Cadeau avy any @ Manorohanta
.
Chapeau au « Cadeau du Château »
Eo ampiandrasana ny sazy avoakan’ny Gic sy ny Cps ny 16 martsa, miha-mangoron-karena hatrany ny FAT, manao izay daninin’ny kibony ny mpitondra tsy ara-dalà na, santionany iray ity avoakanay ity, fa maromaro amin’ireo minisitra sy mpitondra ambony no fantatra fa manao fanararaotam-pahefana.Tsy misy aro fanina tokoa mantsy ny fitondrana fa samy mameno ny paosiny izay afaka manao izany. Eto moa izahay MyDago dia mba mandefa amin’ny tranonkalam-pifandraisana izay vaovao marina hitanay.
Chapeau aux Manorohanta !
Ity trano ity dia mitentina 5 Milliards Fmg eo ho eo, Rtoa Cécile Manorohata no tompony. Misy milaza aty Diego fa chateau mihitsy io trano io, ny hazo rehetra ao anatiny dia bois de rose, ny meubles rehetra nafarana avy any Taiwan.
Cadeau
Avy aiza ary ny vola nanaovana io? sa tamin’ireo vola be nomen’ny filoha Ravalomanana ? sa vola taiza ? Ny fantatra mantsy, raha karama-na manamboninahitra ambonyeo anivon’ny Tafika (ny vadiny), miampy ny karama-na mpampianatra mpikaroka (Manorohanta) tsy hahavita toy izao.
Ny vahoaka Malagasy miha mahantra andro aman’alina, mitrongy vao homana, zara raha mitafy.
Ny mpitondra ambony… miha ambony..ambony…ambony hatrany.




le Dimanche 7 mars 2010 à 19 h 50 min
Iaanreo kosa e, sao dia hanaovana EPP io MDR
le Dimanche 7 mars 2010 à 21 h 20 min
Raha ilay trano aloha dia aleoko ihany ny tranonay tafo bozaka any ambanivolo e, ny endriny tsy dia kanto fa toin’ny trano misy lolo izany ity izy?????
Raha toa an’io no mitentina 5 milliards tena menatsa be zakony. Lol!!
Ny maha gaga ahy fotsiny dia hoe taiza doholo marina io vola io???? mazava ho azy aloha fa volako, sy volantsika reehetra no nanaovany an’io e (Hetra), dia zaka normaly nangalarina fa ny karama kolonely kely ny mpampianatra mpikaroka kely ny ankizy anefa homan kanina. Dia ny fomba nangalarana azy koa ahoana??? mba omeo fanazavana kely aho ry reto a
le Dimanche 7 mars 2010 à 22 h 13 min
Mihevitra ireo mpanongam-panjakana fa izay nataona dia tsy hisy tracz ,tsy hisy porofo ,tsy hisy hahalala ,tsy hisy hanenjoka ,tsy hisy hametra-paotaniana toa ny hoe :
« Fa nanefoefa oatrin’inona ireny ^pangalattra ireny no nahavita na nahavidy trano ,taomaobilina toa izao ?
Avy ireo volananoraisiny ,na nalainy ?
Ny karaman’izy ireo ve dia nahafahany nanao izao sy izao ? »
Diaio ary ilay fanontaniana hoe : « Inona no antony izao fidiran-karena haingana sy tsy misy porofo izao ? »
Oui c’est un enrichissement rapide et sans cause ,sans raison !
Azo hampitoviana amin’ny vola noraisin’ireto mitovy lenta amin’izy ireo anie ny vola noditra tamin’izy ireny é !
Sa heverina fa vendrana ny Malagasy..sy ny Fanjakana hisolo azy ireo ?
le Dimanche 7 mars 2010 à 22 h 53 min
Trano kely io dia hankarary fo.Ny force one anan-kiroa mba aiza ho aiza?Ary iza moa no nikaroka an’io vehivavy io hatao minisitra fa tsy i Ravalomanana ihany?Tsy mahay hoy aho io rangahy io fa manaonao foana ka aiza no tsy voahongana tahaka an’i Zafy?Zafy aza angamba mbola manan-tsaina noho io raha natao ny fandinihina.
le Lundi 8 mars 2010 à 2 h 43 min
Dray !! io ny avy aty afara io hitanareo io an. Ny conduite ny eaux usées io mandratsy endrika azy io. Ny ao aloha tsara sady misy miaramila koa no mpiambina ao an!!! Io dia manaporofo ny vola miditra betsaka ao anaty fotoana fohy. Firy taona izy no mpmpianatra mpikaroka tsy nahatsangana io, na izy mbola ministry tamin’ny androndRavalo tsy nahavita, manaporofo izany hoe avy aiza ny vola (= karama 4millions ariary /mois miampy ny container bois de rose sy izay mimi k atsipin’i renimalala ary ny vola ahodina ao amin’ny HAT ao).
