Amin’izao hanoratana izao dia mivory ao an-dapan’i Jacob Zumma izy efatra mirahalahy mianaka, nanamafy hatrany Rajoelina nialohan’ny fiangany hamonjy io fihaonana io fa tsy misy izany amnistia sy satan’ny Maputo izany eo. Tsy mitsahatra miteniteny foana Rajoelina, raha ny heviny irery no hatao maninona no mankaty « an-tanin’olona aty sady mandany volam-panjakana » (sic! ), mandrebireby ny firenena sy ny mpampian-trano ary ireo mpanelanelana.
Tsy fantatra mazava izay tian’i Andry Nirina Rajoelina hahatongavana, « sao mba hivarotra saka be loha antsika ary boay kely? ». Ny fantatra aloha, hatramin’izay fanelanelanana nataon’ny afrikanina tatsimo izay dia nahomby hatrany, ity raharaha Madagasikara ity no tsy fantatra. Raha ny fahitana ny toe-draharaha eto Pretoria dia mety hisy vaovao andrasana anio alina, koa mampanantena anao izahay fa handefa mivantana izay vaovao mitranga aty Pretoria ny solontenan’i MyDago aty an-toerana.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

Misaotra tompoko o !
dia miandry izany izahay fa efa tsy mahita tory ihany.
Tena mazava ilay saka lely loha mivarotra saka be loha satria ny fitondran-tena amin’ny fihaonana toy izao no ahitana ny tena olona sy ny saritsarin’olona e !
Tsara ny hamerenana ny zavatra nitenenina tao amin’ny 13 mai , fa hanova ay hitondra fanovana amin’ny tsara Andriamatoa Andry Rajoelina.Ny zavatra hita nefa toa mifanohitra amin’ny zavatra nandrasan’ny maro.Teneninareo mpanolosaina azy ao , fa ny fanaovana fifidianana tsy misy base juridique dia mitondra ny firenena any ankady.Tsy misy olona hanaiky an’izany eto Madagasikara.Tanindrazana hiombonana izy ity fa tsy anareo mitonona ho mpitondra io no tompony.
Ny mahagaga sy mahatalanjona dia ny fahitana raha misy fanapahankevitra aisina ny mahita ny teny voalohany hoe : « vu la constitution ».Constitution inona ary fahafiry io ambaranareo io.
Raha vao tonga avy any Maputo Andriamatoa Andry Rajoelina dia nanambara fa hoe ny Constitution ny III Repoblika dia efa nalevina , fa ny Accord de Maputo indray izao no mitondra an’i Madagasikara.Nefa ny Accord de Maputo moa tsy nekena ny constitution nalevina.Inoa ary no fototra itondrana ity tany ity?
Aza hatao hafetsena sy laingalainga io ny fitondrana firenena fa tsy mety.
Ianao ry Joyandet, toa azoko an-tsaina amin’izao fotoana izao MIFEHY TENY avoaky ny vava eo anatrehan’io Ambasadaoro Amerikana mpandala ny maha-olona io.
Ary Ratsirahonana toa efa fanina sahady? Aiza re izany ê: io vehivavy AO TSARA io ny an’ny légaliste, apohay eo raha tena mahavita ianao ho tsaraina au niveau Internationnal, fa samy zanaky ny mpanefa ry jiolahim-boto antitra ka tsy mifampidera taim-by!
Oadray kou ity cliché farany nanakatona ny vidéo: photo fantomatique de Lapinou!!
Hiverina kely eto indray izaho Jakobo , Raha izany marina leroa no zava-misy de mety ho simbasimban’ny olona ialahy ry andry (ny vahoaka io olona io. ialahy marina no tena ratsy fa tsy Ravalo mihitsy . Tadidio fa i Ravalo ange efa mipetraka tsy maninona any Afrika atsimo eh, fa ianareo no mitantana tsy mahavoa raha eto araka ny tenin’ny vahoaka aty aminay magnano hoe MPITOROKA TSY MAHATSABO RAHA NGAHY KELY IO. De tsy hisy raha hiboaka zegny eo ,ah an,ngo leroa mba ataovy serieu le zalahy.
Tsapantsika amin’izao ny ahavon’ny fisainan’i Andry RADOMELINA. Tsy mahatakatra zavatra lavitra mihitsy fa dia bontolo fotsiny.
