ity ilay nolazaina hoe trakta

ity ilay nolazaina hoe trakta

Matahotra ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny Fat?

Mijoroa ho olo-marina fa « Ny fahamarinana manandratra ny Firenena » Ohabolana 14, 34 a ; izany no teny filamatra entin’ny HMF handresena lahatra ny Mpino Kristiana. Asa na dia efa tena ao anatin’ny fahalotoana tanteraka ny Malagasy sasantsany fa dia « teny tsara » avy amin’ny Soratra Masina izany dia hanenjehina sy hanosoram-potaka ary hanaovana « intimidation » ny Mpitondra Fivavahana ao anatin’ny HMF.

diniho tsara fa tsy trakta izany ity

diniho tsara fa tsy trakta izany ity

Nanomboka ny 17 martsa 2009, no efa nasehon’ireto tsy valahara ny fanenjehina ny Fiangonana iray tamin’ny fametavetana ny « Lohan’ny Fiangonana » dia ny Pasitora Lala Rasendrahasina izany, nitohy taty aoriana ka natao lasibatra norobaina ny tranona Mpitandrina vitsivitsy, manginy fotsiny ny nanenjehina sy fisotasotana, eny hatramin’ny famonjana mihitsy aza ny mpiasan’ny Radio Fahazavana izay Radion’ny FJKM.

Ny hetsika faha 5 nataon’ny HMF farany teo dia nahalalàna fa matahotra mafy ireto Mpitondra Fivavahana sahy milaza ny marina ireto ny Fat, tsy nomena toerana ahafahana manao fanompoam-pivavahana teto an-dRenivohitra ry zareo fa nahisaka eny Antsonjombe mba hahavitsy ny mpino ho tonga eny, kinanjo ny mifanohitra amin’izay no nitranga.

Vao omaly ny omaly no nanaovana antsojay ny mpiara-miasa ao anatin’ity HMF ity, nolazaina mantsy fa nahatrarana « TRAKTA » tao anatin’ilay fiara izay nipetraka teny Analakely, koa dia natao fanadihadiana teny anivon’ny Zandarimaria, avy eo nampiakarina teny amin’ny Mpampanoa lalàna maimaika hanaovana fanadihadiana ifotony. Rehefa nataonay ny fanadihadiana dia hay « prospectus momba ny fivavahana » no nolazaina fa trakta. Fatahorana daholo izany, mikitikitika rambon-tsoavaly ireto Fat ireto. Efa tena ambony be ny tosi-drà politika eto Dago dia mbola tairina amin’izany indray ny vahoaka efa zary mandefitra manana ny marina. « Raha tohina mantsy ny aty , marary ny afero » koa raha mbola mitohy ny fanenjehina tsy ara-drariny tahaka izao dia mety hivadika zavatra hafa mihitsy ity toe-draharaha ity, araka ny resadresaka nataonay tamin’ny olona tonga teny amin’ny fitsarana dia « sorena anaty » ny vahoaka malagasy, ka mety hitroatra rehefa feno ny kapoaka, noho ny kapoka ataon’ny Fat. Hoy anefa ny Soratra Masina hoe : « Sambatra izay henjehina noho ny fahamarina… »



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Fotoam-pivavahana Antsonjobe
  2. Liberté pour la presse !
  3. Hetsiky ny mpitondra fivavahana communique
  4. Antsonjombe – Andriamanitra ô, avereno ny dadanay !
  5. Antsahamanitra, sabotsy 9 janv 2010

23 Comments

  • Verohanitra dit :

    Izay manenjika ny fiangonan’Andriamanitra dia manenjika an’i Kristy. Izao fanenjehana ny fiangonana sy ny hetsiky ny mpitondra fivavahana izao dia fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra sy ny vahoakany. Efa hita maso ankehitriny ilay antikristy fa tsy ilaina tadiavina lavitra akory. Ny ambodia mitafy hodi-janak’ondry dia efa tafiditra ao anatin’ny fiangonana.
    Mptondra fivavahana ô ! Aoka hapetraka eo amin’ Andriamanitra ny adintsika fa Izy no handray izany an-tanana sy haneho ny voninahiny tsy takatry ny saintsika olombelona.

