Bois de rose, Rajoelina no tompon’antoka ?

Nampaneno lakolosy daholo ny olom-pirenena rehetra ny amin’ity afera maizina hataon’ny FAT momba ny bois de rose ity. « Miantso an’i Andry Rajoelina hilaza ny marina mahakasika ilay bolabola tratra tatsy Comore iny aho » hoy Pr Zafy Albert. Nanamafy ihany koa ny solon-tenan’ny AMPANJAKA, Atoa Zakariasy fa tsy azo ekena ny fangalarana ity harem-pirenena ity. Nanamafy ny fisian’nny halatra ihany koa ny tompon’andraikitra iray tany Toamasina, porofo iray mitohoka amin’ny tendany ireo. Inty fanadihadiana an-tsary ity no hahitanao ny andinindiny.
.

Enquete bois de rose
Enquete bois de rose
Enquete bois de rose
Enquete bois de rose
Enquete bois de rose
Enquete bois de rose

6 réflexions sur « Bois de rose, Rajoelina no tompon’antoka ? »

  1. Enfin, nous y voila !. Nous finirons par savoirqui etait aux commandes du Putsch, eet d’où vient le TGV !
    L’absence remarquée de Didier Ratsiraka dans les manifestations des 3 Mouvances s’expliquent par la tournure que prend l’Enquete sur l’exploitation illicite de tonnes de bois de rose.
    Je vous renvoie sur le lien ici, qui cache a demi mot le nom de ce « grand absent » qu’est Didier RATSIRAKA :
    _http://info-premier.blog4ever.com/blog/index-414508.html
    Les Tangalamena ne sont pas des gens qui se laissent influencer par n’importe qui, et probablement le seul qui pouvait obtenir des autorisations de la part de Tangalamen influencés ne peut etre que RATSIRAKA, puisque Zafy (qui aurait pu l’etre) ne denoncerait pas autant les dires des Tangalamena.
    Madagascar-Tribune de ce jour relate le meme sujet.
    Bref, l’on imagine aisement des lors avec ces articles, que l’origine du Putsch, pourrait etre connu actuellement !
    J’insiste sur l’absence de Ratsiraka dans toutes les demarches des Mouvances, visant à critiquer la HAT.
    Sait on actuellement, où se trouve Ratsiraka ?
    A chacun(e) de tirer une conclusion, par rapport à ce que je SUPPOSE !

  2. Iaraha-mahalala fa i Rajoelina no raiamamdrenin’io fanodikodonana « bois de rose « io ka inona indray moa no heverinareo fa ho lazainy? hanenjik’olona fotsiny na olona-kafa indray no ho lazainy fa nanao an’io…. OLona efa very fahendrena io ka ny lainga sy fitaka sisa ary ny fampamtahorana amin’ny alalan’ny herisetra sy basy no hasetriny. Efa tapitra ny andron/io lehilahy feno henatra sy mpamita-bahoaka io ka dia avelao ho avy ny farany fa any ambany rangolahy no mendrika azy ary hirodan ity fitondrana tsy mitondra hafa tsy fahantrana sy fangalarana ary fandrebirebena vahoaka fotsiny. Rehefa tsy ny rehetra no mitondra ity tetezamita ity dia tsy makaiza io fa mandany andro fotsiny…. Ny tena fahendreny dia miala, ary miala tsy misy atakandro.

  3. Arahabaina fa nahazo Ampanjaka vaovao indray ny repoblika malagasy…
    Ny resaka bois de rose indray, tsy manahy io. Tsy fahafirin’ny zanaka efa namidy tamin’ny vazaha io!

  4. Misy olona sasany manamaivana izao zavatra mitranga amin’ity firenena ity izao.Mahita maminy sy tombosoa angamba ry zareo.Ny mahalasa fisainana sady mahatalanjona dia ny lokaloka sy ny teny natao teo amin’ny vahoaka ireny ve dia tsy ho sarohana intsony RAHA TONGA EO AMIN5NY FAHZFANA.Inona marina ny maha olona raha ny teny naloakan’ny vava tsy hasiana hasiny.Mbola inona ary ny zavatra azo hantenaina amin’ny fitondrana TETEZAMITATRA ity?Io ALATRA ny haren’i Madagasikatra ho tombosoany samy irery sy ny fianakaviana ary ekipa no mbola tohizana fa izany no nataon’ny olona teo alohany,nahatonga azy anisany mpanefoefo eran-tany.Nefa nihozona teo anatrehan’ny olona tamin’ny kianjan’ny 13 mai sy ny zanahary i Andry Nirina Rajoelina fa hanova ny zavatra tsy nety nataon’ny olona teo alohany.
    Izahay aloha dia tsy mihevitra an’i Andry Nirina Rajoelina ho ray amndren’ny malagasy izany velively.
    Maro ny antony mahatonga izany.Tsy misy ray amandreny manolotra vato mafana ho an’ny zanany.
    Ny accods de Maputo sy ny Addis Abeba ireny anie ka accords internationaux ary mbola misy koa ny charta de valeur sady samy nanao sonia na ireo vavolombelona aza,ka mbola inona koa no azo hitokisana amin’ny olona tahaka izany.
    Ny mahagaga anay koa dia ny nambaran’ny ambassadeur frantsay tamin’ny 14 juillet lasa teo iny; hoe miombo-kevitra amin’ny organismes internationaux hono ny frantsay,nefa izy manakian’ny 3 mouvances mifikitra amin’ny accords de Maputo.Io accords io anie ka niarahana tamin’ny organismes internationaux no namolavola azy, ary efa vita sonia.Izany hoe accords internationaux.
    Raha hanao fifanarahana vaovao ary isika, inona ny antoka fa ho harain’i Andry Nirina Rajoelina io fifanarahana io raha vita sonia? MARO LOATRA IZAY ZAVATRA NOTENENIN’iAndry Nirina Rajoelina izay ne tsy misy tanterany na IRAY.Tsy MAHATOKY IO OLONA IO IZAHAY.

  5. Ireo miaramilan’ny TGV mafy be sy mahira-tsaina tahaka ny Sarla, Lilisonina, kolonely Risara ravalomanana ireo ve dia tsy hahavita hisakana izay mangalatra ireo bois de rose ireo, saingy iry zalahy ihany no mangalatra an’io bois de rose io ary ra-TGV Rajoelina no sefo debandy. Ny Profesora Raymond Ranjeva dia tsy nisorona mihitsy nanambara hoe « Fitondrana jiolahimboto io fitondrana io » ary izany tokoa no tena izy.

  6. asaivo milahatra kely etsy amin’ny 13 mai ireo légaliste dia ho hitanao izany fahaizan’ny mpitambasy mihazakazaka manenjika izany ! ary tena service rapide tsy fahitanao no hitanao !

    fa ilay bois de rose ity service hafa mihitsy ! sady tsy rapide no miodinkodina mbola misy tonga any sambaina fa tsy nivoaka ! kanefa lamasinina tgv no mitondra azy !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *