Fankalazana ny 29 martsa teo Ambohijatovo
« adim-bahoaka »
Mananontanona ny ady an-trano ? izay no zavatra hita teto Ambohijatovo tamin’ity tontolo andro ity, hiram-pivavahana sy hiakam-pitolomana no ré nataon’ireo mpandala ny ara-dalana raha fihantsiana kosa no nataon’ny mpomban’ny TGV. Vokany raikitra ny adim-bahoaka.
« Foza »
Nikasa nametraka fehezam-bonikazo fahatsiarovana ny mahery fo tamin’ny fitolomana ny vehivavy legalista kanefa vava basy no nasetrin’ny miaramila izany. Rehefa tonga tsikelikely ny mpitondra Fat toa ndry Vital, Rakotonandrasana , Rakotomihantarizaka Organes izay nihantsy ny vahoaka legalista mihitsy tamin’ny alalan’ny ilay tanana nahafantarana ny Foza « V », dia tonga ihany koa i Andry TGV, horakoraka tsy fahafaliana no nasetrin’ny vahoaka izany, raikitra ny hoe : » iza ireo voasazy ireo, zerô, sns… »
Tsy naharitra ora iray akory no nipetrahan’ilay fehezam-bonikazo teo amin’ny tsangam-baton’ny 1947 napetraky Andry Rajoelina dia noesorin’ny vahoaka teo ary nosoloany ilay fehezam-bonikazo ny vehivavy legalista.
Hita taratra androany fa efa :
- sahy ny vahoaka, tsy nisy fahatahorana intsony tao anatiny na dia teo aza ireo herim-pamoretana nahatsiravina tonga teny.
- mihorokoditra ny TGV, hita tsy mahatoky tena intsony ; afindra etsy, ahisaka eroa ilay « tapis rouge » tsy fantany intsony izay hametrahana azy.
- Tsy any amin’ny Andry Tgv intsony ny olona, efa endrika iray hitarafana fa tsy mahazaka olona intsony izy, ankoatra ireo « 4-mi » kely be dia be (jereo ny sary).
- Leo ny vahoaka, azo inoana fa fanombohan’ny fanoherana mivantana « imasony » ireny ataon’ny vahoaka ireny.Tsy ho sahy hiseho imasom-bahoaka amin’izao intsony Rajoelina raha tsy hoe hampiasa herim-pamoretana be dia be toy ireny indray angamba!
- Afa-baraka ny fety nokarakarain’ny Fat androany.Tsy fahombiazana ireny, maro ny fitondranam-panjakana nankalaza ny fetin’ny 29 martsa fa niavaka ny androany « voa-hogahogan’ny vahoaka ny mpanongam-panjakana »


le Lundi 29 mars 2010 à 17 h 13 min
tena raikitra ve aloha ilay ady sa tsia e! raha ny fahafantarako azy mantsy dia toa tsy nifampikasika ny roa tonta . Tena mazava mihintsy fa ady an-trano no tadiavin’ireo satria dia nisy izany karana roa lahy namporisika ny maivandoha izany . Atao ahoana moa fa dia efa mba misaina anie izany ny olon-dehibe fa dia ny 4 mis sisa no ampiasaina e! O ry mpitondra Fivavahana o ! tohizo ny fanabeazana olom-pirenena vanona . Mba tsy hiisy mandrakizay ani izany adin’ny samy sivily izany fa aleo ny miaramila no hifamono raha mety e!
le Lundi 29 mars 2010 à 17 h 21 min
miandry vaovao aloha e!!
le Lundi 29 mars 2010 à 17 h 22 min
Tsara ho anareo izay ry mpivarotra sy mpasmadika tanindrazana. Ny fehezam-boninkazo napetrakareo angaha heverinareo fa hahafafa ny alahelon’ireo maritiora namoy ny ainy hanafahana ny tanindrazana amin’ny vahohon’ny mpanjanaka kanefa namidinareo ambongadiny tsy misy indrafo amin’ireo mpanjanaka indray ? Ary moa heverinareo fa matimaty foana izy ireo ka tsy hahita ny ratsy ataonareo any an-danitra misy azy any ? Ianareo no efa maty eritreritra, dihy sy lanonana no atao amin’ny androm-pahatsiarovana ireo maritiora ary ny toaka aza nibananaka.
Ifalio aloha ny androany fa ny ampitso mbola tsy fantatra.
le Lundi 29 mars 2010 à 17 h 23 min
EFA MAHORAKA ATY IVELANY DAGO FA AFABARAKA I RAJOELINA SY NY FAT FA DIA MISAOTRA ANAREO ANY E METY TSY AHARITRA 26 JUIN INTSONY IO E , ALEO HANAO IAHANY EEE
le Lundi 29 mars 2010 à 17 h 30 min
vero â
niova ilay zavatra
le Lundi 29 mars 2010 à 17 h 30 min
Aza mitantara valamaty eo re e! Maninona tsy lazaina ny marina?
Izao no tena zava-marina sy nisy! Nikasa hametraka fehezam-bonikazo teo Ambohijatovo ireo misora-tena ho legalista mpanakoronta niisa teo amin’ny 200 teo ho eo tamin’ny 11ora atoandro. Tsy tonga anefa ireo mpitarika ireto legalista fôpla ka nilainy vanina ny fikarakarana ny hetsika napetrak’ireo tompon’andraikitra mahefa mitantana ny Tetezamita! Rehefa tezitra tamin’ireo mpitarika ny legalista fôpla dia nila vaniny sy gafy fotsiny izao! Tsy legalista izany ireo fa MPANAKORONTANA SY VITSY AN’ISA TSY MAHAY MIAINA! Ianareo mitonona ho legalista fôpla ireo mihitsy no mikatsaka mafy ny isian’ny ady an-trano satria tsy nisy nahomby ny tetika rehetra nokasaina natao! Ny hany herinareo farany dia ny hikotrika ady an-trano mba hidiran’izao tafika avy any ivelany izao! Tsy ny mpitondra amin’izao fotoana izao mihitsy anie no ho fatifaty foana eo fa ianareo e! Vitsy an’isa ianareo fa mipetraha tsara! Olona tsy mihoatran’ny 500 ve ho vahoaka e! MBA TARIHO NY OLONA ANY AMIN ‘NY FARITRA RAHA ZAKANAREO! maninona tsy mba midina manangona olona any amin’ny faritany e! Sa efa kely ny sôsy alefan’i dadanareo ravalonandra ka tsy mahenika ny fanakaramana olona marobe intsony?
Tsy miptondra fivavahana izany ireo lazainareo ireo fa olom-boavidy mba hampiasa ny tenin’Andriamanitra amin’ny ratsy! ka i Satana no hivavahany ka mody ovainy ho Andriamanitra ny anarany! Mbola hanody anareo izany fa ny tenin’An,driamanitra tsy filalao ary mahery ka tsy azo hanaovana fanakorontanana! TSY VAHOAKA IANAREO FA IZAHAY MIARAKA AMIN’I ANDRY RAJOELINA NO VAHOAKA! MIPETRAHA TSARA FA VITSY AN’ISA!
le Lundi 29 mars 2010 à 17 h 45 min
misaotra tamin’ny vaovao ry vahoaka a!!! tsara anie ny mihaino feo dakolosy roa e!!! fa ny tiako ho fantatra d to oe vaosolo ny voninkazo napetraky radomelina teo Ambohijatovo? ahoana ny fanamarinan’izany? la majorité silencieuse que nous sommes sont representés par les partisans de ravalomanana. fa izao e!! avelao any an trano ny basy sy ry lilison d handao hampiseho hery fa ho hitanao izay matanjaka. Ahoana moa izahay no tsy vahoaka? izahay ny vahoaka nifidy olona tianay hitantana any Madagasikara fa tsy to an radomelina izay nibodo toerana fotsiny izao. Sady io ve d atokisana raha ho lany eo e? mpamadika, tsy mitana ny teny nomena azy… raha averina ny teninny tany aloha tany d oe izaho tsy hitomany ho pst de Madagasikara kanefa izy efa nanomboka propagande. Aiza ary ny CENI amin’izao e!!!
le Lundi 29 mars 2010 à 17 h 52 min
Fa iza aloha no tena tsy nitana ny teny nomeny e! Tsy ravalonandra tamin’ny 2002 tany dakar ve? sa nanaraka atsakany sy andavany ny fifanarahana tany dakar izy tamin’izany? Marina mihitsy fa nopotehan’ny legalista fôpla ilay voninkazo napetrany ka nosoloiny ny azy teny Ambohijatovo! tsy olana ange izany e! izany ve no legalista? naninona raha samy napetraka teo ny voninkazo raha tena demokraty sy legalista marina fa maninona no mamotika zavatr’olona? sa izany no toetra mendrika nampianarin’i dadanareo? Aminay vahoaka izany dia toetra mirefarefa amin’ny tany fa tsy fahamboniana velively!
Raha tena vahoaka ianareo naninona koa tsy nanao hetsika tany Moramanga? naninona tsy nentanina koa ny olona tany mba hanao ny toetra ratsy nataonareo tetsy Ambohijatovo? sa eo ihany no zakan’ny vola hanakaramana jiolahim-boto?
le Lundi 29 mars 2010 à 18 h 20 min
Ndriiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii !!
Izao ve vao afaka ny hatezerana sy alahelon’i vahoaka, nahita an’ireo legalista niatrika an’ireo miaramila ! Fehezamboninkazo ihany anie no teny an-tanany, ka saika natao inona ireto miaramila ? Hiaro an’i Domelina ? Olona mamim-bahoaka izany anie tsy mila harovana miaramila ê !
Tokony mba ho bôgany kely ny zanak’i vahoaka, ao amin’ilay sary navaokan’ny Collectif GTT, fa dia hita mihintsy fa foza kely !!! Jereo anefa ny sarin’ny zanak’anabaviko, ilay sipa kely manao raoziraozy io ! Hafa ihany ê !
le Lundi 29 mars 2010 à 18 h 20 min
Fa angaha nisy fametrahana fehezam-bonikazo Vero tany ?! Dia mba afaka nandray tanana ny tena vahoaka ve ny Foza ? sa ny niaraka taminy ihany no nadray tanana ny Mpivaro-tanindrazana ?
Ny miaramila angamba no noraisiny tanana tao o ?!
Mba tianay ho hita raha nisy video !
Ny mpanao gazety nofidiana sy nolazaina hilaza avendrànana no sur fa tonga tao !
le Lundi 29 mars 2010 à 18 h 30 min
Ahoana indray ry zareo ity Paopôlita tonga ao Lafrantsa ao ity ? Hijery an’i DIOUF hono !
Dia mba nivaoka tao Ivato sa dia tany Nosy Be no nitsaoka ?
Midika izao fa TSY MIRAHARAHA AN’ NY COMMUNAUTE INTERNATIONALE NY FRANTSAY !!
ALEFASO RY ZAREO NY MAIL SY NY TARATASY REHETRA AN !!
le Lundi 29 mars 2010 à 18 h 36 min
Ao amin’ny site-n’ny Collectif GTT ny sary androany ry mbola â !! Tsy anisan’ny proprio Mydago ny tenako, fa kintana kely misy rambo tsara tarehy, manoro an’ny foza indrindra indrindra hoe, aiza ny lalana misy ny ara-dalàna !
MDR !!
le Lundi 29 mars 2010 à 18 h 39 min
Io any ilay nolazaiko hoe : Tena tsy alehany ny voalazan’i Abdou tamin’ny interview nataony e !
Mpiasan’ny frantsay anie lemaizina io e !
Tsy maintsy ho voateny le dondrona io hoe tereo ny UA tsy hanaraka ny tapaky ny CI na ny SADC. MANAO RAPPORT E dia mahazo vola e !
Ny iray koa, mitsaoka i Paopolita fa mamay ny raharaha.