  • SSSSSHH dit :

    Very seza dia mampiasa fivavahana sisa.Asa raha asa tsara izany eo anatrehan’i Kristy.Mino aho fa ho tezitra izy hoe nahoana no mampiasa ny anarako amin’ny zava-dratsy?

  • vavaka dit :

    Marina mihintsy ny teninao, ao anatin´ny fahanginana no hiasan´Andriamanitr a. inona anefa no atao, mitarika ny olona ho eny an-dalambe, manopa olona, ny fivavahana no atao ahazoana seza sy tsy ahatsapana ny fahamarinana. Efa miasa Andriamanitra koa tsy maintsy hanafaka ny vahoakany izy dia izay mino sy matoky azy fa tsy manao havako raha misy patsa.

  • Fred dit :

    Asa raha mba hitanareo, fa tsy mba misy zavatra ho vakiana mihitsy ny hoe : izao nozavtara vitan’i HAT ?! Fa ny mitsikera sy ny manao wawawa aloha dia hainy e !
    Mba manasa an’izy ireo aho hanatsara ny PHAT-ny ! Mba ho vakiana. Indrindra ireo dia naton’izy mianakavy tany ivelany nandaniana vola tokony hamelona ny vahoaka .

  • soa dit :

    NISY RY FRED AN! ARY MBOLA MISY, MANDAINGA, MAMONO OLONA, DICTATURE, MIVAROTRA TANINDRAZANA AMIN’NY FRANTTSAY FA TIA VOLA DIA MIVARO TENA, MIAVONAVON-KEVITRA ANEFA TSY MANAM-PAHENDRENA, MANOMANA FIFIDIANANA HANGALARAM-BATO HANAOVANA HOSOKA, MATAHOTRA DIA MANARAMA MISILY DIA NY SAHONA NO ASAINA MAMPIHOROHORO NY ZAZA AMAMBEHHIVAVY SNS…. RATSY E! TENA RATSY!

  • HoAiza dit :

    Aza mamorona toa an’i SSSSHHH
    Aza mandainga otran’i vavaka
    Lazaonareo izany ny HAT hoe:
    - Aza mangalatra
    - Aza maniry fananan’olona
    F’izahay mpomba ny ara-dalàna tsy matahotra mijoro amin’ny fahamarinana, MINOA FOTSINY IHANY!

  • HoAiza dit :

    >> Aza misoloky: gouvernement de conscensus & inclusif no efa voalaza ombieny ombieny fa IZAY NO IZY.
    Fa tsy ity HAT izay à zéro-reconnaissance internationale tsy akory no mandany fotoana hanao fifidianana lava izao!

  • soa dit :

