Inty tononkalo nosoratan’i Ravalison. Ny loha-teniny : Toy ny zaza folo taona.
Toy ny zaza folo taona
Toy ny zaza folo taona
no fijerinay anao,
Tsy matotra fa misavoana, mieboebo lava izao;
Te ho lohany hatrany,
tsy mahay manetry tena;
Tena latsa-danja ianao
amin’ny ara-pahendrenaToy ny zaza folo taona
no fijerinay anao,
Tsy mba tsara taiza angamba
ka manao ny tsy fanao.
Mbola tazana mirintona
amin’ny sehatra goavana;
Izany ve no lalan-tokana hanehoanao ny fandavana?Toy ny zaza folo taona
no fijerinay anao,
Ny mena sofina jereo,
manao anao ho kilalao!
Tsofiny toa volom-borona
dia iny ianao fa mietaketaka
Misavoana saingy ho aiza? Vetivety dia hifetaka.Toy ny zaza folo taona
no fijerinay anao,
Te hitroatra saingy indrisy,
tena mbola mpanavao.
Ndeha tefeo aloha ny saina
dia vokiso ny fanahy;
Afaka roapolo taona,
izay ianao vao « lehilahy »S. RAVALISON
_
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

à Ravalison,
bôf! je pense que c’est même pas la peine d’écrire ce genre de poème pour le putch, il va se donner de l’importance. Il faut plutôt l’ignorer….bref , chacun est libre, c’est mon avis perso!
Non Aïcha, Ravalison ne s’est point du tout donné de la peine d’avoir écrit ce poème; il vient spontanément du fond de lui-même : »Tononkalo vokatry ny fo ».(sans peine)
Bravo Ravalison,à lire votre poème,l’on sait très bien de qui il s’agit.
Afaka roapolo taona,
izay ianao vao « lehilahy »
==> s’il ne ressort pas VIZANA, bien avant l’écoulement de ce laps de temps!
Mankasitraka Ravalison, andefaso iray vokatrin’ny fo indray fa mahaliana sady manala hamohamo
Tsy mankasitraka RAVANDISONA ah!Ento mora ihany ilay vokatry ny fo sao dia hanaraka hatramin’ny fanahy sy saina ka sao dia hanary lamba ka haterina eny amin’ny tobin’ny tsy dia hendry eny Ambohidratrimo(Alakamisy)!ok dia mahereza manoratra