Fetin’ny Baiboly
Ity, lahatsoratra nalefan’i mpamaky antsika tena mafana fo.
Mankalaza ny fetin’ny Baiboly isika amin’ity taona ity. Tokony fantatry ny Malagasy rehetra fa ny FJKM no varavarana nidiran’ny Baiboly teto Madagasikara.
Tsy azon’iza n’iza sandohana izany. Ankehitriny rehefa mihamaro ny Kristiana eto Madagasikara ary manana ny Finoana velona. Mihamandroso amin’ny Fivelarana amin’ny maha-olona manonotolo ny Filazantsara eto Madagasikara ka tonga eo amin’ny Fanafahana sy Fahafahana.
Tena zava-dehibe fa mbola mità na ny maha-vavimatoan’ny Fiangonana eto Madagasikara ny FJKM ka ankehirtiny dia miseho ary miroso ho amin’ny Fanafahana sy Faha fahana izay zo fototra maha-Kristiana. Dingana goavana eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana sy ny Firenena izany. Miara-dalana miharihary ankehitriny ny Fivavahana Kristiana sy Fitiavantanindrazana eto Madagasikara.
Antenaina ary inoana fa hahita vokatra mahafa-po isika amin’izao mangidy andalovantsika izao satria raha nandeha nitokana ny Maritioran’ny Fivavahana Kristiana tamin’ny andron-dRanavalona I ary nandeha irery ny Fitiavantanindrazana tamin’ny 1947. Ankehitriny kosa dia miara-dalana izany. Ary tena ara-tsoratra Masina izany.
Koa samia maharitra fa momba antsika Andriamanitra !



le Mercredi 24 fĂ©vrier 2010 à 16 h 26 min
enga anie 2 izao andron’ny baiboluy izao ka samy hamaky baiboly daholo isika malagasy rehetra ka tena mifantoka fa mety hiova ny toetsaina
le Jeudi 25 fĂ©vrier 2010 à 12 h 30 min
Angamba raha mba samy nampiasa sy mamaky Baiboly daholo ny isa-tokantrano, tsy nisy ny fanonganam-panjakana, tsy misy izao loza sy atambo iainan’ny Malgasy izao.
Izao tsy misy intsony ny fahatahorana an’Andriamanitra ka na ny fiangonana aza dia tafiditry ny devoly. Mankasitraka izao zava-mitranga izao ve ka tsy sahy manameloka an-kitsirano ny fahalovana misy eto amin’ny tany sy ny firenena fa mangina ary ny fibebahana fotsiny no amporisihina ny mpivavaka ? Sa voatambitamby tamin’ny volabe sy ny tany ary ireo fanomezana samihafa ka manana trosa ara-moraly amin’ny mpanongam-panjakana ? Asanareo ry mpitondra fivavahana ! Aoka samy hando-tratra ianareo fa tsy nitandrina ny ondrinareo araka izay nandidian’ny Tompo anareo. Hotakiana aminareo hatramin’ny variraiventy farany izany !
le Jeudi 25 fĂ©vrier 2010 à 18 h 34 min
Tsara tokoa ny Baiboly ary mahafinaritra ny Teny entiny h Antsika ary maro Isika no niantra izany vao mbola kely tao amin’ny Sekoly Alahady..!
Ary maro koa Isika no mahay tsianjery andininy ao amin’ny Baiboly…
Izay ny Teny soa sy mahafaly…
Saingy tsy haintsika ny mampifanaraka io Teny soa io amin’ny asa ,ny saina ,ny fihetsika ny fifandraisantsika amin’ny sasany…!
Tsy mifanaraka amin’ny Teny nampianarina Antsika ny maha-pivavaka Antsika fa lasa-ko vavany fotsiny Isika ary mahay tsianjery ery…!
Tokony miezaka Isika hampifanaraka ny Teny nomen’Atra Antsika amin’ny Asa atzontsika : izay no atao hoe Ă©thique : fifanarahana ny Teny izay haintsika amin’ny asa ,ny fihetsika ,ny fifandraisana amin’ny olona eo amin’ny fiaraha-monina ,any a-piasana na any am-pianarana ,any am-piangonana…!
« Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao ! »
Ny Teny nomena Antsika no satro – boninahintsika !
le Vendredi 26 fĂ©vrier 2010 à 0 h 42 min
ENY SAMIA MAHARITRA HATRAMIN’NY FARANY SY MAHATSAPA LALANDAVA FA MOMBAN-TSIKA ANDRIAMANITRA SATRIA EFA NAHATOKY AZY ISIKA FA IZY IRERY HIANY NO TENA ANDRIAMANITRA VELONA SY BE FITIAVANAN’NY VAHOAKA MALAGASY NAMETRAKAN’NY FAHATOKISANA TANTERAKA FA TSY MAHAVITA NA INONA INONA RAHA TSY MAHATSAPA FA IZY ANDRIAMANITRA TOKANA OLONA TELO NOHO MAHEFAN’NY ZAVADREHETRA.
MISAOTRA AZY AMIN’NY ZAVADREHETRA EFA VITA SY MBOLA HO ATAONY HOAN-TSIKA MALGASY TIA TANINDRAZANA.
HO AZY IRERY HIANY ANIE NY DERA SY LAZA ARY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY. AMENA.
le Vendredi 26 fĂ©vrier 2010 à 9 h 27 min
Ny fanaovana io baiboly io ihany koa no anisan’ny nanatsarana voalohany ny teny malagasy ka nanaovana azy tamin’ny alfabeta latina.
le Samedi 27 fĂ©vrier 2010 à 9 h 36 min
hOY NY POMYNESIANINA TAMIN’IREO MPITONDRA FIVAVAHANA:
« Avant nous avions les terres et vous la Bible, maintenant vous avez les terres et nous la Bible »
Nous récoltons en ce momet les fruits de notre bêtise.
LES PLUS GROS PROPRIETAIRES DE MADAGASCR SONT LES MISSIONS CATHOLIQUES OU PROTESTANTES;
bIENTOT CE SERA MAILHOL.
===========================
le Mardi 2 mars 2010 à 8 h 14 min
C’EST VITE CONFIRME:
MAILLHOL SE SENT UNE VOCATION NATIONALE(voir TIA-TANINDRAZANA du 1/03/ 2010