Sioka tokana
Andro maromaro izay no nilazan’ireo mpitarika ao amin’ny ankolafy telo, fa ho avy ny fotoana hanehoana sy hampisehoana an’izao tontolo izao fa tsy manaiky ny hanasaziana an’i Madagasikara ny ankolafin-kery ; noho ny fizirizirian’i Andry RAJOELINA tsy hampihatra ny satan’i Maputo.
Araka izany dia tonga ilay antso : « sioka tokana », manomboka amin’ny valo (08) ora maraina ny fiangàna isam-pokontany ka samy manana ny toerana itobiany izay vao hisy baiko avy amin’ny mpitarika mikasika ny toerana hivoriana : “ kianjan’ny Fampihavanana ve sa Kianjan’ny Demokrasia sa kianjan’ny 13 mey ? », hitantsika eo ny tohiny.
17 mars 2009 – 17 mars 2010
Herin-taona katroka toy izao no nitondrann’ny mpanongam-panjakana. Tojo toe-draharaha manahirana, fahasahiranana lalim-paka, sazy iraisam-pirenena i Madagasikara.
Raha hiverenana ny kabary teny amin’ny Magro sy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Villa Elisabeth dia samy nanamafy fa : “tsy safidin’ny vahoaka Malagasy sy ny ankolafy telo” ny ho voasazy, koa dia manentana ny vahoaka Malagasy rehetra hanao rodobe amin’ny hetsika hanoherana ny FAT;
Tonga ny ora, tonga ny fotoana, tonga ny andro hijoroan’ny vahoaka Malagasy hanoherana ny tsy rariny : “sioka tokana” dia lasa, “siokan’ny marina e!”
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:


DIA HO HITA EO EH, EFA ELA NO HOE HIHETSIKA FA TSY HITA IHANY KA DIA HO HITA EO EH, ANDRIAMANITRA IRERY NO MAHALALA.
« AZA MITOMANY RY TANINDRAZAKO ! »
« FIHINO NY RANOMASONAO RY MALAGASY ! »
IZAO DIA ATAMBARO NY HERY KA MIRAISA HINA,
HASEHO NY FA TAPA-KEVITRA ISIKA ,TSY HANBAIKY INTSONY NY HANIHANY SY NY TSIKY VENDRANA !
ANDRO IRAY TSY MIVERINA NY ANIO ..!
HALAIVO NY FAHEFANAO RY MALAGASY !
AMPY IZAY FIJALIANA IZAY !AMPY IZAY NY FANDEFERANA !
SATRIA VE IANAO TSY NITENY ,TSY NAMALY ,TSY NANOHITRA DIA NOHEVERIN’IREO JIOLAHY FA MANAIKY ,FA RESY ,FA TSY SAHY NAMATAHOTRA ?
ASEHO NY HERINAO …MITSANGANA ,MIJOROA !MIADIA NY ADIN’NY FAHAMARINANA !
iza kou no amono tena any?sorona foana ve Tananarive?
ny sazy efa miantra androany fa tsy misy ilana mitokona intsony ,@ 3 Ravalomanana tonga any Tanindrazana
ilay dokotera aloha tokony ataoPm ry Dada fa tena miasa be
Avelao hitokona izay te hitokona ! Asaivo mody ireo miaramila eny Analakely ireo !
Mba asaivo manao Fanambaràna ao amin’ny TVM i Domelina ry nadia-krisy â ! Misy mpanao gazety mba liana, te ahafantatra ny fihetseham-pony rey androany 17 mars 2010 ! Fa nankaiza i lery ? Niafina aiza indray ? Ao Parisy sa Besançon ?
Misaotra anao Dr Celestin.
SIOKAN’NY MARINA!
Aiza izay ianareo ry Tabera!
Sao mba hitako eny an-dalana maketsy @ Esplanade?
io nge tsy haharesy mitsy tsik ra tsy misy gidragidra na dia milatsaka aza ilay sazy!!!tsy misy vavaka tanterak tsy arahin’asa!!!tonga zao lay fotoana iadivana!!ndao ary itolona daolo e!
nandeha nitondra fanampiana ho an’ny Vahoaka madinika traboina any Mananjary e! e! kely misolo Anarandray i Andry mampalahelo,kely mizaka ny tsieran’ny haina ,ireo hantritra ireo tsy misy atao raha tsy nangalatra fotsiny e! soa hiany fa mbola nisy Tanora matotra ,veloma kely aloha ianareo zanak’i Dadavalo
zay alou de zanak’i dada fna!!!izy nge na de minana ary miasa e!!!fa tsy otrany le lucky luc nareo e!!!ra tamin’ny andron’ny dada zao efa voakarakara tsar ireo traboina ireo!!fa zao nge jere!!mampalaelo tsis mpanampy
Hamafiso araka izay azo atao ny hetsika rehetra hanohanana ny tolona sy izay rehetra mety hampialany ny F.A.T Taomy ny namana sy ny manodidina ary tsy misy miala mihitsy eo raha tsy voa petraka soaaman-tsara ny fampiharana ny fifanarahana tany Maputo.
