Fanambarana

Fanambarana

Io maraina io tokony ho tamin’ny 5 ora teo eo no tonga teny amin’ny Ministeran’ny Foloalindahy teny Ampahibe ny mpanao gazety vitsivitsy. Nahita andiana miaramila maromaro manao fanamiana sady milanja basy no manao toy ireny anaty ady ireny.

Nisy ny fanambarana nataony (io alefanay io ilay fanambarana). Ny azo ambara dia tsy milamina velively ny eo anivon’ny tafika Malagasy na be aza ny feo alefa fa tokana ny Tafika Malagasy. Tsy misy maniry izay tsy hilaminana sanatria fa marary ny firenena ka samy mitady izay hivoahana amin’izao krizy izao ny rehetra.

Porofo mitohoka amin’ny tenda izao fa mikorontana ny ao anatin’ny Foloalindahy Malagasy. Hatramin’izay nisy fanambarana natao-na miaramila dia tany amin’ny hotely lehibe hatrany, tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia tao anaty « toby miaramila  » mihitsy no sady tao amin’ny toerana misy ny Ministera. Miandry ny fivoaran’ny tantara ny rehetra.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Tafika Malagasy misavorovoro tanteraka !
  2. Mifohaza ry Malagasy, sa valalabemandry ?
  3. Miaramila !
  4. Sorona any Maputo ary sazy hoan ny zaza Malagasy
  5. Militaires légalistes au Carlton à 16h00

48 Comments

  • KintanaMananDrambo dit :

    Raiso ny andraikitrareo, ry miaramila mpiaro ny ara-dalàna ! Niandry anareo hatry ny ela ny vahoaka, ary anisan’izany ny fianakavianareo !
    Mino aho fa tsy fanambaràna, fampatorian’adrisa fotsiny io nataonareo io !!!

  • soa dit :

    raiso ny ANDRAIKITRA.
    MASINA NY TANINDRAZANA

  • mpakafy dit :

    mankasitraka ny mydago fatsata ny ataonareo e! tohizo ny ezaka @ fandrakofana ny vaovao e!

  • nadia dit :

    Romboy @ zay e!!! Mnaraha daholo ramiaramila rehetra o, izao no ora sy fotoana

  • gasybe democrate dit :

    ON ATTEND !
    ON ESPERE TOUJOURS !!!!

  • KintanaMananDrambo dit :

    48 ora, fa niantomboka hoviana na tamin’ny firy ?
    Dia amin’ny manaraka, mba ataovy ao anatin’ny taratasy ny daty sy ny toerana, nanaovana ny fanambaràna ê !

  • nadia dit :

    gasybe>>> tata tsara be ny vary @anana , miammmm, misaotra t@ ilay torohevitra,
    Eny e, mila olona mahery fo isika Malagasy handrava an’io fitondrana jadona io

  • nadia dit :

    KM>>> efa voalamina ka efa tadiavina izao ialay Daniel Ratsimihafimanana, portant le titre de président du corps des sous-officiers de l’Armée Malagasy (régiment d’appui et de soutien (RAS) à Ampahibe )

  • nadia dit :

    Dia mino hatrany aho fa hitohy anie ny fitakiana ny hialan’io tgvongany io

  • gasybe democrate dit :

    Efa eran-mahita fa tena fitonatonana fontsiny mihintsy ity fitondrana fanjakana sandoka ity ……..
    TSY VANONA ! TSY AZO ZAKAINA…

  • Rado dit :

    Rehefa tsy hanao ny lehibe sy be galona dia aleo ny manantsaina hihetsika amin’izay e

  • Gasy milay dit :

    Hafatra kely ho an’ireo miaramila tena tia tanindrazana: Tazony hatr@ farany ny hevitrareo ary aza manaiky tambazambola satria mino zaho fa ho avy indray ireo mutin handraviravy vola anareo rehefa hitany fa tsy ho tafavoaka intsony izireo. Tohizo ny tolona fa eo andamosinareo ny vahoaka maro an’isa. Masina ny Tanindrazantsika

  • leo dit :

    ravalo no mpizara vola t@ miaramila hatramin’ny taona 2002 ka hatramin’izao. Ravalo no nizarazara ny miaramila, ka manao izay hampiady azy ireo. ravalo no nampanafika ireo miaramila niaro ny ara-dalana t@ 2002,ni  » recruter reserviste » nantsoiny hoe ZANA-DAMBO.
    ravalo=LOZA MITATAO ho an’ny Malagasy, ny azy dia ny fampiadiana sy famoronana korontana ihany no mba vaha-olana hitany.
    Aza am-piadiana ny Malagasy ry kely loha ireto ah…..

  • mpitazana dit :

    Vaut mieux tard que jamais.
    TENA MARINA NY LAZAIN’IREO MIARAMILA MAMBONINAHITRA LEFITRA FA HATAON’NY FOZA FIASANA FONTSINY IZIREO
    1 NOMENA MEDAILLE SY NAMPIAKARANA GRADY (colonel,lieutenant colonel ….)
    2 NASONDROTRA NY KARAMA
    3 CHARLES NATAO CONSEIL D’ADMINISTRATION « ACTIONNAIRE IZANY à vie »
    5 PRIME

    IANAREO MAMAMBONINAHITRA LEFOTRA NA TSY MANANA GRADE DIA MBA INONA AZONAREO ANEF I RAMAROSON DIA FIRY NY 4X4 LASA MPANONE BAIKO ANAREO.
    IANAREO NO ZANAKY NY VAHOAKA HAROVY IREO RAY AMANDRENY SY NY MPRAITAM-PO ARY ZANAKA FA DIA MIJALY .FIRIFIRY OLONA VERY ASA AMANJARAHA
    MANOHINA ANAREO NY TENAKO MAHEREZA.
    ANDRIAMANITRA SY NY RAZANA ANIE HOMBA IZAY ATAONAREO
    MASINA NY TANINDRAZANA

  • gasybe democrate dit :

    Leo â!
    inona ity resaka Ravalo lava ity ?
    => Tsy anjarany miaramila ve ny mikajy ny tanindrazana sy miharo ny vahoaka ?
    => Tsy tokony manaja hiérarchie ve ny miaramila?
    ===========> raha tsy izany dia lazao ny marina:
    1) na milice izay miaro interet particulier
    2) na MUTINS izay mendrika  » COUR MARTIAL » erany izao tany atao hoe demokratika…
    na 1) , na 2) dia mendrika ny CAPSAT jiolay !
    Ny FIS dia loza araky izany sy mivarotena…

  • soa dit :

    Misaotra anareo tafika manohana ny vahoaka, hinoanay marimarina fa tsy tara akory ianareo saingy tsy afa nanotra hatramin’izay anefa dia matoky anareo izahay fa na inon=kidona na inon=kitranga dia hijoro hianareo harahina amam=bavaka

  • Rombo dit :

    Ahoana moa no ampilamina an’io Tafika io kanefa ny Ray,ny Reny ny Rahalahy ary ny Anabavy dia mijaly very asa ,ny Tanindrzana hamidy amin’ny frantsay. Tsy adala avokoa ry zareo satria natao hiaro ny ahoaka ny Tafika fa tsy natao hamomo azy! Noho izany raha mbola miziriziry mamono Malagasy ireo tafika vidy dia tokony hijoro ireo TENA MIARAMILA.

  • Lazalazao dit :

    Manentana ireo miaramila legaliste tsy hihambahamba fa avy hatrany dia hanome toky ny vahoaka @ fandraisana andraikitra mivantana. Ry Noel Rakotonandrasa, Camille Vital, andre’ Ndrianarijaona, Richard Ravalomanana, Charles Andrianasoavina, Rene Lylison, ireo asiana maharary fa rehefa hitan’ny vahoaka izany dia tena hankahery azy. Izahay koa vonona hanampy ny miaramila legaliste.

  • Verohanitra dit :

    Na inona na inona no ho tohin’izao raharaha izao, dia mankahery ireo ampahan’ny tafika malagasy sahy nijoro hiaro ny ara-dalàna izay tsy voatery ho fiarovana ny Filoha Ravalomanana fa ireto vahoaka efa tafahitsoka lalina amin’ny fahantrana tsy hain’ny saina eritreretina nefa mbola mahita fotoana handihizana sy hifaliana ihany ry nathalie Rabe sy Serge Ranaivo.
    Ela no niandrasana an’Ambatobevohoka. Toa ho teraka ihany izy ity. Mahereza ry tafika manaraka ny ara-dalàna fa miara-dalana aminareo ny vahoaka efa tofoka sy leon’izao fitondrana faty izao.

  • Patriot dit :

    Zahay aty @ faritra de MaTV en ligne no ijerena vaovao fa leo ny vaovao mitanila an’ny TVM. Indrisy anefa fa tsy mandeha mihintsy izany androany nefa mba liana ijery vaovao mikasika an’ity korontana @ tafika ity zahay. Dia mampieritreritra hoe natao tahaka an’ny Radio Fanazavana koa ve?? De izay tiany holazaina ao @ TVM ihany no hitan’ny olona fa tsy misy feon-dakolosy hafa? Na koa hoe tsy misy mahazo milaza vaovao marina intsony raha tsy izany de tapahina ny zizi :)
    Asa e… Tanteraka ny tanjona t@ « tolona »: ny fahalalahana,…

  • rasoa dit :

    les discours qui critiquent Ra8 etc… ne sont plus à l’ordre du jour r’i leo â!!!!
    ça fait belle lurette qu’on est passé à un autre niveau , alors ,avance un peu ê!! il n’y a que les imbéciles qui ne changent pas. Même nadia à l’heure actuelle est devenue légaliste, je la félicite encore!!!! bravo nadia !! donc toi mba aleo mifampiombona ihany toy izay miady an’trano fotsiny eo ê! amin’ny manaraka r’i Leo â , veloma ô!!!

