Teny amin’ny lapan’ny Fitsarana ny mason’izao tontolo izao androany 27 mey 2010. « Grand dossier » roa be izao no hita teny :
- Voalohany, ny fitsarana an’i Ambroise RAVONISON na i Tonton, amin’ny Alatsinainy ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ity raharaha ity, niverina hamonjy ny fandrinany eny Antanimora ny lehilahy mandram-piandry izany didy izany. Ny nanaitra ny maso aloha dia ny fahitana an’i Tonton narary sady nandringa tsy afa-mandeha. Aiza ny fanajana ny zon’olombelona amin’izao « famonoana izao »?
- Faharoa, ny fampiakarana fampanoavana ireo mpiasan’ny Radio Fahazana, naiditra am-ponja na MD (mandat de dépôt) daholo izy folo mianadahy. Voatohintohina ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Maha ontsa ny nijery azy ! Mbola misy ve izao « Andriamanitra » izao hoy ny feo heno tamin’ireo havan’ny voapanga.
Avelanay ianao hankafia !… diso aho … « halahelo »…. ny sary nalain’ny MyDago.com.
.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

mahereza fa ny mino tsy maintsy tafita, ny hery tsy mahaleo ny fanahy, ny marina tsy mba maty ninona ninona ny lainga hafafy
Ny an-dry zareo jiolahim-boto roalahy no nesoriny teny amin’ny fitsarana ny 26 janvier 2009. Ary tonga maro ry zareo… dia ireny hitanareo ireny moa ny tohiny!!!
Ny anareo aiza?
Olon-dresy…..indrisy
Tsy rariny intsony izao fa habibiana tsy roa aman-tany , tsarovi’nireo nahavanona ana’izao fa ny an’ireo nogadraina rehetra dia zakany satria miady @ fahamarinana fa ny an’ireo nanagadra kosa na iza iza na iza dia TSY HO ZAKAN’IREO SY NY TARANANY MIHITSY IZAO ATAONY AMIN’IREO OLONA MIKATSAKA NY MARINA NY RARINY ARY NY HITSINY , AZA MANAHY FA NY TOMPO NO MOMBA ANAREO ARY HAMOAKA ANAREO TSY HO ELA TOY NY NATAONY TAMIN’I PETERA APOSTOLY.
Efa tsy izy intsony ny zava-misy eto MAdagasikara !
Izao izany lay oe: « démocratie? » Izay mahasarika olona, raha tsy maty toy ry PASTEUR RIVO, dia voadaroka hatao malemilemy toy ry TONTON AMBROISE, ary izay sahy milaza ny marina toy ny MPANAO GAZETIN’NY RADIO FAHAZAVANA kosa, dia tsy maintsy ahiditra amp-ponja!
Tena ela, ela, ary efa tena ela, no nandrenesako an’ilay teny oe : « FANJAKAN’NY BAROA » fa zay aho vao tena nahita maso,
Tsy izaho ireny no mahita amin’izao fotoana feno fat fat eraky ny tanà na izao, fa ny vahoaka manontolo, ary ny eran’izao tontolo izao mihintsy!
Tena fanjakan’ny BAROA mihintsy ty fat fat ty,
Tena efa sangy mihoatra ny loha no ataon’ity sarisari-panjakana tsy vanona ity. Hanody azy sy ny taranany izao.
Dia tena TSY RARINY intsony ity ataon’ireo FATy olona oreo!… Tsy maninona anefa izany fa MARITIORAN’NY FAHAMARIANAN izy ireo!… Anjarantsika izany no miray, mijoro, mitraka ary mankahery an’izy ireo, fa araka ny tenin »ny Radio Fahazavana foana dia ny: NY MINO TSY MAINTSY MANDRESY!… Ary tsy maintsy handresy isika fa minoa an’izany raha tena miankina amin’Andriamanitra!
Aminao kosa ry pseudo « Ny marina », izay manenjika ny resy io, aza misehoseho ho nahazo ny fandresena ianao; tsarovy fa « toy ny kodiaran-tsarety ny fiainana, ka ny ambony mbola ho ambany »
ON A PERSU DES BATAILLES, MAIS ON N’A PAS PERDU LA GUERRE, CAR LA LUTTE CONTINUE! »
Dia izao habibiana tsy mitsahatra izao ve no mba hitan’ny FATY fanafody @demokrasia nodradradraina teny @ 13mey place de la démocrasie????
Firy moa no tsy efa nilaza fa tsy rariny izao?
Fa dia milaza daholo hoe malahelo satria hoe nikatona ny Radio Fahazavana?
Efa fantatra mazava fa am-bava loza ny Radio Fahazavana. Mba nisy niaro ve?
Mba mahagaga ihany hoe tsy hita teny amin’ny fitsarana ireo olona milaza fa malahelo ary mahita fa tsy rariny ny zavatra mahazo ny Radio Fahazavana. Kanefa dia maro izy ireny no hita any amin’ny Twitter, Facebook, sns.
Miramirana ery ireto mpiasan’ny radio Fahazavana fa i ambroise no miantehitra amin’ny miaramila mafy !
Mampalahelo ny manjo an’i M. Ambroise,
Ny oe voasambotra ireo journaliste R.F koa dia mampalahelo, saingy saingy, ireto izy asa inona no ao an-tsainy, tena tsy takany ve? Fa maninona no mbola mampiseho endrika sy toetra mihomehy sy falifaly iany, satria v manana ny rariny, satria ve voahosihosy?
Izao mihintsy no itan’ny olona indrindra ny C.I dia miisatra ny tolona satria raisndry zareo fa mbola çà va iany zany ê!
Misy dikany daolo ny fihetsika rehetra hatramin’ny détail kely indrindra, ka mba mieritrereta iany.
