Tsy ampy taona hitantana firenena akory i Andry Rajoelina

Andry Rajoelina
Andry Rajoelina

Tsy hain’i Andry Rajoelina ny mitantana firenena. Tao anatin’izay nitondrana an-keriny ny firenena izay, be ny zavatra tsy nandeha tamin’ny tokony ho izy.

Tsy ampy taona

Teo ny fomba nitondrany ny miaramila malagasy, notambazana vola be hatrany ka very hatreo ny hasin’ny foloalindahy.
Vokatr’izay, nitokona ny dokotera nitaky ny tombotsoany, nanaraka avy eo ny paramed, nanao ny azy ihany koa ny mpampianatra Fram, ny mpianatriny oniversité nitaky ny fampisondrotana vatsim-pianarana, izao mangataka ihany koa ny admnistrateur civil fa tsy maintsy avy amin’izy ireo ny ministra vaovao, toy izany koa ny mpiasan’ny fitantanam-bola sy ny tresor izao mandrahona ihany koa ny hitokona. Tsy zakan’ny zandry kely ny mitantana firenena, tsy ampy taona hitantanany firenena izy. Tsy voahaja hatrany ampiandohana mantsy ny antanan-tohatry ny fahefana ka manjary tsy misy harofanina ny fitondrana, izy daholo no iangonan’ny rihatra rehetra amin’izay tsy mety, raha tsy nofoanany mantsy ireo antenimiera roa tonta tsy toy izao izy, inona no ilavana ireo mpikambana amin’ny Hat ao Anosikely, tsy fandaniam-bolam-panjakana fotsiny ? tsy ampy fandinihina lalina ka hany manaonao foana hatrany.

Diso depart !

Diniho, hatrany ampiandohana mihitsy no efa diso famindra Rajoelina sy ny forongony ka mitsapatsapa sy mitsambiki-mikipy, hanangana demokrasia no nolazaina kanjo nanao didy jadona no niafarana, hanala ny Malagasy eo ambany vahohon’ny vahiny (raharaha Daewo) no nambara kanjo namidy amin’ny Frantsay i Madagasikara, hampidina ny farim-piainan’ny vahoaka no nolokalokana (vary 500 Ar / kapoaka, menaka 2500 Ar / litatra) ny nifanohitra amin’izay no nitranga. Lazaina fa namono sy nampijaly vahoaka ny fitondrana teo aloha, moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ny olona namoy ny ainy amin’izao fahasahiranana izao : tsy taka-bidy ny fanafody, tsy mitsaha-mitombo vidy ny PPN, sns…

Pretoria II na mialà !

Rehefa hita fa tsy tafavoaka ny firenena, rehefa hita fa tsy hay ny mitondra firenena, rehefa hita fa mijaly ny vahoaka, ny fahendrena ho azy dia ny mametra-pialana haingana na manaraka ny sori-dalana hitan’ny rehetra hivoahana amin’ny krizy dia ny fihaonana sy fikatsaham-bahaolana iarahan’ny rehetra. Misokatra hoa azy farany ny Pretoria II,  na izy handray anjara amin’io na izy miala .

11 pensées sur “Tsy ampy taona hitantana firenena akory i Andry Rajoelina”

  1. Tokony hiara-miroso amin’izay daholo daholo ary hiady amin’ity zaza tsy vory saina ity;
    Aoka izay fa ampy izay ny filalaovana koa dia anjaran-tsika jiaby no manokana fotoana iray dia iray mba hampisehoana fa AMPY IZAY.

  2. Reraka mihitsy aho aminareo be saina sy be fahalalana ireto. Marina moa !
    Tsy mba azo akarina avoavo lenta kokoa am’izay ve ny adi-hevitra e ?
    Sady tsy ny taona no mitondra ny fahamatoran’ny olona azafady. Izany ve dia mbola mila hohazavaiko eto koa ? I dadazafy izao firy taona, jereo ity ataony dia inona indray ? I Davida firy taona no nandresy an’i Goliata ? I Josefa moa tsy ilay zandriny indrindra tamin’izy 12 lahy nefa nampiaiky an’i Pharaon ? etsetra, etsetra. Toy izany i SEM Rajoelina sy le géant laitier de l’OI.

  3. Raha ny « taonany » no nentiny nitondra teto hatrizay dia zavatra roa no nety nitranga :
    1- na lasa dictateur SEM Rajoelina ka fongotra daholo izay miseho maneho hevitra rehetra
    2- na tsy naharitra telo volana teo amin’ny fitondrana izy.
    Qui n’est pas d’accord ?

