Dictature

Dictature

Maneno sahona avokoa ny olom-pirenena Malagasy rehetra manoloana ny didy Jadona hataon’i Rajoelina Andry. Gadraina izay mpanohitra (ohatra Tonton Ambroise). Tampenam-bava sy gadraina ny mpanao gazety (mpanao gazety folo be izao), hakatona tsy misy indra-fo ny onjam-peo milaza ny vaovaon’ny mpanohitra dia ny Radio Fahazavana. Tsy avela maneho hevitra ankalalahana ny olona fa henjehina miaramila amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika, manginy fotsiny ny fisamborana ireo tsy mitovy hevitra, tena didy jadona no mihantra eo Dago. Toy izao ny famaritana ny atao hoe « didy jadona » araka ny hita ao amin’ny Encyclopædia Universalis :

«La dictature est un régime politique autoritaire, établi et maintenu par la violence, à caractère exceptionnel et illégitime. Elle surgit dans des crises sociales très graves, où elle sert soit à précipiter l’évolution en cours (dictatures révolutionnaires), soit à l’empêcher ou à la freiner (dictatures conservatrices). Il s’agit en général d’un régime très personnel ; mais l’armée ou le parti unique peuvent servir de base à des dictatures institutionnelles».

Une dictature est une «concentration de tous les pouvoirs entre les mains d’un individu, d’une assemblée, d’un parti ; organisation politique caractérisée par cette concentration de pouvoirs», (il cite comme exemple entre autres Cromwell et les Jacobins), et un dictateur est une «personne qui après s’être emparé du pouvoir l’exerce sans contrôle» ou une «personne qui exerce le pouvoir dans un régime qu’on peut à juste titre qualifier de dictature».

Noezahana tsy nadika tamin’ny teny Malagasy mihitsy izy ity. Moa tsy izany no hampiarina eto Madagasikara ? Demokrasia anefa no nampanantenain’i Andry RAJOELINA, didy Jadona ity no iafarany.

Ity horonan-tsary nentinay taminao ity dia mampiseho fa na ry zareo samy mpanohana ny FAT aza dia tsy mankato ny Fanankatonana ny Radio Fahazavana, ny Jeneraly RAKOTONANDRASANA Noel izay anisany angady nananana sy vy nahitana an’i Andry Rajoelina , RABARY Mathilde mpikambana mavitrika ao amin’ny AVI na ilay antoko naorin’Ingahy RATSIRAHONANA.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Fisarahana, madinika ary jadona
  2. Tsy ampy taona hitantana firenena akory i Andry Rajoelina
  3. Ultimatum contre Andry Rajoelina?
  4. La dérive totalitaire du régime de Andry Rajoelina
  5. Jadona sy fivarotana ny Tanin-drazana !

19 Comments

  • sadic dit :

    « Je ne suis plus chef de file de la mouvance Rajoelina qui n’existe plus a déclaré Andry Rajoelina dans son point de presse. » hahahahahahahahahahahaaaaaaaaa
    aleo rangahy ho raisiko ny place omenareo an’i Andry fa tsy tia lery a, tonga de president de transition moa le tadiavin’i CHISSANO? aleo aho ho any Pretoria fa tsy ampy iray ny mouvance any,hahahahaaaa

  • HoAiza dit :

