Mamokona totohondry amin’ny vahoaka Malagasy ny Fitondrana Fat, mampalahelo ny zava-misy eto Dago.
- Vao omaly no omaly no navoakan’ny fitsarana ara-barotra fa « miala tsy misy hatak’andro » amin’ny Groupe Tiko ny tany eo amin’ny Magro Akorondrano, niampy fandoavana onitra. Araka ny lalana misy aloha dia tsy hanao « interpretation » ny didim-pitsarana isika, fa raha io didy navoaka io dia mila ady amin’ny vahoaka Malagasy marobe mampiasa io toerana io ny Fat, ho hitantsika eo ny tohiny fa mandrisika ny olona hioam-pefy hatrany ny fanampahan-kevitra maimaika toy izao.
- Fa mamokona totohondry amin’ny mpanao gazety marobe ihany koa ny Fat araka ny zavatra hita omaly. Tsy henatra tsy tahotra fa na ny Ceg Ravelomanana Claude, na ny i Vital dia samy nanilika ny hadisoana sy ny fikorontanana eo anivon’ny FIGN, fa ny mpanao gazety no tompon’andraikatra tamin’ireny « voan’ ny daka maharary teo amin’ny point vital » ny mpanao gazety omaly. Ny tsapa dia mila ady amin’ny mpanao gazety mihitsy ny mpitondra Fat, taorian’ny famonjana ireo mpanao gazetin’ny radio Mada Ramanantsoavina Evariste, ny mpanao gazety Lolot Ratsimba sy ny Talean’ny famoahanan’ny radio Fahazavana Didier Rolland Ravoahangiarison, dia izao vaky ambatolampy ny resaka omaly fa tsy zakan’ny Fat ny famoahan’ny mpanao gazety ny marina. Kanefa ao anatin’ny « article 11″ ao amin’ny lalampanorenana dia milaza fa manana zo feno haheno vaovao marina ny Malagasy, kanefa raha izao mitranga izao dia tampenam-bava indray ny mpanao gazety.
- Mamokona totohondry amin’ny vahoaka Kristiana koa ny fiadidiana ny tananan’ Antananarivo, satria raha ny fantatra hatrany amboalohany (septambra 2009) dia nolazaina fa tsy natao hanaovana fihetsiketsehana politika intsony ny « Kianjan’ny Demokrasia » fa natao hoan’ny hetsika ara-kolontsaina sy fivavahana.Amin’izao fotoana izao anefa dia « hijoro amin’ny fahamarinana » ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) koa dia nangataka io toerana io, noho io teny nolazaina tany aloha fa natao toerana hivavahana ny kianja, izay marihana fa maro ireo hetsika nataon’ny fiangonana zandriny teo fa noekena hatrany. Novalian’ny Prefektoran’ny Polisy fa tsy mahazo manao fotoam-pivavahana eo ny HMF amin’ny Sabotsy 13 martsa izao , « raha atao an-kalamanjana ny fivavahana dia hakatona ny fiangonana » hoy ny Prefet. Valy boraingina hatrany no mahazo ny vahoaka te haneho hevitra
Tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny raharaha eto Dago.Andron’ny famonoan’afo tokoa izao e!
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:


Ny marina manko dia izao :
Mpanongam-panjakana tamin’ny alalan’ny basy sy tafondro ireo FAT ireo ka noho izany indrindra dia tsy afaka misaina intsony raha tsy amin’ny alalan’ny basy sy tafondro ihany koa.
Mampalahelo ihany satria toa midika fa gadrain’ny hesisetra ny maha-olona azy ireo ka mila tsaboina amin’ny fivavahana ny fanahiny.
Koa mila finiavana avy amintsika Malagasy mba handray andraikitra sy hijoro fa tsy mora ny miady amin’ny devoly. Ary io Prefet de Police io ve olona « mivavaka » ? Mirefarefa amin-tany ny toe-tsainy kanefa toa hoe : Administrateur civil ?