    NA IZA NA IZA MANOME NY MPAMINANY DIA HANDRAY NY VALIM=PITIA NYMPAMINANY ARY NA IZA NA IZA MANAFINTOHINA IRENY MADINIKA IRENY SATRIA MINO NY ANARAKO IZY DIA MENDRIKA AZY RAHA ASIANA VATO LLEHIBE NY VOZONY KA HAZERA ANATY RANO MASINA IZY, KELY NY PRESICA LALA RASENDRAHASINA SATRIA TSY AFAKA NY HANDRAY BASY MIHINTSY IZY HAMONOANA NY NAMONO AZY, KELY IZY SATRIA TSY AFAKA NY HAMELY TOTOHONDRY IREO MIARAMILA SY VATAN-DEHILAHY IREO NANISY AZY, KELY IZY SATRIA MPANOMPN’ANDRIAMANITRA KOA IZAY MIADY NA MIKASIKA NY OLOM-BOAHOSOTR’I JEHOVAH DIA MIKASIKA AN’ JEHOVAH ARY IZY TOMPON’NY AINA NO HAMALY, FA HOY IZY RY VAVAKA SY SADIC AN! SATRIA TSY MIVALY EO NOHO EO NY RATSY ATAON’NY OLONY OLONA DIA IZANY NO HIFIKIRANY AMIN’NY RATSY, AHY NY FAMALIANA HOY JEHOVAH, ARY SATRIA NANAO IZANY IANAO DIA NOHEVERINAO MITOVY AMINAO AHO! AOKA IZAY NY BLASPHEME ATAONAREO, FA MINOA MARIMARINA HIANAREO FA HO AVY IZY AMIN’NY FAMALIANA FA TSY MORA AKORY NY FANALAM-BARAKA NY VONINAHITR’ANDRIAMANITRA TAMIN’NY NIKASIHAN-TANANA NY MPANOMPONY TSY HO ADINONTSIKA FA NY ANARAN’ANDRIAMANNITRA NO NOHAMAVOINA, KOA MIOMANA FA SATRIA NANAO IZANY HIANAO DIA MIOMANA HIHAONA AMIN’I JEHOVAH ANDRIAMANITRAO! SAMIA HO ELA VELONA ARY MANIRY ANAREO FAT HO ELA VELONA IZAHAY SATRIA DIA ANGATAHINAY TOKOA NY HAHITANAY NY HAMALIANA NY RATSY FANAHY FA NA DIA NY FAHITANA IRENY AZA DIA MANERY ANAY HIVAVAKA TOKOA HIANTSO SY HITADY NY TAVAN’I JEHOVAH ARY TOKINAY NY TENINY HOE TSY IZAY MANAO IHANY FA IZAY MANKASITRAKA NY MANAO KOA

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Ry SSSSHHH sy ry Vavaka ary ireo mpiray tsikombakomba/mpanohana ny fanonganampanjakana eto @ MyDago:

    Tansao ny didfolo ao anatin’ny baiboly ka voafehin’ny FAT

    Tanisao marina izay asa tsara folo vitan’ny FATy tao anatin’ny herintaona (nanonganany) nitondrany fanjakana mba ho fatatry ny olona mamaky an’i MyDago

    Dia misaotra mialoha

    Mba lazao hoe

  • beby Randriamanantena dit :

    hotrany saobakaka amb odiria na ireto fat, ary nahoana no dia tena matahotra, tena tokony hotanisainy angé izay soa nataony hoan’ny firenena hatramin’izay nandraisany ny fahefana nangalarina, « prospectus momba ny fivavahana » dia lazaina fa tract dia mikorapaka izy rehetra manao ny fanadihadiana, tsy efa fotoana vé izao mba amadihana ny pejy, dia mba izay mahasoa ny vahoaka no hatao.

  • SSSSSHH dit :

    Tsy mety mahatsapa tena mihintsy ireto milaza fa mpivavaka ireto izany.Samy mivavaka daholo na zanak’i dada na iza na iza ka tsy tokony izany no ampiasaina rehefa very seza.Satria rehefa azo ilay seza anie fantatra fa zavatra hafa no ataonareo fa tsy hoe hanaraka ny didy folo e!Ka raha mbola tia an’i Kristia dia aoka tsy hanao zavatra tsy tiany.

  • Ziry Onésime dit :

    Mafy hatoka mihitsy ny olona rehefa tratran’ny devoly an!… Hainareo moa fa ny BIBILAVA REHEFA TEZITRA DIA MANAO HOE SSSSHHHHH?… Ary fantatrareo moa fa ny bibilava no namadika an’i Adama tao Edena?… Koa aza gaga ianareo raha mitovy amin’izany ny fisainan’ny olona manao pseudo SSSHHH… Tena tsara aloha ny nifidianany azy e!.. Tena mitovy amin’ny toe-tsainy mihitsy!… Adiky ny Bibilava:SSSSSSHHHHH!

  • Zanak'i dada dit :

    Bjr tout le monde,

    Mbola haveriko ndray oty fanazavana ity!

    1) – Matoa ny union Africaine tsy manasazy an’ireo firenena ireo toy ny Zimbabwe sy ny RDC, dia ry zareo mihintsy no tsy mihetsika,
    2) – Eo ihany koa ny mpitondra teo aloha, izay mpanambotry firenena fotsiny fa tsy nisy zava-bitany
    3) – tsy manana reulation diplomatique ry zareo, hany ka tsy rarahian’ny firenena mikambana rehetra, fa hasainy mamaha ny olany samy irery ao.

