Sambo-belona sa sambo-dokotra sa sarika am-pandriana?

Voalohan’ny herinandro, voalohan’ny volana Martsa, hanamarika zava-dehibe eto amin’ny firenena ity volana ity.

Hita sahady fa dia hangotraka ny tontolo politika, manao ramatahora tsy ankijanona ny herim-pamoretana. Ny zoma halina teo, natao sava hao ny tranon’i solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo Renivohitra, dia ny député Zaka, izay saika natao « sarika am-pandriana » ny fisamborana azy, ny nanaitra tamin’ity raharaha ity dia tsy nisy « mandat de perquisition » tamin’ireo andiana zandarimaria nanao ankanjo sivily nisava ny tranony, araka ny fanazavan’ny tompon-trano. Nitohy izany ka dia ny sabotsy tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, nisy zandarimaria notarihan’ny Lieutenant Rabarisoa Jean Claude nipetraka teo amin’ny vavahadin’ny Q.G-n’ny legalista tao Bel’Air, araka ny feo niely teny an-toerana dia hoe hisambotra ireo mpitari-tolona ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ry zareo ireto, hanao « sambo-dokotra » mihitsy, ary vao omaly no omaly tamin’ilay fambolen-kazo notanterahan’ny antoko TIM teny Ambohidratsimo dia mbola nahitana zandary indray nanaraka ny fiara nitatitra ireo mpamboly hazo sy nihaodihaody teny an-toerana.

Raha iverenana ny tantara, efa be izay ramatahora nataon’ny Fat nandritra ity krizy ity fa tsy nahomby mihitsy, vao maika aza nampilentika ny Firenena hatramin’izao. Ho an’i Manandafy Rakotoniriana dia efa miala aina faramparany io Fat io ka izay no mahatonga azy mitsipatsipaka toy izao, « tsy ny fampiasana hery no vahaolana » hoy izy « fa ny fiverenana an-databatra boribory ihany »,  » tsy matahotra fisamborana » izahay hoy izy. Ho an’i Rakotoamboa Jean Louis, filoha nasionalin’ny antoko Teza dia atahorany sy tsy zakan’ny Fat ny fametrahana ireo Komity Miaro ny Satan’ny Maputo koa izay no mahatonga azy manao manao fanagejana mafy, ny fanaovana « sambo-belona » no demokrasian’i Andry Tgv hoy izy.

« Terrorisme, Pression et Répression, Ramatahora, Raneriterena » izay no vahaolana hitan’i Andry Tgv hamahana ny krizy eto Madagasikara.

« Tsy izany ramatahora izany no hahafoana ny afom-pitiavan-tanindrazana eo amin’ny Malagasy  » hoy ny filoha Ravalomanana teny amin’ny Magro ny Sabotsy lasa teo raha niresaka mivantana tamin’ny vahoaka izy. « Mijoroa ianareo fa tsy hanaiky ho voazanaka fanindrony isika  » hoy izy.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Akon’ny teny Iavoloha
  2. Antsonjombe – Andriamanitra ô, avereno ny dadanay !

17 Comments

  • fandresena tena izy dit :

    Tena tsy hanaiky voazanaka fanindroany mihintsy isika e! Ary amin’ny fomba rehetra dia hanohitra izany isika na hiisy inona na hiisy inona . Samia matoky ny hery tsy hita sy ny ezaka izay tsy maintsy ataon’ny tsirairay .

  • ralambo dit :

    Tsy asiana resa-be ry zareo fa mijaly ny vahoaka , tsy an’asa ny vahoaka , voatafiky ny mpanao ratsy ny vahoaka , ny vahoaka ihany no misedra ny zava-miseho ,raha toa ka tsy ahitana vaha-olana ny Maputo sy ny fivoriana misesy teny ivato , jereo re olona zay marimaritra iraisana ivoahina ami’zao krizy izao fa mijaly loatra ny malagasy a ,nitady fiovàna ny mgasy mba hatsaratsara kokoa ny fari-piainany ,tsy nahomby izany , koa any amn’iza indray no itodika? ianao vahoaka malagasy ihany no manana ny la clè sy valiny izany koa dia mahereza daholo e.

