Hiatra ny sazy !

9 février 2010


Ho voasazy Hitler Kely ?

Ny 15 febroary indray vao hivory ny vondrona iraisam-pirenena mpanelanelana na ny GIC, « atoandro fitery ronono eo ka ilaozan’ny omby mihahaka » hoy ny maro miandry izay ho fanampahan-kevitra mikasika ny raharaha Madagasikara.

Raha ny fantatra ihany koa dia rahampitso no handinihana ny atontan-taratasy mahakasika ny famatsiam-bola eo anivon’ny Vondrona Eoropeana ( FED andiany faha sivy)  mitentina eo amin’ny 700 tapitsisa Euro eo,  izay tokony hiditra ao amin’ny kitapom-bolan’ny Malagasy, saingy indrisy fa tinapaka noho ny fizirizirin’i Hitler kely (hoy Pr Zafy) tsy hanaraka ny fifanarahana izay niaraha-nanao sonia. Fantatra mantsy fa ny fampiharana ny satan’ny Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba ihany no hany lalana ivoahana amin’izao krizy izao, hisokafan’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena.

Olona 100 mahery no hiharan’ny sazy.

Mihorohoro ankehitriny ireo mpanongam-panjakana ( mangiana tsy handrenesam-peo, nikasa hanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety omaly fa toa natahotra angambany dia tsy raikitra), efa mandeha be ny resaka fa miisa 100 mahery no ao anaty listra mainty.Mety ho tsy hahazo “visa”, ao koa ny tsy hahazo mandia ireo firenena  anatin’ny vondroa Afrikana, Vondrona Eoropeana, Etazonia, ireo tafiditra izay  anaty lisitra. Hogiazana avokoa ny kaontim-bolan’izay ireo any ivelany, maro ny Malagasy no mibitaka am-po naheno io vaovao io, izay vao hisy ny tsy maty manonta hoy ny vahoaka.Saingy miady mafy Lafrantsa hatramin’izao ny tsy hanatanterahana izany sazy izany, kanefa hita ihany fa tsy dia mahomby loatra intsony  ny paik’ady ataon’ny Renimalala noho ny fahadisoana matetika ataon’ny Fat. « Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andrintsika ihany e! »



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Sorona any Maputo ary sazy hoan ny zaza Malagasy
  2. Françafrique ihany no faly amin’izao
  3. Fanjakan’i FrantsAfrika sy ny valala…
  4. Ho avy ny ankolafo telo
  5. Ny manampahaizana matahotra fampiasan-kery, fa ny mpampiasa hery tsy manampahaizana

19 Comments

  • haja dit :

    Tsara izany, aleo ny any ivelany no hanafay azy satria ireo tsy matahotra andr’i Charles sy Lylison ary ny CAPSAT, dia ho hita eo ny taim-bava isan-karazany hoe tsy mila ny avy any ivelany, aleo tsy mian-kindoha sy ny sisa eh.

  • Ny Mino dit :

    tokony ampidirina ao anaty sazy koa anie ny fanapahan-doha e. Amin’izay tsy misy olona tsy misaina maka fanjakana an-keriny intsony. Tsy misy ampiasana UZI

  • KintanaMananDrambo dit :

    Hisy ny sazy mafonja, eo ny antonitoniny, ary eo koa ny sazy maivana, fampitandremana ( ho an’izay mibebaka ary hita fa mendrika ) !!
    Hoy aho hatry ny ela : Dien’izao, ataovy daholo ny lisitra, satria betsaka no tsy monina ao Madagasikara, kanefa tena « Cerveau » ihany koa !!

  • humeur dit :

    ka soa dia « rumeur » indray koa io ?? Tsy hay intsony mantsy izao.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Sa Tiraty izy io, ve ? MDR !!

  • Cirricou dit :

    Paikady ho antsika Malagasy rehetra tia tanindrazana !
    Manoloana ny tolom-panavotam-pirenena izay hatrehintsika efa ho herintaona mahery izao
    dia mazava ny fandraisan’ny tsirairay anjara, amin’ny fomba samihafa, manerana ny nosy sy
    hatrany andafin’ny ranomasina. Ao ireo izay mandray anjara mivantana sy miseho amin’ny
    fahatongavana isan’andro eny amin’ny toerana rehetra hanehoan-kevitra sy hifanakalozana
    vaovao. Ao koa ireo izay miseho mivantana amin’ny maha solontenan’ny ankolafy sy
    mpitarika azy ireo. Misy ihany koa anefa ireo izay miasa mangina, dia ireo mpitolona mahefa
    na eo amin’ny lafiny serasera sy fifandraisana amin’ny any ivelany, na eo amin’ny
    fametrahana ny paikady rehetra, na amin’ny fanoloran-kevitra samihafa ihany koa. Miasa na
    eto anivon’ny firenena na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireto farany ireto. Mifameno
    avokoa ny anjara raisin’ireo karazana mpitolona rehetra ireo ary mahomby tokoa :
    porofon’izany ny tsy mahatafita ny teti-dratsy feno fandrika sy setrasetra rehetra ataon’ireo
    mpanongam-panjakana andro aman’alina nandritra izay volana lasa rehetra izay.
    Ankehitriny dia mila ny fifarimbonan’ny tia tanindrazana rehetra ny tolona. Koa mankahery
    sy manainga anao handray anjara mavitrika amin’ny fomba mety sy mendrika rehetra.
    Tsarovy fa tsy ny tantara akory no hitsara –kolontsainam-bazaha io!- fa Andriamanitra
    antampon’ny loha sy ny taranaka fara mandimby no hotsara –io no kolontsainantsika
    Malagasy!-.
    Alao hery ary, aza miraviravy tànana satria misy zavatra azonao hatao foana isan’andro mba
    hahafahanao mandray anjara amin’ity tolom-panafahana ny tanindrazanao ity! Aza sanatria
    mandositra andraikitra ka hijery fotsiny ny faharavan’ny firenenao! Ataovy izay
    hanatanterahana ny roa na maromaro amin’ireto andraikitra voalaza manaraka ireto
    isan’andro, dia ho hitanao fa handroso haingana ny fahazoantsika ny fandresena :
    1- Mivavaha ho an’ny firenena. Ho an’ny mpomba ny ara-dalàna mba hatoky tanteraka
    ny fitondran’Andriamanitra sy ny heriny, ka handeha amin’ny fatahorana Azy sy ny
    fankatoavana ny Teniny. Ho an’ireo mpanongam-panjakana mba hiaiky ny fahotana
    mahafaty vitany ka hanaiky ny hiroso amin’ny vahaolana nifanarahana sy efa vita
    Sonia tany Maputo sy Addis Ababa.
    2- Mandehana mitolona miaraka amin’ny olona eny an-kianja na/sy tohano ara-bola
    ireo olona tena azonao antoka fa handeha any, kanefa sahirana.
    3- Aparitaho any Ambanivohitra ireo gazety milaza ny marina toy ny gazety Tia
    tanindrazana. Alefaso any Ambanivohitra ny gazety voavakinao isan-kerinandro.
    Mampalahelo ny olona any satria vokisan’ny TVM sy RNM lainga. (Fantantsika fa
    tantanan’ny mpanongam-panjakana ireo). Io fifehezana ny haino aman-jery io no
    nahatonga azy ireo handoro ny TVM sy ny RNM ary ny MBS teo aloha.
    4- Reseo lahatra ny olona iray na roa isan’andro amin’ny zava-doza ataon’ity fitondrana
    FAT ity isan’andro, sy ny sazy hampiharin’ny fikambanana iraisam-pirenena amintsika
    vokatry ny fanonganam-panjakana nataon’ny FAT. Tsara tanisaina tsy an-kiato ireo
    fampanantenana marobe tsy misy tanteraka. (Ny vary 500 Ariary ny kilao, ny menaka
    2000 Ariary ny litatra , ny kianjan’ny demokrasia, ny fahalalahan’ny mpanao gazety ,
    ny sonia natao nefa nolavina….)
    5- Raha afaka miditra “Internet” ianao dia valio ao amin’ny “forum” isan-karazany ireo
    “FOZA” izay tsy mahita holazaina intsony afa-tsy teny ratsy sy fanaratsiana ary lainga.
    Raha mahavita mamaly dimy isan’andro ianao dia efa tsara.
    6- Efa mahamenatra ny olona ny atao hoe “TGV” na “FOZA” amin’izao fotoana izao
    vokatr’ireo zava-doza nataony tamin’ny fandrobana, ny fampihorohoroana sy ny
    famonoana olona nanomboka ny 26 Janoary 2009. Ambarao mazava amin’ny
    manodidina, miaraka amin’ny porofo, ny maha- “FOZA” ny olona iray raha vao
    marim-pototra ny vaovao. Ny maty eritreritra sisa no manohana ny “FOZA”.
    7- Amporisiho hanao fanambarana mikasika ny zava-doza nataony sy mbola ataon’ny
    “FOZA” ny fikambanana misy anao. Aparitaho manerana izao tontolo izao ny
    fanambarana ary adikao amin’ny tenim-pirenena samihafa.
    8- Manaova artikla amin’ireto gazety ireto : Tribune, MIDI, Tia Tanindrazana, Taratra, na
    manokafa tranokala Blog amin’ny internet.
    9- Aza mividy zavatra avy amin’ny Frantsay sy ireo namany raha mbola misy ny zavatra
    hafa azo vidiana( Ireto izy ireo : Total, Jovenna, Mouf REY, Savonnerie Tropicale, RTA,
    VIVA, RECORD, TVPLUS, TVM, Express, AO RAHA, La GAZETTE de la GI, LA VERITE,
    TELONOREFY, RNM, Radio VIVA, Radio ANTSIVA, ORANGE, TELMA, BNI CL, BFV SG,
    Peugeot, Renault, Citroën, Géant SCORE, Leader Price, STAR, PMU … Aza mandray
    anjara amin’ny kilalao ampanaovin’izy ireo fa fomba entiny hakana ny volantsika
    fotsiny izany.
    10- Raha mahay manoratra tantara na tononkalo ianao dia soraty ho tadidin’ny taranaka
    fara sy dimby ny marina miaraka amin’ireo tahirin-tsary. Ampiasao ny sainao
    hahitantsika hevitra hanoherana izao tsy rariny izao. Aparitaho amin’ny namana azo
    antoka ity tetika ity, miampy ny hevitrao manokana.

