Ireo voasambotra

21 avril 2010

Ireo tratra 18 avril 10

Ireo tratra 18 avril 10

“Fitsaram-bahoaka ?”

“Raha izaho no teny Ambohimamory dia faty olona mikararana ny teny” hoy ny Kolonely Ravalomanana. Natao ampiasaina ireny fitaovam-piadiana ireny hoy izy, “tandremo ny manao herisetra amin’ny mpitandro ny filaminana fa hahita loza ianareo”. Niteraka resabe mihitsy io resaka nataon’ny lehiben’ny Emmo/Reg io. Zandary mamo nanatanteraka ny asany no nahatonga ny Kolonely hiteny izany. Ny tena marina, tsy mahatoky ny mpitandro ny filaminana intsony ny vahoaka, izay no nahatonga ny olona ho tezitra hanao “agression” na koa fitsaram-bahoaka ary mahatonga ny olona hiaro tena na ilay antsoina hoe : “legitime defense”.

Apetraka amin’ity Kolonely ity ny fanontaniana : vao andro maromaro lasa izay

  • Nisy mpianatra ho “frère” telo mirahalahy ndeha hody ka nandalo teny Ambanidia, nanaovan’ny miaramila FIS herisetra, tsy nahatsiaro tena ka voatery naiditra hopitaly mihitsy ny iray tamin’izy telo lahy.
  • Teo ihany koa ny fitifirana variraraka nataona miaramila iray teny amin’ny Bar 67ha ka nampivarahontsana ny mponina teny.
  • Vao omaly ihany koa nisy mpitandro ny filaminana niditra an-keriny amin’ny tokantrano iray, tsy nitondra taratasy mazava akory tamin’izany asany izany.
  • Toy izany koa ireo mpitandro filaminana roa teny Itaosy, nolazaina fa “task force” ka nohenjehin’ny olona ihany koa.
  • Tsy horesahana intsony ireo andian’olona mitondra fanamiana sy fitaovam-piadiana mahery vaika manafika etsy sy eroa.Hojerem-potsiny izany ireny…

Ho maro ny olona hofatifaty foana manomboka izao raha izany toromarika nomen’ny Kolonely Ravalomanana izany no tanterahana, tsy sanatria hamporisika ny olona tsy anaraka ny lalana velona sanatria, fa ny fiandanian’ny tompon’andraikitra amin’ny olona ambany fiadidiany izay hitampoko hitampirenena fa nanao fahadisoana, indrindra indrindra ny tsy fandraisana andraikitra manoloana izany fahadisoana izany no tsy zakan’ny vahoaka. « Professionel » ve ianareo ka ho mamo am-perinasa?

“Sinema e!”

Raha iverenana ilay tranga niseho ny Alahady hariva, 21 ireo voasambotra ka 5 amin’ireo no miaramila am-perinasa, ny ambony hafa sivily. Mbola notanana eny amin’ny tobin’ny Zandarimaria daholo ireo rehetra ireo hanaovana fanadihadiana hatreto.

”Tsy sinema” velively ireny tranga ireny hoy ny lehiben’ny Emmo/Reg, “nisy mpanao politika ao ambadik’ireny”. Mipetraka ny fanontaniana, iza ary? Ny filoha Ravalomanana aloha izay nilaza fa tsy izy velively no hanao izany, tsy izany velively no ivoahana amin’ny krizy hoy izy. Sao mba ianareo samy ianareo ao anatin’ny Fat ihany aza no manao sinema? Mba hamporisihana an’I Andry Rajoelina tsy handeha any Jaoboro. Ny ho avy no hamaritra izany…



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

60 Comments

  • nely dit :

    raha nanana basy aho notifiriko variraraka ireo zandary mamo teo amin’ny fiangonana iny

  • fandresena tena izy dit :

