Herintaona tahaka izao, 16 martsa 2009, no nivoahan’ireo fiara mifono vy an’ny Tafika Malagasy nanafika ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra.Teto no tena porofo mitohoka amin’ny tendany fa nisy « fanonganam-panjakana » teo satria mbola tena am-perin’asa tanteraka ny Filoha Ravalomanana no nampiasan’ireo andiana miaramila mpihoko nanafika ny lapa, soa ihany fa tsy tratra tao an-dapa ny Filoha.
Nidoboka tsy ifandrenesana ny tafondro, potika tanteraka ny vavahadin’ny Lapa. Raiki-tahotra ny manodidina, be no nitomany ny renim-pianakaviana, ora vitsivitsy taorian’ny fanafihana dia azon’ireto andiana miaramila mpihoko notarihan’i Charles Andrianasoavina ny Lapa. Nahoraka eran-tany fa nisy « fanonganam-panjakana teto Dago. Nitodidoha hoany Lapan’Iavoloha indray ry zalahy ireto.
Apetrako aminao ny fandinihana sy ny famakafakana, satria ny tantara tsy fanadino : « tsy nisy fanonganam-panjakana » hono teto Dago hoy ilay manamboninahitra be galona indrindra eto Madagasikara.
Samy manana ny galonany tokoa e ! « Ramano be galona » hoy ny hiran’ny tarika Lolo
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

Herintaona tokoa mantsy izay ! Niaina tao anaty tebiteby ny mpomba ny Filoha Ravalomanana. Niambina hatramin’ny farany ary ranomaso no nandehanana namonjy ny tokantrano rehefa hita fa tsy ho avotra intsony.
Herintaon-dranomaso. Nivadika ny loha hoe novonoin’ireo tsy mataho-tody izay ny Prezidà . Nanontany aho hoe raha mbola velona re ianao mba lazao fa matin’ny tebiteby izahay ary dia namaly izy. Feno hafaliana indray ny fo rehefa naheno fa tsy naninona izy sy ny ankohonany.
Iza no nanam-po fa izao no zavatra iainana taorian’ny nandehanan’ny Prezidà sesi-tany tsy fidiny noho ny hetraketraky ny tsy mataho-tody ? Mijaly ny vahoaka, mifia-dranomaso andro aman’alina : ny fahantrana mamely, ny asa very, ny horohoro na andro na alina, ny vava tapina tsy misy fahalalahana intsony, ny saina tsy milamina. Izao ny loza voajanahary mbola babena ihany koa : ny tondra-drano vokatry ny cyclone Hubert, ny kaikitry ny alika romotra any Moramanga, ny sazy izay tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny vahoaka tsy nangataka hiaina izao.
Olom-bitsy no tena manana fiainana mihiratra amin’izao androm-pahoriana izao dia ny FAT sy ny mpomba azy.
Tsy hiondrika anefa izahay fa hitraka mandrakariva ary hiatrika na inona na inona ataonareo ry mpietraketraka.Andriamanitra tsy hanary anay na oviana. Mbopla hisava ny rahona !
Olona jiolahimboto no mitondra ny Firenena ; henatra ho antsika Malagasy rehetra eran’izao tontolo izao na tia an-dRavalo na tsy tia ny zava-mitranga . Na inona na inona ataon’i Sarko ; tsy hiisy coup d’état mihintsy akory eto frantsa fa miandry fifidianana ny olona manatsaina . Ny antsika ny olona milaza azy no « avara-pianarana » no manao toetra mamoafady.
Eh ! mahantra ianao ry Fireneko ! fa nahoana loatra re Andriamanaitra o!
