Tiko – Procès politique !

.

Nanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety ny mpisolovava ny orinasa Tiko io hariva io. Nahitana ny Me Andriamadison Hasina, Me Rakotomavo Razafimanantsoa Hanitra, Me Radison Solo.

Mazava ho azy fa mikasika ny raharaham-pitsarana mahakasika ny orinasa Tiko no antonanton’izany.

Magro Akorondrano sy ny CCIA

Tsy nanaraka ny fifanarahana natao sonia tany am-piandohana ny CCIA hoy ny mpisolovava, 40 taona ny fanofana lavareny (contrat de bail emphytéotique) nifanarahana ary azo atao ny manasondrotra ny hofan-tany hatramin’ny 15% isan-taona fa tsy maintsy hifanarahan’ny roa tonta mialoha izany. Ny tamin’ity indray mitoraka ity anefa tonga dia nasondrony tsy nisy fifampiraharahana, raha 96 tapitrisa ariary no tokony haloa dia lasa 120 tapitrisa ariary tampoka teo. « Vonona handoa ny vola ny Orinasa Tiko fa mila mazava ny resaka » hoy Me Rakotomavo Hanitra.

Ankoatra izay dia nanamafy ihany koa ny mpiaro ny Tiko fa mbola nampiakatra « appel » ry zareo koa tsy tokony maika namoaka iny didim-pitsarana mihatra avy hatrany iny ny Fitsarana. « Tsy ara-dalana » ireny hoy Me Radison.

« Mibodo tanin’olona ny miaramilan’i Vital »

Namaly ihany koa ny fanambaran’i Noel Rakotonandrasana milaza fa nangalatra ny tanin’ny miaramila tany Antsiranana ny Filoha Ravalomanana. Nilaza mazava ireto mpisolo vava ireto fa « lainga izany », efa tany azon’ny Filoha talohan’ny maha Filoham-pirenena azy io tany io, an’i CFTEL ny tany ary hofaina lavareny mandritra ny 24 taona, nanomboka ny 08 mai 2000.

Fananiana « diaboliser-na » ny Filoha Ravalomanana hoy ny mpisolovava. Hentitra mihitsy moa ny Me Andriamadison Hasina nilaza fa « tokony ny miaramilan’i Vital » no hosaziana, araka ny tenin’ity PM Fat ihany hoe : « izay mandika lalàna no tokony hosaziana » noho izany ireo miaramila mibodo tanin’olona ireo no tokony hosaziana sy hiala amin’io tany io.

« fitsarana politika »

Nanipy teny ihany koa izy telo mianadahy fa fitsarana politika no nanjo ny Filoha Ravalomanana, be loatra ny antsojay hatao aminy, rehefa atao ny kaonty sy ny tombambidin’ny entana nangalarin’ny mpitondra Fat dia be lavitra noho izay ny vola takiana aminy ankehitriny izay hanasaziana ny orinasa. Mikasika ireo fiara tsara tarehy efa azon’ny Filoha talohan’ny maha Filoham-pirenena azy dia nanambara ireto mpiaro ny vondron’ny Orinasa Tiko ireto fa efa fantatra ny olona ambony naka ankeriny izany. Ary efa novainy ny loko sy ny nomeraon’ny fiara, hoavy ny fotoana hamoahana izany hoy izy ireo.

Io ilay efa nosoratanay teto amin’ny MyDago hoe « tena manao politika ny Fitsarana e! »


Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?

PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

28 comments on this post.
  1. mino:

    ny mpanao ratsy ihany anie ry my dago no mahana eh tena marina fa fitsarana politika sy fitsarana ho an’izay manam-bola no misy ato dago ka ny manao ny marina gadraina ary ny manao ny ratsy hobiana sy avela miriaria ka izany no mahatonga ny dahalo mamano tanana mampijaly ny vahoaka . FA NY tsy tsapan’ireo mpitsara ireo anie dia izay fomba nitsarany ny olona ihany no hitsarana azy @ ilay fiaianana mandrak’izay tsy alaeo ve mba mandeha @fahamarinana

  2. fandresena tena izy:

    Aza mihemotra mihintsy ianareo mpisolovava ireo fa ao andamosinareo ny vahoaka . Ny tetika maloto mantsy dia ny hahatonga an-dRavalo tsy hanana n’ino n’inona intsony ka tsy ho afaka hanao inona intsony avy eo . Ary rehefa tanteraka izay dia ampidirina amin’izay ny mpandraharaha frantsay rehetra hanangana ny TIKO sy hanagala-tahaka ny asany ka dia tsy maintsy ho mpiasan’ny Tiko teo aloha ihany no tsy maintsy horaisina kanefa dia Ravalo no tompon’ny hevitra . Aza misy manaiky fa ny orinasa TIKO no m ba orinasa Malagasy nalaza eran-tany ka tsy maintsy ataontsika ami’ny fomba rehetra izay hamerenana azy .

