Lapin de Pâques

Lapin de Pâques

Milaza ry zareo ao amin’ny TGV fa hanao « trève » amin’izao herinandro Masina izao.

Dia lazaina fa aleo aloha ajanona ny tolona amin’izao fa hitory Fihavanana hono izy ireo. Tsia ! no valiny ary aoka isika tsy ho tafiditra amin’ny fitaka sy lainga tahaka izany.

Aoka ho mailo ary aza mihaino fihetseham-po mihintsy amin’ireo devoly mpamitaka ireo.

Tsotra ny antony :
Talohan’ny 26 Juin 2009 dia nasaina nanao sonia trève ny namana iray tao amin’ny GTT satria hono hoe manakaiky ny feti-pirenena dia hoe handao hihavana. Dia nanao sonia tany moa izay maivandoha tany. Fantatra tsara anefa fa nahazo vahana ny tolona amin’izany ary nahazo laka ny GTT tao amin’ny ambasady. Ny vokatra dia nihanangatsiaka ny tolona avy eo satria velona ny tsy fifampitokisana sy ny ahiahy. Iza izao no manjaka ao amin’ny ambasady ao Paris ?
Koa mampitandrina ny rehetra aho ; aoka itsy tompoko ; aoka itsy ny miara-miara-manao sonia amin’ireo devoly ireo fa olona tsy mena-mivadika ireo. Ny sonia niaraha-nanao tany Addis Abbeba aza sahin-dry tsy mataho-tody tsy raharahiana ka inona izay sonia ataoatao any anelakelantrano any ? Tsotra ny tanjon’izy ireo amin’izao indray dia ny hampangatsiaka ny tolona izay tena nahery dia nahery tamin’ny 29 marsa 2010. Aoka isika hampiseho amin’ireo frantsay ireo fa tsy olon’ny fo ka mora lalaovina ; fa olona manantsaina ; manana ny Fanahin’Andriamanitra mpanolo-tsaina ka tsy azo ambakaina.

Raha tena mila fihavanana izy ireo dia tsotra : Maputo sy Addis Abeba ampiharina dia milamnina sy mihavana ny rehetra.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Atao inona izany fitaovana homena ny mpanjono izany e ?
  2. Fear – Aiza ny tany tsy misy horohoro ?
  3. Misy raha ao !
  4. Aiza mifandrebireby Ra-TGV an !
  5. Alliance démocratique

45 Comments

  • KintanaMananDrambo dit :

    Amin’izao fandalovan’ilay menasofina mpanome baiko azy izao, hetsika mafana no tokony ataon’ny legalista, eny amin’ny 13 mai, na manoloana ny ambassade-ny !!
    Mody esoriny ny miaramila dia hoe milamina ny TANY ! Erinandro masina inona koa no fantatr’ireo ? Mpitondra fivavahana aza rahonana !!

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    KM:

    Izay mihitsy no tokony atao, hetsika mafy hatrany, aza entin’ny fitaka ataon’ny TGV hampangatsiahina ny tolona, satyria handalo ny Fratay dia mngingina fa manaja vahiny,,,TSIA, TSIA, TSIA ny valiny, asehoy ny tsy fahafaliana.

    Raha mpivavaka ny TGV sy ny Foza ny mpiray tanindrazana hajaina aloha.

    Mitohy ny fampisehi=oana ny tsy fankasitrahana ny Frantay.

    Arivolahy Tsy Maty Indray Andro

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ekena Tompokolahy !

  • Verohanitra dit :

    Trevy inona no trevin’ny anadahin-drenin’i BV ? Tsy azo ampangatsiahina intsony ny hafanam-pon’ny olona fa izao aza efa rahonan’ilay Vitalina iny hosamborina sy hatao mahita faisana izay nanao hetsika tamin’ny 29 Mars.
    Raha mbola misy ny tsy rariny, ny fanampenam-bava, ny fampahantrana vahoaka, na Herinandro masina, na Paka, mitohy ny tolona raha mbola vonona ny mahery fo. Kristy aza tsy nety nandefitra ny tsy rariny.