Mbola tsy ampy ny sazy izay milatsaka @ F.A.T fa hampiantsika, jerevantsika sy arahi-maso tsara ireo olona tsy maintsy ho saziana ka antsika ny manome vaovao momba izany any @ faritra, any an-Tananan-dehibe any @ fokotany sns…..
Madagasikara tsy mila mpanogam-panjakana
Aleo handroso @ fifidianana TSY KARAKARAINY F.A.T
fa hono hoa ry kristele???, mizaka tsy eran’ny ainy ahoana moa i radomelina, izy anie no te hisolatsolana ho prezida votany eo koa ngaha teo nisy nifidy azy???,@ zay zao lay lava nify io vao mody tonga @ lay fanampiana kely zara raha misy, taiza t@ andron’i dadanay, zany fanampiana ny tra boina zany,ny ampitson’ny fahavoazan’ny olona dia tonga fa tsy efa ho firy andro aty aoriana vao mody mihatsaravelatsihy, ary lay demokrasia nodradradradrainareo mianakavy nankaiza no toa vao hoe hanao hetsika zahay dia fenoinareo miaramila vatatay ny tanàna???tairo fa zahay koa mahazaka e!ny anareo basy amitafondro fa ny anay tanam-polo, saingy ny anay miaraka amin’andriamnitra ary zay no mbola handresenay satria nareo hatr@ zao dia mbola tsy mahazo reconnaissances foana sady en plus voasazy, koa dia ndao fa hifankahita isika e!!,tsy adala anie ny taolo miteny hoe » NY MARINA TSY MBA MATY » e!
Alain Ramaroson sy Daniel Ramarosmisa no mirotsaka mitarika ny miaramila mamono ny vahoakan’Antananarivo mamaly ny sioka tokana amin’izao ora izao.
Mahereza ry Antananarivo mahery fo ! Ianareo no fitaratra ary rehefa ianareo no mihetsika dia mirodana ny tendrombohitra.
Antananarivo ô ! Adinonao ve ny nandoroana ny vakokanao rehetra : ny lapan’Andafiavaratra, ny Rova ? Adinonao ve ny namonoana ireo vahoakanao mba niady ny rariny na tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009/2010. Ampy izay ! Aza manaiky ataon’ny olona karipetra famafàna tongotra intsony. Tsarovy fa tsy Merina irery no mponina ao aminao fa Antananarivo dia tsy mialon-jafy ka tsy misy afaka hilaza mihitsy eo fa adin’ny malama loha no atrehana ankehitriny.
Aza milavo lefona ! Tohero asmin’ny herinao rehetra izao tsy rariny atao aminao izao. Izahay kosa aty amin’ny faritra dia hanampy anao am-bavaka !
Mahereza e ! MASINA NY TANINDRAZANA ! AZA AVELA RAHA TSY MIRODANA IO FITONDRANA FATY IO FA IO NO MAMPIJALY ANTSIKA TOY IZAO ! TSY NY GIC NO HANAFAKA ANTSIKA FA ISIKA IHANY ! ALAO HERY !
Ampy marina izay ! Aoka mba alaina tahaka ny hetsiky ny « Chemises rouges » any THAÏLANDE.
Raha mitohy izao, dia i Madagasikara no ho antsoina hoe : TAY-LAND !! Masina laotra io tanindrazana io !!
Vero, quid Tananews ?
Coucou KM
Je n’ai pas encore regardé Tananews mais j’ai vu les faits sur forum libre de Topmada.
Tena mampivarahotsana ny fihetsik’ireto miaramila fa dia maninona loatra sa tena tsy mahazaka demokrasia tokoa olona milahatra tsy manimba zavatra tsy mandoro vé dia anapoahina bomba lacrymogène, ary dia mitifitra amin’ny balle réelle mahintsy, tena tsy toetrana malagasy izao, aoka isika samy hijoro hatraminy farany aza misy mihemotra inty ilay hoé lazon’ady homba antsika Andriamanitra
nisy maty ve?ny bala tena izy anie mitovy ireny 07 02 ireny e?
ary ireto olona manentana olona andeha ho vonoin’olona ireto mba matahora an’Andriamanitra fa tsy ianareo akory no amelona ny vady amanjanakolona ka eto no manoratsoratra tsy misy fotony hampirisika ny madinika ho vonoina olona tsy matahotody
Tamin’ny Fevrier 2009 nareo namono olona, tsy mahatspa izany, koa izao vao mody anjely eo r’i Kristelle a ?!
Vonona hanome ny ainy ny vahoaka ankehitriny noho ny alikàn’ireto HAT ireto.
Izay maty dia sous la Responsabilité de la HAT -A.Ramaroson-Daniel Ramaromisa-Ratsirahonana…ary IANAREO MPANOHANA AN’I DOMELINA.
