
Loharano
Mba hody ventiny ve ny rano natsakaintsika hatrizay ?
Ela ka ! Ela loatra é !Tsy hifarana ve izy ity é ? Izany no teny etsy sy eroa, izany no mameno ny eritreritra andro aman’alina, izany no votoatin’ireo resaka ifanaovana ! Ahoanaihany izy ity é ? Mbola misy hantenaina ve sa mbola hiaritra mandra-paha rahoviana ? Efa nahandry erin-taona mahery ve, dia tsy aleo miandry ihany fa nahoana moa no « TSY HODY VENTINY NY RANO NATSANKAINA ATRIZAY » ?
Mody faly
Jereo kely ange fa mikorapaka, mihodikodina, mibitaka nefa tsy afa tavoany, mody mifaly nefa tsy nitondra voasary rehefa niverina avy any Namehana, ary mandainga sy mamorona nefa tsy aha resy lahatra ny miaramila izay niandry azy izay nampanantena hitondra fanalahidin’ity kirizy nateraky ny hambony diso toerana. Izay vokatry ny hakelezan-tsainy, izay vokatry ny fanekeny ny fanampian’ny frantsay sy ireo mpanohitra ny Fitondran’ny Filoha RAVALOMANANA MARC, izay halany sy tsy tiany mainty..!
Ampy ve e ?
Ampy ve ny tsy fitiavana, ny fankahalana olona entiny hanonganam-pahefana ? Raha mba nahavita nampandroso bebe kokoa ny Firenena sy nanatsara bebe kokoa ny fianan’ny Malagasy noho ny FILOHA RAVALOMANANA MOA ity jiolahimboto andevo-bazaha ity dia… nety ho nisy nankasitraka ny fanonganam-panjakana..!
Mahay mamotika
Ny vitany sy ny hainy dia ny namotika sy nandoro ny trano fiasana manodina ny vokatry ny tantsaha, nanimba ny toe-karena, ny mihinana ny vola-bahoaka, ny manao izay danin’ny kibony… sy nisekoseko etsy sy eroa! IZAO dia tapin-dalan-kaleha, very fanahy mbola velona ary ialan’ ireo miaramila niankinany, nokaramainy, notambazany vola avy tamin’ny frantsay !
Aiza ny sori-dalana ?
Talohan’ny fivoriana tany PRETORIA dia nankinin’ny miaramila tamin’ny rindrina ity kely saina, ka noteren’izy ireo hanome sori-dalana mazava, fa nihaotra be ny fanekena nifanaovana ity jiolahy..! Tsy nisy sori-dalana nentiny avy tany PRETORIA ! KOA INONA NO HO LAZAINA AMIN’NY MIARAMILA MIANDRY NY SORI-DALANA NANGATAHANY ? Valiny : « Tsy hiverina intsony any PRETORIA AHO ! » Tsy izany no nangatahin’ny miaramila fa lalana vaovao ! Valiny : »Hanangana governemantta mitaro-civil aho ! » « Tsy handray anjara amin’izany izahay hoy ny lehiben’ny Tafika,fa raha misy miaramila te-hiditra amin’izany dia tsy mahazo izy fa tsy izahay no manendry azy ! »
Tsy handray anjara miaraka amin’i Rajoelina
Vita teo ny an’i rajoelina na dia niala nenina aza ny tompon’andraikitry ny frantsay ao Madagasikara ka lasa nanatona ny lehiben’ny tafika izay tsy nanaiky hiditra amin’izany tsikombakomba vaovao nateraky ny « feuille de route » avy amin’ny tsotsoka…
Eto dia misy zava-baovao : ‘Ty ndrianarijaona izay nitondra ny tenin’ny miaramila amin’ny maha lehiben’ny tafika azy dia naharesy lahatra ny manamboninahitra ambony amin’ny hanohizana ny fiarahana amin’i rajoelina. Dia io niondrika io sy namaky ny fanambaran’ireo manambononahitra manda ny fandraisana anjara amina governement militaro-civil. Ary vakio tsara izay nolazain’ny kolonely Ramilijaona izay vahin’ny Ampnjiky ny Radio Fahazavana ny alin’ny 05 mai teo.
Hoy izy : « Tsy mandray anjara amin’izany governemanta militaro-civil izany izahay ! Fa raha tahiany ka tena reraka ny mpanao politika na tena reraka ny Vahoaka dia ho raisinay miaramila ny Fitondrana ary hantsoinay ireo mouvances efatra sy ny mpamatsy vola mba hamahana izao kirizy izao ary mba hahaoana ny « reconnaissance internationale ! »
Inona moa no tanjona ?
Vita ny fihetsiky ny frantsay… ARAHO TSARA NY FIHETSIKY NY MIARAMILA IZAY MANILIKA AN-DRAJOELINA ARY KOA HENOINTSIKA TSARA IZAY LAZAIN’NY MOUVANCES EFATRA…! MBA HENOY AZAFADY NY INTERVIEW NOMEN’IO KOLONELY RAMILIJAONA IO AO AMIN’NY RADIO FAHAZAVANA… Iarahantsika mahalala fa io ndrianarijaona io no nitondra ireo miaramila nanongana ny Fitondrana ary niteny aza hoe : »Nous voulons seulement le départ de RAVALOMANANA MARC ! »
Tsy hiaraka amin’i Rajoelina !
Izao izy manda tsy hanohy ny fiarahana amin-drajoelina (tsy handray anjara amin’ny Gouvernemanta militaro-civil)..! INONA NO DIKAN’IZANY ? TSY NAHARESY LAHATRA NY MIARAMILA MANARA-DALANA IZY ! POROFO : « TSY MISY MANAMBONINAHITRA MAHAZO MANOME NY HEVINY AMIN’NY ALALAN’NY RADIO RAHA TSY MAHAZO ALALANA…!
Miaramila manara-dalà na !
KOA NY FAHAZOAN’NY KOLONELY NITENY NIVANTANATAO AMIN’NY RADIO FAHAZAVANA DIA : -NA IRAKY NY ETAT-MAJOR IZY – NA IRAKY N’IREO MIARAMILA MANARA-DALANA IZY… Ny fijeriko dia mirona amin’izy irak’ireo mpanara-dalana izy..! I ndrianarijaona dia tsy mahazo manapaka sy mandidy irery intsony fa tsy maintsy manaraka ny « baikon’ireto mpanara-dalà na ! ».. Tsy misy « chasse aux sorcières », mba ho fitandroana ny firaisan’ny miaramila ! Mihanjahanja sy mitanjaka i rajoelina.
Foot-Ball !
Rajoelina dia -toa ny baolina naona- sady tsy mitotona no tsy misavaona ! Aviavin’ny BETANIA, tapatapaho fa manimba ny Tany ! Vorona azon’adala ny Fitondrana Voahangy an-tsofi-kisoa ny Vonina-pirenena !
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

Tsy maharesy lahatra ahy loatra ny article-dokotera. Ny teny ampiasainy koa toa tsy dia mendrika loatra ny fahaizany ? (sa dokotera inona)
Ny hevitro manokana indray dia izao : betsaka ny olona tsara sitrapo eto Dago saingy tsy mifandrindra loatra ny paikady heverina hampandroso ny firenena. Ny zavatra azo antoka aloha dia tsy hoe adala na jiolahimboto daholo ireo mpanao politika, mpandraharaha, avarapi, olontsotra izay manohana ny fanovà na tiana hapetraka eto anivon’ny firenena. Ny fiheverana ny olona tsy mitovy hevitra ho adala dia taratry ny fahambanian’ny toetsaina. Ny fihainoana ny hafa sy ny famelà na azy haneho hevitra koa dia midika ho fahamatorana fa tsy faharesena akory.
Fehiny : ny didiko fa lehibe no nampidaraboka an’i goliata
Raha olona manan-tsaina sy voataiza tsara eo amin’ny fiaraha-monina dia tokony ho nitonona ny anaranao ianao ,fa na ny alika aza manana anaraa..!
Ataoko ahoana no hiresaka amin’iny olona miafina izay vao sahy miteny sy mitsara !
Amin’izay hovanao koa ny tenin’olona : mouvance maputo..!
Ary tandremo ny teny tsy ambina ,indrindra raha miseho mitolona ho amin’ny MARINA
sy ny ARA-DALANA ianao..
Ny fijoroana amin’ny FAHAMARINANA dia ny manome ny anaran’ny tena..
Raha tsy izany dia fandrembirebena fotsiny !
Du calme, doc ! du calme doc !
Tsy hoe te-hiresaka aminao aho fa te-haneho ny hevitro ahy manokana (ary tsy omeko tsiny ianao raha tsy mitovy hevitra amiko, ok ?)
- « Raha olona manan-tsaina sy voataiza tsara eo amin’ny fiaraha-monina dia tokony ho nitonona ny anaranao ianao ,fa na ny alika aza manana anaraa..! » bravo ! pour un doc manan-tsaina sy voataiza tsara, ça c’est envoyé !
En fait, doc, tsy tononina ny anarana eto fa soratana. Ny anarana dia mpamaritra entin’ny olona hanoritany ny tenany na ny zavatra hafa araka izay inspiration na nofinofiny. Amin’ny karazana « forum » toy itony ny anarana dia atao hoe « pseudo » koa indraindray. Eto aho dia mamaritra ny « anarako » ho Mouvans mapito satria mi-inspiré ahy ny fisian’ny « Mouvance Madagasikara » izay contraire be amin’ny hetahetan-drizareo satria tokony ho « Mouvance Maputo » rizareo.
Raha azoko ny zavatra tadiavinao dia ny « identité »-ko fa raha ny anarana dia « tanim-boanjo » hoy ny razanay. Noho izany dia tsy « fijoroana amin’ny FAHAMARINANA ny manome ny anaran’ny tena ». Na ianao io aza mantsy tsy azoko toky fa tena Dr. Robin des bois tokoa. Ok ?
Manohy ny hevitra votoatin’ny lohateny narosoko aho..
Ny fanambarana niara nataon’ireo lehiben’ny Tafika sy ny lehiben’ny Zandary dia manafy ny fisitahan’ny Foloalindahy tamin’ny fat !
Niriana atrin’ny ela izany fa izao vao teraka…!
Eny ,azo voetsovestoana izay naty ho -fisehon-javatra rah-a- t-erak-a tal-oha izao- fi—sitahana izao..!
Nefa atrosiky ny fahasahiranana sy ny fijalian’ny
Malagasy Isika ka tsy maintsy mijery ny ampitso naeo amin’ny fintantanana ny fiaraha-monina izany nna eo amin’ny fifandraisana amin’ny Firaisam-pirenena na indrindra amin’ny fanerena ny toa-karena…!
Ny maika dia ny fanamaivanana haingana ny vesatra misy isan-tokantrano..!
Raha misy » fanampiana ny TA-BOINA (aides humanitaires ) azon’ireo Firenea mpanampy Antsika homena dia tsy tsinjaraina mazava tsara izany , ary io no ASA MAIKA HO SAHANINA VOALOHANY NY TETEZAMITA IRAISANA SY IOMBONANA..!
arina fa eo tokoa ny FANOMANANA NY FIFIDIANANA..!
Dieny izao izany DIA MOA VA TSY EFA NY FOLOALINDAHY ISIKA MOMBA NY FILAMINANA SY NY FANDRIAMPAHALEMANA SY NY FAHALALAHANA MIVORY SY MANOME NY HEVITRA MIPETRAKA EO AMIN’NY FAHAMARINANA SY NY MARINA ETO AMIN’NY FIRENENA ?
Misaotra ny Foloalindahy Isika fa aleo tokoa tonga tara toa izay tsy tonga mihintsy ato anatin’ny FIARAHA – MONINA MALAGASY TSY MIALONJAFY !
Afaka mamorona anarana izay tiany tokoa ny mpisera ka inona ny olana raha atao hoe Pitik’Afo Kely na Dr Robin na mapito?Raha alika angamba tsy afaka hanoratra eto fa mba olom-belona ihany na dia samy manana ny anarana entiny ka tokony hifanaja fa samy olom-belona samy malagasy.