  • fandresena tena izy dit :

    karakarao fa mivoara e! matoa mitady trève dia lany paika ka mitady haka souffle . Aza omena temps morts mihintsy fa iza no mahita raha mba tena paka Fandresena miampy fandresena ity ??? antsika no miady !

  • Kristelle dit :

    kristy aza ampitoviana @ asan-devoly azafady a! mba Kristelle hahay noo manakaiky izany satria manohitra ny famonoana olona

  • KintanaMananDrambo dit :

    Hay va re ka manaiky ihany i Kristelle, fa manao asan-devoly ê ! Fandresena tena izy, sady lany paika, no lany souffle, no matahotra ny patrôny, dia mihatsara-velantsia !

  • KintanaMananDrambo dit :

    Izay aho vao nandinika an’ilay lapan !!
    Mbola ao anatin’ireo atody mifono taratasy manjelatra ireo izany, ny praomesy faopla nataony teny amin’ny 13 mai ? Nandamokany, fa mbola fonosina ihany, handrebirebena ny vahoaka !!!
    MDR !!

  • Babyfoot dit :

    Coucou Nadia,
    Mafinaritra be le lapin de Pâques, faly ery angamba ny zanak’i Nadia milalao an’io ! Sa mety mampanofy ratsy azy ?

  • Mao dit :

    Tsy manao treve @ bitro izany isika fa manahirana, tsy mena-mivadika ireny sady tsy atokisana no efa voasazy, aleo mifanaraka @ adala toa izay mifanaraka @ Bitso.
    Tohizo ny lalantsika tsy misy miala fa milay ireny t@ 29 Mars ireny a!!!!
    Courage daholo dia tafandria mandry e

  • Ny Ala dit :

    Ambaleo @ papier kadô mamirapiratsa io lapin eo ambony io RAKRISY hataon’ny kilonga kilaolao
    Sady efa misy efo de paka dia vita ho azy ny kôzy, tsa mila mandany vola koa

  • fitolomana dit :

    Raha mila trevy izy dia omena, fa isikakoa mila ny aradàlana dia ongotana zany ny HAT. Ty sy nday é. Ary ny anay tsy maintsy azonay,efa herintaona izay nilaza sy nampiseho fa tsy aradàlana ireo. Alok mifanen amin’ny mpamosavy toy izay mifanena @ foza

  • Rotsaky dit :

    Tsy kivy fa vao maika mailo! Tsy misy intsony izany « trève » izany. Jiholahy voasazy ireo ka tandremo fa na iraimbilanja aza tsy ho antenaina avy amin’ireo FATy ireo. Hita fa misy ary mihabetsaka isa tokoa ny mpitolona eran’ny Nosy sy ny ivelany. Mitombo isa koa ireo vahoaka matotra amin’ny tanjona: Tsy maintsy hosazintsika Vahoaka Malagasy koa ireo jiholahy mpanongam-panjakana ireo. Izao tontolo izao efa manasazy zireo ary mbola ho avy ny tena tsy hozakan’izireo.Ny Vahoaka izay nohitsakitsaina indray izao no mody atao fitaovana fotsiny sy hoe atao namana!!!TANDREMO!.

  • sadic dit :

    « Des arrestations ont eu lieu à Analakely hier dont un journaliste relâché après vérification d’identité. Parmis les arrêtés, le chef de la sécurité de Magro »
    les politiciens font une trêve, par contre l’arrestation des bandits de grand chemin continue,…ils se croient où les zanak’i Dada? en entendant le mot « trêve »,ils semblent contents. houhouhoouuhooouuuuu….

  • ralezoka dit :

    Voadiniky ny firenena eran-tany fa matoa nosaziany ireo mpanongam-panjakàna ireo dia azony antoka tsara fa « Asssociation de malfaiteurs  » no anarana entin’izy ireo .
    Ka inona ary no zavatra azo hianteherana amin’izay olona voasazy sy tsy manaja ny soniany akory ?

     » Trève, trève …sao dia « GRèVE GéNéRALE » no
    hatahoran’ireo ê .

