Liberté pour la presse !
.
18 andro androany no nitanana am-ponja ny namanay Lolot sy Didier.
Nangataka fanafahana vonjy maika (LP) ny mpisolovava azy mirahalahy saingy tsy nomen’ny fitsarana, nalahelo ny fianakaviana sy ny namana rehetra saingy nitraka ihany noho ny fampaherezana nomen’ireo mpitondra fivavahana.
Ny mpitondra fivavahana ao anatin’ny « hetsiky ny mpitondra fivavahana » izay nihaona tamin’ny Atoa Jean Ping, nanazava ny fanagadrana tsy ara-drariny ireto mpanao gazety ireto, nitondra ihany koa antota taratasy mikasika ireto voafonja ireto ary nangataka ny hamoahana azy mirahalahy.
Maro no mihevitra fa gadra politika no manjo azy mirahalahy ireto satria dia anisan’ireo mpanao gazety nanaraka akaiky ny Ankolafy Ravalomanana foana izy mirahalahy.
Fifanojoan-javatra ve sa iniana hatao fa dia nisy andiana miaramila nanao fanamiana nanao fandrobana ny trano fonenan’ny Lolot Ratsimba, lasa daholo ny mba tahiry sy ny fananan’ity mpanao gazety mbola notanana am-ponja hatramin’izao ity, sa mbola fampihorohoroana amin’ny endrika ankolaka ny Radio Fahazavana ?




le Lundi 25 janvier 2010 à 16 h 04 min
my dago a! angaha ny olona rehetra manafika sy hangalaranolona dia misy maniraka mba hovay woa ny fomba fijery fa mahakamo
le Lundi 25 janvier 2010 à 16 h 21 min
Nifiran’i Jean Ping fotsiny ny mpitondra fivavahana dia nomeny ny pong mangirifiry ny mpanao gazety sasany dia lasa izy nandeha.
le Mardi 26 janvier 2010 à 9 h 19 min
mbola hanody anareo roa be vava ireo ny zavatra lazainareo ireo, ary dia mba misaina fa aza miteniteny foana, satria sans qualité daholo ianareo roa ireo, tena mampalahelo ny fomba fijerinareo fa mieritrereta kely fotsiny
le Mardi 26 janvier 2010 à 9 h 41 min
razanakolonafrance,
Izaho ve no iantsoanao tody nefa i Ping no manao ny ataony. Dia lazao koa fa diso io zavatra lazaiko io.
Fa raha ny tody lazainao tsy olana, satria aho izao itodian’ny zavatra tsy nataoko akory.
le Mercredi 27 janvier 2010 à 5 h 48 min
« Fifanojoan-javatra ve sa iniana hatao fa dia nisy andiana miaramila nanao fanamiana nanao fandrobana ny trano fonenan’ny Lolot Ratsimba, lasa daholo ny mba tahiry sy ny fananan’ity mpanao gazety mbola notanana am-ponja hatramin’izao ity, »
==> raha izao no mitohy dia tsy maintsy hanatitra
chocolat robert (vita malagasy) sy cheddar cheese (vita na avy any US, na avy ato afrika atsimo)
ho an’izy roa lahy eny Antanimora ihany ny tenanay!
le Mercredi 27 janvier 2010 à 8 h 21 min
Manantena mantsy ianareo mpanao ratsy ireo fa tsy hisy farany mihitsy ny ratsy ataonareo ka dia manararaotra hoatra ny banga miomehy alina. Mitavana amin’ny harena tsy nisasarana. Tsy ampy ny efa nanagadra dia mbola nobaboina koa ny fananany.
Ianareo ve ireo manao an’Adriamanitra ho tsy misy ka dia mijery ny lohasaha mangina fa tsy mahita ny Andriamanitra ao an-tampon’ny loha mihitsy e ? Misy farany daholo ny ratsy atao ry zareo â ! Raha tsy misy valiny, dia mba rafitra nanao daholo ny olon-drehetra fa hoy ny ohabolan-drazana : ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no atahorana. Ka raha ny razantsika tsy nandre ny Baiboly sy ny filazantsara nefa nanana ny fahatahorana an’Andriamanitra, dia mihevitra ve ianareo fa ho afa-maina amin’izao ataonareo izao ?, tsy olona iray no manana alahelo aminareo fa ny vahoaka manontolo. Ny Tompo anie hijery ny ranomasonay ary handray an-tanana ny ady ataonay aminareo ireo.
le Mercredi 27 janvier 2010 à 11 h 27 min
NY MPANAO GAZETY LIBRES KOA ANGAMBA MBA TOKONY HANAO ARTICLES ISAN’ANDRO MIKASIKA NY MPANAO GAZETY MIGADRA.
TSY TOKONY HIJEREN’NY MPANAO GAZETY TAVAN’OLONA NA LOKO POLITIKA NY TOY IZANY SATRIA ASANY IO.
MATAHOTRA TAHAKA NY ANKAMAROAN’NY OLONA KOA ANGAMBA RY ZAREO.