Momba ny zavatra novoasana naseho kosa dia misy marina sy fampisehoana amin’ny mazava izay takona ihany saingy raha atao amin’ny teny fankahalana sy mitongilana dia tsy misy mihaino afa-tsy izay mitovy hevitra amin’ilay namaofy azy ihany.
Ka raha ho valiana ny hoe hody ventiny ve ny rano natsakaina? Na koa hoe hiala ve i Rajoel dia asakasak’izay sahisahy milaza fa tsy misy hery intsony izy tahaka ny baolina noana.Araka ny ahafantarana ny toetrany sy ny nasehony dia tsy hiala izany izy na inon-kidona na inon-kihantra satria ny ainy no mety hanefa raha miala eo izy.
Tsy maintsy mody ventiny ny rano nantsakaina e! horakoraka ny an’ny sahona fa ny tsiboboka no tompon’ny rano ! ka aza misy mihemotra mihintsy fa tsy maintsy ny ratsy ihany no folaka mialoha .
Mahereza daholo !
Ny fialan-drajoelina tsy olAna fa ny fialà na na ny fisintahan’ireo nanampy azy no no mitory fa vita na tsy vita ny fitondrana fat..!
Ny frantsay efa iaraingiraingy satria tsy afaka hanohitra na tsy hifanaraka amin’izay fanapaha-kevitry ny Union Européenne izy..
Ary ny famangiana nataon’ny mpandraharaha frantsay an’ny cemgam ,dia hatsapana fa fialana nenin-drozo iny : tsy nanaraka ny hevitry ny frantsay ny cemgam ,ary nitondra ny feon’ny Foloalindahy niaraka tamin’ny commandant-ny Zandary izy :
Mià la ,misitaka ny Foloalindahy ary tsy handray anjara amin’izay fananganana gouvernement militaro-civil..!
Nandrasana sy nangatahina atrin’ny ela izao hetsika izao ,koa tsy ho sarotina Isika fa isaorana ny Foloalindahy..
Inonaintsony ny fitondrana fat ,raha toa ka tsy mitandro azy intsony ny Foloalindahy..?
Hody ventiny tsy ho ela ny rano natsakaina..!
aza mihaino izay commentaire ny mpanaty Ra-keny ianao Dokotera a, fomban’ny Malagasy nanomboka tq fitondrana FATy io, manorata foana fa ilaina ny mifampahery efa ho feno mantsy ny sinibe izao e, dia hisotro ilay Rano tena izy isika aby.
Mankasitraka
Sao dia ho diso fanantenana ianareo fa zavatra roa no nolazain’ireo foloalindahy ireo.Voalohany hoe tsy handray hanjara.Faharoa hoe afaka manendry izay tiany i Rajoel.Ny anareo izay tianareo henoina ihany no henoinareo.Raha tsy mandray anjara aza ry zareo tsy midika hoe hitsipaka an’i Rajoel izay ankatoaviny fa noho ny fitandrovana ny filaminana dia tsy mandray anjara ofisialy ry zareo fa ankolaka.Mounibou sy i Vital Ndrianarijaona sy ny sisa akory tsy hivadika amin’i Rajoel izany.Aza dia sahisahy be loatra na mandihy tsy afa-tavony fa be dia be ny olona mitazona mafy an’i Rajoel eo na miaramila io na sivily.
Olona tsy manjary izany tsy tafajanona eo amin’ny fitondrana maharitra. Na avadibadika toy ny kapila goaka eo aza ny fitondrana ny baolina dia tsy ho tafavoaka mihintsy.
Miarahaba Anareo!!!
Tsy dia hiresaka politika loatra aho fa te hitondra fanamarihana kely ho an-tsika izany manoratra,na mifanoratra, indrindra ho an’ny mpanoratra ny lahatsoratra. Mba hajao re ny fiteny Malagasy e! betsaka loatra ny fahadisoana, na ny tsipelina, na ny voambolana, ny fehezan-teny manginy fotsiny. Atao ahoana ny hihaino anao raha ny teny sy ny fiteninao aza tsy voahajanao akory.
Mirary soa feno ho an’ny Malagasy rehetra.