    Mahereza fa momba antsika Andriamanitra ! Ny Mino tsy maintsy mandresy.

  • Merchand dit :

    otran zanak’i Jean Rossinah le

  • KintanaMananDrambo dit :

    Marina sy mety ireo voalazan’i Cirricou ireo !
    ATAO AO AN-TSAINA LALANDAVA, NY NATAON’I GANDHI !
    TOLONA HANANA FIANTRAIKANY HO AN’NY TARANAKA NO ATAO AMIN’IZAO FOTOANA IZAO !

  • MasinaNy Tanindrazana dit :

    tena manendrika an’i lery mihitsy kosa ilay volombava maintikelin’i hitler kou ! dia hitler napetaka teo ! fony izy mbola tanora ! sahaza azy mihtsy lay anarana hoe «petit hitler» e !

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Averiko ity tenin’i Cirricou ity:

    Aza mividy zavatra avy amin’ny Frantsay sy ireo namany raha mbola misy ny zavatra
    hafa azo vidiana( Ireto izy ireo : Total, Jovenna, Mouf REY, Savonnerie Tropicale, RTA,
    VIVA, RECORD, TVPLUS, TVM, Express, AO RAHA, La GAZETTE de la GI, LA VERITE,
    TELONOREFY, RNM, Radio VIVA, Radio ANTSIVA, ORANGE, TELMA, BNI CL, BFV SG,
    Peugeot, Renault, Citroën, Géant SCORE, Leader Price, STAR, PMU … Aza mandray
    anjara amin’ny kilalao ampanaovin’izy ireo fa fomba entiny hakana ny volantsika
    fotsiny izany.

    Mila manamafy ny fitiavantanindrazana ary hankalazaina ny 29 martsa, ampidinina ny saina ny 26 jiona.

    Atra homba antsika lalandava

  • gasybe democrate dit :

    mankasitraka , arivolahy
    BOYCOTT DE TOUTES MARCHANDISES FRANCAISES
    les Américains savent très bien mettre en oeuvre cette pratique pour patriotisme économique.
    nous concernant il s’agira de DEFENSE LEGITIME ,PACIFIQUE DE SURCROIT !.
    Avelao lô sy potika eo ny fanaka made in France…

  • gasybe democrate dit :

    kirikou
    mankasitraka.

  • tess dit :

    TSY mahita tenenina mihintsy vahoaka, tsy maharesy lahatra, zany hono ry vahoaka sy nadia a!, hilatsaka hono ny sazy ho an’i petit Hitler sy ny forongony, zaho aloa faly be e, sazio, sazio, sazio, r’reto a!!, ataovy minnikapa ranony…, miseho milay hoe tsy mila vahiny, RAVALOMANANA aza tsy sahy niteny an’izany koa zay tenisany tsy mahavita sy tsy mahay inon’inona fa miaramila vatatay reo no mihazona ny vody no mba miseho milay eto, miomàna ry nadia sy vahoaka fa ho avy ny anjarasazinareo, ZANY NO ALEHANY REHEFA MPANONGAM-PANJAKANA, mbola averiko ndray fa MPANONGAM-PANJAKANA, matesa any

