Ora sisa no isaina
Ora sisa no isaina dia tapitra ny fe-potoana 15 andro fampitandremana nomen’i hery iraisam-pirenena antsika Malagasy hitadiavam-bahaolana.
Io maraina io i Andry Rajoelina mbola nanamafy fa « tsy manaiky izany hiaraha-mitantana ny tetezamita » izany ny tenany, raha nivahiny tamin’ny onjam-peo iray tany Frantsa.Mazava ny resaka : miziriziry hatrany ny ankolafy Rajoelina hitondra ny baolina irery, tsy manaiky hifampizara ny tetezamita amin’ny ankolafy hafa.
Etsy andaniny i Camille Vital efa manomana ny sain’ireo polisy, miaramila, zandary amin’izay mety ho fiavian’ny tafika ivelany. «Aleo ho avy ny miaramilan’ny SADC hanaovana fanazaran-tena» hoy i Vital. Dia inona no nitranga fa tsy ny mpianatra ao amin’ny garabola etsy Antanimbarinandriana no nampiharany ny fahaizany sy ny fanazara-tenany. Grenady mandatsa-dranomaso no nalefa teny an-tokotanin-tsekoly, mpianatra 2 no torana, maro no nitomany sempotry ny etona mandatsa-dranomaso sy noho ny tahotra.Tena tsy voahaja ny zon’ny ankizy madinika, mba miteraka ihany va re olona ianareo ireo an !..
Maro ny Malagasy no mihevitra fa tsara raha mba sedraina kely ireo « be basy » ireto hijerena ny tanjany fa tsy ny ankizy sy ny vahoaka madinika foana no atao lasibatra.Ny fandefasana iny lakrimozena iny aza tsy voafehin’ny miaramila Malagasy ; alefa any amin’ny tokontanin’ny Hopitaly HJRA tamin’ny fotoan’androny, tany an-tranon’olona ilay teo Ambohijatovo, vao omaly tany antokotan-tsekoly, tsy misy « précision » mihitsy maika fa hampiasa ny fitaovana raitra, tsy mbola azo lazaina ho matihanina aloha raha izao fomba fiasa izao no mitohy ; « hohitan’ny havany eo ireo »…
Don-tandroka dia efa mikoropaka ny Fat
Raha ny marina aloha tsy mbola ho tonga amin’izany fandefasana tafika vahiny izany izao toe-draharaha misy izao fa do-tandroka fotsiny dia efa mikoropaka mafy mihitsy ny Fat.
Ny sasany mitety toby miaramila manome toromariaka, ny hafa maka toky mafy any Lafrantsa, ny ambony mi-blabla eto Dago.
Ny azo inoana dia hiampy indray ny ankivy hampiarina amintsika, ny tena andrandrain’ny maro anefa dia mba ho ny mpanongam-panjakana ihany no hahazo sazy enjana avy amin’ny hery iraisam-pirenena.
Manjavozavo ny tonjo zotra hitondran’ny Fat an’i Gasikara, mbetika manolotra soso-kevitra peta-toko, ndraindray miverin-dalana manao toy ny tanalahy, ny hafa mirirotra makany amin’ny ady an-trano sy ny gaboraraka .Fa hoaiza marina ny dian’ny sambo ben’i Madagasikara e !
Misy amin’ireo mpanohana ny Fat no miteny ankehitriny fa ny « fitsapa-kevibahoaka » no tokony hatao mialoha, Rolland Ratsiraka aza moa dia milaza fa misy mpamadika mihitsy miaraka amin’i Andry Rajoelina ao , Ingahy Pety dia nahasahy nilaza mihitsy fa « tsy tokony noesorina teo ny Filoha Ravalomanana » raha ny nataony ihany no averina.Midika izany fa tsapan’ny maro fa diso lalana ry zareo.
Aza ataonareo « takalon’aina » ny Malagasy, rehefa tsy mety ny ataonareo dia manajà tena, tsy lany olomanga i Madagasikara ry Fat.
Ho FATy ny hambon-dRajoelina eto isika, « ora sisa no isaina dia …ho FAT ny FAT»
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:






tongava ho jerena fa tsy misy miraharaha izany eo
Mba mieritreritra ny toe-pahasalaman’ireto ankizy mpianatra ve, ireo miaramila domelina ireo ê ?