  3. KintanaMananDrambo:

    Ampirimo tsara ny dossier, ary ataovy copie maromaro, fa tsy ahamenatra an’ireo, ny angalatra na handoro azireo !! Izay zavatra rehetra potika, nangalarina, may,………, dia tokony angalanareo onitra avokoa !! Tompon’andraikitra izay nitarika ny korontana !!

  4. beby Randriamanantena:

    Tena mahavaka ny fanenjehana sy fanapotehina hatao amin’inty orin’asa ny SEM Ravalomanana, mitombiny tokoa izao fa tena fialonana sy fankahalana no mahatonga izao, tena mba aoka angamba izay satria samy malagasy anié isika, tsy aleo vé hifanomé tanana amin’izay mba hanarenana an’inty tanindrazana iombonana sy mamin-tsika.

  5. GBD:

    Aza mitsintsy mihintsy maka sary ny « abus » rehetra , ataovy STOCK tsara tsara …
    aminy résistance cybernétique betsaka ny olana ireto dioktatora tratra ny vahoaka , ary miporosaka mety tsara aminy internet…
    Any Rosia aminy izai fotoana izao henjehany vahoaka araky izany ny « nomenklatura »…mampihemmotra ny mpitondra jiolay rehefa mazava laotra !
    Any Chine araky izany…
    dossier par dossier …

  6. Dr CELESTIN Robin:

    i rajoelina sy mpanohana azy indrindra i tsirahonana -izay mihambo nanao etida ziridika – diate hanamafy sy hampiseho sy hampahatsiaro fa tena nandika lalana ny Filoha RAVALOMANANA MARC..!
    Io no foto-kevitra nanankinanan’ny fanonganam-panjakana ( halatra ,tsy manaja ny fiaraha-monina-démocratie-,nivaritra ny tanindrazana..).

    Eo amin’izao fotoana maha may ny volotratran’izao dia tsipihiny io foto-keviny io ary henjehina y Filoha RAVALOMANANA MARC satria mihevitra r’i rajoelina fa hivadika ny Vahoaka ary hihaino azy ny Communauté internationale ka hadinika akaiky izao « poursuites judiciaires  » mikasika ny Filoha RAVALOMANANA MARC..!
    Fanenjehana politique , fanenjehana fika ,fanenjehana tsy mitombona ary tsy ho lasa lavitra.!
    Henoy tsara ny mpisolo vavaiaro ny Filoha RAVALOMANANA MARC ,fa raha hakapoka sy tombanana
    ny vidin’ireo entana -fananan’ny TIKO(vary ,diloilo ,siramamy ,lafarinina…)dia io fanjakana fat io aza no tokony handoha vola be amin’ny TIKO..!
    Miteny aho hoe « Fitondrana « !Diso izany fa voatana tsara daholo ny anaran’ireo olona fat nangalatra ireo entana..!

    KOA AOKA ISAKA HITANDRINA ..!
    AOKA TSY HO REBIREBENA AMIN’IZANY « RECONCILIATION « IZANY ISIKA..!
    NY RECONCILIATION TSY MANAKANA NY JUDICIARISATION -N’IREO HELOKA IREO ,TSY MAHASAKANA NY ASAN’NY FITSARANA IZANY..!

  7. Dr CELESTIN Robin:

    Le phénomène grave actuellement est constitué par la fusion ou la confusion des trois pouvoirs ;éxécutif ,législatif et judiciaire..: ces pouvoirs se trouvent entreles mains de quelques personnes..!
    C’est la caractéristique de la dictature..!
    Et le comble pour Nous Malgaches est que ces gens non seulement ne sont pas reconnues par la Communaté internationale mais ont été disqualifiés pour diriger le Pays..Ils ont été sanctionnés
    et surtout ont déclarés pratiquement PERSONA NON GRATA !

    Nous n’acceotons pas ler isistance à occuper le pouvoir alors que leurs décisions ne sont des fanfaronnades qui n’ont pour but que d’humilier ,de faire souffrir des Malgaches ,de jouer aux petits nazis.., pour assouvir leur haine…,car les Malgaches sont attachés au Président RAVALOMANANA MARC!
    Nous remarquons ,Nous constatons que la plupart des personnes arr^étées ,jugées à la va vite ou misesen détention sont des partisans du Président RAVALOMANANA MARC ou membres de l’Eglise protestante ,membres dela mouvance RAVALOMANANA MARC..!

    IL FAUT OUVRIR LES YEUX…ET BIEN ANALYSER PROFONDEMENT LA SITUATION..TOUT EST POSSIBLE..!

  8. sadic:

    vous n’êtes pas encore sortis de l’auberge et vous brandissez déjà des sanctions à gauche et des sanctions à droite, mises à part les manœuvres diaboliques auprès des C.I. pour sanctionner systématiquement tous les opérateurs économiques à Madagascar,suspendre toutes aides internationales pour punir(et se venger) la population Malgache pour vous avoir désavoué, particulièrement vous promettez aux militaires une dose de représailles (punitions) globales pour avoir réclamé leurs biens.par dessus tout, vous préparez déjà des dossiers pour racler « n » fois plus que vous avez perdu(onitra)dans les caisses de l’Etat. ce que vous préparez est pire que depuis 2002 et pendant 7ans. Alors, j’encourage les militaires à tenir bien et de lutter jusqu’au bout ainsi que tous les patriotes.
    par ailleurs, tout cela n’existe que dans vos rêves, et heureusement.

  9. sadic:

    Dr(ogué) CELESTIN Roger!!
    « Nous remarquons ,Nous constatons que la plupart des personnes arr^étées ,jugées à la va vite ou misesen détention sont des partisans du Président RAVALOMANANA MARC ou membres de l’Eglise protestante ,membres dela mouvance RAVALOMANANA MARC..! »
    c’est normal car c’est eux qui se perversent dans l’extrémisme en semant les troubles partout sans parler des bombes artisanales d’amateur qu’ils essayent d’utiliser pour terroriser les gens. j’encourage les Forces de l’ordre à frapper encore plus fort les bandits de grand chemin.

  10. dadazaka:

    Mba akaro ry SADIKA ny niveau de débat fa mirefarefa @ tany a! Ny alahelonao sy ny fialonanao olona no atosakao eto, fa tsisy tsangankevitra mihitsy na iray aza! Mba omeo arguments izahay eo @ fiarovanao an’ireto mnagalatra sy mpanogampanjakana ireto dia raikitra ny débat fa raha hitohy sy hiziriziry @ tosampo ianao dia mangina fa mankaleo. Lasa vao maika manosika anay hihevitra hoe FOZA ianao fa tsy VAHOAKA. Ny foza mantsy aminay dia olona tsisy dignité sy honneur intsony fa voavidy vola, hany ka lasa tsinontsinona.
    Raiso ny andraikitra dia ndao hiady hevitra ampanajana fa stérile ny débat ataonaoa hatreto.

  11. Arivo Lahy Tsy Maty Indray Andro:

    Dia ho avy ny andro hitsarana ny FATy, ny olona ohatrani Sadic araka ny anarany dia tokony ho objectif tsara vao miteny. Rehefa mba marina moa dia mba ekena fa rehefa diso dia diso e. Izay no tsy mba hanana’ny FATy ka mandrovintsia eo @ io toerana nagalarina io.

    Mba fantatry Sadic ve fa mijaly ny vahoaka Malagasy noho izao antsonjay politika, ekonomika sy soasialy ataon’ny FAtY izao, mba milaza hoe inona no zava-bitan’i FATy teo @ fitondrana?

  12. zora:

    Lany andro eto isika, sady harary fo eo, olona « sans foi ni lois  » reo ary tsy mandaitra aminy ny resaka moral, na philosophique, na fahamarinana izany.

    Fa mino tanteraka isika :hiverina aminy Dada daholo izay very taminy, raha mbola misy Andriamanitra foana. Amen.

  13. heritreritre:

    Salama tsika jiaby, mampy heritreritra zavatra ratsy n’y atao ireto pitondra ireto ,maninona moa raha atao azalambo n’y fananan’ireo pikambana rehetra tsy ho fay ve ireo @ farany marina fa sarotra ho antsika Malagasy n’y avita izany izay mbola hiderana antsika izany(ankotra n’y FOZA mazava hoazy izay nahavita izany) nefa raha alohalika n’y ranombary hoy n’y taolo taloha mila mandray fepetra hentitra s’y mahomby satria ireto olona manoloana antsika dia manao be marenina s’y minia tsy mahita ary mievitena ho tompony teny farany koa amiko mety ho diso ihany zaho raha mihevitra n’y famaizana ireo isatokatranony ( fiara , trano , orinasa , trano fvarotana) izay azy ireo nô atao azalambo mba ahatsapany izany fangirifirintsaina izany( satria n’y vola bola ananandrizareo tsina atramizao )

  14. Verohanitra:

    Eisy e !
    - Ny olona 84 maty tamin’ny cyclone Hubert dia noho ny nataon’ny Président Ravalomanana,
    - Ny horohoro-tany tany Haïti moa dia efa niaraha-nahita fa noho izy ihany koa
    - Ny ministry ny FAT tsy miala madinesy dia noho ny Presidà Ravalomanana ihany
    Hatraiza loatra no fetran’ity fankahalana efa mihoa-patra ity e ?

  15. Mbola:

    HERITRERITRE >>>>>

    Tena d’accord aminao aho ! Raha avy dia ny any ambony no asiana, sarotra, fa ny fakany no tapahina tsikelikely.
    Efa nandefa resak sahala aminao koa aho, fa tsy nisy tohiny. Ireo manodidina ireo anie no tena rangory fototry ny afo hoy ny fitenenana e !
    Ny mpisolelaka sy ny mpitady seza no betsaka dia manjaka ny jiolahy !
    Izany izao no tsara atao resaka any amin’ny fokotany sy ny manodidina, tena mandeha tsara !

  16. sadic:

    dadazaka!!
    « Lasa vao maika manosika anay hihevitra hoe FOZA ianao fa tsy VAHOAKA. Ny foza mantsy aminay dia olona tsisy dignité sy honneur intsony fa voavidy vola, hany ka lasa tsinontsinona. »
    hay izao vao mitady hihevitra anay hoe …
    nefa izahay « pour le changement » dia efa ela no nihevitra anareo legalistes ho « olona tsisy dignité sy honneur intsony fa voavidy vola », sady fa angah moa tsy maintsy manaraka io sitra-ponareo io vao mandray andraikitra? io ataon’ny mpitondra amin’zao mi-insiste tsy manaiky hiverenan’ireo tianareo haverina ireo zao no atao hoe mandray andraikitra. taomina hanao debat ianareo amin reny atelier isan-karazany reny tsy mety tonga, eny fa hatramin debat organiser-ny chef de mouvance nareo FETISON aza, de eto vao miteniteny FAHATANY eo hoe andao hiady hevitra. ianareo mpanankorontana ireo no tena tsinontsinona, vous êtes du coté des MECHANTS.

  17. sadic:

    raha te handray andraikitra marina ianao ry dadazaka(ton pseudo t’honore mais tes propos te rabaissent au rang des vauriens dépourvus de tout sens de dignité)de taomy ny olonao hifidy de aza fidiana reo olona lazainao tsy mendrika ny hitondra fa tsy ataon’olona fitadiavana seza haingana tsy misy fifidianana eo. fa ny ady hevitr’olom-bitsy eto amin’ty tranonkala ty de sterile araka ny filazanao azy, satria raha vao tsy mitovy hevitra aminareo de tsy misaina, foza.

  18. KintanaMananDrambo:

    Manaiky fifidianana sahan’ny mpanongam-panjakàna, dia toan’ny manaiky fanasan’ny mpamosavy, hiaraka misakafo aminy !! Tsy azo atao, satria efa fantam-poko, fantam-pirenena ( firenena rehetra io ), fa poizina no ho arosony ao !!
    Tsy adala akory ny firenena rehetra !
    De TOUS LES MALADES, IL N’Y A QUE LES FOUS, LES ALIENES, QUI NE SONT PAS CONSCIENTS DE LEUR ETAT !
    C’EST PEINE PERDUE QUE DE VOULOIR LES RAISONNER !
    Ny adala ihany no tsy hanarina, hoy ny Ntaolo !!
    Ceux qui persistent à soutenir les putschistes, sont les pires ennemis que le peuple malgache ait jamais connus !