  • ralezoka dit :

    Mais allons donc  » peuple malgache » vous faisiez alors partie de ces moutons de Panurge qui
    fonçaient vers l’abattoir avec la tête baissée et les yeux voilés pour franchir la ligne rouge ce 7 févreier 2009 !?
    Heureusement que vous n’aviez pas les oreilles
    bouchées car vous aviez bien entendu l’avertissement retentissant du Général Dollin qui
    disait:
     » RAHA MIHAOTRA IO FARITRA MENA IO ‘nareo dia
    matimaty am’n'a pa  »
    Miarahaba anao aho izany tsy maty fo aman’aina io tany io.
    Ce qui me frappe actuellement c’est que vous vous
    souvenez encore de RAVALOMANANA qui n’existe plus à Madagascarcar …!Glorifiez plutôt notre
    « Monsieur le président dont la côte baisse lamentablement .(Sans qualité).
    L’authentique,le vrai Peuple Malgache dont vous usurpez le nom se trouve maintenant dans une extrême pauvreté bien pire qu’au temps de RAVALOMANANA; cet « authentique peuple malgache réclame à cor et à cri son retour et ne veut point d’un putschiste qui au lieu de construire ne fait que détruire ce qui existe déjà.
    Un an que « Monsieur le président » est au pouvoir,
    le peuple malgache constate-t-il la moindre ébauche d’une amélioration de sa condition de vie,si ce n’est l’aggravation de sa misère noire,l’insécrurité,le manque du nécessaire…
    Ne vous en déplaise :l’authentique peuple malgache
    chantera encore en choeur:

    « RAVALOMANANA NO HITONDRA ANTSIKA »

    z
    en

  • Alidera A.R. dit :

    Aleo aloha handeha ny sazy ho hita…

  • Mao dit :

    Peuple malgache>> ny tena vahoaka tsy kely saina kely sy tsy manankevitra toa anao , mbola ho avy ny anjaranao fa ny an’i Domelina aloha izao no efa akaiky. efa tsy misy atokona intsony domelina ny vola ho lasa ny frantsay mety hivadika aminy na di amiady mafy ary ankehitriny kanefa idrisy
    Hafa ihany Ravalo ry vahoaka e? sady mahavita azy no manana ny ambom-po tena Malagasy.

  • Mao dit :

    Nadia> angaha enao tsy namaky gezety fa tsy nisy akory anie ilay fisondrotankarama hatreto e!!!
    dia aiza koa ilay trano lazainao? izaho ary mpianatry ny Universute fa Ravalomanana ihany hatreto no mbola nitsinjo ny mpianatra ny ankoatr izay tsy nandalo teny dia tsy miraharaha fa resabe no bobaka.
    zahay tsy mitady afa tsy Ravalo ry Nadia oo!! izay ihany mahavita azy.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tranon’akoho angaha hono no ho ataony ry voatavokely ?

  • Jepasse dit :

    Bonjour à Cirricou et Cie,

    Vous aurez sûrement remarqué mon refus de vous fournir mon identité, je m’en excuse.

    C’est en cherchant des informations sur Mouf’rey afin de me renseigner sur un possible état de publicité mensongère (ça fait la énième fois que je passe chez eux pour acheter du pain, je me retrouve toujours avec deux ou trois baguettes rassies) donc allez savoir si le slogan « Que du frais à souhait » ne serait pas à réviser. Mais pour revenir à ce post, je retrouve votre commentaire Cirricou prônant le boycottage de certains produits « vazaha » entre autres la chîane audiovisuelle rta; la mention de cette société a particulièrement attiré mon attention.

    Etant un inconditionnel fan de la rta, c’est avec regret que je découvre que vous mêlez cette chaîne dans cette gueguerre politique. La rta est une Chaîne de divertissement apolitique et a vocation événementielle. Pour vous prouver cela consultez la rubrique culturelle du quotidien « Tia Tanindrazana » en date du 23 février 2009 où le journal fait une ITW d’un animateur d’une émission phare de cette chaîne. Je pense que le quotidien « Tia Tanindrazana » a de l’estime pour la rta et ses collaborateurs, il n’y a donc pas lieu de faire tout un plat.

    Merci pour votre lecture, je continue mon bonhomme de chemin sur le net en quête de ses petites phrases qu’on penserait anodines mais qui au fond pourraient provoquer la colère de certains pour que ceux-ci s’en prennent à ses sociétés citées ci-dessus en vue de leur perte, voire destruction totale.

    Le passeur

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.