Manararaotra : AZA MISY MI-CLIQUER ilay comment rating fa tena poizina hamely anao, satria GBD toa tsy tafiditra eto amin’ny MyDago izao !
le Lundi 29 mars 2010 à 18 h 55 min
Ity ny vaovao tsara e !
http://collectif-gtt.org/category/defaut/plus/en-direct-madagascar
16H54: Nidina eny amin’ny Kianjan’ny 13 MAI ny légalistes. Misy sono mobile manentana ny olona. Sahia ry Malagasy, mijoroa ry olo-marina!
Nahavita nametraka ny fehezam-boninkazo manoloan’ny Tsamgambaton’ny Mahery fo ny légalistes.
Voatora-bato sady voahaorakoraka i Andry TGV lehiben’ny mpanongam-panjakana. Tsy sahy nanao « bain de foule » tahaka ny fanaon’ny filoha Marc Ravalomanana ny tenany. Niala « en catimini » teo Ambohijatovo.
Vakio sy jereo ny video eo ambany !
le Lundi 29 mars 2010 à 18 h 58 min
Mba jereo kely izao hidim-baravarana izao ry zareo, azafady â !
Sa niha natavy i GBD ka tsy tafiditra ??
MDR !!! jaoky jaoky kely ô !!
le Lundi 29 mars 2010 à 19 h 12 min
Coucou GBD !
Fa naninonas aky no niova ny progany ?
Avelao hanaonao foana eo ilay bitro voalavo sy ny mpanampy azy fa hahita ny lozany satria mpamadika tanindrazana.
Ary ireto mpitondra fivavahana katolika ao Antananarivo ireto dia tena mpisolelaka an’i BV mihitsy (bitro volavo e !). Efa hita fa mpanongam-panjakana, mpampijaly vahoaka, dia mbola indraindraina ihany. Sa te hoderaina amin’ny HMF fa tena akaikin’ny fon’i BV ?
le Lundi 29 mars 2010 à 19 h 29 min
Tsy ratsy mihitsy ny valiteninao KM ! Sady Poetika no politika FA TSY SADIKA !
MDR !
Tandremo ihany rambo fa mihaodihaody ny foza, fa pinces be manadala anie no miandry anao e !
le Lundi 29 mars 2010 à 19 h 40 min
Nahoana moa raha avy hatrany dia noriatana teo i BV e! asa aloha fa tena tahaka ny efa mila tsy ho aritra intsony izy izany e !
le Mardi 30 mars 2010 à 0 h 42 min
Ireo fratsay ireo dia tena manitsaitsaka ny zon’ny malagasy mhintsy ny amin’ny nanomezany visa an’ireo voasazy, koa ho vidiany lafo izao. Na i lilyson aza moa namany efa nampitahotra azy.
le Mardi 30 mars 2010 à 1 h 10 min
Riatana ahoana kosa izy na dia izany aza ry « Fandresena tena izy » â : efa mba tsy hitany intsony koa aza anie izao izay tokony ataony na handroso na hihemotra ê ! Izao no atao hoe:
» Latsaka an-katerena »
Toa tsy misy dikany akory izany antsoina hoe :
« Monsieur Le Président » raha izao no fandehany .
Sady efa malaza ho » Sans qualité » koa.
Tsy aleo ve rangahy mipitika sao miakatra be eo ny tosi-drà â !!!
le Mardi 30 mars 2010 à 4 h 12 min
Sahy tokoa ny vahoaka.
Tonga teny ny tenanay, ary nohetsehin’ny hafaliana ny fo nahita ireto vahoaka, vehivavy – soa fa nanao ambony ankanjo fotsy ihany koa.
Teny Ambohijatovo vao ny maraina dia efa nisy ny fanisahana ireo Foza tafiditra tao anaty vahoaka légaliste.
NY SUPPORTER AN’I TGV DIA TENA HITA FA IREO 4′mis, notambazana iray alina ariary farafaha-keliny(angamba).
Misaotra an’ireo mpitandro ny filaminana teny Ambohijatovo: ireo izay TSY NITANA BASY.
« Tsy naharitra ora iray akory no nipetrahan’ilay fehezam-bonikazo teo amin’ny tsangam-baton’ny 1947 napetraky Andry Rajoelina dia noesorin’ny vahoaka teo ary nosoloany ilay fehezam-bonikazo ny vehivavy legalista. »
Nisy lehilahy nianika teny ambony mihintsy nametraka ny ambim-boninkazo, avy teo nanao hiankin’ny fandresena.
Misaotra tompoko ô, samia mahereza!
le Mardi 30 mars 2010 à 6 h 08 min
bravo bravissimo , ry vehivavy legalista rehetra ! Mbola santionany fotsiny izao fa mbola ho avy ny manaraka eeeee
le Mardi 30 mars 2010 à 6 h 14 min
Ho ani’i « Fandresena »
1 ) Hita mihintsy alou enao fa tsy teny eh!
2 ) Nijery télé ianao sa tsia?
3 ) Na ny TV Plus, na ny Ma TV, Na koa ny télé-an’i Foza aza mba namoaka (viva)
4 ) Ra nijery ianao, dia hitanao tsara angamba ilay bandy voatsipaka be iny, avy eo voan’ny vato be, tena naratra mihintsy!
5 ) Ireny no zavatra niseho télé, fa ny tsy niseho mbola manginy fotsiny, ohatra : i richard ravalomanana dia voahompa, voatoraka tavoahangy, voatoraka jus, ary nofelahan’ny vehivavy, Naninona izy no tsy nahavita nanapoana anay teny ambohijatovo? hihihi, tena faly aho, faly.
6 ) Manaraka izay, ilay membre ny choral ireo fefi (foza) izay mbola taraiky tany aoriana tany, nataon’ny olona najifa mihintsy, voadaka, voafelaha, voatondraka rano, voahompa, voasitom-bolo, sns……..
Ny tenako indray no nalahelo, nalahelo amin’ny lafiny iray, nefa faly kou amin’ny lafiny iray satria tadidio ny zavatra nataonareo vao tsy ela akory izay fa vao heritaona monja (ahoana mou no nanaovan’ny olona an’i Pasteur Lala Rasendrahasina? izay ilay atao hoe : « NY TODY TSY MISY FA NY NATAO NO MIVERINA »
Dia mbola tsy tonga saina ihany ve ry foza? efa signe lehibe ireny teny ambohijatovo ireny, matoa tsy sahy nanapoaka dia ao raha!
