Misy raha ao !

22 février 2010
Julien Razafimanazato

Julien Razafimanazato

Asa na odian-tsy hita na dia faly mamadi-dresaka fotsiny izao fa dia ahely indray ny feo tato ato fa ny Filoha Ravalomanana hono no nahatonga izao tsy fahombiazan’ny tetezamita izao. « Tsy tia tanindrazana izy » hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Fat Julien Razafimanazato fa tokony havela malalaka entin’ny Rajoelina irery ny firenena hoy izy, raha nivahiny tamin’ny onjam-peom-pirenena halina.

Tsy sasatra izahay manoratra fa ny fizirizirian’ny Rajoelina hitantana samy irery ny Firenena, tsy manaiky fiaraha-mitantanana (izay takian’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena), no rangory fototry ny afo mampikatso ny firenena toy izao, fa tsy ny ataon’i Filoha Ravalomanana izany. Raha nanaiky nampihantra izay voasonia tany Maputo sy Addis Abeba izy tsy tapaka ny AGOA, tsy tapaka ny famatsiam-bola avy any ivelany, tsy hilatsaka ny sazy. Gaga ianao mihaino ilay Ministra Fanabeazana manazava, tena mamadi-dresaka sy mieritreritra ny vahoaka Malagasy tsy mandinika, mahamenatra raha ireny no tompon’andraikitra voalohany ny fanabeazana eto amin’ny Firenena, ho simba simba foana ny taranaka faramandimby sy ny zaza Malagasy raha izao no ataon’ny milaza azy ho Ministra, f’angaha moa tsy ny fanesorana ny resaka politika teny anivon’ny Fanabeazana « dépolitisation de l’enseignement » no nanakiana ny mpitondra teo aloha (Tim Fanabeazana) no maninona ity rangahy indray no manao toy izany?

Tsy vitan’izay ihany fa dia namoatsampona ihany koa ny fanambarana nataon’ny Alain Ramarson, « tokony hijery ny tantara ny GIC fa i Ravalomanana no nanongam-panjakana » hoy izy, tsy dia manaitra aloha raha olona tahaka an’i Alain Ramarson no miteny tahaka izany, fa dia « mandoto tena toy ny vilany », jereo fa na i Andry Rajoelina na Vital Camille aza tsy nahenoan-teny taorian’ireny fandrangarangana sazy ireny koa maninona ireto olona ireto no «mitono-tena toa lolofotsy ?». Misy raha ao !



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Demokrasia Fopla no hain’i Andry Rajoelina
  2. Madagascar n’appartient pas qu’à Andry Rajoelina
  3. Fear – Aiza ny tany tsy misy horohoro ?
  4. Le film du forfait !
  5. Ny vintana sy fara andron’ny FAT

29 Comments

  • vahoaka dit :

    angaha fananan’ny 3 mouvances i Madagasikara e! teo ravalomanana tsy afa-nihetsika fa nipirina ohatran’ny akoho voakapoka! afak’i Rajoelina sy ny vahoaka tamin’ny toerany ravalonandra vao hoe andao hiara-hitantana? f’angaha vendrana ny vahoaka? asaivo mitarika vahoaka ny 3 mouvances raha mahazaka e! fa aza faly miady seza!

  • nina dit :

    Angaha an-drajoelina kely irery koa i Madagasikara sady efa mpanongampanjakana no mbola manao hitler kely tsisy manaiky ho entin’iny eo fa aleo samy miziriziry eo fa tsy maninona fa samia mazaka fotsiny fa ny anay izay voafidy ara dalana ihany fa olona tsy nofidiana ve no asaina hitondra sady tsy mahay n’inoninona fa tena mpihinana ny volambahoaka sy ny tsy mijery afa tsy ny tombotsoany koa io ko ahoana no avela hitondra nefa tsy nofidiana aleo izy aloha hanonofy eo dia ianareo aleo hiahaka hiady @ vidimpiainana eo dia izaho fidiana avy eo

  • fandresena tena izy dit :

    Izay no atao hoe média-mensonge n’ny frantsay . Ary tena hain-dry zareo . Ary tena sahy milaza ny zavatra mifanohitra . Izany no atao hoe : devoly raha tsy fantatrareo .
    Koa aza henoina intsony fa avelao hirediredy eo .Tsara raha entanina ny vahoaka tsy hihaino ireo radion-dry zareo ireo intsony .

    Hatramin’ny 1960 ka mandrak’ ankehitriny dia Ravalomanana no no Filoha tena Tia Tanindrazana ary tsy adala i Manandafy sy jeneraly Rakotoarijaona raha toa ka manohana azy . Tsy adala i Rado mpanoratra lehilahy tena filamatra amin’ny Fitiavan-tanindrazana raha nanohana azy mandrapahafatiny . Na dia mbola tsy Filoha sady tsy maire aza Ravalo dia efa takatra ny Fitiavana ny mpiray tanindrazana tao anatiny . Ny jamba sy ny moana ary ny marenina ihany no minia tsy manaiky satria hajambain’ny devoly ny masony .

  • Malagasy dit :

    Hay ve ka nisy an’izany tao amin’ny Radio e !

    Izaho aloha tsy mihaino radiom-pirenena izany intsony e ary raha Télé hafa aza nojereko ka mandefa vaovao mikasika an’ireny dia vonoiko avy hatrany.

    Sarobidy loatra amiko ny ora sy fotoana omen’Andriamanitra ahy ka tsy laniako amin’ireo devoly ireo.

    Amin’ny forum toy itony no mba handrenesako izany ary amin’itony koa aho afaka mamosaka hevitra librement.

  • Ndrosany e dit :

    Nen’ny foza de zany fôna, tena gôka be lé diska e

    tsy mety leo mitsy fa de hirahiraina fôna zao Ravalomanana zao ka aiza moa no anjary ny zavatra atao na oul efa te-hanadino an-dravalomanana aza tsy mety manadino satria vôtonina fôna ny anarany na ao am gazety na ao am télé na ao am radio

    publicité gratuite daôlo zany e raisinay an-tanan-droa

  • ELAS dit :

    ilay lely io sy ny forongony ne dedadedaka teo kanefa efa 10 volana no teo tsy hita mihitsy izay nafitsoka.
    izay ihany aloha no fantatra sy mazava be

  • colère dit :

    Miarahaba anareo eto @ serasera .ny olona rehefa tsy manana fotodrafitrasa mazava ,ka hitany fa tsy mahomby izay rehetra ataony, dia fomba fiady efa mahazatra io. fanaratsiana ilay nosoloiny toerana sy filazana fa tsy azy ny fahadisoana! na mijery azy fotsiny dia hita fa manao tarehim-POZA.Sy fisainam-POZA. tsy tokony handaniana andro ny olona toy itony

  • nadia grondier dit :

    Mydago no mamadidresaka ,efa mazava fa i Dadanareo no tsy mamela ny tetezamita kou inona no tianareo lazaina,Ratsiraka nandeha nipetraka tsara tany fa ianareo no tsy mahay mionona,Asa misy indray ny democtie asa ho fafanareo ity tsy haoko aby

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Efa fanta-poko ,fanta-bahopaka fa izay tsy hahavoafidy ny canddat RAVALOMANANA MARC amin’ny fomba rehetra no tadiavin’ireo tsy maty voalavo an-kibo atrizay..!
    Misy moa mody miampanaga -tena toa an’i zafy omaly ,izay niaiky fa hadisoan’izy ireo mpanao paolitika no nahatonga izao..
    Marina ny filazan’i zafy fa talohan’ny 2002 ,dia efa nifandrikana tamin-dratsiraka izy (misy cassete vidéo mampiseho ny adin’izy roalahy..) ary aza adino fa efa  » voasakana  » tsy naha

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    tohiny..(mila tsiny be fa misy problème technique ,ka tapatapaka ny soratra.Misaotra Tompoko !)
    …aza adinoina fa i zafy dia efa « voasakana  » tsyhanoy ny Fitondrana ny Firenena nosahaniny (impeachmenté )..!
    Ny marina ary ny handrasan’ny Vahoaka dia izy irey mihintsy no MIFONA fa nanao tetika ratsy mba tsy h&mpanjary ny Fitondrana ny Firenena noen’ny Vahoaka an’ny Filoha RAVALOMANANA MARC ny 16 décembre 2001 !
    Nangataka ny Banque Mondiale sy ny Fonds Monétaire International izy mba tsy hampisambotra vola ny Fitondrana RAVALOMANANA MARC..!
    Nandray anjara ary nanomana manifestations maro izy mba hialan’ny Filoha RAVALOMANANA MARC eo amin’ny Fitondrana..:
    Dia ho adino ve ireo ultimatum avy amin’ny governemanta de transition managataka ny fialan’ny Filoha isaky ny faran’ny taona..!
    I ZAFY DIA ANISANB’NY NANAMPY AN-DRAJOELINA..SAINGY NY ACCORDS DE MAPUTO dia taolana tsy hainy hatelina dia izao manova tadi-dokanga izao : manaratsy an-DRAVALOMANANAMARC ary mihezaka manome lanja ity CNR ity ,mba ho « institution  » tsy azo idiovirana !!!
    Aoka ho mailo tsara fa ireo tsy maty voalavo an-kibo dia mbola mikofokofoka !
    Mbola ho tenina eto ny fampizarana ny Malagasy nataon’ny frantsay nanomanana ny 47 dia ny namoronana ny p.a.d.e.s.m., izay nipoiran’ireo olona namboarn’ny frantsay hitopndra ny Firenena ary hanamora ny fitsetsafany ny harentsika…!
    Io no tena HADISOAN’IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY PADESM ,IZAY NANAIKY HO ANDEVON’NY FRANTSAY HANAPOTEHANA NY MAHA IRAY NY MALGASY !

  • mety dit :

    NY DEVOLY DIA MIEZAKA SY MANDRESY LAHATRA HATRANY MBA HIONDREHAN ‘NY OLONA EO ANATREHANY ARY MBA HATRAISAN’NY MARIKY NY BIBIDIA @IZAO FOTOANA IZAO DIA EFA HENJEHN’NY MIARAMILA ARY GADRAINY SY VONOINY IREO TSY METY MANDRAY NY MARIKA .ASA raha maha-tspa ianareo fa miezaka mamaha olona io bibidia io @izao fotoana izao ary efa mitady vaha-olana any afrika izy ka maniraka ireo olony mba hifehy ny vahoaka handray ny marikany efa tandindon’izany ry tgv sy ny forongony ka ny marina dia avadika ho lainga eo anatrehan’ny vahoaka ,tereny fotsiny ny vahoaka hanaiky azy ary hitantsika fa ireo rehetra manohotra dia voasambotra ary any amponja mbola ho henjehna fona isika na hiery any an’ala aza ka noho izany mila mivavaka mafy fa izao ilay andron’ny bibidia .666= sark=tgv= mbola hanjaka ao italie izy @ilay 7ans hanjakany farany

  • colère dit :

    rehefa misy ny fehin-kevitra marim-pototra toa tsy misy havaly intsony ny foza?tsy misy afa-tsy hevi-dravina mantsy.fanenjehina An-DRavalomanana rano fotsiny.tadidio mandrakariva fa ny mpanenjika dia avy any arina foana. asa na takatry ny foza ny tiako ho lazaina na tsia ? manahy aho

  • malagasy dit :

    ohatry ny tarehiny ihany ny fisainany inona no fanabezana etin’io rangahy io eo ny kilonga zao lasa milomano @ranopotaka maloto ny eny andrenivohitra ny any ambanivohitra lasa mnao bonne makarama varimasaka ama-TAONA ny sasany lasa mikarama miandry omby ,ny olondehibe lasa voabe mandroba mitapiadiana , ny vehivavy vao maika miezaka mivarotra na dia efa niezaka niala t@izany aza lsa mihamaro be ny bado mba ho ambakaina indray ao antin’ny 50manaraka tsy adala akory ny international raha milazafa tsy azo ekena izao.fa matahotr ireo @saction international ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka jerevo anie fa ho maro be indray ireo mpanao cofference de presse eh ilaza izatsy sy zaro .asa na hitanareo intony ataon’i charl sy lilison hoe voatifitra teo @feny ilay mpanao kidnapping ka alohan’ny nahafatesany izy dia nitatara zavatra maro ary misy mpanao politika ao anatin’ilay afera ka mbola tsy azo avoaka ilay video .milaza fa miaro ny zoN’olomb izy ireo ireny rehetra ireny dia hirika hiarovn-tena daholo nefa ireo ihany no manao jiolahy ary mino aho fa ho maromaro indray ato ho ato no lazaina fa mpnao ratsy ka hamoronana cinema ka ireo jiolhy avela hanjaka handroba fa ireo olomarina mitady ny fahamarinana miandry azy ny fonja

  • colère dit :

    ho an i pseudo vahoaka.toa mampalahelo raha ny olona toa anao no milaza fa vahoaka.mba ilazao ohatra iray @ zava-bitanareo izahay .ohatra iray monja!! ny mandrava no hainareo fa tsy manangana!! mampanatena tsy misy !!!( tsy ho voatanisa io)firy ny asa efa nopotehinareo??? izaho dia afaka mijoro ho vavolombelona eto;nampiasa olona efa ho valo ny tenako teto andrenivohitra ,nopotehinareo nefa olona mamelona vady amanjanaka daholo ireo!! hanody anareo izany na ho ela na ho haingana.izahay nefa tsy ho kivy @izany fa nampianarina hifoha maraina sy hitady fa tsy ory havamanana toa anareo.dia mbola averiko eto indray fa mahagaga raha olona toa anao (maty eritreritra )no afaka milaza fa vahoaka??? firy moa ny olona efa novonoinareo??? na mivantana izany na an-kolaka???? nasainareo nivarotena tsy fidiny noho’ny fahoriana???? tsy ary ho voatanisa eto izany na maraina aza ny andro.entin’ny fo ratsy sy ny fialonana fotsiny dia foronina daholo iza atanga tsy aman’orana rehetra izao.tadidio fa nisasarana daholo ireny zavatra nopotehinareo sy nangalarinareo ireny, fa tsy nisy tongatonga ho azy.koa mieritrereta tsra vao milaza ho solotenam-mbahoaka

  • Alidera A.R. dit :

    Raha Ravalomanana no sakana tsy mampandeha ny tetezamita ka eken’izao tontolo izao dia misy antony mazava ny mahatonga izany.
    Matoa eken’izao tontolo izao ny zavatra lazain-Dravalomanana dia satria manaraka ny fitsipi-dalao ifampifehezan’izao tontolo izao izy. Ary tsy vitan’izany fa na inona na inona lazaina dia izy irery no manana ny rariny amin’ny zavatra rehetra noho izy « voafidim-bahoaka ».
    Rehefa mbola tsy haintsika ny hoe ahoana ny fandehan’izao tontolo izao dia mazava fa na hiova repoblika in’arivony aza isika ao anatin’ny 10 taona dia tsy hahita izany fandrosoana izany mihitsy.

  • BOZY dit :

    Fa inona ity nolazaindra-Julien kely rey olo? ts mandinika sy ts miertrertra. Mampalahelo Madagsikara aitana olona ts misy ertreritra toizao. Ts fantany nga fa izy no nandroba fahefana? Mangalatra ny fahefan’ny vahoaka malagasy, donc mpangalatra! asanjiolahy no nampiasinadrAzafimanazato Julien sy ny tariny teto, @ fampianarana sy fanabezana ny zaza malagasy no misy olona ts manadoha toizao. Ka dia asa loatra re! fa mbola ho avy koa ny anjaranao. Ary naninona no nagina hatrizay d zao vao miteny rangahy? Misy raha ao!!!!

  • HoAiza dit :

    Rahefa mihaino ny radio Fahazavana ny hariva, dia mivoaka eo ny tora-po mikasika ny vaovao heno taloha-kelin’io.
    Tao @ TVPlus: valan-dresak’i Justine mikasika ny convocation Droits de l’homme niantsoana azy. Avy eo nalefan’ity télé @ izay ny horonan-tsary nataon’ireto miaramila manao passe-passe tovolahy iray ary izay mahatazona dia samy mandaroka avokoa. Ny tovolahay faharoa noraisina, natsipy ambany ary norahonana hatory @ tany – tapaka teo @io image io ny film… ka asa tantara tohiny nahazo ireny tanora maro be ireny.
    Tao @ MaTV: miseho miteny i Minisitry ny jono anefa Avocat (sans le sou) Alain Ndremaseza. Inona hono no dia hatahoran’ny vahoaka ny fampitandreman’ny GIC fa tsy efa ho in-telo ry zareo no manao izany anefa tsy manatanteraka akory? Hoy ihany i Ndremaseza: asa izay ho ataon’ny Union Africaine HONO mikasika ny coup d’état tao Niger.
    Voalohany: Mihaiky tena ‘zany izy fa coup d’état no mahatonga azy ho minisitra eo io.
    Faharoa: mitovy ihany ny fomba fiasan’ny filoha Nigérien teo aloha ka voahongana sy ny an’ny HAT tarihin’i Ratsirahonana izay nanongana!
    Misaotra an’i MaTv ihany mamoaka ny atsanga tsy aman’orana fiarovan-tenan’ny Foza. Nefa mba hasio intelligence kely ihany ny zavatra volagninare ry HAT, fa toa izay mivôk iray vendragny ziabe rô…

  • legalista dit :

    Tsy tokona hahataitra intsony ny resaka tahaka ireny, efa taona 1 izao no samy mialaza ny adalany aminy TVM daholo ny HAt. Mba asa laotra ny lojikan’ireo olona ireo. Hita fa tsy dia lasa laotra ny fomba fisainana.

    NY mampalahelo kely ary tokony hitandremana mafy dia ity : manomboka mamelively ny tena Tim indray ao aminy http://www.tim-madagscar.org. Misy mitady hanao manipulation indray ao hoe mitovy aminy Rajems-Syl daholo rehefa TIM. Fa firy moa ny membres ‘TIM , tompoko, dia hitovy daholo ve.

    mmmmm tandremo, tandremo, fa efa zavatra nitranga io taona 1, enimbolana mialoha ny coup d’état niseo iny. Ny mahagaga dia ny olona tsy tia TIM no mameno ny forum ao. Ny tena niara-nitolona hatrizay banni- bloqué. Aza adino fa ny vahoakan’ny MAgro, dia TIm daholo sy ny sympathisants, ary ny legalistes rehetra, na avy aiza izy na avy aiza.

    Mba jereo kely tompoko, ho anareo izay tena mitandro ny fitambarany hery rehetra fa sao dia ankaleho ny tena mpitolona, misaotra tompoko.

  • ralezoka dit :

    Na RNM ,na TVM anie izao efa tsy misy mpihaino sy tsy misy mpijery firy intsony ê : »Dridran’i Ngilo sy kobaka am-bava no betsaka ao; toa tsy hita be ihany izay vokatra azo tsapain-tanana hatramin’izao fa fafy lainga makadilo sofina no renesina raha vao mba te-hanokatra radio na tele : dia aleo mitady kely sakafo ho harapaka aloha .
    Kibokiboin’ny rariny ry zalahy mpanongam-panjakàna ireo ka milaza tsy hanontaniana izay nataony rehetra ka nahatonga ho latsaka an-davaka toa izao ny firenena malagasy . .

  • tess dit :

    vaovao tsara ho an’i nadia sy vahoaka, mandeha ny lisitr’ireo izay tokony ho saziana rehefa tsy hanaraka ny zavatra nosoniavina tany Maputo ka voaloa lisitra @ zany i ANDRY RAJOELINA, t@ vao2 tv plus dia nilaza ndray ry zareo ao @ faty fa mandram-pahatonga ny 16 mars izay hampiarana ny sazy dia mbola ho hita eo zay fanapahan-kevitra ho raisina, dia gaga ny tenako hoe inona moa no mbola handinihina zay fanapahan-kevitra ho raisina fa maninona raha tairina foana lay fifidianana forcing sy bidon???fa misy raha ao dia mitetaka ny faty, na faly nadia sy vahoaka na tsy faly dia mbola i RAVALOMANANA aloa zao no ankatoavin’ny iraisam-pirenena teny , nareo tsy tiany fa FOZA, tsy misy hifampiraharaha @ zay mpandromba fahefana zany eto fa sazy no sahaza anareo, ary aza be menomenona hoe: mahagaga fa misy ny olona dia mankahala , fa nareo no te hanangam-pahavalo teto, dia mbola ampafatarinay an’i nadia sy vahoaka koa fa i ANDRY RAJOeLINA DIA TSY AFAKA MILATSAKA HO FIDIANA HO FILOHAM-PIRENENA MANDRAKIZAY SATRIA MPANONGAM-PANJAKANA, FILOHAM-POZA no fiantsoana azy sady izy zany mihintsy, dia mahatantesa ny sazy ry filoham-poza a

  • MJG dit :

    Inona moa no haininy fa mpitondra ny kitapon’ny Pierrot Rajaonarivelo sady irakiraka (planton) anie iny taloha e§ Olona ohatr’ireny ihany no azon’ny foza atao ministra. Raha mba manana ny maha ianao anao ihany ianao dia aza manaiky hitana andraikitra ambony ao @ FAT fa afabaraka no tsy hisy avenir intsony.

  • nadia grondier dit :

    tess misaotra nanome vaovao ,nefa ny vaovao voaraiko dia i Dadanareo no tsy mahazo nilatsaka fa nanao fahadisoana t@ 2002 iza no marina?ary nohamafisiny fa i dadanareo nanongampanjakana satria tsy mifanaraka @ lalampanorenana no nanomezany ny fitondrana ho an’ny Miaramila ary rehefa tsapan’ny Miaramila fa tsy mety izany dia natolony tamin’ny Fanajana an’ny Filoha Rajoelina ny fahefana satria saika averiny tamin’ny Andriamatoa Ravalo nefa izy efa nitsoaka ka nomeny ny Filoha Rajoelina izany avye eo,ka aiza aiza @ ireo no manaporofo fa nisy fanonganampanjakana teto mahagaga

  • akamasoa dit :

    matahotra sanksiô i Zilikely ministra sandoka dia manao beresaka.
    Aza matahossa fa minoa fossiny ihany fa tsy hisy sankisiô izany eo

  • Anti auto-proclamé dit :

    Any « vahoaka » :

    Aza zatratsy, fa angaha rahefa moban’i « Tsalo Gaigy Vendrana » mpanantena ho Pr… dia voatery hanangatena ho « vahoaka » koa ?

  • Didot dit :

    Quel con ! Il n’a qu’à revenir à Paris pour retoucher son RMI qu’il a fait couper (au moins il a été honnête de ce côté-là) quand il a pris son poste de m:nistre. Il ne peut plus nn plus reprendre son ancin poste de chauffeur livreur de Karibo car celle-ci a fermé définitivement

  • The Man dit :

    Tena nitsindrona havendranana mihitsy ireto FAtn’aliaka ireto. Mivovo mamoron-dainga sy miantehitra mafy @ lobbyingn’i FIS de pu…
    Na haniry volom-bava aza Joelle tsy ho tafavoaka lisany e

  • Misa dit :

    Alain Ramaroson ve tsy mahatadidy fa izy koa nge mba nanohana an’i Ravalomanana T@2002 e! koa raha « nanongam-panjakana » i Ravalo (avec une réussite aux urnes???!!!!!) tokony hita izany hoe iza no tena mpanongam-panjaka: izy miteny io! Alain Ramaroson mihitsy! 1991, 2002 et 2009!!! et oui mon vieux, jereo aloh ny vita vao miteny ny olona!
    Quand au Ministre de l’éducation, malahelo ny mpianatra malagasy mihitsy aho fa Olona tsy manam-pahendrena fa mpandainga sy « avec un comportement douteux (hips! hips! hips! oups!) » no mba mitarika ny premier vecteur du développement du pays!
    Indrist mantsy!

  • soa dit :

    Dia tena gaga aho e! tsy matahotra sazy ny HAT( Julien Razafimanazato minitre de l’enseignement ) dia milaza fa sazin’Andriamanitra sy ny ray aman-dreniny ihany hono noatahorany fa ny ankoatr’izay dia alefaso fa vonona izy hizaka azy. feno tokoa ny pôsy t@ alalan’ny bois de rose sy ny tantely afa-drakotra ny vola ao @ ministera. ka ,avelao hilatsaka ny sazy.Aza mampihomehy fa zany ve no minisitry ny fanabeazana dia asakasaky ny ray aman-dreny malagasy .

  • Maevanilla dit :

    Vavan’ny maty andrano ny an’io Ingahy tsy manjary io, rah tena manana conscience-na éducateur izy tsy nilaza hoe sazin’andriamnitra sy ny ray amandreny ihany no atahorany. Aiza ny sens du respect envers les autres (autres que ses parents). Izahay tamin’ny mbola mpianatra, dia matahotra ny sazy omen’ny olona izay lehibe noho zahay, na aiza io na aiza, na eo antanana na any ampianarana. Izay toetsaina fatahorana izay dia midika fanajana, ary izay no mampiavaka ny Malagasy. Io toetsain’i JUJU io dia fanaon’ny zaza safiotra fisainana toa ry ANDRY rehefa anarina dia ilay miteny hoe « ANAO MOA BABAKO KA MIVOLAMBOLAGNA ZAHO ETO». Ireo ilay zaza tsy mahalala fomba, tsy natao ho modely

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.