Mouvance Ravalomanana

Mouvance Ravalomanana

Inty no fanambarana voarainay anio Asabotsy 10 avril…

FANAMBARANA
ANKOLAFY RAVALOMANANA

Miarahaba sy mirary soa ho antsika rehetra,

Manoloana ny feo miely sy ny tsaho maro samihafa mandeha dia manao izao fanambarana izao izahay ary koa manome ny vaovao marina. Salama tsara ny Filoha Ravalomanana Marc ary tsy nisy nanafika na nikasa nitifitra izany mihitsy omaly zoma 9 aprily 2010.

Izao no atao dia mba tsy hampiroaroa ny sain’ny vahoaka amin’ny zavatra tsy marina inian’ny sasany ahely etsy sy eroa.

Manararaotra izao fanambarana izao ihany koa izahay, hiantsoana ny vahoaka tsy hivily lalana fa hiatrika foana hatramin’ny farany ny tolona izay atao dia ny fampiharana ny satan’ny Maputo sy ny tovana natao tany Addis-abeba ka hijoroan’ny fitondrana tetezamita eken’ny besinimaro.

Tsarovy lalandava fa ny fiverenan’ny firenena eo anivon’ny fianakaviambe iraisampirenena sy ny famahana ny krizy lalina manjo ny firenena izay mampijaly ny vahoaka Malagasy no tanjontsika amin’izany.

Koa mijoroa hatramin’ny farany, miraisa hina, aza manaiky ho voarebireby amin’ny hevitra manakorontana antsika.

Sabotsy 10 Aprily 2010.
Guy Rivo RANDRIANARISOA
Mpitondra tenin’ny Ankolafy Ravalomanana

Taratasy pdf original voaray.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

52 Comments

  • hasinanadrianina dit :

    ary ry mamy ; fetison; raharinaivo; yve aile et consort ve mbola azo antoka ihany ?

  • Neutre dit :

    Adala io message io sy mpanoratra azy ary zay miombona an’io

  • fandresena tena izy dit :

    Aza misy kivy izany mihintsy isika fa tsy mbola misy « reconnaissance » io fanjakana io e! Izay no tokony ataontsika an-doha ! mbola tsy tapitra ny lalao fa samy mbola miady izao ka mahereza daholo e! Ary na sanatria aza ka matin’ireo ny Filoha Ravalomanana isika kosa dia hijoro hatramin’ny farany sanatria Tanindrazana no avotana tsy hozanahan’ny sasany .

  • Hamas dit :

    Tena mampalahelo le firenena fa maty tanteraka ary tsy misy intsony izay mba olona afaka manelanelana fa dia samy mangina daholo. Zah aloha dia tena mitsotra fa tena tsy mahay mitondra vahoaka koa ireo mpitarika ny trois mouvence e, aiza ve dia tsy mahazaka ny 4o% n’ny vahoakan’Antananarivo. Olona kanosa mamporisika fotsiny nefa tsy sahy miditra antsehatra akory. Raha izaho aloha dia milaza fa tokony hiverina eto i Ravalo fa izay alehany any alehany fa raha mbola ireo mpitarika ny 3 mouvence ireo ihany no eo dia tsy ho tafavoaka mihintsy… tamin’ny herin-taona tahaka izao dia tena mbola natanjaka ny tolona saingy amin’izao dia maty tanteraka. Iza moa no milaza fa tsy hanao izay handravana ny tolona no antony nidiran’ny mouvence Ratsiraka sy Zafy tao. Tsy ampy firy volana akory no nidirany tao dia rava ny tolona. Mila Noelson Mandela malagasy koa eto, mba hanavotra ny firenena.

  • Lioka dit :

    Aoka isika samy hampahalala ny tena evitra sy tanjona matonga ntsika mbola mitolona hatrizao ! Ary tsy eto @ forum ihany fa n’aiza n’aiza !
    Ry namako isany mpandala ny ara-dalàna ; Ataovy ny adidinao, mandraisa anjara @PÉTITION @ ity lien ity:

    _http://www.ipetitions.com/petition/madagascar-callue/

    MATOKY NY FIRAISANKINATSIKA I MADAGASIKARA, TANINDRAZANA MITOMANY !
    Aza apandeferina ny marina !