  4. Ny mahagaga dia olona ampy taona be galoana be daholo ireo miaramila lalaovin’ny olona tsy ampy taona toa an-drajoelina.

  5. hoany rico
    ny jiolamboto ny frantsay no mitondra any mada dia iTGV izany olona DJ =baby boite de nuit….
    nangalariny ny bois de rose,volamena ,ny vatosoa lafo vidy…..
    ary no mpotehiny ny firenena ,dorony ,nakatony ny asa ary tsy anasa ny vahoka maro,ny vatsimpianarana ny mpianatra tsy homeny ary vono olona isanandro no miseho…..matimaty fona ny gasy izao ao ny mamonotena @ famoizampo fa tsy anasa hamelomana ny vady amanjanaka,viole zaza amambehivavy sy ny zazalahy kely…..famonona ny fianakaviany tafika legaliste ny fanagadrana manginy fotsiny sy ny tsy fisiankanina ny insecurite koa tsy lazaina intsony fa mandry adriranantsy ny gasy iray manotolo,tapaka ny fanampina avy any ivelany ary lasa mahantra mada…..tsy nisy vahoka nifidy azy fa tonga dia izy no manendry azy ho filohampirenena ary tsy ekeny firenena erany izao tontolo izao ka io no natampaka ny famatsiambola sns……
    sendra jiolahy ny gasy fa nangalariny ny volampanjakana ary nataony @ kontiny @ banky dia vola sandoka no feno miasa ao mada sns……foretina @ basy tana raha mitaky ny marina fa efa novidiny TGV sy frantsay koa ny tafika dia lasa mamono ny vahoka nefa ny asany hiaro ny vahoka sy ny tanindrazana…….
    tohizo re olona mba ho fantatriny olona any @ faritra.
    jereo ny forom my dago eh!

  6. rico ah!
    jereo ny forum my dago sy ito ny vaovao koa eh!
    http://collectif-gtt.org/
    tandremo mamaky gazety midi madagascar sy mada gate fa mpandaiga ireo efa voavidiny TGV vola ireo …..mitovy @ fozasy ny tafika ary ireo TGV sy ny forongony no manao fanjakany be sandry sns…….

  7. Ekeko ny fiteny hoe: »tsy ny taona no mitondra ny fisainana »…
    Tena marina mitsy anefa ny vôlazan’i DCR hoe: « tsy ampy saina no marina ! » e !
    Na izaho na ntsika retra mitambatra ireto no atao hoe tsisy saina démba azo leferina ihany angamba fa tena zava-doza rah ny olona mitatana firenena no tsy misaina! Indrindra fa tena miseo milay sy mavita ity retra ity !!!Na ny firenenkafa aza, tsy miaina akory eo ambany fifehzan’ity rangahy kely ity dé mahalala ka mamely ny hoe: « Sans qualité » ilery !Ka aza be drikina ho’ah fa tsy adala akory ny retra ka sanatria hiteniteny fahatany!Naharitra mihôtra lavitra ny 3 volana ny fitondrany nohon’ny fanambatambazany vola be ireo akolitany mpandrahona sy mpamono olo ! Mazava fa tena maka tahaka ilay hitler e!!!!

  8. REPUBLIQUE BANANIERE

    Admirez le professionnalisme des journalistes de TV Plus sur l’ intervention « creuse » de TGV de ce soir.Ils n’ ont pas manqué de qualifier de  » fanambarana mihezinezina iny nataon’i Prezida Andry Rajoelina iny …et wawawa et wawawa!!! »

    Tout ceci parce que TGV a annoncé qu’il ne se présenterait pas à l’ élection présidentielle.Non mais, on connait le bonhomme! TGV a signé officiellement Maputo I, Maputo II, Addis Abeba … A son retour, à Antananarivo,Il a renié sa signature ce qui lui a valu les commentaires peu amènes de Didier Ratsiraka : » … parole d’ ivrogne … »,  » … Andry dit une chose aujourd’hui et dit tout le contraire le lendemain .Ce n’ est pas un homme d’ état! »

    Même tabac avec le fameux quand TGV a déclaré  » je ne retournerai pas à Pretoria …  » On parie , TGV va accourir à « Pretoria II  » Qui dit à ces deux jeunes journalistes de TV Plus que TGV annoncera dans quelques semaines : » Araka ny fangatahan’ny vahoaka malagasy dia hilatsaka ho fidiana filoham – pirenena ny tenanay »

    Pendant plus d’ un an , on a entendu ce genre de wawawa qui ne fait plus rire aujourd’hui

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *