MyDago.com

Be manam-pahaizana fa mahantra olo-tia Tanindrazana

Tia Tanindrazana

Tia Tanindrazana

« 29 martsa 1947″

Atomotra ny fankalazana ny 29 martsa 1947, ny tolom-panafahana nataon’ireo Malagasy tia tanindrazana.Izay niady sy namoy ny ainy mihitsy nanohitra ny mpanjanantany Frantsay.

« 89.000 ireo Malagasy namoy ny ainy »

Niisa 4 tapitrisa teo ho eo ny mponina teto Dago tamin’izany ary araka ny tatitra dia nahatratra 89.000 ireo Malagasy namoy ny ainy tamin’izany ady hoan’ny Fanafahana ny Tanindrazana, tsy ho eo ambany ziogan’ny LaFrantsa.

(…) Hodinganiko ny tantara, 21 tapitrsisa izao ny isan’ny Malagasy. Raha ampitahaina tamin’izany fotoana izany, firy amintsika no tena mahatsapa izany Fitiavan-tanindrazana izany?
Mino aho fa samy hamaly daholo isika hoe tsy mitovy ny vanin’andro sy ny vanim-potoana koa tsy azo ampitahaina.

Azo ambara anefa fa iray ihany ny fahavalo tamin’izany ka hatramin’izao, dia ireo tompomenakely tsy mitsahatra mangorona ny harenantsika, ny endrim-panjanahana fotsiny no tsy mitovy fa ny fototra dia iray ihany.

Ohatra :

  • 3 mirahalahy ireo mpitari-tolona nalaza tamin’izany dia i Raseta , Ravoahangy ary Rabemananjara.Amin’izao fotoana izao 3 mirahalahy ihany koa ireo miady hoan’izany fametrahana ny fanjakana ankatoavin’ny vahoaka Malagasy dia Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy Albert.
  • i Gallieni no lehiben’ny « voanjo » namono ny malagasy, amin’izao fotoana izao ny taranany no manjaka dia ny TGV « Taranaky Gallieni Vaovao »
  • Maty ny mosary, fampijaliana, famoretana, fanenjehina, famonoana, fampihorohoana; famonjana, fitifirana amin’ny alalan’ny miaramila, asa an-terivozona, fandefasana ireo mpitolona ho sesin-tany, tsy famelana haneho hevitra. Moa tsy mitranga daholo izany ankehitriny?

Mbola manaiky hatrany ve isika hozanahan’ny « mpanjanan-tany »? io no fanontaniana mibosesika ao an-tsaina. Raha mbola teo mantsy ry dadabe sy ry bebe ry « DADA », tsy ho kamboty toy izao ny Malagasy.

Tamin’izany « vitsy ireo manam-pahaizana fa maro ny tia ny Tanindrazana ». Ankehitriny  » be ireo avaram-pianarana fa tsy sahy maneho na menatra mihitsy mijoro amin’ny maha Malagasy azy « be olo-manga isika fa mahantra olo-kendry », « be manam-pahaizana fa mahantra olo-tia Tanindrazana »

36 réponses à “Be manam-pahaizana fa mahantra olo-tia Tanindrazana”

  1. KintanaMananDrambo a dit :

    Tsy misy azo kianina. Ny azo lazaina koa angamba dia ny hoe : MATY HASINA IREO MARTIORA ; VOAHITSAKITSAKA NY VONINAHITRA IZAY NOMENA AZIREO !

  2. vazimba a dit :

    Les grands Hommes malgaches dans le temps avaient fait leur devoir et ils sont morts pour le pays.
    Dire qu’ils sont voahitsakitsaka peut encore se rattraper car contrairement à ca que vous pensez, il y a toujours des hommes intello qui feront tout pour leur pays bien aimé.

  3. KintanaMananDrambo a dit :

    Mais où sont-ils ces fameux hommes intellos ? Ce qui est flagrant, c’est que des malgaches ont pris un coupable plaisir à endosser le rôle du tirailleur sénégalais, ainsi que des légionnaires. Se faire opprimer par des étrangers si l’on est dans l’incapacité de se défendre, passe encore ; mais par ses propres compatriotes… ? Inadmissible !

  4. zava-misy a dit :

    Tsy misy kianina fa izay no zava-misy ankehitriny ; aiza ireo manam-pahaizana toa mangina amin’ny zava-doza manjo ny firenena ankehitriny ! Izany no tena fahantrana lalina

  5. sadic a dit :

    et quand je pense que ces chefs de tribut corrompus dictats AFROS veut ressusciter ceux qui ont bafoué et foulé aux pieds pendant 50 ans les devises de ces grands hommes Malgaches dans le temps,ces héros, ces martyrs,ignorées par ces 3 vieilles têtes de musée rejetées à leur tour par le peuple au profit d’un jeune; c’est vraiment une foutaise de la part de ces AFROS!!

  6. redo a dit :

    maty antoka ry dadabe niady tamin’izany!

  7. ELAS a dit :

    Tena matimaty foana marina ry dadabe niady fahiny rehefa nogadraina dia tsy tafita koa ireo zanany rehetra satria kely dia kamboty RAY ary voa koa ity ny zafikeliny rehetra 2010 very asa , ireo zafihafy ho tampo-dalakaleha.
    Indrisy…
    Tsy mahantra tia Tanindrazana isika fa tsy azo hantoka mandrakizay ny toe-tsaina vahoaka Malagasy.
    Tsy marina itsony ilay fitenenana hoe » tano ny azo fa sarotra ny mila », ny marina dia  » tsy mena miova-loko ohatra ny tanalaha daholo »

  8. Fred a dit :

    Tena mampalahelo tokoa r’i ELAS ! Misy marina dia marina izany lazainao izany, fa aza atambatra ao daholo ny marina sy ny tsy marina. Ianao raha manoratra dia mihevitra fa tsy ao anatin’ny malagasy, anefa ianao mino fa olo-marina ianao. Ka noho izany, aza atao indraymifaoka daholo, fa ny marina dia ireo Miambo ho Mpanao Politika no tena hiaran’izany teneninao izany !

    Raha dinihina dia ireo avara-pianarana tokoa no tena fosotra, satria ny marina tsy mba mitady Fahaizana goavana, fa ireo avara-pi no miseho tena tonga lafatra , ka manjary feno lainga sy hafetsena amin’ny fahaizany

  9. fandresena tena izy a dit :

    Tena izay marina : Pauvreté Humaine ! izay no misy eto Madagasikara . Ny manam-pahaizana rehetra poakaty daholo . Mankaleo na dia ny mijery azy mianakavy matikambo aty an-dafy tsy miraika akory ny amin’izay mahazo ny Tanindrazana ; fa ny vavan’izy mianakvy dia ny hoe : Mbola ho ela Madahasikara vao tafarina ; tsy lasa ilay toe-tsaina nefa tsy mety mampihetsika ny ankihikeliny akory hanavotra ny Tanindrazana . Kanefa aza kivy fa izaho mahita fa tena mahavita azy ireo Malagasy rehetra mpitolona ao Madagasikara ireo izay mitombo isa andro aman’alina . Miampy izay tsy voazanaka ara-toe-tsaina aty amin’ity atao hoe andafy e!

  10. Mao a dit :

    Amiko dia tsotra ny fijeriko tsy voatery ho avara-pianarana vao ho Tia tanindrazana. ARY tokony tsy hataontsika ambaninjavatra ny Malagasy maro tsy nahita fianarana satria io no nahavoa antsika malagasy hatizay tsy mijery ny hafa fa ny tena ihany satria nahita fianarana hono,izaho mahita fa ireo tsy avara-pi koa dia tia tanindrazana, samy manana ny endrika hanehoany ny Fitiavan-tanindrazana, saingy ny antsika eto dia ilay hoe mahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazany angamba (raha tsy diso aho). Ny mahatonga ireo rehetra ireo tsy haneho ilay fitiavan-tanindrazana ao anatiny dia tsotra misy ny famoretana atao ny Malagasy izay maneho ny heviny ka tonga dia Basy sy Gadra vao miteny.
    Fa mandehana anie ianareo mankeny @ magro e, dia teneo hoe misy basy folo aty amiko fa iza avy no sahy hanafika ny CAPSAT dia ho hitanao eo ny hamaron’ny olona.
    AMiko ny olana ankehitriny dia tsy miankina @ vahoaka irery fa miankina @ nareo mpiasampanjakana rehefa sy ireo mpitarika ao @ 3 mouvance ireo no tokony hametrahantsika fanontaniana satria ireo no tena mamono ny fitiavan-tanindrazana ao ampon’ny mpitolona ankehitriny ka lasa resaka ambony latabatra fotsiny no betsaka.



  11. Firenena malagasy a dit :

    marina fa tena be ny manam-pahaizana ny malagasy, fa refa tonga eo @ fitondrana manao ny asam-pirenena dia ny hameno ny paosiny sy hanampanakarena ny fianakaviany ny mahamay azy ireo, marihiko fa ny Filoha Ravalomanana dia efa olona nanam-bola vao nitondra firenena ary tena hita taratra fa tena tia tanindrazana izy, kaenfa zany dia tsy zakan’i frantsay fa tiany andevozina foana ny malagasy ka any zay kely saina azony ahodina dia ataony daholo zay rehetra tsy hampandroso an’i madagasikara sy ny tsy hiadanany ny vahoaka malagasy.

  12. zora a dit :

    Pourquoi toujours attaquer les « manampahaizana « ? je ne les protège pas mais essayons de rester objectifs dans le raisonnement.
    Un milieu social parmi lequel tout le monde est tia tanindrazana n’existe pas , le contraire non plus càd un milieu social où tout le monde est anti-tolona.Des paysans, aux fonctionnaires, aux commerçants, aux universitaires, aux enseignants, aux professiosn libérales. Chacun a ses positions question politique. Suis d’acc avec FTI qd il dit que c’est la pauvreté humaine qui prime à Madagascar.Pauvretés , misères ds tous les domaines, toutes couches sociales confondues.Des couches entières de la population ont été appauvries.
    En fait quel est vraiment le % de manampahaizana à Madagascar. Qd on dit que plus de 80% de la population sont des ruraux, on comprend mieux pourqoui les manampahaizana ne brillent pas, ils sont peu nombreux.Par rapport à la population totale. Cas de médecins , de leur grève, une minorité mais agissante.
    QUi vous dit que ds le milieu universitaire tout le monde est content? Tous ceux qui ont une conscience humaine à l’heure actuelle râlent, souffrent de la situation.
    ET bien au contraire, ceux qui dénoncent les mpitolona aux militaires sont ces vendeurs de rue, tout au long des trottoirs, des gens peu éduqués, sans bagages, qui n’ont aucune notion de l’enjeu du tolona, parlez -leur de françafrique, ils vont croire que c’est une marque de tennis qui vient de thailand. Juste donc pour dire que ny tsy fitiavana tanindrazana n’est pas le propre des manampahaizana.le public de Magro se constitue de toutes les couches sociales, de tout niveau d’éducation

    Le problème se situe ailleurs, dans le leadership. Les mpitolona sont livrés à eux -mêmes, il n’y a pas de vrais meneurs. ( l’un d’eux se faisait remarquer à la TV lors de mondanités ).

    Espérons que dans les coulisses, Dada et ces personnes auxquelles il fait confiance , ont un plan bien établi. C’ est notre prière.

  13. Firenena malagasy a dit :

    Tsy dia tena hoe mi-critique ny olona manam-pahaizana anie ny tiana ho resahina e, araky ny efa nolazaiko etsy ambony dia ny ankamaroany ny mpanao politika malagasy refa tonga eo @ fitondrana ny hameno ny paosiny sy hampanankarena tampoka ny fianakaviany ny ataony eo fa tsy dia izay fiainam-pirenena loatra, hita taratra anie zany t@ fitondran’i deba e (ratsiraka),presque 20 taona mahery deba teo @ fitondrana fa amiko tsy hitako izay niova teo @ fiainana malagasy na ara-teo tsaina na fiainana andavanandro, kanefa kosa vao Ravalomanana no nitondra mba hita ny nisongadina ilay firenena, ary tsy moramora mitsy ny manarina an’i madagasikara, raha t@ deba nitondra ka raha mba nahitana croissance ny économie an’i madagasikara dia mety nahatsara ny dévéloppement économique depuis nitondrany Ravalomanana fa saingy tsy izay lay izy.

  14. KintanaMananDrambo a dit :

    Mais c’est quoi vraiment, être Tia Tanindrazana pour vous ?
    Le célèbre médecin ( professeur ou pas ), qui ne soigne que ceux qui ont du fric, est-il Tia tanindrazana ou pas ?
    L’honnête fonctionnaire, qui n’ose pas dénoncer les magouilles, vols, et autres entorses à la Loi, commis par ses collègues ( supérieurs hierarchiques ou subalternes..), est-il un Tia tanindrazana ou pas ?
    Celui ou celle qui ne fait que râler, critiquer, mais qui ne fait JAMAIS rien, ne serait-ce que proposer des idées dans le but d’améliorer ses conditions de travail, est-il (elle) un (e) Tia tanindrazana ?
    etc…

  15. Fred a dit :

    Efa adino ny hasina sy haja nanàn’ireto Olona ireto, ka fohazintsika ao an-tsaina, fa nanana izany atao hoe : FIRAISAN-KINA izany izy ireto.
    Tsy nisy Cotier, tsy nisy Merina fa ny Tanindrazana no niadiana sy nofaizin’ny Mpanjanaka ,
    - Tsy nisy izany famenoana paosy izany
    - Tsy nisy izany fanabadoana vehivavy izany

    Fa ny ambony indrindra taminy dia
    NY TANINDRAZANA.

    RASETA – RABEMANANJARA – RAVOAHANGY.

    Mba nisy sekoly na Oniversite ve namelona ny Tanataran’izy ireo ?!!
    Ireo no haveriko fa mba tokony ho tahafin’ny Olona milaza azy ho Pôlitisiana. Tsy miady amin’ny Folo nihaviana, izay nampidirin’ny vazaha tao an-tsaintsika
    Tsy mijery tavan’olona
    Tsy miambo ho manan-karena ka misetrasetra
    Tsy miambo ho manampahaizana.

    Ho tafavela ao antin’ny saina MALAGASY ANIE IREO ANARANA IREO !

    Tandremo ny Fitsaratsaràna be fahatany ! Sao manodronondro olona be fahatany ka milaza fa mpiara dia amin’ny vazaha Mpanjanaka io olona manoratra io.
    Tokony ho SAMY MIHEZAKA ny hitondra ny voninahitra maha MALAGASY, ary samy handray fianarana amin’ny LOZA naton’ny HAT.
    Fantantsika izao ny olona mandà sy manaraka ireo Mpanjanaka :
    Ndao hitambatra, hanohana ny Prezida Ravalomanana izay mandà ny MPANJANAKA .

  16. KintanaMananDrambo a dit :

    Raha mety dia mba alefaso kely ato koa ry zareo ( Mydago), ilay hiran’ny Sakelidalana :
    Fa tao anaty haizimpito no nandrenesana antsoantso, â !
    Sûr sûr ry Fred â !

  17. tokandalana a dit :

    Tokony misy fifandraisana angamba ny Fianarana sy ny Tontolo ihainana .
    Raha ny fahitana azy dia fampianarana tsy mifanaraka amin’ny Tontolo Malagasy ny azontsika fa fampianarana mifanaraka kokoa amin’ny Tontolon’ny mpanjanaka.

    Ary izany indrindra no tsy maintsy amerenantsika ny filoha Ravalomanana satria ny programa MAP izay efa tsara tefy dia mikendry hamoaka manam-pahaizana mipoitra avy ao anatin’ny Tontolo malagasy , manampahaizana mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny ilain’ny malagasy .

    Ka dia andao ary samy manao izay tandrifiny azy amerenana ny filoha Ravalomanana. Izy rahateo vonona hanohy ny fampandrosoana efa natombony !

  18. Fred a dit :

    Tsy miady amin’ny Folo nihaviana, izay nampidirin’ny vazaha tao an-tsaintsika = TSY MANAO ADI-POKO no izy !
    AZAFADY? FA DISO TSIPELINA !

  19. KintanaMananDrambo a dit :

    Firenena malagasy,
    Manao azafady kely. Tsy fantatro hoe firy taona ianao, fa dia nisy tokoa ny fihovàna tamin’ny andron’i Ratsiraka, na ara toe-tsaina izany, na ara toe-karena !
    Nikorosofahana daholo, ary vokatr’izany rehetra izany, izao loza mitatao zakain’ny Firenena amin’izao fotoana izao !

  20. vazimba a dit :

    Je suis en accord avec votre avis Kintanamanandrambo, mais il n’est pas encore trop tard pour changer la mentalité et de se développer par suite…..
    Levons nous et faisons le tout pour réinstaurer la vraie mentalité Malgache ainsi qu’ un Etat de droit.



  21. GBD a dit :

    mentalité?
    caractère?
    ceux qui ont envie de changer le peuvent s’ils veulent.
    sans force de caractère personnel , cela est plus difficile.
    Et je crains que l’éducation familiale traditionnelle n’habitue plus à « courber l’échine »…
    sauf chez les Antandroy : qui n’ont pas froid aux yeux .

  22. Fred a dit :

    KM>>>
    eoeo ihany hoy ilay tsy mahay manisa e, :)
    fa dia ho faly raha mifandray avy amin’ny alalan’i mydago isika ! Miandry anao HONO :)
    Izaho mbola tsy any fa dia miandry anao aloha ! ;)

  23. Fred a dit :

    Adinoko fa jereo ao amin’Yahoo,
    fa misy MASSACRES any RDC !

  24. Fred a dit :

    Adinoko fa jereo ao amin’Yahoo,
    fa misy MASSACRES any RDC !
    :(
    Tsy hisy any amintsika anie izany, ary anatra ho antsika malagasy, mba hitandrina fa izany no kendren’ny Mpanjanaka !

  25. Fred a dit :

    DE MA PART , VEUILLEZ SIGNER ICI SVP !
    _http://www.afriqueredaction.com/article-signez-la-petition-sur-la-crise-en-rdc-et-aider-nous-a-arreter-ces-massacres–38973398-comments.html

    Ary ity ny mikasika io MASSACRE IO.
    Jereo fa en date du 26.03.2010

    _http://www.jeuneafrique.com/Article/ARTJAJA2567p033.xml0/

    Merci pour votre sens d’humanité !!!

  26. Mao a dit :

    O ry zalahy a, ny ahy dia izao izao no maha lasa sain ahy. Sao dia tokony hijery olom-baovao hitarika io tolona io isika fa tsy mamely daholo ireo mpitarika ao ireo. NY koa mitaty tetika hanakanana io fifidianana karakarain’ny FATY io na mijery hevitra hafa metimety kokoa. andao hifanome tanana fa sao tara loatra lahy.

  27. ony a dit :

    MERCI DE CONSCIENTISER AINSI CERTAINES PERSONNES RESPONSABLES DE LEURS ACTES ET ATTENTIFS AUX CONSEQUENCES DE TELS ACTES…CERTAINS CONCITOYENS…A LEUR ENDROIT, ET, PAR LA MEME OCCASION, SI LES PERSONNES PRECITEES SONT RESTEES SOURDES ET AVEUGLES JUSQU’ICI, J’ESPERE QUE LA LECTURE DU CHAPITRE 16 DU NT ECRIT PAR L’EVANGEILSTE LUC CI-APRES LES REVEILLERA. APRES POUR CE QUI ME CONCERNE »JE M’EN LAVE LES MAINS »(….Comme Ponce Pilate). C’EST DUR, MAIS QUE VOULEZ-VOUS ??? CHACUN RESTE LIBRE DE SES ACTES ET DE SES PROPOS. MAIS CE QUI EST MALHEUREUX C’EST QUE QUAND LES CONSEQUENCES DES ACTES PENLISENT APPAUVRISSENT MES CONCITOYENS, JE NE PUIS RESTER INSENSIBLES NI PASSIBLES. D’UN AUTRE COTE SI CERTAINES PERSONNES FONT DU MAL NON SEULEMENT A ELLES -MEMES MAIS AUSSI A LEURS PROPRES FRERES ET SOEURS DE RACE POUR LEUR FIERTE PERSONNELLE LEUR INTERET PERSONNEL OU POUR LES INTERETS DE CERTAINS PAYS ETRANGERS DONT LA FRANCAFRIQUE EN L’OCCURENCE…IL Y A LIEU AUSSI DE LES METTRE EN GARDE. C’EST UN DEVOIR DE CITOYEN -CITOYENNE !!! EN FIN DE COMPTE SI TOUT LE MONDE ARRIVE A RAISONNER DANS LE MEME SENS = POUR LE BIEN COMMUN VERITABLE = POUR LE BIEN DE LA POPULATION MALGACHE ET DONC DE LA DESTINEE DE MADAGASCAR, QUI GAGENRAIT LA-DEDANS ???? CE SONT LES MALGACHES OUI LES MALGACHES !!! TOUS LES MALGACHES EN SORTIRONT GRANDIS ! LE MONDE ENTIER N’AURA QU’A SALUER LE PEUPLE MALGACHE….ENTRE PARENTHESES, LES ASIATIQUES DONT LES CHINOIS ILS SONT SOLIDAIRES CULTURELLEMENT….ET NOUS AUTRES ??? NOUS QUI AVONS DES ANCETRES ASIATIQUES ??? IL N’EN RESTE PLUS GRAND CHOSE AU XXIe SIECLE ??? C’EST A CREUSER. JE VOUS ENGAGE A PRESENT A MEDITER SUR LE CHAPITRE ANNONCE TOUT A L’HEURE (SAO TARA LOATRA NY FANENENINA = IZA NO VOA ??? SAMY TONGA SAINA ARY ISILA TIA TANINDRAZANA REHETRA ) :

