Lasa kilalaon-jaza ny fitondrana firenena eto Madagasikara

Jeux d'enfants Madagascar
- « Ataoko 500 Ar ny vidin’ny vary 1kg » : aty aoriana lasa 500 Ar ny 1kapoaka.
- « Ataoko kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo » : volana vitsivitsy aty aoriana tifirina amin’ny basy izay maneho hevitra.
- « Tsy hanakatona radio sy fahitalavitra izany aho rehefa eo amin’ny fitondrana » : nodorana sy norobaina ary tsy navela hisokatra intsony ny mbs sy radio mada : nogadraina ny mpanao gazety 3 mirahalahy.
- « Tsy hanao ampihimamba ny tvm sy rnm aho fa mahazo maneho hevitra daholo ny rehetra » : ankehitriny ny « foza » ihany no mahazo miteny.
- « Amidiko ny Air force one II dia ividianana vary ho zaraiko aminareo » : mandraka ity ny androany tsy tanteraka izany.
- « Novarotan’i Marc Ravalomanana tamin’ny Daewo ny tanindrazana », amin’izao fotoana izao ripaky ny Fat ny bois de rose ka hamidiny antsokosoko.
- « Manaiky hanatanteraka ny Maputo aho », tsy henatra tsy tahotra fa notsipahina indray ilay sonia natao ».
- « Atao ny fifidianana amin’ny 20 martsa » : novaina ho teny ifampierana indray izany.
- Tsy mahagaga, vao omaly no omaly « hametra-pialana aho… fa… katsaka sy voanjobory » hoy ny Jeneraly Zafera , ny hariva nanaiky hiverina amin’ny toerany indray.
Izany ve no manam-pahefana sy mpitondra fanjakana eto amintsika?
Aiza ny maha « Homme d »Etat » anareo e! tsy mahalala ny atao hoe : « Parole d’honneur » ? Mazava ho azy fa dia izay no hampianarana ny taranaka Malagasy, tsy misy manaja ny teny no teneniny, mainka moa fa izay nosoniavina. Simba ny soatoavina sy ny fahendrena. Raha mbola olona nandia fianarana tokoa dia tsy hanaiky izao zavatra mitranga eto Dago izao, tena mahamenatra e! « Aleo henjehin’ny omby masiaka toy izay henjehin’ny eritreritra », hoy ny Ntaolo.


le Mercredi 10 mars 2010 à 18 h 18 min
tsy mahagaga fa ireny no generation t@ androny Ratsiraka…….tena simbany Ratsiraka ny taranaka sy ny firenena …..i dada Ravalomanana no miezaka manao fanovana ka tsy tatiny iTGV SY NY FORONGONY SY NY FOZA E! efa zatra lalandririnina ka izao no vokany zatra ny fitondrany deba bandy e!……zany no tokony hiadivantsika ny hiverenany rariny sy ny demokrasia fa tena simba ny taranaka ho avy sy ny firenena raha izao no mitohy……ary mila fanovana lehibe mba hampandrosona ny demokratia koa ialana ny tsirariny sy ny tsolotra ary ny aferafera ny tafika sy ny fiotsarana sns…..mila avaozina daholo ny rehetra fa lo….lo morina hoy ny ntaolo e! lomorona t@ androny Ratsiraka ary tarazony ny asany deba izao e!
TGV SY NY FORONGONY NO TENA ANISANY IZAO SY NY FOZA ARY NY TAFIKA tanana efa zatra nitsotra tsy mivokona intsony fa mila tampahina ny tanany ireo e! hampidiro ny SADC NA NY QUASQUE BLEU FA MIJALY NY VAHOKA TSY MANATSINY FA EFA ERITAONA IZAO FA TSY MISY VOKANY NY ATAONY TGV SY NY FORONGONY ARY NY TAFIKA RANO TAY IREO E!
le Mercredi 10 mars 2010 à 19 h 08 min
Tsy misy azo kianina ny voalazan’ny mpanoratra.
Fanampiny kely fotsiny.
Matoa niverina tamin’ny fanampahin-keviny ny Jeneraly Zafera, dia nisy « lehibeny » nitalaho taminy mafy, ary niangavy azy mba hijanona, ary tsy hanoy intsony koa ny « ampamoaka rehetra » !!