    Aoka ho tony hoy aho aminareo ; tena aoka ho tony fa efa mihantomotra ny « délai  » nosoniavina momba ny accords de coopération tany aloha ; mailo volotratra ry renikely ary manaporitra mafy ny alikakeliny hivovo fatratra satri efa te-handrapaka ny chien berger . Noho izany dia ranitina mafy ny « ady an-trano » fa maika hiditra ry zareo . Raha tena marina izany miaramila frantsay naterin’ny avion transall izany teny Ivato izany dia AOKA HO TONY . Avelao ny samy miaramila no hifamono ho faty eo fa asany izany na mpomba an’iza izy na mpomba an’iza . Raha sivily kosa no vonoin’ny miaramila dia aza misy mihafahafa fa raiso ny andraikitra .Tsy mbola nisy miaramila niaro ny vahoaka nandritra izay herintaona izay ka tandremo aza misy miditra amin’ny adin’ny samy miaramila . Samia mivavaka fa omen’ Andriamanitra fahazavan-tsaina isika hialàntsika amin’ny ady an-trano . Tena « défi » goavana amin’ny tantara tsy maintsy ataontsika izany amin’izao fotoana izao . Mahereza daholo fa MOMBA ANTSIKA ANDRIAMANITRA !

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    i Colonel Ravalomanana dia mapiaiky ny volana mihitsy ny zavatra teneniny, olona mandainga, tsy manana honnetete intellectuelle et morale fa dia olona ohatran’ny robot: ataovy ity dia atao, teneno ity dia miteny, tsyefa tokony ho Jeneraly FATy koa ve?

    Mila manohy miaro tena ny vahoaka ary mailo tsara amin’izao zav-miseho izao…efa ho akaiky ny fonjan’io Kolonely io sy ireo namany mpanao herisetra, tsy nahay naka lesona ohatran’i Kotity izay miaramila malaza @ herisetra sy fanolanana nataony ka tratra ary rehefa mba tafavoaka dia mipetraka aloha.

    Mila miaro tena ry vahoaka, efa tsy rariny intsony izao atao antsika izao…ny KARAMA antsika ange no handoavana ny karamanry zareo e.

    Mbola tetika maizin’ny frantsay ihany izao, hanapotehina ny Merina izay maro FJKM araky ny tantara.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Anisan’ny ho Tsaraina io ! Vahoaka manome ny karamany indray, no rahonany !

  • NOROSOA dit :

    merci de vous dénoncer vous-même, de votre propre et plein gré, mr le conlonel. « nokibokiboin’ny marina, rangahy, ka nilaza tsy nanontaniana ». hay rangahy mihintsy no tena mpampamono olona eto. jereo ireny noenjehin-drangahy hatrany an-tanimbary ny solom-bavam-bahoaka. Mba anaovy tatitra kely hoe izahay vahoaka momba izay fepetra efa noraisin-drangahy tamin’ireny miaramilanareo nanao hadalana sy hadisoana rehetra ireny. Dia tohizo ihany ny fitenitenenam-poana toy ireny e.

  • zava-misy dit :

    Ireny no tena kolonely fopla, miteniteny foana. Tsy maintsy hifarana ny ratsy atao Rakolonely ô !

  • belts dit :

    na dia hoe olona faran’ny iva fisainana ka maheno an’izany dia mbola hiteny ve hoe mety izany fiteny izany????? izao dia ny olona eny Ambohimamory indray no convoqué eny @ gendarmerie…. mba fantany @ maha miaramila azy ve hoe rehefa inona vao afaka tena mitifitra @ bale réelle ka ahafaty olona?????? za civil fa haiko izany fa ty dia hoe colonel fa tsy hainy ngamba zany fa ny milliard no mahamaika azy

  • belts dit :

    tsy mba alahelon’olona intsony ny mahazo ani’reo fa alahelom-bahoaka!!!!!!
    idiran’ny devoly ny tenako mieritreritra an’izany fa misy Andriamanitra hanome fitoniana anahako sy hanome ny sahaza an’ireo, ary za nefa dia mino fa ny valin’ny natao dia eto an-tany ihany….

  • TSIMANAIKY dit :

    O ry kaporaly Ravalomanana a! aiza ho aiza izao ny fanadihadiana mikasika ilay hoe nisy nitifitra ny fiaran’i lavanify teny ambodimita, toa ohatra ny lasa rano, aiza moa i rangahy no ho lasa jeneraly fopla. Mihetsiketseha mafy fa sao de tsy mba mahazo kitana fa zaraina maimaimpoana izao ireny.Solde be tsy misy ohatran’ity

  • kevoka dit :

    Tena tsy maharaka ny vaovao mitsy rakolonely e.Aiza ve ka lainga be daholo ny tatitra azony dia iny no ambara nefa ny vahoaka maharaka @ antsipirihiny.
    Tena mahamenatra be e.Tsy misy henatra mihitsy fa dia lainga foana nefa anie ka mba prezida ny …ihany e

  • sadic dit :

    tsy nisy gme mamo izany akory teny, sady raha tena marina aza fa mamo izy ireo, de zandary mamo ANANKIROA ve no andeha hisambotra ny pasitera anatrehan’ny mpiangona marobe. Tandremo ho an’izay gasy tonga eto ka mbola manana esprit d’analyse kely ihany, io fampitandreman’ny Cnel Ra8 io mihintsy no tian’ny G.T.T raha tanterahiny, satria raha tsy misy faty mikararahana tsy afaka hiantso tafika vahiny izy (ny tafika frantsay no ho tonga aloha), io vola raisinareo avy amin-dry zareo io ve TENA MAHAVIDY ny ainareo? moa ve mendrika hanaovanareo maritiora ireo olona efa hita ny mentalité-ny fa vonona hampifamono ny samy Malagasy amin’ny alalan’ny fitaka sy manipulation mediatique? en plus, vonona ny hivarotra ny tanindrazana amin’ny gena, tadidio tsara fa ireo zandary roa ireo antony tsy nitifirany anareo de amin’ny maha samy gasy, fa raha tafika gena ireo de matimaty fahatany ianareo. tsy hisy fanenjehana akory. zavatra tsy cause noble akory no ampirisihana anareo hanao maritiora?

  • sadic dit :

    ary tadidio fa olombelona ihany koa ireo miaramila gasy ireo, raha mafy loatra ny menace sy pression mahazo azy de hiaro tena izy de hitifitra tokoa, tadidio fa ry Lavarambo sy ny G.T.T tsy eto Dago akory, dia matimaty fahatany toa ireny maty rehetra(amin’ny resaka politika) reny ianareo pseudo légalistes ireo, zara fa misy bouc émissaire iray roa telo de affaires classées, ny tena namono anareo aza tsy voakasika akory, ny olona nandainga aminareo mizara an’i gasikara amin’ny gena (tafika gena), mandra-pahoviana? mandrapahatapitry ny harena ankibon’ny tany eto Mada. de ho taterina any Afrika atsimo sy any amin’ny G.T.T any Frantsa, de ny taranakareo izay matimaty foana de mijanona mafy ady foana.ary ny Frantsay dia tsy ny SADEC,UA,mihintsy no hanala azy aty dago(mbola baikoin’ny Frantsay daholo reny), tsy misy afa-tsy ny firaisankinan’ny Malagasy ihany no ahafahana manilika ny vahiny rehetra aty Dago, mazava ho azy fa tsy ny G.T.T sy Ra8 misolelaka vazaha ireo no lalana amin’izany.

  • AFAKA dit :

    Inona moa no mahasamihafa izao fihetsika sy tenin’i ravalomanana bodega izao @ TSAKY TSAKY ZATO ARIVO? dia mbola ho pacifique foana ve raMalagasy havako a? andao re mba ho sahisahy @izay é! jereo ange ny havan-tsika avy any anindrana é! ny azy tonga dia lasa izao!!!

  • LUCAS dit :

    fa angaha mbola misy r8 zany?Iza kay zany?VELOMA ANY AMINY ?MAHAIZA MIONONA FA NY TODY TSY MISY …Mafy ny mahazo azy na dia miondana volabe anie;ny fananana halatra ,miverina @tompony aby ,ireo GTT reo anie ka sdf,na rmistes na mpamafa lalana fa tsisy nahavita fianarana ka tsy sahy mody aty fa hihomehezan’olona ;

  • sadic dit :

    ianareo izay mamitaka vahoaka gasy mba hamporisihana azy ireo hanao maritiora hiady amin’ny miaramila mitondra basy ireo, mba hampidirana miaramila vahiny izay tonga de hamono gasy tsy misy fihambahambana na remords akory ireo mbola hanody anareo io, ary ny andro hanadinana anareo momba an’io de mbola tsy zakanareo. raha ry G.B.D aloha tsy mahagaga satria izy aza tsy malagasy akory fa sud AFROS, mba te ho tonga aty Dago koa izy de ampiasainy le mpivaro-dronono ry, mino aho fa tonga de hitady anah zao i G.B.D tonga aty, hanao seance d’ « agressivité généreuse » moa G.B.D? asa raha mahazo teny gasy ihany izy io, pas la peine de passer par une tuerie G.B.D si tu veux venir à Mada, moi aussi, je pourrai t’héberger même si je ne suis pas un laitier…hihihi…et tu m’apprendras l’ AGRESSIVITÉ GÉNÉREUSE…hhiiiihihi…

  • AFAKA dit :

    Azafady kely fa i ravalo kolonely aloha no resahina eto fa tsy ravalo président teo aloha a!iza aloha zao no tena mangalatra? iza no tena namon’olona? fa tsy ianareo eo @fitondrana FAT ve? matahotra ny ho voa-henjika mafy dia afototra any @ra8 ancien président daholo ny tsy mety atao!

  • sadic dit :

    AFAKA !! raha tena teto Dago tokoa ianao manao io fiteny io de tsy problema fa mba ho an’isany ho faty koa, ny mampalahelo anefa de mino zaho fa tsy aty Dago akory ianao io, mba tsy faly aminao koa ane ny andaniny e, ary samy mafana fo koa, mpamitaka vahoaka tsy manjary…!!

  • GBD dit :

    toujours dans la bonne grosse blague d’adolescent boutonneux attardé le « pas fini »…
    aucun sens des responsabilités à 31 ans , c’est à faire MDR !
    A se faire taper les fesses quatre fois par terre ….
    ndeha milalao kanety…

  • sadic dit :

    G.B.D!!
    tu aimes taper ou se faire taper sur cette partie du corps? avec quoi? j’ai compris, agressivité généreuse…et si je t’arrêtais ( je suis un policier), je te mettrai une paire de menotte ou je t’attacherai, ensuite je procèderai aux séances d’interrogatoires, comme tu es battante, je présume que tu résisteras avec une telle fougue que je serai obligé de réagir avec la même proportion, je te ferai mal, si mal que tu hurleras de douleur…et je ne m’arrêterai pas…jusqu’à ce que tu capitules…hihihi… on va s’AGRESSER GENEREUSEMENT G.B.D!!…

  • sadic dit :

    la « bonne » grosse blague,hein G.B.D…

  • GBD dit :

    tête vide à 31 ans , policier en plus ???
    je comprends mieux ce vide entre les oreilles : tu as la cervelle greffée au niveau du mollet et du biceps .
    MDR

  • Zo dit :

    Mazava be ny fanazavan’ny olona nanatrika teny Ambohimamory. Mamo nila ady ireo zandary ireo. Ary mpanakorontana fa tsy mpitandro filaminana. Mpandainga ny kolonely Ravalomanana. Marina daholo ny voalaza fa niakatra ny tosidrahan’io kolonely io satria afa-baraka ny zandariny. Hany ka miteniteny foana sisa. Mahagaga ihany raha izany ny niveau n’ny colonel eto Madagasikara.
    Aza valiana akory ireo mpandainga miaraka amin’ireo FAT ireo eto amin’ny Forum, fa ihomehezo fotsiny ny lainga ataony. Efa tsy misy tsy mahalala ny voam-bolana hoe radio sy Tv Viva = radio fafy lainga.
    Aza misy manahy fa tsy maintsy mandresy ny marina . Tsy mbola misy mpandainga sy mpamitaka ka tsy ho tratra eh!
    Ny tena mahatsikaiky amin’ndry FAT dia ny zava-dratsy ataony ihany no lazainy fa ataon’ny olon-kafa. Jereo fotsiny ireo mba zavatra lazain’ireo olom-bitsy manohana azy eto amin’ny Forum. Voakarama hamaly fotsiny dia mba tsy maintsy mamaly fa ny raisonnement-ny aza zéro (nulle).

    Mitohy ny tolona
    Zo

  • Bombalah dit :

    ze mbola miondana TGV amzao alo de hoy izaho oe olna faran’izay tsy misy saina mitsy intsony, colonel ravalo ô! mbola mila manao cinema maromaro ialahy vô tonga jeneraly fa maereza

  • sadic dit :

    ôôôô… j’ai touché un point crucial; je comprends la haine de G.B.D l’AFROS aux forces de l’ordre(policier) Malgaches car ils limitent votre capacité de nuisance, mais ne croyez pas tout ce qu’on raconte ici sur ce site, mais je suis flatté quand même pour l’image que tu vois sur mes BICEPS et mollets, un homme FORT ET MUSCLE …hihihi ou bien tu es en train de me décrire tes préférences hein, G.B.D? je pourrai bien faire l’affaire d’après cet image que tu décris
    par contre pour ce pseudo Zo, nila ady moa ireo zandary ireo sa saika hisambotra ny pasiteranareo? satria hoe hisambotra ny pasiteranareo no nahatonga an’reo nanetsika ny fokonolona hidaroka azy ireo avy hatrany ka nahatonga ny renfort(forces de l’ordre) tonga. ary raha miteny ianao hoe niakatra ny tosidran’i Cnel ravalomanana, dia normal satria tsy rariny ny zavatra ataonareo, ny mampalahelo amin’izy ity ane de fokonolona voafitaka ihany no ho fatifaty tsy amin’antony e.

  • sadic dit :

    G.B.D!! et parlez moi aussi de ton physique,est ce que tu es vraiment une AFROSE (AFROS)…mmwwouuaahahahahahahahaaa

  • belts dit :

    izay mbola tsy mino ny asa bibilohan’ireo miaramila sy ny FAT ireo enga anie ka ny havany no ho violé-n’ireo dia @ izay izy mino tsara, sady bevohokany dia misy porofo tsara @ izay
    ny tgviste dia tsy mahita afatsy eo ambony orony fa tsy misy analyse, ary raha ao anaty HAT indray anie mba hoe miaro ny tombotsoa be fa ireto olona vitsy manaraka azy no tena – que le sans qualité

  • belts dit :

    mba aoka hoe samy anisa isika forumiste etohoe firy ny tgv dia firy ny légaliset?????

    tsy maninona omeko 10% ny tgviste, mba mieritrereta , mandiniha fa aza maka lavitra fa eto ihany dia resy @ fifidianana

  • GBD dit :

    Ô yes tout dans le mollet , rien dans la tête…
    le « pas fini »

  • sadic dit :

    ka raha tsy ianareo chauffeurs livreurs sy mpamafa lalana ao Frantsa ireo ihany no afaka mifidy, hadinonareo fa 90% ny gasy tsy manana acces amin’ny internet, na ireo voavidinareo ao antananarivo ireo aza mbola ampahany kely fotsiny, izay mba afaka miditra cyber moa tsy manana fotoana ho laniana eto amin’ny internet hitetezana site maro be,tena à coté de la plaque de la réalité marina ianareo hitako manao raisonnement taingitaingina.

  • sadic dit :

    tu ne m’as pas répondu G.B.D…

  • GBD dit :

    rien dans la tête , mais rince toi la bouche quand même avant de parler : « horibolis » homme des cavernes.
    pas fini , véritable primate….plus arriéré qu’un le moindre barbare.
    Faut te faire refaire par ta maman , elle t’a raté . .

  • GBD dit :

    horibilis

    plus arriéré que le dernier des barbares
    t’es à jeter , mon pauvre gars.

  • sadic dit :

    je ne sous-entendais pas qu’une AFROSE est une être inférieure G.B.D, pourquoi tant d’insultes??pas de complexe d’infériorité; mais ça m’amuse encore plus que tu te défoules sur moi, tu es une battante, une vraie tigresse tu es une vraie bombe G.B.D., une bombe à retardement qui attend à s’exploser au l…aux séances d’ AGRESSION GENEREUSE; c’est ton euphémisme , ton style.

  • ho an i sadic dit :

    Hono hoa , mba nahavita ambaratonga voalohany ve ianao ry SADIC, mino aho fa tena manana diploma CEPE ianao satria tena tsara loatra ary mifanaraka amin izany mihitsy ny adihevitra ataonao

  • GBD dit :

    afrose,
    un vocabulaire de ton cru…
    petit maki , regrimpe sur ton bananier,
    comme nadia , tu es incapable d’aligner un concept.
    tu n’apportes rien , tristement.
    incapable d’appréhender la gravité d’une situation de putsch…comme ces métis chinois de Tamatave ,si nostalgiques de la période Ratsiraka :
    aveuglés par les petites contingences personnelles .

  • kristelle dit :

    pivarodronono ve mba manana cEPE?angaha raha tsy mitovy hevitra aminareo dia olona tsy misy dikany
    mba miova toetra fa sao taraiky eo

  • sadic dit :

    G.B.D, l’AFROSE !! donc c’était ça le point vital et non ma musculature?? et oui, on y peut rien, quand on est la femelle des AFROS on est AFROSE, ne vas pas me reprocher pour cela G.B.D car je n’ai pas inventé la nature, moi même je n’y peut rien, mais je reste prenant pour la partie D’AGRESSION GENEREUSE, un vrai, réel et non seulement à travers l’internet, t’en dis quoi G.B.D?
    ary iza koa ty niova pseudo vetivety mitondra ny pseudo sadic ity, encore un autre clown type zanak’i dada.

  • sadic dit :

    mitondra pseudo « ho an’i sadic mantsy » e, un guignol sorti de nul part qui se croit être à hauteur de me critiquer, quel pauvre raté, laisse moi m’amuser avec G.B.D, l’AFROSE, macaque.

  • kristelle dit :

    gasy be nilaozan’ny Drack Drack ! hi hi hi hi hi
    mampalahelo anie izy io

  • sadic dit :

    toa nitsoaka daholo ny zanak’i dada ry Kristelle, isika roa sisa miresaka eto.

  • sadic dit :

    zah koa mba handeha,mandra-pihaona daolo ndray e…

  • Babyfoot dit :

    Ouadray !
    Reto indray ny PIONS eo ambony sy ambany, tsy mba misy elenelany mihitsy ka kobo be avy hatrany.

  • Babyfoot dit :

    Amizay dia miara-miala indray. Et ben !!!

  • GBD dit :

    Halala
    génération Ratsiraka………
    « élites » de Barikadimy……..
    « pas fini » double , dick et dick qui jappent en choeur , Babyfoot,
    MDR

  • Verohanitra dit :

    Tokony ho fantatrareo mpitandro filaminana fa vahoaka efa tena leo tanteraka ny fiainana miaraka amin’ny FAT(y)no misy amin’izao fotoana izao.
    Mpitandro filaminana mampijaly azy, tsy miaro azy amin’ny mpangalatra fa manampy ny jiolahy aza, nefa mamorona izao lainga rehetra izao hilazana fa mpampihorohoro ny legalista sy ny Président Ravalomanana. Tsy mitsahatra ny manao sinema amin’izao fanonganam-panjakana sy grenady atsipy etsy sy eroa izao. Tamin’ny voalohany, PM 9 mm no hita, dia avy eo nivadika kalach, dia fusil à lunettes, dia maninona koa raha lazaina fa tafondro marovava, missile, sous-marins de guerre…
    Koa aza dia mifanandrin-dava amin’ny vahoaka fa leo anareo sy ny herisetranareo izahay. Raha te hiady ianareo, dia ianareo samy ianareo ihany manao seul à seul fa avelao ny vahoaka hiatrika ny fiainany fa aza rebirebena amin’ny sinema lany daty sy ny fampihorohorohoana tsy misy fiafarany. Ianareo ihany no sady mpilalao sary mihetsika no mpamorona ny filma nefa dia tsy mampaninona anareo akory ny mampigadra olona any Tsiefahy noho ny fankahalana ny Prezidà Ravalomanana, dia izay manamboninahitra akaiky azy rehetra dia atao haza lambo daholo. Mba matahora an’Andriamanitra ary avadibadio impito ny lela vao miteny fa mitory ny hamaivanan-doha na dia milaza azy ho kaomisera Ratandra sy Bako mpitsongo dia aza !

  • KintanaMananDrambo dit :

    Le sadic est policier ? Je l’emmerde royalement !

  • GBD dit :

    KM
    tu comprends bien maintenant :
    =>rien sous le képi !!!!!!!
    une marionnette de violence et de stupidité , facile à manipuler pour la HAT .
    comme les jeunesses hitlériennes qui allaient jusqu’à dénoncer leurs propres pères et mères à la gestapo…

  • KintanaMananDrambo dit :

    Réponse ho an’i belts ( post 27 ) !
    Olona ROA ihany ny mpanohana an’i domelina ato !
    Miovaova pseudo, mba hilazàna hoe misy mpankasitraka ireo tsy mataho-tody, tsy valahara ireo ! Fanaon’izy ireo izany, na site aiza, na site aiza !

  • Alidera A.R. dit :

    Mamo miantso polisy ve tsy efa mamo miantso mamo hatramin’izay e?

  • ANDRY RAKOTO dit :

    Hevitra atsipy ity ry Zanak ‘i DADA a!
    SAMIA Mitondra BAIBOLY Daholo rehefa mandeha miasa sy mianatra, miantsena , mandeha BUS …etsetra etsetra. Ho marika fa betsaka no tsy mankasitraka ny FAT sy ireo herimpamoretany; Dia ho hita eo ny fihetsika miseho rehetra. Karazana Mot de Passe ny fitondrana BAIBOLY sady ho fitondrana am bavaka ho antsika sy ireo namantsika.Apmitapitao ary hovay raha misy hevitra hafa e Mahereza Daholo o!

  • fidele Rahagavola dit :

    Ialahy ry colonel Richard Raval.mnn dia tsy maintsy homen’andremanitra an’i lah ny anjaran’ialahy fa aza maika haka ny anjaran’ialahy any amin’andremantra.
    Hoy ny Vahoaka n’Ambohimanga.

  • mia lisoa dit :

    Mazava ny tenin i kolonely ravalomanana izany. Fanontaniana: diso ve izany ireo GP (raha izy ireo marina no nitifitra) teny Ambotsirohitra raha toa ka kolonely ravalomanna no teo amin ny toeranan ny GP ny 7/02/09 ???? Sady mety des milliers mihitsy no maty teo raha izany. Aza itako!!!!!
    Mahay « Code de Conduite » ve ianao ry kolonely?
    _http://bacdh.over-blog.com/article-la-sincerite-des-forces-armees-et-de-l-ordre-48979333.html

  • voahangy dit :

    tena hevitra mety mihintsy ilay hoe samy mitondra BAIBOLY @zay ho hita eo indray nyhataony fa izay rehetra hatao toa ohatran’ny rarana daholo ka jerena raha sahy handrara ny fitondrana BAIBOLY. Ireny kolonely ireny ve de mba diakona mmahamenatra!

  • KintanaMananDrambo dit :

    mia lisoa !
    Ka mety izy sy ny namany anie izany no nitifitra, fa tsy i Ravalomanana Filoha no nanome baiko ê !
    Izy no nahazo baiko avy any amin’ny « namany » !
    Tadidio fa zandary, no praiministra tamin’izany andro izany !

  • zaratsara dit :

    Tena vendrana mihitsy i Colonel RAvalomanana.
    Ny FIS no commanditaire @ ireny bombe, coup d’Etat… dia ny colonel Ravolamanana omena fusse information asaina mivovoa dia manao.

  • Zanak'i dada dit :

    Malok’ila 9 ndray zao no malaza eto amin’ny tanàna an! otrany tsy dia tsara anefa ilay izay satria tsy nahasarika kil be akory ko, tena nivoaka perte le réalisateur (col ra8) an’iny Malokila 9 iny !

  • Zanak'i dada dit :

    - Si je serai président par hasard, nous on saura jamais seul Sampy le sait,
    - Mais s’il mettra un CONNARD au pouvoir, j’aimerai bien y voir !
    - Et ben voila, le connard est là, le connard d’andry radomelina et il pense qu’il est le président élu du peuple. Hihihi c’est rigollot non ?
    - Il faut éduquer vos enfants comme fait papa RAVALOMANANA Marc pour qu’eux n’en finissent pas mal comme le CONNARD d’andry domelina !

  • Zanak'i dada dit :

    Zany hono rey re olona an,

    - Lay tamin’ny 07 février ireny, maninona no ankalazaina be oe « famonoan’olona » lazaina fa « tuérie » kanefa dia ireo zavatra nolazain’i colonely ravalomanana ireo no zavatra nitranga teny, raha ampahatsiahivina dia izao:
    - Natao hampiasaina ny basy
    - Nanao légitime défense ny miaramila niambina ny lapa tamin’iny 07 février iny manoloany ny foza izay tonga saika haka ny lapa teny !
    - Tsy mahazo mikitika ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka, sns…… « raha izaho no teny dia rà mandriaka, sy faty mikararàna no teny » dixit col ravalo.
    - Ary iza moa no mahalala? sao dia ianao io ry colonely ravalo, aza no nibaiko ireo lazaina fa miaramila nitifitra ireo olona maromaro tamin’iny 07 février iny? ny zavatra nambaranay mantsy dia tena manamarina ireo rehetra ireo!

  • zava-misy dit :

    Tena efa misy tsy mety amin’ilay col Raavalomanana Richard iny. Tena very hasina mihintsy ny tafika Malagasy, fa olona toy ireny no mibaiko azy !
    Mahamenatra

  • Tselatra dit :

    Omeo Jeneraly any koa io fa efa manomboka miteniteny foana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Previous Post
«
Next Post
»

Switch to our mobile site