  • Rababanaivo dit :

    Inty misy torohevitra am-panetretena: Miezaka mafy ny Fat hamongorana ny mpitarika ny mouvancen Madagascar koa ny sisa tsy ho voasambotra tsy maintsy mihetsiketsika mafy ka dieny izao mitadiava mpanentana mahay mivazavaza be. Nahoana na ny anankiray na roa amin’ireo pasitera? Mahereza

  • Lazalazao dit :

    Mikasika indrindra ireo asa fampihorohoroana sy fampitahorana ary fisamborana ataon’ny FAT dia tokony ho mailo ihany isika rehetra fa manomboka @ 10 mars eoeo dia hipoaka indray ny habibian-dry tsy nahita fianarana isany ka hisambotra olona indray ry zareo hanaovana takalon’aina mba hanalana ny sazy miatra @ izy ireo.
    Farany, aleo tsy ho tso-po loatra iska Malagasy ka hino fa ny sazy dia ampy hoan’ny mpanongam-panjakana sy ny forogony fa ny fahatongavan’ny tafiky ny SADC mihitsy no tena vaha olana raha tsy mampiatra ny satan’ny Maputo sy ny tovana tany Addis Abebas ireo fanetry ben’ny tany.

  • titanity dit :

    qui donne les mandats de perquisitions? Parce ra krisy a bien dit que ce n’était pas le ministere de la justice qui les délivrait mais que les gendarmes n’en faisaient qu’à leur tête!!! dans un discours tenu par VItal dans le faritra atsinanana il a dit:: miomana isika fa tsy maintsy miafy ato o ato fa hilatsaka ny sazy! kabary tsy valiana moa ny azy fa d variana ny tenanay ! izy amin’io galabona tsara, voky,tsy mandeha tongotra, 4×4 miandry azy ny vidin’ny carburant tsy mvoaka avy an posiny, ny gasy kely amin’izany d manaiky aleo o avy ny sazy fa o zakainay, ny aina amin’izany efa mila hitsipotitra ary ankady ery!!! eny ary koa ho hita eto ny valiny!!! d’un coté c’est admirable de chercher a tout prix à maintenir la tete ainsi hors de l’eau mais tant qu’il s’agit de sauver ta peau je peux accepter mais que l’on sacrifie des millions de personnes pour satisfaire ton ego!!! c trop quand même non?

  • rasoa dit :

    na hisambotra isan’andro lava izao aza ny FAT, tsy ho vaha olana hoandrizareo mihintsy akory izany.

    Ils se salissent eux même!

    Plus ils multiplient les actes barbares, plus le peuple reclamera la légalité, l’état de droit.

  • AFAKA dit :

    Tsy mahazaka demokrasia ny fat fa noheveriny fa inona angaha izany no nodradradraina ery t@fotoan’androny! fon’izy nanongam-pajankana io sao dia misy tsy maharaka.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Raha misy olona tsy mahafantatra an’izany demôkrasia izany, dia ireo mpanongana ireo no voalohany.
    Inona izao no niafaran’ity nolazaina hoe Kianjan’ny demôkrasia ?
    Mpiasa mitaky ny anjara karamany dia samborina ! Satria ve tsy afaka miaro tena, tsy misy fitaovam-piadiana eny amin-dry zareo ?
    Tsy misy fetrany mihintsy, ny zavatra tsy mendrika ataon-dry zareo !

  • Tanandranandrana dit :

    Fa hevrinao ho inona zany mitondra Fanjakana zany ry TGV a! Dradradradarina ery tsy misy démocratie, liberté de presse, liberté d’opinion t@ Ra-8 dia lasa tokoa ny kely saina rehetra fa nanaraka ity FOZA hitaky ny Démos cratos.Pire ary tena pire ny tsy fahazakana democratie-n’ireo FAT ireo, dia mba avereno amiko kely oe ry SARERAKA ireny tononkiranao t@ fotoan’andron’i Radidy OE  » Nangataka t@ Tchadly, nangataka t@ Brejnev, nagataka tany Lybie, …sy ny OE  » INNNONA NY VAOVAO MANERANA NY TANYYYYYY  » valiny ( lasa natavy sy nahazo aina ingahy Sareraka t@ ity fitondrana FAT ity ) zao anefa toa mamikitra mafy ao @ FAT ao SARERAKA ary efa nahazo aina tsara, hay moa nedala iny mba nety natavy ihany!!!!!!!!!! leaza.

