MyDago.com

Ahoana ny lalana ?

Miady mafy ny ekipan’ny SADC atsy Addis Abeba amin’izao fotoana izao mba tsy ho ny « putch » no hanjaka aty Afrika, ohatra ratsy i Madagasikara, fantatra mantsy fa tsy dia misy fanam-pahan-kevitra hentitra loatra entin’ny vondrona Afrika manoloana ny fizirizirian’ny « putchiste » amin’ny famahana ny olana eto Dago, ary dia misy tsindrom-paingotra mahazo an’Ingahy Jean Ping mihitsy amin’izany. Ho hitantsika eo ny tohiny fa hanaraka akaiky an’io isika.

Ambony latabatra avo lenta, tsy takatry ny valalabemandry ity politika eto Dago ity.   » Papango lahy anaty katsaka ka izay mivoaka babany avokoa », miseho azy ho mahay miteny sy manan-kevitra avokoa ireo mpanao politika eto, lasa “debat passionel” no misy eto, hadino ny tena votoatin’ny olana. Ny antony niteraka izao krizy lalina izao anie ka ny fanakatonana ny « Viva » e! Hay tetika nanonganam-panjakana fotsiny izany, tafiditra ao anaty sakoroka daholo izao ny rehetra, ny mpanao politika, ny valala tsy mandady harona, ny mpanao gazety, ny miaramila sy ny tafika izay rangory fototry ny olana, fiaraha-monina sivily, ny manam-pahaizana isan-tsokajiny, ny vahiny sy ny fikambanana iraisam-pirenena, eny hatramin’ny mpitondra fivavahana aza.

Tsotra anefa ny lalan-tokana hivoahana amin’ny Krizy dia ny fampiharana ny marimaritra iraisana, dia ny “satan’ny Maputo” izany.

Tereo hanaiky an’io Andry Rajoelina sy ny forongony dia hisokatra hoan’ny Madagasikara ny lalana hivoahana amin’ny izao Krizy lalim-paka izao. Iza anefa no hanao izany fanerena izany? Ny miaramila? Isika eto aza toa mandrimandry manana aretina daholo. Mainka fa ny vahiny any ivelany, soa ihany aloha fa mba misy ny Sadc mba mijoro amin’ny fotokevitra e! fa aiza ny anjara birikinao?

« fanjakana manakan-dalana »

Ny kibo anefa tsy mba lamosina, “ny valala tsy an-tanana ity anefa atolotra ny zaza sahady”, ny fisondrotan’ny karama 10 isan-jato izay nodradradraina no tiana horesahina, izao ny fandray isam-bolana indray no mihena, mafy izany ! ny vahoaka efa mimenomenona , miha-mahantra andro aman’alina, tsy mitsaha mitombo ireo very asa. Ny fanjakana antenaina hiaro indray no mamono sy manenjika eran’ny tanana, manakana izay mba fivelomana takatry ny fahefan-mividin’ny tsirairay.

Tsy henatra tsy tahotra rehefa avy nomena ny mpivarotra amoron-dalana ny lalana « petite vitesse » dia izao bahanana indray ny arabe manoloana ny Hopitaly Befelatanana, « fanjakana manakan-dalana » no misy eto fa tsy fanjakana mitady lalana hivoahana amin’ny krizy. Etsy an-daniny ny mpitandro ny filaminana natao «hiaro ny vahoaka sy ny fananany» no toa atao fitaovana entina hakana ankolaka ny entan’ireo mpivarotra amoron-dalana ka lasa hoe «tsy hiaro ny vahoaka sy angalatra ny fananay» ny teny filamatra, “mivadika ny rasa eto Madagasikara”. Tsy aleo ve ny hoe : « Tohizo ny lalantsika »  ihany no teo ?

Vokany : mifamono ny mpivarotra samy mpivarotra, avy eo ny mpivarotra sy ny mpiasan’ny Fivondronana (CUA). Hita taratra eto Antan’arivo ny ady an-trano. Fomba iray nentin’ny mpanjanaka hababoana ny harentsika izao, isika variana miady sy manao kibay ankelika ihany, ny hafa manao am-paosy ny harem-pirenena.

Fotoana izao hihiratan’ny saina amam-panahy e! “Atsipy ny tady atandroky ny omby, atsipy ny teny ampon’ny mahalala”.

