Le grand bluff

Le grand bluff

Hiteniteny foana indray !

Hiteny indray, hono, Zandry kely amin’ny Alahady, any amin’ny renivohitry Boina no hanaovana izany. Inoana fa tsy dia misy zava-dehibe ambarana eo fa dia toy ny mahazavatra hatrany. Impiry nikabary moa izy fa tsy nisy vokany teo amin’ny firenena izany ?

Raha hanao tamberina kely ny tantara isika. Ny volana Aprily 2009 no nikarakara izany « assises nationales » izany i Zandry kely, niaraha-nahita fa nandamoaka izany. Nandeha indray ny dinika natao tao Ambohitsirohitra niantsoana ireo mpizaika « eran’ny Madagasikara », hono, ary dia namoaka fehin-kevitra hoe : « tsy azo sarahana ny mpirahalahy tandem Monja Roindefo sy i Andry Rajoelina ». Nandeha ny volana, nisy indray izany « dialogue nationale » izay nilaza fa ny antenimieran-dalam-panorenana no hofidiana voalohany. Nandeha indray eo ny « assise des jeunes » namoahana fa afaka milatsaka ho fidiana filoham-pirenena ny zaza 35 taona. Nisy indray ireny teny Ivato « teny Ifampierana » ireny. Milaza miara-mahita raha hiteny hoe : « volam-panjakana » fotsiny no very tamin’ireny, ny antony dia « unilateralisme » na hevitr’olon-tokana foana no nitondrana sy namolavolana ireny ka « tsy namokatra » hatrany.

« Dinika fatratra »

Fatratra ilay tsy fahombiazan’ny dinika hatramin’izany, dia izao hanao izany « dinika santatra » izany indray , hono, ry zandry kely.
Na ilay anarana aza dia efa tsy mety. SANTATRA amin’ny ahoana ? Ireo efa notanisaina teo aloha ireo angaha tsy mitovy amin’ity ihany ? Ny olona mpikarakara fotsiny no mody niova fa ny « mpibaiko » sy ny « mpamolavola » dia i Andry Rajoelina ihany. « Saribakoly » daholo ireo mpikarakara sy miseho ho raiamandreny mijoro ireo.
Dinika efa fantatra mialoha no hivoaka ao .Ny marimarina kokoa dia efa novolavolaina mialoha ny fehin-kevitra hivoaka eo, toy ny mahazatra e!

Dinika politika no ilaina !

Olana Politika no misy eto noho izany, vahaolana politika no hamahana azy. Raha ny fantatra dia olona hotendren’ny manampahefana foibe no hisolon-tena ny faritra. Azo inoana araka izany fa dia ho « mpanangan-tanana » fotsiny ireo mpizaika eo.
Ankoatra ireo, tsy misy ny mangarahara, ny « neutralité » ao amin’io dinika fantatra mialoha io. Na ho vita eo aza io « tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena andrasana eo ».
Raha 7 milliara no holaniana amin’io dinika io, tsy aleo ve hanaovana asa sosialy hoan’ny vahoaka ? Mahavita hitsaboana ny zaza Malagasy « telo hetsy be » izao, na hahafahana mampiditra mpianatra, zanaka Malagasy mahantra 7.000 ihany koa ?

Farany, tokony handray lesona lehibe tamin’ny « mondiale » ireny i Zandry kely, rehefa tsy mahomby dia mametram-pialana, izay no fahendrena tsara indrindra.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Hanao sonia i Rajoelina ?
  2. Inona no tsiambarantelon’ny FIGN sy ny FAT?
  3. Lasa i Ping ! Hanao ping pong eto isika ?
  4. Ny sonia sy ny sahona !
  5. Rajoelina, vita ny fety, miverina ny krizy !

15 Comments

  • HERY dit :

    ray amandreny mijoro ekena, fa zara ra mijoro,ny tongony mibiloka ? ny vavany savony ? ny masony gila?ray amandreny mitanila tsy misy zavatra mitombona no lazaindreo e!raha ray amandreny ianareo dia asaivo mamatrampialana i rajoelina fa nanangampjakana ra tsy sahy miteny anizany ianareo dia zokymbomaga fotsiny eeeeeeeeee

  • Ranaivo dit :

    « Dinika santatra » ? Fantatra mialoha fa tsy hitondra vahaolana, tsy misy afa tamin’ny Assises nationales, conférences régionales, Teny ifampierana izay, raha ny tena marina, « teny midina ». Fa izao : atao ihany satria TSY NY VOLA LANINA SY ARIARIAM-POTSINY NO TSY MISY ETO MADAGASIKARA ! De izao koa, misy Consultants ange ao ambadika e, tahaka an’i Mme Blanche tamin’ny fotoan’androny, ry Velompanahy Aristide sy ireo namany ankehitriny (José Rakotomavo, André Rasolo, …)izay mikirakira volam-bahoaka amina milliards maro amin’ireo consultation fôple ataon’izy ireo, nefa tsy misy mahalala hoe ahoana ny fandehan’ny kaonty ! Gaga ve atsika raha alefa foana na tsy ho any aza ny fandehany ????

