Miady an-trano ny FAT

10 février 2010
Pety Rakotoniaina

Pety Rakotoniaina

Vaky bantsilana ankehitriny fa misy disadisa goavana eo amin’ny mpanohana an’i Andry Rajoelina.

Iarahantsika mahalala ny tsy fitovian-kevitra teo amin’izy mirahalahy nitarika ny fanonganam-panjakana, Monja Roindefo sy Andry Rajoelina, efa an-dohalika ny ranom-bary satria dia tsy mitsitsy fitenenana mihitsy ny andaniny sy ny ankilana amin’ny fanakianana mivaivay.

Vaky am-batolampy ny olana eo amin’ny Ministra Fat roalahy, Virpin sy Mc Cresan, mifanasa vangy eran’ny gazety ireto ministra ireto, tsy voatazona intsony ilay antsoina hoe : « unité gouvenementale ».

Hita taratra an-gazety ihany koa ny disadisa eo amin’ny miaramila nanohana an’i Andry TGV, raha efa nilamindamina ny olana eo amin’i FIS tarihan’i Lylison sy Charles sy ny mpiambina ny filohan’ny Fat, dia malaza be indray izao ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny FIGN sy ny zandarma sasany izay marihana fa tena nandray anjara be nampahomby teo amin’ireny tolona Tgv ireny.

Vao haingana ihany koa Ingahy Rolland Ratsiraka no nanambara fa misy mamahan-dalitra i Rajoelina fa ny fomba ratsy teo aloha ihany no mbola tohizana an-kehitriny. « Aleo ampidirina ao amin’ny fanjakana ny Tim hoy izy ». Efa ela aho no niteny izany hoy izy, « aleo averina amin’ny asany ny solombavambahoaka sy ny senatera Tim » raha izay no hampilamina ny tany. Toa midika sahady izany fa manaiky izy fa mbola maro an’isa ny zanak’i Dada ka mila omena ny an-jara toerana eto amin’ny firenena.

Etsy andaniny, ny antoko Tambatra tarihan’ingahy Pety Rakotoniaina, nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety omaly, nanakiana mafy mihitsy ny fomba fiasan’ny Tgv. « Tsy ny hakana fahefana fotsiny no nanaovana ny tolona tamin’ny 2009 », hoy izy fa « hanova ny zavatra tsy mety teo aloha, tokony hahay haka lesona ny tsy mety nataon’ny fitondrana teo aloha ny fitondrana tetezamita, tsy ny fifidianana no lehibe sy mahamaika fa ny vokatra mivoaka eo ka heken’ny be sy ny maro ».

I Alain Ramarson indray kosa, ankoatra ny fandrangarangana ady amin’ ny filoha Ravalomanana, dia nanipy sy nanamafy fa tsy ny fifidianana solombavambohoaka izany no mahamaika fa tokony ho ny « referundum » no hatao. Araka izany tsy manaraka ny baiko avy any ambony intsony, fa te ho mpitarika sy “Filoha” angambany? Mifanohitra izany, ny Ministra Fat Alain Andriamiseza anefa efa nanambara sahady fa hirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy izao, ankoatra izany Ingahy Gilbert Raharizatovo efa mitety faritra manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana .

Fa nanaitra ihany koa ny fanakianana tsy misy fetra ataon’ny radio Viva ny Ministra Fat, Nathalie Rabe. Ireto mpanao gazetin’ny radio ireto no mibaiko sy manome toro-marika izay tokony hataon’ny Ministra sy ny tompon’andraiktra ambony eto amin’ny firenena, ary izay no niteraka ny disadisa sy ny olana. Marika iray ilazana fa efa ho rava io fanjakana Fat io izany rehetra izany.

“Ny firehana miady an-trano dia ho rava sy ho potika tsy ho ela”.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Fanambaran’ny mpitsabo – Mitaky zo izao dia izao
  2. « Hafàna ny rivotra paolitika » fa tsy « fahatoniana ara paolitika »
  3. Conseil des ministres tsy manan-kery
  4. Françafrique ihany no faly amin’izao
  5. Mampigadra ny mahita scoop eto Madagascar

51 Comments

  • gasybe democrate dit :

    chaises musicales…

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mazava atsinanana ê ê ê !! Ny any aminay â !! Tsy ho ela ê !!

  • Mao dit :

    Zay ilay zatra mikosoka kapila mangirana , ampitovian’Domelina @ trano Fampandihizana i Gasikara ka samy manao ny tiany ao anaty maizina ao.
    Efa madiva hiposaka ny masoandro zalahy fa tohizo ny Tolona a!