    « La vie après la vie

    Quel passionnant récit que celui qui suit !

    Chacun peut le lire pour soi dans le livre qu’on appelle la Bible. Il se trouve au chapitre 16 du Nouveau Testament. On le doit à la plume inspirée d’un certain Luc, médecin, d’origine grecque.

    Il y avait un homme riche, qui était vêtu de pourpre et de fin lin, et qui chaque jour menait joyeuse et brillante vie.
    Un pauvre, nommé Lazare, était couché à sa porte, couvert d’ulcères, et désireux de se rassasier des miettes qui tombaient de la table du riche ; et même les chiens venaient encore lécher ses ulcères.
    Le pauvre mourut, et il fut porté par les anges dans le sein d’Abraham. Le riche mourut aussi, et il fut enseveli.
    Dans le séjour des morts, il leva les yeux ; et, tandis qu’il était en proie aux tourments, il vit de loin Abraham, et Lazare dans son sein.
    Il s’écria : Père Abraham, aie pitié de moi, et envoie Lazare, pour qu’il trempe le bout de son doigt dans l’eau et me rafraîchisse la langue ; car je souffre cruellement dans cette flamme.
    Abraham répondit : Mon enfant, souviens-toi que tu as reçu tes biens pendant ta vie, et que Lazare a eu les maux pendant la sienne ; maintenant il est ici consolé, et toi, tu souffres.
    D’ailleurs, il y a entre nous et vous un grand abîme, afin que ceux qui voudraient passer d’ici vers vous, ou de là vers nous, ne puissent le faire.
    Le riche dit : Je te prie donc, père Abraham, d’envoyer Lazare dans la maison de mon père ; car j’ai cinq frères.
    C’est pour qu’il leur atteste ces choses, afin qu’ils ne viennent pas aussi dans ce lieu de tourments.
    Abraham répondit : Ils ont Moïse et les prophètes ; qu’ils les écoutent.
    Et il dit : Non, père Abraham, mais si quelqu’un des morts va vers eux, ils se repentiront.
    Et Abraham lui dit : S’ils n’écoutent pas Moïse et les prophètes, ils ne se laisseront pas persuader quand même quelqu’un des morts ressusciterait. « 

  28. zaka a dit :

    ny ranomasina no valam-parihiko iza no niteny an’io dia ataovy tsara ny analyse sy ny logique dia asandrato ny mahamalagasy tsy nisy foko na andian’olona natao an-jorobala t@ izany fa samy manana ny andraikitra sy ny adidiny ny tsirairay dia ampitahao hoe iza afaka hitondra sy hitarika ny vahoaka nahay sy tena nifototra t@ fitiavan_tanindrazana ny MPANJAKA dia ……

  29. Alidera A.R. a dit :

    Mba nahita firenena maromaro ihany aho. Ary mba efa nifanena sy niresaka tamina manam-pahaizana sy ambony fahalalana ihany koa.
    Ny zavatra itovian’ireo olona ireo dia ny fitiava-tanindrazany.
    Ny olona mamnam-pahaizana dia matetika tia tanindrazana.
    Ka manana an’izany hoe manam-pahaizana izany ve isika?

  30. sadic a dit :

    G.B.D!!
    « je crains que l’éducation familiale traditionnelle n’habitue plus à « courber l’échine »…
    sauf chez les Antandroy : qui n’ont pas froid aux yeux . »
    expliquez bien ce qui ne va pas chez les Antandroy, je n’ai pas bien compris si tu dis de bien ou du mal des éducations traditionnelles chez les Antandroy.



