ny heviny dia lasa manompa sy miteny ratsy sisa.