Vahaolana maharitra sa vonjy tafan’andro no ilain’ny vahoaka?

Maputo tanàna mandroso
Maputo sy Addis Abeba : vahaolana eken’ny rehetra
Hamory ireo filohan’ny Ankolafy efatra indray ny Vondrona Afrikana, ny 08 ka hatramin’ny 10 martsa ho avy izao, izay hatao any Addis Abeba .Ny Komisionan’ny Fandriam-pahalemanana sy ny Filaminana ao amin’ny Vondrona Afrikana miaraka amin’ny SADC ary ny Filohan’ny mpanelanelana Atoa Joaquim Chissano no tompomarika amin’izany ary ny fandaniana rehetra dia ry zareo no hiandraikitra azy.
Tsy mitsahatra fa mitady vahaolana hatrany ny eo anivon’ny hery iraisam-pirenena, ary inoana fa dia ho antso farany izy ity raha sanatria tsy hanoina ny antso ny ankolafy Rajoelina dia hisokatra hoa azy ny varavaran’ny sazy iraisam-pirenena.Ny Ankolafy Madagasikara indray kosa tsy mitsahatra sy mihirahira fa ny fanjakana iaraha-mitantana sy ny fampiharana ny Maputo ihany no ivoahana amin’ny krizy.
CCI Ivato 04 – 05 martsa 2010 : vahaolana vonjy tafan’andro sy tapi-maso
Aty Dago indray, somebiseby ery ny mpitondra tsy ara-dalana mikarakara ilay” teny ifampierana”, vola tsy toko tsy forohana no hararadraraky ny Fat amin’ny fanomanana. Izay haino amanjery rehetra jerena na henoina na vakianao dia ahitana dokambarotra mahakasika izany, rehefa mahoraka eran’ny tanana angamba dia izay ilay feom-bahoaka lazaina, manao “matraquage” e!
Teny ifampierana anefa efa misy lalan-jotra tiana ho hahatongavana, efa fantatra mialoha ny tondro-zotra hizorana. Lojika fa tsy maintsy hanamafy ilay fifidianana solombavambahoaka kasaina hatao ny volana mey sy hamoaka ilay daty fifidianana no hivoaka eo. Ny fananganana ny CENI izay hosokafana amin’ny mpanohitra.
Izany satria ankolafy tokana no handray andrara ao dia ny Ankolafy Rajoelina, ary ny fehinkevitra mivoaka eo dia tsy maintsy ny mety sy tsaratsara kokoa amin’ny toeran’i Andry TGV, izay ilay mahatonga ny hoe :
“unilateralisme” foana raha vao ry zareo samy irery no mikonokona sy manatanteraka azy.Tsy azo inoana mihitsy hoe toy izao no fehin-kevitra mivoaka ao : “hanaiky hiverina an-databatra boribory ka hampandefitra ny ambom-pony Rajoelina, hiverina hampihatra ny Satan’ny Maputo sy ilay tovana tany Addis Abeba izay efa nekeny sy nanaovany sonia”.
Tokana ny zavatra ho hita eny CCI Ivato amin’io 04 sy 05 martsa 2010 io dia : “tsy mahalala biby afa-tsy foza !”


le Mardi 2 mars 2010 à 11 h 34 min
Aoka izay ity FIFAMPIERANA amin’ny Foza itye !
Fa angaha ny foza mila Fifampieràna rehefa manapaka heivtra hoe hanome vola miraka no asisika ho an’ny mpanongana ?
Tena mandreraka mitsy izany miandry ny hevitry ny Foza izany vao manao zavatra. Tsy hiala teo mitsy izy raha izao no mitohy.