Marque de la faiblesse des militaires face à des milliers partisans légalistes! environs (50 000 personnes)
le Mardi 30 mars 2010 à 6 h 14 min
Tena mendrim-piderana ireny fihetsika nataontsika mianakavy mpomba ny ara-dalàna ireny!… Misaotra eram-po eran-tsaina ho antsika rehetra e!… Ary aoka ho tohizana amin’izay ny tolona fa tsy hihemotra intsony!
Ho anareo mpitondra FAT ireo, indrindra ianao Atoa Andry RADOMELINA: ho tonga izao ny fotoana ahafantaran’ny olona ny momba ny resaka « bois de roses » io sy ny vola nangalarinareo izay an’ny vahoaka ka hifikiranareo amin’io seza io. Tsy fitiava-tanindrazana akory ny anareo fa fitiavam-bola…. Ho apoitranay amin’izay ny marina ka ahafantaran’ny olona ny vola 263.000.000 US$ azonareo tamin’ny nandefasana ny conteneur 273 tany ivelany teo. Ho atsikafinay amin’izay NY TENA MARINA sy ny tsikombakomba ataonareo rehetra ao, indrindra io vazaha be Camille Vital io… TSY HO ELA IZANY FA AZA MATAHOTRA IANAREO RY VAHOAKA FA HO HITANAREO AMIN’IZAY NY MARINA MOMBA NY HALATRA SY FANODIKONDINAM-BOLA ATAN’IREO FAT-N’ALIKA IREO!
le Mardi 30 mars 2010 à 6 h 21 min
Ny zavatra tena nampihomehy anà, dia izao: ho an’izay teny angamba dia nahita tsara an’ilay bandy foza orana be, lava volo, nanao akanjo menamena iny.
Mba niseho namakivaky ny légalistes sady nanao vava, hay, poa tahaka izay, dia indro nisy vehivavy izay nitsipaha azy, nisy izay koa nandaka, ny hafa nisintona ny volony, snns… nifandritahan’ny olona teo, ….. tena nisy volo nihongotra mihintsy! rovitra ny akanjony, sns……..
Tena saika maty razoky…. raha tsy nisy légaliste hafa niteny oe avelao am’zay izy handeha fa efa ampy hisainany izay daroka nahazo azy izay!
Ity no tena napmé : laza razoky niseho nitaraina tamin’izeo miaramilan’ny RM1, noheveriny fa mbola hanampy azy angamba ireo miaramila, hay inona no navalin’ity farany? ANDE ELA MIALA TETO FA EFA HITAN’LA FA VAHOAKA ROMOTRA IREO KOA INONA NO MBOLA AHAIZAN’LA VAVA AZY EO IHANY? tapatapaka ny tsinainay nahita an-drazoky niala maina, nijaikojaiko nidina tany analakely iny! hihihihi hohohooo………
Ny tenako rahateo moa teo akaiki’ilay miaramila ka henoko tsara ilay resaka!
le Mardi 30 mars 2010 à 6 h 35 min
Mba miovaha amin’izay oa ry zareo ah,
dia mbola tsy tonga saina ihany ve isika?
1 ) I tgv efa saika tsy tafavoaka tany amp-piangonana tany Moramanga fa ny miaramila no nanafaka azy tao, ny olona mantsy efa niadry azy tety ivelany, aleo tsy hampisehony télé eh, ho hita eo ihany,
2 ) Toraka izany koa ny teny Mausolé, ny mpianatra ankatso efa niandry azy teny, tsy haiko alou ra niseho télé ilay mpianatra maro be (environs 20 000 pers) teny na tsia eh,
3 ) Ny teo ambohijatovo moa dia tsy lazaina intsony!
4 ) Ny zavatra niarahana sy ny hita nataon’ireo olona maro be ireo dia ny (nikiakiaka, nihorakoraka tsy fahafaliana, nisy mihintsy aza tora-bato goavana, bouteille en plastique, hazo, izay voatsirambin’ny tanan’olona dia natsipy teny amin’ireo mpikambana ao amin’ny fat sy i tgv avokoa, izany no marika fa tsy manaiky ny vahoaka an’tapitrisa maro)
Sady tsy mahatsiaro afa-baraka mihintsy! ny teo ambohijatovo no tena tiako ho tsindriana.
Ohatra ny mahita film izany aho: Le hitanareo ilay misy sipa miakatra scène dia tsy mahay mihira dia voahorakoraka, sady voatoratoraka? ireny no tonga tato an-tsaiko,)
Ny tena napmé ana aloa dia vao tonga 5 minute dia nametraka ilay couronnes, dia iny nijaikojaiko lasa nirifatra, tsy sahy niperaka 1 minutes de plus, efa tsy sahy nandray fitenenana akory aza!
hihihiihiihihihiihhiihi
le Mardi 30 mars 2010 à 6 h 46 min
Vao tery ambany teny @ Avenue izahay mandra-pahatonga teny ambony, dia misy karazana mouvements d’ensemble miara-mirona daholo any aoriana kelikely tao aoriana indray any ankavanana (indroa miantoana), dia hoy izahay hoe: FOZA roa (2) ZANY ZAO NO MANAO TOETRA TSY MENDRIKA AO ANATY VAHOAKA AO!
le Mardi 30 mars 2010 à 7 h 25 min
tena ny Vehivavy gasy mbola tsy miova toetra fa mbola mitazona ny teny talou FANAKA MALEMY,aiza mou tsy ataon’ny lehilahy gasy maivoka,aiza ka tsy ny fiainana no karakaraina fa ampirisihana ery dia mandeha ,efa niova anie ry Vehivavy izao fa tsy toy ny talou e! ndehana miasa fa tsy mandeha manaha eny @ arabe hoatran’ny tsy manankatao ireny mahamenatra,hoy ny olona ny vehivavy gasy ve mbola fotsy arabe hiany
le Mardi 30 mars 2010 à 7 h 35 min
mba mahatsiarova tena amin’izay soratana ato re olona fa aza dia mifanambany loatra, indrindra ianareo mirsaka foza foza io. Mba olona manana ny maha izy azy daolo reo olona ambanianareo ireo. sao dia hanody anareo izao ataonareo izao.
le Mardi 30 mars 2010 à 7 h 37 min
ity Ravalomanana ity tena mila ntantara ratsy alohan’ny ilevenany ambanin’ny tany,taiza taminy ntantara mbola nisy olona nanao toy izao ataony izao na i Ratsiaraka aza?ilainy ny hampifandona ny Vahoaka nefa tsy manaiky izany Andriamanitra raha sitrapony dia ny ifamonoany samy Malagasy fa tsy izay kasainy akory no ntanteraka,ilay rangahy io angamba mihevitra fa azo homena vola kou Andriamanitra,mandinihatena ianao rangahy be Ravalomanana io fa ity tany ity fandalovana fa io toetranao io dia ho voarakitra ao anaty ntantara,ary ireny omaly ireny dia porofo fa i Jesoa Kristy sy rajoelina dia mitovy satria samy henjehana ka tsy mahagaga ny fietsikin’ny satana,FAFAO ANIE ITY ZAVATRA SORatako ity mydago e!
le Mardi 30 mars 2010 à 7 h 58 min
avelao zareo anambany ny ambany hiany no manambany ny ambony matetika tsy hanao olona Foza izany,zany ve ry Tiana atao hagaga a! efa toetran’ny Dadany manmbany olona izany
le Mardi 30 mars 2010 à 8 h 01 min
Misaotra anareo vehivavy legalista ê ! Tena any aminareo izany hoe Fitiavan-tanindrazana ! Izany ry HoAiza, Vero sns tsy ho voatanisa eto daholo. Very ny Firenena, raha tahak’ity Krisy gamara ity daholo ny vehivavy gasy ! Mba nijery ny sariny ihany aho, fa ny sarin-janany ihany no hitako !
Asa izy raha niafina taiza ?
le Mardi 30 mars 2010 à 8 h 13 min
Velom-bolo vao maraina mamaky ny zavattra niainanareo sy hitanareo tany omaly ê ; ka dia hisaorana daholo ianareo rehetra !
Ho tonga anie ny fahafahana ! Masina ny Tanindrazana !
Tokony ho 29 mars foana, ny andro sy daty !
le Mardi 30 mars 2010 à 9 h 11 min
Ireny niseho ny29martsa ireny ny hevi-bahoaka izay potserinareo tgvs eto isan’andro.
Ianareo moa efalany henatra sy maty eritreritra mihintsy angamba ka tsy mba mahatsiaro saina,na dia kely fotsiny aza hoe fa nahoana aho no ataon’ny olonatoy ireny.
Ny anarana hoe foza dia nivoaka avy amin’ny toetranareo tgvs ihany, tia ady, tia herisetra, mpandroba fananan’olona,tia mandainga fa tsy fanambaniana velively.
Koa dia mahereza daholo eh !
le Mardi 30 mars 2010 à 9 h 15 min
Aza zendana agnao rakrisy fa na inona na inona hataonareo dia misy « étikéty » misoratsa eo amin’ny handrinareo. Na ho aiza na ho aiza, na matavy na mahia, na fotsy na mena ny akanjo dia = Mpanongampanjakàna ka tsa mendrika
« Beurk, Hiden, hi hi hi » ro mba nampianarin- dRainareo anareo. Tsy mahagaga ra latsaka andavaka ny firenena satria tsa misy QUALITE, tsa misy inteligence
le Mardi 30 mars 2010 à 9 h 34 min
Manahoana daoly,
Faly be aho mamaky sy mijery ny videos etsy ambony. Azo tsapain-tanana mihintsy ny fiovan’ny fandehan-javatra.
Ary izao kou : Lazainy fa bado ny Président Ravalomanana, Mpivaro-dronono et j’en passe ! Nefa nandrosobe ny firenena t@ fitondrany.
Izy rehetra milaza fa intelligents nefa nivarina an-kady ny firenena mba hoe noentiny.
Io ihany no constat fa ny sisa rediredin’i Nadia sy ny akolitany fotsiny !
le Mardi 30 mars 2010 à 10 h 15 min
Ekena ry Baby ah !!
le Mardi 30 mars 2010 à 10 h 54 min
vous êtes tombés bien bas les zanak’i Dada, vous arrivez à semer le bordel SUR UN POINT du capital et vous criez déjà victoire, on voit bien que c’est le satan en vous qui est content. mais la victoire est encore loin pour vous puisque LA MAJORITE des Malgaches ne placent plus leur espoir en vous comme en 2002,période où les Malgaches ont commencé à s’entretuer pour les pouvoirs (zanadambo), ou plutôt votre Dada a ordonné l’envoi des milices armées(zanadambo) pour tuer les opposants éventuels( il y avait beaucoup de morts mais non officialisés0. des gens n’ont pas encore oublié cette histoire, et ils vous attendent…
le Mardi 30 mars 2010 à 12 h 00 min
KM: you are welcome!
Isaorana daholo ny lehilahy rehetra eto @ Mydago, en excluant bien sûr les Malades.
le Mardi 30 mars 2010 à 12 h 43 min
mba azonareo omena ve ny adresin’ny GTT fa tena liana izahay hijery ilay sary teny ambohijatovo e!
MISAOTRA
le Mardi 30 mars 2010 à 12 h 48 min
Tsy mipetraka ao Tana aho fa miarahaba ny herim-ponareo rehetra indrindra ny vehivavy legalista tamin’ny nataonareo omaly. Hoy ny Baiboly : « omeo vehivavy vanona aho, hananganako firenena vanona ». Raha mitsangana daholo isika vehivavy mandroaka an’io fitondrana tsy izy io, ampian’ireo lehilahy mahery fo, midaraboka io. Saika tsy hilaza ny « feon-gazety » mihitsy ny TVM androany fa nandrasana lasa niasa daholo ny olona vao naseho ny zava-nitranga omaly. Mbola aiza ho aiza re ? Vao manomboka hoy i Kaina !
Mpamosavy milevina amoron-dalana ianareo ry BV mianakavy ka mahatatesa valin-kitsaka.
le Mardi 30 mars 2010 à 12 h 56 min
HERY>>
ITY ARY E
http://collectif-gtt.org/category/defaut/plus/en-direct-madagascar
Ny sary dia eo ambanimbany misy hoe : REPORTAGE PHOTOS !
le Mardi 30 mars 2010 à 13 h 04 min
Bedy be A.JOYANDET !
http://fr.news.yahoo.com/64/20100329/tfr-alain-joyandet-pingl-pour-l-utilisat-a2f96e4.html
Dis moi avec qui tu es, je te dirais qui tues !
le Mardi 30 mars 2010 à 13 h 05 min
Aiza no misy film sy sary ami’ny internet mikasika io tranga io!
Nakaton’ny herimpamortana ny RAdio 95.4 any Bira!
Misy mpamadika bediabe ao antin’ny tolona any Vakinanakaratra! Misy aminireo mpitaritolona no mpangalatra sy tsy matahotody ka ny tsy manantsiny indray no adoboka amponja!
Koliko no majaka amin’izao any Antsirabe, « Affaire TIKO », ny zandary voavidy 80Millions ka manano tatitra feno lainga marivotototra amin’ny fitsarana!
Ny valombelona tsy marina no mijoro, misy olona tena nandray anjara tamin’ny halatra tao amin’ny TIKO tsy hita popoka!Izay mpiaramiasa ao ihany
Ankehitriny ireo niady tamin’ny mpanongampanjaka sy nanao ny tolona ho fiarovana ny TIKO ka nanolotra ny ainy tamin’izany no ampangaina!
Ireo niforidrambo kosa nangalatra sy nanararaotra izay hampatavy sy hampibotsina ny paosiny tamin’ny fananan’i Prezida Ravalomanana, no mpitory, ka manao risoriso fa efa be no azo!
Tonga amin’ilay tenin’ireo resevera hoe niverina amin’ny andron’i Deba isikaizao!
Fanjakan’ny Baroa
Masina ny TANINDRAZANA
le Mardi 30 mars 2010 à 13 h 06 min
Hividy avion de chasse hono ry zareo, hanenjehana legalista ! Tsy ampy ny volan’i Dasôt angamba !
Ny koptera aza mbola hanaovana ankety be manadala !! Koptera efa saika alefan’ny olona any amin’ny kasy, no dedahana, nanaovana kaomiberaka !! Vidian’ny akamany 20 €, dia namidy amin’ilay domelina 150 € ! Vendrana mihintsy !!
Aiza ianareo ry un na dé Spektera deta ô ? Mba nisy pela dofra ve izireo ê ? Ary mba vola avy aiza hono ? Vidin’ny boisderaozy ?
le Mardi 30 mars 2010 à 17 h 10 min
Efa hita mibaribary izao fa izay rehetra atao tsy misy mandeha amin’ny laoniny ka tsy aleo lavitra ve hitondràn’ny mpivaro-dronono azy ê!
Mirehareha tokoa ny vahoaka tsy vaky volo tamin’ny
andron-dRampivaro-drono satria niaina am-pilaminana tsy nisy nampihorohoro izy ireo; sady ronono sy mofo gasy mihitsy aza no sakafo maraina, ny yaorita, fraomazy manginy fotsiny amin’izany .
Indrisy mantsy , izao amin’ireo fati ireo dia romotry ny hanoanana ny vahoaka,sasatry ny miandry izany Andry toa lanin’ny kary sahala amin’ny akoho tsy naneno izany intsony . .
le Mardi 30 mars 2010 à 17 h 17 min
Dia mankahery antsika rehetra hatrany amin’ny fampanjakana ny fahamarinana sy ny ara-dalàna e!
le Mardi 30 mars 2010 à 17 h 21 min
tia tanidrazana marina iska na dia any tany lavitra any aza… faly ery mihano sy mahita ny malagasy mitolona aty madagasikara dia ianareo maporisika fotsiny mafinaritra ka … tohizooo eeee rehefa misy ny maty dia hoe maty indray hono ny gasy sasany eee tia tanidrazana toko ve zareo sa ????
GASY MIVOTRA, GASY MIRAY HINA, GASY ANATY FILAMINANA izay no tanjona
kissssssssss
le Mercredi 31 mars 2010 à 0 h 15 min
Salut daôlo
Véro, tena mety be aky ny tolona a ! Ozizy sé oe : Mpamosavy milevina amoron-dalana ireo. Ny anà ndray dia oe : « Valifingika fingaka ». Noheveriny ity izy fa vitan’ny niantsoana Kameramanina ni- filmé ny daka varavarana vide teny Ambohitsirohitra, nalefa tany Frantsa nandraisam-bola. Noheveriny fa hanao kroazelébrà ny olona. Erreur !!! Tsy fantany ilay proverba hoe « Aleo halan’Andriana toy izay halam-bahoaka » @ maha SQ azy.
KM, ilay elikoptera anie ka tsy fantany hoe efa tany @ DESARGA no mody nolokoana sy nasiana KOdaspiratera.
Mino aho fa raha mbola maharitra 1 taona eo ireo dia hivarotra akanjo dahôly ary hipeté 1 Kabla sy hifandramatra no iafaran’ireo.
le Mercredi 31 mars 2010 à 0 h 58 min
Ho an’i « koto kely » (48)
Somary misy fialonana indray angamba ny ao an-tsainao ao ry koto kely, tadidio fa io fialonana diso toerana io ihany no mibàhan ao anatintsika ao matetika, hany ka rehefa mba misy havana mahavita zavatra, ho an’ny firenena indrindra indrindra izany dia hoe:
« adabohy any io fa mitady ho tafakatra ê! »;
dia toa izany daholo no mameno ny ankamaroan’ny malagasy manana saina mirefarefa.
Mampalahelo ê!
Alehibeazo ao anatin’ny sainao ry koto kely fa
maro amin’ireo malagasy lazainao fa faly sy mamporisika fotsiny ,mahita ny havany mitolona aty
Madagasikara ireo anie ka be ny te-hiaina ny rivotry ny tanindrazany izany ê!
