Manorohanta

Manorohanta

Entinay eto amintsika ity lahatsoratra nivoaka tamin’ny Gazetiko.

Izao no ambarainay anao mpamaky :
Tsy ilaina hadihadiana akory hoe marina na tsy marina izay lazainy fa tsotra : Ny voany ihany no hamanatarana ny hazo . Io ramatoa io ilay tsy mena-mivadika. Io ramatoa io ilay nahazo galona be tamin’ny frantsay. Dia mbola inona no hinoana izay lazainy. Rehefa miteny ny olona mpamosavy malemy tahaka itony dia izay mifanohitra amin’izay lazainy atao fa izay no marina sy tsara.

Manorohanta Dominique Cécile :
“Tokony ho tonga eny Ivato izay te-haneho hevitra”
Roa andro mialohan’ny hanombohan’ny teny ifampierana, eny amin’ny “Centre de Conférence Internationale” Ivato dia nanao antsoavo amin’ny antoko sy fikambanana ara-pôlitika, fiaraha-monim-pirenena tsy an-kanavaka ho tonga eny Ivato Rtoa Praiminisitra lefitra misahana ny Atitany, Manorohanta Dominique Cécile, manomboka rahampitso.
Sehatra ahafahana maneho hevitra eny ka tokony ho tonga eny Ivato avokoa izay rehetra manan-kambara, hoy izy mba tsy ho any amin’ny toeran-kafa indray no hanakianana ny fanapahan-kevitra niarahan’ny besinimaro nanapaka.
Marihina fa nandefasana fanasana avokoa ireo antoko pôlitika fantatra adiresy mazava sy fikambanana ara-politika ary fiaraha-monim-pirenena 40 eo ho eo avy. Notsiahiviny fa dosie fototra iaingan’ny adihevitra ny volavolan-dalàna momba ny lalam-pifidianana sy ny volavolan-lalàna hifehy ny CENI fa tsy arakaraky ny fahadisoan-kevitra aparitaky ny sasany hoe efa misy zavatra tapaka mialoha fa fombafomba fotsiny ny fivoriana.
Hamaky bantsilana!
Ireo olona mieritreritra izany indrindra, hoy Rtoa Praiminisitra lefitra no tokony ho tonga eny Ivato hanamarina ny ahiahiny ary hamaky bantsilana raha misy marina izany na tsia.
Nomarihiny fa anisan’ny hodinihina mandritra io roa andro io ny daty tokony hanatanterahana ny fifidianana sy ny olona tokony ho mpikambana ao amin’ny CENI sy izay ho mpikambana ao anatiny. Hatramin’izao mantsy, hoy izy dia resy lahatra ny minisiteran’ny Atitany fa mety hahavaha olana ny fanaovana fifidianana deopite satria ahafantarana hoe iza marina no to teny amin’ny vahoaka.
Eo am-piandrasana izay fehin-kevitra horaisina aorian’ny teny ifampierena dia manohy ny asany ny minisiteran’ny Atitany, hoy Rtoa Manorohanta Cécile. Efa nahazo ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fanamboarana karapanondro maimaim-poana avokoa ny distrika rehetra eto Madagasikara.
V.R. (Gazetiko)



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Tsy mahavita azy
  2. Démission refusée !
  3. Famoretana ny Vahoaka madinika
  4. Mba mangataka Tompoko ô !
  5. Antsonjombe – Andriamanitra ô, avereno ny dadanay !

18 Comments

  • Faucon de Dago dit :

    Tena mpamosavy sahy miseho masoandro ity ramatoa ity. Mampalahelo ny gasy ry nama fa tena entin’ny mpamosavy atoandro. Tena resy lahatra aho fa ilay 16 milliards nozaraina teny amin’ny centre de conférence iny ilay nomen’ny Président Ravalomanana fa nahodin’ity mpamosavy tsy mataho-tody ity.
    Ho hitantsika ny tohin’ny tantara fa tsy misy mpitondra mampijaly vahoaka ka ho tsara fiafarana. Raha ny marina tsy vahoaka akory no entina fa zavatra hafa. Ny tena izy dia manatanteraka ny baikon’ny lafrantsa ireo FATy ireo

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ary sao dia hoe « Tongava maro ianareo izay tsy mitovy hevitra aminay, mba mora hisamborana anareo » ?

  • GBD dit :

    pas mal KM ………

  • Verohanitra dit :

    Ny famakiana batsilana izany dia fisantarana ny ampamoaka. Momba an’iza moa tsy ny Prezidà Ravalomanana ihany, izay halan’ny FAT maizina.
    Ary naninona no niantso ny GIC nefa mivazavaza fa Madagasikara ho an’ny Malagasy ?
    Fa naninona moa no tsy nahitam-pahombiazana ireo fikaonan-doha rehetra hatramin’izay e ? Ka inona no antoka milaza fa hahita fahombiazana ity teny ifampierana ity ? Ifampierana amin’iza moa nefa izay mamoaka hevitra dia mahita ny anganony.

  • kristelle dit :

    aleo ho samboriny any ,olona rfa ireny no vitany mbola dadaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa eo hiany ianareo

  • SSSSSHH dit :

    Tsy i Ravalomanana ve no nifidy an’io ramatoa io sa iza indray?Izy no nanosika an’io haka andraikitra lehibe.Olona ratsy daholo ve ny malagasy sa i Ravalomanana no nifidy olona ratsy?
    Ny atao no miverina hono.Ireo olona miaraka amin’i Ravalomanana ankehitriny ireo anie mba diniho tsirairay avy raha toa ka olona tsara noho ity ramatoa ity?

  • Mankasitraka dit :

    Ny olona toy ireny no tena fanetriben’ny firenena

  • fandresena tena izy dit :

    Dia tsy haiko aloha fa ny fantatro dia nomen’ny frantsay galona be izy e!!!!! galona be tao anatin’ny fitondràna tsy eken’izao tontolo izao e!!!! tsy haiko hoe olona tsara ve izany o!!!!!amiko izany dia mpamosavy malemy sady be lohalika tsy afaka mivoaka mamosavy intsony fa dia ny ao an-trano sisa no amosaviana satria efa tsy maintsy mamosavy isan’alina moa koa …

  • dadazaka dit :

    Vous savez comment finissent les TRAITRES ??? Ils seront trahis par leur propre famille et leurs proches. MANOROHANTA sale traître matesa faingana

  • akamasoa dit :

    Nametra-pialàna aho amin’ny maha-reny aho fa tsy tantiko ireny famonoana ireny.

    Ary mitady sy mamikotra seza rivotra indray aho izao na misy maty aza fa efa tsy reny intsony aho izao fa efa lasa … (anareo no manohy)

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mba fanTtany moa hoe, firy ny gasy maty nandritr’izay 12 mois izay ? Eo ireo maty voatifitry ny miramila, fa eo koa ireo matin’ny aretina satria tsy afaka mitsabo tena satria very asa, tsy ampysakafo, ets.. Eo koa ireo matin’ny jiolahy, dahalo, mpandroba, ets…
    Vakio fotsiny ny gazety ! Isan’andro lava izao dia misy maty ! Tompon’andraikitra amin’izany izy.
    Asa na mba inona no zava-maha domelina hoaniny, alohan’ny hatoriany, fa raha olon-tsotra, efa lasa adala tahak’izay !!

  • GBD dit :

    tena resaka « sauvage » mihintsy ireto FAT
    vivement les sanctions !

  • gena dit :

    Mbola tsy ampy anareo FATy ireo ihany ve izao fahasahiranan’ny gasy latsaka anaty fahantrana lalina izao e! efa potehinareo ny firenena, mosarena ny olona,efa betsaka ny maty. Mba eritrereto ihany fa misy valiny anie ny atao rehetra e! marina fa miadana ianareo. tsara fiara.tsara trano,ampy sakafo…dia mbola mitady lalana hafa indray hanampotehana tanteraka ny efa resy.mba matahora ilay avo e!
    mahereza ry malagasy malala

  • mamy dit :

    TANDREMO FA NY DEVOLY TSY MISY TANDROKA FA MANORO
    HANTA NY SESILINY

  • tonhy dit :

    TSY NY FIFIDIANANA ANTOKON’OLONA IRAY IZAY NANONGA-PANJAKANA AKORY NO MAIKA, FA NY FAMPIHARANA IZAY TAPAKA TANY MAPUTO SY ADDIS ABEBA ! IO NO TENA LALANA IRAY HIVOANA @ KRIZY SY HAMPANDROSO AN M/KARA TSY HO EO INTOSNY AMBANIN’NY VAHOAN’NY FRANTSAY !

  • KintanaMananDrambo dit :

    Efa misy « mikarakara » ny fiverenana hamonjy ny renimalalany, NY MPANOHANA AN’NY FAT !!
    SAHADY VE ? MATAHOTRA SAZY ?

  • Bemafohy dit :

    Salut Nadia Grondier Kristelle! ny voany tokoa no amantarana ny hazo. Koa na hiova anarana impiry aza ianao dia fantatra foana amin’ny commentaire-nao fa miala any indray ianao.

  • kristelle dit :

    angaha?ary Bemafohy impiry niova Anarana

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.