.
.
Miavaka ny fomba itondran’ny Filoha afrikanina tatsimo Jacob Zuma sy ireo mpiara-miasa aminy: Jean Ping avy amin’ny Vondrona Afrikanina, Chissano avy amin’ny Sadc ny fomba itondrana ny fanelanelanana amin’izao dinika famahana ny krizy eto Prétoria izao.
.
Paikady ataon’izy ireo ny fifanatonana sy fakan-kevitra amin’ireo mpifanandrina mandritra ny tontolo andro. Miroso amin’ny fampihaonana ny lehiben’ny ankolafy efatra kosa ny mpanelanelana vahiny ny alina. « Fomba fampihatran’ny firenena miteny anglisy amin’ny fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy politika na fifanandrinana sy/na ady an-trano izany », araka ny fanazavan’Atoa Guy Rivo Randrianarisoa, mpitondra tenin’ny Ankolafy Ravalomanana.
Na izany aza anefa, tsy mety ho antsika Malagasy ilay fomba fiasa sy fanelanelanana tahaka izany, indrindra fa ho an’ny mpanao gazety. Voafetra sy voasivana ny vaovao mivoaka. Ny avy amin’ny mpanelanelana ihany no mamoaka ny vaovao.
Ferana ny mpandray anjara amin’ny fihaonana mba ho mafy vava. Tsy voahaja tanteraka anefa izany aty Pretoria satria misy ny lehiben’ny ankolafy mbola manao fanambarana sy mamory mpanao gazety matetika. « Ny fanambarana avy amin’ny mpanelanelana vahiny samy irery no ofisialy. Noho izany, tsy mbola misy afaka ny hilaza isika na ho tafavoaka na hitsefotra ny dinika. Nilaza ihany koa ity mpitondra teny ny filoha Ravalomanana ity fa : » ny fiverenanan’i Filoha Ravalomanana an-tanindrazana ihany sy ny amnistie ary ny fahafahany milatsaka hofidiana filoham-pirenena ihany no no takianay« .
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:



BRAVO!!!DADA AH!!!
aza manaik ny jeune loup eh !!!fa prédateur ireo no sady mpamadika tanindrazana no mpivarotra firenena sy mpangalatra sy mpampijaly vahoka sy mpampahory ko eh!y
ny fiverenanan’i Filoha Ravalomanana an-tanindrazana ihany sy ny amnistie ary ny fahafahany milatsaka hofidiana filoham-pirenena ihany no no takianay« .
Io no tena objectif fa ny sisa dia ambiny ihany…Fiverenana tsy misy rahoraho. Mety heken’ny Faty ihany manko io saingy hasiany tovana fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny resaka politique mandritra ny fotoana tsy voafetra na hoe ilay droit de reserve…Mila miady mafy isika ary aoka hambaranareo koa fa tsy amnistie no angatahana fa fanafoanana ny FITSARANA TSY MARARINA SATRIA RAVALOMANANA TSY OLO MELOKA KA HITADY AMINISTIE. RAJOELINA NO TOKONY HANGATAKA AMINISTIE
bien dit , bien vu
Cela s’appelle être stratège patient au milieu d’impatients…
la précipitation est une ruse pour enlever la donne par la force et la pression et non la concertation:ce que souhaitent toutes les instances internationales ,
l’Union Européenne fortement…
nonobstant les insistances de la France qui devra se plier pour ne pas perdre le discrédit de ses partenaires principaux.
Bien Rivo !
Mankahery anareo mba tsy hilavo lefona eo anatrehan’ny mpanongam-panjakana tohanan’ny frantsay.
Matoky izahay fa hainareo tsara ny miady ho an’ny tombotsoan’ny firenena fa tsy ny an’ny olo-tokana tena mankafy seza sy voninahitra sy vola. Ka na mafy loha hoatran’ny vato aza ileio, aza atao mahita rirany.
Vero tes paroles = bouffée d’espoir en l’être humain , toujours.
merci
Izay ihany, tenez bon!
l’espoir est l’intelligence des imbéciles dit-on, surtout quand on se nourrit de faux espoirs, espoirs veulent dirent pacifisme, pour votre cas c’est encore pire vous, freinez le développement de Madagascar.
nuance:
nous freinons la dépouille mortelle du pays par des rapaces …