Mpino Kristiana sy olon-tsotra an’alin-kisa no tonga nanohina ny antson’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF), natao omaly teny Antsonjombe.Tsy nahakivy ny olona ny halaviran’ny toerana, ny fanembantsembanana isan-karazany nihatra amin’ny hetsika natao toy ny fandrirarirana ny toerana, ny fampitahorana ny olona amin’ny fandrangarangana miaramila mirongo basy eran’ny tanana, nisy mihitsy ny fizarana Baiboly ireo mpitandro ny filaminana teo ambavahady, « miaina ao anaty tsy fahamarinana isika » hoy ny mpitandrina.

Nasiaka sy nahitsy ny hafatra nampitaina « na inona hidona, na inona hiantra » tsy hihemotra sy hangina ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, tsy maintsy hiteny ny tsy marina sy tsy rariny mitranga eto amin’ny Firenena izahay, na dia misy aza ireo « tsy laitran’ny basy fananarana » mantso ireo mpitondra tsy ara-dalana. “Tsy avelan’Andriamanitra hamoy fo isika fa ho avy ny famonjena. Handray andraikitra amin’ity firenena ity Andriamanitra. Izy irery no hitokiantsika fa tsy basy na tafondro”.

No ho izany « mijoroa raha olo-marina, mipetraha raha tsy marina » hoy ny fanambarana mamporisika ny olona handray andraikitra amin’ny firenena, misy mantsy ireo miafina ao ambadik’ilay hoe : « maro an’isa mangina, maro an’isa tsy miteny » na « majorité silencieuse ». « Miray tsikombakomba amin’ny tsy marina isika raha tsy miteny ny marina », « raha maro no mijoro amin’ny fahamarinana dia ho resy ny ratsy » hoy izy.

Manoloana ny ramatahora mianjady amin’ny vahoaka dia mazava ny teniny. « Sahia mangataka amin’Andriamanitra izay takian’ny fontsika : mangataha mpitondra hendry, mangataha filoha hendry , tsy ny olona kivy sy ketraka no hahazo fandresena fa ny olona mahatoky an’Andriamanitra » vao naheno izany ny ankamaroan’ireo olona tonga teny dia niara-nihiaka hoe : « Andriamanitra ô avereno Dadany »

Ny soratra masina ao amin’ny Testameta Taloha, Eksodosy 3: 7a-8a manao hoe “Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko… dia efa nidina Aho izao hamonjy azy » no novoaboasan’ny Mpitandrina Fidison Razafinarivo tamin’izany. “Hitan’Andriamanitra izao fahorian’ny vahoaka Malagasy maharary azy, hitany ihany koa fa efa anaty loza ny firenena, kanefa aza matahotra fa ho avy izy « .

Tsy hijanona intsony ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana hoy ny Pasitera Andriamorasata Roger, « ampitomboy isa ny marina, sahia mijoro, entano ny olona » hoy izy namarana ny torinteniny.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Inona no sitrapon Andriamanitra ho an i Dago
  2. Atao inona izany fitaovana homena ny mpanjono izany e ?
  3. Françafrique ihany no faly amin’izao
  4. Mba mangataka Tompoko ô !
  5. Kilalaon-tsaina

47 Comments

  • OKAY dit :

    Soa ihany fa mbola misy olo-marina eto Dago ry mydago an!

  • Verohanitra dit :

    Misaotra anareo mpitondra fivavahana mahery fo tsy manaiky ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana misy eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny. Heveriko fa metimety kokoa ny manandratra ny vavaka amin’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra toy izay manankina ny hoavy amin’ny olombelona izay tsy mahefa na inona na inona ary mora mivadika.
    Ny vavaka manova zavatra, ny vavaky ny maro mahataka-davitra ary henoin’Andriamanitra, koa mahereza Tompoko. Miombom-bavaka aminareo izahay ary matoky fa na ho ela na ho haingana, dia tsy maintsy hamaly vavaka Andriamanitra ary hanondrika ny masony hijery antsika ao anatin’izao fahoriantsika izao.

  • Mao dit :

    Miarahaba antsika rehetra eto @ MyDago e.
    Marina ary ataoko fa tsy misy hiadian kevitra io voalazan’ny mpitondra fivavahana io. Tokony hijoro @ fahamarinana isika malagasy na dia tsy kristiana aza.
    dia tsarovy ilay teny hoe:  » ny vavaky ny mmarina no mahery indrindra »
    Mahereza daholo.

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Izao hainga velona ,azo tsapain-tanana sy itan’ny maso izao izay mitarika ny Malagasy maro iaraka sy ifanomen-tana mba ifanomezan-toky sy hanaporofoany fa ao amin’izy ireo ny afon’ny Fitiavan-Tanindrazana sy ny Fifankatiavana marina..tsy maty vonoina !
    Misy ny tsy fitoviana ,misy ny zava-maro erehin’ny tsirairay..fa ao ity hainga manainga Antsika iara-mijery sy mifikitra amin’ny « tena aina iraisana ,izay mamatototra Antsika lalina dia lalina be « .
    Io aina iraisana io no nisy ,no misy nikitika dia
    INDREO NY MALAGASY MITSANGANA ,MIJORO , MITAMBATRA HIARO IO AINA IRAISANA IO..!
    (Nous chacun et chacune nos préoccupations ,nos opinions peuvent diverger ,mais Nous sommes unis ,rassemblés faisons bloc ,quand
    L’ESSENTIEL DE NOTRE VIE COMMUNE SUR CE PAYS HERITE DE NOS ANCETRES ESR MENACEE…!
    OUI NOUS NOUSRETROUVONS ET OUBLIONS CE QUI NOUS DIFFERE

    HONO ,HOY AHO, : »IZA AMINTSIKA NO TSY NIHEVTRA HAMONO OLONA RATSY NIKASIKA ITY AINA IRAISANA ITY ? »
    NEFA TSY NAMONO ISIKA !

    NAHOANA ?
    -Nohony tahotra ve ,
    -Nohony tsy fahasarotan’ny fampiaranailay tetika ve ?
    Mety ho izany..!Ary raha tany amin’ny Tany hafa no niseho izao sekoseko sy fiantsiana misy eto amin’ny Firenena izao dia efa ela no nadriaka ny ra..!

    Tsy niseho teto Antanindrazana izany
    -satria manadala ny aina velona Isika na ain’ny fahavalo aza izany ,
    -satria manana fandeferana Isika : be loatra ve izany fandeferana izany, ka araraotin’ny sasany ,ka hiheveran’izy ireo fa kely say Isika ?

    TSIA IZAY MANDEFITRA DIA MANDINA TOA NY LAFERANA IZAY MILEFITRA FOANA FA TSY MIRANGIRANGY TOA NY LOHALIKA !

    IZANY DIA NOHO NY FAHENDRENA NOLOVANTSIKA..ARY TETIK ‘ADY TSY LAITRAN’IREO FAHAVALO :
    -izy ireo mamaky loha ba itariana Antsika hamaly ny fiantsiany ,fa Isika tsymiraika ,fa indreo Isika mihira ary manao azy ireo (fahavalo ) otrany ny tsy misy…!

    Dia mitohy ny fitadiavan’izy ireo hevitra mba hanairana Antsika ,mba hamihetsika Antsika..

    ISIKA TSY TAITRA ,TSY MAIKA NEFA ..SAROTRA HAKASIAHINA..FA HO AVY NY FOTOANA TSY AMPOIZIN’IZY IREO..IZAY HANAITRA NY HAINGA MANAINGA ANTSIKA , HAINGA TSY HO HAY TOHERINA !

    Izany HAINGA izany no nampiseho ny tarehiny teny ANJOZOMBE ARY HIHAMAHERY VAIKA..ISAN’ANDRO !
    KOA TOHIZO NY TOLONA ,;EFA ETY AMPOVOAN-DRANO ISKA IZAO.KOA HIVERINA HO AIZA..?
    TSY MAINTSY MANDROSO ISIKA ARY HANAO BAO TSY MIVILY…ISIKA !

    MAHEREZA DAHOLO ARY FATSY LAVITRA NY IRY MORONA ERY AM-PITA !