Fa raha ny taratasy navaliny ny fangatahana nataon’ny HMF aloha dia toa taratry ny olona lazaina fa « foza orana » ireny … Ny tiako ambara dia valinteny « jiolahimboto » ary fisainan’olona « mihemotra » . Ireny ilay hoe nahita fianarana fa tsy velon-komana ka raha vao mahita kely dia mirangorango sy manao bembosika
Ary izaho anie dia mihevitra fa hoe, tsy misy an’izany Fitsarà na izany intsony any Madagasikara e ! Hay ve ka mbola misy an’izany ihany any e !
Tokony mba Tazomina ny anaran’ilay MPITSARA, fa TOA OLONA AZO HITOKISANA, SY MIASA TSARA !!
Eny wa
dia inona koa?
malheureusement les successions d’inepties , de violences et autres n’auront pas de cesse avec un gouvernement sans légitimité…
…leur seule force réside en intimidation , violation de toutes les règles élémentaires et fondamentales d’une république démocratique…pire que Ratsiraka dans la méthode.
Méthode plus proches des gangsters putschistes ,des trafiquants de drogue de Birmanie….
ici on trafique : bois précieux , pierres précieuses , minerais , exploitation proche du pétrole surtout.
Alors là , avec les appétits des pétroliers et deleurs complices au pouvoir : LE CALVAIRE NE FERA QUE COMMENCER .
A FORCE DE CRAINDRE LE SACRIFICE : LE PEUPLE SUBIRA PIRE , L’ESCLAVAGE TRANQUILLE.
- Avelao hamokona totohondry eo fa izy samy izy ihany no hifampidaroka eo. Jereo tsara anie e !
Fahefana indramina sy nangalarina io ve no ampahoriana ny vahoaka toy izao ? Aoka e ! Ny hena lasany laitrako ihany hoy ilay gazety iray izay fa ny fidingin’ny sangany no tena tsy zakako !
» COUCOU MYDAGO «
I Vital tsy mahatanty démocratie.
Ny autocratie forcée efa imposer-na aminay vahoaka: Ondaty ‘ty, HO FATY KERE AVAO TY OLO. Fanondranana-famoahana devise @ importation X alimentaires no betsaka eto. Hoy ny Docteur en économie: iray volana sisa ny reserve en devises ao. Tsy hita moa fa ity Gouverneur de la BCM koa kay novaina arak’ilay lisitra…
Ny mass média koa mbola hanaovana teny tsy voahevitra (sao dia mba efa dôzy aza ilay Camille vao miresaka tamin-dry zareo journaliste?)
Misaotra an’i Zafera nandray sy niresaka ankalalahana tamin’ny mpanao gazety tao aorianan’io.
O ry FIGN ô: asaivo mipoly jiaby ireo longo areo natao affectation disciplinaire. Fa indrindra ny taninareo zandary namidy t@ Indien dia tsy azo leferina na oviana na oviana.
Mahakivy rizareo ny toetsaintsika gasy a! Izaho zay manoratra dia miaina eto am Tanà na. Ny zavatra tsapako zany dia tsy te mbola ao anatintsika ilay tena Fitiavan-tanindrazana. Ohatra: efa hita izao fa tsisy mandeha @ tokony ho izy ny fianampirenena noho ny nafitsoky ny mpanongam-pajakana, efa samy mahita ny ngidiny daholo nefa dia tsy misy sahy mijoro fa dia manaiky foana isika. Tsisy action mintsy zany mba hanamafisana ny tolona fa vao oe tsy mahazo manao anzao nareo ddia manaiky fôna sika. Tsy fantatro zany oe aiza ny solution fa raha izao no mitohy dia ho very eto daholo isika ary dia ho tsarain’ny taranaka any aoriana. Ny hevitro dia tokony tsy hihemeotra mihintsy amzay decision efa noraisina. Ohatra oe ndao vakiana amzay 13mei fa io ihany no lalana aingana indrindra sady mba ho fandraisantsika anjara ihany koa am zay tolona ataon Dada aty ivelany e! Sa aona hoy ianareo? Mahereza daholo ô!
Ka dia izay totohondry tsy mivonkina amin’izao fihantsiana izao koa aloha dia maty hozatra e!
Ireto FATy ireo ve olona sa devoly manao olona? Ny azo antoka aloha dia miaraka amin’ny devoly izy. Ny devoly anefa dia efa fahavalo resy. Raha atao sary io FATY io dia ireny alika mivoavao tsy misy nify ireny izany hoe banga. Ka avelao hamokona totohondry eo foana fa tsy misy dikany io.