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Info express:

    Coincé dans son dernier retranchement par les pressions de la
    communauté internationale et les mouvements des partisans des chartes
    de Maputo, sans compter le grondement qui monte depuis les camps
    militaires, Rajoelina et les français (qui ne sont pas chez eux !!!),
    prépareraient un scénario digne des plus grands studios
    cinématographiques de Hollywood. Un coup d’état militaire serait en
    préparation, d’où la réunion d’urgence d’Ambohitsirohitra avec …

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Aleo tsy ho falifaly fotsiny isika kanefa fankaherezana lehibe izao miseho izao ary efa miha-lefy ny mpanongampanjakana…toa miaheritreritra ny hametraka Directoire Militaire ny FAT sy ny Frantsay satria toa tsy ho zakan’i DJ Andry ny zava miseho ka hoe mety Gal Ramihone Amede no apetraka eo izay olon’i Lafrantsa

    Fantatra izao fa efa betsaka ny miaramila gasy tsy manaraka intsony ireto mpandroba fahefana, ary matahotra ny amin’ny hiverenan’ny nataony, ka izany no nahatonga iny fivoriana maika dia maika iny niaraka tamin’ny ambasadaoro frantsay tao Ambohitsirohitra.
    Hisy miaramila voakarama hanakorontana ao anatin’ny miaramila ka ny tanjona dia ny hisian’ny fifampitifirana ao amin’ny miaramila ka hahatonga ny HAT hanangana ny Directoire militaire, fa alohan’izany dia ataony izay hanilihana ireo miaramila ambony sy manana influence-ny ao amin’ny tafika.
    Anjarantsika no hanakana izany tetika sy fomba tsy manjary kasain-dRajoelina izany. Aparitaho ity ary haelezo. Ny rindrina aza hono manantsofina, ary ny mpamosavy mandeha alina aza misy mahita. Tsy angano na arira fa tetika maty paikan’ireto HAT VOAVIDY VOLA IRETO IO.

    Ho avy eto A. JOINDET rahampitso Alakamisy araka ny feo mandeha.
    Ny fahatongavany dia hanamafy ireo tetika voalazanao ireo. Hatramin’ny manamboninahitra tian’ny Frantsay apetraka eo dia efa mandeha any ny anarany fa ny Jeneraly RAMIHONE AMEDE izay saribakolin’ny frantsay manoatra lavitra noho i Andry Radomelina. io no direkteran’ny CEDS. Miezaka mandresy lahatra ny société civile ny Frantsya amin’izao fotoana fa tsy momba ny atsy na ny aroa hono io olona io. tsy misy tsy mahalala anefa fa olona tsy mivavaka afa tsy amin’ny vola io jeneraly io ary vonona ny hivarotra an’i Madagasikara amin’ny Frantsay.

    Efa nisy ny hevitra tapaka tany MAPUTO. Efa nataon’ny rehetra sonia izany. Efa misy izany ny vahaolana saingy tsy mampiety an’i La Frantsa dia hajobony amin’ny fandavana ny sonia nataony Radomelina dia roboka.
    Hiaraha-mahalala anefa fa izany olona mandà ny sonia nataony izany dia olona lany henatra ary tsy hita intsony izay ilazana azy. Amin’izay izy no nidehaka fa nanolotra ny « Charte de valeur » mba hatao sonia.
    Misitrika any ambany latabatra aho raha izaho no TGV fa tsy mahajery olona intsony. Io angamba no mahatonga ny maro ho menatra raha vao tondroina hoe TGV. Ireo izay mandray tombon-tsoa mivantana toy ireo mpiakambana ao amin’ny HAT sisa manohatohana eo

    Vaovao vao azo izao ka haparitako…tsy manely tsaho fa entina mieritreritra amin’izay tranga mety hiseho.

  • fandresena tena izy dit :

    Alefa ! alefa ! mahareta mahareta fa tsy maintsy midoboka io na ho ela na ho haingana . Mahareta !mivavahaha !miraisa hina ! ario ny fitiavantena fa ny tombontson’ny besinimaro sy ny Fahafahan’ny Tanindrazana no jerena . Mahereza daholo e! Momba antsika Andriamanitra !

  • NIKSON dit :

    Fa ahona mihintsy fa toa mitady ho faty ilay hetsika eny amin’ny Magro? Sa marina ve ilay feo nandeha tany ampiandohana fa ny handrava io hetsika io no idiran’ireo mouvence roa hafa satria dia azo lazaina fa efa miala aina ilay tolona. Efa hatramin’ny volana Mars 2009 ny tenako no nanentana sy niantso ireo mpitarika tolona mba hanamafy ary handrindra ny tolona ka haka ny kianjan’ny 13 mai saingy tsy misy sahy ireo mpitarika fa kanosa daholo. Tsy misy olona hahavita hitokona mandritra ny herintaona izany fa rehefa tsy mahay manararatra ny hafanam-pon’ny olona ny mpitarika dia izao nohiafarany. Manahy koa aho sa dia mandray vola tokoa ireo mpitarika ka zarany mitarazoka ny tolona mba hahalava ny fandraisana vola avy amin’ny filoha Ravalomanana. Mba miantso ireo depute tim sy ny tanora tim aho mba hiaraka hikaon-doha ka hanoma hetsika goavana hamoriana indray ireo mpiara mitolona.

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Miriorio ny angidina fa any an-kady ny iafarany..!

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Amin’izao fotoana izao dia tapitra ireo andri-bava nangononin’ny Fitondrana RAVALOMANANA MARC na vola izany ,na vary..!
    Soa fa miakatra ny vary vao izao mba misy hohanina kely ..!
    Nihevitra ity angidina kely loha fa hisy mana latsaka avy any a,n-danitra hameno ny smpotra..!
    Nihevitr’izy fa na inona na inona mitranga dia hanampy azy ny frantsay..!
    Tsy takatry ny sain-keliny  » fa mpiasa nokaramina anie izy é, ka tsy namokatra ny asa nankinina aminy dia na miala ,na..very aina !
    Ny olona tsy valahara dia ity tsirahonana ity..!
    Nho ny tsy fitiavany na ny fialonany ny Filoha RAVALOMANANA MARC dia izy no nandambolambo ity ra
    joelina kely loha ary no vohiziny nanao ireny hetsika maombo ireny..!

    ANKEHITRINY ,dia hianjera ny voakazo lo ,dia ho vaky ny atody lamokany.., dia hihanjahanja eo ireto jiolahiboto nangalatra ny Malagasy..,dia hitsifotra ny tatavin-kena feno etotra..!

    Ry Malagasy izao ny vokatry ny herin-tsainan’ny Folha RAVALOMANANA MARC ,izay nanda ny fampiasana ny hery (basy ,sabatra,poizina..)!

    Efa nampiasainy tamin’ny fifandonany tamin-dratsiraka izany ,diainy ratsiraka no vaky lay dia nandositra aty frantsa..!

    Nisy tokoa ny faharetan’ny vahoaka izay tsy nety nivalo na nanvo lefna fa tonga nivory foana teny MAGRO na teo aza ny fampihorohoroana (tifitra namono olona ,lacrymogène.., fisamborana ,fampidirana am-ponja..)!

    TANDREMO SAO MAMONO BIBY KA TSY MAHAFATY AZY..!NY TIAKO HO LAZAINA DIAMANAO IZAY TSY HAHAFAHANY MIHETSIKA SY MIZESTA NA MITENY NA MANDOSITRA !
    ARY TENA ILAINA MIHINTSY NY MIVONDRONA NY ENY AMIN’NY FOKONTANY ,ARY HANANGANA MPIARO NY FOKONTANY ARY HANIVANA IZAY OLONA TSY FAHITA SATRIA TSY MIPETRAKA AO AMIN’NY FOKONTANY..!

    MARO NY HEVITRA METY HATAO FA NY FAHAMALINANA ,NY FAHAMAILOANA NO TENA NAMANA !

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Mba mailo ary aza maika mifandray amin’ireo olona nanohina ity fitondran’ny mpanongam-panjakana miala aina ity..!

    Koa diniho tsara fa ho maro ireo hivadika dia htsambikina any amin’ny mouvances efatra.., hiseho ho tena mpanohana ny ara-dalàna..!
    Eto amin’itony tranokala moa diaho ora amin’izy ireny ny manova ny pseudo-ny…

    Ny ratsy dia ireny olona misy ho panra-dalànatampoka no haka ny laka satria miseho mahay miteny sy mahalala izao sy izao !
    Ny olona TENA FANTATRA ARY TENA AZO ANTOKA NO HIARAHANA SY HILAZANA NY TSIAMBARATELO !

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    AZAFADY FA MISY DUSO BE..
    -DISO :maro ireo hivadika ka hitsambikana any amin’ny mouvance EFATRA

    -MRINA : maro ireo hivadika dia hitsambikina any amin’ny mouvance TELO

    Miala tsiny ary misaotra ,Tompoko !

  • HoAiza dit :

    Nasian’ny Gendarmerie eny Fort-Duschene barrage ny toby eny omaly (asa na hihitatra), fa tsy izay te-hitsofoka na mpiray trano aza dia mandrosoa daholo.
    Maneho ny hasosorany ny eny, satria nisy ilay fond natokan’i Président M. Ravalo. ho an’ireo zandary, nefa tsy hita popoka ny nalehany.
    Fanafodiny? AVERENO NY DADANAY!

  • TSIMANAIKY dit :

    Ary mba aiza i anti-ra8 sy nadia e?
    tsapan’ny olona ny tetidratsin’ny Frantsay sy lavanify matoa ireo mpiasa keliny ireo tsy manankambara.
    TSIMAINTSY MISY FARANY NY ZAVA-DREHETRA

  • 2te dit :

    Ny momba ilay fanambarana nataon’i Rakotoamboa Jean Louis. Iangaviana mihintsy ianareo mpitari_tolona rehetra mba ho hita foana amin’ny fitarihana ny tolona izay hatao fa tsy rehefa mahamay dia tsy misy hita hianareo rehetra dia ny vahoaka ihany no mihina_tadiny eo. Momba ilay fananganana ny ny komity hampihatra ny satan’i Maputo? Amin’ny fomba ahoana no hananganana azy, de hanao inona ? Inona no toro_marika sy fanazavana bebe kokoa ? Misy an_le karazana fanambarana iny ao amin’ny site ny TIM. Tena marina sa tsaho entina handrebirebena ny tolona indray io. Mila zavaatra tena mahamay sy hejana isa raha tene te-hanala an’i TGVendrana eo ka na ino-kidona sy hihantra dia roso ny dia.

  • gasy dit :

    Raha tanteraka ny fikasandtratsy, moa ve tsy scenario tany Côte d’Ivoire ihany no hiverina aty amintsika!

  • gasybe democrate dit :

    Amis légalistes , GTT et tous détracteurs de putschistes.
    C’est ainsi que France Afrique avait mis IDRISS CAMARA au pouvoir c’est une réédition d’IMPERIALISTE !
    La France n’a pas à F….. son gros nez dans nos affaires , c’est notre peuple qui soufre et nous Malgaches qui savons ce qui nous va.
    Que pensez vous de la proposition suivante ?
    ==> faire une PETITION adressée A TOUTES LES AMBASSADES IMPLANTEES , aux associations : reporters sans frontière , amnesty international, défense des droits de l’homme….
    mais SURTOUT A L’ONU , AU NOM DE LA RESISTANCE CITOYENNE
    ==> rappeler en dénonçant ( DE MANIERE CLAIRE ET CONCISE SURTOUT !) le fait d’un gouvernement PUTSCHISTE à Madagascar.
    Madagascar étant déjà en déliquescence totale.
    Avant que le pays ne connaisse un bain de sang du fait de ces MILITAIRES DISSIDENTS à controle aléatoire.
    ==> DEMANDER , AU NOM DU RESPECT ELEMENTAIRE DES DROITS DE L’HOMME ,
    « LA MISE SOUS TUTELLE PROVISOIRE  » de Madagascar par l’ONU , en vue d’élections que l’ONU elle même organiserait
    ==> par souci de COHERENCE que l’ONU annule les décisions ARBITRAIRES DE CETTE HAT ,
    comme tous les emprisonnements arbitraires,
    comme les condamnations à l’emporte pièce .
    Concernant RAVALOMANANA , le réhabiliter dans son honneur (et pourquoi pas dans son droit , sa qualité légitime ) et lui permettre le retour au pays , sous PROTECTION de l’ONU toujours .

  • tonhy dit :

    zao daolo no fombany refa manongana ! aiza ve ka ny DJ mpikosoka kapila no hitondra ?? zavatra tsy fahita zan eto ambony tany raha tsy eto dago ihany, DJ zan any @ Pandora sy Caveau misy an’azy ! miady an-trano ny vokany, ary mbola hiady hatramin’ny zareo samy mpivady arany de hisaraka, reny fa mankeny anosy hisaraka .
    Tsy hevitra mihitsy raha tsy ampiharina ny Maputo sy accord additionnel, io ny fanafody farany hahavonjy an M/kara, raha tsy izany de any am-pasana misy an’ity firenena ity !

  • soa_malala dit :

    Miriorio foana ny angidina fa tsy maintsy any an-kady no hiafarany. Efa nampoizina anie izao fivadihan’ny miaramila izao e!rhefa lany ny amboara sauce ary raha mbola manana ra gasy ihany koa.
    Inona moa izay mba poids-n’i Gilbert Raharizato raha hanao propagande alohan’ny fotoana? ( UDR TENA MIREDIREDY INY RANGAHY INY ) ka na omena 20% des voix mialoha aza izy tsy haharesy an’ilay olona andrandrainay makamaka aina ao Afrika Atsimo ao e!
    D courage daolo e!

  • tess dit :

    tohizo!tohizo! aza avela ny tolona , tsy ho moramora io , tsy maintsy hanao tsipaky ny miala aina reo dia higafy be eto, satria efa afa-baràka ihany tsinona kah!jereo ty hitler kely fa tsy dia sahisahy miseho télé midedadedaka tsony, efa antenda koa ny aina satria ny sazy hilatsaka, ny tena tsy afa miala fa tsy avelandry ratsirahonana amorontevana sy ny miaramila vatatay intsony fa efa tafatsofoka lalina, zany no tena hoe saribakoly fotsiny radomelina tsy misy inon’inona voafehiny intsony fa ny miaramila indray no mibaiko azy, mbola aiza no hahazo anareo ry nadia sy vahoaka, ry anti ravalo a!!, kanefa misy teny ao @ baiboly manao hoe » aza mifaly raha lavo ny fahavalonareo », aleo tohizana tsara ny tolona sy ny vavaka hatao mahery tsara dia ho rava tanteraka ny fanjakàn’ny babilona, @ sabotsy ohatra ao antsahamanitra, raha sanatria tsy afaka dia aza hadino ny mivavaka ho an’ny tanindrazana, tsy sahy misehoseho tsony ny tgvistes fa tsapany ihany angamba ny faharatsiany

  • mpandinika dit :

    Mivavaha mafy fa ho avy ny faranireto fozat.y reto
    Miomana anefa tsika fa alohany ialany aina tsy maintsy hitsipaka mafy b farany izy ka tokony hiomana amzany tsika légalistes. Reo ange ol tsisy morale e, ary ny azy io efa mission suicide ka na mandroso maty raibe na mihemotra maty renibe. Fa hoany fa hoany ny azy io sisa fa efa fatany fa tsy maintsy hijinja izy ato ho ato. Ka alohany ialany eo d androvitsihy faraparany izy
    Ny antsika mahereza fa hisedra ny mafy tsika atohoa to aloha vao ho tafavoaka ny ala
    zay fa ny aina no mateza d mahereza daolo ry namana mpiaramitolona

  • ikoto lita dit :

    Tsisi dada tafaverina eto zany f’aza manofy atoandro e, miala TGV dia ampidiro izay sahy e……

  • zanaky dago dit :

    Io ary e. Tena efa mankaleo be fa tsy mety miarina ny firenena. Mila mandray fanapaha-kevitra lalina zay tsy nandany io fitondrana io izay tena vahoaka marina fa tsy lainga. Aza mety ho fitahiny tsony fa maika io ela eo mainka tsika milentika. Tsy misy ninoninona ataon’ireo fa laozany mitango ny ala sy ny harena rehetra: tsy afaka mody aorian’ny am 6h30 tsony fa voahendaka na maty vonoan’olona, tsy misy tsena sy asa tsony, tsy misy fanjakana tsony … VONJEO E!!! MIFOHAZAAAA!!!!!

  • nadiagrondier dit :

    mampimeh ahy ianareo reto,manonofy atoandro daholo

  • nadiagrondier dit :

    na miala i TZv tsy olana fa i Dada tsy tafaverinna

  • rasoa dit :

    ne nous précipitons pas de faire une conclusion car il se peut que c’est une stratégie de la HAT ????
    mody miady an-trano eo pour faire trainer d’avantage les choses , une histoire de gagner du temps …..

    prudence, prudence

  • Cirricou dit :

    Valala ankarona

    Ry valala ankarona miady misy Maty
    Manaova misy levona na TGV na FAT
    Toy ny akohokely miady Kadradraka
    ny voninahitra @zany no hosena sy araraka
    Toy ireny Boka Mitanina andro hariva
    mifanaratsy antoaerana sy mifanivaiva
    ary dia tsy menatra fa ampahibemaso
    dia mievitra fa favo sy omena Lamako
    nefa izahay mijery tena manongo-tena
    oe sendra izay foza orana mpitondra firenena
    Aza gaga ianareo raha toa ka hisy indray
    ny Lundi noira iza tena nampikolay
    @ izay fotoana izay kosa, ianareo miomana
    Fa izay nagalarinareo ho potehinay ravana
    Ka atomboka @i TGV, ry Organes sy cecile
    Ry vilambava sy i Ndrema ary koa Nadine
    ireo dinosore lany andro menbres ny FAT
    ireo miaramila isany ny Mutin CAPSAT
    @ izay fotoana izay ho tafaverina i Dada
    Raisinay @ ampifaliana ka ho andro manandaza
    ny eritreritro @ izay ovaina @io indray
    ilay 26 Juin fetimpirenena Frantsay

    Cirricou

  • Alidera A.R. dit :

    Feno 35 taona katroka androany 11 febroary 2010 ny namonoana ny Kolonely Ratsimandrava.

    Mbola tsy hita ny marina na be aza ireo miteny ho mahalala ny tsiambaratelon’izany tantara izany.

    Maty novonoina toy ny lalitra iny Filoham-pirenena iray iny.

    Ny mampalahelo dia mampiseho ny tena foto-pisainana malagasy izy iny. Ary anefa dia azo lazaina fa iny no fototry ny tsy fahombiazana rehetra niainan’ny malagasy satria iny Filoham-pirenena iny no noheverina hanala antsika amin’ny « néocolonialisme ».

    Izao zavatra iainantsika izao no vokany. Koa afaka mifaly isika satria isika no tompon’andraikitra voalohany amin’izany ary izao no vokatry ny andraikitra noraisintsika. NA FAHATSIAROVANA AZA TSY HITA AMIN’ITONY BLAOGY ITONY…

  • RAKOTOZAFY dit :

    Le propre d’un Chef c’est sa capacité à se séparer des mauvais éléments, c’était la force de Ravalomanana, les Pety, Lala, Zaza et autres ont été écartés du pouvoir par le Chef.

    Actuellement, ce sont les brebis galeuses qui se séparent du Chef, c’est le monde à l’envers.

    C’est la conséquence de faire marcher les gens par des distributions faciles d’argent à tout va et quand il n’y a plus rien à donner, les incapables quittent le navire pour ne pas subir la colère du peuple.

    On ne fait pas marcher un pays par des brosses à reluire.

  • tyvotay dit :

    Ry nadia sy ny tariny no tena mampihomehy. Ianareo izao no manonofy. Fantatrareo moa ilay hoe: « rira bien qui rira le dernier »? Tyvotay marina. Ataovy ihany e. Izany no mba aina ka ny v… no atanin’afo.

  • Maevanilla dit :

    Amiko dia tsy i Dada ho tafaverina na tsia no olana, fa ny fanajana ny safidimbahoaka: anontanio izay tena tiany fa tsy hoe ndeha zaho hanao fifidianana solombavambahoaka nefa tsy izany ny constitution ny tany Malagasy. Ho aiza ary nareo zany toa hoatran’ny tsy mba misy mpanorhevitra mihitsy. Efa tenenina foana hoe hoe asivo constitution vaovao eo, dia asio referendum, izay lany eo, na repoblikana na parlemantaire izay vao manao fifidianana. FANTATRAY ANIE NY TANJONAO RY LAVANIFY MATSIKO VOLO EH!!! SATRIA RAHA PARLEMENTAIRE DIA NAREO NO HO MARO ANISA ny depute,ARY NY DEPUTE GASY TSISY CONVICTION FA ILAY HOE AIZA NO MISY SOSY IHANY DIA IANAO ILAY PRAIMINISITRA (= président amin’ny pays izay manao régime parlementaire) Aza hadino anefa fa ny pays parlementaire rehetra dia mbola démocratique lavitra noho ny eritreretinareo ka sao dia handrora mantsilany eh!!!!IZAY DEPUTE MANANKAMBO DIA SAHIA MAMOAKA NY HEVINY ETO INDRINDRA IREO NIVADIKA HO TGV ireo.

  • Tatsimo dit :

    Vendredi 12 février 2010

    Vous êtes ici : Accueil > Monde

    Conférences | Mon compte | Newsletters | Hors-série | Abonnement | RSS RSS
    Monde

    Publié le 11/02/2010 à 18:56 Le Point.fr

    AVERTISSEMENT
    Le Parlement européen fustige le régime « illégal » de Rajoelina à Madagascar

    AFP
    Vos outils

    * Imprimez
    * Réagissez

    * Partagez sur Delicious
    * Partagez sur Facebook
    * Partagez sur Digg
    * Partagez sur Wikio
    * Partagez sur Twitter
    * Partagez sur Yahoo
    * Envoyez à un ami

    Click here to find out more!

    Le Parlement européen a vivement critiqué jeudi le « régime illégal » de l’actuel homme fort de Madagascar, Andry Rajoelina, et a demandé contre lui des « sanctions individuelles et ciblées » s’il ne respecte pas les accords conclus pour sortir de la crise. « Le régime illégal en place continue de défier la communauté internationale » et « monopolise les pouvoirs exécutif, législatif, judiciaire ainsi que les médias », accusent les eurodéputés dans leur résolution adoptée à Strasbourg. Les élus dénoncent « les violations généralisées des droits humains, le harcèlement et l’arrestation arbitraire de parlementaires, de religieux et de membres de la société civile, (…) le pillage des églises et l’intimidation de la presse », ainsi que « les arrestations et tortures de civils et d’hommes politiques ».

    Le Parlement « désapprouve toute tentative de Monsieur Rajoelina d’organiser unilatéralement des élections ». Celles-ci sont théoriquement prévues le 20 mars, mais l’homme fort de la Grande Île a annoncé fin janvier qu’elles pourraient être reportées. Le Parlement « ne soutient que des élections préparées par un gouvernement consensuel », tel que prévu dans les accords conclus entre les principales mouvances politiques malgaches, en août, à Maputo puis en novembre à Addis-Abeba. « En cas de non-respect » de ces accords, les parlementaires demandent que « des sanctions individuelles et ciblées soient prises sélectivement à l’encontre des dirigeants actuels de la Haute Autorité de transition (équipe de Rajoelina) » .

    Le Parlement européen réclame enfin « une enquête internationale indépendante sur tous les meurtres politiques à Madagascar, toutes les violations des droits de l’homme et tous les actes de répression perpétrés par les forces de sécurité et l’armée ». Madagascar, île pauvre de l’océan Indien, est plongée dans une crise politique grave depuis fin 2008, qui a conduit à l’éviction en mars 2009 du président Marc Ravalomanana et à son remplacement par son principal opposant et ancien maire d’Antananarivo, Andry Rajoelina, 35 ans, soutenu par l’armée.

  • HoAiza dit :

    - Salut à « soa_malala » qui a dit :
    [Miriorio foana ny angidina tsy mankaiza f'izay no fombany
    Misavombona dia midina, ka mianjera any an-kady rehetra any...]
    - Misaotra ihany koa an’i Alidera ery ambony, nampahatsihahy ny vanin’andro omaly nanaovana VONO MOKA ny Colonel Richard Ratsimandrava!
    ==> Une nouvelle très terne à la fois honteuse, entre autres, pour l’île de Madagascar:
    - ELLE FAIT PARTIE DES 14 (quatorze) PAYS DE CETTE PLANETE TERRE OÙ LES DROITS DE L’HOMME SONT FOULÉS AUX PIEDS!
    - D’où la convocation des pays concernés par l’Organisation des Nations Unies en son siège.
    Très mince comme chiffre, issus de centaines de pays, Madagascar coupé court par ce COUP D’ÉTAT dans son avancée aux développement et croissance économique…
    Quelle honte vous avez mis sur notre drapeau malagasy, VOUS: les haineux, les terroristes, les sanguinaires, les Anti-Ra8, les gens aisés au quotient intellectuel très en-dessous de la moyenne!
    Pétez, pétez toujours. Quand on s’est habitué au lacry, les odeurs nauséabondes… quoi de plus naturel dira-t-on à ceux qui n’arrive pas à digérer…

  • Ragidro dit :

    Marin ny fitenin’izay dadanay izay hoe: INAO MIHAVITRA AHY HO VENDRANA IO NO TENA KETRINA.. Ireo izay mihevitra an’i PDT R8 hoe vendrana izao no tena kentrina… Ambava homana ampo mieritra…

  • Babyfoot dit :

    Ity ny dimy Cirricou a !

  • nanah! dit :

    zao ry reto a!
    ataovy ny fitsapana ny hevitry ny vaoka dia ho hita eo zany hoe : vahoakany zany e!!!!!!!!!!!!!!!!!
    TOHIZO FA MILABE MITSY RY CIRRICOU A!

  • Alidera A.R. dit :

    Na miady ny FAT na tsia, ny zavatra tokony heverina sy eritreretina maika dia maika dia ny hoe inona no atao tsy hiverenan’ny 11 febroary 1975 intsony? satria raha nisy kely dia niverina indray iny ny 17 martsa 2009. KA INONA NO TOKONY ATAO MBA TSY HISIAN’IRENY INTSONY?
    HoAiza,
    Tsy misy isaorana ny amin’izany. Ny fahamarinana no katsahina sy tadiavina. Ny tsy fanadinoana ireny zava-nitranga ireny no mampiseho fa mitaky ny marina hatrany ny momba izany izay olona mahatsiaro an’izany.

  • Verohanitra dit :

    Raha nanongana ny fitondrana nentin’i Prezidà Ravalomanana, dia tokony nanao tsara lavitra noho izay vitany. Tsara mihoatra lavitra noho ny fitondran’i Prezidà Ravalomanana ve izao fitondrana misy izao ? Aiza ireo toky fitaka nampanantenaina ny vahoaka ? Menaka e, vary mora e, oay a oay e ! Vao maika nitotongana any anaty lavaka ny vahoaka noho ny tsy fahaiza-mitondra. Izay mba nanana farim-piainana antonintoniny lasa nitsingidina any ambany. Manginy fotsiny ny fihanaky ny jiolahy miasa mafy na atoandro na alina.
    Ny hany misongadina dia izy mianakavy ao amin’ny FAT : mitavana, miletra, misesika, mihinana ny ranomasom-bahoaka. Ka aiza re no tsy hiady an-trano e ? Ny vahoaka iray manontolo anie afa-tsy ireo mahazo tombotsoa aminy, dia manana alahelo amin’ny FAT daholo e !. Adala ve ny Ntaolo raha nilaza hoe : « aleo alan’andriana toy izay alam-bahoaka ». Ny miomehy lavo aza hoy ihany izy ireo, misy valiny, maika fa izao ratsy ataony amin’ny vahoaka izao ve dia hanantena ny FAT fa ho afa-maina ?

  • Babyfoot dit :

    Domy kely Véro a !
    Misy farany ny zava-drehetra ary hivaly amin’izy ireo ny ratsy nataony. « Manaova soa tsa hanegnina » hoy ny Betsileo izay ary mamono biby tsy nahafaty hono hifoteran’ny rambony. Heritaona izao tsy nahazo reconnaissance, misy antony izany. Avelao rey olona hitoratoraka eo iany mandrahavoany ny mason’ny angatr’ireo olona novonoiny sy ny mason’ireo very asa mifoka ranomaso lava. Soa iany zà tsy eo @ toeran’ireo HAT ireo fa raha tsy izany dia angamba efa tolana sisa no nitsangana !!! Ny torimaso tsy hita fa mitaintaina andro aman’alina, mivalovalo amin’ireto miaramila isa-maraina sy mandrapatory sao dia tifiriny. Ny vola anie tsy mangidy fa ny hamerenana azy no tsy laitra e ! Bon courage zareo jiaby fa mafy ny mahazo azy. Ny vola anie ka ho lany, ny bois de rozy manampahataperana ary ireo mpanohana hiala rehefa feno ny paosiny. I Radomelina no ho tsarain’ny tantara irery any aoriana. Ny bandy rehetra tsy te hahalala fa valiny fotsiny hoe : ALAO HO HITAN’NY HAVANY EO LERY »
    Ary na ity vadiny « mizara machine à coudre » aza mety hitsôka rehefa mafy ny ady.
    MASINA NY TANINDRAZANA.

  • Babyfoot dit :

    MASINA NY TANINDRAZANA fa tsy Piste de danse akory ka handihizandizam-poana. Ny vola volambahoaka fa tsy hampi rêver na ny adala tsy hendry rehetra izao. Ny tanindrazana tsy « gorodao rota » ka hamidy amin’ny Antiquaires !!!

  • Verohanitra dit :

    Sûr akia Bab’s e ! Domy kely tokotrany.
    Fa i Mose nge akia tsy de hita lôtra tsony fa i Madama no mizara zavatra any amin’ny ekôla, mitrotro zaza, nahita le nosorotako ndray mande zay tany amin’ny jour j angamba de mba nanao ze mety ery. Le feeling lou tena tsisy fa ny zesta no betsaka e ! Hafa ihany ho aho i Madame Ravalomanana e ! Tena classe !
    I Nadin marary silamaso kou no tena vedety be aty fa i Nathalie Rabe hono tena nataon’le radio Viva nahita faisana mintsiny naninona azy nga ?
    Ok kia bisous !

