Ny 16 martsa no fe-potoana farany nomen’ny Filankevim-pilaminan’ny Vondrona Afrikana hiverenan’ny « Fitondrana Rajoelina » amin’ny fampiharana ny satan’ny y Maputo sy Addis Abeba. Raha tsy izany dia hilatsaka hoan’ny mpitondra Fat ny sazy.
17 martsa 2009 -17martsa 2010 : herintaona katroka amin’io no nandraisan’ny mpanongam-panjakana ny fahefana, asa raha fifanindrifian-javatra fa dia io daty io koa no hilatsanan’ny sazy iraisam-pirenena hoan’ny Rajoelina sy ny forongony, « sanctions individuelles et ciblées », raha toa izy tsy miverin-dalana ka hitondra samy irery ny firenena, sazy toy ny figiazana ny fanana manokan’ny mpitondra any ivelany, tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara, fanapahana ny fifandraisana ara-diplomatika amin’ny any ivelany. Ireo aloha no narangarangan’ny GIC. « Tsy nalazo akory ny ravinana nihinanana dia voasazy e! »
Tsy mahagaga aloha raha tsy dia rototra firy amin’izay sazy mety hihatra aminy ny Fat, mbola manana fotoana lava izy hamindrany ny vola aman-kareny amin’ny anaran’olon-kafa (raha tsy efa vitany ! ), Lafrantsa ihany koa manome toky amin’ny fialokalofana raha sanatria ka mivadika ny rasa, ary raha izay fifandraisana ara-diplomatika tapaka tsy raharahiany.
Matoa Rajoelina sahy mihenjana toy ireny dia efa mahazo antoka izy ny fandehan’ny raharaha, Ingahy Ratsirahonana ohatra dia efa sahy milaza fa tapitra amin’ny volana Novambra io tetezamita io, vita alohan’izay ny fifidianana izay ho filoham-pirenena vaovao hoy izy. Etsy andaniny anefa efa niteny koa ny « Commissaire de l’Union Africaine pour la paix et la sécurité », Andriamatoa Ramtane Lamamra, « fa mety hiafara amin’ny tsy fahazoan’i Rajoelina hirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo ny sazy manaraka raha toa mbola miziriziry tsy hanaraka sy hampihatra ny fifanarahana natao tany Maputo sy Addis-Abeba izy ».
Mihenjan-droa ny tady, tsy ny eo amin’ny ankolafy Madagasikara sy ankolafy Rajoelina ihany fa miitatra makany amin’ny ankolafy Rajoelina sy ny GIC. « Que le meilleur gagne ! »
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:


tsy lasa lavitra amini taranja iony fat
Miadana loatra ny fandraisan’ny Gic fanampahan-kevitra ka mitombo ihany ny fotoana hahafahan’ny faty mamafa ireo fandikan-dalana rehetra natao ary ahafahany maka ny volany any ivelany. Tsy mahagaga raha mitombo ny mpanongampanjakana aty Afrika satria tsy misy rafitra afaka manasazy izany.
Fa momba ilay col Ravalomanana dia mba mahagaga sy mahatalanjona ny fihetsik’ity senegaly mahazo baiko ity. Averimberin’ity senegaly ity ny fa raha misy olona manao hetsika ka misy fahasimban-javatra dia anjaran’izay nikarakara ny hetsika ny mandoa ny zavatra simba. Dia hoy aho amin’io Senegaly io » marina ny teninao ary rariny sy hitsiny tokoa izany ka aoka hampiharina ara-bakiteny, ianareo no nitoto nahafotsy sy mahandro nahamasaka izao fanonganampanjakana izao ka dia tompon’andraikitra izany enao. Aloavy daholo ny fanan’olona simba ary aloavy daholo ny karaman’ireo mpiasa very asa ireo fa nohon’ny alikareo no nahatonga izany ». La charite bien ordonée commece par soi meme…Anisan’ny olona tsy afa-bela amin’izao fampandolihana ny toe-karena malagasy izao io lehilahy io sy ireo generaly matavy tahaka ny kisoa miaraka aminy.
Ela loatra ny 17 martsa ho an’ny vahoaka malagasy tsy mandady arona ary niaina tao anaty fangirifiriana izay…
Rehefa tapitra manko ny 27 taona nangalaran-dRatsiraka sy ny fitavozavozana nisy teo @ Zafy ka nampianjera dia niditra t@ andron’ny fandrosoana tsaratsara kokoa isika, indrisy lasa nofy sisa ankehitriny satria:
- midangana izay tsy izy ny fiainana,
- maloto ny tanana,
- betsaka ny tsy an’asa,
- miharatsy ny fandriampahalemana,
- potehana ny tanan’Iarivolahy Tsy Maty Indray Andro ary misy fiantraikany @ ireo faritra 22 izany na tiana na tsy tiana.
Mbola sahy miteny ve i Andry sy La Frantsa fa mandeha ny raharahampirenena, iza no manenjana ny tady, mila saziana La Frantsa sy ireo mpanota fady miaraka aminy. Ho sahy manao izany ve ny UE, ny Alemana izay namany akaiky, mila jerena ny mambra mpanantateraka an’i UA fa mpisolelaka @ la Frantsa.
Ho avy ny 29 martsa ahatsiarovantsika ny tantara niseho teto @ firenena @ tsy fanekena ny tsy rariny niseho teto antanin-drazana nataon’ny Frantsay ka tsara velomina Aizao zava-miseho any @ firenena izao.
Masina ny tanindrazana
Raha natao « date symbolique » no antony nanokanana ny 17 mars ho andro hampiharana ny ULTIMATUM dia mahagaga loatra satria ela loatra ,ary andro iray isan’andro dia tena mandreraka ny Vahoaka..!
Roa na telo andreo dia ampy..!
Ny olona samborina anbie tsy mahazo ora iray akory iomanany hiditra am-ponja é !
Eo amin’ny fisainan’ny Vahoaka izao fe-potoana lavabe izao dia ohatry ny fitsimbinana ireto nanongam-panjakana é !
« En panne ve ny fijerin’ireto membresn’ny Conseil de la Paix et de la Sécurité » ireto sa…misy fifanamborana miafina any ho any ?
Tsy mazavba ity fotoana lava efa ho iray volana !
Ela no efa narangaranga ity fanasaziana ity. Hatramin’izao nefa toa tsy hita ihany. « Akoho tsy naneno hoatran’izay efa lasan’ny kary ». Izao ity mitohy ihany ny fanonganam-panjakana etsy eroa aty Afrika. Iza no miraharaha izay sazy tsy hihatra any fa toa resabe fotsiny ? Ndrematoa kely efa tsara antoka amin’ny reny malalany fa na ino-kidona na ino-kihatra, eo an-tratrany mandrakariva no toerana misy azy.
Isika Malagasy no fanina amin’ny fahantrana, izy manohy hatrany ny fomba fanaony rehetra hatramin’ny nakany an-keriny ny fahefana. Aiza ve Tompoko ka dia mpiasan’ny zone franche mba mitaky ny zony ka dia hodarohina ny grenades lacrymogènes indray ? Asa koa izay nanjo ireo mpivavaka teny Antsonjombe izay efa nampitandremana tsy hanaonao filaharana eny amin’ny esplanade eny Analakely eny fa hanao ny asany ny mpitondra filaminana hisorohana ny sakoroka. Ireto pasitera ireto ve dia handroba ? Dia efa tsy misy hasina tokoa angamba ny fivavahana eto anatrehan’ireto mpanongam-panjakana ireto.
raha hoatry ny arabo intsika , dia ataoko fa tsy mipetrapetraka hoatry izao any Neuilly i Ratsiraka..
efa nataony ……na izy , na ny tranony.
Il y a lieu d’établir des enquêtes quand aux éventuels transferts de fonds émis par ces illégaux membres de la HAT.
Ça ne sera pas difficile de les retracer.
Les PM Tantely Andrianarivo et cohorte l’ont fait pendant la 2è république!
Manohana tanteraka ny hevitr’i Dr Celestin etsy ambony amin’ny fitarozakin’ny raharaha!
Ny insécurité efa hita etsy sy eroa.
Hafatra ho an’ireo miresaka @ portable eny an-dalana : mitandrema.
Na koa mandeha an-tongotra etsy sy eroa: mety hisy basy hivoaka tampoka, na koa balle perdue…
Psychose angamba hoy ny sasany, anefa kosa tena TSY misy loatra ny fandriam-pahalemana eto @ tanà na!
Les avis sont unanimes : pourqoui accorder à la Hat encore 3 semaine? tsy efa ampyve izay ?
Mbola misy zavatra miafina oa ary hita fa miasa mafy ny Ftantsay ao ambadika. Mbola misy alika akelin’ireo Frantsay ireo ny tompon’andraikitry ny UA ela loatra ka mampiereitreritra e!
Efa leo ny vahoaka
l’UA ( ny firenena afrikana betsaka io ! ) ange dia efa viktima n’ilay be trosa be ka na dia te hirebelle aza dia tsy afaka loatra satria manao santazy ireto firenena be vola ireto ê ! tena mamp
l’UA ( ny firenena afrikana betsaka io ! ) ange dia efa viktima n’ilay be trosa be ka na dia te hirebelle aza dia tsy afaka loatra satria manao santazy ireto firenena be vola ireto ê ! tena mampalahelo satria dia manaiky fotsiny amintahotra fa tsy afa manoatra !
maivana ny hevitrareo raha tsy eo iKintana
Toa basy atifi’kavana izy izany ka arangaranga tsara aloha; misy anie ny atao hoe: »Vonjy hai-trano ê ! » ,tsy mila miandriandry ny famonoana afo.
Izao efa kila forehitra ny firenena: tsy efa lavenona ve any amin’ny 17 marsa any ?
Vonjeo aingana re izahay tompoko fa mijaly loatra . Na i Andry aza tsy andry intsony izao
Raha manao tomban’ezaka hatramin’izay ny tenako, dia zavatra roa no tsapako:
1- eo ny GIC mba te-hanao zavatra kanefa misy ny La Frantsa izay tsy tokony hadinontsika fa manana « droit de veto » rizareo ea @ firenena mikambana ka raha vao mitsipaka fotsiny izy, dia tsy afaka manao n’inon’inona ny rehetra;
2- eo i La frantsa izay tsy MIRAHARAHA ANTSIKA GASY MIHITSY, FA NY TOMBONTSOANY NO BANJININY, ka hanaovany an’io fihetsika io; fantany fa tsy ahazo rariny mihitsy izy eo anoloan’ny GIS kanefa nohon’ny fananany an’io « droit de véto » io, dia mangataka ny fanemorana ny « sanction » foana izy, mba ahafahan’i Andry RADOMELINA manao sonia ny « nouveaux accords de coopération ». Vita io sonia io dia milaza amin’izay izy hoe, esory eo ary i Andry RADOMELINA. Tadidio tsara fa ilay boay kely io dia tsy hirotsaka mihitsy fa efa misy « poulain » n’i Frantsay hanao ny « relève » ao (Pierrot, Edgar, Monja, Roland,…?).
Koa anjarantsika tsara no mieritreritra hoe: inona ny « actions » ho atao?
salix daholo tsika! tsotra ny resaka eh! efa misy planina hanapotehana ny andry rajoelina mandeha any ka ra vao mirodana eo io de potika daholo ny fananany rehetra eto hoatrany nanaovany any ravalo koa ! tsisy hantra mihintsy ah! may sy rava ny tanjona, de ciblena koa ireo miaramila miarakaminy fa tonga de vitaaaaaaaaaaaaaaaaa!!
Ry namana isany. Mahafinaritra mihitsy ny fitiavan-tanindrazana ananan’ny maro aminareo. Miala tsiny anefa fa sanatria tsy manambany ny hevitrareo aho raha miteny fa na Maputo na Sanctions tsy ampy hahasakana ny tetika maloton’ny frantay mihitsy raha mbola ireo GIC sns… any ivelany no ianteheranareo.
Ao Madagasikara ny olana ka ao ihany koa ny famahà na an’io.
Sahala amin’ny hoe misy mpangalatra tafiditra ao tranontsika… dia hiandry herintaona ve sy hiandry vahiny any ivelany tsy hoavy vao sahy hijoro???