  • andrefaniarivo dit :

    miala ny tgv izay ihany
    tonga ny tsotsorimamba hisarahana isika

  • andrefaniarivo dit :

    andao haverina ny MENALAMBA/VVS/SADIAVAHY/MDRM/TOLONA JN RALAIMONGO/LIEUTENANT RANDRIAMAROMANANA/RASETA, RAVOAHANGY, RABEMANANJARA

    MIANDRY NY TENIN’NY Filoha hajaina RAVALOMANANA Marc sisa isika na HIHEMOTRA NA TSY HIADY H@ FARANY E

    TSY MAINTSY MIROSO NO TENA IZY ARY TSY MANAIKY HO ZANAHANA INTSONY
    MASINA NY TANINDRAZANA
    HOMBA ANTSIKA HATRANY Andriamanitra

    vonony ny saina, vatana, avorio ny hery
    teneno ny ao atsimo, avaratra, atsinanana, andrefana

    mifanakalo hevitra isaky ny tanàna
    maka saina

  • sadic dit :

    « MIANDRY NY TENIN’NY Filoha hajaina RAVALOMANANA Marc sisa isika na HIHEMOTRA NA TSY HIADY H@ FARANY E »
    io « phrase » io de ahafahana mandrefy ny foto-pisainan’ireto legalista ireto, tsy manohana tsangan-kevitra fa manohana tsangan’olona, raha vao miteny zany Ra8 hoe mijanona de mijanona, ary raha miteny Ra8 hoe tohizo fa ze alehany alehany de tohizana.hozizy le legalisata iray izay hoe « lasa eritreretinay tsy misy hajany ianao fa voavidy vola » . VOUS FAITES FAUSSE ROUTE les légalistes, hiady seza ho zaraina(maimaim-poana tsy misy fifidianana) amin’ireo chefs de mouvance nareo ireo no anaovanareo sorona ny ainareo sy ny tanindrazanareo(hatramin’ny vady aman-janakavavinareo)?

  • fandresena tena izy dit :

    Diso hevitra ianao ra sadic fa raha ny olona no nanontaniana efa zavatra hafa no natao . Raha Ravalo ve no miteny hoe : ajanony io tolona io dia mihevitra ve ianao ve hilamina io ? Vao mainka tena hifamono eto isika fa aza miditra amin’izany mihintsy ianao .

    fa manontany an’i Kintana Mananadrambo aho aloha e! hazavao tsara hoe izay tianao lazaina io ambony io fa tsy azoko ?

  • Kristelle dit :

    mampalahelo ny toetsain’ilay fandresena ity hifamono ve zavatra mba hainao izany ve ny kolotsainareo africain ?Bravo,ny kolotsainay Malagasy dia Fihavanana io lovanay ary izahay tompoko tsy manohana olona toy izao ataonareo izao raha lazain’ny Ravalo ianareo hoano iro dia hoanina na fowngany aza ,mampalehelo izao ataonareo izao no antsoina hoe BORIZANo

  • Kristelle dit :

    na hamonotena aza ianareo RAjoelina no maminay ka eo ianareo mitomania,ary i Mydago anfgaha tsy afaka mametaka ireny sarin’osy ,Mainty ireny

  • fandresena tena izy dit :

    Raha malahelo Ra-krisy dia mitomania fa ny mosara be dia be ! Fa tsy nilaza mihintsy aho hoe izaho no hanao izany fa tadidido tsara ao anatin’ny lohanareo manohana an-dRajoelina ireo fa tsy hanaiky an’io mandrakizay ny vahoaka Malagasy fa mbola sakanana fotsiny aloha fa tandremo kosa mihoa-pefy eo fa dia ho hitanao izany lohan-gasy hoe : Misotro ny aleoko maty . Maminareo rajoelina tsy olana izany fa safidy io fa raha ny hanao Fihavanana aminareo dia aleo tsy mana-kavana sy lany tamingana fa raha ianareo dia olona tsy faka taranaka !Ianao ve izany dia mihevitra fa hanaiky an’io izahay e??? sanatria dia sanatria !