Donton’ny daina mihintsy ry lerony, dia ny ankizy kely avy, no semporina amin’ny klimôzena !
Voici l’integralité de l’Interview de son Excellence SANS QUALITE, LEXPRESSE.FR, qui AFFIRME uqe SEM RAVALOMANANA ne participera pas aux elections Presidentielles .
_http://www.lexpress.fr/actualite/monde/afrique/andry-rajoelina-les-malgaches-veulent-des-elections-libres_845934.html
any taona any volana mbola ho avy ny anjaran’ireo miaramila-potaka mpamadika tanindrazana ireo miaraka @vady aman-janany
tena mapalahelo ny ankizy tsy manantsiny,tokony hojerena ireo lehibe minia manakoerontana ankizy ireo
Quand le sankalité-mégalo prend ses rêves, pour des réalités, oui !!
Concernant Ratsiraka, il ne peut être plus clair !!
Pour se souvenir des Responsables du desastre causé par la HAT .
PENSEZ A VOUS SOUVENIR DU TITRE :
« DEVOIRS DE MEMOIRE » dans TOPMADA )
qu’un certain Fred de deplacement
) a posté, a partir d’un autre site celebre et qu’il adore.
_http://www.topmada.com/forum/discussions-libres/page-4/
Pardon Odile en remplacement de Fred ……o)
Hatramin’draoviana i SK lasa « porte-parole » ny Ravalomanana ???
kaskety vaovao….
Ireo anie RaFred efa ela no classés tsara ao anaty lalimoara ê ; miaraka amin’ny sarin’ny sasan-tsasany !
Misy olona sivily koa ! Aza adino, fa ho an’ny Taranaky ny malagasy, no tsy maintsy anaovana an’izany. Sao dia mba manambady an’ny zafikelin’ny mpanongana, na toan-dry nadia, ny zafikelinareo ??
ka i Marc zanako anie mety ho legaliste e! mety ny zanako anie pro Ravalomanana e! fa za alou tsy miova hevitra hatreto
Atramin’izao aloha, dia ny voatavo dia voatavo ihany, fa tsy mbola nivadika ho voatabia, na akondro ê ! Asa, grefy be manadala mihintsy angamba ?? MDR !!
Notre appréhension à l’approche de l’échance fixée par la CI, c’est d’être encore une fois, les victimes innocentes de ces sanctions qui devraient être appliquées uniquement et individuellement aux putschistes.
- Pourquoi faire tomber des sanctions sur un peuple déjà misérable ? Hier, le prix de la farine a augmenté de trois fois en l’espace de douze heures. Le prix des produits de première nécessité, des médicaments n’est plus à la portée de la grande majorité. Sans parler des profiteurs et spéculateurs qui trouvent leur félicité dans ces difficultés sans nom dans lesquelles se débattent leurs compatriotes.
- L’état défectueux des routes consécutif au manque d’entretien et de la saison des pluies empêche la libre circulation des produits. Ceux qui vivent dans les brousses se trouvent tout à fait isolés alors que leurs produits sont bradés aux collecteurs ayant de solides camions. L’histoire est une éternelle répetition de ce qu’on a vécu du temps de l’amiral rouge.
- L’on ne sait plus si les brigandages qui gagnent du terrain dans toute l’île sont les conséquences des pertes d’emplois ou sont les faits de ce régime sans foi ni loi. Comment expliquer que les brigands soient bardés de kalachs, revêtus de tenues militaires ?
- Si nous devons subir des sanctions outre ce que nous vivons déjà actuellement, c’est vraiment la fin de tous nos espoirs.
Pendant ce temps, les putschistes mangent à satiété, roulent dans des voitures de luxe, leurs enfants ne subissent pas les effets de gaz lacrymogène et ignorent les affres de la faim.
raha ny tenako alou dia sanatria dia sanatria ny hifidy an-draTGV, na ny taranako faramadimby dia ataoko fantany tsara izany olona izany. Milaza azy ho tia tanindrazana nefa namotika ny fiainam-bahoaka. Avelao ho avy ny fifidianana fa tsy matahotra koa ny tenanay ange, sanatria na filohan fokotany Ambatobe aza dia tsy ho lany iny.
D’après les statisticiens il paraît que depuis 2009 le nombre des malgaches susceptibles de posseder des voitures de luxe ( 4×4,BMW,MERCEDES.. ) a augmenté de un tiers ,et ce sont en général parait-il les proches (famille et amis,copains et coquines )des FAT qui possèdent ces biens mal acquis ( vente illicite des riz de TIKO ,des farines et des barriques d’huile ).Sûrement ils sont entrain de rigoler dans leur voiture de luxe vitres noirs…
dada akoholahy fataka aaa!!
zefa alzheimer aaa!!
jamba aaa!!
fetison oooo!!
Mba mampihomehy ihany ary anefa koa mampalahelo ny mahita an’ireto mihedinedina ambony fako ireto.
Izao marina ve no tena atao hoe miaramila e? Jejo ambony tsokoko!
Atttossssehooooo!!! azafady fa voal’ny sely tampoka aho!!!
Ly amil’ly hoe efa ho tonga ly fotoala. Moa tsy efa izaly ve moa lo antolil’ily lesaka tilel-l’i Nathalie Zabe ily e?
Attttttoooosssseeeeehhhhoooo! azafady e!
Indrisy mantsy fa i « Dada » fahiny tsy nikapoka dia mody nitomany avokoa ireo ray aman-dreny hoe ampijaliany izahay e! nalainy ny taninay e! ny sasany aza moa mahasahy miteny mihitsy hoe tsy nahatosika an’ilay vadiny nangidihidy dia nanaraka an’i « Dada » ilay vehivavy… Izao koa sady tsy mibedy i « Dada », no tsy mikapoka koa kanefa dia any ankizy no latsa-dranomaso sy latsa-tomany.
Izany rehetra izany noho ny fahendren’ny ray aman-dreny malagasy.
Misy ny olona dia tsy afaka ny handinika mihitsy fa dia io toton’ondry bory io ihany. Efa tena miavaka izao eto Madagasikara fa ireo izy maty eritreritra tsy mahita afa-tsy ny tombon-tsoakeliny sisa manohana iret FAT ireto. Dia tsy hita ve ireo fandrobana fananam-pirenena ataon’ireo FAT ireo ? Dia tsy hita ve izao fiainam-pirenena lasa any ankady izao!
Ry jeneraly Ramakavelo izany dia misoleleka mihitsy mahazo ny 50millions par mois. Ny vadiny mampianatra eny ankatso efa hihomehezan’ny olona ary handosidosiran’ny mampianatra fa foza orana.
Ireny no ataon’ny miramila dia tsy miteny R&amakavelo. Any amin’ny sekoly ve no handefasana baomba mandatsa-dranomaso dia mbola mifikitra amin’ny vola ao ihany Ramakavelo? Ry Andriamanjato moa dia tena zokim-bomanga tsy mahalala afatsy ny tombon-tsoan’ny zanany. Raha azony natao angamba ny nilelaka izay azo nolelafiny tany amin’ny frantsay tany dia nataony mba hampijanonana an’i Hasina eo. Nefa na ny miteny frantsay aza tsy hain’i Hasina. Ny misaram-panambadiana ihany no hain’io zanany io nefa dia ny « diplomatie » no mba hianaran-kendry. Dia ireny no vokany. Afa-baraka ny firenena malagasy. Izao efa manome fe-potoana ny firenena mikambana mbola mandainga ihany ny FAT. Tena mampididoza ireo fa aza misy mipetrapetraka intsony isika malagasy
Rehefa tena hiziriziry ireo miaramila ireo, rehefa tena tsy ahitana fanafana (ekena ny fialà na nenina amin’ny lafiny rehetra ampilaminana), dia tena ankasitrahana mihitsy ny andefasana tafika avy any ivelany mpampandry tany eto aminitsy.
Ireo miaramila ireo no mampiziriziry io tgv io eo amin’io toerana io
raha ny hevitro, ilaina hanaovana referendum ireo miaramila ireo, raha tena ilaintsika na tsia !
tokony ho atao io! fa ovaina zavatra hafa ny resaka sécurité eto amintsika
Tsy hoe tsy ialina anie akory ny miaramila e!