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Mitohy ny fandemena ny mpanohana ny Filoha RAVALOMANANA MARC …!
    Na Amin’ireo mpanohana azy aza dia miseho miroroa saina…ka manonta

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    tohiny..

    Na amin’ireo mpanohana azy aza dia misy manontany na mbola azo antoka ny mpiara miasa amin’ny Filoha.!
    Efa tena grave be izany satria tsy misy  » fifampitokisana intsony « ,indrindra fa tsy antony hiaihahina ireo olona ireo !Sa rehefa tsy miteny na milahatra etsy sy eroa dia tsy mahavita azy..Hajanony izany fomba fanaovana « procès d’intention tsy misy porofo izany « ..
    Ny mpanohitra ny Filoha no miezaka manao « intoxication psychoogique  » amin’izao fotoana izao mba hanaratsiana ,hanosora-potaka ny Filoha ( nisy namono ,nampiditra conteners folo feno bsy..!)!
    Koa raha ianareo mpanohina azy koa no manampy ny fanemena ataon’ny mpanohitra…dia tsy aleonareo ve avy hatrany dia miaraka amin’ireo mpanohitra ?
    Mila fisainana sy fandalinana be ny fanarahana ny
    toe-javatra misy sy ny fizotrany..!
    Koa mitandrema ary aza mihinana amam-bolony fa voaso tsaraaloha ny paiso !

  • Alidera A.R. dit :

    Tsy fanalemena ny tolon’ny mpairo ny ara-dalàna ny filazan’ny HAT/FAT fa nisy saika hitifitra ny Filoha Ravalomanana.
    Matoa izy no manaparitaka voalohany izany vaovao izany dia satria izy no nanao izany. Mazava izany.
    Ka na marina io resaka io na tsy marina dia mazava fa fitsapana ny halalin’ny rano io zavatra io.
    Midika kosa anefa io zavatra io fa mila mitandrina sy malina tsara Atoa Ravalomanana satria manelingelina tombon-tsoan’olona maro dia maro izy.

  • sadic dit :

    Ra8 aloha rehefa rapatrier-na aty gasikara hamita ny saziny izay vao tena atahorana ny ainy, fa any amin’ny exil any tsy hitako izay ankalazain’ny mouvance-ny an’io faux communiqué io(à l’image des G.T.T), resaka médiatisation fotsiny mba hisintonana ny sain’ny rehetra. ridicule!!

  • sadic dit :

    « Parmi les conventions signées hier par Monja Roindefo et les thailandais, sont prévus des projets d’investissement sur la pêche et l’industrialisation »(SOBIKA)
    vous disiez quoi déjà? tsy reconnu io fitondrana io? tsy hisy financement? continuez à rêver.

  • sadic dit :

    « Camille Vital a été élevé au grade de Général hier à Mahazoarivo par Ismael Monibou »
    ça fera surement des jaloux,d’autant plus qu’il mettra tout en œuvre, ce nouveau général, pour écraser les semeurs de trouble. alors, avis aux amateurs.

  • Lioka dit :

    Miaraba anao aho Atoa CELESTIN Robin.
    Nympanohana ny ara-dalàna maneho ny heviny eto @ forum dé mazava ho azy fa mahalala tsara ny tolona hatrehany.Maro be izireo ary sokajin’olona samy hafa avy @ ambaratonga maro satria ao ny mpampianatra, ao ny sociologues, ao ny chefs d’entreprise, ao koa ireo tsy an’asa, ny mpianatra,mpivarotra, mpanao asa tanana,mpitsabo ets..ets..
    TANJONA IRAY nefa no hjoroanay retra ireo, mahalala izany ny tenako satria vao niandoa ity krizy ty dia efa nifanakalo evitra teto miaraka hatrizay ireo olona retra ireo ary misy mitsy aza fotôna natokanay niresahana fotsiny mba hifankahalalana misimisy kokoa… Ny vokatra azo dia nahafaly satria nanampy ny tsirairay izany mba hanoroana reo fantatra fa manan-kolazaina maro nefa somary mikaviavia eo @ fanehoana hevitra (façon de s’exprimer).
    @ mahasokajin’olona samihafa ireo retra ireo dia samihafa arak’izany koa ny réaction’olona tsirairay… Hoy ianao hoe : « Mila fisainana sy fandalinana be ny fanarahana ny
    toe-javatra misy sy ny fizotrany..! »… Fa ny avaliko an’io kosa dé ny hoe : Tsy mila mandinika lalina akory ange ny vahôka vao hatsapa ny fijaliana manjo azy e! Tsy mila fianarana antaonany maro ny fandanjalanjana ny fiainana nisy teo @ fitondrana ara-dalàna sy ny hiainan’ny malagasy tsy vaky volo @ izao fotôna izao!
    Ary farany : Matoky aho fa tsy eo @ ny mpandala ny ara-dalàna velively no hisy ny hoe : « tsy fifampitokisana intsony » voalazanao io, ary io teniko farany io moa dé manampy fotsiny ihany ny voalazan’i Alidera etsy ambony.
    Fiteninay matetika sy averiko eto ny hoe: Vatolampy ampy andihizan’ny varatra ny mpomba ny ara-dalana ary dia mino aho fa miray evitra amiko ianao momba io teny io !
    Dia mirary soa indrindra !

  • HoAiza dit :

    Miandry ny retour triomphal de Marc Ravaomanana izahay.
    Asakasakareo izay romotra isaky ny mampahatsiahy izany ombieny ombieny, tsy hirefarefa amin’ny tany hifanohitra @ Sankalite sy minabe intrus eto @ ity site ity akory no lahasa.
    Mialoha izany dia MIVERINA AMIN’NY ARA-DALANA ny fitondrana ny firenena vao ho afaka hiaina isika mianakavy.
    - Ra8 s’appelle REVIENT,
    - Camille Vital s’appelle “RETOUR A SA MERE PATRIE », fa na ny vehivahy any Toamasina aza ry GBD dia mijoro mangataka ny fialàn’io vazaha io eo an !
    Tsaho daholo no miely, toy izany koa ilay basy nolazain’i RakotoNandra!
    Itony Ramarosaona mpamono, mpanao recrutement gros bras tsy eto Iarivo ihany fa hatrany @ province aza matahotra ny ady an-trano hifanaovan-dry zareo ao!?

  • VOLA dit :

    izaho aloha mangataka @ my dago ny mot depasiko fa tsy tadidiko ilay izy ao @ forom e!
    mba valio ao @ adiresy ny msn ko io ry my dago azafady indrindra ah!

  • HoAiza dit :

    - On tue un homme, on est un assassin.
    - On tue des millions d’hommes, on est un conquérant : Alain&Capsateux Cie !
    - On les tue tous, on est un dieu : FrançAfrique et ses intentions!!
    - Temps: Ce que la HAT essaie toujours de tuer, mais qui finira par les tuer !!!

  • VOLANIAINA dit :

    izaho aloha mangataka @ my dago ny mot depasiko fa tsy tadidiko ilay izy ao @ forom e!
    mba valio ao @ adiresy ny msn ko io ry my dago azafady indrindra ah!

  • betsirebaka dit :

    mitohy ny tolona!!!

  • Rotsaky dit :

    Miasotra ny mpitolona rehetra ary manàna daholo zotom-po hatrany hiatrehana izao fahavoazana manjo ny Firenena sy ny Vahoaka Malagasy izao. Atsango hatrany ny fanoherantsika ireo mpanongam-panjakana sy terrorites FATy ireo. Nahoana ny diaspora eran-tany mpandàla ny ara-dalàna no tsy manangana « tente » arahina « banderolles » isaky ny tanàna misy azireo avy????? Tsarovy fa mpiharo ny ara-dalàna isika ka tsy tokony ho misy sakana amin’ny fanantanterahana izany velively. Izany hetsika izany koa dia manintona ireo mpanao gazety mba hipohiran’ny tena zava-marina. Mba hanafaingana ny firosoana amin’ny rariny.