Zavatra goavana, henjana, no miafina ao ambadik’io !! Aoka isika ho mailo, sao dia lasa toa an’i Birmanie amin’ny erin’andro ambony, io FIRENENTSIKA io !!
le Mercredi 10 mars 2010 à 19 h 19 min
Izany no atao hoe loha-pouza. Ajalahy e !
le Mercredi 10 mars 2010 à 19 h 30 min
Tena mahavaky fo marina izao fandehan-zavatra miseho izao , lainga miampy lainga no entiny inty fitondrana, mba té anao fandinihana hiany amin’izay hevitra mba entiny izy ireto fa tena tsy misy azo horaisina, jereo angé ireny fampanantenainy tamin’ny voalohany. Tena hotsarainy tantara ireo, aoka ho mailo isika ary hahay anavaka tsara mahereza daholo
le Mercredi 10 mars 2010 à 20 h 02 min
tena manja laotra ny ankizy gasy…….
ô ry foza be â , mba hevero ny afarany ireto ankizy ??????????????
vonohinareo isan’andro izy ireo, ny ray amandreny mitototo isan’andro mikaroka ho hanina !
le Mercredi 10 mars 2010 à 20 h 15 min
Tokony hanontany tena isika tsirairay avy hoe mbola azo atokisana ihany ve ny olona tahaka ireto mpitondra FATy ankehitriny ireto, ny toetra dia toe-jaza, ENY anio dia ampitso hafa koa.
Dia raha samy resy lahatra isika fa tsy ilaina ny olona tahaka ireo dia andeha hijoro hitolona ho an’i Madagasikara vaovao hanjakan’ny Marina sy ny toe tsaina vaoavao vonona ny handroso hatrany.
Mila ezaka lehibe avy @ tsika tsirairay anefa izany isika milaza ho mpanohana ny ara-dalana aloha dia MANARAKA HO AZY NY FOZA ireo tsnona marivo salosana.
Tokony hahatsapa ny tsirairay avy fa mila firenena vanona ny ankizy Malagasy ary mila mitaiza azy ireo araka ny tokony ho izy isika fa tsy manao modely ratsy tahaka an’i Domelina hoe Mamboly voky tsy mamboly voky. valona @ halatra sy ny hafetsena.
Bonne nuit daholo e. Ampitso koa andro!!!
le Jeudi 11 mars 2010 à 5 h 14 min
Marina daholo izay ambarantsika eto satria izay no zavamisy ihainana ary nihiniana natao nanomboka t@ nahazoan’i DJ Andry fahefana teo @ lehiben’ny tanana, izay tsy nanao afatsy nanapotika ny endriky ny tananan’Antananarivo izay plan anankiray hamafana izay vitan-dRa8. Nanao promesse ingahy kely ny ahavitan’ny lapan’ny tanana efa ho herintaona sy tapany na roa taona fa mbola eto isika fa mbola tsy vita.
Trano lainga y fangalarana io fitondrana TGV/FATy io, izay no azo tsoahina sy tenin’ny rehetra eny.
Mandrampahoviana no hipetraka eo ny FOZA? 5 andro sisa dia hianjera ny sazy mafy ho antsika izay tsy manavakavaka na dia tokony ny FOZA no hianjerany ary dia ho hitan’ny havany eto isika. Ireo mpitondra TGV/FATy ireo no manankarena sy afaka hitsaoka fa isika dia ahantra mandrakizay sy ho FATy eto.
TSIA TSY MANAIKY IZANY ISIKA
Masina loatra ny Tanindrazana ary tsy kilalao na kabary hifamaliana fa rehefa tsy mety dia tokony ekena hoe tsy mety, rehefa tsy nahavita nitondra nandritra ny herintaona doa tokony miala eo ary mbola halana eo
le Jeudi 11 mars 2010 à 7 h 07 min
Ary aza hadinoina koa ity ry zalahy a :
- « Ahenako ho roanjato Ariary ny vidin’ny mofo dipaina ».
Nahenan’ny mpanao mofo ny vidiny tamin’ny voalohany noho ny fatahorana, saingy nihena koa ny lanjany mazava ho azy. Tsy hain’ny zazakely TGV izany zavatra tsotra izany.
Izao niakatra amin’izay ny vidin’ny mofo satria niakatra 100% ny vidin’ny farine.
- « Avelako miasa ankahalalahana ny mpandraharaha ara-toe-karena, tsy asiana teritery intsony ».
Aiza anefa e? Tsy avela misokatra ny NBM sy ny Madalife ary ny groupe TIKO.
le Jeudi 11 mars 2010 à 10 h 21 min
TSY MAHAGAGA!!!