Asehoy an’izao tontolo izao fa ao anatin’ny fahoriana SY FANGIRIFIRIANA ny vahoaka MALAGASY.
Fa tsy endrika toireny no aseho. Mety koa oe mampita fankaherezana angamba no tiany lazaina nefa raha izay ny vahoaka efa mahery foana, fa ampisehoana ao anatin’ny Fangirifiriana sy alahelo ny zv-misy. Tetika entina miady sy daolo izany. Hafatra ho an’izay mbola sanatria ho voahenjika sy voasambotra @ manaraka izao lazaiko izao
RAHA TSY OLONA « SAHY » TAHAKA AN-DRY TONTON SY NY RADIO FAHAZAVANA DIA HO AIZA NY MALAGASY?
MAMONO TENA IHANY NY HAT SATRIA HIAINGA AVY AO ANATINY NY FANOHERANA RAHA MITOHY NY TAHAKA IZAY HITA ETO.
Eo am-pelatananareo tokoa mantsy ny fiadiana mahery vaika rehetra ka dia manampatra tanteraka ny herisetra maha-diavolana ny sainareo ianaro !
Izao ve ny democratie nodradradraina hatramin’izay ry Radomelina e, toa tsy mahataty akory ity ianao , hita mihitsy ny hakeliny atidohanao , dj ka tsy mahagaga , dia manaraka izay hataony daholo ny faty rehetra , matahotara ny ho very fihinana , nefa fihinana angalarina aminy vahoaka , ENGA ANIE KA HIVALY AMINY TARANAKAREO REHETRA IREO ZAY HATAONAREO REHETRA IREO , INDRINDRA FA NY HALAELOMBAHOAKA , TSY HO ZAKANAREO NY TODIN’IZAO
Mahereza ry mpitolona namako rehetra , Mahereza ry mpitondra fivavahana rehetra , tohizo ny tolona na dia , tsy misy mahazo kivikivy . Ho an’izay tsy afaka mitolona fa sanatria marary dia vavaka mangina no mba hangatahiko amin ao fa reny Tompo izany Makahery antsika rehetra , mitohy ny tolona fa momba antsika Andriamanitra fa tsy momba ny mpanao ratsy
Misaotra tompoko
Marina ny voalazanao ry Honena
Mahehereza ary ny tolona mitohy foana
tsy fantatra intsony ny vary sy ny tsiparifary eto amin’ity site ity, aleo aloha ho any amin’ny plage, sady en bonne voie ny fiovana eto M/car, efa mitsoka mihamahery vaika ny rivotry ny fanovana.
fa manina nefa no be taim-bava sy mandranitra olona refa tsy mahatanty e? hay miferitr’aina otran zao iany refa tokoa ny tokoa.
mba misy fetrany ihany ny fahafahana miteny fa tsy manivaiva olona otran reny e.
jereo zao i fetison, maninona iey iny? reny mba mpanao politika mahay sady fetsy fa tsy domelina otran tony Ambroise tony, aza misaina am fo hoa fa mba nomen’ny ao ambony saina ihany.
mipôpôka ery ny vava sy ny ny fihomehezana sy ny fo ratsy rehetra, fa handeha ho aiza ianao ry olombelona ô! « NY RATSY ATAO LOZA MIANTONA FOANA Ê! » Mihevitra i Maurice Papon fa afaka amin’ny asa ratsy rehetra nataony, 80 taona mahery izy voatsara ary voaheloka ho faty ihany. RAHA TSY VOATSARA ETY IANAO DIA HO VOATSARA ANY AN-DANITRA, ny hatahorana ny devoly no hihomeha anao indray.
Mipôpôka ery ianao miteny hoe : « ento any ny Andriamanitrao », fa rehefa misy mahavoa anao!!! velona ny « RAY TSITOHA ô! » vonjeo!!!!!!!
miseho azy ho « je suis ianao izao! » satria mitana basy, fa miafina ihany ianao tsy ho voatifitra rehefa tsy manana. Faly ianao izao fa mihinan-kanina??? ny andro hanohananao no tsy fantatra indrindra raha tsy manana an’Andriamanitra ianao. Maro ihany no niatsaravelatsihy Taminy, fa niharan’ny fahoriana mafy ka nanao Azy ho tsy misy.
TADIDIO FA IZAY AFAFINAO IHANY NO HOJINJAINAO Ê! Niafina ihany KAINA FA HITAN’ANDRIAMANITRA Ê!
MINOA FOTRINY IHANY E! ZAY NO TENIN’I MARKA
Misy olona dia lasa adala fa i Fetison sy tonton no tena mahasarika ny sainy. Izay ilay toe-tsaina gasy mambotry firenena. Tolona ity ary ny fandresen’ny tolona no jerena. Na i Fetison aza dia nenjwhina nohon
ny zavatra noteneniny ary i Tonton Ambroise dia tena mana-kaja sy sy modely. hoy mantsy ny mai-vavao hoe izany rehefa « may vava » . Hay ve izany ilay fahafana miteny aminareo e, izany ny tolona aminareo e, ary aleo izany hakombona ny vava fa matahotra FAT…. aza manoro voana olona fa ianarao no fohy fisainana e. Ny tolona dia tolona ary ry tonton ireny no tena hampiheritreritra ny maro… Izay manao ihany no hainareo tsikeraina fa ento aloha ny anjaranareo vao miteny
mampalahelo isika MALAGASY,tsy mety fay,tolona gosy droity,tsy leo ataon ny olona fitaovana ve isika e?DIA HIAINA AO ANATIN NY FANAGADRANA IZAY TSY MITOVY HEVITRA FOANA VE?SA VALIFATY?antsika ny mieritreritra,tadidio fa tsy nisy nahazo mozole zay rehetra maty hatramin ny tolona,matymaty fahatany