Nihaona manokana nandritra ny ora 3 teo taminireo mpanelanelana avy amin’ny SADC sy ny mpanamora ny fihaonana momba ny krizy politika any Madagasikara androany alina teo ny Profesora Zafy Albert.

.

Araka ny fanadihadiana natao, mitsipaka tanteraka ny tolo-kevitra frantsay ny amin’ny hamahana ny krizy any Madagasikara ny Profesora Zafy Albert sy ny ankolafy tarihiny. Anisan’ny anton’izany, tsy ao anatin’ity tolo-kevitra ity ny rafitra CNR na ny komitin’ny fampihavanam-pirenena efa voafaritra sy nekena tany Maputo.

Tsy hitondra soa ho an’I Madagasikara io tolokevitra io. Tokony hazavain’ny ankolafy Rajoelina mazava tsara koa araka ny fanadihadiana, inona amin’ny satan’I Maputo sy ny tovana tany Addis-Ababa no tsy mety amin’izany? Amin’ny ankolafy Zafy Albert dia tsy maintsy tokony hirosoana ny “grand pardon” na ny karazana fifamelana faobe eo amin’ny samy Malagasy, indrindra ireo nifanandrina ara-politika hatramin’izay, tsy ny tamin’ny raharaha 2009 ihany fa ny raharaha rehetra hatramin’izay.

Anio alakamisy dia mbola hihaona manokana amin’ny Filohan’I Afrika atsimo Jacob Zuma, ny mpitarika ny fanelanelanana avy amin’ny SADC Joaquim Chissano ary ny filohan’ny vaomieran’ny Vondrona Afrikanina Jean Ping. Miray feo hatrany arak’izany ny ankolafy 3, mitsipaka ny tolokevitra frantsay amin’ny famahana ny krizy.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Remise officielle des observations à l’UA
  2. Diplomatie à la Française !
  3. Fil de l’eau Prétoria (mises à jour fréquentes)
  4. Fifidianana hoe ?
  5. Communique of the 5th Meeting of the International Contact Group on Madagascar

25 Comments

  • Leo Be dit :

    inona kay no tena andrasana amin’I Zafy Tsy efa teo ve izy fa tsy nahovoka, fa angaha misy ifandraisany ny fandidiana fo sy ny filoham-pirenena? asa moa na firy isan-jato ny vato azon’io Lehilahy io tmin’ny fifidiana Filoha natrehana farany? mba eritrereto ihany fa tsy izay mahay miresaka de mahay mitondra : izany foana no mampihitsoka ny Firenena: Tsiranana:Instituteur; Ratsiraka:militaire;Zafy:cardiologue, Ravalomanana:laitier, Andry Rajoelina DJ. De iza indry no manaraka?

  • Mouvans mapito dit :

    De grâce ! Pitié ! Où va cette nation ?
    Voilà zefa qui joue l’important !

  • aina dit :

    Tena marina ny an’i Pr Zafy Albert satria efa nisy fifanarahana vita sonia tany maputo sy ny addis abeba nefa dia nolavin’ingahy Andry.Ka rehefa ny frantsay ve no manolotra sori-dalana dia hoe tsy maintsy ekena ary izay mandà izany no lazaina fa sakana.

  • Couyon dit :

    Si rajoelina veut absolument signer pour l’interet des français, je ne vois pas pourkoi il s’entete à venir discuter avec des Malagasy. Qu’ils s’en aille avec ses sbires. Madagasikara est au Malagasy. Merci Zafy et les autres qui pensent la même choses étant Malagasy. Madagasikara ne se résume pas au simple pillage des ressources. C’est un pays riche pour suffire à tous les malgaches.

  • volaniana dit :

    efa tena matotra hoy aho ireo vieux loup ireo ka tsy hanaiky ho baikony reny malala intsony eh! misaotra ry dada Ravalomanana sy dadabe zafy ah!tsy hanaiky intsony hitsofotsofoany firenekafa ny vilaniny gasy sao mamosavy ny akizy eo ity reny kely malala ity fa tena poizina io…..aza avela hanilo tsofina koa fa mpapiady olona i reny malala eh! tena cocorico! met les pied dans la merde
    hampidiro daholy marina ny efa vita sonia fa aza haodikodina intsony fa iDJ zaza boit de nuit sy reny malala ve no hianteherana fa tsy efa any ankady moa isika izao tsy mazava lotra ah! asehoy ny africain fa manatsaina sy fahendrena ny gasy ary samy mijoro ianareo Ray amandreny ho modeliny taranaka eh! misaotra tompoko o!

  • farpait dit :

    Merci Aina + Vololoniaina sy Couyon ann !!!
    + 1000 !