Ilaina dia ilaina tokoa saingy mila fanavaozana sy fanamborana goavana be ary dia azo antoka fa dia zavatra tena sarotra izany.
Tsy hitako izay holazaina fa ho hita eo ihany
rehefa i dadanareo maniraka ny Miaramila mampisotro malaoto ny Malagasy dia bravo Miaramila rehefa mba tonga saina di lazaina tsy ilaina izany ve no atao hoe Tia Tanindrazana?
Mampalahelo mihintsy ny mijery ireto ankizy, tokony ho foanana any ireto vatatay ireto fa mandany volambahoaka fotsiny .Na hasaina mamboly mangahazo na hampandiovina tatatra.sy mandroaka ny fako tsy voaraokan’ny FATIN’amb… eran’ny tanana
aza kely sy fohy fisainana oa! ohatran’ny mifanakaiky ny trano-malotony sy ny fisainany! ary ireo tanora sy ankizy novonoina tamin’ny 7 fevrier 2009 angah maloto any an-gabone no fijerin’ireto mpomba an-dravalonandra azy ireto? Faty nihapatrapatra eran’Ambohitsirohitra sy ny HJRA! tsy manamaivana ireto ankizy voan’ny bombe lacrymogène akory fa ireto olom-bitsy nokaramaina hanakorontana eny akaikin’ny sekolim-bahoaka no tokony hisaina! trano fianarana koa hanaovana fitabatabana sy resaka politika? maninona no tsy tany an-tokontaninareo nidradradra ny alahelo an’i dadanareo ravalonandra! amizay ange olom-bitsy fa tsy vahoaka e! maninona tsy sahy nampisehoana teto amin’ity site My dago ity ny sarin’ireo (lazaina) fa vahoaka mpanakorontana teny Anosy ireo?
EFA ELA NO NAHENOANA AN’AMBATOBEVOHOKA FA TSY TERAKA IHANY! HO AVY I DADA E! MIHOZONGOZONA NY SEZAN’LAH E! TAPAKA NY TENDAN-DRAJOELINA E! sns…. IZAO INDRAY DIA HOE ORA SISA NO ISAINA! TONGAVA RAHA SAHY E! MIANDRY ANAREO NY TENA VAHOAKA MALAGASY! AMIN’IZAY FOTOANA IZAY VAO TENA AHITA TSARA NY HERIM-PON’NY VAHOAKA MALAGASY IANAREO! ANGAHA IZY ITY FANANAN-DRAVALONANDRA I MADAGASIKARA KA IZY NO HAROVANA ETO? AZA MANONOFY FA VONONA TANTERAKA HIATRIKA IZANY TAFIKA MALAZA TSY IHINANANA OHATRAN’NY VILIHIN-TSAHONA IZANY NY VAHOAKA SY NY TAFIKA MALAGASY! TSY NY FAHORIANA MIANJADY AMIN’NY VAHOAKA ANY AMIN’IREO FIRENENA MISY NY FIKAMBANAN’NY SADEC IREO ALOHA NO ATREHINA! TONGAVA! TONGAVA! TONGAVA! RAISINA AN-TANAN-DROA ARY TSY MISY MATAHOTRA SY MIHEMOTRA ZANY NY VAHOAKA MALAGASY NANOME NY SAFIDINY HANONGANA SY HANDRIPAKA TANTERAKA AN-DRAVALOMANANA!!! MIANDRY IZAHAY!
Toa mampiomehy ery mamaky ny zavatra soratany anti-Ravalo , angamba izy io tena mahazo vola be any aminy foza , sy hitany angaha ny fijalian’ny olona amin’izao fotoana izao , mampalaelo, matoa izy manohana mafy ny foza dia manana tombotsoa ao , fa raha olona tsotra ka misaina dia mahita tsara izao fahantrana mangitsokitsoka mahazo ny malagasy izao
Andriamanitra tsy andrinareo andrinay ihany ka tohizo ny tsara ny fankatoavanareo ny fozanareo , fa tsy fantatrareo tokoa ny zay mety hitranga na dia iray segondra aza
Andriamanitra o jereo ny tanindrazanay , mijaly ny vahoaka , tsisy ny filaminana , mikorotana lava , mijaly ny vahoaka ,
Manantena mafy ry foza fa ho tafavoaka nefa aiza akory zay eo , ny fampanantenana nomena ny vahoaka tsisy tanteraka fa ny fangalaram-bola no be dia be
manararaotra mafy mihisy
Mino aho fa misy ny farany , ary miandrandra mafy ny hialan’io DJ vendrana tsy mahay ninoninona io
na honena ny fonao na tomany; i RAVALONANDRA ITOMANIANA FA TSY NY VAHOAKA MALAGASY EFA NANDOA SY NIHOAKA ARY NIDEGÔBA AN’IZANY RAVALONANDRA ZANY E!