    Ny zavatra nampihavaka an’i Dadanay nefa dia izao:
    1) – Betsaka ny zava-bita, tsy tambo isaina, samy nahazo ny anjarany avy ny tsirairay, ny antitra, ny tanora, ny olona aty andreni-vohitra, sy ny tamnbanivohitra, …….. maro eh……..
    2) – Izy dia nikoizana teo @ fananany « reulation extérieure », niaiky azy daholo ny mpamatsy vola rehetra, ny firenena afrikana aza moa dia efa saika izy no ho filohan’izany vondrona afikana izany ra ohatra ka tsy nisy ireny zava-nitranga teto ireny, donc, tsy hoe olon’olom-poana akory izany oe RAVALOMANANA izany fa manana ny hasina sy ny fahaizany manokana.

    3) – Ny zavatra tena mampihomehy anà dia, milaza ny mpitondra fat niharan’ny sazy fa oe, tsy mampihetsi-bolomaso azy ireo ny sazy, nefa inona no nataony? lasa manao valifaty!!!! tena mahatsokaiky, matoa manao vali-faty, araka ny logique, dia misy zavatra nihatra tamin’ny olona iray, izay tena nampangirifiry azy ary nananany takaitra tokoa, ka izany no hanaovany an’izany valo-botaka izany, jereo ny dictionnaire eh, ny définition ny teny hoe « Vengeance ».

    4) – Io anie tsy oe nilatsaka ny sazy androany, de oe androany iany ny vokany eh, afaka 1, 2 na 3 volana any io zay vao tena hitantsika eo ny vokatr’io sazy io, mbola afka miseho milay aloha ianareo mbola mikipy mody jamba mpanohana ireo fatifatin-javatra ireo.

    Zay fa lava be ny teniko, Mazotoa daholo, Ary mampirisika antsika izay tsy mankasitraka io faty io mba hitroatra amin’izay, izay mbola variana any an-trano any, mihainoa foana RADIO FAHAZAVANA, FM 88.6

    BYE

    Zanak’i Dada « Homba antsika rehetra anie Andriamanitra »

  • Zanak'i dada dit :

    Za zao ry teto an, manana be dia be amin’io dépliant io, nalaiko tao @ FJKM Ambatomena, ilay indray alakamisy iny,

    De hoe ra hizara ireny ve za dia ho voasambotra koa, sanatria!!!!

    ny 200 isa mahery eo zao no efa voazarako fa mbola misy eo @ manodidina ny 100 isa eo mboha ho zaraiko ratoandro eny analakely, za tsy matahotra na inona resaka hampitahorana, na inona fa ra ho avy hisambotra ana ianareo ry fat, dia ratoandro za hizara ireo dépliant ireo eny analakely. eny mifampitaona eh!

    ny tena rahateo moa efa vita vakisiny amin’ny bombe lacrymogène, ka tsy matahotra an’zany intsony.

    Mampamangy eh, dia samy ho tahian’Andriamanitra daholo isika mpitolona rehetra !

  • Zanak'i dada dit :

    Aza mitsara mba tsy ho tsaraina ry « SSSSSSSSSHHH » an, matoa Andriamanitra tsy mbola mandrava io fitondrana fat fat n’javatra io dia izao ihany no ho lazaiko anao, « Tsy tonga hiantso ny marina (Zanak’i dada) izy fa ny mpanota (hat) hibebaka », mbola tiany hibebaka izany ny hat, indrindra moa fa i Andri rajoelina.

    hivavaka ho anao za, fa tena hanjakan’i devoly ianao, sy ny fat!

    Jereo fotsiny ny nahazo an’i Jacques Silla eh, ireny ve dia mbola tsy mahatonga saina anareo?

    Andriamanitra tsy mijery miakatra fa mihidina, ary aza mieritreritra mihintsy oe tsy misy mahita ny zavatra hataonareo ao! ny marina tsy mba maty, ary tsy maintsy mipoitra!

    Homba antsika rehetra anie Andriamanitra!

  • Zanak'i dada dit :

    Ho antsika légalistes rehetra!

    Zao fotsiny no tiako ho fantantsika an, aza miraharaha izay « intox » na ny famendrofendroana lazain’dry tsy maty ambavany, fa matoa izy ireo hitantsika ato amin’ity site ity isan’andro, dia misy raha ao, inona moa no tiako ho lazaina amin’izany? tsy inona fa olona voa-karàma daholo ireo miseho hendry ireo.

    Isika anga mba mihiditra any amin’ny site-ny any, eny fa na ny site-ny aza tsy haintsika akory, nefa dradradradraina etsy sy eroa ao amin’ny viva ao. hihi…………

    Courage daholo eh, tsika koa mahazaka eh, na inona lazainy eo na inona, isika anie démocrate eh, hafa ry zareo vao miteny enao dia any am-ponja no mandini-tsaina.

    Mampamangy vetivety oh!

  • Kristelle dit :

    izay manao an’Andriamanitra ho fitaovana dia ho voasazy ary ho very @ farihy mirehitrafo

  • Kristelle dit :

    maninona tsyy ianareo mianakavy ato no bibilava

  • harris dit :

    mahereza daholo mivavaka ry malagasy,efa hifarana izao tontolo izao.TSY MISY FITIAVANA TANINDRAZANA IZANY EO FA FITIAVANTSEZA SY VOLA DAHOLO NA NY TALOHA (Ra8,Ratsiraka,Zafy) NA IZAO (TGV sy ny tariny). aza vonoina ny firenena ;AOKA HIERITRERITRA DAHOLO.

  • sadic dit :

    new press dans son article affirme: »Aussi la décision de l’UA n’a-t-elle que l’apparence d’une victoire. En effet, elle contribue à marginaliser ses partisans à Antananarivo, peu nombreux à se réjouir et à manifester en faveur des sanctions, Bien au contraire, elle ressoude une majorité qui avait été récemment mise à mal par le départ de l’ancien ministre des affaires étrangères, Ny Hasina Andriamanjato, compagnon de la première heure du Président Rajoelina et partisan de concessions majeures avec l’opposition »
    les dictateurs africains contribuent au renforcement du pouvoir de Rajoelina.

  • josoa dit :

    mahagaga mihintsy ireto FAT devoly ireto aziza ve de tenin’Andriamanitra avy no tsy azo ahely intsony eto Madagasikara, ary ny mahavariana aza dia nisy mpikambana ao amin’ny HAT iray tafaresaka tamiko dia izao no nolazainy manoloana ny hetsiky ny mpitondra fivavahana izay mivoy ny fahamarinana :  » TSY MISY FAHAMARINANA IZANY ETO NA HANDEHA MBAMIN’NY LOHANAREO AZA, FA RERA-MAINA EO IREO MPITONDRA FIVAVAHANA IREO » tsy iza no nitena na’izany fa RAZAFIMAHEFA HERIMANANA izay grad taloha fa niala GRAD noho ny fitiavam-bola tafahoatra

  • Faucon de Dago dit :

    Oui, la FAty a peur du HMF. En fait ce dernier ne fait que dire ce qui est vrai. La FATy nage trop dans la tromperie et le mensonge et ça le ronge. J’ai la ferme conviction que monsieur TGV fait caca dans son slip depuis la sanction infligée et ce caca, c’est de la diarrhée à la typhoïde qui ne s’arrêtera jamais plus.

  • Pfffff dit :

    Mampalahelo mitsy kou ny discussion eto an, hita mitsy hoe zanak’i dada daholo retra, zatra manao fitaovana ny tenin’a/tra hanafenana ny ratsy atao. Pffff!! aoka re hajanona le fampiasana ny fiangonana hanohanana olona e, tsy problema nareo na manohana aniza ana aniza fa avelao ny fiangonana ho an’olona rehetra fa manjary mahatonga fanafitohinana fotsiny!!!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site