    Tsentsina ndray zany Radomelina .

  • besorongola dit :

    Aza mbola asiana resaka aloha ny MAPUTO sy ADIS ABEBA…
    Fa Pretoria I no tsara atao ‘miala RAJOHELL’ sy ny frantsay.
    Izay vao ampiharina ny MAPUTO sy ADIS ABEBA…Grand Pardon , Souveraineté !

    Fantatro fa tsy réaliste io resaka io ‘politiquement’ satria tsy maintsy averina mba ho « raisonable » aloha ny pro-tgv no sady ialàna koa ny ady an-trano etc… fa anefa nohon’ny fahafantaran’i Rajohell diable an’izany no HILALAOVANY an’io resaka io.

  • Ramangalahy Fieferana dit :

    Matoa hatr@ izao tsy nisy ny vahaolana dia tsy nahavaha olana lay Maputo fa ny hevitray dia ataovy izay Hiafanarahana any Pretoria fa mijaly ny vahoaka .Indrindra fa eo @ atoa Ravalomanana sy Rajoelina mba ahafahan’ny iraisam-pirenena manaiky sy hireconnaitre an’i Madagasikara aloha.
    Avy eo tadiavina izay haneken’ndry Zafy satria ange Zafy dia tsy hanaiky mihitsy raha tsy hitovy lenta @ izy roa eh. nefa i zafy anie ka efa filoha tsy misy mpanaraka intsony eh. Raha ny sitrapon’izao rehetra izao no arahana de tsy hisy raharaha vanona eto. Ingahy io ihany no milaza fa hoe : C’est tres difficile de satisfaire tout le monde . Niara niasa t@ io ranamana io aho ka fantatro tsara ingahy io.Ataovy aloha izay hisian’ny reconnaissance dia avy eo halamina tanteraka ny tany fa tena efa mankaleo mihitsy ny mijery itony fako misavovona ety antokotany itony. Misaotra tompoko.

  • Jakobo Mahaseky dit :

    Tahaka ny hanaraka ny hevitry ny frantsay ihany ahay raha toa ka ohatra izany satria . Aleo aloha milamina fa tena mandreraka mihitsy ity satria ny trondro mainanay izao aty BOENY dia efa tena sady maimbo ny sasany no tsy lafo. Ka noho izany dia araho io hevitra frantsay io raha mahasoa fa aza mivaky loha hanome seza an’iza na iza aloha. Na i le Kely io aza aloha ro hijanona vetivety eo.mandefera anareo be reo fa avelao izy aloha ho eo FA AZA MATAHOTRA FA REHEFA HIFIDY ANAY DE ZAY MAHAVITA MAMPANDROSO IHANY RO FIDIANAY fa tsy zay be resaka akory na izay manao hoe ity ny zanakinay. Tsa misy an’izany zanakinay zanakinay izany tsony io fa ny Hanenjehana ny fandrosoan’ny hafa zao ro mahamay. Mahamenatra anie zahy zany mahita izany MAYOTTE zany fotsiny, mba tanya aho manko vao 2 volana izay fa milamina ny olo eh sady mba nanontaniako ry zalahy de hoe aty aminay dia tsy mba misy izany fagnavakavahana zany tsony fa de havela ndray aloha ny hafa mba hitondra. Raha ohatra ka tsara lay hevitra frantsay ka ahasoa antsika dia isaorana izy. Mila filaminana isika, indrindra fa ny toekarena.

  • volaniana dit :

    aza ambanina hoy aho ny Ray amandreny fa izany no nampaditra ny akizy jereo ny ataony DJ zaza boite de nuit any dago fa lalaoviny fotsiny sns….
    tsy misy aloha raha reconnaissance hoany DJ baby boite de nuit eh! ha!ha!ha!

  • Razafisera Odon B. dit :

    Ho an’i Ramangalahy Fiaferana :  » i ZAFY filoha tsy misy mpanaraka intsony  » raha maha saky ianao dia mankanesa any amin’ny faritra avaratra any amin’izao fotoana hisian’ny faty olona hataony JENERALY ALAIN RAMAROSON any izao dia ho hitanao raha misy mpanaraka ny professeur Zafy na tsia . Efa nihazakazaka nakany aloha ry Mon Hibou mianaka nizara vola be any indray ary dia mety hangina ireo manana maty sy ny maratra ary dia hidera an-DRAJOELINA mihintsy.

  • Bakary dit :

    Mitady festy be ilay Zafy!!!
    Dia tokony ho adinonay ve hoe namono filoham-pirenena ianareo tamin’ny 1975? dia saika mbola hamerina tamin’ny 2009? Dia izay ve ilay famelan-keloka faobe?

  • dokotera dit :

    tsy misy problema

  • dokotera dit :

    aiza ve ny
    bobi1hundred
    sobre twitter

  • Izaho no izy e!!! dit :

    IZAO NO IZY: »aleo atao resaka samy malagasy izy ity »(izany ve no hampadriana adrisa?), ny haino amanjery rehetra midradra2 ny soa toavina malagasy( ny razamben-tsika no nanao izany fa tsy isika): inona ny tena marina e?; vitan-tsika ve ny mahaleo tena?:TSIA. Ny fihavanana malagasy aza tsy ankatoavintsika mainka fa samy isika: dia ho lasa samy jiolahim-boto eto daholo. Misy ny zavatra vita sonia tsy tanterahina dia rehefa vita sonia indray izany ny ao Pretoria dia manahoana ny tohiny; mila mailo isika. Ny fankatoavana iraisampirenena anie no tiany ho azo e! dia @izay tonga ny vola avy any ivelany dia ho votsipaka eo daholo indray ny rehetra efa tsy misy vola intsony ry zalahy, novaina daholo ny zavatra nataon’ny fitondrana teo aloha: DIA NIOVA DAHOLO ary rehefa niova dia TSY NOSAININA tsy nanaovana étude approfondie ny zavatra novaina fa natao @ny maha jiolahimboto azy na FAMPIANARANA izany na ny FANDRAHARAHANA ARA-TOEKARENA(Bois de Roses)sns…nefa dia fiainan’olona 20 tapitrisa no entina; ho enjehin’ny taranaka faramandimby ialahy isany rehetra ireo jereo tsara anie e!. IZAHO NO IZY.

  • kristelle dit :

    Zafy izany anie hanilika anareo M no tiany fa tsy ho Ravalomanana Dadanareo,reto tena Vendrana

  • volaniana dit :

    hoany Jakobo Mahaseky !
    tsotra ny havaliko anao eh! rehefa tsy zanatay t@1974 isika gasy dia aza manatena hitovy @ Mayotte sns……
    ary ny fijalina hiaraha mitondra io …….fa aoka azava @ reny malala ny resaka fa tsy manao tetika hangalatra ny harenany gasy fotsiny sns…..fa tsy hanome tombotso ho any gasy sns……sa dedavinao petatoko ny hatao any dia avie rehefa laniny ny hareny gasy dia hilaozany @ fahatrana mbola mangitsokitsoka noho izao….
    io no mahavo antsika tsy maharipery eh!
    efa miditra @ raharahany malagasy izao ny firenena erany izao tontolo izao ,mba hahitana vahaolana fa ny tsy mampandeha ny rahara dia i TGV no ataony fitaovana hampiadiampoko hagalarany ny hareny gasy sns…….
    ary dia ho fanjakany baro io fa tsy hilamina mihintsy raha tsy ekeny firenena erany izao tontolo izao satria ry zareo no mpamatsy vola ny gasy sns…….
    zany no tsy anekeny zafy sns…ho ny frantsay irery no miseho hiditra @ aferany gasy eh!

  • Izaho no izy e!!! dit :

    Ny vendrana no tsy mahay discussion fa dispution(dispute)

  • GBD dit :

    Rakrisy/nadia
    élève un peu le niveau de ton discours,
    rappelle toi que tu as en charge l’éducation de ton fils MARC (ravalomanana bis ?)
    évite les insultes : interdites par la CNIL
    Mydago est bien indulgent va….
    Si tu continues , je le kidnappe pour le briffer .

  • kristelle dit :

    te ady koa ty Gasy be ity,hevitra no hampiadiana io no fahitako azy

  • GBD dit :

    ny ompanao hiany no kendreko ry kongona kely â !

  • GBD dit :

    tsy vaoharako laotra ity Zafy ity
    miovaova hoatry ny tanala na telomiova
    aujourd’ui blanc
    demain blanc
    le chaud
    et le fruit
    désirata et rancoeur associés ?
    Ou bien joue t il à participer aux manoueuvres dilatoires ?
    Faire tout trainer à force de revirement
    ACTION CONJUGUEE POUR LE POURISSEMENT ?
    ORGUEIL BAFOUE ????
    multiples questionnnements…..

  • GBD dit :

    sorry le chaus et le froid…

  • Rama dit :

    IL EST VRAI QU’UNE FOIS QUE LE TGV S’ECARTE DES ACCORDS DEJA SIGNES, IL N’EST PLUS PRESIDENT DE LA TRANSITION CAR CE SONT CES DERNIERS QUI L’ONT MIS EN PLACE.
    QUOI DE PLUS?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site