    Bravo, Solo, POUR LA CARICATURE, montrant carrément l’atmosphère ambiant dans lequel nous, population de la capitale, et partout dans ses petits recoins, nous vivons chaque jour qui passe. Sinon l’appréhension qui règne au for intérieur de nous qui vivons au jour le jour, en LIVE!
    Car l’image montre parfaitement ce que venait de vivre mon amie, hier à Midi.
    - il y a eu 6 hommes armés sur un jeep
    - le bâtiment est l’hôtel glacier à Analakely
    - le bonhomme de militaire ventru venait de surgir du jeep avec le saut pareil à une sauterelle que font ces militaires acteurs de film COMMANDO
    - celui qui interpellait pourrait être un « étranger » venant de l’intérieur du bar
    - au début, surprise du fait que c’est en plein jour (1h30pm) et en pleine ville (avenue de l’indépendance), et éberluée par ce film LIVE d’hommes en tenue militaire sur jeep ARMES BRANDISSANTES
    Emportée par un minimum réflexe rien qu’à la pensée de BALLES PERDUES, elle a préferé prendre les jambes à son coup, pareil à l’homme qui déguerpissait à toute vitesse, pour se resaisir arrivée là où elle devrait être!
    … Que les militaires pourraient être comme les (hic dicky) Sadiques
    … Emportés ou habitués aux Narcotiques
    pour laisser fleurir au sein d’eux des instincts BESTIAL et INHUMAIN.
    Nous lançons cet appel de secours, S.O.S Ă L’ORGANISATION MONDIALE DES DROITS DE L’HOMME!

  • Ziry Onésime dit :

    Mba mieritreritra ihany ve ilay Sadic sa dia Foza orana ka dia mi-tourne fotsiny e?
    Raha mandalina tsara ianao, inona no antony nitenenan’i Andry RADOMELINA an’izany?…HAKANOSANA, TSY FAHASAHIANA MANATRIKA NY MARINA!
    Ka izany ve dia mety aminao? Eto dia hitsaràko mihitsy ny QI-nao izay mbola hamafisiko ihany fa tena ambanin’ny Zéro mihitsy.
    Inona no antony handàvanao ny sonia izay nataonao tany Maputo?.. Mba fantatra ve ny dikan’izany?… Olona milaza ny hitondra firenena kanefa na ny zavatra nosoniaviny, na ny soniany aza dia tsy nekeny indray?
    Ny ahy Rangahy ity na ny zanako izay vao mianatra any amin’ny « classe de 9è » aza tsy sahy manohitra na mandà ny teny nomeny a!… Satria fantany fa FANAMBANIAN-TSAINA IZANY, HAKANOSANA IZANY, TSY FAMPISEHOANA NY FIJOROANA HO TENA LEHILAHY IZANY!
    Mba misaina r’ise fa mahamenatra a!…

  • sadic dit :

    gaga mihintsy aho mahita ny post-n’ireto zanak’i dada ireto, i Andry nandrava ny mouvance-ny ka ry zareo indray no marary fo, angaha tena efa raiki-po tamin’i Andry ho president-n’ny transition-nareo ianareo? sady tsy ekena hono raha tsy milatsaka amin’ny presidentielle e, angaha tsy hoe tsy ampy taona indray? tena mampahonena ireto zanak’i dada ireto, ntssoooo! tsy hanao president-n’ny transition-nareo intsony hono lery e, tsy tiny hono le AFROS reny sady tsy hangataka fanampiana amin’ny vazaha hono lery fa foto-kazo sy ny vorona ka izay manina manantona, HAHAHAHAHAHAHAAAAAAAAAA,Ziry Onésime, HoAiza, etc, vous êtes très malheureux vous savez ça?… allez rejoindre votre dada en AFROS pour travailler dans son usine de chocolaterie…houahhhouahhoouuaahaaaaa….

  • PIrassy dit :

    TOUJOURS les memes PSEUDOS ERODES et minables qui s exclament depuis la CAPITALE des debiles ……………..la banlieue Parisienne ; Paris ou le GERS !!!!!!!!!!!!

  • MPA dit :

    Tsy fantatry ny gasy sasany akory ny olana mahazo ny firenena @izao, Niaviavy TGV sy izay nanana lonilony rehetra t@ ra8,azony ny fitondrana , hitany fa tsy mora anefa ary tsy tafavoaka izy, tsy hay lazaina intsony ny fahavoazana mahazo ny firenena, dia hoe izaho tsy hilatsaka, tsy misy intsony ny mouvance, KA INONA NO ATAON IALAHY EO FA TSY MIALA REHEFA TSY ALEHANY,AZA FITAHANA NY VAHOAKA, ary ho an ra8, raha mbola miseho matsilo saina tsy mila conseiller, TSY ILAINA MIVERINA INTSONY FA TSY MAHAFEHY MIARAMILA, TSY MAHATANA FITONDRANA, INSTABILITE TSY MISY FARANY