  31. Fred a dit :

    Alidera>>>

    raha ny hevitro dia tena manana izany olona manam-pahaizana izany iska malagasy. Saingy indrisy, fa nohon’ny zava miseho hatry ny ela teo amin’ny Fitondràna hatrizay dia tsy namporisika an’izy ireo hiverina any an-Tanindrazana.
    Manam-pahaizana ianao Alidera matoa io fomba fihevitrao hoe ny manam-pahaizana dia Tia Tanindrazana daholo matetika.
    Fa diniho kely anie izao e !
    Mazàna ny manam-pahaizana sy ambony fahalalàna araka ny lazainao, dia tsy mba afaka mifanatona amin’ny sarababem-bahoaka, fa MISEHO MIAVAKA sy MINIA, tsy mba mifampireska aminy!
    Ataoko hoe 1 ao anatin’ny Zato no mba mihezaka miresaka amin’ny madinika, fa raha vao tsy mitovitovy @fahalalàny sy fahaizany dia tsy hitany !
    TSY MARINA VE IZANY ?! saina amintsika malagasy io fa sty miresaka ny Firenena hafa aho.

    Mba jereo kosa, ny MPANAN-KARENA ! Na ataoko hoe ny tombo-tsoa ho azy aaza no kendreny, dia manatona sy mireska amin’ny madinika hatrany izy.
    NA DIA TSY MANAM-PAHAIZANA FIRY AZA !
    Azonao tsara ny tiako holazaina hoe iza !
    Tsara dia tsara ny hanànana ireo manam-pahaizana sy ambony fahalalàna, fa mety ho rasty koa, satria efa feno hafetsene ihany koa !

  32. Fred a dit :

    Ny ahy ny fanontaniana miverimberina ato an-tsaiko dia izao . Azafady fa ataoko teny vazaha :
    Pourquoi les malagasy sont ils avares de compliments vis a vis de leurs compatriotes et même de leurs proches ?
    Ny Firenna any ivelany raha vao misy handokafana kely, na dia zavatra tsy misy antony amintsika aza, dia mandoka hoe : Bravoooo! Tena tsara kosa izany ataonao izany, na koa hoe, tena tsara ny hevitrao, fa tena mila tohanana, na koa hoe tena marian izany saria izao na izao…Tsy mba haintsika malagasy izany, fa dia tazonina any am-po.
    Hany ka na tokony hitohy aza ilay resaka dia manjary mitady hevitra hafa ho avoaka, toy ny manao hoe : marina izany, fa dia avelao any, izay miteraka tsy fifankahazoan-kevitra @ ny farany !

  33. GBD a dit :

    Sadic ,
    tu as la facheuse habitude de comprendre tout de travers…
    si tu lis un peu mes mails sur topmada depuis plus d’un an , tu comprendrias que j’admire particulièrement le peuple Antandroy qui a toujours su être « debout et fier  » malgré les crasses et les oublis de l’histoire (surtout les coups de cravaches du temps des colons , lorsqu’il leur fallait payer le « isan-dahy » malgré leur grande misère…)
    évidemment si tu comprends mieux l’écriture chinoise , c’est un autre problème
    masaîmara et non masaômala , LOL !

  34. GBD a dit :

    drais

  35. Alidera A.R. a dit :

    GBD,
    Pour certains, le sophisme et le syllogisme sont un art pour tromper les gens. Ils essaient même de noyer le poisson devant un pisciculteur…

  36. Alidera A.R. a dit :

    Fred,

    Tsy mino aho hoe ny MPANAN-KARENA malagasy no manantona ny madinika.
    Marina kosa ny voalazanao hoe ireo heverina ho MANAM-PAHAIZANA sy MANANA FAHALALANA ambony dia tsy mahay miresaka ary tsy dia manantona loatra ny madinika. Misy antony ao! Ny voninahitra no antony voalohany.
    Iza no tsy mitady voninahitra raha mbola samy malagasy ihany? ary io anefa no fositra voalohany amin’ny famotehana ny firenena satria ny asa rehetra dia natao mba ahazoam-boninahitra fotsiny. Izay vokany tsy dia manaitra loatra, fa voninahitra aloha.

Emettre mon avis ou un commentaire

Ceux qui ne sont plus capables de faire valoir leurs idées versent dans les insultes et les grossièretés.
Izay tsy mahavita ny mampiseho ny hatsaràn'ny heviny dia lasa manompa sy miteny ratsy sisa.