L’ APRES – 17 MARS: L’ INCERTITUDE TOTALE
Alors que, côté HAT , on véhicule aujourd’ hui l’ information selon laquelle les sanctions du GIC seraient reportées, à dans un mois, à la plus grande autosatisfaction, de ACTUMADA, de MADAGATE, de TGV et Consorts, de VIVA, TVM, RNM et de toute la presse – toutes tendances confondues – qui n’ ont aucun sens de l’ analyse , de l’ investigation, des valses – hésitation de la Communauté Internationale et des leaders politiques de tout bord ; alors que les partisans du retour à l’ ordre constitutionnels de plus en plus impatients pour en découdre ne cherchent qu’ à en finir – une bonne fois pour toutes – avec cette situation malsaine sinon suicidaire, beaucoup ne comprennent pas la position et la détermination exactes des leaders des trois mouvances Madagascar.
Que Ratsiraka et Ravalomanana ne soient pas sur place par la force des choses,passons!, ils devraient toutefois se faire représenter physiquement, à Magro ou ailleurs, par des représentants dignes de ce nom capables d’ émettre des arguments solides comme le font ceux du camp d’ en face pour défendre leur cause : Alain Ramaroson, Andriamiseza, Pierre Tsirananana , Augustin …
Fétison ( pour Ravalomanana ) et Ange Andrianarisoa ( pour Ratsiraka )ne s’ adressent qu’ à la télé, à la radio ou dans la presse.Avec des arguments le plus mous sinon insipides; parfois même incompréhensibles compte tenu du contexte actuel. Mais, pourquoi? Leurs partisans seront plus motivés s’ils ont sur le terrain des représentants de grande envergure.Albert Zafy qui a l’ avantage d’ être à Madagascar ne descend jamais sur le terrain. A la longue , on finira par se douter de sa sincérité et de sa conviction au sein des trois mouvances Madagascar. Et, pourtant, Dieu sait si la solidarité ici – jusqu’ aux élections ! – constitue le succès de la lutte actuelle contre l’ unilateralisme des TGV – HAT.
Beaucoup ne pensent plus que ce qui est arrivé, au Carlton, à Manandafy Rakotonirina, sera reédité car la CI est déjà plus qu’ impliquée dans le cours des évènements
Les 3 mouvances devraient insister auprès de la CI sur l’ application au pied de la lettre des accords de Maputo qui remontent, à août 2009, à savoir la libération des détenus politiques – paradoxalement occultée par les trois mouvances et c’ est vraiment dommage! – emprisonnés sur la base de mascarade de procès; la liberté de presse notamment l’ ouverture de TVM et RNM à toutes les opinions ,celle – là même dénoncée par TGV et qui lui avait permis, le 26 janvier 2009, ( the » Black Monday » )de monter au pouvoir en obligeant le Président Marc Ravalomanana de prendre la fuite à coups d’ obus de blindés de BRDM, à Iavoloha et Ambohitsorohitra (15/ 16 mars 2009 il y a un an ce jour) , de lances – roquettes, de bazookaas, de kalaks etc.
Et dire que, pour TGV,Hypolite ,Ratsirahonana, Alain Ramaroson …. et tous ceux qui sont placés à la faveur de ces évenements, ce n’ est pas un coup d’ état. La répression armée, fut-elle de gaz lacrymogène, doit être abolie. C’ est ce qu’ avait bien exigé , en leur temps, TGV et son adjudant chef Odon Razanakolona.
NON ??!!
Herintaona tokoa izay. Herintaona ahafahana misaintsaina ny zava-nisy, misy ary hisy.
Inona no niova tao anatin’izay herintaona izay?
Ny tsy niova dia mbola eto ihany aho, mbola be resaka. Tsy ny resaka atako akory no ratsy, na ny miresaka no fefena. Saingy ny tsapako dia voafatopatotry ny fiainako aho, izay no tsy ahafahako mihetsika. Tsy misy ihany koa ny olona izay hitako sy tsapako fa ahavita hanome aina sy fotoana hitolomana ho an’ny tanindrazana. Fa angamba tsy dia mahery ny finoako ka izany no mahatonga ny vokatra tena mahafa-po tsy mety ho hitako.
Fantatry ny favalom-pirenena tsara io fahalemeko io, ary io no anisan’ny manome hery azy ireo.