  • Ziry Onésime dit :

    Io foana ilay ilazaka hoe mihodinkodina, mandroso mihemotra, miankavia miankavanana ireo foza orana ireo, fa ny eo ihany no eo.
    Dia mihevitra ny olona ho dondrom-belona tahaka azy angamba ireo mpomba ny FATn’alika ireo?… Dia mba jereo ry Pasteur RAMINO Paul, mba miseho ho Ray Aman-dreny hono…. Maninona moa Pasteur RAMINO Paul, raha tena Pasteur marina ianao, no tsy SAHY MIDRIKINA ALOHA HOE AVOAHAY IREO HMF NOGADRAINA SY NOHENJEHINA IZAY VAO MIFAMPIDINIKA?
    Raha tena ray aman-dreny aman-panahy marina ianao, dia miangavy anao aloha izahay handidy an’ireo FATn’alika ireo hamoaka ny olon’ny fahamarinana any am-ponja vao sahy mitonona ho Ray aman-dreny Mijoro!… Raha tsy izany dia mialà eo fa tsy misy ilàna anao akory sy ireo Pasteur sandoka manodidina anao!.. Mpitsara ivelan-tsihy fotsiny!

  • kristelle dit :

    i dada mbola honohono no mba hahitana an’i Merikasinina

  • Ziry Onésime dit :

    He!He!He!He!He!… Kristelle, tsy misy tenenina ve r’ise ka lasa manao hors-sujet a!…. NNNNNNtttttsssssoôôôôôô!!!!!!!!!

  • ELAS dit :

    zavatra 2 dia 2 no hangatahana :
    - rehefa handray fitenenana lekely dia asiana détecteur de mensonges ( aiza no ahitana anio ?)
    - tsy mila mikabary akory lekely fa tonga sy vonona fotsiny hametrahan’olona vitsivitsy, voafantina mialoha, izay fanontaniana manitikitika ny tsirairay isan’andro.
    Masahy ve lekely sa tsia ?
    Io indray mantsy ilay kabary nokolokoloana tao hatramin’ny 27 jiona raha vao vita ny fety satria mba te hampiseho fa miasa boy kely. 1 volana izany nitady izay ho lazaina sy nanao entrainement mijery fitaratra na enregistrement video.

  • Babyfoot dit :

    Ndry ! tonga Kristelle !
    Zà efa nitaintaina be hoe sao dia isan’ireo autos nodoran’olona tany Grenoble ny an’i Krisy ka izany no tsy nahafahany nody. Tsy nahita tory mihintsy zà hatramin’ny zomà, andro niatombohan’ny émeutes satria nifanontona tamin’io rotaka io ny absence n’ i Krisy teto @ forum.
    Tonga soa ary e ! Soa fa tsy naninona ny ain’i sé !

  • Lesabotsy dit :

    Dinika Fantatra no hatao manerana ny district 119 eto Madagasikara.Izao no hambaranay,ny antony mahatonga ny crise eto io dia nohon’ny fisian’ny olana nisy teo aloha tsy voavaha.Ianareo Ray amandrzny mijoro io,tsy hita taratra aminareo izany ray amandrenin’ny malagasy, fa Ray amandren’ny faritra iray fotsiny ianareo,ary nanangatena.Noho izany ny fijoroanareo io dia famafazana na fambolena crise vaovao. Mba manana ray amndreny koa anie izahay aty amin’ny faritra fa tsy ny olona mipetraka ao amin’ny renivohitra ihany no ray amndreny.Tsy nisy teny nifampierana ny fijoroanareo io, fa mbola manamafy ny unilateralisme izao fihetsika izao.
    Mikasika ny dinika hatao any amin’ny district,tsy hilaina intsony ny fanaovana Dialogue Nationale izany.Satria ny zavatra nodinihina tany amin’ny District ihany anie no hatao amin’ny nationaly.
    Efa misy zavatra efa vita ao ka mody hanafenana zavatra foana ny dinika aty amin’ny District.
    Eo anivon’ny region no tokony handravonana ny dinika natao tany amin’ny district,fa tsy ho entina akarina aty Antananarivo intsony.