  • Max31 dit :

    C’est bien … Bravo … 1 an plus tard vous osez appelé enfin un chat un chat … A la minute ou il y a eu coup d’état il y a eu dictature, et de ce fait dictateur … Reste a lire autre chose que « la crise » dans la presse …

  • dadazaka dit :

    On ne peut pas être présidé par UN PETIT CON DE LAPINOU, qui vient de SOUS TERRE mais pas d’une ÉLECTION
    Putschiste de merde

  • nosy dit :

    Te hiala pas fa inona akory, dia hoe izao sy i na izay eo na izay
    zao, satria manantena fa hadio? Sanatria efa voaloto taminy ra ny malagasy na izay efa niala ninoninona lazain’ireo dia tsy manan-daza famaivana, ny maivana tsy mateza fa na mora vaky na mora very na mora potika satria maivana

  • ralezoka dit :

    Fa « Inona no ataon’ialahy eo,fa tsy miala rehefa tsy alehany,aza fitahana ny vahoaka » hoy i Mpa(6)
    Tena marina ny voalazanao ry Mpa satria mijaly loatra ny vahoaka ê! Izao no ataon’ny Ntaolo hoe:
     » Mandry an-driran’antsy »ny olona, na andro na alina dia tsy misy ny filaminan-tsaina ê !
    Ny mikasika an-dRa8 indray ry Mpa dia izao no mba hevitro: efa niaiky ny fahadisoana nataony lery teo amin’ny fitondràny ka ataoko fa tsy hanao
    be saina intsony izy raha miverina eo .
    Mety ho tafaveriny amin’ny laoniny ara-dalàna amin’izay io ê ! I Ra8 mantsy dia tsy mba milalao izay raha manao zavatra .

  • Ilaikely dit :

    Aoka hazava fa izao fanjakan’adala misy eto Madagasikara izao dia fanjakana naorina mba hanenjika an’i prm Ra8 fotsiny sy izay olona rehetra milaza ny marina ka mitovy hevitra aminy. Tsy mbola nisy hatramin’ny fotoana nanonganam-panjakana ny 17 mars zavatra mivaingana vitan’io fitondran’adala io, afaka mitanisa ireo olona manohana ny FAT raha nisy io vazatra vita io satria malalaka ity serasera ity fa tsy voasivana sy voageja ohatran’ny iainana amin’izao fotoana izao. izao fa heno indray koa fa mitory ingahy rossy amin’ny fanamafisam-peo azy hono!! ka nisy nangalatra. Angaha moa tsy ilay fanamafisam-peo nomen’ny canadiana tamin’ny fotoan’Androny io natao passation tamin’ingahy rossy io ka lasa fananany taty aoriana? Raha fifanenjehana toy izany no iainana eto dia tokony handray ny andraikiny koa ny fitsarana sy izay lazaina fa tompon’Andraikitra eto hisambotra ireo olon’ny FAT nandoro ny fananam-pirenena (TVM, RNM) sy ireo fananam-bahoaka (magro, centre commercial, …) ary namono sy nandoro olona marobe tamin’ireny fotoana nanonganam-panjakana ireny. Ny voalohany amin’izany dia ingahy lavanify Andry TGV, sy ireo mpanara-dia azy rehetra. Raha tsy manao izany ianareo voatonona etsy ambony ireo fa mijery tavan’olona dia tsy azo lazaina akory oe mpitondra fa mpiray petsapetsa amin’ny olon-dratsy no anaranareo ary hotsarain’ny tantara sy ny vahoaka malagasy iray manontolo ianareo atsy aoriana atsy. Araka ny fitenintsika malagasy ange oe « ny heloka hibaboana mody rariny fa ny …. » aleo tohizanareo, koa saino tsara ny zavatra ataonareo tsirairay fa efa miharihary eran’izao tontolo izao fa mivilana tanteraka ny zavatra ataonareo eto. Raha tena mahavita azy ianareo nandrobaka fitondrana io dia atsaharo ny fanenjehana sy fanaratsiana andra8 fa izay ahatafavoaka izao firenena izao hilofosana, matoa nangalatra io fitondrana io dia efa vonona amin’izay rehetra mety hitranga ary tokony ahavita tsara lavitra noho ny vitandra8 fa tsy ny mifanohitra amin’izany!! Avelao Ra8 hipetraka any amin’ny misy azy any fa aza ny fatahorana no atao betsaka fa ihomehezan’ny olona fotsiny ianareo.
    Koa hamaranako azy dia mitaona hatrany ireo rehetra mpandala ny ara-dalana za mba hivavaka fa ny herim-bavaka nataontsika hatrizay ka hatramin’izao no mampasiaka ny devoly ka mahatonga azy hirangorango sy hanao izao fahotana rehetra izao, kanefa izany devoly izany tsy maharitra fa atosik’isika amin’ny vavaka hatrany ary tsy ho ela dia ho tonga ilay mazava andrandraintsika mianakavy.