  • zanabahoaka dit :

    O RAMIARAMILA TSY MAHAZO TOMBOTSOA AO AMIN NY TZV A ! LANY IHANY ANGE NY PAISO AN KADY E LANIN DRY CHARLES SY LILISON ANGE NY VOLA E ! ry zalah vao kapiteny tamin ny janvier dia efa colonel sahady no mandraoka vola any amin izay misy vola ;ary ho tonga jeneral ireo mandrapahatapitry ny transition .taraiky ao nareo . Ny havanareo sy ny mpiray tanindrazana aminareo mijaly sy very asa no mahazo fampihorohorona raha vao mba te hietsika satria tsy manam basy ;MIERITRERETA IHANY SAO TARA LOATRA E !

  • Anti-Ra8 dit :

    hay ve ka miaramila kely adjudant tsy misy firy akory ireo tao @ RAS e? amin’izay hono notambazana 200 000fmg ry zalahy dia mody nanao iny taratasy iny. Izao ho samborina dia higadra dia ho simba ny carrière amin’izay 200 000 fmg fotsiny! loza!!! zany ve ny miaramila manohana ireo izay lazaina fa « légaliste »? ianareo izay tsy ho légaliste mandrakizay mihitsy satria ambodia mitafy hodin-janak’ondry! Ny légaliste izao dia ny maro an’isa! Ny miaramila maro an’isa miaraka amin’i Rajoelina no maro an’isa. Ny vahoaka miaraka amin’i Rajoelina no maro an’isa. Ny mpiasa rehetra miaraka amin’i Rajoelina no maro an’isa fa tsy ireo niasa sy nomena karama vary masaka miisa 40 500 amin’izay resaka AGOA…. Ny eto amin’ny my dago sisa angamba no maro soratra fa vitsy an’isa! ka mazotoa milaza ho vahoaka sy maro an’isa fa tsy hisy mpiraharaha intsony!
    inona indray ny lainga afafy manaraka??? izao koa aloha no porofo fa malalakany fanehoan-kevitra amin’ny fitondran’i Rajoelina e! tsy ny radio fahazavana izay mandika lalan akory no ilazana fa tsy afaka maneho hevitra ny vahoaka! mba firy isan-jaton’ny Malagasy koa moa no mihaino radio fahazavana izany e? na ireo mpino Fjkm aza angamba isaina amin’ny ratsan-tanana no mihaino izany! hoy ny olona any Dago zay hoe: « c’est la radio du quartier »!

  • rasoa dit :

    tena mirediredy mihintsy énao ty ri anti-Ra8 !mba mifohàza amin’izay fa aza matory lava eo ê! ndriiii r’itony ê on peut dire mampalahelo énao!

  • nadia dit :

    Tsy maintsy ny vahoaka no manjaka ry antiR8 mawola a, tsy takatry ny sain-kelinao mihitsy izany hoe ny rariny no tompon’ny teny farany , na dia hanao gazety lava eo aza ianao , tsisy miraharaha !!! azo tsara ve e!!!

  • nadia dit :

    rasoa>>> ireny no olona adala mpanompo sampy , mpilelaka nefa tsy makaiza fa eo @ gara foana ilay tgv hihihi , mikoinsa eo an-toerana farany ho lo ho azy eo hihihi

  • rasoa dit :

    hay va re r’i nadia ê!
    marina tokoa angamba izany fa efa en panne eo @gare io tvg io!

  • rasoa dit :

    ny kadô azon’i tgv atolotra an’ny mpilelaka dé grosse claque!!!!!!!