  • farpait dit :

    henoy zany ry hazondamosiko an !
    Tsy misy mirara zay tsy mahafampo anao avy any ry lesabotsy a !
    REfa tsy faly de mibontsina ary manongana raha mafy !
    zay no izy eo !!

    Dinidinika @ ahoana ndray ary ? district ee commune ee , nationaly ee ,…..
    Dinidinika ny fomba fangalarana ve sa hoe ahoana ?

  • Ralezka dit :

    Efa Olon-dehibe nifanaiky, nanao sonia teo anatrehan’izao tontolo izao ny hanatontosa ny :
     » Fifanaràhana tany Maputo sy ny tòvana tany
    Addis-Abeba » mba hanangànana firenena vanona ,misy vahoaka miaina ao anatin’ny fila minana no tapaka tamin’ny 6 Aogositra 2009, nefa dia inona indray ity  » Ray aman-dReny mijoro « ity ? Mijoro hitory atsanga ve ? Efa ho lava ! Ampy izay, mijaly ny vahoaka .Madilo ny sofiny .
    Avohay ireo voafonja vokatry ny heri-setra sy ny tsy rariny ary « aza mandihy tsy afa-tavòny  » satria mbola lavitra ny ezaka ê!

  • bako dit :

    rESAKA HEHY fotsiny RAYA amnadreny mijoro hono ty ramino paul pasitera nefa nanaohana an’i tgvorika teny mahamasina ,mipetraha tsara rangahy fa tsy nisy nifidy nao ho RAY amandreny ange teo é!inao sy tgvendrana samy manadra-tena ny iray ho prezida ny iray ho Ray amandreny fa tsisy MPANONTANY ,hitampoko sy firenena enao teny MAHAMASINA pasitera nefa miaraka @mpanogam-panjakana noho ny fitiavan-tena sy seza ihnay ,hatrany hatrany!!!

  • HoAiza dit :

    Bla bla bla théorie be ny franctay, ko tsy ampidi-doza ny pratique nef ny boulots aza manque betsak!
    - fitadiavana fotoana mbola ahafahana migalabona ao anaty 3V
    - propagande
    - fanomanana ny hala-bato ho amin’ny éléctions ho avy daholo ny pasin’ity HAT.

    Fony zao teny ambony taxi be io ariva io,
    oln ray no ni-koz hoe mandefitra be lay soferanay fa omeny lalana daholo ny manints misongon eo aloany…
    lasa lavitra ny resak fa saiky nandray anjara daholo ny rehetr…
    ==> TSY MATY AO AM-PON’NY OLON-TSOTRA NY RATSY REHETRA NAPETRAKAO ARY MBOLA HAPETRAKAO RY TGV: leo Frantaifric ny eto, ny harem-pirenena bois de rose taperintenisany, ireo vahiny mitrandraka etsy sy eroa nef ny malagasy iray rà atao sorona ny asa fidiram-bolany…
    * AVOHAY NY GADRA POLITIKA
    * AIZA NY TRANSITION sans « H »
    * à quand le retour à l’ordre constitutionel?

  • Lesabotsy dit :

    Inona marina ny dikan’ny teny hoe retourr à l’ordre constitutionnel amin’ny fotoana misy antsika eto Madagasikara izao?

  • zavahiny dit :

    aza mbola kianina aloha zay mitranga fa aleo hohita fa tsy hita intsony ze aleha ity fa tafalatsaka ny firenena sao de mba mitondra fisainana na mety hahatafavoka zavatra ihany.Mino aho fa isika samy gasy ihany nohahatafavoaka zavatra fa minoa fontsiny ihany.wait and see

  • GBD dit :

    Lesabotsy
    pour le comprendre le sens de l’ordre constitutionnel,
    et par inférence
    le besoin de « RETOUR A L’ORDRE CONSTITUTIONNEL » ,
    il faut suivre et comprendre :
    => tous les faits socio-politiques mondiaux
    => donc former solidement sa culture politique, économique , juridique
    => tu verras que ce qui se passe à Madagascar n’a rien de spécial , rien de particulier .
    Le pouvoir est confisqué par un GOUVERNEMENT ILLEGITIME , condamné par la communauté internationale.
    La HAT n’a de légitime
    *que le droit de cuissage du lieutenant dissident de l’armée régulière :
    **SARLA BE SUR RAJOELINA

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Vos idées et arguments sont valables.
  • Utilisez avec modération les majuscules pour vos mots entiers. Vous n'en serez que mieux lu(e) et compris(e).
  • Les insultes et grossièretés sont les moyens de ceux qui ne trouvent plus de mots cartésiens et raisonnables.

Next Post
»