MPAMITAKA OLONA DAHOLO IREO REHETRA IREO. RAHA NY MAMPIADY RESAKA DIA HAINY FA NY FAMPIHARANA NO VENDRANA. KOBAKA AMBAVA E!!!
MPANDAINGA, MPAMONO OLONA, MPANGALATRA, TSIVALAHARA, MATESA FAINGANA ANY DAHOLO MIARAKA AMIN’NY TARANANY. FONGORY RIZALAHY A!!!
le Jeudi 11 mars 2010 à 10 h 40 min
Mieux vaut en rire que d’en pleurer, tokoa marina moa amin’itony:
[vao omaly no omaly «hametra-pialana aho… fa… KATSAKA SY VOANJOBORY» hoy ny Jeneraly Zafera.]
>> Ny anay dia hentitra tsy miverin-dalana itony:
- manomboka androany ka hatramin’ny sabotsy: manao famantarana fotsy, isalorana (akanjo, ambony na/sy ambany), ny mpomba ny ara-dalà na eto an-drenivohitra!
- tsy maintsy tanterahina ny fotoam-pivavahana eny Ambohijatovo ny sabotsy 13 izao, na dia efa nampoizina fa (ho) »non » aza ny valin’ny fangatahana autorisation
- misy fandaharana hafa ihany koa, ka probablement Antsonjombe izao no ho azo (Dia sanatria ho négatif ve koa ve ny eny?)
Loso toy tsa mipoly koa!
le Jeudi 11 mars 2010 à 12 h 17 min
Izao lasa zones rouges Antananarivo manontolo :
- ny kianja Magro tsy azon’ny mpitolona idirana intsony fa tsy nahaloa hofa-tany hono Tiko
- na toerana aiza na toerana aiza indrindra fa ny kianjan’ Ambohijatovo izay antsoina hoe « kianjan’ny demokrasia » dia tsy azon’ny mpanao hetsiky ny mpitondra fivavahana haleha. Raha te hivavaka hono dia mankanesa any am-piangonana,
- tamin’ny 08 Marsa dia tsy azon’ny fiara nandehanana ny manodidina ny stade Malacam fa tao ny vadin’ny filoha milanonana.
Ataovy zones rouges daholo i Madagasikara iray manontolo ka ianareo FAT sy ny mpanohana anareo sisa no mahazo mivezivezy. Efa tsy azo antoka rahateo ny lalana rehetra noho ireo jiolahy mpanakana fiara ary manendaka ny mpandeha. Asio carte de membre FAT ka ireo ihany no manana libre circulation amin’ny nosy manonotolo.
le Jeudi 11 mars 2010 à 12 h 36 min
A tres bientot, réellement les ami(e)s !!!!
le Jeudi 11 mars 2010 à 12 h 37 min
» COUCOU MYDAGO «
le Jeudi 11 mars 2010 à 13 h 03 min
Véro sy HoAiza,
Mila sôsy ny mpanohan’azy ka tsy maintsy itadiavany vola coûte que coûte ary rehefa tsy misy intsony ny hangalarina dia ny akanjon’i Domelina no hesorin’ireo mpiandry azy.
N’inn’inona hidona dia « Roso toy fa tsy mipody koa »
Mahita hevitra foana isika. Vidéo-conférence, par eexemple. Ho aiza eo ireo e ! Hehefa lany ny Pile ny Bafla dia mivalana ho azy ny feony e !
le Jeudi 11 mars 2010 à 13 h 21 min
BAB’S â
havelao hihinana ny tsy fihinany é!
Ils crèveront de leur BETISE :
incapables qu’ils sont de voir plus loin qure leur nez.
incapables de penser qu’ils obèrent l’avenir du pays , donc sacrifient les générations futures , leur propre descendance dans le même lot …
Les fortunes ne sont jamais éternelles , une organisation peut l’être , des convictions oui .
Après 1917 la haute société russe setrouvait faire des « petits boulots » à Paris et ailleurs (dont taxi)
La famille KRUPP , soutien des nazis , qui en parle encore ?
le Jeudi 11 mars 2010 à 13 h 59 min
Tsy mihambahamba intsony i DADAZAKA fa tena midradradrà dra ny MARINA.
Leo, leo an’izao fitondrà na manempotra sy mihaotra ny tsy izy izao intsony ny firenena malagasy tsy vaky volo .
le Jeudi 11 mars 2010 à 14 h 06 min
Babyfoot,
Efa rodobe koa ny fanentanana ao @ Ampenjiky.
Soa fa TSY limogé ny chef-mpokontany eny @ tanananay: nanakan-dalana nanohitra ny baranahiny mantsy ny mpitandro ny filaminana teny tamin’iny 2009 iny…
Ampenjik’ô, efa vonona ny sifflet. Mbola hanampy fa iray monja sady vita plastique no efa tato an-trano!
Miandry ny consigne izany, dia las’isika…
le Jeudi 11 mars 2010 à 14 h 12 min
inona izay Dadazaka?raha ny vahoaka maro toa anay dia mba hafa izay Dadazaka rery inona izany
le Jeudi 11 mars 2010 à 15 h 26 min
Marina izany ry Dadazaka a! ny 70% ny gasy no midradradradra @ zao e!
le Vendredi 12 mars 2010 à 0 h 04 min
Fanontaniana efa napetrako raha vao nanomboka ny fanamelohana isan-karazany nataon’ny mpanohitra t@ izany fotoana izany, teny ampiandohan’ity tantara ity, ny hoe « raha marina ireo fanamelohana ny Filoha Ravalomanana ary raha nanana porofo marim-pototra ireo mpanameloka, naninona no tsy nandeha nitory, tany @ tribonaly na teto an-toerana na tany @ tribonaly iraisam-pirenena fa tsy ankala-manjana no atao ny fitsarana mitongilana… »
Dia averiko eto indray ho an’ireo milaza ho mpitondra @ izao: Tokony ny malagasy rehetra no hametraka fitoriana ho an’ireo rehetrarehetra fahavalon’ny firenena ireo. Tsy ny porofo akory no tsy ananana… Tsy tokony havela ho afa-maina fotsiny na iray monja aza @ ireo mba tsy hiverina mandrakizay intsony eto @ firenena ny zavatra toa izao!ary tokony ny sazy mafy indrindra azo ampiharina no angatahina!
RAha tsy izay dia tonga @ fitenin’ny sasany hoe « samy manana ny mpitondra mendrika azy ny vahoaka » koa raha hitazana sy himenomenona fotsiny any an-tranony any avy dia ho samy hizaka izay mahazo toerana eo daholo fotsiny!
ANDEHA RE RY MALAGASY TIA TANINDRAZANA REHETRA HIARA-PEO HAMETRAKA FITORIANA HANAMELOKA NY MPANONGAM-PANJAKANA SY MPANJAKAZAKA REHETRA!
le Vendredi 12 mars 2010 à 11 h 58 min
manamaivan’javara izany voambolan hoe »kilalaon-jaza »izany »sraia miankina amin’ny fitondrana ny ain’olona sy ny fahasambariny.
Azo, lazaina fa kar
le Vendredi 12 mars 2010 à 12 h 12 min
TSY KILAON6JAZA MIHITSY ARY MANAIMAIVANA NY RAHAR
le Vendredi 12 mars 2010 à 12 h 21 min
TSYN KILALAON6JAZA MIHITSYBFA MANAMAIVANA NNY RAHARAHA NY MAMPIASA AN’IZANY VOAMBOLANA IZANY;
AOKA HAZAVA FA tSY MISY MAMPIFANDITRA SY MAMPIOADY OHATRA NY FTONDRANA FIRENENA SY NY FINOANA;
AOKA KOA HAZAVA FA NY FITONDRANA OLONA NO METY HAMONONA OLONA; nOHO IZANY DISO, ARAKA NY FIJERIKO? NY HOE NDEHA HATAO RAHARAHAM6PIAVANAtSY MISY LOZA OHATRAN’NY MPITONDRA TSY MAHATSIARO NY ADIDINY;AZO LAZAINA HOE: tena mpamono olona mohitsy.
Satria rehefa tsy mahtsiaro izy dia be no mety ho fatifaty foana na mA
MATY noana.
NY POLITIKA TSY FIHAVANANKOA AZO ATAO KILALAO
le Vendredi 12 mars 2010 à 15 h 07 min
Aoka hazava tsara ny resaka !
Tsy hoe nanongam-pajankana dia lasa « Homme d’état » ,dia lasa manana « fahaizana mitantana Firenena ,na mitantana société..!
E no mipetraka ny olana !
Ity olona resahintsika ity dia tsy nomanina na nanoman-tena hitondra fanjakana !
Ny fihetsiny ,ny fiteniny ,ny fitondra-tenany eo anatrehan’izao fanonganam-panjakana izao dia fahavorian-tsaina ,tsy mampiseho tarehi-pahendrena
na kely aza !
Nahazo ny fahrfana izy dia te-haneho izany amin’ny alan’ny fanambarana maro mufanohitra ,ohatrany tsy izy no niteny ireny !
