Fa maninona no misy olona milaza ho tia tanindrazana kanefa ny namotika sy mandetika ny firenena any amin’ny kizo ihany no hataony ?
« Tombontsoa ambonin’ny firenena », » hoan’ny Tanindrazana » teny efa mahazatra ny sofina loatra izany, lasa ny saina hoe efa mba nosaintsain’ireo fahavalom-pirenena sy mpamotika tanindrazana ve izany teny izany?
Sahia manao dingana lehibe
Efa iaraha-mahalala fa tsy ho tafavoaka ao anatin’izao krizy lalim-paka izao ny Firenena raha tsy miaraka amin’ny “fianakaviam-be iraisam-pirenena”, ireo no mpamatsy vola mahazatra antsika, dia mbola misy ihany mpanao politika sahy milaza fa afaka mandeha irery tsy mila mpamatsy vola isika. Ny fampiharana ny fifanarahana efa niaraha-nanao sonia ihany no takian’ireo hery iraisam-pirenena hiverenan’ny famatsiam-bola mahazatra eto Dago, koa maninona raha arahina izany e! Sahia mijoro sy manao dingana lehibe hampihantra izany mba hanavotana ny firenena.
Dernière chance
Raha tena tia tanindrazana marina ianareo ireo dia mandehana mankany Addis Abeba II, reseo lahatra Rajoelina, mandoaliha mihitsy eo anatrehany ianareo mpanolon-tsaina sy mpiara-miasa aminy raha izay no ilainy mba ho an’ny “Tanindrazana marina”. Io atrikasa totosainareo ny 04/05 martsa io, avadiho ho hery sy fahasahiana ho azy hiverenany hoany Addis Abeba. Tsy maninona izay mety ho fahafam-baraka kely mahazo anareo rehetra ireo tamin’izay fanehoan-kevitra tsy nety natao fa ny “Tombontsoa ambonin’ny firenena” jerena. « Izay mandia tany mantsy mety ho solafaka », “aleo tara toy izay tsy tonga mihitsy”.
“aina ity hoy Rainimanonja”, « Dernière chance » na alanenina farany ho antsika io mba tsy hilatsan’ny sazy hoan’ny vahoaka Malagasy, koa manainga ny hery velona rehetra hamporisika ny ankolafy efatra, indrindra ny ankolafy Rajoelina hiverina an-databatra boribory indray ny 08 ka hatramin’ny 10 martsa 2009 izao.

tombotsoa ambonin'ny Firenena jerena

Hoan'ny Tanindrazana
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:



or’i Maydago â! iza koa no andeha handoalika eo anatrehan’i Rajoelina hiangavy azy , na hitomany aza mba andeha ho any Adis Abebba izy? il va se donner encore plus d’importance! pfffff! pour tel personnage comme TGV, il faut l’ignorer c’est tout!il sera présent ou pas , il faut avancer, on ne va pas laisser Madagascar pourrir poir satisfaire l’inconséquence de Rajoelina!!! le soleil brille et brillera toujours que TGV soit content ou pas, point barre !
ireo mpiara miasa aminy sy ireo mpanolotsainy ve hoy ianao dia andeha handoalika sy hiangavy azy !!!!sshhhh!! ireo indrindra angamba no manohana azy tsy andeha any Adis Abebba, he izayo izy fa hoe mpanolotsainany sy mpia
tohiny ( correction)
….he izato izy fa hoe mpanolotsainany sy mpiara miasa aminy.
« Addis Abeba » fa tsy « Adis Abebba » azafady fa maika loatra !
Nankaiza i ravalo?
hoy ny olona sendra nandalo
nitifitra Vahoaka tamin-tanampolo
ka indro nenjehan’ny Lolo
bonne nuit daholo e!
rasoa irery sisa mimenomeno eto fa i Gasy be sy i Kintana efa leo
Kristelle o? inona ary no itovizan’ny manitsara faritra mena sy mihinana poizim-boalavo? lol!!
Tsy mila ny fiverenan’i Ratsiraka sy i Zafy sy i Ravalomanana eo amin’ny fitondrana izany e!