Hita ary tsikaritra kosa anefa fa mandeha haingana ny fandehan-javatra maro mikasika ny fiainana an-davan’andro. Mitombo isan’andro ny halatra sy ny isan’ny mpangalatra , mihena andro aman’alina ihany koa ny voa eny am-pela-tà nana, toa izany koa ny hanina eny an-dovia. Mihamaro ireo tsy tan-dalà na. Hita ihany koa ny fisaraham-bazana eo amin’ny fiaraha-monina.
Izay raha atao amin’ny teny fohy ny zava-misy.
Ny fanafihana teny Ambohitsirohitra niaraka tamin’ireny pseudo-commandos ireny dia nivoaka t@ média ngeza erant-tany: Euro news, CNN, TV5,…
Tsy nisy tsy nahita an’iny. Nalefa t@ télé gasy koa raha tsy diso aho satria izahay nahita taty @ province (télé locale). Mbola misy sahy miteny ihany fa tsy fanonganam-panjakana iny. Mihevitra ny gasy ho ketrina daholo ireto foza ireto.
Herintaona sahady tokoa izay.
Marina daholo ny voalazanareo rehetra eo ambony.
Fa ny mampihomehy ahy dia ireto foza misahirana indray mba hanatona antsokosoko ny GIC sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Mitady ny hanemorana ny fampiharana ny sazy. Loza izany ! Te-hanao aminy eo, hoy ilay fitenenana.
Ny tena marina dia ataony izay hitarazoan’ny raharaha hatramin’ny 26 Juin 2010 mba ahazoan- dRadomelina manao sonia miaraka amin’ny Frantsay ny Nouveaux Accords de Coopération ho an’ny 50 taona ho avy indray.
AMPY KOSA IZAY E !
Tsara ny manana tsiaro sy mahalala ny tantara efa lasa fa ny ankehitriny aza ataontsika ambaninjavatra intsony efa tena mila famonjena i Madagasikara. jero ity ataon’ny FOZA sy ny FATy:
_http://fr.mongabay.com/news/2010/0131-100127-madagascar.html
suite tempete nandalo .DIA MILA FIERITRERETANA ISIKA,hoaiza marina ny firenena ,manome SIGNE andriamanitra,manamafy ny fony ny HAT?TSY MIRAHARAHA NY SAZY MIHATRA amin ny firenena,ndrao lahy toy ny tany egypte(egipta),nanamafy ny fony farao ,mpitondra,efa mitanila ny nosintsika,ary be no maty nohon ny loha soroky ny mpitondra, tany egipta,miantso anao jesoa,MIBEBA,mibeba ry malagasy.MASINA NY TANINDRAZANA?tokony homasina ny mpitonra sy ny mponina ao aminy
Triste anniversaire. Des trombes d’ eaux s’abattent à l’heure actuelle sur Tana.
Ils ont détruit, ils ont saccagé, ils ont voulu nous mettre à genoux, mais nous sommes là encore plus forts et déterminés. Ils peuvent casser du matériel, mais jamais ils n’arriveront à casser l’ âme Malagasy.
Vive la lutte des peuples du monde , vive la lutte du peuple Malagasy
Longue vie à toute la famille RAVALOMANANA
Brandon
Je pense également à une tentative de « manoeuvre dilatoire » pour faire signer une reconduction de coopéreation bilatérale avec la France : à ECHEANCE EN JUIN 2010…
Mais un tel accord garde son CARACTERE INTERNATIONAL !