Bjr, Mba mijéré anie ianareo zay zanak’i dada ato fa io kala kristelle foza orana io an, tena tsy manana hanton’asa hatao raha tsy ny manasoaso antsika. mba jereo daholo ireo thème sy titre rehetra ireo fa tsy maintsy manoratra kely ao foana izy io. Tsy izany mantsy fa, voakaraman’ny lavanify izy io, ary karama be mihintsy, ny asany moa dia tsy misy hatao afa tsy ny miditra ato, dia ny milaza izao hevitra taingina sy tsy misy valeur-ny zao foana, mikaroka ireny site légaliste ireny mihintsy izy, dia manoratra ao foana mba hanakiviana antsika.
izay eo ihany fa tongava ndray rahampitso eh! ohatr’ilay androany ny fotoana, samy miara-miainga isaky ny fonkontany, dia mihazo an’Anosy, Analakely sy ny manodidina.
Ny mino tsy maintsy mandresy!
Homba antsika Andriamanitra!
nanahoana ny androany?mba alefaso ny sary ho jerena
Misy HAT lahy (manana havana ambony ao @ mutins miaramila mihintsy liaky io!) miaraka aminay.
Dia hoy aho androany: anniversaire ofisialy ny FANONGANANA. Ka mba asio loko ORANGE ny salotra ety ivelany.
Dia hoy izy hoe: bla bla bla
Dia hoy aho hoe: aza avadika ny resaka! Ento eny ivelany oa ilay famantarana orange, raha tsy manana chemise, dia tsy maninona anie ny cravate, ny ceinture, eny fa na ny chaussettes?
Dia hoy ny HAFA: SAO HO-VOADAROKA ENY AN-DALAMBE ENY LIAKY IO!!
à beby Randriamanantena: miandry ny journal télévisé de ce soir isika, sy ny ampenjika.
à Zanak’i dada: aza mandany rora @ provocation tsy misy valera; sauter-vo dia vita kabariny. De rahampitso indray!
Aza kivy izany oa
Tsy misy afaka miady amin’ny fotoana izany.
Andriamanitra no tompon’ny FOTOANA, tsy maintsy ho resy zay mamono ny fitiava namana.
Aza mitsiriritra izay fiarany sy ny karamany bediabe nareo fa mifalia satria mbola manam pitiavana. FANTATRA ANIE NY FIAFARAN NY TANTARA EH. HAMPALAHELO NY FIAFARAN NY OLONA MILAZA FA MANAN KERY SATRIA MANAM BASY SY MAHARESY OLONA AMAN NJATONY.
RAY O, HIASA MANOKANA HO AN I GASIKARANAO AMIN IZAY IANAO FA MINO IZANY AHO. AMEN/Mamelà ireo zay maneso anay!
olona dimampolo ve no mba tonga tamin´ny sioka tokana, ary aiza daholo ny mpitarika sa misotra toaka any amin´ny VILLA ELISABETH.
Misy farany raha jiaby fa mahandrasa, vola kely 50.000 Fmg ve no andeha hilaharako sy hamonoako tena ahazoan´i Tabera toerana , TSIA TSIA , nalaiko ny vola dia lasa aho.
ahy ve olona ampolony e!Mdr
hihihi, ry kala Kristèle sy le « vavaka » no efa zatra mahazo vola 50 000 tany amin’ny FAT tamin’ireny fotoana ireny, kou ny olona mandéha an-tsitra-po no ampangaina; zara fa tsy azon’ny olona tsaratsara teo aloha iny polisy iny fa ny fatiny no noraisina teo eh, efa voahendy aloha ngahy rapaoly kou, faly ery za nahita azy nitsitra tery. hihihihihihi…….
ataovy ihany eh, aza tratran’ny olona any ankodi-mirana any fa na ny fat aza maty tsy ho hita, ny olona efa maimbo rà, sy tsy tohinina zao!
lazaina fa olona 50, hita mihintsy oe, olona tsy nandia fianarana, eny eh, ny manisa amin’ny ratsa-tàanana 2, le marika V iny ihany no mba hay kou, olona 5 000 (dimy arivo) fara-fahakeliny no lazaina fa 50. tsy hitandry kristelle sy ry vavaka mantsy le olona maro be teny @ Marché du Pochard, Analakely, Behoririka, Ampefiloha, Andravoahagy Andrianavalona ary manginy fotsiny ireny teny anosy ireny.
Aiza le vava be oe tsy misy sazy milatsaka eo eh? maninona no tsy miteny? efa mitady ho very asa kou mantsy ry kristelle sy ry vavaka, satria tsy manam-bola hanakaramana azy ireo intsony ny FAT. hihihihi…………. sa inona indray no trandrahana hitadiavana vola? ny bois de rose mantsy efa miha manify, sady hifandritahan’ny dinôzôro noana tsy nahita vola hatrizay.