Hody anefa izy ireo izao …tsy hanamaro isa ny efa ao anatin’ny fijaliana ateraky ny fat fotsiny ve no dikan’izany ?
Mba mandehàna ange ianao ry koto kely eny Ivato mijery ny
olona mankany ivelany mitady fiadanan-tsaina ê ?
Raha bangoina tokana ity resaka ity ry koto KELY
dia izao no izy â : na aiza ,na aiza no hitoeran’ny Malagasy iray eto an-tany midadasika
misy antsika ity ,rehefa ao anatin’ny fony sy ny saina izany Madagasikara tanindrazany izany ,dia manao izay vitany araka ny tandrifiny azy izy mba hahasoa kokoa izany tanindrazany izany .
Veloma koto Kely ,mandra-piresaka indray ê .
ireo
d
le Mercredi 31 mars 2010 à 2 h 02 min
Avions de chasse firy indray hono no hovidiana hanenjehana légalista ry KMD ? (45)
20tapitrisa latsaka kely ange ny malagasy legalista daholo ê ! Avions de chasse firy no ilaina @zany
Ndao atao hoe raha be indrindra manerana ny nosy ry fati 3000
Dia tapitra ringana izany ny boisderaozy, ny harena
an-kibon’ny tany,sns,,sns tsy fantatra intsony .
Avelao Ra8 hiverina eo fa kintana fotsiny hono io dia vitany tafaverina amin’ny laoniny .
le Mercredi 31 mars 2010 à 3 h 24 min
tsssssssssssssssssssssssssssssrediredy no betsaka ato
le Mercredi 31 mars 2010 à 4 h 08 min
ity ralezoka ity olona marary saina fa mila tsaboina ,olona 100 ve dia lazaina fa 20 million aza taitra fa ho gadraina ireo irak’i devoly omaly
le Mercredi 31 mars 2010 à 5 h 26 min
Mila mijery fitaratra tsara ianareo FOZA ry Nadia Grondier Kristelle a, ny arina antava nareo aza tsy hitanareo. Mba tantatarao ny vonomoka nataon’ny frantsay izay hitondranao anarana 63 taona lasa izay ary ezahin’ny Andry TGV atao @ Malagasy @izao fotoana izao.
Mbola hitraka ny Malagasy…ary hankalaza ampamendrehana ny namonoan’ny Frantsay anay miisa 100000 63 taona lasa izay ary mbola tohiziny efa ho herintaona.
Mba te ahita anao io aho rehefa any Dago ianao dia heveriko aminao ny tantaran’i Madagasikara nanomboka ny niavian’ny gasy, ny nampijalianareo Frantsay anay ny 1896, NY TOLONA NATAON’NY TARANAKAY NY 1947, ny zava-bitan’i Tsiranana (na dia La Frantsa aza no tao aoriana), ny zava-bitan’i Ra8 ary ny fanonganam-panjakana nataoni DJ Andry sy namanao.
Omeo fotoana dia tonga
Omeo fotoana
le Mercredi 31 mars 2010 à 6 h 35 min
Zaho koa ho avy ! Hentiko ny angady sy arona, ary ny karavasy koa !
le Mercredi 31 mars 2010 à 7 h 06 min
Mba diniho ange fa izay rehetra alehan’i BV manerana ny nosy toa
maneno sahona daholo ê ! Eto tsy maninona aloha raha lazaina hoe « sahona » aza ny Malagasy 20 tapitrisa . Sahona-Fozabe arovana sahona-foza mitam-piadiana mahery vaika izany no mamangy azy ireo.
Izy amin’izany toa tsy mahatombo-tsiraka,ny maso
karikary, tsy mandry mihitsy ny sainy fa mieritreritra ity loza amin’atambo ataony amin’ny firenena malagasy ity angamba .
le Mercredi 31 mars 2010 à 7 h 57 min
Mampahery ireo Maherifontsika ireo e! isika izao no tena tia Tanindrazana
anisan’ny Nampihetsipoa koa ilay Bekotro Maro Holatra narabain’ny Vahoaka iny!
Ny zavatra mety hisy koa dia raha tratra Embouteillage ny cortège présidentiel iny dia ny vahoaka maro no hisambotra an’i TZV velona sy hamono azy satria ny Pôlisy ankoatra an’ireo Milisy dia efa miraviravy tanana ihany! Mahereza daholo e!
le Mercredi 31 mars 2010 à 8 h 07 min
inona?hamono an’ny Rajoelina ve?angamba dia ianareo Tananarivo aho indray apoakan’ny olona,hafa t@ andron’ny Ratsimandrava hafa
le Mercredi 31 mars 2010 à 8 h 08 min
Selon le colonel Ravalomanana, des arrestations seront en vue suite à l’événement du 29 mars à Ambohijatovo. Par principe, l’officiel passe avant les autres et peut être c’est ce qui n’a pas été expliqué aux personnes qui étaient venus à Ambohijatovo.
la violence engendre la violence, et rira bien qui rira le dernier.
le Mercredi 31 mars 2010 à 8 h 12 min
za io mba te hahita anareo be vava eto mba tehahita mivantana hoe ianareo reto ve efa tampimaso sa mody tampenana ilazako anareo ny zavatra tsy nety teo aloha,ity hianareo miaraka @Ratsiraka ianareo ve olona mba misaina?Ratsiraka ve no atao namana?@ mpantekotinareo ity ve mba masaka ry GASY BE?mba te hiady hevitra mivantana aminareo aho tena marina
le Mercredi 31 mars 2010 à 8 h 26 min
.nous avons ordonné les Forces de l’ordre de ne pas intervenir pour le respect de la démocratie et de la liberté d’expression »continuant sur sa lancée, le numéro Un de Mahazoarivo de faire savoir que « ces actes ont été commandités de l’extérieur du pays ».(MIDI Mcar)
d’ailleurs, dans ce site Mydago, ces empaillés dénaturalisés de G.T.T parlent toujours de cotisation pour financer leurs macabres méfaits, vous croyez que vous ne passerez plus à Mada pour faire du mal à Mada. vous risquerez de ne plus être les bienvenus.
le Mercredi 31 mars 2010 à 8 h 34 min
Mifatotra amin’ny tongotr’i sadic angaha ny tongotr’i gamara kely ? Toa manao deux par deux foana ? Pince dessous-pince dessus !
Izaho no lazaina fa miova pseudo !!
Ka raha vao mahita an’ty izahay, dia mihidy ny vavoninay ko !! Tsy lasa izany ! Eto ihany aloha !!
Ratsiraka ve no atao namana ? Domelina aza ho atao Filohan’ny Tetezamita ! Izany dia noho ny fahendren-ndRavalomanana !! Kanefa tsy nanaiky indray i domelina ! Andriamanitra nanome, fa i balita no tsy ambinina ê !!
MDR !!
le Mercredi 31 mars 2010 à 8 h 40 min
Iza moa lay mpihira manao hoe : Za mba TE AHITANAO ? TSY NAHARITRA DIA MBA HOE HIADY HEVITRA !!
MDR !!!
le Mercredi 31 mars 2010 à 8 h 54 min
Aho koa aza mba zendana RaKintana amin’ ity « DEPARDé » lava ity. Ny TRI par TRI moa dia tsa lazaina koa momba ny « Hidden »
« Pince dessus-pince dessous » hi hi hi
Mba tsy haharatsy ny fihavanantsika aminy dia aoka angaha hataotsika hoa reraka ilay raika dia Rakrisy ro misolo azy
Ela ro niaignana ko be ny raha hita !!!!!!!!!!!!
le Mercredi 31 mars 2010 à 19 h 07 min
Oadray !
Inona rey olona no dikan’izany Depardé, tripartri sy pince-dessus, pince-dessous izany ???
Tapaka ny tsinaiko marina !
le Mercredi 31 mars 2010 à 20 h 00 min
mitarontarompoagna kou ty Rabetsy ty ,lasa tsa mipody kou fa dia amboaro soa ny saigna ,zay ary mou fa dia tafandria mandry haby ny Kilonga
le Mercredi 31 mars 2010 à 22 h 04 min
Aoka moa rakrisy fa aza dia velezina mafy aho. Ary roky koa toa betsy tahaka agnay ny fahalalàko androky
Ny taigna samy taigna ve koa ny taigna koa ro hanina ?
le Jeudi 1 avril 2010 à 8 h 48 min
Ah !!!
Io ilay zavatra efa nahiko !
le Jeudi 1 avril 2010 à 19 h 14 min
Rahoviana ny raharahan’i Krisy sy Ny Ala no hatao ? @ 26 juin ve ?
Aza adino zahay aky, mba hanala sorisory @ ity resaka Radomelina ity.
le Jeudi 1 avril 2010 à 19 h 24 min
ndry reto mpanonofy atoandro! efa 30 zao ireo olona voasambotra nanao fihetsika mamoafady teny ambohijatovo! tena faly aho! mbola ho avy ny manaraka fa legaliste fôpla 500 isa nanalàna 30 izany izao sisa no mpomba an-dravalonandra! ha!ha!ha! Soa fa nisy ny sary ka mora ny manao sarika am-pandriana anareo! tohizo ihany e! amporisihana ianareo vitsy an’isa tsy vaky atatra mba hanao ihany fa Tsiafahy sy antanimora ange mbola malalaka e! Mahazo aina izahay vahoaka fa manomboka voasambotra tsikelikely ireo TONTAKELY! Na ireo mpitarika anareo aza efa niala fa tsy ho kilasiana ho jiolahim-boto sy jiolahim-bavy tontakely ohatraareo! tohizo ihany ny lalanareo eeeeeeeee!!!!!!!
le Jeudi 1 avril 2010 à 19 h 35 min
Boribory ny tany Ra S…
le Jeudi 1 avril 2010 à 19 h 45 min
saropiaro kou ty Baby ity
le Jeudi 1 avril 2010 à 20 h 28 min
Ny Ala !
Aza manaiky veleziny izany, fa ataovy mahamay koa ! Karavasy tena reviny be !
le Jeudi 1 avril 2010 à 20 h 57 min
ndehana matory
le Jeudi 1 avril 2010 à 22 h 10 min
Nivaoka ny daomy double chiche marina mafy !!!!!!!
le Jeudi 1 avril 2010 à 22 h 37 min
Aza mba misandoka ry vahoaka ah. Dia mbola ampiana fitenenana foana.
Sady ts mahay manisa no mbla mandainga indray. Dia faly fa hoe misambotra olona indray ny fat. Records de Mada aloha amin’ny fisamborana aolona tsy misy dikany ny fat eh : Rariny raha voasazy, ary mbola hiampy indray io sazy io fa aza taitra eh !
Rena efa tsy misy antenaina intsony ny fahatongavantsain’ireto fat ireto.
le Vendredi 2 avril 2010 à 1 h 11 min
Mifozaka maraindraina raS fa mitohy ny tologna. Miandry sujets vaovao hivoaka ampitso.
Izao ro hafatso mba hahasoa ny reska, aza dia manao pince dessus-pince dessous loatsa agnareo telo… fa wain be, mba asio espace madinidinika fa aza tonga dia eo ambany avy hatrany hihihi
le Vendredi 2 avril 2010 à 15 h 10 min
« Suite aux troubles du 29 mars, 6 personnes ont été arrêtées et soumises à une enquête selon le colonel Ravalomanana hier . Une partie d’entre elles a déjà été relâchée »
choses promises choses dues…hehehehe…
le Vendredi 2 avril 2010 à 15 h 31 min
tohizo fa tsara e!
le Vendredi 2 avril 2010 à 17 h 35 min
Sadika,
Rappelez-vous que « Ceux qui s’avancent trop précipitamment reculeront encore plus vite » (Mencuis) !!!
le Vendredi 2 avril 2010 à 21 h 45 min
Dia misambotra dia tsy mba alefalavitra mihintsy ny sainareo Tgvs ireto an !
Mihevitra angamba ianareo fa gijanona amin’io seza nangalarinareo io mandrakizay. Tena kely fisainana ianareo. Ity misy ohabolan-drazanamba diniho « Ny hendry mody voky, ny adala manesika ihany »