  • gasybe democrate dit :

    MANITRA BA izany enquête internationale izany raha vaotosoka.
    ENFIN
    ENFIN LA DICTATURE EST ETALEE AU GRAND JOUR EN EUROPE !
    Olona hoatry C.Bendit (vert européen) ange ao anaty ‘ity parlementa eropeana ity e…
    olona mazana mitatira ny zavatra tsy mety…
    GROUPE DE PRESSION DE TAILLE , même sans portée décisoire.

  • nanah! dit :

    salut!
    Ka i Bitro angé efa mahia androa @n’alina é! sady le izy avy tany France iny dia tsy heno2 tsony fa ohatrrany miafina dia i madame fona no mody manome zavatra atsy aro e! , ny geste no be dia be mankaleo ny mahita azy @ telé eny e! za tsy mijery sendra hitako fotsiny tsy hakarary maso @ zany za!

  • nadiagrondier dit :

    mialona ny hatsarany ve ianareo?

  • Verohanitra dit :

    Salut nanah !
    Tonga soa amin’ny klioban’ny « les madames »-n’ny Mydago. Mihamahia tokoa i Bitro fa i AVC indray zao lou no manao vedette any avaratra any sady toa hitondra delegasiona mafonja any Addis Abeba hoy ny gazety androany maraina. Hanao inona any angaha ? Fa ahoana koa ity Bernard Kouchner hihaona amin’ny ministra kongoley nolazain’ny gazety, misy hidirantsika angaha izany ?

  • imahitsy dit :

    Tsy misy mpanongam-panjakana aharitra ela eo izany. Anjaranareo zao no mihorohoro @ ity famaranana ity tantara ity. Valy fingika fingaka. Aza mody miady an-trano mifanome tsiny eo. Tompon’andraikitra aby.Nanao tsy nahalala maty koa izao vao…
    Efa fiteniko foana, an’Andriamanitra ny famaliana, mahatatesa fotsiny. Tsy hamely anareo mivantana izy ry HAT isany, hampiasa olona Izr rehefa hanafay. Aminareo ireo ihany no ampiasainy, hifandripaka ianareo, mpitazana fotsiny izahay vahoaka mampizakainareo ny mangidy 13 volana izay.

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Mangidy ny 13 volana fa misy valiny io.

    Aza matoritory isika @ bitro mihamahia io fa tsy hay izay apokany tampoka, i Madama Razakadisa alias Madame bitro manao figurante eran’ny tanana e, manimba ny imagin’Iarivo forsiny.

    Manao traffic d’influance any Congo i Bernard Kouchner MAE FATy vaovao (Hasina moa nitsaoka ny sambo), ny MAE Congo io moa ni filohan’ny SADC, ka ho hita eo fa tsy manaiky ny zavatra miseho eto Madagasikara sy Iarivo izao ny SADC satria tongotra vakivaky.
    Masina ny Tanindrazana

  • gasybe democrate dit :

    Amis légalistes
    ils ont libéré deux journalistes , dont Lolo.
    Lobbying et pressions diverses , sous toutes ses formes ont leur effet.
    Internet , comme je l’ai souvent dit est un formidable moyen de pression :
    ON ETALE LES EXACTIONS…en Iran , en Chine , en Birmanie et petitement sur topmada ou mydago…
    Mais cela est transmis +++ et les petits ruisseaux font les grandes rivières , puis les fleuves…
    MAHEREZA !

    En Birmanie,
    Tin Oo , général à la retraite de 83 ans , numéro deux de l’opposition Aung Suu Kyi, emprisonné depuis mai 2003 A ETE LIBERE CE SAMEDI 13 FEVRIER 2010 !!!!!!!
    cela COÎNCIDE avec la .
    ………….VISITE EN BIRMANIE DU RAPPORTEUR DE L’ONU SUR LES DROITS DE L’HOMME , Tomas Ojea Quintana ce lundi 15 février !
    ETONNANT , NON ???
    A quand sa visite de Madagascar ? nous n’avions nullement besoin d’un Jean Ping !

  • Babyfoot dit :

    Izany hono ry Nadia a ! « VALY FINGIKA FINGAKA » ozy i mahitsy. Raharaha be ity fa tsy ho vitata foana tsy hisy QUOI akory ! Arakarakin’ny maha ela anareo eo no vao maika mahabe ny ZIOGA ho lanjainareo. Mbola tsy nisy KODETA izany hatramin’izay naha tany an’i Mada na mafy aza ny fahantrana (30 ans Ratsiraka).
    Masina aky ny tanindrazana fa tsy terrain de footn na Piste de danse tsy akory. Fa dia mahereza aky a !

  • nanah! dit :

    salut!
    misaotra t@ fandraisana i verohanitra , tonga tokoa mo zany anatevin-daharana eto club « les madames »
    tsika tsy miala zany fa ny marina tsy mba maty a!*

  • nanah! dit :

    io a! samy mizaka zay nataony io e!
    aoka ny tsirairay samy nieritreritra zay nataony reetra ,ary tsy maintsy misy valiny dooly na zavatra natao ny soa na ratsy e!
    Fa ra za i bitro volavo dien’ny mbola tsy manomboka ny valiny dia mi-démission za , @ zay mba tsy dia tena mafy ny sazy e ? sa tsy zany ?

  • mepaka dit :

    ho aiza ry foza a a a a!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.