Na inona lazainareo ny malagasy tsy misy vonona hamerina an’ireo eo amin’ny fitondrana.Ka dia miantehera amin’ny gic sy fivondronana ivelany izay tianareo fa rehefa ny malagasy no miaraka amin’i Rajoel + ny miaramila dia blablabla tsy misy dikany ny ambiny.
hi hi hi toa lasa poety i Ra-Kristelle (Nadia)!
Tsy mahasolo tena anay vahoaka mihintsy iakahy ry shhhh ah : hevitrao io, ny anay hafa.
Aza mamafy lainga sy misanfoka et amin’ny tanana eto intsony ianareo Tgv mpanongampankajana
izahay Vahoaka madinika dia tsy mba manana itony ateroero itony , dia mba mingavy anao tompoko ry shhhh ento ny hetahetanay fa izahay tsy afaka miditra eto isanandro fa sitrany hahay iray kapoaka
misaotra anao misolotena anay vahoaka madinika fa dia mba manana anareo izahay misolo vava anay misaotra tompoko hoy vahoaka tambanivohitra nangalaran’ny Dadan’ny Kintana tabary
tanimbary
Tsy misy miteny anie hoe tsara ny manongam-panjakana fa izay no tadiavin’i Ravalomanana dia tonga ny faniriany e!Tsapao hoy izy ny herinareo fa ny amerikanina sy ny frantsay momba ahy.Dia tonga amin’ny tadiaviny izao ka maninona tsy ekena amin’izay?Aza ompana ny malagasy na dia mahantra aza.Aza lalaovina ny finoany an’Andriamanitra sao ifonterany.Tsy hoe tsara akory i Rajoel fa i Ravalomanana ihany no mahatonga izao ka dia tsy misy tia azy intsony na tambanivohitra na miaramila na mpiasam-panjakana na mpanao politika.Rehefa tsy tian’olona dia lasa nanao fatidra tamin’i Ratsiraka indray ka vao maika mampitombo ny fankahalan’olona azy.
Bravo bravo j’adore
diso hevitra ianao ry SSSSSH , raha i Ravalomanana no lazainao sy i kristelle na nadia fa ankahalain’ny olona , au contraire; i RAVALOMANANA dia mbola hankasitrahan’ny olona hatraiza hatraiza ary to teny @ zay halehany, i RAJOELINA no halan’ny vahoaka sy ny ambany lanitra , toy ny tsy misy rajoelina eo anatrehan’ny olona, porofon’izany ny fandàvan’izao tontolo zao azy, voadaka vody foana rajoelina any @ zay halehany, tsy tadidinareo angaha izy nitonantonana teny @ siège n’ny Nations Unies???, voadaka be, tany bruxelles, VOADAKA VODY KOA, zay heritreretiny hatao nandamoka daholo satria tsy misy dikany eo anatrehan’ny olona fa mpanongana, tsy mila reconnaissances internationales rajoelina mianakavy koa no mandeha fivoriana antsokosoko mankary sy mankatsy??, sady @ zay mivadibadi-dela, eo milaza fa tsy possible ny hiverenan-dravalomanana , eo ndray milaza hoe » modia ianao RAVALOMANANA dia avia tongava midinika », RAVALOMANANA tompoko tsy olona tsy manan-katao akory ka handany andro hidinika @ jiolahim-boto, tatazo eo ny sazianareo mianakavy mpanongana fa zany no sahaza anareo, ary ny hadalànareo aza havadika any @ RAVALOMANANA fa ny hakelezan’ny sainareo sy ny devolinareo no namporisika anareo hanongana, avelao Rajoelina tsy handeha any fa rehefa mihantra ny sazy ka tsy zakan’ny gasy intsony dia miongana ho azy eo rajoelina sy ny forongony, @ zay dia ny miaramila nanampy an’i RAJOELINA nanongam-panjakàna ihany no hanongana azy eo, zay lay hoe »mesurez d’abord vos forces », nareo zao herintaona mahery ngarangidina no teo tsy naharesy an-DRAVALOMANANA ihany fa hataony mipapapapa mihintsy, tsy mahazo financements na ny ariary aza fa manao vola sandoka sy maondrana bois de rose antsokosoko no hivelomananreo eo, dia manao opérations, i RAVALOMANANA zay halehany rehetra iza no tsy maniky azy, ny frantsay sasantsasany sisa manome vola anareo omena ny miaramila hitazomanareo ny vodinareo fa raha tsy zany efa ela nareo no niendaka teo, TATAZO NY SAZY RY KRISTELLE SY RY SSSSSH MPANONGAM-PANJAKANA a!
