
Chemin Madagascar
Ny diako, ny dian’ny tolon’ny panohana ny ara-dalà na
Raha zohina akainy ny tolonon’ny vahoaka Malagasy dia hita fa ilay tsy fandraisana anjara dia efa endrika iray entina hanehoana ny tsy fankasitraha. Eo ihany koa moa ny hitsaka sy herim-pamoretena ataon’ny F.A.T. Tsy maintsy mijoro anefa isika fa ary mino fa ho avy ny fandresena. Ny mino tsy maintsy mandresy ary izay maharitra hatramin’ny farany no ho vonjena. Ity tonokalo ity dia atolotra hoan’ny mpitolona mpanohana ny ara-dalà na. Koa mahereaza ry mpiray tanindrazana fa manana ny rariny isika.
Ny tany ialako dia fahamabiana,
Tanin’ny sento sy be fahoariana
Ao manjaka ny fahadalà na
Hianga mihitsy aho fa tsy tamà naNy lalana ombako dia lalana sarotra
Nefa ekeko tsy misy adi-varotra
Ka ao ny santionany roa no hitranga
Dia ny fo te-hiliba sy toetra tsy mangaBe fahavalo ny lalako anefa
Fantatro ihany fa ataoko milefa
Isan’ireny tsy maintsy hiadina
Dia ny fahakamoana sy fahakivianaNa ho tafita aho na tsy ho tafita
Dia faly mihitsy aho rehefa mahita
Fa efa miala amin’ny toerana ambany
Maty mandroso eny, mamiko izany.NY HAVANA RAMANANTOANINA
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Mahafinaritra fa tena mankahery tokoa. Asa raha izao tany simbain’ny FAT izao no atao hoe fahambanaiana ka tsy maintsy ialana.
Tiako mihitsy ilay andalana hoe: be fahavalo ny lalako anefa…..
Mamerina ny tsianjery taloha ity tononkalo ity ary mankahery ankehitriny. Misaotra !
Misaotra @ tononkalo fa mankahery ary tsy maintsy mijoro isika rehafa tsy mankasitraka…Tsy maintsy misy ny finoana.
Ire tsy miteny tsy midika mihitsy fa hoe mankasitraka, za mahita fa tsy mankasitraka izy fa isika moa pacifique izay ka tsy maneho be loatra izany fa mimenomenona ary mimenomenona ireny olona ireny.
Aza sasatry ny mijoro isika.
tSY MISY MANAGAN-TSAINA NO TSY MISY MANANTATERAKA IZAY FETIN’NY F.A.T. Tsy fahaleovantena no misy eto fa famoretana ary baiko avy @ frantsay mpanjanaka. Raha sarotra ny diantsika dia satria nohon’ny frantsay nanosika ny foza hanao fanoganam-panjakana.
Sarotra tokoa ny lalana fa hisy vokany daholo izany, ary hihalehibe ny Malagasy aorian’ity krizy ity, ho matotra kokoa ka ahahay hifidy ireo olona hitondra azy fa tsy hanaiky fo fitahn’ireo olona miaramiasa @ mpanjanaka.
Ary fotoananykoa ziao tokony hamelezana ireo frantsay ireo.
Mbola misy ihany ve ilay fo mitempo hoan’\ny Madagasikara ? dia mbola tsy ampy antsdika foana ve izay fahoriana rehetra izay ?
Be fahavalo ny lalako anaefa fantatro ihany fa ATAOKO MILEFA.
Roso foana ny diantsika , isika tsy naman’ny mihembotra, 26 juin tsy misy FAT no ady eo.
-aoka tsy ho isika manan-tsaina nahita karazana krizy sy fanonganm-panjakana niverimberina intsony no ampianarina hiady an-trano mba azahoana fanampiana mila valiny aorian’ny krizy,efa haintsika io tetika io
-aoka tsy ianareo tangalamena sy ampanjaka ary soja be eto amin’ny firenena mba ho tandroka hiaro ny vozona ary handinika hatrany ny maha tia taninbdrazana voalohany anareo eo amin’io ANARAM-BONINAHITRA GOAVANA IMISY ANAREO IO
-aoka tsy ho lany andro hifanasa vangy intsony isika samy Malagasy fa ilay fahavalo iombonana atrehina ary ampitao AMIN’I afrika manontolo fa hitsangana isika ka tsy hanaiky intsony ny FANJANAHANA amin’ny endriny rehetra , ilazao koa i Eropa sy Azia , sy ny vazan-tany efatra, fa tonga ny fotoana fandavana,
Mahereza Ramalagasy rahalahy
Manohitra ary tena manohitra tanteraka ity famoretana, baiko avy @ frantsay ity, izahay. ny 28 jona izao dia ho havaovina hono ilay fifanarahana fiaraha-miasa mandritra ny 50 taona indray eo @ laffrantsa sy i Madagasikara. tonga dia hipoaka ny ady raha izany no tanteraka.