Izany tsy fanekena fahadisoana izany anefa dia mitarika ny Malagasy any amin’ny lalan-diso, « miloloha lanitra ka tsy maintsy lena » hoy ny fahendren’ny Ntaolo, « fampihavanam-pirenena » hoy isika ankehitriny, « tiava ny namanao tahaka ny tenanao » hoy ny Soratra Masina ». Soatoavina loloavina ambony loha daholo izany. Ny fizirizirian’ny Fat enefa tsy mijanona ho sazy ho azy samy irery fa tsy maintsy hisy fiantrikany aty amintsika ihany.
Nandrahona hanao ankivy amintsika koa mantsy ny vondrona Eoropena (UE) taorian’ny filatsahan’ny sazy nomen’i CPS sy ny UA. Ahaton’ny UE ny famantsiambola tafiditra amin’ny « Tahiry Eoropeana mikasika ny fampandrosoana na ny FED » andiany fahafolo izay mitentina 560 tapitrisa Euro sy ny antsasaky ny vola amin’ny andiany fahasivy, izay hiteraka fahavoazana lehibe hoantsika Vahoaka Malagasy, ny fitondram-panjakana Amerikana ihany koa dia nanamafy fa efa eo am-pandinihina ny sazy hoan’ireo mpitondra Fat miisa 109 ry zareo, ary ny nahagaga ny mpanara-baovao dia tsy mifanalavitra tamin’izay ihany koa no namnbaran’ny Fitondram-panjakana Frantsay.
Ny dikan’izany dia tratran’ny « embargo » eto isika, tsy vitan’ireo 109 ireo no hovoasazy fa isika mianankavy mihitsy. Ho rendrika miaraka amin’ny « sambo kelin’ny Zandrikely » izay tsy mahazo mandia fari-dranomasina afa-tsy Ambohitsirohitra sy Iavoloha eto isika. Veloma hatreo ny « croisade » sy ny fanenjehin’i DJ « fampandihizana » ary ny « karaoke » isaky ny zoma mahafinaritra.
« Mamaly FATy ny FAT »
« Mihodikodina lesy ity tanintsika ity, ka mahaiza fetsifetsy sao ialahy dia mikodia » hoy ny hiran-dRy Mahaleo, amin’izao fotoana izao dia mbola tsy tsapan’ny Fat ihany fa arakaraka ny hangejana ny vahoaka no hahamafy ny sazy hiantra aminy. Efa nentintsika teto tamin’ny fotoan’androny ilay naoty laharana 0366-MSI/CAB navoakan’ny Ministeran’ny filaminana anatiny, izay tsy namela ny mpanao politika 25 hiditra an-tanindrazana tamin’ny Maputo III ireny. Ankehitriny mivadika ny rasa, ry zareo ireo indray no tsy mahazo mivoaka ivelan’ny Madagasikara. Omaly ny omaly koa ohatra no nilazan’ny mpikambana ao amin’ny Fat fa tsy mahazo miditra eto an-Tanindrazana intsony ny Filoha roalahy teo aloha dia ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha Ratsiraka, ho saziana ihany koa ny ankolafy telo ka tsy mahazo mivoaka an’ny Madagasikara, giazana koa ny volany any amin’ny Banky, hatao hazalambo ireo mpanohitra eto, mifanaretsaka eran’ny arabe ireo miaramila sy ny mpitsikolo karamaina manokana hisambotra izay mpitarika mipoitra eo.
Tsy mahay maka lesona eo amin’ny tantarana i Andry Rajoelina, iza no mpitondra fanjakana tsy nanao izany « pratique » izany teto? nankaiza no niafarany? tsy nialokaloka any ivelany? Ary raha tonga ny anjaran’i Andry TGV sao mba hialokaloka any ambany atsinana rehefa tsy havelan’ny vahiny hisitri-belona any aminy e !
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:


Mahereza daholo isika legalistes e! Aza manaratsy akory an-drizareo TGV. Andriamanitra no hiasa eto tsy ho ela. Torolalana: mivavaha ho an’ireo diso lalana sy mpivarotra tanindrazana. Ho hitanareo fa ho ratsy fiafara ireo. Efa voalazan’ireo mpaminanin’Andriamanitra fa Ingahy RAVALO no nofidian’Andriamanitra hampandroso an’ny Madagascar. Fombanj-javatra izao ho antsika mpanara-dia an’Andriamanitra. Toa tsy misy fanantenana hafahafa izany nefa ao anatin’izay mihintsy no hisaho ny voninahitr’Andriamanitra. Mahereza dia samia mivavaka fa na mercenaires 999999999999999999 isa aza no alefan’i Frantsa aty dia tsy maintsy tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Sahia mivonona hanohitra hatramin’ny farany rehefa avy mivavaka. TSY
Tsy mampiova inona ny fanenjehana ny vahoaka (ataoko oe vahoaka satria efa ny tsy mandady harona mihitsy izao no mitroatra amin’ny tsindry hazo lena sy ny tsy rariny), film efa nandeha anie io e! inona anefa no vokany? Tsy nahatafavoaka baolina akory fa tsy maintsy nifampiraharaha tany Maputo sy adis abeba ihany na dia tsy notanterahina aza ny zavatra nosoniavina.
Very fotoana amin’ny tsy antony isika, noho ny fitiavan-tenan’ny tsy mataho-tody. Afaka manabe sandry sy be vava ireo FAT ireo satria ny lance-rocket sy ny kalack eo am-pelatanany, ny tsy fantatr’ireo miaramila manao herim-pamoretana ireo ange dia izao e: manana fianakaviana izy ireo sy vady aman-janaka, samy iharan’ny krizy daholo ireo olona rehetra ireo, mety oe miaina am-pahasambarana ny vady aman-janany amin’ny volabe n’ny bois de rose robainy fa ireo fianakaviany ange ka ohatran’ny olondrehetra ihany e! za de mamporisika ny miaramila tonga saina hanohitra ireo mpanongam-panjakana ireo, aza kivy fa alefaso ary mahereza, tsy misy afa-tsy ny basy samy basy ihany no afaka miady. Izahay vahoaka manara-dia ny HMF mivavaka mafy ho anareo mba tsy ho betsaka ny ho faty ary mba hirotsaka ny fanahy masina ahatonga saina ireo dahalo ireo.
Misy tsy haritra kely amin’Ingahy Pierrot Rajaonarivelo, araka ny hitako dia nilaza ianao oe « sazy no valin’ny tolona nataon’ireo olona nialana ny JADONA », asa inao na mba nandefa lavidavitra ny fijerinao sy ny fieritreretanao fa tsy niteny an’io akory ianao raha mba nitodika kely nijery ny zavatra ataon’ny fAT amin’izao. Aminao milaza tena olon’ny demokrasia sy ny fahalalahana io ve: ny zavtra ataon’ny FAT amin’izao ve tena itanao tokoa fa manaraka ny demokrasia? sy ny fahalalahana? sy ara-dalana? sy manaja ny zon’olombelona? sy mangarahara?
Farany aorian’ny hamalianao ireo fanontaniako ireo TOKONY HO SAZIANA VE NY FAT SA TSIA? raha ENY satria fantatro fa olona mba mahara-baovao ihany ianao ohatr’ahy aty andafin’ny riaka aty, TSARA RAHA MANAO FANAMBARANA MIFANOHITRA AMIN’IZAY VOALAZANAO IANAO TOMPOKO!!!
Dia hita fa mihamafy ihany ny ady @ mpanongam-panjakana satria dia tsy mahatsapa tena ry zareo fa dia ny hanakenda ny mpiray tanindrazana aminy no ataony ary izy aza miha-kenda ary ahoana moa no tsy hakany ambany atsinanana, ny ahiako aza dia ho vonoin’ny olona ohatran’ny Saddam Hussein.
Tsy hita izay tenenina fa mbola tsy misy ohatr’izao krizy izaop t@ tantaran’ny firenena ary zandry lahy no nahavita izany.
Raha misy TGV iste mamaly ity dia izao no fanontaniana hapetrako aminy izay efa napetrako ihany
Mba mitanisa asa tsara 10 vitan’ny Andry Rajoelina sy ny namany nandritra ny herintaona?
Inona no faripiainana nohatsarain’i Adry Rajoelina nandritra ny herintaona izay?
Manaisotra olona @ hery eny @ lapa ve fanonganam-panjakana sa tsia? Raha eny, tsara ve izany? Raha tsia inona ary izany no nataony io?
Raha milaza ianao hoe fanaratsiana sy resabe io dia mba tantarao izay zavatra mahafinaritra momba an’i Andry Rajoelina
Misaotra mialoha hatrany
Ils ont dit : « même pas mal, l’Afrique n’est pas le monde » et j’en passe mais leur comportement montre le contraire. C’est claire et net !
N’attachons donc plus d’importance à leurs discours, cela n’en vaut pas la peine.
Exact Babyfoot
Discuter avec un foza c’est une perte de temps. Intelligence curieusement limitée. Pour 1+1, ils vont nous sortir leur raisonnement bizarroide pour dire = 3
Mibokona fotsiny !
Ny fandresendahitry ny foza dia @ alalan’ny basy fa raha tsy izany ZERO
Lalany makany io razandry io e!any ambany antsinana no tiako tenenina an
« Tsy mahay maka lesona eo amin’ny tantarana i Andry Rajoelina, iza no mpitondra fanjakana tsy nanao izany « pratique » izany teto? « ,hay va re miaiky ihany i Mydago fa nanao izany pratique zany teto ihany i dadanareo? mahay maka lesona ihany i TGV satria hainy fa azo tazonina 7 taona ny fanjakana jadona, ka ny fotoana hamongorana ny mpanankorontana fotsiny de vita ny transition ary miditra amin tena 4eme Rep zay hitondra fahafahana ho an’ny vahoaka MAHANTRA gasy sy fifaliana( fifaliana fa tsy harena, satria nareo any am-pita sy G.T.T reo de manan-karena daolo fa tsy faly).
MAmpahery antsika vahoaka MALAGASY REHETRA TSY vaky volo mandala ny fahamarinana sy fahamasinana tsy ho kivy fa na ho ela naho haingana TSY MAINTSY HO AVY ilay ANDRO IRAY tena mahery ary andro lehibe indrindra ho an’ny vahoaka .NYY TOMPO NO miaradia @ntsika koa mahereza daholo
Ny lesona tokony ho raisina amiko, dia tsy tokony ho tia fihavanana loatra toy ny Filoha Ravalomanana rehefa miady amin’ny bontolo saina toa an’i Tgv. Ny fampiasana hery sy ny sazy henjana ihany vao misy vokany amin’ny olona efa lany henatra toy ireny
lesona ntanteraka no nalain’ny Rajoelina hay ve miaky marina i Mydago fa nisy tsy nety tao Bravo Mydago ,izay rehetra nataon’ny Ravalomanana no nataon’ny Rajoelina fa fotsiny hoe izy mbola mitsitsy fa raha zahay rehetra nataon’ny dadanareo kosa alou no haveriny tsy hafaka iteny eto ry Kintana,fa mba nakaiza mRina i Kintana ?
Ny lesona tokony ho raisina amiko, dia tsy tokony ho tia fihavanana loatra toy ny Filoha Ravalomanana rehefa miady amin’ny bontolo saina toa an’i Tgv. Ny fampiasana hery sy ny sazy henjana ihany vao misy vokany amin’ny olona efa lany henatra toy ireny
Manaiky 100% io tenin’i zava-misy io aho. Olona efa tsy manana raisonnement tsony ve no mbola hifampidinihana?
Miala maina eo foana enao raha oe hidinika miaraka aminy no heverina fa vahaolana ary koa henatra hoan’ny olona misaina hoe hanao izany dinika izany.
Tsy misy afa-tsy fampiasan-kery no vahaolana @ io laikely io. Raha tsy mihatra amin’ny ainy tsy ho tsapany ny hadalany. Raha mbola ahatsapa koa anefa?
zava-misy sy lanjou!!
tsy mety resy lahatra mintsy nareo fa vita hatreo ny tantaran dadanareo? tsy hisy olona hanaraka anareo roalahy tsony na de hanao martiora aza nareo, ary refa tsy misy olona manaraka anareo tsony de ataon F.I.S mahamay nareo roalahy.ny chef de mouvance nareo aza efa nisitrika. Avelao ny dadanareo lasa homba ny lasa fa aleo mibanjina ny ho avy, atrakao ny loha de manaova propagandy amin fifidianana ho avy de an isany propagande ray zay hoe mpanao jadona hoatran Dada reo f’aza fidiana, aleo mifidy hafa(satria dadanareo tsy mahazo milatsaka fa voaheloka)
Dia izany zava-dratsy izany ve no hampanjakaina eto; mampalahelo !
Ny FIS-nao ry sadic dia sampana mpanao herisetra; tsy maintsy ho tonga ny faran’io.
Ny marina tsy mba maty, fa na maro aza ireo nampidirina am-ponja; tsy ho lefy izany fijoroana amin’ny marina izany !
Dia mijanona amin’ny fanaovana ratsy eo ihany ry Tgvs isany ah !
Les nuls envahissent Mydago. Tellement si bas que nous nous mettons à rire entre légalistes.
Petit conseil au dondrona:
- essayez d’emprunter d’autres langues pour faire plus d’effet international dans vos posts! Bien que pour la honte de cette nation malagasy.
Petez toujours… :no-comments:
Hoy ilay hiran’i Dadà ao amin’ny tarika Mahaleo, hoe:
- ireo mahay ataoko sôfera
- ikala dondrona sekretera particuliera
Tel est un monde à l’envers!
Mankany ambany atsinanana raha ety ambonin’ny tany, fa ambany afo atsinanana @ vitesse TGV raha atsy ankoatra rehefa tsy misy fibebahana avy aminy.
Toro-marika, jereo tsara ireo mpitsikilo ary aza avela mihitsy. Ny anay aloha dia tsorina fa tsy misy fiantsarambelatsihy eto. Izay mpitsikilo azonay dia izy no manefa ny hataon’ny miaramila aminay. Efa be loatra ilay daroka sy lacrymogene nahavoa anay ka tsy hisy hifampitsitsy eto.. Raha eny an-dalambe izahay no samborina dia tsy maintsy miaro-tena.
SAMBORY DIA FAIZO IREO MPITSIKILO fa tsy misy adala eto ka izahay foana no atao iharan’ny herisetra.
OYEZ OYEZ
évitez de cliquer sur les videos foza , vous n’en tirerez que plus de tranquilité ( « SPY » possible )
Ianareo moa dia mihevitra hoe miraharaha ny Malagasy i Andry Rajoelina? Tsia, ny fitiavan-tena, ny fieboeboana hoe izaho tsy manaiky ho voafehifehy, ny maha-prezida azy, ny maha-eo azy eo amin’ny fitondrana, izany no mameno ny lohany maivana sy poakaty. Fitiava-tanindrazana no hirahiraina nefa tsy fantany akory ny dikan’izany!!!! Vahoaka no dradradradraina nefa aiza izay mpanohana an’ny tena eo, aiza izay vahoaka manaraka azy eo. Raha ny faniriako dia tokony hisy olona hahasahy hanisy handona mafy ny lohany ka hampatsiaro-tena azy mihitsy. Raha tena tia tanindrazana sy tia ny vahoaka araka ny lazainy izy dia tokony handefitra ka hanatona ny an-kolafy sasany hitadiavana vahaolana haingana. Tsy izany anefa no miseho.
Za aloha de manantena fa hiverina Dada, de hividy Force One III, de hivarotra ny antsasak’i Madagasikara @ Koreana, de hanototra an’i Betsimitatatra iray manontolo, de homena an’i Tiko avy eo, de ho fenoina osy mainty eny @ 13 Mai sy Magro,…… De hakatony indray ny fiangonana, de halainy indray ny vatosoan’olona, de halainy indray ny tanin’olona mahavokatra, De hametraka miaramila marary saina 2 de raha misy mihetsika de tifiriny avy hatrany toy ny t@ 7 febroary. De ireo rehetra dia ny Mpitondra fivavahana no hitsodrano azy. Dia ho tanteraka hono ireo satria mahery ny vola ka na ny mpitondra fivavahana aza dia efa voafidiny. Dada o! Miverena mody androany dia androany dia tanteraho ireo fanirianay ireo.
Sady ho any ambany atsinana izy dia avy eo hamono tena any ambany andrefana. Olona efa leo ny miaina io rangahy io.
Ny zavatra tena mampidi-doza sy mampiseho fahambanian-tsaina,
ary mahavendrana ireo foza dia maro amin’izy ireo no manararaotra mampiditra ADI-POKO an-koatry ny crise efa mankaleo !
Ny olana iray koa dia izao :
Ny fanenjehana ny Legalistes no zava-dehibe aminy, fa tsy izay hampitraka ny Firenena. Mba dinio fotsiny hoe : Ohatrinona ny vola lany amin’ireo 4×4 mitety tanana isan’andro ireo. Na izay fotsiny aza , fa tsy mijery ny vola aparitaka hividianana ireo mpanohana ny HAT.
Rakotovonona !!
na de mafy aza ny Lacrymogene mahazo anareo noho ny tsy fahaizana mipetraka sy manaja lalana de aza mirediredy sy midelira fa efa manomboka hivaona tokoa, io ry Lazalazao sy ry GasyBeDonto mba jerijereo fa hivahan ady seza e…hihihi…
Ka io lazainao io anie ry Odile no tena fototr’izao zavatr’izao ê ! Tsy ho takatry ny loham-poza izany ! Maninona ny silamo tsy mihinana foza ? Misy maha marina azy ihany ! Foza, mampihidi-doza !
Tsy fahaizana mipetraka sy tsy fanajana lalàna hoa i Sadika no anton’ny lacrymogene ?
LALANA « KALACH » tsa lalàna lehiroa a !
Maiza mitoatsa sy manaja ny vahoaka fa ny « vola » animoa ko raha ho lany……… Nge dia hoa » raha fantatso tahakizay tsa nandray aho !!!!!!! »
Selon l’association Otrikafo, les 3 mouvances méritent d’être sanctionnées,
je suis presque certain que la justice Malgache ne va pas les laisser impunis. c’est juste une question de temps…hehehe les zanak’i dada miandry fizarana seza pendant que les autres attendent le moment favorable pour se faire justice.