IO ANDRIAMANITRA ANTSOINAO IO DIA ANDRIAMANITRY NY MALAGASY TIA TANINDRAZANA FA TSY ANDRIAMANITRY NY MPANOMPO SAMPY SY MPITAHIRY ODY MIARAKA AMIN’NY OSY MAINTY AKORY!
KA AZA AMPIASAINA AMIN’NY OTA FADY NY ANARAN’ANDRIAMANITRA!
raha ny fijeriko ny soratrao dia tena anti-ra8 marina ianao: ianao ve efa nahandro « foza »? (mena izy rehefa masaka)ny olona hono rehefa tezitra dia manoratra @ stylo mena, toy ny anao manoratra @ sora- madinika dia avy eo miova sora-baventy, na ianao aza ve tsy tokony ho tonga saina vao mamaly ny pro-Ra8? misy tranom-pisainana roa ny anao ka ilay « ambany » io mitondra ny sainao io fa raha mbola tsy tara dia miezaha miakatra @lay ambony.
Ka io efa teny ambony no nampidinina fa tsy maharaka
Votsa saina be mantsy izy io tany an tsekoly. Aza omena tsiny izy fa efa resyy nge izy io e.
ka izy zany no tonga @lay fitenenana hoe kinga ambany fa donto ambany ko!!!!!!! eo izy no raisina
miala tsiny @lay soratra « kinga ambany fa donto ambony »
Aza mieritreritra ho ahy nareo fa ny TGVistes dia misaina…jereo @ DJ Andry sy ny mpanaraka azy fa dia tsy manao afatsy ny mangalatra fotsiny @ endriny rehetra…
Tafandrimandry daholo dia hitondra fisainana ny alina fa ny fangalarana sy famonoana olona, ny fandaingana…dia tsy mitondra ho aiza.
Esory any ny Frantsay sy ny forongony ao Madagasikara fa efa lera…mdr
AH!AH!AH! MITOTOREBIKA MITSY NY VAHOAKA MALAGASY AMIZAO FAHARESENAREO IZAO RY ARIVOLAHY SY RY PRO-RA8 AH! HE!HE!HE! DIA HO AIZA HONO IZATO IZY? TSY LASA LAVITRA ANGE FA ETO AMIN’NY MY DAGO IHANY NO MBA TAKATRY NY SAINAREO IZAY MIRALENTA AMIN’NY ELAKELAM-PE NAREO E!
LERA ANGAH! EFA SASA-MIANDRY IZANY IZAHAY E! HO TONGA I DADA E! MIHOZONGOZONA NY SEZAN’LAH E! HO AVY NY SANCTION E! IHIDINA NY SERANAM-PIARAMANIDINA SADEC E! MANAKAIKY NY LERA E! JOUR J E! DIA INONA KOU? HO!HO!HO! KOA TSY LAZAINA KOA FA KELY SISA DIA HIVERINA HO TONGA FOTOANA (EN REGLE) I BEBEN’LISANY? HA!HA!HA! FA RAHA IO BEBEN’LISANY IO NO EN REGLE DIA HO TAFAVERINA EO AMIN’NY FITONDRANA ZANY RAVALOMANANA RAVALONANDRAN’LISANY ZANY! ALEO ALOHA IHOMEHY KA! HA!HA!HA! HO!HO!HO! HI!HI!HI!