Asa raha tena efa nijery akaiky ny fandehan’ny fiainana eto madagasikara ny sasany @ mpanoratra eto fa tena gaga aho mahita hoe hakahalain’ny olona iRavalo fa miaraka @-dratsiraka, i Zafy sy i Ratsiraka hiverina eo @ fitondrana, i Ravalo no mahatonga izao…….
Volohany alohany aloha dia ny fandraisana an-tendrony ny teny volazan’ny olona no fandikana vilana voalohany indrindra raha nilaza Ravalo hoe tsapa aloha ny herinao…. tsy izany mihitsy no antony tokony hanongam-panjakana, raha marary @ teny tokana izany tsy tokony hanao politika mihitsy ary indrindra tsy tokony hitondra firenena. Raha lazaina fa : « tsy misy tia azy intsony na tambanivohitra na miaramila na mpiasam-panjakana na mpanao politika ». Ny tambanivohitra no tena nahazo fivoarana t@ fitondran’i Ravalo jereo fotsiny izany @ fitazomanana ny vidim-bary, ny fahafahana mitondra vokatra nohon’ny fisian’ny lalana ahafahana manao izany, ny mpandray ny vokatra tahakan’ny TIKO sns… . My miaramila hoy ianao ? koa maninona no mivaky ny miaramila ? Koa maninona no miady @ resaka ara-bola ? izany ve tsy milaza aminao misy miaramilatsy manaiky ireo MPIKOMY ? ary ireto farany dia ny vola no nanosika azy tsy hanaja ny antanatohatra. sa ianareo rehefa tsy tia ny patron-nareo dia hanala azy dia ianareo no handray ny entreprise ? Ny mpiasam-panjakana hoy ianao ? Esory kely anie ireny ragidro mitam-basy ireny dia ho hitanao raha mbola misy izanympiasam-panjakana tsy sahy hiteny izany. Ary raha ny mpanao politika no lazaina, dia maro @ireompanongam-panajakana no tsy mahay manavaka ny hoe MANOHITRA sy MANONGANA, ny sasany taty aoriana tonga saina ihany…. Raha tsorina @ teny fohy dia dia hevitra sy fijery ary famindra @ fiainam-pirenena ireo mpanongam-panajakana.
Inona ny hatahorana ny satan’ny Maputo sy ny tovana tany Addis abeba ? nefa anie ka i Radomelina ihany no filoha e,art ny ankolafy rajoelina dia mbolahanana fahefana lehibe ao anatin’izany , ka inona no hatahorana ? Sa ilay reny malala, izay mbola tsy takatr’ireo mpanogam-panjakana sy nympanohana azy, no tsy manaiky ?
Tsy mba mahatonga saina anareo ve hoe eto Madagasikara toherina ianareo, any ivelany koa mbola toherina ihany. Tsy aleo @ izay vemanetry tena, fa dia hanao z’inona nyhafa fotsy ka hilaza fa diso daholo ny Malagasy manohitra sy ny iraisam-pirenena fa ny ny mpanoga-panjakana irery no manana ny marina, fa tsy nisy fanonganam-pajanaka teto arytsy ilaina ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abba ?