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    LIOKA ,
    Misaotra anao mamaly ny resako..!
    Raha vao tami’io krizy io ianao vao nannohana ny filamatry ny Filoha RAVALOIMANANA MARC dia efa tsara izany..satria tamin’ny Filoha mbola teo amin’ny fitondra ,dia tsy nahenoina feon’ireo miseho manan-tsaina eto amin’izao fotoana izao..Tsy nisy nivory nnohina azy amin’ny fiderana ny bainga voavadiny niaraka tamin’ny Malagas….!
    Raha vao tamin’y fiandohan’ny krizy ianao vao taitra..!ny anay efa namohy hatry ny ela ny fiarahana sy nitolona taminytaminy..!
    Matoa aho miteny hoe  » ao amin’ireo milaza ho mpanohana azy dia misy ny miroroa saina..ka mammpiseho tsy « fifampitokisana « ..
    Ohatra :

    « hasinanadrianina a dit :

    le Samedi 10 avril 2010 à 20 h 13 min
    ary ry mamy ; fetison; raharinaivo; yve aile et consort ve mbola azo antoka ihany ? « ..

    Tsy fanaratsiana no nitenanako fa fampitandremana amin’ny teny tsyt ambina..!
    Tsy ianareo TENA mpanohana ny Filoha ihany no mamaky ity tranokala ity ,ary tsy anareo irery izy ity ..!
    Malalaka ny fitenenana ,fa izay mandalo ao AN-DOHABENAREO tsy fanoratra avokoa..
    Tsy misy idioran’ny  » diplaoma eto indrindra ei amin’ny fitia

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    LIOKA ,
    Misaotra anao mamaly ny resaka..!
    Raha vao tami’io krizy io ianao vao nannohana ny filamatry ny Filoha RAVALOIMANANA MARC dia efa tsara izany..satria tamin’ny Filoha mbola teo amin’ny fitondra ,dia tsy nahenoina feon’ireo miseho manan-tsaina eto amin’izao fotoana izao..Tsy nisy nivory nnohina azy amin’ny fiderana ny bainga voavadiny niaraka tamin’ny Malagas….!
    Raha vao tamin’y fiandohan’ny krizy ianao vao taitra..!ny anay efa namohy hatry ny ela ny fiarahana sy nitolona taminytaminy..!
    Matoa aho miteny hoe  » ao amin’ireo milaza ho mpanohana azy dia misy ny miroroa saina..ka mammpiseho tsy « fifampitokisana « ..
    Ohatra :

    « hasinanadrianina a dit :

    le Samedi 10 avril 2010 à 20 h 13 min
    ary ry mamy ; fetison; raharinaivo; yve aile et consort ve mbola azo antoka ihany ? « ..

    Tsy fanaratsiana no nitenanako fa fampitandremana amin’ny teny tsy ambina..!
    Tsy ianareo TENA mpanohana ny Filoha ihany no mamaky ity tranokala ity ,ary tsy anareo irery koa izy ity ..!
    Malalaka ny fitenenana ,fa izay mandalo ao AN-DOHABENAREO tsy fanoratra avokoa..!
    Tsy misy idiran’ny  » diplaoma  » eto indrindra raha ny fanehoana ny fitiavana ny Tanindrazana no resahina !
    Mampalahelo sy mahamenatra ny teninao momba ny Vahoaka ,izay lazainao fa tsy ila mandalina sy mamakafaka izy ireo !
    Ny Vahoaka no soroka milanja izao tolona izao ary izy koa no hery ,no motera iankinan’ny ady amin’ireo nanongam-panjakana ary izy ireo koa no hery hamokatra rehefa vita izao ady izao.!
    Tandremo re ny fiteny é !
    Aza diamievitrevitra na misekoseko..!
    Na eo aza ny diplaoma ambony sy lehibe anana ireo Vahoaka iureo na tsy nianatra aza dia manana fahendrena (bon sens )..
    Ny siusan’izay dia tano ho anao ny lesona omenao fa tsy lesona (théorie) intsony no ilaina fa asa ,…!
    Ho ela velona ny Vahoaka
    manohana ny Filoha RAVALOMANANA MARC ..!

  • Lioka dit :

    Atoa CELESTIN Robin.
    Fanehoana evitra toy ny ataon’ny retra ihany no nambarako ; Misaotra anao @ valiteny… Ny hiangaviko angaha dia aoka re tsy hivôna loatra ny fiteny e! Zaho tsy nilaza ny anton’asa ataoko eto, no izany tsisy mitsy karazana arrogance @ commentaire lazaiko ary tsy hisy na ovina na ovina io. Refa tonga eto @ forum maneho evitra ny olona retra dé mitovy @ sarambaben’olona retra eto ary io no natonga ahy nitanisa ny ambaratongan’olona maro (vahôka iray no fitambaran’ireo retra reo).Tsy izay momba antoko iray no vahôka ary marina ny teninao, an’ny olona jiaby ny fitenenana!
    Tsotsoriko ny teny mba tsy ho lava reny : ny fotoana nanehonkevitra teto @ ity forum ity no teo @ fiandoan’ny krizy fa tsy midika izany fa hoe t@ io vanipotoana io vao nahalala ny olona tokony ho tohanana ny mpanoratra eto!(Du moins, angamba tsy ny retra!)
    Atoa CELESTIN Robin : ra nisy zavatra nasorena anao zay vôlazako dé fialantsiny be dia be no ataoko e! Fa mba diniho koa aloh zay vôlazako : ra mijaly ny vahôka dia ny fanehoana io fijaliany io no lazainy eto fa tsy handalina lavitra izy ary io moa no cas mitranga hatrany @ fanehoana evitra eto na ataonao aza hoe tsy filaza aby zay mandalo ao an-doha( « ny fahoriana mazaka maniraka »)
    Atoa CELESTIN Robin: tsy misy teny atao tsy ho valiana eto, ary izay no matonga ntsika mifapiresaka eto.TANJONA IRAY no iraisatsika: fanohanana ny filoha VOAFIDIMBAHOAKA ! Ka ra eto aza ve isika noefa hita taratra fa mifanao vava sy ampiseo susceptibilité dé manahôna izany ra tena omena responsabilité hitatana atokon’olona ohatra nytsirairay amintsika? -Mazava hoazy fa dé tonga @ filazanao azy hoe tsy hisy fifampitokisana an!
    Ny essentiel aloha dé toa mifandray daholo ny filazan’ny mpanohana ny ara-dalàna, fa ny mitsikera lôtra ny fomba filazana angamba no tokony ho éviter-na ?
    Ny tanjotsika Atoa CELESTIN Robin:
    Pour la sortie de crise !
    POUR LA VRAIE DÉMOCRATIE !
    Samy tsara e!

  • HoAiza dit :

    Rahefa mifamaly dia aza ampidirina ny copinage…
    Tsy vao voalohany ny tena no mahita tsy fifanarahana toa ny anareo roa ireo.
    Tsy misy blem an, fa mety ho productif/constructif ihany koa aza!
    Ny équipe-ny MyDago koa eto vonona hanome fahafaham-po ho antsika eo amin’ny lahatsoraka krakaraky ny trangan-javatra.

  • Verohanitra dit :

    Andriamatoa Président Ravalomanana ô ! Irina ho faty ianao vao ela velona. Izay maniry izany no hahita ny lozany.
    Ny tanjonay dia ny hiverenanao sy ny vady aman-janakao tsy maty fo aman’aina eto an-tanindrazana sy ny mbola hitondranao ny tany sy ny fanjakana. Mbola tsy afa-po mihitsy izahay raha tsy tohizinao ny asa fampandrosoana efa natombokao ary mivavaka izahay ny mbola haha-voafidy anao ho Filoha mpitondra an’i Madagasikara.

  • Kristelle dit :

    kou raha tsy Ravalo kou manao ny fofonainakou?rehefa tian’Andriamanitra alaina izy dia zao dia zao aza dia maty,mivavaha hiany Ravalo ary mibebaha fa Tany ity fandalovana aza adino

  • Lioka dit :

    Misaotra an’i HoAiza e! Manararotra mirary soa ho an’ny akama retra!
    Tsy blem leroa fa mitoy fôna ny tolona a! Zen ozy ny tary no ady eo !
    Coucou Vero ! Ra karazana fampitahorana ity tsahotsaho ity dé vômaika hamafisintsika ny fiarovana ny filoha sy ny fanohanana ny ara-dalàna e ! Ho tahin’Andriamanitra hatrany ianao Monsieur le Président Ravalomanana !
    A+ aby leretsy a!

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    LIOKA.,
    Misaotra anao amin’ny valin-teny..!
    Tsy fifamaliana izao fa di-ra..
    Ny tena tsy tantiko ka nahatonga ahy nanoratra diailay  » fifampitokisana « , izay ohatrany narovanao…dia no nahatonga nanao ilay copier-coller ny soratra ilay forumiste..!
    Ny teny oa ireny dia manimba zavatra ary itako aiten’ny lona tsy tia..izay milaza fa tsy misy ilàna ny mpomba an-dRAVALO ,fa toa  » miady an-trano »sns..!
    Koa aleo mitandrina !
    Izay ary aloha

  • Lioka dit :

    Avadika ary ny tafa e!
    Koa satria ianao teo nilaza fa tsy fotônan’ny théorie ntsony izao ka dé manasa anao zahay andray anjara @ PÉTITION (asa goavana efa voahomana) satria tokoa tsy ny fandraisana anjara fotsiny @fifanakalozankevitra eto akory dé tokony atao ampy.. (@ ny lien vômariko ery ambony ery) ; Dia misaotra ireo retra efa nandray anjara ny mpandala ny ara-dalàna !
    Asa vadidrano! ilaina aby ntsika retra !

  • jean louis trinita dit :

    mampirisika anao hatrany mr guy rivo mba tsy hiataka amin’ingahy ra-8 manana ary ny vahoaka eto nosy-bé dia mbola mahatsiaro ny asa izay vitanareo rehetra ary tsy misy sahy milaza mahavita ny soa vitanareo eto
    bonne chance ary efa mitongilana mangany any aminy movance ravalomanana ny fijery ny olona ankehitriny

  • mjg dit :

    Ny aty Majunga koa. Nisy minisitra iray izay tonga taty nitokana zavatra, tsy nisy mpitehaka mihitsy. Ny chef de région izany moa dia hanaovan’ny olona hehy ironie fotsiny.

  • Mparany dit :

    « Koa mijoroa hatramin’ny farany, miraisa hina,… »
    Dia hiray hina amin-dRatsiraka sy Zafy fototry ny famonoam-bahoaka tamin’ny 10 août 91?
    Tsia!!! ny amboa no miverina amin’ny efa naloany!!!

  • Louis di Loretto dit :

    Je tiens à apporter mon soutien aux Malgaches, et j’espère que le lapin en aura bientôt assez de ronger les ressources de l’Île rouge. Veloma

  • KintanaMananDrambo dit :

    Iza ianareo no mahita an’i le lilisaona ? I sarla koa ?
    Mitady azy mafy re ny namany, raha mba mahita azy mitsama ireo, ianareo ê ! Maika be hono, hoy ry zalahy ao amin’ny 11e promo-n’ny acmil !

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    LIOKA ,
    Amiko ny asa dia tena asa fa tsy soratyra na peta-drindrina na prospectus na pétition..,!
    Satria ve izaho miteny hoe be théorie ianao ,dia izay dia ampy handresenao lahatra ahy hanao sonia an’izany pétition izany ?
    Mbola misaina aho fa tsy very saina akory ka ivarotanao saka be loha !
    Mba mampiasa tact fa …aza moramoraina ny fifandraisana amin’ny hafa…!

    Bla-bla daholo izany…!
    Fa iza moa ianareo manao pétition ireo ,ary inona no tanjona tratrarin’ity pétoition ity ?

  • Verohanitra dit :

    Lioka â !
    Tsy very maina foana ny ezaka fa efa nanao sonia daholo izaho sy ny fianakaviako rehetra.
    Enga anie isika mba hahazo ny rariny omban’ny fanampian’Izy Tompo.

  • Zanak'i dada dit :

    Tonga indray za ô!

    Miarahaba antsika rehetra izay mitaky ny fampiharana ny satan’i Maputo!

    Aza misy kivy izany, ireny tsaho ireny dia marika fa malemy ny hat, dia mi -invente izao atsanga tsy aman’orana rehetra izao, fa raha izany aloa no atao oe nisy tokoa? dia tsy hisy filaminana intsony eto dago! zay aloa dia lazaiko marina eh! aza mba ny dadanay mihintsy no kitikitihina ra tsy te hahita zavatra! Mbola mandefitra aloa izahay izao na dia rarafana ny bombe sy ny basy isan »adro aza, satria, mbola manantena ihany izay mety ho fiovan-tsain’ny fat !

  • Kristelle dit :

    resak’adala ato tsy misy fotony na ny iray aza ! tsy misy hevitra mivaingana fa dia revingadra sy nofinofy ,voaporofo zao fa resy ntanteraka ny tim sy Ravalo

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ndao hoa izaho sy ‘ty hiady ! Hono ry gamara ?
    Ho jerena eo izay resy !
    Iza aloha no nanongam-panjakàna, nampiasa basy niaraka tamin’ny miaramila ? Nitomany ho prezidà, kanefa nahazo an’izany sankalité izany ê ?
    Satria ve ianareo postsista ry gamara, miafina ao ambadik’ireo miaramila vendrana, mpivarotra tanindrazana, jodasy mpamadika ireo, dia miseho hoe mandresy ? Nandresy amin’ny inona ? An’iza ?
    Mba sokafy hoa ny saina fa aza ny ary ihany !!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Rehefa tsy avelan’ny potsista maneho ny heviny eny amin’ny 13 mai, na eny an-dalambe kosa ve ny vahoaka, inona no maha ratsy ny pétition ry DCR â ! Manan-danja ny pétition, SATRIA OLONA MBA NAHITA FIANARANA NO MANAO SONIA AN’IZANY, FA TSY OLONA VENDRANA NOKARAMAINA AVY EN AMIN’NYY FARIRA IVA !! MAZAVA ANGAMBA NY TIAKO HO LAZAINA !
    Mety RaLioka io pétition io â ! Efa nalefa any amin’ny akama rehetra !
    NY DESINATAIRE-N’ILAY IZY, DIA IZAY TIANAO ! ANISAN’NY ACTION TSARA IO !!

  • Randria koto dit :

    Sarotra ho any gasy efa noana ny mbola hanao ny sorona ny ainy koa,raha tsy ry zareo mpitarika mouvances mihintsy no mba manao sorona ny ainy mitarika ny olona.
    Efa leo atao toatra fiankarana ny vahoaka .Ny mpitondra rehetra sy ny vady aman-janany nialonkaloka sy hamantana fotsiny rehefa tonga ny fandresena.

  • Lioka dit :

    Verohanitra ô!
    Misôtra ndrindra anao sy ny fianakavianao t@ fandraisana anjara. Hahelezo hatrany! Andriamanitra tsy manary ny olomarina e!
    Asa lehibe vita hoan’ny firenena io fandrasan’ny retra anjara io! Satria ny antso ataotsika mitambatra marobe no ampitaina any @ Firaisana U E ! Ary dé mamaly ny vôlaza @ lahatsoratra etsy ambony izany:
    // « Tsarovy lalandava fa ny fiverenan’ny firenena eo anivon’ny fianakaviambe iraisampirenena sy ny famahana ny krizy lalina manjo ny firenena izay mampijaly ny vahoaka Malagasy no tanjontsika amin’izany ».
    Mitohy ny tolona e!

  • Kristelle dit :

    yaloha hoy dadabe tsy misy famatsiambola fa velona hiany kou.fianakaviambe iraisampirenena no hirahiraina

  • Lioka dit :

    Salama ve RaKintanaM.. a!
    Mandalo kitana be ihany zaho io androany e!
    Dé misôtra ndrindra leroa a! Ary dé mbola mamerina ny fiantsoana izay tokony ho avy ô!
    A + daholy e!

  • beby Randriamanantena dit :

    haingana daholo isika manao ilay sonia pétitions alefa any amin’ny UE, aoka ho mailo amin’ny resaka mandemy ny saintsika légalistes, ary ataovy ao antsain-tsika fa tsy misy tolona miverin-dalana izany, aoka hifampahery na aiza na aiza misy antsika, vao avy tany atsinana tany aho mahavelom-bolo fa mbola ny filoha Ravalomanana hiany no ao an-tsainy ankamaroany olona, tsy hitsahatra tokoa isika hanazava ny fandehan-zavatra rehetra aminy izay toerana misy antsika  » Ny marina tsy maintsy mandresy »

  • GBD dit :

    DRC sy Lioka
    somary lava laotra ny soratry DCR matetika , koa mety manahirana noho gazety , eto aminy trano-kala.
    Kanefa ,
    ataoko fa mety ny hevitry DCR momba pétition…
    tsy « dispersion » ve izany ?
    sady misy « problème de représentativité » .
    Tsy aleo ve miasa aminy GTT , na TIM mitambatra raha tina mafonja kokoa ny asany legalista ?
    Na miasa arak’izireo : « organismes constitués  »
    izany hoe :
    action convergente et bétonnée…de tous.
    Et il incomberait au TIM et au GTT de veiller à l’extension du réseau de sympathisants et enfin la CONSOLIDER .
    Le bla bla n’a plus de portée :
    il faut maintenant travailler avec plus d’efficacité , et en cela je rejoins parfaitement DCR.
    Nous devons apporter notre collaboration .

  • Lioka dit :

    Gasybe, coucou!
    Je ne me suis jamais écarté des GTT et justement, cette pétition a été proposée ( l’est toujours!) par les GTT dont je fais partie… Je vois donc, GBD que tu nétais pas au courant de cette démarche. Sur l’un de mes commentaires sur cette même page, je t’invite à cliquer sur le lien pour en savoir plus.
    A+ !

  • GBD dit :

    coucou Lioka
    contacte moi par mydago
    il faut être solidaire

  • Kristelle dit :

    hiady mivady eto hiafaranareo,aiza koa ny hevitra ampiadiana ko a misy resaka manokana,oviana ary zato Dadanareo no hody?haiko tsy sahy hody iny na omena lalana aza

  • GBD dit :

    mande matory i tsipoy kely ; mirediredy efa madity ny maso….

  • Lioka dit :

    GBD !re-coucou !
    Je sais que tu as fait plein d’effort pour avoir appris à écrire notre langue, et de ta propre initiative quand tu étais encore étudiante (d’ailleurs, chapeau!!) Malheureusement, entre connaitre et pouvoir suivre vraiment une discussion, une big différence se sent.GBD, Je ne vais pas m’éterniser sur cette page, je suis tellement dégouté de bcp de choses ( et de la mesquinerie des gens !)..Ne t’inquiète pas, je ne lâche pas le tolona pour autant.
    Voici donc le lien pour cette pétition:
    _http://www.ipetitions.com/petition/madagascar-callue/
    On a déjà + de 600 signatures jusqu’à présent!
    j’encourage tout le monde !

  • GBD dit :

    Pour que les positions soient claires , Fetison etc ne devraient ils pas démissionner, en guise de protestation ????????
    Toutefois , dans un contexte de dictature il leur faudrait alors s’attendre alors à des harcèlements de la HAT.
    La politique est un monde féroce .
    Lioka â ,
    rehefa tenin-drazana (langue vernaculaire) ange tsy problème izany .
    Izay tsy misikina no diso .
    Ny mopera italiana aza mahay teny gasy afaka 6 volana fontsiny…

  • Jaona kely dit :

    Mba mangataka antsika mpiaramitolona aho mba jereo re ireo mpiasan’ny cua ireo fa raha vao miteny dia toa voasambotra.

  • sadic dit :

    Lioka n’est qu’un miséreux petit bouffon qui fait les beaux yeux aux G.T.T, quel lèche botte.
    hay ve ty G.B.D ity tsy mahay teny gasy akory e, mpisandoka Malagasy? quel petit bouffon, lui-aussi!! on aura tout vu ici.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*