Miala tsiny ny tenako fa dia alikakelin’ny Frantsay mihitsy i Andry RADOMELINA ka rehefa hanipazana taolana dia faly sy midingin-drambo ery… Mampalahelo sy mahonena mihitsy!
Mino sy manantena mafy aho angamba fa ireo namantsika sy rahalahintsika ary anabavintsika (Sadic, Hajan, Krystelle,Shhhh,…) dia tsy hanana izany foto-pisainana abany dia ambany izany!
Mivavaka ho anareo izahay!
Saka kely loha, lohan’angidina, lohan’akoho. Tsy misy fitiava-tanindrzana na kely aza. Izao dia maka ny fomba fitenin’i Dadanay indray. Mihambo tsy tia vary mohaka nefa mahalany masiso iray volana. Fa angaha ny ianarana ny fomba fiteniny no hampitombo ny fitiavan’ny vahoaka sy ny fanajany anao ry lohan’ampondra, mandohalika eo amin’ny frantsay.
tena zaza tsara taiza daholo ny zaza kamboty an;tohizo fa ho avy dada hitondra vatomamy;mbola nihevitra ny gasy ho tsy mahatakatra zavatra angamba dadanareo ;be famaritra ka aiza zany zao?Tsy mahazo mody na nandohalika t@bainina kely aza sady tsy noraisiny ;ka azy ny tanana ka;inona ary ity mangataka @foza ity?Efa nidina ambany zany an;Fa maninona no tsy tonga dia mody fa mandady miera @boay kely io ?Hafa ny taloha zay ;ary aiza daholo hoa ny rameva ?HO VOAROAKA INDRAY ATO ATO @IO TANY calumet NATAO BONDONGERONA IO;dia ny aina no mateza é
Ziry
tu es bien généreux et tolérant.
Andriamatoa Lucas,
Mino aho fa olona manana ny maha-izy ihany ianao raha manoratra ao anatin’itony blog itony.Fa mba te-hanontany anao aho: mahay manao « analyse » tsara ve ianao ka mamantatra hoe aiza ho aiza ny elanela’ny QI n’i RAVALOMANANA sy ny an’i Andry RADOMELINA (sa tsy fantatrao o atao hoe QI)?… Sa koa dia tena domelina tokoa ianao, ka tsy mahita ny « éthique » n’i RAVALOMANANA sy ny fahendreny?… Mba mieritrereta ihany r’ise fa NY TENY ANIE MANDALO FA NY SORATRA MIJANONA E?… Sady ho hitan’izao tontolo izao ny zavatra teneninareo!
Cher GBD, merci beaucoup de ta remarque très pertinente!
Tu sais, quand on lutte avec Satan, il faut utiliser ses propres armes, mais non utiliser celles de l’adversaire!
RAHA MIFAMALY AMIN’NY ADALA IANAO, KA NY FITAOVANY (TENITENY FOANA, TENY RATSY, TENY TSY VOAHEVITRA,…) NO AMPIASAINAO, DIA HO RESY IANAO, SATRIA MANARAKA NY ADALANY KOA!…
Mahaiza mampiasa ny fitaovanao: fahendrena, fahatoniana, famaliana am-panajà na kanefa feno fieritreretana;
Moa tsy fantatrao ve GBD ilay fitenintsika hoe: RAHA MIADY AMIN’NY ADALA IANAO, DIA ADALA KOA?….
Le izy zany otrany resaka mandany fotona fotsiny fa na ny ankilany na ny andaniny de samy ty tena daholo satry te ahazo an’lé vola sy interêt ao amin’io fitondrana io iza mo ny tena mijaly sy tratra farany fa tsy ny vahoaka malagasy kely
de mba iza ary ny tena ahavita an’madagascar fa tsy ho ty tena be lotra otrany ry zalahy efa zatra ady miamanakarena @fahasahiranan’ny gasy reo
tokony tsy varina ny iady seza ry zareo fa ny malagasy no tokony jeravany zareo akaiky fa tsy lozana maanao vava tsy tateraka sy mandé any ivelany isaky ny mahatsiaro de manao an’leé teny oe « TSY MAINTSY MISY VAHAOLANA HO ANY MALAGASY ZAY VO MIVERINA FA TSY HIADY SEZA «