Ny hendry mody voky fa ny adalamanesika ihany
Saika nofitahan’i Ravalomanana sy i Ratsiraka i Rajoel ka soa ihany fa tonga saina ka tsy hanaiky io fizarana toerana ketrehina mafy io.Malagasy iza tompoko no hanaiky hoe omeo toerana ambony ny troupen’i Ratsiraka izay nampahantra an-tsika?Malagasy iza tompoko no hitehaka aheno hoe omeo toerana ambony ny troupen’i Zafy vendrana nitondra an-tsika tany an-kady?Ary malagasy iza tompoko no hitsinjaka maheno hoe ilay vao omaly noroahan-tsika nanompa an-tsika iny dia averina indray omena toerana ambony? Angamba mbola ho ratsy fiafara noho i cote d’ivoire isika raha zarazaraina seza sy afangaro daholo ny ambodia sy ny ondry sy ny vorona sy ny fosa.Tsy mofomamy zaraina amin’ny ankizy akory i madagasikara ka ity ny anao iry ny andranona ary etsy kosa an’izato.Enga anie tsy ho tanteraka mandrakizay io tetika ratsy io.Antoko tokana ihany no tokony hitondra tompoko mba tsy ampisy disadisa sy adiady sy korontana tsy an-kijanona.Antoko tokana ihany no eo amin’ny filoha, praiminisitra.Raha te hivelatra amin’ny hafa dia afaka omena toerana izay olona mahay amin’izany antoko izany amin’ny toerana minisitra.Firenena aiza tompoko no asiana filoha telo?Dia praiminisitra antoko hafa dia minisitra isan-karazany?Tena henatra be izany ka aoka tsy ho tanterahina mandrakizay mihintsy.Toa nofy ratsy angamba mahita an’i Ratsiraka migadona eo Ivato izany!Tena tsy valahara ilay Ravalomanana mitetika ny hanantanteraka izany
SSSSSHH ô,
Sahinao irery marina ve ny mitono-tena fa tsy mila an’ i Ratsiraka na i Zafy na i Ravalomanana ho eo amin’ny fitondràna intsony ny Malagasy ?
Raha mbola manana zò hilatsaka ho fidina Prezida koa izy telo mirahalahy ireo, dia hisy ho voafidy tokoa satria tafalatsaka lalina loatra ao anatin’ny ain’ny Malagasy tsy vaky volo izao fijaliana, fahoriana mihanjady aminy izao,vokatry ny fitondràn’i » Rajoel » ka na »+ miaramila « araka ny filazanaoa aza ,dia loza sy atambo no fiheverany izany « Rajoel + miaramila » izany.
Fehiny: Raha ny Malagasy no hanontanianao,dia
« fasam-bao » izany « Rajoel » izany.
Fa anagaha mila fasahiana akory fa izay no mitranga.Nisy vahoaka malagasy nitazona angaha i Ravalomanana? Ireo olona ao amin’ny magro vitsy kely atao fihomehezana ireo ve no atao hoe vahoaka malagasy manohana ny ankolafy telo:Ratsiraka Zafy Ravalomanana? Ary ny ety ivelan’ny magro izany tsy malagasy? Ka raha tsy manohana an’i Rajoel ny miaramila maninona no manaraka ny baikony sy manome voninahitra azy tahaka ny filoha?Aza ny nofinareo no heverina fa zava-misy
bravo lay miaramila mpanongam-pajakana sady tiq vola no tia tena ihihihihihihihihihihihihihihihihihihih
nihinan ilay nolazaiko zany..hahahahahahah…
Sao dia maba tsy rariny kosa raha izany no atao e! Aleo izy tsy handeha ho any dia ho hita eo ny hikarakarana azy!
Iza no andeha hilelaka ny faladiany eo re e
avelao tsy andeha tokoa dia BASTA !
Efa manala-tena izy, dia izay zany !
Ho an’izay miteny fa tsy mila an’ Ravalomanana intsony eto MAdagasikara : DISO BE ! erintaona izao mbola tsy milefitra ny tolona. Raha misy olona 10 eo, 1 sisa no sahy mitonona ho TGV. Ny loza dia vaomaika mahalahelo, manembona ny fitondrany daholo izao ny vahoaka mahita ity fahoriana goavana hiainana isan’andro .
Ho any Kristelle-Nadia : vehivavy tahaka anao ny tenako, tsy manome lesona : mahaiza manaja-tena na dia kely fotsiny aza, aza mampiseho laotra fa … betsaka ny lehilahy mety ho tia anao any ho any. Mivavaka ho anao.