Tairo ny hetsika r’i Mouvance Madagasikara rehefa tsy hanao ny hafa a ! Mety ny anareo!!! ataovy maneno tsara ny casseroles sy vilia, sy ny lakolosy.
le Mardi 2 mars 2010 à 11 h 37 min
*
Rakotovazaha a dit :
Herintaona niainana tao anaty “fanapenam-bava” ny vahoaka hany ka miandry “sioka tokana” fotsiny. Io no fotoana hahafahan’ny isam-batan’olona haneho ny fanoherany ny mpanongam-panjakana. Lamina napetraky ny “Mouvance Madagascar” ahafahana manatanteraka izany, ny Komity isam-pokontany miaro ny satan’ny Maputo. Mialoha io fotoan-dehibe io, araky ny nambaran’ Olivier Rakotovazaha dia hatao fizarana fandaminana sy fifampifehezana ho an’’ireo mpitarika fokonolona ireo ny amin’ny Alarobia izao. Tsy ferana izay mety ho fanehoana izay tsy fankatoavana ny FATE izay. “Afaka mikapoka vilia na sarom-bilany ianareo na ihany koa mampaneno lakolosy” ny rehetra.
le Mardi 2 mars 2010 à 12 h 08 min
Marina mihintsy izany ry RerakaBe.
Tsy hilaina intsony izany fivoriana izany !!
Ny FAT,ny mpanongana efa nilaza koa fa fandaniam-bola ny mivezivezy izany. Ny karaman’ny mpiasa majinika aza tsy misy !!
Rahatoa ka hanome ny lisitry ny olona izay ho atolony izy, dia zavatra hafa indray izay !!
Mba ho vita haingana ny fifidianana !
le Mardi 2 mars 2010 à 12 h 15 min
Vonjy tavan’andro io e! tsy asiana resaka be fa dia izay no valiny . Aza misy manaiky fitapitahina intsony izao fa samia mahiratra an!
le Mardi 2 mars 2010 à 12 h 35 min
Tena efa miakely finoana mitsy momba ny fiverenan’i Dada
Isan’andro dia mihezka mitsy miteny hoe : mahareta, mahareta, fa ho avy ny sazy sy ny sisa, fa rahoviana ihany ary izany izy. Marina fa tsy misy afaka maly an zany, fa efa tena reraka be daholo ny gasy e!
Ny vozongo ko efa manao ny sai-patany tsy hieveran’i Dada, mbola reska etsy sy aroa foana no atao. Ny olona matimosary, ny securité tsy misy tokotaniny, vao maika ko aza.
Na inona na inona, ny sazy manantena fa hiatra mitsy ka !Ra tsy izany, dia m’stance fotsiny izay atao, miandry, miandry. Reraka be e !
le Mardi 2 mars 2010 à 12 h 44 min
Ao arinan’ny fifidianana, dia tokony tapahana mihitsy ny fifandraisana amin’ny mpanjana-tany, dia miena mitsy ny hery n’i TGV.Lazaina fa hoe amboarina ny fifandraisana amin’ny lafrantsa, mandrapilamin’i tanàna. Tena efa mampirediredy mitsy fa tena tsy lasa tsony ty ka !Aiza marina ny fandehany mouvance Ra8 ary !
le Mardi 2 mars 2010 à 13 h 11 min
« Et v’lan !Passe-moi l’éponge ! »
Têtes à claques et coups de pieds là où tout pense !
le Mardi 2 mars 2010 à 13 h 33 min
Je fais partie de ceux qui soutiennent la Mouvance Ravalomanana ! Mais avant tout, je milite pour le retour vers un Etat de Droit, avec ce que tout celà comporte.
Un renversement de pouvoir par le biais d’une armée, donc des armes, est loin d’être anodin !Quelques pays veulent nous faire croîre que pour évoluer, pour sortir du sous-véveloppement, un putsch est de temps en temps salutaire !
A ces PAYS-LA, osons affirmer notre DIFFERENCE !
Osons leur montrer, qu’on est bien loin de l’époque, où l’on exhibait les peuples des anciennes colonies, comme de vulgaires bêtes sauvages !
SI L’AIDE AU DEVELOPPEMENT DOIT ÊTRE ASSORTIE DE PUTSCHS EPISODIQUES, OSONS DECLINER CETTE « FAMEUSE AIDE », D’OU QU’ELLE EMANE !
Misy olona avy amin’ny Mouvances 3, mitady hiaraka amin’ny mpanongana ( amin’io 4 sy 5 mars io ), aoka mba ho fantatr’izy ireo fa ny vahoaka TSY HO VERY TADIDY, NA SAINA !!
le Mardi 2 mars 2010 à 13 h 49 min
Ny resaka be ve ry Selesy mahavonjy ny ankizy angalarina aty TANA sy
TERENA HANAO MAKORELINA ANY DIEGO, TOLERA SALAM’ITONY ?
_http://lendawilliam.over-blog.com/pages/zaza-maditry-eto-diego–2410838.html
tSSSS .
Aza miseo ho favy oa ! akombony ity vava
Avereno malaky dada ra mahay ielà, fa mijaly ny ankizy!
AZA BE resaka amin’ny tsy alehany fa ra mafantatra an’izao sy zao, esory sy ataovy izay tokony atao amy TGV, faza mampandry adrisa eo !
Tsssss !
le Mardi 2 mars 2010 à 14 h 42 min
Sady tsy havaha -olAna no sady afo mololo ,vetivety dia mat-y ary adino ..
Sehoseho sy sekoseko ary fisamboran-drivotra fotsiny ,mba entina anariana-dia ny kely salofana ,ireo mora ambakaina…sy minomino foana !
Ny heri-po ,ny heri-tsaina ,ny heri-batan’ny Vahoalka naona sy tezitra ary maika dia ampy hanosehana ireo hiankin-dridrinaa sy hilavo lefona !
Ry Malagasy ario ny tahotrao ary haseho ny herinao..!
Ny mitabe tsy lanin’ny mamba ary akanga maro tsy vakin’amboa..!
le Mardi 2 mars 2010 à 15 h 55 min
Na havana na tsy havana, na mifanohitra amin’ny hevitry ny tena, aoka HIFANAJA fa aza mifanao teny tsy voalanja ! Tsy marivo salosana daholo akory izay ùifanortra aminao. Saiky tsy hamaly anao aho, fahitako ho maivana dia maivana izany dokotera mandany andro amin’ny forum rehetra hitako izany. Na dia atao aza hoe a la retraite ianao.
Rehefa hanontany tena ny olona hoe, fa inona no ataon’ny dokotera andro aman’alina eto dia ho tsapany fa maivana sy resaka be.
Sady tsy credible. Tsy credible mihitsy e ! Tsy voalohany izao fa efa aman’taonany isaky ny manoratra amin’ny forum rehetra ianao.
Ka mba lanjalanjao ihany ny teny avoaka ry Ra Selesy a ! Coups de pieds où « TOUT » PENSES ne se dit pas a n’importe qui ! En tout cas, pour ma part je penses avec ma tete pas par « ici » ohatra anao.
Ny mananatra aza atao fa ny MANOME « VAHA OLANA NO ATAOVY ». MAZAVA ANGAMBA ???
nY KELY SALOSANA ANIE efa hihomehazan’ny olona any amin’ny forum hafa e ! Sa ahoana ?
Samy manohana isika,ka izany no saika tsy hamaliako anao, fa ny hiaraka aminao kosa, azafady fa tsia! Samy mandeha, samy mitady.
Ka mahereza mikabary. Fa ny aty efa mahalala ny fandehanao!Tsy azo …..hambakaina sy hanaovana kobaka am-bava.
Mba valio tsara ihany izay olona manoratra fa tsy fantatra izay olona hanoratana, na tena vendrana na tsia. Ataontsika hanatra ho antsika izany o ???
Izay ny amiko ra Selesy a !Passes (avec « s »)moi l’eponge !
le Mardi 2 mars 2010 à 17 h 31 min
Izao no izy ry reraka be..
Manoratra aho..,ary manoratra izay fantatro sy haiko ary tsy manonona anaran’olona aho raha tsy misy antony !
Koa ny teny soratako dia natao ho vakian’ireo ozay te hamaky izany..!
Fa tsy ianao no hametra na handaja ny fivolanako eto..!
Na tsipolitra mandray tsy raisina ianao na olona mahatsiaro fa voatohan ‘ny teny volaniko ,dia inona moa no azoko atao aminao ary inona no hataonao ahy..!
Ary ataovy ao an-dohanao feno rivotra fa tsy manoratra manokana ho anao ,rehefa manoratra ,satria nahoana , Tsy fantatro ianao , ny anaranao aza tsy sahinao tononona koa..amiko dia tsy misy antony irsahako na ieritreretako anao !
Ny namako niantso aho Raselesy dia maty tamin’ny erin-taona !!
Raha tena manam-pahendrena sy tena mahafantatra ianao dia inna no mahamenatra tsy anononanao ny anaranao..?
Manana tombony amiko ianao ,satriamilaza sy mahahalala ahy an-tspiriany ianao !
Ny eritreritro tsy mananjika ahy.., ny fandehako (izay ataoko hoe conviction ) ia tsy miova na indrey je aza !
Ny hevitrao ,ny fandihinao ahy dia fahafahanbao izany ,fa saingy mampitandrina anao fa misy fetrana ny fanaratsiana..!
Ary iza moa ianao no hitsara ahy ? Inona no mba vitanao e amin’ny Firenena aéry manan-saina ianao aza dia variana mitsikera ahy FA IZA HAINAO ,IZAY HEVITRAO ANAO MBA ZARAINA AMIN’NY MPAMAKY RAHAMISY IZANY !
NB : mitsingoloka ny soratro ianao amin’ny hoe passes (avec « s »,koa mba jereo ny loto be eo an-kandrinao :
Dans « je penses avec ma tête » pense ne rend un « s »Ary ny anatra tsy misy h toa ny nanoratanao azy Hanatra..!
Rehefa manao » fautes » dia tsy mitsingoloka fa mangina..!
Na izay fotsiny aza dia azo ahafantarana anao fa miseho be saina ianao nefa tsy ho aiza akory..
Mampalahelo sy mampihomehy ahy ‘ty reraka..be atramin’ny sainao !
Mahaiza mipetraka eo amin’ny toerana misy anao fa aza misavika izay tsy ho takatrao !
Aza dia mieritreritra ahy be loatra é ! Tsy izaho no olana fa ny fahorian’ny Malagasy ary raha miteny ratsy na manaratsy ny Malagasy mitoona ianao dia faikany sy tsy valahara amiko !
le Mardi 2 mars 2010 à 17 h 59 min
Tena vao mandreraka ve !!! hi hi hi !
Izay alehanao rehetra ity toa maneno sahona daholo….ho anao!
Fa aleo ho eo.Veloma an !!!
Izao mba hita kokoa ny momba anao : Izay no notadiaviko.Tandremo sao « MITOHY » mitolona ho an’ny tenanao, fa tsy ho an’ny vahoaka.
le Mardi 2 mars 2010 à 18 h 32 min
Rerakabe et DCR
questions d’une légaliste :
ce site est il uniquement un site de militantisme ravalomananiste ?
ce site est il un site d’échanges d’idées de légaliste : POUR UN ETAT DE DROIT AVANT TOUT ?….
… ce qui peut aboutir à une reprise du Pouvoir par Ravalomanana (ou de sa mouvance )…moins autocratique à l’avenir…j’espère.
On peut anticiper , bien sur mais certains cotés envahissants et permanents fortement teintés de pensée unique peuvent laisser perplexe et enlever l’envie de participer .
On risque de faire l’impasse sur des échanges d’information sur le DEVELOPPEMENT par exemple , seule condition pour réduire la MISERE DU PEUPLE à mon avis.
je le dis avec beaucoup de » MODERATION « .