  • Odile dit :

    Ce que je vais dire ne regarde que moi, mais je voudrais vous le soumettre pour avoir VOS avis.

    Je ne vois toujours pas,
    1)Pourquoi les 3 autres mouvances n’exigent pas L’INACCESSIBILITE de la Mouvance Rajoelina à la Table de négociations.
    2) Pourquoi, l’on insiste toujours pour qu’il revienne ?
    alors QUE LE BUT SUPPREME EST DE LE SUPPRIMER POLITIQUEMENT AFIN QU’IL NE MENE PLUS LES AFFAIRES DE L’ETAT.
    3) La HCC Illegale ne peut elle pas le demettre de ses fonctions?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Des accords ont été signés, il ne reste plus que leurs mises en application.
    Une enième Table de négociation, n’est plus à l’ordre du jour ; chaque mouvance se doit de respecter SES ENGAGEMENTS, avant le 16 mars !!
    La complicité de la HCC dans cette affaire n’est plus à démontrer ; aussi, une Institution « illégale » ne peut « pondre », que des décisions illégales.
    Idem pour toutes ces remises de « médailles », elles sont, ou doivent faire l’objet d’une annulation plus tard !!

  • MAGRO dit :

    Ravalomanana>>> Izahay dia mankasitraka anao 100%. Saingy mamelà anay raha hiteny hoe ianao no lohany; alohan’ny hitaritana anay hijoro dia aoka ianao ho fitaratra. MIJOROA RAVALOMANANA fa arahinay ianao.

    Manontany tena mantsy izahay hoe toa izahay foana no sasatra mitolona fa ianao dia mionona amin’ny antso an-tariby.

    TONGAVA aty fa HIARO ANAY IZAHAY. AZA MATAHOTRA!!!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tsy dia vahaolana laotra izany amin’izao fotoana izao ry MAGRO !
    TSY MBOLA FOTOANAN’IZANY IZAO ! HO RAISIN’NY SASANY HO FANDRANGITANA SY FANAKOROTANANA IZANY !
    MINOA IANAO, FA REHEFA TONGA NY FIFIDIANANA, DIA IZY NO HO LANY !

  • akamasoa dit :

    Ao re rizareo a.
    Efa nankasitrahanareo ity sonia tsy misy farany tany Maputo sy Addis Abeba tsy misy farany ity ka dia tohizo foana.

    Amin’ny 10 mars indray hono no tokony hivory
    … dia mandehana indray Mse Ravalomanana manao sonia ô.

    Dia andraso ny ultimata-n’ny ZIKSA dia mivoria indray… dia manaova sonia indray…

    Aza misy minenomenona fa samia mizaka ny lalana nofidiany …

    Même un conard comme radomelina avait bien compris que les trois autres sont encore plus dingues que lui …

  • laesarasara dit :

    ny heriko dia tanterahina amin ny fahalemena hoy ny tompo jesoa,mampalahelo ny zavatra hiainana ny malagasy ankehitriny,reraky ny zava-misy ny vahoaka,nomeny tompo ny ady amin izany isika dia ny ady mafin ny FINOANA,mila noho izany mandeha amin ny rariny sy mahitsy,manetry tena eo anatrehan andriamanitra,mitaraina aminy hivoahany RATSY amin io firenena io,avela hatreo ny fitiavam-bola ,aleo mijery ny firenena izay mihamantra

  • Gasy katolika tia tanindrazana dit :

    Reto zandary sa mpandoto anaran-jandary ireto koa anie manoatra nohon’ny senegaly mahazo baiko taloha ee, aiza ka olona hamboly hazo no asaina arahina dé lasa tokoa, tsy mitsitsy mihitsy ireo milaza ho mpitondra « fanjakana » toa miendrika adala ireo, mandany ny volam-bahoaka hanakaramany ireo olona tsy mahatanty mena miraviravy.

    Ny mahagaga dia lotoin’izy ireo avokoa ny anaran’ny polisy miaramila sns, ary azo isaina lé manaraka azy, kanefa dia tsy misy miteny ny besinimaro :( MANDRA-PAHOVIANA RE NO HANEKENTSIKA IZAO toe-javatra manimba firenena izao ee!!