24 réponses à “Ahoana ny lalana ?”

  1. efa a dit :

    efa mihaina @andro farany isika izao izay tena anjakan’ny devoly ka ireo rehetra izay tsy mety na mandray ny mariky ny devoly ireo dia henjehina ka ho gadraina , vonoina ka noho izany mila mivavaka mafy isika hiady @izy ireo .ny mpanara-dia ny (666) no manjaka eto @ntsika

  2. nadia grondier a dit :

    ilay izy alou tena efa akaiky ny farany e! ny olombelona mifankahala tsy mifankatia fa ny poltika politika fa samy tokony hivavaka isika

  3. nadia grondier a dit :

    allo allo allo nankaiza iMalahelo fa efa ho 3 herinandro tsy hita nefa tsy fanaony izany sao sanatroia voasambotra ?avoahy i Malahelo raha voasambotra

  4. rasoa a dit :

    mpitandro ny filaminana ve ??? tssssss
    comme il disait un personnage connu…, il disait que la police normalement est sensé d’assurer l’ordre et la sécurité publique mais malheureusement quand on voit la police on ne se sent plus en securité….c’est étonnant quand même non ?

  5. nadia grondier a dit :

    rasoa ve mba mivavaka ho an’ny Tanindrazana?

  6. rasoa a dit :

    eny aky r’i nadia tena mba mivavaka hoan’ny tanindrazana mihintsy aho

  7. Babyfoot a dit :

    Rahoviana iany ny servô n’i Nadia vao afaka mandinika fa raha tsy eto ny olona dia manan-katao izy izay fa tsy eo @ devant ny écran ny fôna du matin au soir toa an’i Nadia, sady tsy mianatra no tsy miasa, na ny sakafo aza angamba tsy lavorary, ny tranony ambony ambany satria na misy mpiasa aza tsy maintsy arahamaso ny vovoka, ingaina ny tapy, jerena ny fandrahoan’ny mpiasa sakafo sao be sira sy menaka ka mampararay aty sy mampisy kolesterola. Mba mianara iany oà ! Raha lehilahy i Nadia dia tsy miasa izy izany… !!!

  8. fandresena tena izy a dit :

    Ny saina sy ny Fanahy ary ny Fo no mivavaka . Izay no lesoka lehibe tamin’ny fitoriana ny Filazanatsara tany Afriak satria ny Fo sy ny Fanahy ihany no mivavaka . Hany ka mandringa ny maha-olona . Ny saina nomen’Andriamanitra dia hazavain’ny Fanahy Masin’ Andriamanitra ka mahay mandinika , mana vaka ny fitaka sy ny marina . Ary tena raharaha sarotra io ary eo no tena mila vavaka mba tsy ho voafitaka . Koa izaho manokana dia tsotra : Mila mihetsika sy miova fijery ny Kristiana Malagasy ary mahafinaritra fa ny Mpitondra Fivavahana no tonga saina amin’izany . Koa tsy maninona fa avelao ho feno ny fonja fa tsy maintsy hiara-hivoaka tao daholo ny rehetra indray andro any . Tena hetsika tsy ho azon’iza n’iza toherina io hetsikin’ny Mpitondra Fivavahana io ary izay no itiavako ny hoe aleo ihany ho eny amin’ny Magro ny hetsika ary mitaky ny Fiverenan’i Dada no atao sy ny Fialan-dRajoelina fa sao avilivilin’ny olona ny tolona e! Rehefa indraindray(ohatra hoe isaky ny Larobia ) dia miaraka amin’ny mouvances hafa fa tsy hoe miaraka foana . Ny an’ny Mpitondra Fivavahana ao Antsahamanitra ihany . Aoka mihintsy isika ho mailo e! ary aoka haharitra indrindra indrindra fa ny ady tamin’ny 1945 anie taty frantsa ka naharitra taona maro e! ary ho antsika aty ivelany dia aoka hanohana ny Fianakaviana sy ny namana rehetra any an-Tanindrazana tsy mampitrosa fa manome fa mino aho fa raha samy manome ny havany isika dia tsy hahantra ny olona any fa afaka miatrik’ ady . Koa herezo ny lalana na dia mbola mazana aza ny fiakarana e! tsy maintsy mivaly fidinana io fa tsy misy lalana miaka-dava izany raha tsy hoe hanakany an-danitra anagaha ??? Herezo ny dia e!!!

  9. nadia grondier a dit :

    aoka hazava ny resaka ! aza afangaro ny Fivavahana sy ny Politika,i jesoa tsy manao politika fa ny azy izay idirana ny varavaran’ny lanitra no tanjona navelany ka aza afangaro tompoko azafady

  10. nadia grondier a dit :

    hafa ny mivavaka ho an’ny Tanindrazana,hafa ny mpanao politika tsy mitovy
    Baby aky aza tia ady fa ny vahaolana tadiavina za vehivavy fa tsy lehilahy velively



  11. nadia grondier a dit :

    Baby ka efa 3 herinandro anie Malahelo tsy teto e! tsy mba fanaony anie izany e! sao marary na misy nahazo azy ary?asa?Malagasy mitovy ahy re iny mampiasa ny lohako na masiaka amiko aza izy rehefa tonga

  12. KintanaMananDrambo a dit :

    Ary maninona rehefa izaho, dia lazain’ty fa maty ? Amin’izay faly ery !!

  13. nadia grondier a dit :

    andray kosa?miasa loha anie za aminireny fa mody ataoko vazivazy e! tena marina e! tsy hitanareo raha tsy hitamo ianareo mila impolo kely ataoko antso

  14. KintanaMananDrambo a dit :

    Ndao aloha, fa be hierehan’aho !
    Teneno ny ekipan’ny foza hiala teo, fa tsy mamokatra velively !

  15. nadia grondier a dit :

    ok! kintana bonne nuit ary e! ilay be herehana anie fantatra hiany fa tsy fanaonareo ilay izy kou miasa hiany ny Loha sao mba nisy nahazo tena marina e! tamin’ise tsy teto manko misy Gtt voasambotra zay kou nitambatra ,zao indray nisy voasambotra teny Anosy Malahelo tsy hitako za anie na miady hevitra tsy hoe mankahala anareo e! Gasy ianareo fa tiako fotsiny manazava sao mba tsy tokony izany ary no izy ?bonne nuit daholo ianareo rehetra Malagasy mitovy amiko

  16. Babyfoot a dit :

    Ary i Anti-Ra8 ry Nadia mba nankaza ? Toa tsy antsoin’i Nadia nefa nisy nilaza teto fa nisy gendarmes 2 novonoin’olona izany hono fa nikotikoty sipan’olona. Toa tsy taitra akory Nadia sa isé iany no Anti-Ra8 eto ???

  17. Maevanilla a dit :

    I Sorajavona zao mba tiako ho eto @ My dago koa fa mba misy analana azy kely amizay!!!
    Nandeha tany ambanivolo lavitra be zaho dia antongotra 85km, gaga aho fa ny olona dia maharaka vaovao, ny RNM dia tsisy mpihaino, fa miangavy olona iray izay mandeha antanambe dia mba handeha @ cyber mba hijery ny tena vaovao marina, dia imprimer-na ny vaovao ary entina any antanana, dia mivorivory ny olona mihaino ny vakiteny ary avy eo mbola arahindreo commentaire koa an!!!tena efa mipetrapetraka ny vie associative. Tsy faritanin’Antananarivo io resahiko io fa région hafa mihitsy. Ka na mangina aza ny olona dia manana ny safidiny, ka dia ho TORANA ho azy eo io DOMELINA io fa HO tsisy mpitia,na dia miteny hoe solontenambahoaka aza.Efa voaresak’io toerana io aby hoeny députény ve nanaraka DOMELINA sa nanaja ny safidimbahoaka.

  18. Dr CELESTIN Robin a dit :

    Raha ny Malagasy 80 isan-jaton ‘ny Malagasy izay nezahan’ny Président RAVALOMANANA MARC nampiana mba ho tonga heri-pamokarana no mba mahazo miteny dia ho hafa tokoa ny resaka sy ny adi-hevitra etsy sy eroa..!
    Saingy tsy misy fomba handraisana ny hevirt’izy ireo..ary hampisehoan’izany!
    Ireo 80 isan-jaton’ny Malagasy ireo no herin’ny Vahoaka Malagasy ary ireo no natao nadritry ny taona maro talohan’ny 2002 kely tsy mba mamindro ary tsy mba no karakaraina fa dia noheverina fa vesatra sy sakana tsy nanamora ny fandrosoam-pirenena !

    Ny ady nataon’ny Filoha tamin’ny fahantrana ny roa na telo taona voalohany tao aorian’ny nandraisany ny Fitondrana dia nahavelo-bolo ireo 80 isan-jatontsika ireo ary nony nosainina ny  » famokarana manomboka eny amin’ny toerana lavitr’andriana sy ny kely indrindra teto amin’ny Firenena ( développement de proximité ) dia fa eno sahady ireo avara-pi nimenomenona fa tsy raharahin’ny Fitondrana izy ireo ,izay nahavit sy nahita fianarana ary mahay tsara (théoriquement ) izay mikasika ny fampandrosoana…!
    Efa-polo taona talohan’ny 2002 dia tsy ita na azo tsapain-tanana ny fampandrosoana nosahanin’izy ireo..!

    Vitan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC tao anatin’ny fito taona ny nampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy tamin’ny alalan’ny asan’ny Malagasy izay nanomboka namokatra
    ary ireo vokatry ny asan’ny Malagasy ( fambolena –ny vary indrindra-, ny fiompiana.., ny fizahan-tany.
    -ny lalana vita nahazoana nivezivzy ary nahazoana nifanakalo ny vokatra..
    -Ny tena fatratra sy lehibe tamin’ireny dia ny fanodinana (transformation )an’ireo vokatra sy fanondrana azy tany ivelany (ny coton izay nosahanin’ny AGOA ohatra )..!
    Ny oinina natsangan’ny fianakaviana RAVALOMANANA MARC dia nividy ary nanodina ireo vokatra..!
    Ireto ozinina dia nanambotra ireo ppn ary nivarotra izany teo amin’ny Vahoka tamin’ny vidiny mirary izay mifanentana amin’ny fahefana mividy ( pouvoir d’achatn’ny Malagasy )..
    Dia nanomboka koa ny fampiarana ny MAP..

    TONGA TAMIN’IZANY NY MALAGASY ARY NAHATSIARO FA FIAINANA VAOVAO NO IAINANA !

    Ny tao nentin’ny Filoha nanamoro ny fiainanan’ny Malagasy dia nifanohitra tamin’ny tombotsoan’ireo mpanafatra entana tany ivelany ,izay lafo vidy !

    Taitra sy nanomboka nanao setrasetra izy ireo ary nanampy azy tamin’izany ireo mpanohitra izay tsy niafina ny tsy fitivan’izy ireo ny Filoha RAVALOMANANA MARC..Ataoko fa fantatsika daholo ireny nanomboka tamin’ny 2002 izay nanaovana fahirano an’IMERINA (Ratsiraka no tompon’ny hevitra ,i Zafy dia tsy nitsahatra nanaratsy ary namiseho ny tsy fitiavana ny Merina ary indrindra ny Filoha RAVALOMANANA MARC..sns..)!

    Koa teo anolohan’ny fandrosoana ita sy azo tsapain-tanana teto amin’ny Frenena ,dia may volo tratra ireo vahiny mpanafatra entana any ivelany dia nampiasa ireo andevony (padesm )hanampy azy ireo..!
    Dia ny fanonganana ny Fitondrana ara-dalana izay notantan’ny Filoha RAVALOMANANA no any fomba noheverin’izy ireo hanakanana ny fandrosoan’ny Malagasy ,izay nampihena ny tombotsoan’izy ireo ary koa raha mitohy dia hahafoana ny herin’ny fahefan’izy ireo ,izay miankina amin’ny tanjakin’ny bankin’izy ireo izay mandraoka ny volan’ny Malagasy .
    KOA SAKANO ,HOY IZY IREO ,ITY FITONDRANA ITY FA TENA HANAKENDA ANTSIKA..!
    Dia izay no nanonganana ny Fitondrana nofinidin’ny Malagasy…!

    KOA HO AIZA ISIKA IZANY ? INONA NO LALANA HIZORANA IZAO ? INONA NO TANJONA HO TRATRINTSIKA MBA HAMERENANA NY FIANDRIANAN4NY FIRENENTSIKA SY NY TOMBOTSOANTSIKA AMIN’NY FIAROVANA NY HARENTSIKA IZAY ATAON’IZY IREO VAR-BOBO ANKEHITRINY ?

    TSY MISY AFA-TSY NY TOLONA..!

