Io indray ny HMF !

14 juillet 2010
HMF 13/07/2010

HMF 13/07/2010

.
Tonga masiaka indray ny HMF !
.
Nanao valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety, teny Ambohimanarina, ireo mpikambana ao amin’ny HMF, io hariva io. Ahitana mpitondra fivavahana sy mpino kristiana samihafa. « Miharihary izao fa vao mainka manjaka ny jadona sy ny famoretana ireo izay mijoro hilaza ny marina, manamafy hatrany ny HMF fa « hijoro hatrany ampahasahiana na inona na inona no mety ho vokatr’izany ary mitohy ny hetsika ». Tsy hoan’olona iray na sokajin’olom-bitsy no anto-pijoroana fa izay anaovanay sorona ny tenanay : fahafatesana, vono sy ratra, gadra sy hazalamabo, fandaozana ny ankohonana sy ny fiangonana noho ny fanenjehana, hoy hatrany izy ireo.
.
Vohay ny radio, avoahay ny mpiasan’ny ny Radio Fahazavana nofonjaina !
.
Takianay amin’ny herinay rehetra ny hamoahana ireo mpanao gazetin’ny radio Fahazavana sy ny mpiara-miasa aminy. Tsy rariny hoy izy ireto ny fanaovana tany avo avaratra eo amin’ny fitondrana mpanao gazety : misy ny haino aman-jery manao izay ho hafany amin’ny « fambolena » fifankahalan’ny samy malagasy, niantso ny tafika hjikomy tamin’ny volana Martsa 2009, nampirisika olona tamin’ny fandoroana tranon’olona sy fananan’olona ireny. Ireo radio ireo anefa dia mijoro sy miasa tsy amin’ahiahy ary mbola manohy soamantsara izany fomba ratsiny izany.
.
Atsaharo ny fanenjehana !
.
Hanaovan’ireto namany antso avo ho ren’izao tontolo izao ny fampitsaharana ny fenenjehana ireo Mpitandrina sy Mpandrindra ny HMF izay hatao hazalambo. Tsy hampitony ny disadisa eto ny fikirizana hanoy ny fanagadrana, fanenjehana, ny fisamborana mpitondra fivavahana sy mpanao politika ary ny fitadiavam-bahaolana manao hitsin-dalana samy irery.
.
« Azo antoka tokoa ve ny tsy fiandaniana sy ny fahombiazan’ny raiamandreny mijoro sy ny coalition. Kanefa fantatra fa : Isan’ny naniraka sy nitso-drano azy ireo? » hoy hatrany ny HMF.
.
Nanentana ny mpino kristiana izy ireo « hijoro hatrany amin’ny fahamarinana » ary manolo-tanana hiara-hiasa amin’ny kristiana rehetra manana andraikitra any amin’ny fiangonana misy azy ary tsy anavahana finoana.

.

Communique Presse HMF 13/07/2010 (p 1/4)

Communique Presse HMF 13/07/2010 (p 1/4)

Communique Presse HMF 13/07/2010 (p 2/4)

Communique Presse HMF 13/07/2010 (p 2/4)

Communique Presse HMF 13/07/2010 (p 3/4)

Communique Presse HMF 13/07/2010 (p 3/4)

Communique Presse HMF 13/07/2010 (p 1/4)

Communique Presse HMF 13/07/2010 (p 1/4)



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Mitaky ny HMF
  2. Alliance démocratique
  3. Hilatsaka ben’ny tanàna indray i Rajoelina ?
  4. Communiqué du Front Républicain Démocrate Légaliste
  5. Fanambaran’ny Front Républicain Démocrate Légaliste

22 Comments

  • denise dit :

    Ohatrinona indray ny saosy nampanantenain’i Valomanana an’ireto Pasitera kely matim-bola ireto?
    Ireo taloha manko dia nampanantenaina 4×4, kinanjo ny aina no nafoy! Asa indray ireto manaraka ireto! Ho hita eo moa satria ny hiafarany dia ho faty momoka toy ny taloha ihany!

  • zazza dit :

    sambory daholo indray ireo mipoitra ireo, tsy mety fay, rasendrahasina efa nampinanina, ny vice pdt FJKM efa nitsoka, ny HMF nikevimbelona, inona indray no mbola ataon’ireo tsy matahotra fonja ireo?

  • Ziry Onésime dit :

    Ho anareo ry Denise sy Zazza!
    Hita mihitsy no tena maha-devoly misy tandroka anareo!.. Satria ve milaza ny marina ireo dia sahinareo ny manenjika azy toy izao?…
    Sao ianareo mihevitra fa ny fangalaranareo, ny famanoanareo olona, ny fanagadranareo ny olona izay mitaky ny Marina, dia ahafahanareo sy SATANANAREO toy an’i Andry RADOMELINA, mivalampatra mandrak’izay!… Tadidio hoy aho fa TSY MAINTSY HITSIKAFINA NY MARINA, ary efa manomboka izy izao.
    Atao ahoana tokoa moa no hireska aminareo loham-balala toy itony, izay diky no mitazona ny lohany?
    Ary tadidio tsara fa RAVALOMANANA tsy mpanome vola hanonongam-panjakana oahatra anareo, FA FITIAVANAY AZY matoa izahay mijoro toy izao!… Sa kakerin’ny amboakely tiana ianareo ry Denise sy zazza ka miteniteny tsy nanontaniana?
    Jereo moa ka ny pseudo avy aza no atao hoe « zazza »: izany hoe zaza vao mifoha am-pandriana, ka na ny masony aza tsy mahita ny maodidina akory!…WWWWWAAAAAAOOOOUUUUUHHHH!

  • dadazaka dit :

    Aza mamaly an’ireo intsony ry Ziry O. fa t.a.y. anie no ao anaty atidohan’izy ireo hany ka tsy mi-fonctionne fa guider-na fotsiny é!! (ry denise-nadia sy ry zazza ramandimbiarison!!!)

  • GBD dit :

    Dadazaka â
    ny tsokovoka , sy ny kongona koa ange mila hitsaina é !
    na dia tsimanjary aza…

  • kristelle dit :

    mawola ve ity dadazaka ity e!

  • kristelle dit :

    angaha raha tsy mitovy hevitra aminareo dia adala?ta no anaty loh a?matoa samy manana ny lohany samu manana ny heviny raha mbola tsy miova izao fanambanianareo olona izao i Dada tsy ho tafody mihintsy mba miova,e! MIVERENA

  • Belah dit :

    Tena foza tsisy saina mihitsy ry zazza sy kristelle ary kala denise. Ny vola sy 4×4 ihany no miteny amin ny fisainany. Tena tsisy conscience sy éthique. Ireo no tena DEVOLY lava rambo ka fongory.

  • Vaokely dit :

    Ka izany agne ry Belah no anaovan’i Kristelle/Nadia/Denise/zazza/Randria DAME PIPI e ! Mangalatra pièces jaunes dia alefany any Dago ividianany 4×4 d’occas (20 centimes d’euros par-ci par là, ça fait beaucoup depuis le début la crise…)

  • Sodofafana dit :

    Tena marina ny anao ry Belah,TENA DEVOLY LATSAKAN-TANY IREO, nefa aza adino fa « Miriorio foana ny angidina fa any ankady no iafarany ».

  • Ralezka dit :

    Ary nahoana moa raha tsy valiana akory ny resaka tsy misy rirany ataon’ny apondra eto ry Ziry Onésis, ry Dadazaka, ry GBD, ry Belah , ry Sodofafana, ry Vaokely ô . Na inona na inona ange no ataontsika malagasy tia tanindrazana, izay mikatsaka ny fahamarinana, ny fihavanana mba hanasoavana ity firenentsika ity dia hoy ny fitenenana hoe : » Ny apondra mitrena foana » ê !. Ao foana koa ny tsingala mpandoto rano ê !
    Izahay manokana moa azafady indrindra aminareo dia tsy manisy vidiny an’ireo andevozin’ny vola fototry ny ratsy rehetra ireo ê .

  • Ziry Onésime dit :

    Misaotra betsaka Ralezka a!… Tena marina ny soso-kevirao!..Mahasosotra fotsiny dia ohatry ny hoe resy be ery isika rehefa tsy miteny, fa dia ireo mpomba ny FATn’alika ireo no mibahana hatraiza hatraiza!

  • rakotobe dit :

    Za de manohana feno ny HMF. Koa satria FAHAMARINANA no tadiavinareo dia enga anie ka ho hitanareo izany:
    Enga anie ka ho hitanareo ny zavatra nataon’R8, ny halatra tany, fangalarana volambahoaka, 7 febroary…… Mahereza indrindra

  • mino dit :

    HOAN’I DENISE SY ZAZZA ARY RAKOTOBE, hianareo reo no atao FOZA-PATY, satria matahotra ny fahamarinana, alao hitsikafona eto fa ny fahefana misy amin’izao dia fahefan’ny HOMOSEXUEL,i andry,resampa,virappin,rabetsarohana…sns, ka tokony ho ravana sy faizin’ANDRIAMANITRA, ny FATy koa sady mpandroba fananambahoaka ny bois de rose,vola tao @ tresor sy B C,mpamono olona 26 janv 2009, 26-28 mars 2009′, 20mai 2010 …sns, ny FATy dia DAHALO mpangalatr’omby mbola maro tsy hovoa tanisa eto ny asa vitandRADOMELINA SY ireo oloom-PATy ireo;izany no ilana ny HMFahamarinana mba hijoro hatramin’ny farany mahereza isIka vahoaka MANAKASINA

  • kevoka dit :

    isaky ny miteny ry kristelle kambana dia gadrao,vonoy tifiro, ataovy mahita ny …dia izany foana ve!!!
    Fa inona oa no hatahorana an’ireo HMF e?
    Ilay marina ve?

    Hihihihih mbola aiza e.
    Vao conference de presse fotsiny anie ireny

  • Ralezka dit :

    Marina aloha ry Ziry Onésis fa manorisory aloha na
    ny mahatsinjo ny anaran’izy ireo eto fotsiny aza satria tsapa mialoha sahady fa hevitra maivana , kitaingina miaro fitsikerana fotsiny no mba toriany lava eo .
    Tsy mba misy vaha-òlana nataon’izy ireo hatramin’izay ka izany indrindra no tsy handaniana
    fotoana amin’izy ireo eo intsony .
    Izao no mba hevitray ry Ziry Onésis ô : » Tsy resy
    akory ny olo-mangìna ».
    Azafady mba tohizako kely an’izao indray :
     » Méfiez-vous de l’eau qui dort » .
    Mahareza isika ê, efa ho roa taona izao no  » Marary i Madagasikara  » mila dokotera kanefa inona moa no andrasana amin’izay « charlatan-sankalite » eo ? Toa tsy nantsoin’ny reny malalany
    hanatrika ny matso teny amin’ny Champs Elysées akory ilay izy : tsy mendrika marina ê !?

  • Ralezka dit :

    Ny marina ry kevoka sy i mino tsy maintsy hibaribary eo na ho ela na ho aingana â !
    Matahotra fadiranovana ny hiaran’ny atambo ,ny ratsy rehetra ataony amin’ny firenena malagasy manontolo ry foza mianakavy mpanongam-panjakana ka ny mamono olona ihany no mameno ny lohany ê .
    Izay indrindra anie no hitenenan’azy ireo hoe:
     » Esory any ny kalach-nareo » ka ndaho hifanandrina samy tana-polo raha matanjaka marina ianareo manoloana ny Malagasy na dia efa reraky ny fijaliana aza izy ireo ê !

  • denise dit :

    Rajoelina: OK
    Valomanana: KO

  • LUCAS dit :

    mba soloy PDS hoa reo pasitera nilevim-belona reo fa mijaly ny mpivavaka !mandositra adidy ary manary ny ondriny ka omboy;mbola aiza ry luther king tsy mitsoaka ady !?Iza koa ny hanagadra an’i satrobory?Handany sakafo eny fotsiny ?Vola ariary mbola mavesatra aza

  • Rakotoniaina gino dit :

    Aza dia mitsikera na manaratsy izay olona manoratra ato ry zareo fa izay mamaky ny zavatra voasoratra ato dia efa mahafantatatra avy hatrany ny toetran’ilay mpanoratra azy na TGV io na TIM.

  • mpitolona dit :

    SAMIA VELON’AINA FA NY DADANAY TSY MAINTSY TAFODY NA TIANAREO NA TSY TIANAREO. NA HITENY IMPIRY EO AZA NAREO HOE TSY HODY DADANAREO. TSY RAHARAHANAY IZANy. TSY HOE ANDROANY AKORY NY FARA-ANDRO, ANDRIAMANITRA TSY ANDRIN’NY HAFA ANDRINAY ETO IHANY. NY IRARIANA DIA NY MBOLA HAHAVELON’AINA NY REHETRA HAHITA AN’IZAY FAHATONGAVAN’I DADANAY IZAY FA TSY ZAKANAREO IZAY FOTOANA IZAY. TSY HOE AKORY RAHA HITENITENY FOANA EO FOANA NAREO DIA HAMPIOVA NY HEVITRAY IZANY, SANATRIA!!!!!!!!!!!!!!!!!!

  • adala manantsaina dit :

    Izay misambotra mbola ho samborina e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site