Tsy tsikarina fa mifanohitra ami’izay nolazaina androazny izay nambarany afak’omaly..!
Tsy problèmany izany ! Izy no manana ny fahefana ,ny sisa dia manaiky sy manaraka izay nolazainy !
Isika mahatsapa , indrindra ireo olona manodidina azy ,no tokony nilaza taminy fa tsy mitombona ny teny ataony satria mifanohitra any ka tsy fantatra intsony izay marina !
TSY NISY SAHY NILAZA TAMINY IREO TENY ROA MIFANOHITRA NA MIOVAOVA AO ANATINY NY ANDRO ROA MIFANDIMBY !
Mety fantany tsara fa mifanohitra ny teny nolazainy ,ary rakany tsara fa TSY NISY SAHY NITENY AZY ,dia hoy izy mantsy azy miteny irery hoe : »IRETO DIA TENY OLONA TSY MISY ILANA AZY ,MATAHOTRA ,TSY SAHY MILAZA AMIKO AKORY FA DISO AHO ! »
Mety izany fahatsapany fa tsy misy sahy miteny azy no niheverana fa ATAHORANY IZY ,KOA NA INONA HATAONY NA INONA ,TSY MISY OLONA SAHY MITSANGANA MANOHITRA AZY !
Metry ny tahontsika ,ny tsy fahsahiantsika no nanome hery ny olona toa itony…!
Isika izany no « nanosika » an’io olna io ho tonga bemarenina , ho tonga tsy refesi-mandidy , ho nanao didy jadona !
Ary ahoana mùoa no hijanona tsy hanohy intsony ny fanararaotana ny fahefana eo am-pelatanany ?
Iza no sahy haka izany fahefana izany..?
NY VAHOAKA IHANY AMIN’NY FOMBA ROA SAMIHAFA :
1.-MANERY AN’ITY OLONA ITY AMIN’NY ALALAN’NY HERY HIALA EO AMIN’NY TOERAM-PAHEFANA..
2.-AMIN’NY ALALAN’NY FIFIDIANANA IZAY HO FILOHA-PIRENENA ..
Maika anefa Isika fa tena mijaly ny Malagasy ,ny ririnina efa akaiky..koa tsy misy afa-tsy ny manosika an’io olona io hiala amin’ny alalan’ny herin’ny Vahoaka noana sy tezitra !
Miaro mirona mankeny amin’ny toerana ipetrahan’ity olona ity..: tsy basy na tafondro no entina fa ny tanam-polo sy ny hatezerana ary ny ny finiavana sy ny fahavononana hanala azy eo amin’ny toeram-pahefana nalainy tamin’ny alalan’ny miaramila novidiany !
le Vendredi 12 mars 2010 à 15 h 30 min
ZANATANY AHO/ Toerana filalaovan’i ankizy kely manodidina ny zaridaina (fahizay) ao AMPASIMAZAVA TOAMASINA …..ankehtriny dia tanim’bary voahitsika sisa , satria hono namdidy anaovana MAGASIN SUPER MARCHE io zaridaina COMMUNAL io- FRANCOIS rené
le Vendredi 12 mars 2010 à 15 h 54 min
Manahoana daholo indray,
GBD, Hoaiza, Véro et amis,
« Horakoraka hono ny an’ny SAHONA fa ny TSIBOBOKA no tompon’ny rano ». Quant à la richesse volée : « La fortune est de verre, au moment où elle brille le plus, elle se brise ».
Mamatotra azy aby na adages gasy na vaza e!
Tsy afa-maina ireo, c’est une question de temps.
le Vendredi 12 mars 2010 à 16 h 08 min
pour baby foot…….Tsy mba SAHONA, NA TSIBOBOKA ireo mpividy sy ny mpivarotra ….Izy Reo dia azo ampatoviana amin’ny ….HYENES sy CHAROGNARDS …VOKY SAKAFO MALOTO SY FENO LALITRA MANGA FRANCOIS rené
le Vendredi 12 mars 2010 à 16 h 11 min
Tsy tantin-dry zalahy HAT mihintsy io hoe:
Horakoraka ny an’ny Sahona fa ny Tsiboboka no tompon’ny rano io!
le Vendredi 12 mars 2010 à 16 h 33 min
ity Francoi Rene ity ve zao vao naita 4 amis tao dago e!
le Vendredi 12 mars 2010 à 19 h 16 min
KrissssssssssssSSSSSSSSSSSSHHHHHH