HO an’iSSSSSHH: aminao io tranokely satria amy sary, tsy hainao manavaka ny sary sy ny tena izy. Ary raha ny valeur-n’izay tanimbarinareo lazainao fa lasandRavalo dia sur aho fa tsy mahavita ny efitra iray aminio akory nefa dia efa malahelo tahakininona, mitatatata eto foana isanandro ary efa midelire mihitsy. Ary raha izay fomba fitsaranao an’i zafy dia manahy mafy aho ny mikasika ny fahaizanao raha ny Professeur Zafy no ataonao fa tsy mahay raha. Mety ny politika no tsy hainy fa ny fitsaboana mba maro ihany ny aina voavonjiny.
le Lundi 8 mars 2010 à 5 h 42 min
Mbola hiverina @ fanjakana daholo ireo rehetra ireo.
Gagnez dignement votre vie à la sueur de votre front.
Na itsy hotel de ville nahorin’i Edgar aza mety ho kila (hono) satria vola maloto, fa nentiny nanampiana an’i Sankalité ny quota tokony ho nanaovana an’io!
Ny signe avant-coureur ny olona marary fo, dia izay TSY LUCIDE mihintsy ISAKY ny mikôzy, fa taim-bava sisa no moyen! Ary ny olona mpiteny ireny indrindra no ho voa satria manentsina ny sasany anefa ny azy tsy tsapany fa mitsolantsolana tsy misy crédibilité…
le Lundi 8 mars 2010 à 7 h 30 min
AZo eritreretina fa io Ramatoa io mihintsy no nampiditra ny frantsay teto indray e! Satria dia nahazo galona be tamin’ny frantsay nandritra ity fanjakana tsy mari-pitotra ity . kapao fa manimba ny tany e!
le Lundi 8 mars 2010 à 7 h 32 min
Tsy nanoratra an’io tsara(like) sy ratsy (dislike) io aho fa avy aiza io ???
le Lundi 8 mars 2010 à 9 h 10 min
Mahafinaritra ny mijery izany trano mijoalajoala izany. Tsy mba marary fo amin’ny fahavità n’izany trano be izany ny firenena malagasy ry SSSSSHH ô ! aza raisinao toa anao ny olona ka haharary fo satria ny Force One dia heverinao fa an-dRa8 irery koa .
Antsika malagasy daholo ireny hitantsika ireny ka izay manimba na mandoro ireny fanà nan’ny firenena malagasy ireny dia mitovy amin’izay mandrora mitsilany ihany satria volan’ny Malagasy ihany koa no nahatafatsangana an’ireny .
Aiza izao no misy antsika satria naripaky ny mpanongam-panjakà na daholo ny harem-pirenena efa nijoro sy nitombona ara-dalà na teo ? Latsaka anaty kizo tanteraka ny Malagasy,tebiteby, horohor,tsy fisian-kohanina ,ho tafiana, fijaliana tsy misy farany, izany rehetra izany no hiainana isan’andro .
le Lundi 8 mars 2010 à 9 h 18 min
Siosion-dresaka fa isan’ny trano nivoaka avy amin’ny fampiasà na tonelina hono io koo ! Asa !!!
i Voninahitsy sy Charles ary Lilison no mpandavaka tonelina tao hono!!!
le Lundi 8 mars 2010 à 9 h 32 min
Mahafinaritra ny mijery izany trano mijoalajoala izany. Tsy mba marary fo amin’ny fahavità n’izany trano be izany ny firenena malagasy ry SSSSSHH ô ! aza raisinao toa anao ny olona ka haharary fo satria ny Force One dia heverinao fa an-dRa8 irery koa .
Antsika malagasy daholo ireny hitantsika ireny ka izay manimba na mandoro ireny fanà nan’ny firenena malagasy ireny dia mitovy amin’izay mandrora mitsilany ihany satria volan’ny Malagasy ihany koa no nahatafatsangana an’ireny .
Aiza izao no misy antsika satria naripaky ny mpanongam-panjakà na daholo ny harem-pirenena efa nijoro sy nitombona ara-dalà na teo ? Latsaka anaty kizo tanteraka ny Malagasy,tebiteby, horohor,tsy fisian-kohanina ,ho tafiana, fijaliana tsy misy farany, izany rehetra izany no hiainana isan’andro .
Ie ! EPP. na Lycée; na Hôpital,na Mairie,na Maison des jeunes, sns, sns io trano nandaniana volam-panjakà na io ry Zora dia tena mety â!
Mino aho fa tsy ho sarotiny amin’izany i Manorohanta ho fanasoavam-bahoaka malagasy .
le Lundi 8 mars 2010 à 11 h 44 min
Izany no mahatonga an-dry zareo rehetra ireo mbola mitampikitra eo amin’io fitondrana FAT io. Raha miala eo mantsy izy, dia mety ho tonga ny enquête manadihady ny fomba nanorenany ny trano sy ireo harem-be voaangony. Ary izay mihitsy no tokony ho izy rehefa miverina amin’ny laoniny ny fitondrana.
Ny ankabetsahan’izy ireo dia mody atao amin’ny anaran’olo-kafa ny tranobe sy ny fiara manjelatra. Indrisy nefa toa tsy tsapany fa ny harena azo tamin’ny makarakara anie ka hivoaka amin’ny loadoaka ary tsy ho lovan-taranaka akory. Mihevitra izy ireo fa ho maraina ho azy ireo lalandava ny andro, ary hamiratra foana ny masoandro. Tsy maintsy ho tonga anefa ny hariva, hosoloin’ny alina…
le Lundi 8 mars 2010 à 12 h 36 min
HoAiza>>>
Mba misy resaka momba an’ireto sites :TopMADA sy MyDago ireto ve any Dago sa…..?
Misaotra mamaly e !
le Lundi 8 mars 2010 à 14 h 04 min
fa maninona no izany no atao resaka ?sao misy zavatra mahasoa ny Firenena tokony ho resahantsika mianakavy?
le Lundi 8 mars 2010 à 14 h 30 min
Roahy Domelina ary e ! aleveno velona ! Izany izao no zavatra mahasoa ny Firenena, fa efa tofoka sy leo azy ny vahoaka amin’ny havendranany !
Izay r’i Kristelle no hitako hoe resaka mahasoa antsika a
le Lundi 8 mars 2010 à 18 h 39 min
Soa leka lay trano kanefa manahy mafy aho sao tsy iadanana izy io satria nahorina @ fototra faty olona alahelo-mbahoaka ranomaso ny kamboty sy famadiana tanin-drazana. Tsy mialona akory ny tena satria efa anjarany io nefa izao no tokony ataony an-tsaina « bien mal acquit n’en profite jamais »
le Lundi 8 mars 2010 à 20 h 07 min
Hé MyDago,
- tsy mandeha ny radio Fahazavana.
- Ny radio GASIntsika 89.6 kosa dia ao tsara: resaka Zafera ao @ FIGN + faits divers
tous raménés sur la situation que nous continuons d’endurer!
JAdmirable le monsieur: très calme, dégage une bonne maîtrise de soi tout le long, très enrichissant, …
Misimisia ny toa ireo. Mila izany ny firenena manoloana ireto fitondrana HAT sady mahavita mamono toa ny parasy mitondra pesta, no efa maivana rahateo toa ny volomborona!
le Lundi 8 mars 2010 à 20 h 12 min
zany famonoana olona izany ve mahasoa?tsy tafiditra ny vanjkakan’ny Lanitra anie izay mamono olona e! miteny aho izay
le Mardi 9 mars 2010 à 9 h 33 min
KRISTELLE A!
FA IZA KAY NO NAMONO OLONA ? VALIO KELY AZAFDY RAHA TSY MAHADISO RY CHRISTELLE A!
le Mardi 9 mars 2010 à 11 h 04 min
Ary ity trano toa mitovy loko @ tailleur n’i Mialy tany Mapotu !
Ohatra ny nasian’olona tamin’ny coleur MANGA izy mianakavy !
Véro, à propos, tandremo izay hividy trano, anontanio tsara any @ service ny domaines ny titre fa saika very vola i Tantine ko, il y a 3 mois. Ny titre n’ilay trano hono amin’ny anaran’olon-kafa fa tsy amin’ny anaran’ilay mpivarotra milaza fa tompony. Raha nanao sonia (compromis de vente) dia saika very vola.
le Mardi 9 mars 2010 à 11 h 10 min
O ry NadiaRakrisy a ! Mba toroy hevitra aky i Mialy fa tena tsy alehany mihitsy ilay tailleur manga beny fa sao dia ataon’olona foana hoe : Tanavo niakatra ville !
le Mardi 9 mars 2010 à 11 h 15 min
Hadinoko, rehefa manao trano ianareo @ manaraka ry NadiaRakrisy dia mba ataovy couleur CHAUDE ny rindrina fa lasa tena FROIDE be manimba maso !!!!
le Mardi 9 mars 2010 à 12 h 57 min
hihihihi!
enao ve ry Babyfoot tsy maalala hoe: izany no atao hoe gout -poza aaaa!!!!!!!!!!!!! hihihih
le Mardi 9 mars 2010 à 15 h 20 min
allo allo aza idina i mydago e!
le Mercredi 10 mars 2010 à 10 h 18 min
nanah,
Ka zà ange nihevitra fa hoe an’ny tanora ny l’an 2000. Dia noheveriko fa « desing » be ny atandr’i zareo, kay loza !!!!!!!!!
le Mercredi 10 mars 2010 à 10 h 35 min
Mba manontany tena aho, ary maniry mafy ny mba hisy, raha misy olona avy any an-tsiraka manoratra eto.
Avy any Toleara, sy Diego, indrindra indrindra ary ireo Province efatra hafa.
le Mercredi 10 mars 2010 à 17 h 31 min
Coucou Bab’s
Misaotra amin’ny torohevitra. Saingy izao anie retsy e na manana titre sy borné ary ny taninao, indray mipimaso dia efa lasan’ny mahitahita. Izay no atao hoe FANJAKAN’I BAROA.
Ny Président Ravalomanana foana no lazaina naka tanin’olona fa ny ankehitriny dia tsy misy fampitahana azo atao. Ataovy fotsiny ny vidiny ilanao azy dia omeo ny sampan-draharaha mikarakara fa na tanin’olona ary io vitany amin’ny anaranao.
Ny masonao sisa no hany mijanona hitomanianao.
le Jeudi 11 mars 2010 à 0 h 07 min
Fred: Misy manoratra eto ny avy any antsiraka ak !! Diego moa izany eh!!. Saingy tsy hitako indray izay ny article nanomboka ity herinandro ity asa na efa nahazo intimidation koa tsy haiko.Satria ny azy dia ny anarany mihitsy no ataony eo. Mamoaka articles eto izy mikasika ny Diego sy Sambava sns iny. Mamaky tsara dia azo ny tiany lazaina satria mila mitandrina izy fa tsy afaka manao torapo eto noho ny antony efa fantatrareo ihany eh!!!. tsy prolegaliste daholo mankony izay mijery ity site ity.
le Jeudi 11 mars 2010 à 5 h 23 min
Ireny olona ireny n henatry ny Oniversite n’i Madagasikara (satria Recteur ny Oneversiten’i Antsiranana), ireny olona ireny no henantry ny Tanindrana, henatry ny faritra Antsiranana, henatry ny Malagasy, henatra eo @ firenena mihitsy satria sady mahay mamadika palitao, no mangalatra fahefana ary mora notsoloran’ny Frantay vola sy medaille.
Mpamosavy mandeha @ alina moa aza misy mahita ka ahoana moa no tsy ahitana io Chateau-nao atao eto @ tanin’i Arivolahy Tsy Maty Indray Andro (raha tsy diso aho)? sady vola azo t@ fanonganampanjakana
Ho avy ilay andro…dia ho tadidinao ity teniko ity hoe zavatra azo t@ makarakara tsy maharitra ela sady miampy ny alahelom-bahoaka.
Aleo enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny heritreritra
le Jeudi 11 mars 2010 à 7 h 20 min
Hita ihany hoe vola azo t@ kilaodaoka é! tsy misy goût mihitsy! zao ve no mba tranona-VP ministra, hihii tsy misy classe mihitsy ka! izao ny alehany rehefa vola halatra ka! sady alahelom-bahoaka, aiza no tsy ho tratra akia indry ry manorohanta a!
le Jeudi 11 mars 2010 à 7 h 28 min
Hadinoko fa mety ho hampanofainy angamba io trano io, na atao guest house hihihihi Tsy mamely é! vola azo t@tsy marina.
le Jeudi 11 mars 2010 à 9 h 53 min
Grave ireo olona ireo. Asa raha mbola olona ihany ?
le Vendredi 12 mars 2010 à 21 h 58 min
Salut daholo,
Raha io trano io dia mety ho château ny ra sily, na koa mety ho tombeau an’i rasily.L’avenir nous le dira mes amis.Tsy maintsy mandresy ny tolona sy ny marin’ ê.
le Lundi 15 mars 2010 à 14 h 41 min
salut daholo e!
tsy zakany mankany an- danitra raha io trano io e,mitondra fahoriana ho azy ary io!saody tokony atao mafy amin’izay ny tolona tsika ta
le Lundi 15 mars 2010 à 17 h 00 min
Afaka
marina fa tsara lavitra ny bungalow « ethniques » , na trano gasy « sokera » biriky mena ,ho anaovana « guest house » , tsy izay « clapier » (cage à lapins)…
le Lundi 15 mars 2010 à 18 h 10 min
Misaotra namaly Maevanilla ! Ny malaza amin’ny vazaha mantsy dia hoe:
1) ny Merina hono MPANANDEVO ny avy any amorontsiraka
2)Ny ankizyvavy ao Tanà hono 12500 FMG (oui FMG) dia lasa, satria mahantra mitady vola
3) Izao no fotoana fividianana Tany fa morabe satria mitady vola hono ny gasy !
4) Con hono i Dada satria ny any amorontsiraka hon manaraka TGV daholo !
Ha ! dia nahazo paquet tamiko ka !
le Lundi 15 mars 2010 à 19 h 02 min
nino anaro baka Antsiragnana agny tegna olo magnavakavaka ,vandy fo anaro tia olo jiaby io zegny ,izy koa dreky anao pivvarotra be korontagna fa tombo tagny anao boka zegny valovontaka ka aza misolo vava i ro agny
le Jeudi 18 mars 2010 à 21 h 56 min
Karà trano hafa io e!!
le Samedi 20 mars 2010 à 18 h 01 min
Tena tsy ilay chateau io sary avoaka eto io. Trano kely io. Rehefa mba hamoaka ihany tsy aleo ve mamoaka ny marina? Saingy inona moa no olana raha mba manana ny malagasy?
le Samedi 20 mars 2010 à 18 h 03 min
Tsy ilay chateau ange io sary avoakanareo io!
Trano kely tsy dia mankaiza io.
Aleo mamoaka ny tena izy rehefa hamoaka ihany fa manjary manimba saim-bahoaka fotsiny!
Saingy inona moa no olana raha mba manana ny malagasy e?
le Samedi 20 mars 2010 à 18 h 36 min
NY OLANA, DIA MBA NISY MALAGASY NIEZAKA MBA AMPANDROSO NY FIRENENA, DIA NOPOTEHANA NY ZAVATRA VITANY !! ANY NY OLANA !
IZAO NY MALAGASY REHETRA NO VOASAZY !
le Samedi 20 mars 2010 à 18 h 39 min
30 € izany dia mahazo iray isan’andro ! Hitako tamà na ry zalahy !
le Samedi 20 mars 2010 à 19 h 03 min
30 e
le Samedi 20 mars 2010 à 19 h 04 min
inona no dikan’izan ry Kintana
le Vendredi 26 mars 2010 à 20 h 27 min
o Re Olona
mipetraka aty avaratra izahay fa tsy izy ary tsy an’i Cecile M io trano io fa hafa.
mba eritrereto tsara hoe io ve de ho 5 milliards ny tetibidiny.
ary na izany aza aza dia ratsy saina . mba ny fiainanao andaniana eritreritra fa aza misaina negatif ny sasany
mba miova amin’ny fanavaozana ny saina di ho fantratrao ny sitrapon’Andriamanitra amin’io fiaiananao iO.
le Mercredi 5 mai 2010 à 9 h 25 min
[...] par ailleurs que selon MyDago, cette dernière s’est offerte récemment et au comptant une nouvelle maison dans son fief d…, simple coïncidence ou enrichissement illicite en rapport avec l’argent détourné de la [...]