Mba misy saina ve io Président vaovao ny Chambre de Commerce Antananarivo io no voa tonga teo amin’io toerana io izy dia nitory tany amin’ny tribonaly fa hoe » tsy nandoa hofa – tany tamin’ny 2009 ny MAGRO ka izao resy handoa onitra vola be izao sy tsy ampiasan’ ny Magro intsony ho toera – pivoriana ( indrindra fa politika indray !)
Tsy vitan’izany fa mbola namidin’ i TGV sy ny HAT ary ny FIS koa ny menaka, farine, boisson, ronono, hygiénique, ny fitaovana tao amin’io Magro sy Tiko tsy ny teto Antanarivo ihany fa eran’ i Madagasikara . Averiko : NY MAGRO SY NY TIKO ERAN’ NY MADAGASIKARA
Io Président vaovao io sy ny Président – ny tribonaly namoaka an’io didim – pitsarana fosika ioio ary indrindra fa Ra-Christine ( ministry ny Fitsarana )sy ny HAT no rangoro fototry ny afo amin’izao zava-mitranga izao.
Magro dia tsy nampidi-bola mihitsy tao aorian’iny 26 janvier 2009 ( « Black Monbay » ) iny, fantatry ny vahoaka malagasy , satria norobaina sy nodoran’ ny baomanga voavidin’ny TGV ny orinasa MAGRO sy TIKO.
Tena misy mihitsy ve izany » Indépendance Judiciaire » nodradradrain’ i Ra – Celine tany Genève izany?
Ary satria TGV no tomponantoka tamin’izany rehetra izany dia tokony ny tenany sy ny forongony no ho saziana ? Aiza moa no tsy hilaina ny fisian’ ny Communauté Internationale na ny GIC hanantanteraka an’ izany eo anolohan’ izao tsindry hazo lena lehibe izao.
MPM ilay FAT
mamokona totondry…fa be kibo , voky labiera sy sakafo matavy , be cholestérol…
BIBENDUM…
Ny ndaty any Androy tsara bika , mihazakazaka manenjika omby ,
sprinters et marathoniens à gogo chez le petit peuple qui n’a pas de 4×4 , mais des jambes et des mollets pour de longs , longs déplacemznts à « pédibus ».
akatona ny kianja
akatona ny fiangonana
akatona koa ve ny kabinetra ?
Resa-be daholo izany. Hatramin’izao dia tsy misy fanjakana eto Madagasikara ka tsy misy manaiky sy matahotra izay lalà na ataon’ireo Mpanongam-panjakana. Ary rehefa tafaverina indray andro any ny tena ara-dalà na eto amin’ny Firenena dia hitokona indray ny Vahoaka,hitaky ny fanafoanana izay rehetra nataon’ny FATy sonia, na inona izany, na tamin’ny firenena iza.
Tamin’ny 09 août 2009 no voasonian’ny an-kolafy efatra ny fifanarahana tany MAPUTO ary tapaka fa :
-hapetraka ny Tetezamita Iraisana sy tsy manavaka
-ary koa mifaranba io andro io ny hat..!
Narirariran -drajoelina sy namany io fanapahan-kevitra io dia..io mbola eo ihany ilay fat izay tsy manana fahefana intsony ,ka izay didy na décisions nataony dia tsy misy antony ,ary tsy azo hampiarina..!
Nanagadra izy…fa fampisehoana hery fotsiny ireny..
Ary mitohy ny herisetra satria tsapan’izy ireo tsara fa tsy ho ela dia ho vita ny aminy..!
Te-hampiseho izy amin’izao fialany aina izao fa mbola izy no tompo ny fahefana ,mbola izy no mandidy sy manapaka ary indrindra te haneho izy ireo tsy ahoana izay sazy hianjady aminy..!
Ny mpitarika ny Tolona dia efa niezaka ny NAMPATSIARO NY VAHOAKA FA ANDRAIKITSIKA MALAGASY NO MANALA AZY IREO EO AMIN’NY TOERAM-PAHEFA ARY IREO
MPITARIKA DIA MILAZA AMINTSIKA FA MAHERY SY MANAN-KERY ISIKA VAHOAKA..!