La HAT étant un GOUVERNEMENT ILLEGAL DE PUTSCHISTE : n’a pas le droit de signer un tel accord
La HAT EST SANS QUALITE JURIDIQUE pour signer un tel accord…
Il incomberait alors à tous légalistes , à toutes les mouvances de DENONCER UN TEL ACCORD VICIE à l’ONU , à l’UE , auprès de l’UNION EUROPEENNE
DENONCER SOUS TOUTE LATITUDE AU CAS OU …
erintaona i Dada nivavaka i Rajoelina kou no nivavaka,inona no valimbavaka?nandeha nitsotsotra atsy anefitra iDada ,izay zany no sitrapon’Andriamanitra ry Dadamalala fa dia mirary so aho anao ny tenako MDR
za kou mba tsy nanadino ilay zavanisy t@ 2002
ny ntantara tsy fanadino tadidiko 12 juille ilay zanadambo nitifitra miaramila teo Bricaville ary nandrava tovovavy teo amorondranomasina,ny tena Mapalahelo ankehitrina fa dia ilay olona nifandrafy namono olona betsaka ,tsy te haheno aho any ariana ka hina mana i Rajoelina sy Ravalomanana fa poa poa pa tsy tiako ita Beurk
Brickaville, dia efa tsy hay akory ny manoratr’azy !! Pff!
Inona no mba fantatr’i TY ??
Ny omaly dia hanazava ny androany ary hanampy Antsika hanatsara ny rahampitso..!
Izao ankehitriny izao dia tsotra ary iray ny tanjona dia ny fametrahana haingana ny Tetezamita
Iraisana tsy manavaka..mba hahafahantsika mandamina ny Firenena ary hanomana ny Fifidianana ny Filoha-pirenena ,izany hoe hanomezana ny Vahoaka ny fahafahana sy ny fahalalahany miteny sy manome ny heviny sy ny safidiny : izany no fototra sy antokin’ny démocratie…!
Ary ny famerenana amin’ny Vahoaka ny fahefany no any hala – olAna azo hihanteherantsika !
Ny fahatahoran’ireto mpanongam-panjakana ny safidi-bahoaka no any antony lehibe izirizirin’izy ireo ,no anodokodinana’izy ireo ny fifanarahana nosoniaviny..!
Eny matahotra ny sazy izy ireo fa ny TENA MARINA DIA MATAHOTRA NY FAHEFANA MIVERINA AMIN’NY VAHOAKA IZY IREO ,SATRIA RAHA MISY FIFIDIANANA ARY TOA HAHAZO MILATSAKA HO FIDIANA IZY IREO DIA FANTANY TSARA FA TSY HIFIDY AZY IREO NY MALAGASY !
KOA AOKA ISIKA TSY HETY INTSONY HAMPITAHORANA !
ATY AMINTSIKA NY HERY SY NY ARA-DALANA ARY NY FAHAMARINANA !
« NY TOMPO HOMBA SY HITAHY ANTSIKA ! »
mitery ronono ny fantatro?ary ianao inona no fantatrao?
Bjr daholo,
I kala kristelle alou no tiako ho visé-na.
Tena hita mihintsy oe sipa foza enao. ny évènement 2002 sy ny 2009 alou dia tsy hitovy mihintsy na oviana na oviana eh, aleo dia ho hazavaiko kely anao ra ohatra ka tsy fantatrao.
Tamin’ny 2002 dia valim-pifidianana no narovana, satria moa hevitry ny tsirairay iny izay nohezahana nangalarina.
Tamin’ny 2009 indray, dia fanonganam-panjakana mibaribary be izao, ary hanontaniako anao oe inona no narovan’dry lavanify tamin’izany? ny démocratie? ny liberté de presse, de la communication? ny fiakaran’ny vidim-piainana? ny fahantran’ny olona?………….
Amin’izao fotoana zao zany dia afaka maneho hevitra ankalalahana ny olona eny amin’ny kianjan’ny démocratie, ny vahoaka efa miha-manankarena satria ny mpivarotra amoron-dalana mitombo isan’andro, satria amin’izao dia notapahana mihintsy ny là lana hasiana azy ireo. ny mpitsindroka ordure mou manginy fotsiny. ilay olona teny La Réunion kely sy Maurice kely taloha efa miverina indray. mba mandalova anie eny eh, mba vangivangio ny havanao eny. ny hany mba radio mamoaka ny marina helingélenina foana! dia ny radio fahazavana izany.
Ny zavatra tsy fatatr’i Kristelle anefa dia izao, na dia maro mihoatra ny 50 isa aza ireo radio sy télé mivoy ny zava-diso, dia tsy maharesy ny radio fahazavana izany, Izay no marika ahafantarana fa Mahery Andriamanitra.
tsara refa misy ny manankihana eh, tiako mihintsy ny mamaly anao, fa tsy ohatra ny équipen’areo tsy be marenina sy dondrona, donto, kanosa »kanosa satria basy ve no hentina hiady amin’ny vahoaka amin’tanam-polo)
zay dray alou fa miandry ny valin-teninao eh!
A partir d’aujourd’hui, bye bye Kristelle, que les peuples aient le courage de se révolter contre ces bandits de HAT.
Miantso antsika rehetra ny tenako, hanohana ny hetsiky ny vahoaka, izay hatao eny Anosy , Mipaka any amin’ny 13 mai, androany 17 Mars 2010 manomboka amin’ny 10h maraina. samia tonga maro hanonganana ireo fatifatin’javatra ireo.
zanak’i Dada ho tonga any kou ve i se sa eto hiany no manentana?
haongana ny fatinjavatra dia atao inona ?ipetrahana ve ny Seza nipetrahany tsoooooooooooooooooooooooo
foza foza ,raha mba mora vidy izany foza izany mba nividy aho hoaniko fa indrisy na te hanao salade azy aza aho kely iny ve no hovidiako hoatrinona?zany foza izany anie ka lafo vidy r’ise e!
Ny foza orana amidy @ kapoka eto tana ry Kristely a, 50 ny iray kapoka, na ny mijery azy ara mampitahotra. nanomboka t@ 2009 izy lasa foto tsakafon’ny Tanora Gasy Vendrana.
Eny anosy daholo tsika androany e.
i Kristelle manao vavam-poza fotsiny, dia mbola sahy milaza ve ny tgvistes sy ny forongony fa tsy nisy fanonganam-panjakà na teto???, fa mitampina angaha ny mason’izao tontolo zao ka tsy nahita reny autoproclamation n’i TGVendrana reny ??, reny fanendrena piraiministra an-dalambe ireny??, ny fanafihana lampam-panjakà na moa tsy tenenina intsony, ny fakà na ministera @ fomba degany be, ny tanjon-dry kristelle sy ny foza namany t@ zany dia ny hoe hampisy ny demokrasia ka hanala ny jadona, lay demokrasia tian’ny foza tenenina @ io demokrasia mahazo manao zay tianay hatao, mangalatra , mandroba, mamono olona, dia nidradradradra ny mpanjakà n’ny foza fa mila haino amanjerim-panjakà na tsy mitanila, dia nopotehina ny TVM sy RNM ka ny mpanjakà n’ny foza mihintsy no mitso-drano reto zanapoza hamotika ny fananam-panjakà na, tsy vitan’ny fananam-panjakà na ihany anefa no nopotehin’ireto foza reto fa na dia ny fananan’olona nihariana nandritra ny fotoana maro aza, rehefa niezaka ny filoha Ravalomanana nanarina haingana ny tvm dia nangataka 3 minitra isan’andro tao indray ny mpanjakan’ny foza mba hidirana @ io haino amanjerim-panjakà na io, zay lay hoe demokrasia amindry zareo reto,dia nanatena daholo reto zanapoza fa hilatsaka ny mana avy any andanitra raha vao tafakatra eo ny mpanjakany,kinanjo ny sazy indray ity no hilatsaka amin’izy mianakavy,sa zay lay vokatry ny tolona nandrasanareo foza ry Kristele???!!dia hatreo eo ny sazinareo mianakavy dia hiareto eo, tandremo ndray manao lalampoza dia hanao négociations any @ GIC any , zahay tsy hiala fa eto foana ary nareo tsy hahazo reconnaissances internationales na rahoviana na rahoviana raha mbola ny légalistes koa no legalistes,