    Antso avo ho an’ny GIC sy ny Pdt R8, mba mijoroa @ fanapahan-kevitrareo, ampiharo izay sazy sahaza ny olona rehetra nanao ratsy sy tokony ho saziana @izao toe-draharaha izao, fa efa mijaly ny vahoaka ary efa manantena fahafahana sy fiadanana.

    Ho an’ny Pdt R8, zahay vahoaka mbola mino sy mahatoky fa raha miverina ianao mbola ho 1er tour dia vita, satria mahatoky izahay fa nandray lesona ianao t@ zavatra tsy nety teo aloha, ary mila FANDROSOANA MAIKA SY MARINA ny firenena sy ny vahoaka tsy vaky volo.

    Masina loatra ny Tanindrazana

  • NY MARINA IHANY dit :

    FALY MIARAHABA ANAREO MALAGASY REHETRA ATO AMIN’NY FORUM.MISAOTRA AN’ANDRIAMANITRA AHO NAHITA ITY SITE FA LALANA IRAY AHAFAHAKO MAMPITA HAFATRA HO AN’NY MALAGASY ITY. IZAHO DIA MPIANDRY ARY NAHAZO FAHITANA NY AMIN’NY HAMERENAN’I JESOSY AN’ATOA RAVALOMANANA EO AMIN’NY FITONDRANA MALAGASY INDRAY.LALANA HANITSIANA SY HANAMBOARANA AZY IZAO. KOA REHEFA NIVAVAKA AHO NANGATAKA IZAY TOKONY HATAON’NY VAHOAKA MANOHANA AZY DIA NAHAZO VALIM-BAVAKA TAMIN’NY FAMINANIANA IHANY FA VAVAKA IHANY NO ASAIN’I JESOSY ATAON’NY PRO RAVALOMANANA KOA ARAKARAKY NY VAVAKA ATAONTSIKA DIA HOVAIN’ANDRIAMANITRA TSIKELIKELY NY FON’NY MALAGASY REHETRA HANJARY HO MPANOHANA AN-DRAVALOMANANA DAHOLO ARY ARAKA ILAY FAMINANIANAN IHANY DIA NY MALAGASY REHETRAZ MIHINTSY NO HIOVA. TSY TAKATRY NY SAINTSIKA IZAY FOMBA HANATANTERAHAN’I JESOSY IZANY FA AOKA NY FONTSIKA HINO SY HATOKY FA HANAO IZANY IZY REHEFA MANARAKA1 IZAY ASAINY ATAO ISIKA DIA NY VAVAKA IHANY. ARTY MATOA NIHENA NY OLONA ENY AMIN’NY MAGRO DIA ANDRIAMANITRA MIHINTSY NO NANENA AZY MBA TSY HO NY HAMAROAN’NY OLONA NO HANANTENANTSIKA FAMONJENA FA NOHO NY FINOANA AN’I JESOSY MBA HO VONINAHITRY NY TOMPO IRERY IHANY NY FANDRESEN’NY TOLONA. KOA MANAINGA IREO MPITARIKA REHETRA MBA HITODIKA ANY AMIN’ANDRIAMANITRA TANTERAKA AMIN’IZAY E. TSY HO VITA MIHINTSY IO TOLONA IO FA HO LANY ANDRO EO FOANA ISIKA RAHA MANANTENA NY HERINTSIKA SY NY HAMAROANTSIKA FOTSINY EO. ANDRIAMANITRA TE HANEHO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO FA MBOLA TSY MIOVA IZY, ARY ETO MADAGASCAR NO TIANY HANEHOANA IZANY. AZA ADINO FA EFA NANAO FANEKENA TAMIN’I JESOSY NY FANJAKANA MALAGASY TAMIN’NY ANDRON’I RANAVALONA II FA HO ANDRIAMANITRY NY MALAGASY IZY, NY 25 FEVRIER 1869. TSY MANATSOAKA IZANY FANEKENA IZANY INTSONY MANDRAKIZAY ANDRIAMANITRA,KAIZANY NO MAHA SAROTINY AZY AMINTSIKA MALAGASY, RAHA VAO MIALA AMIN’NY FINOANA AZY DIA TSY HAHAVITA NA INONA NA INONA ARY DIA TENA ATAONY TSY MAHAVITA MIHINTSY, FA RAHA MIAKINA TANTERAKA AMINY DIA ATAONY MANOATRA NOHO NY MPANDRESY. MARINA FA EFA NIVAVAKA FOANA ISIKA TENY AMIN’NY MAGRO SAINGY FANOMBOANA FOTOANA FOTSINY IHANY IZANY, ANDRIAMANITRA ANEFA MAHITA NY FONTSIKA TE HANAO ACTION HERISETRA SY MIANTEHITRA AMIN’NY HAMAROAN’NY OLONA FOTSINY, KOA RAHA OMENY EO NY FANDRESENA DIA HADINONTSIKA IZY KA HIREHAREHA ISIKA FA HOER NAHAVITA NY TOLONA, DIA HO TAKONA JESOSY. NEFA IZANY NO MBA TIANY SY ANDRANDRAINY AMIN’IZAO TOLONA IZAO, JEREO ANGE ERAN’IZAO TONTOLO IZAO RAHA MISY FIRENENA MANANKINA FENO NY FIAINAM-PIRENENY AMIN’I JESOSY IZANY E, TE HAMPISEHO AMIN’IZAO TONTOLO IZAO JESOSY FA IZAY FIRENENA MIANKINA AMINY TANTERAKA AMIN’NY FONY, ATAONY MANOATRA NOHO NY MPANDRESY, ARY ETO AMINTSIKA ETO MADAGASIKARA NO NOFIDIANY HANATANTERAHANA IZANY. KOA MAHAIZA MISAFIDY RY MPITARIKA MALALA REHETRA, NA HANOATRA NOHO NY MPANDRESY ISIKA NA HO LANY ANDRO HOFOLAHIN4ANDRIAMANITRA MBA HINO AZY ETO FOANA. MIANDRY ANAREO SISIA JESOSY, ARY ARAKA Y FAMINANIANA AZOKO IHANY DIA TSY HISY OLONA HAHARAVA AN’I ANDRY RAJOELINA SY NY FORONGONY AFATSY JESOSY IHANY.AVERIKO IHANY, TSY IZAHO NO NILAZA IZANY FA NY FAMINANIANA AVY AMIN’NY FANAHY MASINA AZA MANANTENA NY HAHARODANA NY FITONDRANA RAJOELINA AMIN’NY HERIN’NY TENA SY IZAY HAMAROAN’NY OLONA FOTSINY, FA JESOSY EFA NILAZA FA NY TANANY IHANY NO HANDRAVA AN’IO FITONDRANA IO, FA MILA ANTSIKA TENA HIVAVAKA AMIN’NY FO SY NY FINOANA TANTERAKA VAO MIASA JESOSY. KOA AZA MIKIRIBIBY HANDEHA AMIN’NY HERIN’OLOMBELONA INTSONY FA ALEO MIVAVAKA E. HO LANY ANDRO EO FOTSINY ISIKA. HAMINDRA FO AMINTSIKA REHETRA ANIE JESOSY KA HANDROTSAKA NY FANAHINY HO AM-PONTSIKA HANDRESY LAHATRA ANTSIKA SY HITARI-DALANA ANTSIKA.MIANGAVY ANAREO IZAY MAHITA ITY HAFATRA ITY AHO MBA HAMPITA AZY AMIN’IREO MPITARIKA MOUVANCE RAVALOMANANA, NA AMIN’ATOA RAVALOMANANA MIHINTSY AZA.

    Tsapako ao anatiko ao ny toloko sy ahiahinao
    Ry Gasikara tanindrazako, fa miharihary fa injao
    Mananontanona indray ireo mpanjanaka fahiny
    Mitady hangenja anao indray, ireo mena sofina vahiny
    Reko hatrany anaty foko ny alahelonao mafonja
    Fa reo zaza nantenaina hiaro no namoha ny fonja
    Hanagadrana anao indray, ho zanan-tany fanindroany
    Ka namandrika anao ho ao anatin’ny longoany
    Koa ataoko ahoana no fijery izato loza hanjo ny olona
    Fa tsy maintsy hitsangana aho hijoro hanampy ireo mpitolona
    Raha izay basy sy tafondro anefa tena tsy ananako
    Hanavotako anao, fa izay kely am-pelatanako
    Dia ny penina anoratako, sy voatsinampy kely monja
    Dia ny finoako an’Andriamanitra, arahim-bavaka mafonja

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.