  • sadic dit :

    i « fandresena tena izy » ity ane tsy eto Mada akory matoa mahasahy miteny hoe « Vao mainka tena hifamono eto isika », je parie que ce n’est qu’un vieux bouffons qui n’arrivent même pas à courir 1Km. seulement il a la grande gueule,raha teto Dago io de mba nomena fotoana eny amin’ny plage eny tsy mitondra fiadiana sy akama de mba mifanao ray sy ray eny amin’ny harivariva de jerena raha mbola te hifamono avy eo.

  • Kristelle dit :

    angaha tsy itan’ny Sadic ny sarin’ny fandresena tena izy sy i Kintana?ndehana jereo ao @Madagate
    efa antitra tsy afaka mamindra i fandresena tena izy ary iKintana sola loha kara tsiagnonagnona izay

  • sadic dit :

    mbola tsy hitako fa misaotra ry kristelle a!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Momban’ilay inona izay ry FTI ? Ny atody ve ?Atody nandamokany hoa no mbola eritreretiny andrebirebena vahoaka ! Na i Joyandet aza !

  • Kristelle dit :

    efa nifoha angaha idadabe?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tonga ato indray i DJ&MH !

  • Kristelle dit :

    inona no hosotroin’ny dadabe rano sy citron ve?LIMONADE

  • Kristelle dit :

    veloma i Dadabe !

  • KintanaMananDrambo dit :

    Asio tangena dia sotroin’ty miaraka amin’i sadic ; dia mandehana manao dinety, manao p&m !

  • Kristelle dit :

    loza! mety efa nampisotrin’ny Dadanareo sadika daholo ianareo rehetra ireo angamba,mpamosavy no mano izany

  • fandresena tena izy dit :

    Aoka izay re ry KM fa aoka isika tsy hiady amin’adala fa isika izany efa tsapa sy hitan’ireto jamba mahiratra ireo fa manao firesak’olona matotra be ka dia aleo mangina fa rehefa takatr’izy ireo fa tsy hanaiky isika dia ampy izay !TSY MISY TREVE dia aoka izay !

  • Ny Ala dit :

    Aza sendaotra vao maraina Rakrisy, ny fanomagnana ny fety ro banjino, ny lapin de Pâques etsy ambony efa prêt, efa misy atody koa tsa hitako itsony izay hampiasa saina androky, ny kilonga tonga dia mivatagna

  • Kristelle dit :

    ts misy sendaotra eto fa i Kintagna ro misandaotra eto,resaka tsotra fagnajagna ray amandreny ro tarognoko teto ,agnao ve dadabe isotro limonade?ompa ro tarognony ka de aleoko tsa miteny koa fa de mangigna ka tsy zay va ro nampianarigna ny Kilonga agnaja ny ray amandreny ,fa di azendagna aho @ Dadabe kitagna fa dia veloma aby mou @ sabotsy mifankahita

  • KintanaMananDrambo dit :

    Dadabe ry kala tsy mandray fanomezana avy any amin’ny foza â !
    Izany eo ihany fa dia vitsy dia vitsy omaly ny gasy nahafantatra hoe, nandalo tany Madagasikara i Joyandet ! Fa maninona no nafenina ? Nitondra vola sa inona indray ? Raha ny zavatra voalazan’ny mpanao gazety no dinihina, dia toa resaka tsy misy dikany no voalaza tao !
    Elections libres, consensuelles et dans les plus brefs délais !! Tels sont les conseils ou recommandations de Joyandet !
    Le monsieur est reparti, assez satisfait puisque ses conseils semblent coïncider avec les « revendications » du putschiste !!!
    Résultats ? Statu quo ! On fait du sur place, et le temps passe ! J’espère que le Président Ravalomanana, saura lui mettre les points sur les i, aujourd’hui !!

  • sadic dit :

    aza manao désinformation eo ry Dadabe LavaRambo fa i Joyandet sady nihaona tamin’i Andry, no nihaona Tamin’i LeZafy ary mbola hihaona amin’ny dadanareo koa any afrique du sud, mba hialana nenina amin’ny ketrika fanankorontanana ataonareo. Raha vonona hiatrika fitsaran’ny mpifidy marina nareo tokony hijery izay haha-transparent le élection fa tsy hi-insister homena seza MAROMARO sy BEBE VOLA ao amin’ny transition hakana fonds de propagande. Vraiment la sagesse n’attend pas l’âge, hein Dadabe (LavaRambo)!! PLACE AUX JEUNES….

  • HoAiza dit :

    Marina ny anao ry Fandresena Tena Izy: tsy hanao toa ireo nisitaka satria kay mpomba an’i tarehin-tsokatra Raje…-Rakoto… izay tafatsiropaka tao anaty vovon’ny putshistes!
    Jamais ce NE SERA LA HAT qui est la transition aspirée par le peuple malagasy.
    Renversants ils sont, esprit à l’envers de toute valeur ils perdurent à déployer!

  • Ny Ala dit :

    I Zoanday toa tsa mahalala fa efa romotsa ny vahoaka ary tsa hanaiky fifidianana raha vona eo raDJ. Ny lalàna dia miala aloha izy izay vao atomboka ny resaka élections fa raha tsa izay dia rediredin’ny mamo Oisiky manadany andro fotsiny. Kanefa tsa azony fa arakaraka ny mampandeha ny fotoana ro vao maika hahanoana ny ona ka hampasiaka azy. Avilao moa hanaonao foagna eo hiany hahitany azy.

  • beby Randriamanantena dit :

    Aza misy manaiky izany trève izany, raha toa vé ireo maniry izany tsy tokony inty fisamborana tsy misy farany inty no tokony hajanona amin’izay ary mba efa nojeren’izy ireo moa ireto gadra politika efa ho 11 volana any am-ponja tsy misy fitsarana ary hanao « grève de la faim », sa mbola amono toy ny teo aloha amin’ny fomba rehetra aoka ho mailo ny marina tsy mantsy mandresy

  • zava-misy dit :

    Tsy maintsy mijoro amin’ny fahamarinana ny Malagasy, ary tsy maintsy handresy.

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Si nous avons bien compris, le régime HAT défendant la « souveraineté
    nationale », selon leur définition, peut s’accommoder de l’ingérence
    de la France, mais pas de celle de la communauté internationale ou le
    reste du monde et surtout pas de l’Union Africaine. C’est ce genre de
    « discrimination » à l’ère de la mondialisation qui indigne ceux qui
    ont soif de progrès. Madagascar peut …

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Information ialana @ desinformation

    COMMUNIQUE
    DE LA MOUVANCE RAVALOMANANA

    Le Secrétaire d’Etat à la Coopération et à la Francophonie, M. Alain JOYANDET, s’est déplacé à Madagascar le mercredi 31 mars 2010.

    Au lendemain de cette visite, des informations ont circulées prétendant que M. JOYANDET s’est rendu en Afrique du Sud afin d’y rencontrer le Président Marc RAVALOMANANA.

    J’apporte ici officiellement la confirmation qu’une telle rencontre n’était pas inscrite dans l’agenda du Président Marc RAVALOMANANA et que les deux personnalités n’ont pas eu d’entrevu.

    La démarche de la Mouvance RAVALOMANANA dans la recherche d’une solution pour le retour à l’ordre constitutionnelle à Madagascar a toujours été la transparence. Aussi nous tenons à ce que le peuple Malgache soit associé à la vérité pour qu’il ne soit pas induit en erreur.

    Le 01 Avril 2010
    Guy Rivo RANDRIANARISOA
    Porte Parole de la Mouvance RAVALOMANANA

  • Alidera A.R. dit :

    D’ailleurs, pourquoi la France joue-t-elle en solo alors qu’il y a l’UA, le GIC qui sont les premiers concernés avec Madagascar? La France accepterait-elle que les USA et le Canada fassent pareil qu’elle?

  • GBD dit :

    Alidera
    cette France là est faite de VANTARDISE , ridicule pour le monde entier.
    lire les journaux étrangers (allemands et américains notamment ), même les journaux économiques français , I télé , LCI chroniques politiques.
    les foza sont nourris aux biberons propagandistes malgaches(madagate, express, sobika, midi : type torchon, brulis, marigot )

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.