Inty misy fanambarana voaray, anisan’ireo mpizaika nandray anjara, nahita fa tsy nahomby iny atrikasa iny.
Nohon’ny tsy fanajana ny famehezana ny fanehoan-kevitry ny mpizaika tsirairay, indrindra indrindra ny tsy nanaovana ny fandravonana hatramin’ny farany ny “ feuille de route” hamaranana ny Tetezamita ka hidirana amin’ny Repoblika faha-efatra araka ny teti-andro samihafa naroson’ny mpizaika.
Nohon’ny fisandaina toerana ao amin’ny CST sy ao amin’ny governemanta izay lazaina fa hovelarina amin’ny antoko politika nandray anjara tao amin’ny “teny ifampierana”, indrindra ny fanerena ny mpizaika hanisy sonia ny taratasy manaiky fa Atoa Andry Nirina RAJOELINA no filohan’ny fitondrana tetezamita.
Nohon’ny fanakonana ny antoko politika tamin’ny fampandraisana anjara an’ireo fikambanana sy vondron’olona samihafa maro be nandritra ny fifidianana natao.
Ny antoko Maitso Hasin’iMadagasikara dia manambara fa :
- tsy “teny ifampierana“ araky ny hevitr’izany teny izany ny zavatra niseho sy tapaka tao
- tsy nanaiky ary tsy nanao sonia ny taratasy fampanekena ny mpizaika araka izay voalaza etsy ambony satria efa Filohan’ny tetezamita amperin’asa Atoa Andry Nirina RAJOELINA
- tsy handray ny seza nasanda ny mpizaika
- manameloka tanteraka ny fomba fanao toy izao izay efa naloan’ny vahoaka sy mambotry ny firenena
Ny antoko maitso Hasin’i Madagasikara dia mitaky ny hanohizana ny Conférence nationale mba ivoahan’ny hevitry ny hery velona rehetra manerana ny nosy.
Ny antoko maitso Hasin’i madagasikara dia vonona mandrakariva ny hifampidinika amin’ny rehetra izay miaro ny hevitra fa ny fifidianana marina ihany no làlana ivoahana amin’ny krizy iainan’ny firenena.Antananarivo, faha 05 martsa 2010
Ny Filoha Nasionaly
Saraha GEORGET RABEHARISOASy ny Birao Politika
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

Efa tena nampoiziko io fomba ratsy hanery olona hanao sonina ny taratasy efa voaomana io . Izay no atao hoe frantsay !!!
Fa dia misaotra an’ Andriamanitra kosa aloha fa dia zara raha vita ity atrikasa e! 1800 no olona nizarana vola kanefa 200 mahery sisa no vato azo . lanin’ny olona ny fotsiny ny saosy e! Ny olona koa moa efa zatra mivaro-tena ka dia tsy nampaninona azy ny nandray ity vola maloto . Fa tokony mihetsika amin’izay manery an’io miala fa aiza ny tsy hiala io e! I Sarko aty efa fanimpanina i andry ary tsy mamokatra . Ny vahaolana dia ny fanerena azy hiala e!
AVERENO ALOHA NY FANJAKANA TAN-DALANA;
eFA NISY ANIE NY FIHAONAMBE TAMIN’NY 1962 nantsina hoe « JOURNeES MALGACHES DU DEVELOPPEMENT »;
TAO RY ALFRED SAUVY,ry Père LEBRET sns…
nisy vokany ve?
TAMIN’ny 1991 DIA EFA
NY ETO AMINTSIKA MAMRINE FOANA FA TSY MAHITA HEVI-BAOVAO MIHITSY.
efa vnisy ny tetezamita
Salama daholo, dia mirary soa ho antsika rehetra.
Ny antoko polititka eto Mada dia tokony ho tonga saina fa ny FATy dia tsy mieritreritra afa tsy ny tobotsoany irery ihany, matoa izy nanao iny teny nifampierany iny dia ny tombotsoaany aloha no narovany (Domeilina)
Manaraka izay raha izaho manokana dia tsy ilaina eto Madagasikara ny fikaonandoha, na isan-kerinandro aza ny fikaonan-doha no hatao dia tsy hisy vokany raha tsy ny « NY TOE TSAINA NO MIOVA » ka tena samy resy lahatra fa hampandroso firenena marina. esorina ao antsaina aloha ny fitiavan tena sy ny fitiavam-bola.
Satria na hiverina eo aza i Dada ka ny toe tsain’ny Malagasy mbola tsy vonona handroso hiaraka aminy dia ho zava poana eeee!
Izay fa mirary alahady mahafinaritra ho antsika rehetra e.
Tsara angé ry Mao ny fikaonandoha, marina fa tofoka hianao amin’inty nataony Fat, satria unilatéral angé ny fikarakarana azy, ary ny tena manafitohana dia inty fitanterana ny olona tsy mahafantatra izay zavatra hodinihana ankory, avy eo vokisakanina dia asaina manangatanana , hatramin’ny rahoviana no heverana ny vahoaka toy izany, angamba aoka kosa izay sa ahoana
Efa adultes vaccinés isika ary tsy miraharaha izay ataon’i Fat. Olona sady tsy menatra no tsy matahotody ireo.
Izay mamafy rivotra mijinja tadio rey olona a ! Ary fanjakana nalaina tamim-basy dia misy rà ary tsy ho zakany ny hilanja izany mandritra ny andrompiainany. Ny zava-drehetra hono manampataperana. Ny SAOSY zarainy io koa torak’ izany.