AIZA NY SANCTION FA MIANDRY IZAHAY E EEEEEEH! AIZA NY TAFIKA SADEC FA OMENAY MALAGASY VATOMAMY SAHAZA AZY E! REHEFA MANKANY MADAGASIKARA FOTSINY IREO TAFIKA IREO DIA ASAIVO MIOSOTRA MENAK’OSY MAINTY TSARA SAO DIA MBOLA MANDAITRA IHANY NY ODIN’I DADAN’LISANY! HI!HI!HI!
Je n’ai pas lu ce que tu as ecrit…mdr
tsy aleo ve ny eto dago ihany no isainana toy zay mihevitra ny anaka-davitra nefa……. ny tokony ho tsaroinao mandrakariva dia ny foza orana rehefa mande dia mihemotra foana, enao io zany zao mievitra fa any zamerika an!!! mbola mampieritreritra anao iany aho oa e!!!!!!!!
na mihemotra ny foza na mandroso! tsy aha-foza anay vahoaka malagasy mitsy zany! ary tadidio tsara fa ny nampihanaka ny FOZA ORANA tao dago dia tamin’ny fitondran’i dadan’lisany! asa saika ho ataony tao anaty boite de conserve ho vokarin’ny tiko koa angamba ireny foza niparitaka be tamin’ny fitondran-dravalomanana ireny! fa izao e! miandry an’lé sanction sy ny tafiky ny SADIQUE (SADEC) ho avy ange ny malagasy e! miandry ilay jour J ange izahay vahoaka e! aiz ihany iz zany e? ha!ha!ha!ha!
tsy tokony hieritreritra ve i Anti-Ravalo sy Nadia fa tsy misy hafa tsy ry zareo irery no contre ny Filoha Ravalomanana eto? mangalaha saina milamina de diniho tsara ny fandehany fiainana, raha tsy hoe angaha irony ilay niaraka petsapetsa irony nareo ka sarotra @nareo ny hivadika, nefa koa tsy maninona fa safidy ny anareo ka tsy ampihontsona anay izany fa 1 ao anatiny 100 nareo aminay
KM, GB, HA, Pro-Ra8, Vololona…:
C’est comme ca que les foza reagissent, raisonnent…meme mon enfant en pre-maternelle ne discute pas, ni reflechit ainsi.
Laisses moi m’exprimer en malagasy.
Mampalahelo ahy ny olona ohatran’ireo TGVistes ireo fa mila mianatra manoratra, miaina sy mieritreritra…ny fiainana tsy hoe mangalatra foana, na miteny ratsy, na rehefa hoe eo ambony clavier dia mahay fa fianarana daholo ny eto, na izaho aza mbola mianatra, dia mianatra maneho hevitra @ saina tony…tsy mora izany ary tsy omena tsiny izy fa atao ahoana moa fa na ny lehibeny aza tsy manana izany, anjarantsika no mampianatra.
Rehefa ratsy aloha dia ratsy, rehefa foza orana dia TGV ary rehefa mpanongam-panjakana dia mpanongam-panjakana…izay no hita nadritra ny herintaona.
mdr…
senegaly mahazo baiko ireto miaramila , tsy misy fiheritreretana angamba fa dia atsipitsipy foana tsy misaina izay ahavoan’iza na ahavoan’iza ny grenady dia ireto ankizikely mpianatra ireto no tena mampalahelo fa voa ! tena mahavaky foa !!!
VOLOLONA! iray ao anatin’ny zato tokoa izahay eto amin’ity site nareo ity fa solontenan’ny vahoaka tsy mba manana ordinateur sy connexion ahafahana miresaka toa anareo! satria ianareo tamin’ny fitondran-dravalonandra mpangalatra no nangorina dia mbola manana amin’izao fotoana izao! fa ireo malagasy naletiky ny dadanareo tany anaty kizo sy fara tsy mba nahangona fa nalainareo ambongadiny daholo ny fananany ny taniny eny fa ny ny fiainany iray manontolo aza nangalarinareo!tsy afaka ny maneho hevitraizy satria efa noritinareo daholo ny fananany! nohitsakitsahinareo ny zony dia tsy afaka maneho hevitraeto izy!
Marina mihitsy no lazainao eto hoe 100 ianareo! 100 ve ahasolon-tena vahoaka???? ah!ah!ah! tsy ny mpiasan’ny tiko sy magro ary alma akory aza izany 100 izany!