  • levahoka dit :

    Mety nahavita zavatra r8 saingy vola notrosaina daholo ane reny e! 4,7 milliard $ ny trosa tsika pendant 7 ans de r8, atraminy zafina d mbola ando io vola io KA MIERITRERETA

  • GBD dit :

    Ho Haiza
    j’accorde plus d’espoir de coté d’amnesty international
    l’OM des droits de l’homme est depuis longtemps courcircuitée par les prédateurs,
    Sinon comment expliquer les syndromes de dictatures d’occupation qui ont de belles années devant eux :
    => quid du problème thibétain , des Birmans , du Darfour etc …
    L’apparence d’intéret ne parait qu’après des milliers ou des millions de morts gênants pour leur ego- business largement financé par l’ONU elle même.
    En Irak , ce fut l’intervention rapide : il fallait assurer une grosse source d’approvisionnement en pétrole du monde capitaliste, américaine notamment
    Même Obama recule le problème de Guantanamo.
    On dirait qu’ils ne sont stoppés que par des Idriss Camara ou Mugabe…

  • ralinjatovo dit :

    ba toga saina daolo ny fiainana mia sarotra ny vahoakamijaly ny vola tsisy tsy aleko ihanyt@androni dada andry rajoelina c un pti ki na mèm pa assé de couille pr diriger un pays, san décision il se fait mener com un pti chien, fitia fitia fitiavabola sa bois de rose?????

  • vero dit :

    Pauvre de nous, malgaches. Zay tonga eo dia tsy tiana daolo.ny diaspora fa tonga eto m/kara dai ohatra tsy Gasy intsony fa ohatra métisy vazaha na teny gasy aza tsy hay intsony, si vous étez pas lâches vous reviendrez ici pour aider l’économie malgache fa tsy be critique an’ivelany any.

  • vero dit :

    J’ajoute encore que la dictaure c’est comme Ravalomanana a fait pendant 7 ans. Il a enrichit son entreprise et a fait du FJKM une église d’etat. sa ny fahitanareo an’i Ra8 dia hoe le plus gentil de tout les dictateurs de hoe aleo nareo io toy izay Mugabe.

  • Babyfoot dit :

    Ouadray !!!
    Noheveriko fa i Verohanitra ity ambony, saika diso zà !

  • Verohanitra dit :

    Baby â. Fozabe le sary kah ! Fa hitako niseho télé i Nadia/Kristelle/Spirou/Acâdo. Hay moa contes et légendes daholo ny Mme Grondée moa sa Grognon ? MDR

  • Babyfoot dit :

    Véro,
    Virotielina fotsiny ireny nataony ireny, foplà. Ka honou oà ? Manao ahoana ny tarehiny t@ Télé ? Foza be tsisy hotr’izany ve ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site