Ragidro mitam-basy

Ragidro mitam-basy

Higadona tsy ho ela ny 26 jona izay tokony ho fankalazana ny faha 50 taona ny fahaleovantena. Fa tena mahaleotena tokoa ve isika ? Ahoana ary no hanazavana ireny faneken’ny FAT ny maso ivoho frantsay ireny ? Ireny, sori-dalana frantsay tany Prétoria, ireny ? Ireny Antsonjobe, Bemolanga sy Barea, toa sahan’ny frantsay daholo. Ireny fampianarana novàna amin’ny teny frantsay ireny ? ireny firamainidin’ny AIR MAD nahodin-drajoelina hoa ny Paris tamin’ny heritaona ireny ? Ireny miaramila frantsay manodidina an’ingahy andry rajoelina ireny ? ireny Transall frantsay mitondra fitaovana tsy azo jerena sy hamarinina ireny ? Ireny mpanankanto vahiny handoavam-bolabe, nefa ny Malagasy maty mahantra ireny ?

Raha mandeha eny an-dalana isika dia saika fiarakodia PEUGEOT sy RENAULT no betsaka izay tranombarotra frantsay avokoa, iza amintsika no tsy mahalala ny COLAS international, AREVA, Bolloré, TOTAL. Iry voalohany mahazo ny tsena’ny fanamboaran-dalana rehetra, ny Bolloré, mpanondrana bois de rose amin’ny sambony, ny TOTAL izay nahazo an’ny Bemolanga… ny STAR Antsirabe izay mibahana tanateraka ny tsenan’ny zava-pisotro. Misy koa ireo tranonombarota mahazo tombony amin’izao FAT izao toa an’ny TELMA sy ny Injet, VIVA, Savonnerie tropicale… Izay mpiray tsikombakomba eto an-toerana.

Fahaleovantena Malagasy ve no ahazahoana’ireo karana maro, fa tsy izy rehetra akory, toerana amin’ny risoriso sy fanoganam-panjakana ?

Tsy misy ilay fahaleovantena Malagasy. Malagasy anbakaina no hita, Malagasy manao hoe “oui monsieur” ary menatra  maha Malagasy azy. Malagasy nohambaniana. Ka aiza ilay fahaleovantenay hankalazaina, zary lasy daty fe daty fotsiny izany. I Lafrantsa izao dia avy nanao fanoganam-panjakana teto Madagasikara mba ahazahoany ny governemanta hanao sonia indray iliay fifanarahana miaraka amin’ny frantsay mandritry ny 50 taona.

Tsindriana amin’ny herisetra fotsiny ny vahoaka Malagasy, ary tapenanm-bava. Hitsakitsahina ny safidiny ary ny roba sy ny halatra ary ny fialonana no atao fiainana isan’andro.

26 jona, fankalazana ny fahaleovantena, saingy fahaleovantena ao anaty fahantrana, zara raha misy 0,9% ny hari-karenam-pirenena ny tamin’ny 2010, raha -4,5% tamin’ny 2009, nefa nahatratra 7, 5% izany talohan’ny fanoganam-panjakana.

Noho izany dia aoka haneho ny tsy fankasitrahantsika izay fahaleovantena natao saribakoly izany ka TSY HANAGANTSAINA ISIKA ary TSY HANDRAY ANJARA AMIN’NY ZAVATRA REHETRA KARAKARAIN’NY F.A.T HO AMIN’io 26 JONA io.

Ny fanaovantsika izany dia mahery lavitra nohon’ny lainga hafafy ao amin’ny aino aman-jerim-pirenena sy ny basin’ny EMMOREG ary ny FIS.

ASEHOY NY TSY FANKASITRAHANAO



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

26 Comments

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Mankasitraka tanteraka izany fanetsiketsehana izany, izay efa nataon’ny namana maro samihafa eto koa, TSY MISY NY FANANGANANTSAINA na saina mainty no atsangana hoy ny sasany, ASEHOY NY TSY FANKASITRAHANA.

    Ny banky koa efa an’azy BNI CA, BMOI BNP, BFV SG. Ny karana tsy tenenina intsony fa dia mpanararaotra no betsaka izay tsy tia Merina ny ankamaroany ary an’isan’ireo mapirehatra ny adi-poko eny @ fara-tany.
    Ao ireo Merina fitaovan’ny Fratay: ry Ramaroson, ry Rajoelina sy Razakandisa, ry Edgard Razafindravahy, i DJ Kresan, i Christine (ao Justice), ry Andriamanjato izay mahay mitsaoka nefa tena nanongana hatramin’izay etc…miampy ireo avy any anindrana…108 mahery ireo mpanongana fa MILA ATAO AO KOA NY ANARAN’IREO KARANA TOA AN’I AKBARALY, na NY FRANTSAY toa n’i STEPHANE BRUNO (lehiben’i MADAUTO izay lasa RENAULT izao) izay anisan’ny tena gaigy @ fanondranana bois de rose ka tratra t@ andron-dRa8

    Ampitampitaho

  • HoAiza dit :

    Voaray ry ALTMIA an!
    [Pour une fois le DJ s'évertue dans son domaine: faire venir des artistes internationaux!!! 6 milliards pour une représentation!!!
    Merci pour les 4'mis et les sans emploi et les sans abri des cyclones et les promesses de la place du 13 Mai!!!
    Vive le DJ et LA FIESTA!!!
    Je pense que les malgaches à ces 50ans d’indépendance aimeraient voir les troupes Jeannette, les Rakoto FRA Etc …. ou Francis Turbo bénéficier de ce pactole!!!
    NON notre DJ préfère les donner aux «ETRANGERS» comme à son habitude car il sera reconnu par Kassav, Céline Dion et autres!
    Qu'il est encore loin le bout du tunnel!]

  • Manontany dit :

    Francis Turbo foza fa i Gotlieb no izy. Ireo karana dia ilay Rajabaly no tokony tsy avela hitsoaka.
    ary tena ekena ny tsy fanangan-tsaina sy ny tsy fandraisana anjara @ irey zavatra karakarain’ny FAT ireny. Hampitampitaho sy reseo lahatra ny manodidina.

  • GBD dit :

    J’espère que les légalistes de la diaspora BOYCOTTENT toutes les manifestations organisées par consulats et ambassades malgaches…
    Soyez cohérents avec vous même et ne vous laissez pas embarquer ou tenter de voir tel ou tel artiste et leur faire le plaisir de danser, de faire la fête avec eux…
    Ce serait de la complaisance….

  • Mbola dit :

    R’i TSILIVA hono hanao Concert ao Rungis !Ary hisy bal-be hono !
    Raha miara-manara-dalàna aminay ianareo r’i Tsiliva, ajanony ny concert na ahemory, fa raha tsy izany dia heverinay fa FOZA,ka ho hitanay ny mety ho atao!

  • Mbola dit :

    Heveriko fa tokony hisy SAINA MAINTY mitsangana eo anoloan’ny Ambassade ao Paris ny 26 Jiona.
    Sa iara manao angaredona eny isika mianakavy? MIARAKA amin’ny saina mainty ?!!!

  • zava-misy dit :

    Mankasitraka izahay, tsy hisy saina atsangana !

  • fitolomana dit :

    Dia io izany no efa hifanarahana é. Tsy manangantsaina (ny foza no manangana), manao tee shirt ra8, manangana saina mainty koa azo atao ho fampisehoana ny fisaonana.
    Tsy maintsy mandresy isika

  • Lazalazao dit :

    Marihiko eto fa raha tsy mangatsaina isika dia mety fa TSY ampy. TSY MANDRAY ANJARA MIHITSY @ IREO ZAVATRA KARAKARAIN’NY F.A.T koa.Aleo ho hitan’ny havany eo.

  • Ralezoka dit :

    MASINA NY TANINDRAZANA.

    AN’NY MALAGASY I MADAGASIKARA .

  • Milel dit :

    Eo ny tranonareo legaliste sy ny momban’i Rav8, fa ny gasy izay kanosa lahy sy vavy, ka mitazona ny fahanginana sy ny fitazanana fotsiny tsy ho hitanareo amin’izany. Hitohy hatrany @ 100 taona anie ny colonialisation ataon’ny frantsay. Aleon’ny gasy miaritra ny fangirifiriana toy izay ho fatifaty foana. Fa inona ny fivavahana fa tsy ny fatahorana ny ho faty?

  • LUCAS dit :

    dia averina koa ilay fisondrotana 10% karama teo ;dia pihina ny tele raha mandeha ny baolina;raha mandevina dia tsy asiana saina ny fiara mpitondra azy;mampme be!efa tara loatra ilay baiko fa mirantiranty daholo ny saina eran,ny fokontany izao;dia tsy manao fanadinana,tsy mandeha @arabe vitan,ny faty ;lava ilay lisitra

  • Lazalazao dit :

    LUCAS, novainao ilay teny tsy izany velively, hanao fety ny legaliste, ary hanangatsaina FA fety samy legaliste na any @ fianakaviana fa tsy ireny karakarain’ny FAT ireny ary hanangatsaina izahay ao @ MAGRO fa tsy ety ivelany. Ary raha misy fandevenana sns.. ka mila saina dia atao ihany koa, tsy mpandray an-tendrony araka ny hevitrao ny legaliste, fa ny fanagan-tsaina hoan’ny fahaleovatena voahitsaka no tsy atao.

  • LUCAS dit :

    merci ‘lazalazao’;ka diso izany ny hevitro fa misaotra;tia tanindrazana daholo kay fa kivy aho ary somary tezitra raha tsy hanangana sy hanao fety ;samy manao ny mety aminy fa tsy voatery hitovy zany ;boni sansa jiaby;lojika koa anie zany e!

  • Freddy dit :

    Tsara dia tsara ny samy manana ny fisainany, anefa rehefa mahatsapa ianao fa ao anatin’ny Fangirifiriana ny Malagasy mitovy aminao, dia mbola hidohika handeha irery ihany ve ianao ?
    Raha mahatsapa marina ianao fa mijaly ny vahoaka, dia miaraka amin’ny Mpitolona hanafahana ny vahoaka.
    Tsy misy fanerena izany fa fisainana kely fotsiny no angatahina aminao hoe : MIRAY HINA hiadiana amin’ny Didy jadona !

  • Rafily dit :

    Aza hadino fa fiverenana amin’ny fahaleovantena no resahina fa tsy fahazahoana azy tsy akory.
    Samia maneho izany araka ny fijerintsika azy isika fa ny tanjona dia ny fampafantarana fa tsy mahatsiaro mahaleotena izany isika mianakavy.
    Manetana ihany koa handin-tena, sy hamantatra tsara ny zava-misy. Aza hadino fa ny vokatr’izao olana izao anie ka tsy hipoitra raha tsy afaka taona maro e! Diniho ireo olana politika efa nitranga teto, dia ho fantatrao ny mety ho vokadratsin’ity fitondrana hafahafa ity.

  • ramily be dit :

    minoa fotsiny ihany e!!!!!!!!!!!

  • Mahita dit :

    Bjr,Dia tongava ary en @Ambassade hanankorontana raha te ho voasambotsambotra fahatany indray é!!mbola tsy fay ihany?, ny fetim-pirenena ry tsamy dia fety a!!!tsy anareo na anay ihany fa andRamalagasy OK!!! tsy misy ampitahorinareo vitsy an’isa akory é! fa dia bonne fete na izany aza.

  • Tsy Lainga dit :

    EKENA DAHOLO : TSY MISY MANANAGANA SAINA AFA TSY NY FOUZA ARY TSY MANATRIKA IZAY FETY NY FOUZA TSY HINANAN-KANINA.

  • ramily be dit :

    adala reto zanaky dada reto hoa!! zahay anao harendrian foana fa tsy blem an’ny laisany zany tongava manakorotana eny ambassade marina raha toa ka mazoto fa raha tsy en regle kosa ny paps dia omany ny entana fa charter efa miandry e!

  • Papaio dit :

    Talohan’izao fanonganam – panjakana izao dia tsy mila hentanina ny malagasy dia manangana saina. Fa maninona ange ny fitondrana FAT no tena sahirana manazava ny olona hoe atsangano ny saina ê ?
    Izaho manokana aloha dia tsy hitako izay antony hanaovana an’izany na dia 50 taona aza ny repoblika malagasy. Misaona aho satria maty ny fireneko amin’izao fotoana. Maty satria very asa ny rahalahiko sy anabaviko malagasy !! Voaroba ny jiolahy ny harem – pirenena isan – karazany…Ahoana moa aho no hi fety nefa maro ny olona voatery nandao tsy fidiny ny asany…
    MAHANTRA NY FIRENEKO NOHO NY TSY MATAHO TODY !!!

  • rakotobe dit :

    Ny tena mety dia izao. Tsy misy mivoaka ny trano ny 25 sy 26 Jona. Mihidy antrano daholo ho fanoherena. Izay mivoaboaka manao arendrina sy mijery afomanga sy mijery dia mpanohariana avokoa.
    ALEO MISAONA MIHIDY ANTRANO DAHOLO 2 ANDRO. Zany a.

  • 26 juin dit :

    rakotobe..aiza kosa e.. fety TSY MIARAKA @ FAT dia ampy, ary tsy managan-tsaina

  • Malagasy tanteraka dit :

    Miredirede daholo ô ! Ny 26 Jona anay Malagasy aty Dago fa tsy anniversairen’i Andry Rajoelina na Marc Ravalomanana. Mijanona very faty any Andafy ny vazaha taratasy. Aleho izahay mahantra aty an-tanindrazana toa izay mi-clandy toa anareo be lazao. Iza no miteny anareo fa mijaly koa izahay e ? Ianareo ihany no mampijaly tena ho an’olona tokana tsy hahavita ny taranakereo. Misy fetra ny zava-drehetra. Izahay hifety satria 50 taona izany, ndray mandeha amin’ny fiainana.
    Malagasy Tanteraka

  • Manontany dit :

    Malagasy tanteraka, tsy mijaly ve ny vahoaka Malagasy ? dia inona fotsiny ireny miaramila be dia be eny an-dalana ireny. Raha , mbola tsara vitana ka manana asa ianao, naharay karama ve @ ity volana jona ity ? dia ahona ireny gadra politika maro be ireny ? dia ahoana ireny radio sy tele manao lakolosy tokana ireny ? ahoana ireny olona very asa be dia be ireny ? Hanao fety ve ? Misy vola angamba ianareo ka tsy misy olana izany. Izahay aloha tsy hanagatsaiana ary tsy hijery Kassav e

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site