Eritreritra, nofy, embona

Lever de Soleil
Lever de Soleil

HO AN’NY MALAGASY ERAN-TANY IZAY TIA SY MANAHY NY HO AVIN’NY MADAGASIKARA ! ERITRERITRA, NOFY, EMBONA, TSIARO..!

Eritreritra tsy hay fehezina no lasa any ho any,
Mikarenjy, mamakivaky ny habakabaka,
Mandinika sy maka ambony maka ambany,
Ny fiainam-pirenena izay nosimbana sy nalana baraka.
Tsy nisy fanajana ny voninahitr’ireo olona nisasatra
Namapandroso, niasa, tsy nahalala andro, tsy nisy alina
Natao ho fotoam-piatoana, fa nilofo sy nikoly fatratra
Ny asa-piompiana sy ny voly maro izay noheverina
Fa hitondra ireo karazan-kanina hampiverina
Ny hery sy ny tanjaka nolaniana tamin’ny fiarovana sy fiandrianam-pirenena.
Ary hampitombo ny herimpo, ny heri-tsaina izay any harena
Tsy ho hain’ny mpandroba halaina an-keriny ary tsy hisy mihintsy fifanekena
Entina hanerena antsika Malagasy hanakalo na hanolo ny fananantsika dia ny FAHENDRENA !
Sakasakana, sy kajy maro notefena haminganana sy vosotry ny Firenena
Tsy nisy vokany ireny…
Ny vosotra, tsy taitra, tsy rototra misalo jaky mena
Dia mandroso vonona ny hiatrika ny ady aminireo mpangalatra
Ireo harem-pirenena izay ho an’ny fandrosoantsika no fototra sy santatra !
Ry Eritreritro ô miverena !
Tsara ny tsiaron’ny omaly fa ny
Ampitso koa ilaina ho banjinina sy ho dinihina ny vinavinan’izay ilaina hahasoa
Ary koa hizahana ireo tetika sy fomba hanatsrana ny lafim-piainana rehetra
Mba hiarahantsika miaraka mitady ny lalan-tsaran’ny fanavaozana tsy voa fetra.
Ny firaha-monina milamina, izay baikon’ny teny ifampierana sy ny fifanajana.
Ny ankizy hihaino ny zoky, ny lehibe hampianatra sy hanoro ny mpiara-monina sy mpiray tanàna !
Ireo mpianatra tsy an-tsekoly tokony havory mba tsy ho very andro foana
Hampianarana zavatra hafa noho ny abidy sy roa ampiana roa, sa ahoana ?
Asehoy azy ireo nahoana ny masoandro no mahasolo fata-pera
Ary koa ho jereny akaiky ny rano mikoriana no lasa hery mampandeha ny télé sy ny aoridinatera !
Tsy nofy izany na vinany… fa zava-misy tena ilaina, nefa tsy mila diplaoma ny fianarana azy ireny
Koa ny mpampianatra fizika, ry enjeniera sy ianareo teknisianina,
Ampianaro, atoroy ireo mpianatra tsy an-kilasy mba tsy hivarina,
Ka hamerina, rahoviana, ny fianarana lafo tsy ho voalohan’ny ray sy reny..!
Ianareo no hangatahina mba hanentsina ny lavaka izay mety hitelina azy ireny !
Eny, hoy ny Ntaolo, izay tsy mahay satro-bory mahay fatam-bary.
Izany hoe : « Amin’izao fotoan-tsarotra, mifanankalo ireo fahaizana nomen-Janahary ! »
Mifanampia isika mba ho tsy telomin’ny tsy fisiana, na ho harendriky ny fahantrana
Manan-kery lehibe isika dia ny fihavanana, koa aoka ifanampy :
« Valala iray ifanapahana !! Izany re ny feon’embona halefako ho anareo… embona tsy tana fa mibohika ao am-po…
Ary lasa nanidina, namakivaky ny habakabaka mitondra
Veloma ho anareo rehetra izay tohavina tokoa !

19 pensées sur “Eritreritra, nofy, embona”

  1. « …la direction de la communication de la présidence fait état d’une perquisition révélatrice d’une cache de bois de rose, menée dans les locaux de la Société Tiko à Sambaine Manjakandriana . A la lecture du communiqué, après 6 heures de fouilles , il aurait été trouvé : Bois de rose travaillés : 165 unités, Bois de rose non travaillés : 155 unités, une Statue d’un Empereur japonais en bois de rose, pesant près de 200kg, Portes cadres en bois de rose : 120 pièces, Porte en bois de rose, pesant près de 50kg, Grande glace en cadre de bois précieux : 1 unit, Cadres en bois de rose traités : 58 unités. Le communiqué parle par ailleurs d’autres unités de bois de rose qui seraient immergés dans un étang. Une équipe de plongeurs est diligentée pour des recherches » (SOBIKA)
    pauvre laitier! ses trésors caches viennent d’être découverts par la H.A.T, alors les zanak’i dada, qui fait du trafic de bois de rose maintenant?…houhouhouhouhouhooouuuuu….
    l’Etat Malagasy vient de trouver un trésor pour relancer son économie…hihihihihihiiii….

  2. Ny haizina dia maizina be alohany ahatongavany ny mazava. Mbola hisandratra ny masoandro ary ho tonga ny mazava .

    Tsy efa vaosava ve tany Sambaina tany ary efa vaolaza efa ela io vaovao tsy vaovao io ry sadika a, volana maro lasa izay? mahagaga dia mahagaga raha izao vao hitany fat izany bois de rose izany hihi olona tsy mandalo katsamaina ireo, dia izao ve vao nahita comme par hasard, arena be tahaka izany ? à d’autres !

  3. Hay tokony atao poety ny sasany amin’ireto zanak’i dada ireto fa tia manonofy atoandro sy mandefa eritreritra sisa.Hafa tokoa ny nofy ary hafa ny zavatra iainana an-davanandro.Hitako no tsy mahavita zavatra ankoatra ny mitaraina sy miantso vonjeo.

  4. Que l’enquête se fasse s’agissant d’affaire de droit commun,
    ==> mais surtout pes à sens unique ,
    ==> ni de manière SELECTIVE !

  5. Mampihetsipo lay vetsovetso saingy mety ho nampidobodoboka kokoa raha nanana endrika tononkalo izy io. Koa raha misy mana-talenta, ovay ho tononkaly ireo lahatsoratra ireo, tsy ovaina ny akory ny votoatiny.

  6. –> pour sadic: C’est la même scénario qu’on a trouvé a Ambohitsorohitra: Osy, Ody, etc… Apporté par les militaires des CAPSAT… En, fait le même cinéma mal conçu réalisé par la HAT (7 février etc…)

  7. Pour sadic !!!!
    C’est la méthode de voyous, « tout est fait pour salir les personnes qui gênent ».
    C’est l’arme des faibles d’esprit.
    ne soyez pas naïf car beaucoup de malgaches ne le sont pas.
    Vivement Madagasikara propre et nettoyé de tous ces mauvais esprits.

  8. Shhhhhh!
    A chaque fois, votre commentaire est trop bébé, je suppose que vous êtes adulte ????? sans être majeur mais juste un âge mental suffisant pour lire, comprendre, analyser et réagir.
    Ce n’est pas du mépris mais un constat

  9. Zà aloha dia mihombi-kevitra lalandava amin’ny voalazan’i Mydago !!!
    mafonja sy feno fahendrena hotsakotsakona isan’andro eto.
    Ary tsy mbola diso fanantenana aho teto sady misy isan’andro, tsara mihitsy ity site ity.
    Dia misaotra betsaka anareo mpanoratra dia mirary soa indrindra mba ho lava velona fa mila olona ohatra anareo ny firenena.

  10. Ha oui?
    la direction de la communication d’un gouvernement putschiste ???
    le monde y croira ,
    BEN VOYONS !
    Les gens civilisées connaissent l’HISTOIRE ,
    ab mutando, mutandis…

  11. Les trois mots évoqués dans le titre de cet article sont à classer dans le domaine du rêve.Le rêve est propre à la nature humaine mais les animaux rêvent également quand ils dorment.On ne peut pas empêcher qui que ce soit de rêver.Il est même indispensable au fonctionnement du cerveau.C’est le rêve psycho-somatique.Par ailleurs,il y a le rêve qui est l’expression de nos sentiments(rêver une belle voiture).En outre,il y a le rêve prémonitoire et enfin il y a le rêve qui nous permet d’avoir une meilleure vision des choses:la réminiscence.Ne dit-on pas:la nuit porte conseil?Par conséquent,ceux qui rêvent ne sont pas toujours dans l’illusion mais pourraient bien être dans la certitude.Alors,continuons de rêver.

  12. Bemafohy..Merci pour vos définitions du..rêve !

    J’ajoute que le rêve ,les yeux ouverts , est le moteur de notre vie !
    Nous voyons ou Nous mettons bien en vue le plan et souvent avec multiples détails les caractères de rêve..réel !

    Ceux qui ont planifié le voyage sur la lune ont certainement été inspiré par les poètes..et se sont dits : »Pouquoi pas ? » et ont expérimenté les lancements à la main d’abord des petits avions en papier..
    Ces jeux de lancement ont posé déjà les critères de lancement d’engins dans l’espace :
    -l’engin à lancer : c’est le petit avion de papier que Nous avons Tous fabriqués
    -le lanceur :notre bras (gauche ou droit )
    -la force : celle de notre bras..).

    Et les Pays qui ont lancé les premiers engins dans l’espace ont suivi ceprocessus :
    -le rêve
    -l’expérimentation
    -la réalisation..

    Dans mon texte ,J’AI REVE LES YEUX OUVERTS..MES TEXTES D’AVANT ONT LANCE DES IDEES INVARIABLES : PAR EXEMPLE QUE SEULS LES ACCORDS DE MAPUTO NOUS PERMETTENT DE CETTE CRISE ,MAISAUSSI CES ACCORDS SONT NOS REMPARTS DE PROTECTION DE NOTRE SOUVERAINETE CONTRE LES VOLONTES DE RECOLONISATION..DE LA FRANCE ,QUI A TOUT ESSAYE POUR DETRICOTER CES ACCORDS..!

    En écrivant tous ces arguments je n’ai pas rêvé..et j’ai été et je suis persuadé que « mon petit avion en papier que j’ai lancé en l’air puisse poursuivre son vol..et atteindra son but :l’application des accords de MAPUTO envers et contre tout ,les yeux ouverts ! »
    Io no nataoko hoe :3eritrertra tsy voa ehy ,lasa nanjeny ,namakivaky ny habakabaka.. »

  13. Raha io FAT(Y) malaza eran-tany fa tompon-daka amin’ny lainga sy fandravana ny alan’ny bolabola io, tena mino tanteraka aho fa halatra nataony ihany ny ahiliny any amin’i Ravalo hanaratsiana ilay olona atahorany mafy sy ankahalainy io. Efa hay anie ny adi-nareo e ! Ny babakoto ihany no mbola voafitaka eo e ! Ny anareo efa diska gaoka !! Na ny tompny aza efa tsy tia intsony fa efa maimbo !!!

  14. Oh ry sadic ah, aza dia lany andro manenjika sy manaratsy ny Dadanay, efa kely sisa dia hipoaka ny sarom-bilany.Efa hita izao fa tsy zakan’ny tsenanareo ny FILOHA HAJAINA RAVALOMANANA koa, mipetraha tsara fa lohanangidina.

  15. ELAS
    Bebe?HA HA HA HA ny zanak’i dada indray hono no milaza ny sasany ho bebe HA HA HA HA HA
    Poezia ve no entina hiadiana amin’izao krizy mafy be izao?Efa dia valala voatango ka ventsoventso sisa.Misy miombon-kevitra amiko io ambony io hoe maninona raha mba manao tononkalo ianareo fa tsy manao politika rehefa tsy misy hapoaka ihany?Aoka ho an’olon-dehibe manan hery sy miaina anatin’ny zava-misy fa tsy nofinofy ny politika
    Bebe HA HA HA HA HA
    Manofisa atoandro ry zanak’i dada fa io dadanareo io tsy ho tafaverina intsony eo ambony seza veriny

  16. Mba lasa ny saiko rizareo. Mba ohatrinona ary ny karaman’i Sadic io manaraka tsy an-kiato ato sy manisy sira foana. Bois de rose firy aza no efa azony. Villa firy ary no efa amin’ny anarany. Volamena firy grama ary no eny ambozony sy ny tanany (à l’instar de tous ces arrivistes à ce soit-disant pouvoir). Z’inona moa izay fifamaliana eto. Z’inona moa isika rehetra eto. Andriamanitra mahita ny zavatra rehetra sy mamaly araka izany. Mahazo avo vava izy. Tsy ho zakany (izy sy ny forongona eo amin’io fitondrana angalarina amin-kery io )ny ho valin’izao famotehana tanindrazana izao sy ny alahelon’ny vahoaka tsy nanontaniana fa voatery miaritra ny heviny sy ny vokatry ny asa ratsiny. Hanody azy sy ny taranany faramandimby ny zava-bitany rehetra tam ity tanindrazana ity ny sy fahoriana rehetra iaretan’ny tsy manan-tsiny, ny ranomaso latsaka rehetra noho izany sns…Raha hiteny izy fa tsara ny nataony , dia hamafisiko etoana, hanody azy sy ny taranany ny zava-bitany rehetra. Atao ihany ny tsy hiteny. Fa tsy mety… AMEN.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *