Lasa fomba fanao eto Afrika ny fanonganam-panjakana amin’ny alalan’ny fampiasan-kerin’ny miaramila mpikomy, toy ny nitranga omaly tany Niger. Misy andiana manamboninahitra mijoro mitarika ny miaramila mpihoko nanafika ny Lapan’ny Filohampirenena, izay teo ampanaovana Filan-kevitry ny Ministra.
Mampahatsiaro ny zavatra nitranga teto Madagasikara, nanafihan’ny miaramilan-dRajoelina ny Lapan’Ambohitsirohitra, notarihan’i komanda Charles Andrianasoavina tamin’ny fotoan’androny, ny tsy nampitovy azy dia tsy tratrany tao an-dapa ny Filoha Ravalomanana. Ny mahagaga dia ireo mpanongam-panjankana indray no miseho ho mampihatra ny demokrasia kanefa rehefa avy eo atao ramatahora amin’ny fampiasan-kery ny vahoaka.
Fa ny tena mampirongatra be io fomba fangalam-pahefana amin-kery io dia ny fidiran’ny Firenen-dehibe sasany amin’izany fomba ratsy izany, fa indrindra ny tsy fandraisana fanam-pahan-kevitra hentitra na “sazy henjana” ampiharina amin’ny “putschiste”, mila mihenjana ny sehatra iraisam-pirenena raha tiana ho foana io fanonganam-panjakana mitady hahazo laka eto Afrika io.
Mikasika izay, ho dinihana anio atsy Addis Abeba ny mety ho sazy hampiharina amin’ny “putschiste” eto Madagasikara noho ny tsy fampiharany ny fifanarahana efa vita sonia, nifaneken’ny rehetra dia ny satan’ny Maputo sy ny tovana natao Addis Abeba. Izy rahateo “tsy matahotra izay mety ho sazy hihatra amin’ny tenany” araka ny lazainy, dia ho hitantsika eo ny tohiny. Fa ity misy fehin-kevitra nataon’ny GIC tamin’ny fihaonana faha 5 hijerena izay vahaolana amin’ny krizy misy eto Dago.
Ireto ary ireo communike amin’ny teny izay tianao. Na Anglisy na Frantsay.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:







Raha mandinika tsara ianao dia misy karazany telo ny coup d’Etat eto ambony tany :
1- Avy am grande puissance iray : ohatra cas Cote d’oive, RDC, etc …
2- Itovizan’ny grande puissance maromaro hevitra : ohatra cas Gorbacthev
3- Kitoatoa : Cas Comores
I Ra-8 tsy tafahala teo raha tsy nanao « YES » ny USA sy ny Rainiboto. C’est sur 100%. Afaka miteny ny USA hoe sahirana t@ election sy avènement Obama izy fa tsy misy adihevitra io. Na ra-8 mihitsy no tsy te hampiana !
Sinon, za otran’ny mahita hoe i Jean Ping toa mikarama @ La frantsa par l’intermédiaire de Total> Total gabon. Diversion ny fijeriko anireo 4 ème sy 5ème GIC tany Adis ireny. Antony ? Tsy haiko fa mila fantarina. Na i Joyandet aza tsy tao fa nahita lalankafa naleha.
A suivre
appréhensions de Chris partagées…
…jusqu’à concrétisation « MAFONJA «
aiza moa no tsy hanao ny danin’ny kibony ny mpitondra eto
amintsika raha mbola hoe FANJAKANA ny aty.
NY MPANJAKA DIA MATETIKA TSY REFESI-MANDIDY.
soloy ny voambolana dia AZA ATAO INTSONY HOE « FANJAKANA3 FA « FITONDRANA ».
ARY NY ADMINISTRATION DIA ANTSOY HOE FITANTAN-DRAHARAHA.
ATAOVY MIFANRAKA AMIN’ny TOETR’ANDRO NY VOAMBOLANA AMPIASAINA.