  • nadia dit :

    rasoa>>> tahamaina sy daka derika mandrivorivo hihihi; io anie mody miseho be loha eo nefa lohan’angidina fotsiny e, manaraka baiko omen-drtsirahonana mpamozavy lahy iny fotsiny

  • belts dit :

    misy tsy milamina ao matoa tsindriana foana hoe « tokana ny foloalindahy, tsy mivaky »

  • nadia dit :

    Ndrianarijaona , Rakotonandrasana,Vital vao nivory fampiriny izay ny miaramila midradradra fa iray tsy mivaky ny miaramila ha ha ha, IZA NO NANONTANY???
    Fomba hanaovana antso avo fotsiny izany hoe miraisa isika ry zalahy satria efa hivoaka ampahibemaso ny hatezeran’ireo sasany @ ity tgVENDRANA ity

  • MIARAMILA dit :

    48 H NO NOMENAY AN IREO..
    NA DIA VOASAMBOTRA AZA NY CHEF DIA VONONA IZAHAY…

    HITA EO RAHAMPITSO

  • KintanaMananDrambo dit :

    Manantena, ary mankahery ê !

  • malahelo dit :

    MIMAROA MAROA NY TAHAKA ANAREO RY MIARAMILA MIANDRY ANAREO ZAHAY VAHOAKA FA MIJALY LOATRA
    NY SOA FIANATRA NY VITANY CAPSAT VITANAREO KOA

  • malahelo dit :

    tena marina ry Nadia
    tsy misy ny manontany any Andrianarijaona fa izy no delira isanandro vaky zao hoe iray tsy mivaky ny tafika satatra ambava rano ireny efa niseho ireny fa mbola ho avy ny andro ny manetsa grand muterie

  • malahelo dit :

    Vital matimboninahitsy na efa hita fa ampidirin’olo @ pataloha tery sa sitrany mba mahazo le karama 4,500 000 ariary isambolana

  • KintanaMananDrambo dit :

    Malahelo,
    Ny soa fianatra, fa ny nataon’ny Capsat kosa aloa dia tsy azon-tsika lazaina ho soa ê !!

  • proandryrajoelina dit :

    ny soa marina ry reto fianatra a.
    copie coller ny t@ CAPSAT io fa saingy tsy ampy fotsiny ny element fa mbola ho avy e .aza taitra i ANDRY RAJOELINA fa mbola itodika @ ny vavam_basy sy ireo namany .ary ry LILISON sy ry CHARLES ho avy ny patsa ray tsy omby vava lisany

  • proandryrajoelina dit :

    ataovy xxxxxxxxxx reo panongam_panjakana ireo e .zao zao very olona pamadika tanindrazana ny firenena i JAcques SYlla e.ny irarina zao de i Andry no maty @ zay midina eny Tsaralalana manao makourelina i Mialy .zay alou sa na otrinona ny passage na otrinona e .vadina panongampanjakana io kou sady matsiro zao no milely @ io an.

  • malahelo dit :

    Marina ry KM tsy soa fianatra ny nataony CAPSAT fa aleo tenenina hoe averina any aminy ny nampianarina copie coller angah mba tsy hilazanizy reo mantsy hoe ny @zao muterie fa ny t@ CAPSAT tsia

  • KintanaMananDrambo dit :

    Izay no izy !! Mutinerie no hamalian’azy koa !

  • andrianarivo dit :

    ho antsika tia tanindrazana rehetra.mihisatra loatra ny adihevitra, ny vahoaka miha sahirana hatrany.tsy hita intsony izay haleha, fa fintaintainana lava ny fiainana.mbola tsy nisy AGOA tapaka aza efa sahirana ny olona ,maika fa tapaka io dia ho asa fotsiny.mino aho fa tsy hisy lalana ho diavina intony eny rehetra eny fa ho feno ny mpivarotra daholo.tsy azo omen-tsiny zareo satria sitrany ahay.MAHEREZA DAHOL E, MIVAVAHA FA MIHAINO (ANDRIAMANITRA).

  • nadia dit :

    proradomelina>>> mamanao makorely no tian’ny capsat asiana tsara sady bôfinao efa daba loaka iny tsy maheno na baranjely aza no mankany aminy any, aza mifaniratsira

  • nadia dit :

    NY VALIN’NY FONGIKA FONGAKA HOY NY DICTON TSIKA ZAY
    CAPSAT RAVAN’NY HAVANY AO IHANY TSISY FANAFODINY HAFA IO E

  • rakotovao dit :

    f’angaha tsy azonareo fa cinema daholo anie iny teny @ RAS iny e! aza mora amidy ry vahoaka malagasy ohatran’ny ny fiaran’i tgv hoe nisy nitifitra ihany io; Deba milaza miaraka @ ra8 sy zafy ;fika be io ;mailo : mailo! mailo!

  • rakotovao dit :

    o! ry sobika a! misy miteny ratsy kosa e! entim-po be ranamana

  • nadia Grondier dit :

    BONNE ANNEE NY FILOHA HAJAINA RAVALOMANANA

  • haingo dit :

    Tsy manao politique aho fa mba mitady adresse mail Lt Colonel Lilison merci vie privée

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.