  • nadia grondier dit :

    Andriamanitra nametraka an’ny Dadanareo teo Andriamanitra kou ny nanala azy teo, raha sitrapony hiverenany miverina rehefa tsy sitrapony mionona bey

  • bebyrandriamanantena dit :

    Eny hoa hafa tokoa isika malagasy, manana fikirizana sady matahotra Ilay Mpahary, tsy maika tsy faingana nefa tsy tara satria manana fahendrena manokana isika izay maha tena hafa antsika, koa ho vizaka foana izay mitady hamily ny tolona ,alao hery tsy maintsy mandresy isikaho an’Andriamanitra Irery ny Voninahitra

  • Docteur Hery ANRIAMIASY dit :

    Misaotra anareo
    tsy ho avelantsika rendrika ity firenena mamintsika ity
    mitsangana fa tonga ny fotoana
    miaraka hivavaka isika ho an i madagasikara
    dia ny tantara no aoka hitsara
    mahereza daholo e!

  • gasybe democrate dit :

    DCR
    makasitraka

  • fandresena tena izy dit :

    Izay no marina tao anatin’ny fo e! ka dia izay no angatahina ary koa. Misaotra anareo Mpitondra Fivavahana sahy milaza ny marina ary mamaphery sy mampatanjaka ny Finoan’ny Kristiana Malagasy . tena mila mpampahery mihintsy amin’izao fotoana izao mba tsy hisian’ny famoizam-po . Koa ny valim-pitia hoa anareo mpitondra Fivavahana dia hahery izahay ; haharitra izahay ; tsy ho kivy izahay ary tena ho sahy . Mifampivavaka tompoko !

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    IDADA TSY MAINTSY MIVERINA RAHA TSY MISY MAMONO AZY !

    Isika iozay miandry ny fiverenany dia tokony hiova ary tsy hiandry azy fotsiny na hihantehatra a^miny hanao ,nanohy ny fampandrosoana ohatra..
    Tsy maintsy miova Isika ary mihezaka ny hanampy azy ,fa tsy hamela azy ho irery intsony ..mioasa irery na eo aza ireo olona miara-mias aminy hono..!
    Firy ireo olona noheverina fa tena nifanome tanana taminy no niala no niaraka amin’ny mpanongam-panjakana ankehitriny ,
    Sylla ,rajemisson..ireo ihany dia mahavaky fo..!

    Noho izany na dia tsy hanana toerana ao amin’ireny antoko mitady sahady hanodiina ny Fimpha dia tsara Isika ,citoyens lambda ,raha mba mitady toerana hahazoantsika mitily ,manaraka ny fandehan-javatra..Tsy mitady toerana ministra Isika fa manao associations politiques manohana ny Filoha ary ny asantsika dia toa ny courroies de transmission « : mitondra ny feon’ny Vahoaka sy ny hevitry ny « commissions maro hatsangatsiaka  » ary maka ny fomba fijerin’ny Filoha sy ny hazfatra tiany hampitaina amin’ny Vahoaka..!
    Tsy hifaninana amin’ny Antoko Isilka fa kosa hitsikilo am-pahibemaso ny fihetsiny sy ny hataony Isika..!

    Hevitra toa ny hevitra maro izany fa ny zavatra kinendry dia TSY HISY INTSONY NY FOSIKA SY NY FIKA ARY NY JONO ENTINA HAMINGANANA NY FIRENENA SY NY MPITONDRA AZY !

    FA ISIKAZ ALOHA NO MIOVA FIJERY ,FIHETSIKA ,INDRINDRA MIANATRA MITADY ,MANAGONA POROFO MIKASIKA NY OLONA AHIANTSIKA FA TSY MANENDRIKENDRIKA FOTSINY …!
    NY FAHAMARINANA DIA MANAO IZAY HAHATSOTRA SY HAHAMORA NY FIARAHA-MONINA NY TSIRAIRAY..FA TSY MITADY NY HANAKENDA IZAY HALANY ,TSY TIANY ,HALANY BBIKA TSY TIANY TAREHy..!
    FIAONAN’NY BARIBARY IZANY..

    AOKA ISIKA HO MENDRIKA NY HAMBON’NY RAZANTSIKA : »FANAHY NO MAHA OLOMBELONA ! »

  • Mao dit :

    DCR,
    mankasitraka ary manohana io hevitrao io aho, amiko manokana dia tokony hisy io antoko politika hanaramasao sy hanitsy ary hanoro hevitra @ lafiny rehetra ka mety hampandroso ny firenena.
    raha tena io tsy mitady toerana io no tanjona dia manohana anao 100% aho.
    Izaho manokana dia tsy tia manao politika fa kosa te hanitsy ny fomba fanaon’ny mpanao politika malagasy.
    Any @ MyDago angamba no lakile mety hahazoantsika mifandray.

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Ao @ Mydago tokoa no mety hihaonana.
    Izaho tsy mpanaopaolitika fa mpijery ary mpamakafaka ,fa ny fototr ‘hevitra ijoroako sy tohanako dia ny Fampandrosoana ny Mamgasy amin’ny lafin’ny fiainana rehetra ary vao 14 taona no nanaraka paolitika fa Andriamatoa RAVALOMANANA MARC no any mpitondran’ny Firenena voalohany nampifanaraka ny asany amin’ny teny nomeny..!
    Zava-dehibe izany ary io no antony itiavan’ny
    Malagasy ,indrindra madinika ,kely tsy mba mamindro azy..!

    Misaotra anao namaly ny resaka..

  • Mankasitraka dit :

    Mankasitraka ny hetsiky ny Mpitondra Fivavahana.
    Misaotra Tompoko

  • Kitana etc...... dit :

    Miarahaba,

    Avereno ny……FAHAMARINANA nitsakitsahana sy naholana, noroahana!

    Raha nenoina ny hafatrin’ny Mpitondra Fivavahana dia izao :

    - Finoana fa NOMEN’ANDRIAMANITRA ATIDOHA ho ampiasaina ho an’ny fandrosoana ny tsirairay

    - Finoana fa ao anatin’ny atidoha ny toeran’ny TALENTA samy hafa

    - Finoana fa HO VERY MAINA izany talenta izany raha tsy ampiasaina

    - Finoana fa ny TSY FAMPIASANA izany talenta izany no MITERAKA FAHANTRANA ( pauvrete/maladies/detresse) , izay halan’Andriamanitra

    - Finoana fa ny hany ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA dia ny HIALAN’NY tsirairay sy ny REHETRA amin’izany fahantrana izany

    - Finoana fa ny fialana amin’izany dia tsy misy hafa tsy ny ASA MARINA, TSARA, MAHARITRA

    - Finoana miasa, FOI AGISSANTE hialana amin’ny fanjanahan-tsaina ka HIKAROKA NY FAHAMARINANA

    Efa itan’Andriamanitra ny fijalian’ny Malagasy. Efa manendry IRAKA IZY HANAZAVA NY DIANY ao anatin’ny haizina. Lavitra ny lalana ary maro ny sakana, kanefa matokia ary « MITSANGANA….MANDROSOA IZAO …. » (Madagasikara Tanindrazanay/Kristy Kapiteny)

    Kitana

  • nanah! dit :

    salut!
    Mankasitraka e!
    Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andrintsika iany fa dia mahereza doolo , aza kivy fa mbola ho avy ny maraina hiposaan’ny masoandro,

  • Manja dit :

    Mankasitraka sy mankatelina ary miandrandra ny hitohizan’ny hetsika samy hafa hatrany e! Manohana 1000 isan-jato hatrany. Mirary faherezana ho antsika mianakavy.

  • baraka dit :

    Io tsy vitan’ny oe  » mankasitraka sy misaotsaotra ny hetsiky ny mpitondra fivavahana » fa miaraha aminy fa vavaka arahin’asa ihany no mahomby, fa tsy vitan’ny manetsetra ato @ ity my dago ity fotsiny io. ary mbola hilazako ombieny ombieny fa  » NY VAHOAKA MALAGASY NO VAHOAKA KANOSA INDRINDRA ERAN-TANY « fa tena aleoko lavitra mihitsy miborosy toe-tsaina Afrikanina toy izay miborosy toe-tsaina gasy. Tena @ foko tanreraka no ilazako izany.ary izay no analyse hitako hatr@ izay 1991-2002-2009 izay. rehefa mahomby ny tolona dia ahy ity fa rehafa mitsefotra dia eo ilahy sy ny havan’ialahy fa tsy hisy hiditra @ io eo.marina dia marina mihitsy ireny tenin’i henri lecacheur t@ MaTV alina ireny.

  • lanjou dit :

    Mankasitraka sy mankatelina tanteraka ireo mpitondra fivavahana amizao hetsika hataony izao.
    Manentana antsika tsirairay koa anefa handray ny hadidy masina ho an’ny tanindrazana izay tandrify antsika tsirairay avy ary aoka mba ho eo ambanin’ny fitarihin’ny Fanahy Masina isika amin’izay rehetra hataontsika.
    Andriamanitra anie hitahy ny asa soa rehetra izay ataontsika ho fandraisana anjara amin’izany

  • tess dit :

    o ry Nadia, fa sao dia Andriamanitra hafa ity tompoinao ity , ny anay ny Andriamanitra hinoanay dia Andriamanitra marina, tia fahamarinana, nanafaka ny zanak’israely t@ fanagejan’ny egyptiana izay nanao an’Andriamnitra ho toy ny tsy misy, noho izany tsy hiray tsikombakomba @ RAJOELINA sy ny forongony hanongam-panjakàna sy handroba ny tsy manan-tsiny ary tsy hampamono olona velively ny Andriamanitray, ianareo no efa tsy manana an’Andriamanitra fa beljeboba no hitokianareo , zany no maha rainilainga , rainiambo, tia voninahitra sy vola , hany ka tsy mandraraha inon’inona afa tsy vola , hamidy hatr@ tanindrazana, ampafantarinay an’i Nadia tsara fa ny filoha RAVALOMANANA dia malagasy, teto no nametrahan’Andriamanitra azy, raha misy ny tsy maha tafaverina azy eto dia tsy Andriamanitra velively fa ny devoly zay tsy manantsaina afatsy ny hamotika , zay ihany mantsy no tena hain’ny devoly, mamotika , asa aloa hoe iza lay devoly mpamotika eto fa inoako fa fantatr’i Nadia tsara, koa aza miteny ratsy ny anaran’Andriamanitra fa tsy Andriamanitra mihintsy sanatria no nanala ny filoha RAVALOMANANA fa ianareo, ary ianareo raha voasazy dia tadidio fa tsy izay velively no sitrampon’Andriamanitra fa zay no vokatry ny nafafinareo, hataoko hoe ianareo satria zahay na inon-kidona na inon-kiantra, zahay dia tsy ho kivy fa hivavaka sy hibebaka, ianareo mahazo manao zay tianareo hatao, harangarangao ny basy dia tofiro sy vonoy izahay raha mitaky ny fahamarinana , robay , tapero ataovy tsy misy ny harena voajanaharin’i Madagasikara fa zay no nanirahan’i beljeboba anareo , hamotika, saingy tsarovy fa Andriamanitra tsy andrinareo andrinay foana, ny anay ny tolona tsy maintsy mitohy mandram-piverin’ny ara dalàna satria masina loatra ny tanindrazana, misaotra betsaka ny mpitondra fivavahana ary dia aza matahotra fa minoa fotsiny ihany satria ny marina tsy maintsy mandresy

  • Manja dit :

    Avelao io Nadia io himenomenona eo fa aza valiana intsony fa efa mankaleo e! Rehefa tsy misy miresaka io ve tsy hiala tsimoramora eto ihany… Efa tsy any min’ny topmada intsony izy izao fa efa tsy nisy niraharaha tany…

  • fan dit :

    Ny any hafatro, misy olona efa manoratra ny tantara any, ka ataoko ahoana no tsy andray anjara amin’ny tolona ho fitaratra hoan’ny fara sy dimby? fa misy farany ny zava-drehetra, ary izany no tsy itsaharanay manao ny soa hatrany eny fa na dia mitaredretra aza Izy.

  • vahoaka dit :

    Dia hiandry an’i pôly eo nareo! asaivo miverina i dadanareo fa miandry azy i TSIAFAHY! tongava soa e! raha tsy vendrana izahay vahoaka kouh!

  • vahoaka dit :

    Mba asehoy kely oe zany sarin’olona an’alin-kisa zany? aza vokisana lainga ny vahoaka ry my dago ah! tsy vahoaka ireo fa olom-bitsy!

  • nadia grondier dit :

    tsy ampy arivo akory ange ny olona tany ry vahoaka?aza miresaka aminay ianareo tsy haonay

  • NIKSON dit :

    Misaoatra ny pastora fjkm ary mbola miandry ny hetsika avy amin’ny mpitondra fivavahana katolika eny fa na dia fanameloha fotsiny ihany aza. Amin’ny mahampisorona mpaminany ny fiangonana rehefa misy zavatra tsy mety dia tsy maintsy miteny. Azo heverina ihany hoe nanginana ny fiangonana teo aloha satria nanatena fa hanaova zavatra i tgv saingy amin’izao dia hita mazava fa tsy alehany mihintsy ilay Rajoelina ary efa maro ny zavatra tsy rariny niseho teto ka ampy izay ny fahanginana raha tsy tianareo ny hiharan’ny hatezeran’ny olona. Mba alaivo antsaina kely fotsiny heo mba hanao ahoana ny fifandraisantsika amin’ny filoha Ravalomanana raha tafaverina eo izy. Na inona antony na inona dia tsy maintsy mifandray amin’ny mpitondra isika.

  • gasybe democrate dit :

    KM
    ny opposition any amintsika dia « balkanisée  » koa mandiha ny bitro isan-karazany
    Ataoko , fa ny TIM sy ny tranompivavahana ireto no manana réseau mikasika ny fokonolona hatraiza hatraiza…
    Kanefa ny sisany AREMA dia manana  » CAPACITE DE NUISANCE  » mbola mahery ,sady vokisany DEBA vola (  » forceps  » be ) , mila revanche masiaka be i Deba…
    Tsy rarahiny izay manjo ny fokonolona .

  • alkamar dit :

    Mao a
    iza leitsy i Nadia Grondin io?
    alefaso mail amiko leitsy a!

  • nadia grondier dit :

    tsy iKintana Manandrambo anie io fa olonkafa e! tsy misy Gtt voasambotra ve ao France ao?

  • nadia grondier dit :

    Mawola! efa lazaina fa aza miresaka amiko ,atao inona aho?Mydago mba hanorato hoe i Kintana raha salama tsara,tsy misy gtt voasambotra ve? ary i Malahelo tsy misy nandroba ve teny Amborineoko Toliara sao very ny LAP TOP ,izay anie ry MYdago hiangaviako anareo e! misaotra mialoha

  • Mao dit :

    Alkamar,
    Ka tsy ilaintsika firy ny olona toa an’io fa manahirana be na dia ny miresaka aminy ary; satria olona Bontolo be zay mantsy izy io dia mbola manao ilay ory havan’ny manana ireny, fialonana mantsy no tsy nitiavany ny Filoha Ravalomanana, toa hoe Gasy manambady vaza any andafin’ny riaka hono e.
    aza raharahina io fa aleo ho eo fotsiny e!

  • nadia grondier dit :

    itako i Kintana ry Mydago fa kay niova Anarana hi hi hi hi raha miova Anarana tonga dia kobo
    fa maninona no misarontava?Malahelo no tena tsy hita ,ary iMao tsy manantsina raha tsy hila ady,raharahampirenena no iamasoana fa tsy izay fankahala olona,Vahaolana no tadiavina,inona no hahatafita an’ny Madagascar

  • Arivo Lahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Mankatelina sy mankasitraka ny hetsiky ny mpitondra fivavahana sy ireo mpanohana azy akaiky. Amiko io no hery masina anakiray ahafahantsika manohitra izao olona devoly nangalatra fitondrana izao…tsy fantany izay ataony e efa rendrika @ fitiavan-tena, fitiavam-boninahitra izy.
    Aza avotsotra intsony izao fahavononana izao, efa mihena ny andro iainan’ny mpangalatra fahefana.
    Dia mbola mamerina ny fisaorana antsika hatrany.

  • Rakotovonona dit :

    Fa mba taiza moa ianareo rehefa nanakatona Fiangonana kRISTIANINA ny Dadanareo? Taiza ianareo t@ famonoana olona t@ 7 febroary? Kristianina anie ny maro an’isa maty t@ ireny eh! Adinonareo ve ireny fanompoantsampy nataon’ny dadanareo teny Iavoloha sy Ambohitsorohitra ireny?
    ANDRIAMANITRA MAHITA ARY MAHAFANTATRA NY MARINA REHETRA. VOAFETRA NY HERIN’NY VOLA.

  • shouka dit :

    Manakory aby ndray e !
    Mahafinaritra ny hetsiky ny mpitondra fivavahana ary misaotra azy ireo amin’ny fikelezany aina. Aza kivy isika rehetra fa efa voasoratra ny hoe : Raha misy iray na roa mivory amin’ny Anarako dia eo afovoany Aho. Mainka fa olona aman’aliny maro. Diso ve izany hiazakazahana ny fanaovana dementi any @ telen-ny fat fa tsy nisy izany sao mantsy toran-kovitreo ireo mpomba azy hoe toa efa erin-taona izao no nitoloman’ireo nefa mbola mahazo olona be foana, sao tokony hieritreritra amin’izay ? Dia gaga ve ianao raha tsy eto foana isan’andro. Rehefa tsy te hahita ny rediredy sy ny firefarefana ato dia misintaka fotsiny fa tsy ndeha ankarary fo sy hiteniteny foana lava eto. Lalina loatra mantsy ny hajamban’ny sasany ka aleo ny tolona no imasoana. Sady hifampitabataba ato nefa tsy mifankahita akory. Ny hafatro farany fotsiny dia izao, aza mbola misy misioka aloha raha tsy tafavoaka ny ala na dia efa akaiky aza ny fandresena, ny tolona no hamafiso ary aza mety rebireben’ny mpanatsatso, fa malina hatrany, indrindra amin’izao farany izao. Aza hadino fa Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andrintsika ihany ary izay maharitra vadin’Andriana koa mivavaha mafy.
    Tsetsatsetsa tsy aritra. Efa tankina reo fat reo, AN sisa tavela t@ilay Antananarivo navarina tetsy am-pamarinana. T@ nanomboka nihitsana reo litera reo no efa nanomboka niady an-trano tao koa ry zareo.
    Ombantsika Andriamanitra ary voninahitra ho Azy!

  • baina dit :

    f’anggah mou fiangonana krstiana iny raha tsy fambolena anandrano? ary nisy namono koa angha ny foza tamin’ny 7 février 2009, raha tsy nandeha nanao sinema niaraka t@ bitro?
    Ny Andriamanitray mahafantatra ny ataony, ny marina, ny tsara izany no anarahanay azy. Ny anareo koa araho foana fa sady mpandainga no tsy mahalala fomba, ary tsy nianatra fa mapianatra DJ

  • tess dit :

    nadia sy vahoaka, ny dadanay ozizy nareo miandry azy tsiafahy kanefa ny sazy aza zao hilatsaka amin-drajoelina???ha!ha!ha!, ny an’ny mpanongam-panjakàna poteau éléctrique no miandry azy sao tsy hain’i nadia sy vahoaka, zao dia matahotra ndray ry V isany dia mody hoe: ho hita eo ny fanapahan-kevitra ho raisina mandrapahatongan’ny sazy @ 16 mars,f’angaha mbola hanapakevitra inona koa , f’angaha matahotra sazy indray?? aiza re zany e!!!, mbola aiza anefa no hahazo anareo mpanongana e!, milaza fa mamim-bahoaka koa no matahotra mafy an’i dadanay???!!, fa halam-bahoaka dia manao forcing sisany, tohizo ny tolona ry légalistes fa ny devoly tsy maintsy miala, dada tsy maintsy mody dia 1 ere tour dia vita. masina ny tanindrazana, rahoviana ndray ny hetsika manaraka??,

  • nadia grondier dit :

    za kosa alou ampitiavana no ilazako @ Dadanareo aza maimaika mody fa sao tonga avy eo tsy misy mpiaro ka dirandoza,maninona anefa Dadanareo raha maka sasatra toy ny rehetra fa tsy manankoeontana e! 1ere tour de vita alou aza manonofy e! nefa azonareo atao tsara ny manonofy fa tsy voarara ny lalana ka dia mazotoa izany havako izany biz

  • mananasalae dit :

    mon coeur est tellement ému en sachantque le pasteur fidison a choisi de precher sur l’exode.oui, vous avez raison pasteur,il faut prendre cette atittude,invoquer dieu,le dieu de no ancêtres,et il sauver ce pays en detresse.il est dieu,tout puissant,et nous devons tous tourner vers luicomme ls iraelites ont fait et dieu a envoyé Moïse pour LIBERER;QUE DIEU entend ces CRIS DE CE PEUPLE MALHEUREUX.GLOIRE à lui et que dieu bénisse MADAGASCAR,que le mal sorte

  • mananasalae dit :

    il faut tourner nos regards vers dieu,je tiens à remercier aux pasteurs et aux gens qui ont assisté cette messe.que dieu tout puissant entende ces CRIS.IL est fidèle,nous devons rejeter tout ce qui est materialisme(on a payé les gens pour le coup d’etat),faut pas aimer l’argent,nous devons revetir l’arme de l’esprit:la FOI.ET LES MALGACHES ont cette foi qu ils reviennent à DIEU,se repentir totalement.vive madagascar,Merci

  • jo dit :

    manonofy an’i KINTANA tato ato i nadia re olona AAAAAAA

  • Na.diaGrondier dit :

    ie manonofy aho hitanao angaha izy lazao izy iverina eto ok!

  • Kitana etc...... dit :

    Tiens, tiens !!!!

    « itako i Kintana ry Mydago fa kay niova Anarana hi hi hi hi raha miova Anarana tonga dia kobo
    fa maninona no misarontava? »

    Avy tany amin’i « nadia » io

    « nadia grondier a dit :
    le Lundi 22 février 2010 à 20 h 24 min »

    Ny ampitso lasa : « Na.dia »

    « Na.diaGrondier a dit :
    le Mardi 23 février 2010 à 19 h 58 min  »

    hihihihiiiii!!! Aleo tsy hasiana resaka hafa intsony fa tsyiiiiiii, mandany andro !

    Kitana

  • Na.diaGrondier dit :

    hi hi hi hi inona ny hevitrareo?izay zao no mahamaikaamin’ise fa tsy andany andro ,raha tonga nyy 16 ka hoy ny gena hoe aleo hahemotra indray,tsy hisy tapaka lalandra ve ianareo manantena tsy misy ireto

  • KintanaMananDrambo dit :

    Nalahelo angaha i voatavo kely ? Inty re izaho ê !
    Tsy misy manao saron-tava izany eo, efa nolazaiko foana izany !
    Mbola nandeha « nitsangasangana » ny mpitolona ry kalakely â !

  • Na.diaGrondier dit :

    angaha nandeha nivory i se?ise ve teo akaikin’ny Dadanareo omaly .tonga soa

  • Babyfoot dit :

    Ory Nadia ô ! Mba VERIFIEO kely ny famerenanao ny anaranao rehefa avy miova pseudo fa teana SIRIKA BE !!!!!

  • Dera dit :

    Elaela iany izay, manakory aby ô ! Salama ?

    Mandroso ny fijeriko ny resaka fa ity Nadia ity iany no mbola amin’ny fiainana fanjanahantany talohan’ny 1947.
    Ity misy fanontaniana amin’ny TGVistes rehetra :

    Ahoana no tetik’i Renikely ny l’après coup d’état ?
    Aiza ny maha puissance modiale faha dimy azy ?

    Toa tsy nahavita azy fa mivilavila ny fandehan-javatra. Tokony hisaina izy ireo fa ny Menalamba kely aza tsy natahotra ny SENEGALY nalefany nampitahorany ny gasy kely koa maika fa ny taranaka AVARAPI !
    Ny hevitro dia aleo rey olona handroso eo ireo, handany vola, hanamboatra ozinina (Bemolanga), etc… Avy eo vao andrahoina. Mavesabesatra kokoa ny lesona azony amin’izay.
    Ity filohany (mitsingina rehefa maka sary)ity dia tsy ho lany intsony à fifidianana manaraka satria tena leo ny vazaha. Ny tsy an’asa midangana, ny fiainana miakatra, ny defisity manaka-danitra. I TGV sy ny klikany manginy fotsiny. Explosion no hiafarany. Eto isika hijery.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.