  19. sadic:

    « Solohery Hilaire et son épouse sont inculpés d’atteinte à la Sûreté intérieure de l’Etat, d’association de malfaiteurs et de préparation de troubles à l’ordre public. Rendant son verdict, le président du tribunal a prononcé hier même à leur endroit une peine d’un an de prison avec sursis pour chacun. »
    ce procès me rappelle le cas de PETY et son épouse à l’époque, un des exploits de Ra8, mais encore faut-il ajouter que personne n’égalise Ra8 en matière de méchanceté,car il s’agissait d’une prison à vie.

  20. sadic:

    « Selon un des membres du MDM, si ce parti a opté de présenter un membre à la CENI, c’est qu’il est contre la politique de la chaise vide. Car pour ce parti, cette commission est la garante de la tenue des élections libres et transparentes. Toutefois, le MDM veillera à ce que la CENI soit vraiment indépendante. »
    mbola misy opposition vonona handray andraikitra ihany eto Madagascar, rehefa tsy omena seza izy de ho tadiaviny amin’ny alalan’ny fifidianana.

  21. sadic:

    L’Ariary se relève un peu devant l’euro, l’une des devises pivots du MID (Marché Interbancaire de devises). La monnaie nationale n’a cessé, en effet, de grignoter quelques points sur l’euro depuis une semaine. Alors que les cours varient sur une fourchette très étroite pour la parité dollar/ariary se situant entre 1/2 123 et 1/2 134.(express)
    en fin de compte, c’est encore mieux quand il ‘y a pas d’ aides occidentales, mis à part le fait que ça ne laisse pas une dette pour les générations comme au temps de Ra8(dont 90% budget de l’État sont constitués par des aides extérieures)

  22. Ny Ala:

    Izao ro taroniko amin’i Dadika
    Ny ho hanina androany aloha ro tadiavin’ny vahoaka satria raha noana hoa ny kibo dia mivezivezy ny fagnahy ary lehy izao fiaignana izao ro mitohy dia mety fo faty ny hanohanana aby ny ona mahantra, tsa hisy taranaka koa.

  23. Ny Ala:

    Vona ho an’i Sadika ihany
    Mba avilao hitarogna ny ona fa aza ny hevitsao KODETA ihany ro asosososo eto. Avilao ny ona hilaza ny heviny ampahalalahana fa aza fofohana isan’ny mitarogna.
    Cela s’appelle : LEBERTE D’EXPRESSION nge tsa fantan’ingahy

  24. Heryzo:

    Ny Ala, le mot « liberté d’expression » ne fait pas partie de leur language sinon il n’y aurait ni coup d’état ni interdiction de manif à Mada.
    Ce Sadika veut faire un coup d’état sur cette toile mais il aura tout de même du mal à supprimer internet (lol)

  25. Heryzo:

    Aza taitra na gaga isika rey olona amin’izay lazain’ity DadicSadic ity. Mandrovon-tsihy io deba io hoy ny Taolo

  26. KintanaMananDrambo:

    Rehefa miseho ho spécialiste amin’ny Finances publiques, dia avoay eto ny détails handinihanay azy !!
    Omeo aloha ny karaman’ny mpiasam-panjakàna, ary aza mizesta amin’ny fanampiana avy any ivelany !
    Lohan’Androroso ! Loham-poza !

  27. Arivolahy Tsy Maty Indray Andro:

    KM :

    Fanontaniana tsotra no asaina valian’i SADIC, tsy hifandahatra aminy @ ignorance eo, raha ilaina dia afaka miresaka economie lalina.

    1) Tanisao ny zava-bitan’i Andry sy ny FATy?

    2) Mba firy moa ny taux de croissance economique izao?

    3) Firy ny chomeurs izao?

    4) Ohatrinona ny visdim-bary?

    5) Ohatrinona ny fitaterana?

    Manao ahoana ny tanan-dehibe rehetra izao indrindra Antananarivo?

    Misaotra mamaly

  28. zava-misy:

    Ry sadic na Kristelle anie mpikarama ka tsy maintsy miseho fotsiny eh :
    Tsy manankevitra ijoroana izany ireo. Na ieany aza raha day mamaly na maneho hevitra amin’ireo fanontaniana ireo ry zareo dia ho avy raidina ammpifaliana.

Leave a comment