KOA REHEFA MIJORO SY MIARA MIRONA SY MITRENA ISIKA VAHOAKA DIA TSY HO HAY HO TOAINA IZANY !
NY MIARAMILA SY NY ZANDARY TSY HITIFITRA NY VAHOAKA AN-TAPITRISANY IZAY MISY NY RAY AMAN-DRENIN’IZY IREO ,MISY VADINY SY NY ZANANY ,MISY MPIRAY TAMPO AMINY ,MISY MPIRAY TANANA SY FOKONTANY AMIN’IZY IREO ,MISY NY NAMANY..!
ARY REHEFA TSAPAN’IREO MIARAMILA SY ZANDARY FA MAHEY VAIKA NY VAHOAKA DIA IRENY IZY IREO HANAMPY NY VAHOAKA !
MINO AHO ARY FANTATRO TSARA NY FISAINAN’IREO FA MANDALA NY AIN’NY HAVANY IZY IREO ARY MATAHOTRA SY MITSINJO NY HO AVY KOA !
rajoelina mandalo FA NY VAHOAKA MIJANONA EO AMIN’NY MAHA VAHOAKA AZY !
ARY NY VAHOAKA NO MANOME NY FAHEFANA AMIN’NY ALALAN’NY FIFIDIANANA..!
AOKA HAHAY HANDINIKA SY HIJERY NY AMPITSO NY REHETRA !
RAHA AMIN’NY FOTOANA HITRAKAN’NY VAHOAKA DIA MINO FA TSY HANOHITRA IZANY NY MIARAMILA SY NY ZANDARY!
« ZANAHARY O ,TAHIO NY TANINDRAZANAY …! »
ce sont des êtres sans scrupules, sans cervelles,des voyoux, ils pensent qu’ils vont tenir bien longtemps MADAGASCAR SOUS LEURS JOUGS ?? TOUTES CHOSES ONT UNE FIN, COMME DIT LE PROVERBE MALGACHE CE SONT DES PERSONNAGES MALEFIQUES,LES TGVISTES ONT FAIT DES PACTES AVEC SATAN, AUCUN HOMME DIGNE ET RESPECTUEUX A TRAHI SON PAYS COMME A FAIT CHACUN D’EUX … MAINTENANT DIEU DE TOUT L’UNIVERS MONTRE SA PUISSANCE ET SA GLOIRE SUR NOTRE PAYS QU’IL AIME TANT, QU’ILS GRONDENT OU QU’ILS GRELENT LES TGVISTES COMMENCENT A S’ENTREDECHIRER ENTRE EUX MEMES TELLEMENT LE TEMPS NE JOUENT PLUS EN LEUR FAVEUR , ILS ONT TELLEMENT CRU AUSSI QUE MADAGASCAR EST LEUR PROPRIETE PRIVE ET LES MALGACHES LEURS ESCLAVES. LES LARMES DE CES PETITS MALGACHES ??? MAIS DIEU A VEILLE SUR EUX … RIEN NE VA PLUS CHEZ CES MAUDITS PERSONNAGES QUE SONT LES FAT HAT. ILS PEUVENT MONTRER LEURS POINGS, TIRER LEURS LANGUES,LEVER SES PIEDS TOUTES LES MACHINES SONT EN ROUTE, LE VENT SOUFFLE EN LEUR DEFAVEUR? ON RECOLTE CE QU’ON SEME, ET QUE JUSTICE SOIT FAITE!!! SOYEZ PATIENT PEUPLE MALGACHE CONTINUEZ A LOUER DIEU ET LE GLORIFIER!!! SA DELIVRANCE N’EST PLUS LOIN !!! SAINT EST NOTRE PAYS !!!
Mais qui s’entête à dire que Madagascar a un gouvernement légal ? NON. NON .!
Depuis le « coup d’état » ,ce pays est dirigé malheureusement par une » ASSOCIATION de MALFAITEURS » dont chaque membre applique à l’encontre du peuple sans défense ses ignobles caprices suivant son humeur. Ces ineptes actes qui terrorisent la population sont sans limite et demeurent gratuits.