    AMPY IZAY NY VALA-DRESAKA SY NY FITOKONANA FA TSY MAINTSY MIHETSIKA ISIKA ARY MAMPISEHO AMIN’IZAO TONTOLO IZAY FA TSY EKENTSIKA NY HANJANAHANA ANTSIKA INDRAY ,KOA NY FITSANGANTSIKA REHETRA TOA NY OLONA IRAY MIADY ,MIFANDONA AMIN’NY MPANJANAKA SY NY FORONGONY..!

    INONA NO HATAO ? AIZA NY LALANA ?

    ISIKA VAHOAKA MALAGASY MIARAKA TOAN’NY TAMIN’NY MANOSIKA SY MANDIDY IREO « MOUVANCE EFATRA  » HAMETRAKA NY TETEZAMITA IZAO DIA NY IZAO !TSY HISY FANGATAHAN’ANDRO INTSONY ,TSY MISY FIHEMORANA NA KELY AZA..!
    « INSTALLEZ ICI ET MAINTENANT LA TRANSITION CONSENSUELLE ET INCLUSIVE ! »

    TSY MIALA AMIN’IZANY ISIKA ARY TSY MAINTSY TAFAPETRAKA IO TETEZAMITA IO NA INON-KIDONA NA INON-KIDONA..!

    HOY JEHOVAH AMINTSIKA HOE : »AZA MATAHOTRA FA IZAHO MOMBA ANAREO ! »

    KOA ALAHORY AZA RY MALAGASY TSY MATY VONOINA !

  19. HoAiza a dit :

    MyDago ô:
    Rano sy vary ihany i Sankalité sy Ndravaha!
    Mareforefo ny an’ilay voalohany, dia manenjana ity faharoa.
    Ny zavatra tena adinon’i Edgar dia: mijaly ihany koa ny mpandeha an-tongotra, satria ny trottoir toa lasa parking ho an’irony 4×4 be. Aza variana manenjika ny madinika, fa raha mahery ianao alefaso any @ fourrière ireny mpibahana ny lalako, satria izaho indray no mila ho voahitsaka ny voatira fa voatery midina ivelan’ny trottoir matetika rahefa mandeha eny an-dalambe.
    (Nandroso ny Mouff’rey-nao teo aloha, fa efa tsy hita any itsony izahay.)

  20. Verohanitra a dit :

    Foano amin’ny vokabilera aloha ity fitenenana « marimaritra iraisana » ity fa mankaleo. Olona efa mankahala ny Malagasy mitovy aminy ve no sady efa mamono, mampiady, manankorontana, mangalatra izay kely ananana, mampiasa herim-pamoretana dia mbola hisy fihavanana mitombina ihany ?
    Ndao hazera ho faty any io FAT io fa io no hampijaly antsika tsy misy fiafarany eto ? Ndao koropahina ny CI hanasazy an’ireo mpanongam-panjakana ireo amin’ny fomba rehetra hita ao amin’ny seraseran’ny GTT. Ndao hatao tapi-dala-kaleha hoatran’ny sokina nanani-bato amin’ny fomba rehetra ireo : raha manao fifidianana dia aza mifidy TGV mihitsy. Ndao ampisehoana miharihary aminy mihitsy fa mangidy hoditra amin’ny vahoaka Malagasy izy ka hatao leo monina tsy te hiseho vahoaka mihitsy amin’izay toera-kalehany rehetra.
    Raha mizara zavatra dia raisina dia rehefa avy eo, dia lasa mody daholo, avelao ho hitan’ny havany eo, tsy hisy hihaino izay lazainy akory. Hohano ny ombiny, raiso ny t-shirts-ny, jereo ny fampisehoana ataony fa ny fontsika tsy homena azy mihitsy fa manao ratsy antsika loatra. Tokana ny safidy : Rvalomanana ihany. Ka izay hiverenany haingana no hiadiana fo mafy ! Misy ireo tsy manadino ary betsaka fa nahavita be teto amin’ny firenena iny Lehilahy iny na teo aza ny hadisoana nataony tsy azo anoharana amin’izao mitranga ankehitriny izao mihitsy.



  21. nadia grondier a dit :

    Anti Ravalo mbola teto t@ 28 ary fataony indraindray eto indraindray tsy eto raha herinandro izy tsy hita vao mahagaga

  22. Leobe a dit :

    Nomena 10% fisondrotana ny mpiasa-panjaka satria efa nanatonta vola baoritra be dia be ny HAT izay natontan’ny Banque de la France raha ny vaovao hita tetsy sy teroa. Izao nandray karama tokoa ny fonksionera dia vola baoritra daholo no nozaraina ho azy ireo, voamarina amin’ireo nandray karama sy pension io. Vola tsy misy sonian’ny governeur-ny banque centrale no nozarain’ny Tresor ao Antaninarenina. Tsy maintsy miasa ilay vola raha ireo no natao karama, voatery mandray ny mpivarotra satria ny fonksionera no hatao fitaovana hanaparitaka ireo vola baoritra ireo. Tsy misy lanjany intsony ny vola gasy. Ahoana no fiatraikany io vola baoritra hampiasaina ao Dago io?

  23. ralezoka a dit :

    Raha fetsy Lery sy ireo forongony ,tonga dia manepoka mialokaloka any amin’i reny malala any satria toa tsy misy intsony ilay vahoaka mba mankasitraka ny atao .
    Aiza kosa moa : VOLA BAORITRA no atao KARAMA sy
    atao PENSION ,ny fampihorohorona,ny fijaliana,ny asan-devoly mihanjady amin’ny vahoaka tsy lazaina insony .
    Marina ny voalazanao ry Verohanitra,satria ireo putschistes ireo no nampitondra fahoriana antsika toa izao .

  24. Anti-Ra8 a dit :

    HO AN’NY VAHOAKA MALAGASY TENA TIA NY FIRENENY DIA TSY MATAHOTRA IZAY FAMENDROFENDROANA ATAON’NY VITSY AN’ISA IZANY IZY IREO! SAFIDY NY AN’NY MALAGASY NY NANONGANA AN-DRAVALONANDRA KA VONONA HIZAKA NY VOKANY IZY! FA IREO MALAHELO NY FIHINANY VERY SISA NO MITABATABA OHATRAN’NY AMBOA VERY TAOLANA! NY VAHOAKA DIA MILAZA FA TOKONY TSY HISY IZAO FAHANTRANA SY SAKANTSAKANA AO MADAGASIKARA IZAO RAHA TSY MANAO NY ATAONY I RAVALONANDRA! MAMPISA VOLA ETSY SY EROA! MIVIDY VOLA IREO MPIOMBON’ANTOKA AMINY AO AMIN’IO FIKAMBANAN’NY FILOHAM-PIRENENA AO AMIN’NY SADEC IO! NY SADEC ANIE KA FIKAMBANANA FILOHAM-PIRENENA FA TSY FIKAMBANANA HANASOAVANA VAHOAKA E! IREO FILOHAM-PIRENENA TAO ANATIN’IO SADEC IO DIA NY NAHAMAIKA AZY DIA NY HAMPANDROSO NY ORINASANY SY NY BUSINESS ATAONY MBA HANDEHA SY HIFAMEZIVZY TSY MISY MPANAKANA E! MBA ILAZAO IZAY VOKA-TSOA NENTIN’IO SADEC IO TETO AMIN’NY FIRENENA HOE???? TSY NY ORINASA MALAGASY NO NIFAFA NY KIHONY NOHO NY CONCURRENCE DELOYAL NISEHO TAMIN’NY FANAFARANA ENTANA SY PRODUIT ISAN-KARAZANY? KA HOY IZAHAY TENA VAHOAKA MALAGASY FA TSY IREO NOVIDIAN-DRAVALOMANANA VOLA AKORY, HOE: IZAHAY NO MAHAFANTATRA NY TOKONY ANDEHANAN’NY FIRENENAY FA TSY IREO MPITONDRA NAMPAHANTRA VAHOAKA TAO AFRIKA AKORY! DONC? OUT LES SADEC! LES MALGACHES NE VEULENT PLUS DE VOUS! FICHE LE CAMP! TONGAVA RAHA SAHY FA VONONA NY MALAGASY TENA MALAGASY FA TSY IRETO GASY KELY VOAVIDIN-DRAVALONANDRA AKORY!

Emettre mon avis ou un commentaire

Ceux qui ne sont plus capables de faire valoir leurs idées versent dans les insultes et les grossièretés.
Izay tsy mahavita ny mampiseho ny hatsaràn'ny heviny dia lasa manompa sy miteny ratsy sisa.